🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (34 Andininy)
0/34
31:1
🔁 0/5
الٓمٓ ١
Alif-Laaam-Meeem
Alif, Làm, Mìm
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:2
🔁 0/5
تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡحَكِيمِ ٢
Tilka Aayaatul Kitaabil Hakeem
Indro ireo andinin’ilay Boky feno fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:3
🔁 0/5
هُدًى وَرَحۡمَةً لِّلۡمُحۡسِنِينَ ٣
Hudanw wa rahmatal lilmuhsineen
Tari-dàlana sy famindram-pò ho an’izay mpanao soa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:4
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يُقِيمُونَ ٱلصَّلَوٰةَ وَيُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ يُوقِنُونَ ٤
Allazeena yuqeemoonas Salaata wa yu`toonaz Zakaata wa hum bil Aakhirati hum yooqinoon
Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any an-koatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:5
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ عَلَىٰ هُدًى مِّن رَّبِّهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ ٥
Ulaaa`ika `alaa hudam mir Rabbihim wa ulaaa`ika humul muflihoon
Izy ireny no amin'ny làla-mahitsy avy amin'ny Tompon'izy ireo, ary izy ireny no nahazo ny fahombiazana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:6
🔁 0/5
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَشۡتَرِي لَهۡوَ ٱلۡحَدِيثِ لِيُضِلَّ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٍ وَيَتَّخِذَهَا هُزُوًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ مُّهِينٌ ٦
Wa minan naasi mai-yashtaree lahuwal hadeesi li yudilla `an sabeelil laahi bighairi `ilminw wa yattakhizahaa huzuwaa; ulaaa`ika lahum `azaabum muheen
Ary misy amin’ireo olona tsy manam-pahalalana, no mividy teny tsara lahatra, mampivily tsy ho any amin’ny làlan’Allah, ary maneso izany. Hiharan’ny famaizana mahafabaraka izy ireny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:7
🔁 0/5
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ءَايَٰتُنَا وَلَّىٰ مُسۡتَكۡبِرًا كَأَن لَّمۡ يَسۡمَعۡهَا كَأَنَّ فِيٓ أُذُنَيۡهِ وَقۡرًاۖ فَبَشِّرۡهُ بِعَذَابٍ أَلِيمٍ ٧
Wa izaa tutlaa `alayhi Aayaatunaa wallaa mustakbiran ka al lam yasma`haa ka anna feee uzunwihi waqran fabash shiru bi`azaabin aleem
Ary rehefa tanisaina aminy ireo fanambaranay, dia mitodi-damosina amim-piavonavonana izy, toy ny tsy mbola naheno izany mihitsy, toy ny misy vesatra ao anatin’ireo sofiny. Koa ambarao aminy àry ny famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:8
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُمۡ جَنَّٰتُ ٱلنَّعِيمِ ٨
Innal lazeena aamanoo wa `amilus saalihaati lahum Janaatun Na`eem
Ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireny ireo Zaridainan’ny Fahasambarana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:9
🔁 0/5
خَٰلِدِينَ فِيهَاۖ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقًّاۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ٩
Khaalideena feeha wa`dal laahi haqqaa; wa Huwal `Azeezul Hakeem
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ny fampanantenan’i Allah dia marina ! Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:10
🔁 0/5
خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ بِغَيۡرِ عَمَدٍ تَرَوۡنَهَاۖ وَأَلۡقَىٰ فِي ٱلۡأَرۡضِ رَوَٰسِيَ أَن تَمِيدَ بِكُمۡ وَبَثَّ فِيهَا مِن كُلِّ دَآبَّةٍۚ وَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءً فَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجٍ كَرِيمٍ ١٠
Khalaqas samaawaati bi ghairi `amadin tarawnahaa wa alqaa fil ardi rawaasiya an tameeda bikum wa bassa feehaa min kulli daaabbah; wa anzalnaa minas samaaa`i maaa`an fa ambatnaa feeha min kulli zawjin kareem
Izy no nahary ireo lanitra izay tsy misy andry fototra hitan’ny masonareo, ary nanorina mafy amin’ny tany ireo tendrombohitra mba tsy hanozongozona anareo; ary naeliny teo aminy ireo karazam-biby samy hafa, ary nampidinanay avy any an-danitra ny rano, ka noentinay nampitsiry avy amin’izany ho tsiroaroa ireo karazan-java-maniry mahasoa isan-karazany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:11
🔁 0/5
هَٰذَا خَلۡقُ ٱللَّهِ فَأَرُونِي مَاذَا خَلَقَ ٱلَّذِينَ مِن دُونِهِۦۚ بَلِ ٱلظَّٰلِمُونَ فِي ضَلَٰلٍ مُّبِينٍ ١١
Haazaa khalqul laahi fa aroonee maazaa khalaqal lazeena min doonih; baliz zaalimoona fee dalalim Mubeen
“Izany no fahariana nataon’i Allah. Koa asehonareo Ahy àry izay noharian’ireo ankoatr'Azy ?” Nefa ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana miharihary.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:12
🔁 0/5
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا لُقۡمَٰنَ ٱلۡحِكۡمَةَ أَنِ ٱشۡكُرۡ لِلَّهِۚ وَمَن يَشۡكُرۡ فَإِنَّمَا يَشۡكُرُ لِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَنِيٌّ حَمِيدٌ ١٢
Wa laqad aatainaa Luqmaanal hikmata anishkur lillaah; wa many yashkur fa innamaa yashkuru linafsihee wa man kafara fa innal laaha Ghaniyyun Hameed
Efa nomenay an’i Lokomany tokoa ny fahendrena : “Aoka ianao halala hankasitraka an’i Allah, fa n'iza n'iza mankasitraka dia marina fa mankasitraka ny tenany ihany, ary izay tsy mahavaly fitia kosa, Allah dia manana ny ampy, sy mendri-piderana”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:13
🔁 0/5
وَإِذۡ قَالَ لُقۡمَٰنُ لِٱبۡنِهِۦ وَهُوَ يَعِظُهُۥ يَٰبُنَيَّ لَا تُشۡرِكۡ بِٱللَّهِۖ إِنَّ ٱلشِّرۡكَ لَظُلۡمٌ عَظِيمٌ ١٣
Wa iz qaala luqmaanu libnihee wa huwa ya`izuhoo ya bunaiya laa tushrik billaah; innash shirka lazulmun `azeem
Ary rehefa niteny tamin’ny zanany lahy i Lokomany ka nananatra azy nanao hoe : “Ry anaka, aza mampikambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ianao, fa ny fanompoan-tsampy dia tsy rariny tafahoatra tokoa”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:14
🔁 0/5
وَوَصَّيۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ بِوَٰلِدَيۡهِ حَمَلَتۡهُ أُمُّهُۥ وَهۡنًا عَلَىٰ وَهۡنٍ وَفِصَٰلُهُۥ فِي عَامَيۡنِ أَنِ ٱشۡكُرۡ لِي وَلِوَٰلِدَيۡكَ إِلَيَّ ٱلۡمَصِيرُ ١٤
Wa wassainal bi waalidaihi hamalat hu ummuhoo wahnan `alaa wahninw wa fisaaluhoo fee `aamaini anishkur lee wa liwaalidaika ilaiyal maseer
Nandidy ny olombelona Izahay mahakasika ny ray aman-dreniny, fa ny reniny dia nitondra azy tao am-bohoka sy niharitra fahasahiranana ambonin’ny fahasahiranana, ny fampisarahana nono azy dia roa taona : “koa mankasitraha Ahy sy ireo ray aman-dreninao ianao. Fa aty Amiko ny fiafarana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:15
🔁 0/5
وَإِن جَٰهَدَاكَ عَلَىٰٓ أَن تُشۡرِكَ بِي مَا لَيۡسَ لَكَ بِهِۦ عِلۡمٌ فَلَا تُطِعۡهُمَاۖ وَصَاحِبۡهُمَا فِي ٱلدُّنۡيَا مَعۡرُوفًاۖ وَٱتَّبِعۡ سَبِيلَ مَنۡ أَنَابَ إِلَيَّۚ ثُمَّ إِلَيَّ مَرۡجِعُكُمۡ فَأُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ ١٥
Wa in jaahadaaka `alaaa an tushrika bee maa laisa laka bihee `ilmun falaa tuti`humaa wa saahib humaa fid dunyaa ma`roofanw wattabi` sabeela man anaaba ilayy; summa ilaiya marji`ukum fa unabbi`ukum bimaa kuntum ta`maloon
Fa raha manery anao izy roa (Ray aman-dreny) hanakambana Ahy amin’izay tsy anananao fahalalana, dia aoka ianao tsy hankatò azy ireo; kanefa miaraha amin’izy roa am-pahamendrehana eto an-tany ianao. Ary manaraha ny làlan’izay miverina aty Amiko. Fa aty Amiko no fiverenanareo, ka ho ambarako anareo izay rehetra nataonareo”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:16
🔁 0/5
يَٰبُنَيَّ إِنَّهَآ إِن تَكُ مِثۡقَالَ حَبَّةٍ مِّنۡ خَرۡدَلٍ فَتَكُن فِي صَخۡرَةٍ أَوۡ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ أَوۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ يَأۡتِ بِهَا ٱللَّهُۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَطِيفٌ خَبِيرٌ ١٦
Ya bunaiya innahaaa in taku misqaala habbatim min khardalin fatakun fee sakhratin aw fis samaawaati aw fil ardi yaati bihal laa; innal laaha lateefun Khabeer
Ô ry anaka ! Na dia mitovy lanja amin’ny voatsinampy iray aza (ny fahotana), izay ao anatin’ny karaobato, na any amin’ireo lanitra na eto an-tany dia ataon’i Allah ho tonga izany. Marina fa Allah dia be Fangorahana sy Mahalala tanteraka ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:17
🔁 0/5
يَٰبُنَيَّ أَقِمِ ٱلصَّلَوٰةَ وَأۡمُرۡ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَٱنۡهَ عَنِ ٱلۡمُنكَرِ وَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَآ أَصَابَكَۖ إِنَّ ذَٰلِكَ مِنۡ عَزۡمِ ٱلۡأُمُورِ ١٧
Yaa bunaiya aqimis-Salaata waamur bilma`roofi wanha `anil munkari wasbir `alaa maaa asaabaka inna zaalika min `azmil umoor
Ô ry anaka ! Tanteraho ny vavaka (soalat), mandidia amin’ny tsara sy mandrarà ny ratsy ary mahareta amin’izay manjò anao. Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:18
🔁 0/5
وَلَا تُصَعِّرۡ خَدَّكَ لِلنَّاسِ وَلَا تَمۡشِ فِي ٱلۡأَرۡضِ مَرَحًاۖ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ كُلَّ مُخۡتَالٍ فَخُورٍ ١٨
Wa laa tusa`-`ir khaddaka linnaasi wa laa tamshi fil ardi maarahan innal laaha laa yuhibbu kulla mukhtaalin fakhoor
Ary aza ahodina hiala olona ny tavanao[101], ary aza manitsaka ny tany amim-piavonavonana ianao. Marina fa Allah dia tsy tia izay rehetra miavonavona sy feno fireharehana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:19
🔁 0/5
وَٱقۡصِدۡ فِي مَشۡيِكَ وَٱغۡضُضۡ مِن صَوۡتِكَۚ إِنَّ أَنكَرَ ٱلۡأَصۡوَٰتِ لَصَوۡتُ ٱلۡحَمِيرِ ١٩
Waqsid fee mashyika waghdud min sawtik; inna ankaral aswaati lasawtul hameer
Ary aoka ho maotina ianao amin’ny fomba famindranao, ary alefaho ny feonao, fa ny feo tena ratsy indrindra dia ny feon’ny apondra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:20
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَوۡاْ أَنَّ ٱللَّهَ سَخَّرَ لَكُم مَّا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَأَسۡبَغَ عَلَيۡكُمۡ نِعَمَهُۥ ظَٰهِرَةً وَبَاطِنَةًۗ وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٍ وَلَا هُدًى وَلَا كِتَٰبٍ مُّنِيرٍ ٢٠
Alam taraw annal laaha sakhkhara lakum maa fis sa maawaati wa maa fil ardi wa asbaha `alaikum ni`amahoo zaahiratanw wa baatinah; wa minan naasi many yujaadilu fil laahi bighayri `ilminw wa laa hudanw wa laa Kitaabim muneer
Moa ve tsy hitanareo fa Allah dia nanao ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany ? Ary natobany eo aminareo ireo fahasoavany, na ny hita maso izany, na ny tsy hita maso. Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’i Allah, tsy amim-pahalalàna na tari-dàlana, na koa boky mazava.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:21
🔁 0/5
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ ٱتَّبِعُواْ مَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ قَالُواْ بَلۡ نَتَّبِعُ مَا وَجَدۡنَا عَلَيۡهِ ءَابَآءَنَآۚ أَوَلَوۡ كَانَ ٱلشَّيۡطَٰنُ يَدۡعُوهُمۡ إِلَىٰ عَذَابِ ٱلسَّعِيرِ ٢١
Wa izaa qeela lahumut-tabi`oo maaa anzalal laahu qaaloo bal nattabi`u maa wajadnaa `alaihi aabaaa`anaa; awalaw kaanash Shaitaanu yad`oohum ilaa `azaabis sa`eer
Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Arahanareo izay nampidinin’i Allah”, miteny izy ireo hoe : “Manaraka izay hitanay tamin’ny razambenay izahay”. Fa na dia ny satana aza ve no miantso azy ireo ho amin’ny famaizana mandoro mamaivay ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:22
🔁 0/5
۞ وَمَن يُسۡلِمۡ وَجۡهَهُۥٓ إِلَى ٱللَّهِ وَهُوَ مُحۡسِنٌ فَقَدِ ٱسۡتَمۡسَكَ بِٱلۡعُرۡوَةِ ٱلۡوُثۡقَىٰۗ وَإِلَى ٱللَّهِ عَٰقِبَةُ ٱلۡأُمُورِ ٢٢
Wa many yuslim wajha hooo ilal laahi wa huwa muhsinun faqadistamsaka bil`ur watil wusqaa; wa ilal laahi `aaqibatul umoor
Ary n'iza n'iza manetry tena eo amin’i Allah sady mpanao asa soa, dia efa nifikitra tanteraka amin’ny tahon-javatra mafy tokoa, fa any amin’i Allah no fiafaran-java-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:23
🔁 0/5
وَمَن كَفَرَ فَلَا يَحۡزُنكَ كُفۡرُهُۥٓۚ إِلَيۡنَا مَرۡجِعُهُمۡ فَنُنَبِّئُهُم بِمَا عَمِلُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ ٢٣
Wa man kafara falaa yahzunka kufruh; ilainaa marji`uhum fanunabbi`uhum bimaa `amiloo; innal laaha `aleemum bizaatis sudoor
Fa ireo izay tsy mino kosa, aoka tsy hampalahelo anao ny tsy finoany, aty Aminay no hiverenan’izy ireo, ka holazainay azy ireo, izay nataony rehetra. Marina fa Allah dia tena mahafantatra izay raiketin’ny fo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:24
🔁 0/5
نُمَتِّعُهُمۡ قَلِيلًا ثُمَّ نَضۡطَرُّهُمۡ إِلَىٰ عَذَابٍ غَلِيظٍ ٢٤
Numatti`uhum qaleelan summa nadtarruhum ilaa `azaabin ghaleez
Omenay fahafinaretana kely izy ireo, avy eo dia terenay mankany amin’ny famaizana mahery vaika izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:25
🔁 0/5
وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۚ قُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ ٢٥
Wa la`in sa altahum man khalaqas samaawaati wal arda la yaqoolunnal laah; qulil hamdu lillaah; bal aksaruhum laa ya`lamoon
Raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany ?”. Hiteny izy ireo hoe : “Allah !”. Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah ! ”. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:26
🔁 0/5
لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡغَنِيُّ ٱلۡحَمِيدُ ٢٦
Lilaahi ma fis samaa waati wal ard; innal laaha Huwal Ghaniyyul Hameed
An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany. Marina fa i Allah Ilay manana ny ampy, Ilay mendri-piderana !
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:27
🔁 0/5
وَلَوۡ أَنَّمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ مِن شَجَرَةٍ أَقۡلَٰمٌ وَٱلۡبَحۡرُ يَمُدُّهُۥ مِنۢ بَعۡدِهِۦ سَبۡعَةُ أَبۡحُرٍ مَّا نَفِدَتۡ كَلِمَٰتُ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٌ ٢٧
Wa law annamaa fil ardi min shajaratin aqlaamunw wal bahru yamudduhoo mim ba`dihee sab`atu abhurim maa nafidat Kalimaatul laah; innal laaha `azeezun Hakeem
Ary raha ny hazo rehetra eto an-tany havadika ho penina, ary koa ho lasa rano mainty ny ranomasina, ka mbola miampy ranomasina fito hafa indray taorian’izany dia tsy ho tapitra ireo tenin’i Allah. Satria Allah no Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:28
🔁 0/5
مَّا خَلۡقُكُمۡ وَلَا بَعۡثُكُمۡ إِلَّا كَنَفۡسٍ وَٰحِدَةٍۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٌ ٢٨
Maa khalqukum wa laa ba`sukum illaa kanafsinw-waa hidah; innal laaha Samee`um Baseer
Tsy inona ny fahariana anareo sy ny fitsangananareo amin’ny maty afa-tsy toy ny fanahy iray ihany. Marina fa Allah no Ilay Maheno sy Ilay Mahita ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:29
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَيُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِ وَسَخَّرَ ٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ كُلٌّ يَجۡرِيٓ إِلَىٰٓ أَجَلٍ مُّسَمًّى وَأَنَّ ٱللَّهَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٌ ٢٩
Alam tara annal laaha yoolijul laila fin nahaari wa yoolijun nahaara fil laili wa sakhkharash shamsa wal qamara kulluny yajreee ilaaa ajalim musammanw wa annal laaha bimaa ta`malona Khabeer
Moa ve tsy hitanao fa Allah dia mamadika ny alina ho amin’ny andro, ary mamadika ny andro ho amin’ny alina, ary nandrindra ny masoandro sy ny volana Ary i Allah no mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:30
🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِ ٱلۡبَٰطِلُ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ ٣٠
Zaalika bi annal laaha Huwal Haqqu wa anna maa yad`oona min doonihil baatilu wa annal laaha Huwal `Aliyyul Kabeer
Izany dia satria, Allah, Izy Ilay Marina, ary izay angatahan’izy ireo ankoatrany dia ilay diso. Ary Allah tokoa, Ilay Avo tena Avo, Ilay Lehibe indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:31
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱلۡفُلۡكَ تَجۡرِي فِي ٱلۡبَحۡرِ بِنِعۡمَتِ ٱللَّهِ لِيُرِيَكُم مِّنۡ ءَايَٰتِهِۦٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍ لِّكُلِّ صَبَّارٍ شَكُورٍ ٣١
Alam tara annal fulka tajree fil bahri bini`matil laahi li yuriyakum min Aayaatih; inna fee zaalika la Aayaatil likulli sabbaarin shakoor
Moa ve tsy hitanao fa ny sambo dia misosa eny an-dranomasina nohon'ny fahasoavan’i Allah, mba hampisehoany aminareo ny sasany amin’ireo famantarany ? Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’izay rehetra be faharetana sy mankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:32
🔁 0/5
وَإِذَا غَشِيَهُم مَّوۡجٌ كَٱلظُّلَلِ دَعَوُاْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ فَلَمَّا نَجَّىٰهُمۡ إِلَى ٱلۡبَرِّ فَمِنۡهُم مُّقۡتَصِدٌۚ وَمَا يَجۡحَدُ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَّا كُلُّ خَتَّارٍ كَفُورٍ ٣٢
Wa izaa ghashiyahum mawjun kazzulali da`a-wul laaha mukhliseena lahud deena fa lammaa najjaahum ilal barri faminhum muqtasid; wa maa yajhadu bi Aayaatinaa illaa kullu khattaarin kafoor
Ary rehefa misy onja tahaka ny aloka mandrakotra azy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy izy ireo. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia mbola misy amin’izy ireo no tsy feno fankasitrahana. Ary tsy misy mitsipaka ireo famantaranay, afa-tsy izay rehetra be famadihana sy be fikomiana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:33
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمۡ وَٱخۡشَوۡاْ يَوۡمًا لَّا يَجۡزِي وَالِدٌ عَن وَلَدِهِۦ وَلَا مَوۡلُودٌ هُوَ جَازٍ عَن وَالِدِهِۦ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقٌّۖ فَلَا تَغُرَّنَّكُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا وَلَا يَغُرَّنَّكُم بِٱللَّهِ ٱلۡغَرُورُ ٣٣
Yaaa ayyuhan naasuttaqoo Rabbakum wakhshaw Yawmal laa yajzee waalidun `anw waladihee wa laa mawloodun huwa jaazin `anw waalidihee shai`aa; innaa wa`dal laahi haqqun falaa taghurran nakumul hayaatud dunyaa wa laa yaghur rannakum billaahil gharoon
Ô ry olombelona ! Aoka hatahotra ny Tomponareo ianareo, ary matahora ny andro iray izay tsy hamalian’ny ray na inona na inona ho an’ny zanany, na koa ny zanaka tsy hamaly na inona na inona ho an’ny rainy. Ny fampanantenan’i Allah dia marina tokoa. Aoka tsy hamitaka anareo àry ny fiainana eto an-tany, ka tsy hamitaka anareo eo anatrehan’i Allah ilay mpamitaka (satana) !
🎤 Ny rakotra nataonao:
31:34
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ عِندَهُۥ عِلۡمُ ٱلسَّاعَةِ وَيُنَزِّلُ ٱلۡغَيۡثَ وَيَعۡلَمُ مَا فِي ٱلۡأَرۡحَامِۖ وَمَا تَدۡرِي نَفۡسٌ مَّاذَا تَكۡسِبُ غَدًاۖ وَمَا تَدۡرِي نَفۡسُۢ بِأَيِّ أَرۡضٍ تَمُوتُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمٌ خَبِيرُۢ ٣٤
Innal laaha `indahoo `ilmus saa`ati wa yunazzilul ghaisa wa ya`lamu maa fil arhaami wa maa tadree nafsum maazaa takisbu ghadaa; wa maa tadree nafsum bi ayyi ardin tamoot; innal laaha `Aleemun Khabeer
Marina fa Allah, Izy no manam-pahalalana momba ilay Ora, ary Izy no mampidina ny ranon’orana ary mahalala ihany koa izay ao am-bohoka Izy.Tsy misy mahafantatra izay hanjo azy rahampitso, ary tsy misy mahafantatra aiza ny tany ahafatesany. Marina fa Allah Ilay Mahalala, Ilay Mahafantatra tanteraka ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







