Surah Ar-Rahman amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Ar-Rahman miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (78 Andininy — مدنية). Ar-Rahman Henoy, Ar-Rahman Fandikana, Ar-Rahman mp3, Ar-Rahman pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Ar-Rahman
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
الشَّمْسُ وَالْقَمَرُ بِحُسْبَانٍ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Mihodina arakan'ny kajy ny masoandro sy ny volana.
وَالنَّجْمُ وَالشَّجَرُ يَسْجُدَانِ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Ary miankohoka ireo ahitra sy hazo maniry.
وَالسَّمَاءَ رَفَعَهَا وَوَضَعَ الْمِيزَانَ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Ny lanitra kosa dia nakarina ambony tokoa. Ary napetrany ny fadanjana.
أَلَّا تَطْغَوْا فِي الْمِيزَانِ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Mba tsy handikanareo lalàna amin’ny fadanjana.
وَأَقِيمُوا الْوَزْنَ بِالْقِسْطِ وَلَا تُخْسِرُوا الْمِيزَانَ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Ary aoka hametraka mandrakariva ny lanja marina ianareo, fa aza disoina ny fadanjana.
وَالْأَرْضَ وَضَعَهَا لِلْأَنَامِ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Ny tany indray dia novelarina ho an’ireo zava-manan’aina,
فِيهَا فَاكِهَةٌ وَالنَّخْلُ ذَاتُ الْأَكْمَامِ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Misy voankazo ao ary koa palma misy voany voafono,
وَالْحَبُّ ذُو الْعَصْفِ وَالرَّيْحَانُ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Toy ireo voa amin’ny akorany sy ireo zava-maniry manitra.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
خَلَقَ الْإِنسَانَ مِن صَلْصَالٍ كَالْفَخَّارِ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Nohariany avy amin’ny tanimanga maneno toy ny vilanitany ny olombelona.
وَخَلَقَ الْجَانَّ مِن مَّارِجٍ مِّن نَّارٍ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Ary Nohariany avy amin’ny lelan’afo tsy misy setroka ny djiny.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
رَبُّ الْمَشْرِقَيْنِ وَرَبُّ الْمَغْرِبَيْنِ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Tompon’ireo fiposahana roa, ary Tompon’ny filentehana roa !
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
مَرَجَ الْبَحْرَيْنِ يَلْتَقِيَانِ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Nomeny falalahana ireo rano masina roa mba hifanena.
بَيْنَهُمَا بَرْزَخٌ لَّا يَبْغِيَانِ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Misy fefy tsy dikain’izy ireo eo anelanelany.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
يَخْرُجُ مِنْهُمَا اللُّؤْلُؤُ وَالْمَرْجَانُ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Avy amin’izy roa ireo no mivoaka ny voahangy sy ny haran-drano masina.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
وَلَهُ الْجَوَارِ الْمُنشَآتُ فِي الْبَحْرِ كَالْأَعْلَامِ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Azy ireo sambo avo toy ny tendrombohitra eny ambon'ny ranomasina.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
كُلُّ مَنْ عَلَيْهَا فَانٍ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Tsy maintsy foana avokoa izay rehetra eo amin’ny tany.
وَيَبْقَىٰ وَجْهُ رَبِّكَ ذُو الْجَلَالِ وَالْإِكْرَامِ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Ny tavan’ny Tomponao no hany sisa tavela, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
يَسْأَلُهُ مَن فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ كُلَّ يَوْمٍ هُوَ فِي شَأْنٍ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Mitalaho Aminy, ireo izay any an-danitra sy ety an-tany. Isan’andro dia manao zavatra vaovao Izy.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
سَنَفْرُغُ لَكُمْ أَيُّهَ الثَّقَلَانِ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Hitsara anareo tsy ho ela Izahay ry olombelona sy djiny.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
يَا مَعْشَرَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ إِنِ اسْتَطَعْتُمْ أَن تَنفُذُوا مِنْ أَقْطَارِ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ فَانفُذُوا ۚ لَا تَنفُذُونَ إِلَّا بِسُلْطَانٍ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ry djiny sy ny olombelona ! Raha afaka mivoaka ivelan’ny sehatry ny lanitra sy ny tany ianareo, dia ataovy. Fa tsy afaka ny hivoaka ao ianareo, raha tsy amin’ny alalan’ny fahefana tsy manam-petra.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
يُرْسَلُ عَلَيْكُمَا شُوَاظٌ مِّن نَّارٍ وَنُحَاسٌ فَلَا تَنتَصِرَانِ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Ho alefa aminareo ny lelan’afo sy ny setroka, ka tsy hisy mpamonjy ianareo.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
فَإِذَا انشَقَّتِ السَّمَاءُ فَكَانَتْ وَرْدَةً كَالدِّهَانِ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Ary rehefa hitriatra ny lanitra dia hivaivay tahaka ny hoditra mena.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
فَيَوْمَئِذٍ لَّا يُسْأَلُ عَن ذَنبِهِ إِنسٌ وَلَا جَانٌّ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Amin’izay dia tsy hametrahana fanontaniana mikasika ny fahotany na ny olombelona na ny djiny.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
يُعْرَفُ الْمُجْرِمُونَ بِسِيمَاهُمْ فَيُؤْخَذُ بِالنَّوَاصِي وَالْأَقْدَامِ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Ho fantatra amin’endriny ireo mpanao ratsy. Ary ho raisina amin’ny volon-dohany sy ny tongony izy ireo .
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
هَٰذِهِ جَهَنَّمُ الَّتِي يُكَذِّبُ بِهَا الْمُجْرِمُونَ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Indro ny afobe izay nataon’ireo mpanao ratsy ho lainga .
يَطُوفُونَ بَيْنَهَا وَبَيْنَ حَمِيمٍ آنٍ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Hivezivezy eo amin’ny afo sy ny rano mangotraka tena mahamay izy ireo.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
وَلِمَنْ خَافَ مَقَامَ رَبِّهِ جَنَّتَانِ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Ary ho an’izay matahotra ny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony dia hahazo zaridaina roa izy.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
فِيهِمَا مِن كُلِّ فَاكِهَةٍ زَوْجَانِ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Misy karazany roa isaky ny voankazo ao.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
مُتَّكِئِينَ عَلَىٰ فُرُشٍ بَطَائِنُهَا مِنْ إِسْتَبْرَقٍ ۚ وَجَنَى الْجَنَّتَيْنِ دَانٍ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Hitehin-kiho eo ambon'ny lamaka misy lamba lasoa kotofo am-bolamena izy ireo, ary ho azony takarina ireo voankazo ao amin’ny zaridaina roa.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
فِيهِنَّ قَاصِرَاتُ الطَّرْفِ لَمْ يَطْمِثْهُنَّ إِنسٌ قَبْلَهُمْ وَلَا جَانٌّ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Hahita tovovavin’ny paradisa manana fijery madio izy ireo ao, tsy mbola niray ara-nofo, na tamin’ny olona, na tamin’ny djiny talohan’izy ireo.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
كَأَنَّهُنَّ الْيَاقُوتُ وَالْمَرْجَانُ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Ho tahaka ny vato soa sy haran-drano masina izy ireo.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
هَلْ جَزَاءُ الْإِحْسَانِ إِلَّا الْإِحْسَانُ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Moa misy valisoa hafa ho an’ny tsara va ankoatrany ny tsara ?
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
وَمِن دُونِهِمَا جَنَّتَانِ ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Ankoatra ireo zaridaina roa ireo dia misy zaridaina roa hafa.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
فِيهِمَا عَيْنَانِ نَضَّاخَتَانِ ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Ka hisy loharano miboiboika ao anatiny.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
فِيهِمَا فَاكِهَةٌ وَنَخْلٌ وَرُمَّانٌ ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Misy voankazo, hazon'ny palma, sy fototr’amponga ben-danitra ao.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
فِيهِنَّ خَيْرَاتٌ حِسَانٌ ٧٠
📖 Fandikana
Andininy 70
Hisy tsara fitondran-tena sy tsara tarehy ao.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٧١
📖 Fandikana
Andininy 71
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
حُورٌ مَّقْصُورَاتٌ فِي الْخِيَامِ ٧٢
📖 Fandikana
Andininy 72
Tovovavin’ny paradisa mihidy ao amin’ny tranolay,
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٧٣
📖 Fandikana
Andininy 73
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
لَمْ يَطْمِثْهُنَّ إِنسٌ قَبْلَهُمْ وَلَا جَانٌّ ٧٤
📖 Fandikana
Andininy 74
Izay tsy mbola niray ara-nofo tamin'olona na djiny talohan’izy ireo.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٧٥
📖 Fandikana
Andininy 75
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
مُتَّكِئِينَ عَلَىٰ رَفْرَفٍ خُضْرٍ وَعَبْقَرِيٍّ حِسَانٍ ٧٦
📖 Fandikana
Andininy 76
Hitehin-kiho eo ambony ondan-tseza maitso sy karipetra matevina sady tsara izy ireo.
فَبِأَيِّ آلَاءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ ٧٧
📖 Fandikana
Andininy 77
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
تَبَارَكَ اسْمُ رَبِّكَ ذِي الْجَلَالِ وَالْإِكْرَامِ ٧٨
📖 Fandikana
Andininy 78
Hamasinina anie ny Anaran’ny Tomponao, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana !
Vakio Surah Ar-Rahman Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers