Surah Al-Mulk amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Mulk miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (30 Andininy — مكية). Al-Mulk Henoy, Al-Mulk Fandikana, Al-Mulk mp3, Al-Mulk pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Mulk

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
تَبَارَكَ الَّذِي بِيَدِهِ الْمُلْكُ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Hamasinina anie Ilay manana ny fanjakana eo am-pelatanany fa Izy dia mahefa ny zava-drehetra.
الَّذِي خَلَقَ الْمَوْتَ وَالْحَيَاةَ لِيَبْلُوَكُمْ أَيُّكُمْ أَحْسَنُ عَمَلًا ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْغَفُورُ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Ilay Nahary ny fahafatesana sy ny fiainana mba hisedrany anareo,iza aminareo no manao asa tsara indrindra,ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay mpamela heloka.
الَّذِي خَلَقَ سَبْعَ سَمَاوَاتٍ طِبَاقًا ۖ مَّا تَرَىٰ فِي خَلْقِ الرَّحْمَٰنِ مِن تَفَاوُتٍ ۖ فَارْجِعِ الْبَصَرَ هَلْ تَرَىٰ مِن فُطُورٍ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ilay Nahary ny lanitra fito mifanaingina, ka tsy ahitanao fikorontanana amin'izay noharian' Ilay be fiantrana azy. Koa atopazo amin'izany ary ny masonao. Moa mahita hirika kely amin'izany va ianao?
ثُمَّ ارْجِعِ الْبَصَرَ كَرَّتَيْنِ يَنقَلِبْ إِلَيْكَ الْبَصَرُ خَاسِئًا وَهُوَ حَسِيرٌ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Avy eo dia atodio in-droa ny masonao, ka hiverina aminao ny Fijeriny, feno fahamenarana sady trotraka.
وَلَقَدْ زَيَّنَّا السَّمَاءَ الدُّنْيَا بِمَصَابِيحَ وَجَعَلْنَاهَا رُجُومًا لِّلشَّيَاطِينِ ۖ وَأَعْتَدْنَا لَهُمْ عَذَابَ السَّعِيرِ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Nohaingonay tokoa ny lanitra akaiky indrindra, tamin'ny alalan'ireo jiro (kintana), izay nataonay ho fitorahana ireo devoly, ary dia nanomana ny famaizan'ny afo mamaivay ho azy ireo Izahay.
وَلِلَّذِينَ كَفَرُوا بِرَبِّهِمْ عَذَابُ جَهَنَّمَ ۖ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Fa izay tsy nino ny Tompony dia hahazo ny famaizan'ny afobe. Fiafarana ratsy tokoa izany !
إِذَا أُلْقُوا فِيهَا سَمِعُوا لَهَا شَهِيقًا وَهِيَ تَفُورُ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Rehefa hatsipy ao izy ireo dia handre taraina ary dia hangotrangotraka ny ao.
تَكَادُ تَمَيَّزُ مِنَ الْغَيْظِ ۖ كُلَّمَا أُلْقِيَ فِيهَا فَوْجٌ سَأَلَهُمْ خَزَنَتُهَا أَلَمْ يَأْتِكُمْ نَذِيرٌ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Kely fotsiny no tsy ipoahany, vokatry ny Hatezerany. Isaka izay misy andiany atsipy ao dia manontany ireo mpiambina hoe: "Moa tsy nisy mpampitandrina tonga teo aminareo va ?"
قَالُوا بَلَىٰ قَدْ جَاءَنَا نَذِيرٌ فَكَذَّبْنَا وَقُلْنَا مَا نَزَّلَ اللَّهُ مِن شَيْءٍ إِنْ أَنتُمْ إِلَّا فِي ضَلَالٍ كَبِيرٍ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Dia hoy izy ireo namaly : "Eny ! Nisy tokoa ny mpampitandrina tonga teo aminay, saingy nataonay ho mpandainga, ka hoy izahay : "Tsy nampidina na inona na inona I Allah, fa very lalana tanteraka ianareo".
وَقَالُوا لَوْ كُنَّا نَسْمَعُ أَوْ نَعْقِلُ مَا كُنَّا فِي أَصْحَابِ السَّعِيرِ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Ka hoy izy ireo : "Raha mba nihaino na nisaina mantsy izahay dia tsy ho isan'ireo olon'ny afo mamaivay."
فَاعْتَرَفُوا بِذَنبِهِمْ فَسُحْقًا لِّأَصْحَابِ السَّعِيرِ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Nihaiky ny fahotany izy ireo. Ho levona mandrakizay anie ireo olon'ny afo mamaivay.
إِنَّ الَّذِينَ يَخْشَوْنَ رَبَّهُم بِالْغَيْبِ لَهُم مَّغْفِرَةٌ وَأَجْرٌ كَبِيرٌ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Ireo izay matahotra ny Tompony na tsy mahita Azy aza dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.
وَأَسِرُّوا قَوْلَكُمْ أَوِ اجْهَرُوا بِهِ ۖ إِنَّهُ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Na afeninareo aza ny teninareo na avoakanareo dia fantany tsara izay raiketin'ny fo.
أَلَا يَعْلَمُ مَنْ خَلَقَ وَهُوَ اللَّطِيفُ الْخَبِيرُ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Tsy ho fantany va izay namboariny kanefa dia Izy no Ilay feno fahamoram-po, Ilay tena mahafantatra.
هُوَ الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ الْأَرْضَ ذَلُولًا فَامْشُوا فِي مَنَاكِبِهَا وَكُلُوا مِن رِّزْقِهِ ۖ وَإِلَيْهِ النُّشُورُ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Izy no nametraka ny tany ho anareo koa tetezo ary ny fivelarany. Ary mihinàna amin'izay anjaram-pivelomana nomeny anareo. Fa ho any Aminy ny fitsanganana amin'ny maty.
أَأَمِنتُم مَّن فِي السَّمَاءِ أَن يَخْسِفَ بِكُمُ الْأَرْضَ فَإِذَا هِيَ تَمُورُ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandentika anareo amin'ny tany va ianareo? Ary indro fa efa mihovitrovitra Izy!
أَمْ أَمِنتُم مَّن فِي السَّمَاءِ أَن يُرْسِلَ عَلَيْكُمْ حَاصِبًا ۖ فَسَتَعْلَمُونَ كَيْفَ نَذِيرِ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Sa voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandefa tafio-bato aminareo ? Ary ho fantatrao amin'izany, ahoana ny fampitandremana avy aty Amiko.
وَلَقَدْ كَذَّبَ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ فَكَيْفَ كَانَ نَكِيرِ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Nilaza izany ho lainga ireo talohan'izy ireo. Nanao ahoana ary ny fanakianako (famaizana)!
أَوَلَمْ يَرَوْا إِلَى الطَّيْرِ فَوْقَهُمْ صَافَّاتٍ وَيَقْبِضْنَ ۚ مَا يُمْسِكُهُنَّ إِلَّا الرَّحْمَٰنُ ۚ إِنَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ بَصِيرٌ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Tsy hitan'izy ireo va ireo voro-manidina eo amboniny, izay mamelatra sy manakombona ny elany? Ilay be fiantrana ihany no mihazona azy ireny, fa mahita ny zavatra rehetra tokoa Izy.
أَمَّنْ هَٰذَا الَّذِي هُوَ جُندٌ لَّكُمْ يَنصُرُكُم مِّن دُونِ الرَّحْمَٰنِ ۚ إِنِ الْكَافِرُونَ إِلَّا فِي غُرُورٍ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Iza no hanangana tafika ho anareo, hamonjy anareo, ankoatran'ilay be fiantrana? Hamafisina, fa ao anatin'ny hadisoam-pahitana tanteraka ireo tsy mpino.
أَمَّنْ هَٰذَا الَّذِي يَرْزُقُكُمْ إِنْ أَمْسَكَ رِزْقَهُ ۚ بَل لَّجُّوا فِي عُتُوٍّ وَنُفُورٍ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Na koa iza no hanome anjaram-pivelomana anareo, raha mitsahatra tsy manome izany Izy ? Saingy mikiry amin'ny famingavingana sy ny fankahalana izy ireo.
أَفَمَن يَمْشِي مُكِبًّا عَلَىٰ وَجْهِهِ أَهْدَىٰ أَمَّن يَمْشِي سَوِيًّا عَلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Iza àry no tena voatari-dalana? Izay mandeha miondrika amin'ny tany va sa izay mandeha mitraka amin'ny lalana mahitsy?
قُلْ هُوَ الَّذِي أَنشَأَكُمْ وَجَعَلَ لَكُمُ السَّمْعَ وَالْأَبْصَارَ وَالْأَفْئِدَةَ ۖ قَلِيلًا مَّا تَشْكُرُونَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Dia lazao hoe: "Izy no nahary anareo, ka nanome anareo ny fandrenesana, ny fahitana sy ny fo". Nefa zara raha mankasitraka ianareo!
قُلْ هُوَ الَّذِي ذَرَأَكُمْ فِي الْأَرْضِ وَإِلَيْهِ تُحْشَرُونَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Ary lazao hoe : "Izy no nanaparitaka anareo teto an-tany, ary any Aminy no hanangonana anareo."
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا الْوَعْدُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”
قُلْ إِنَّمَا الْعِلْمُ عِندَ اللَّهِ وَإِنَّمَا أَنَا نَذِيرٌ مُّبِينٌ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Valio hoe : "An'I Allah irery ny fahalalana ny amin'izany. Fa izaho dia mpampitandrina mazava ihany no anjarako."
فَلَمَّا رَأَوْهُ زُلْفَةً سِيئَتْ وُجُوهُ الَّذِينَ كَفَرُوا وَقِيلَ هَٰذَا الَّذِي كُنتُم بِهِ تَدَّعُونَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Fa rehefa hahita akaiky izy ireo dia ho malok'endrika ireo tsy mpino. Ary dia ambara amin'izy ireo hoe : " Indro Izahay notadiavinareo !"
قُلْ أَرَأَيْتُمْ إِنْ أَهْلَكَنِيَ اللَّهُ وَمَن مَّعِيَ أَوْ رَحِمَنَا فَمَن يُجِيرُ الْكَافِرِينَ مِنْ عَذَابٍ أَلِيمٍ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Dia lazao hoe : " Ahoana ny hevitrareo ? Raha ho vonoin'I Allah aho sy ireo miaraka amiko, na hamindra fo aminay Izy. Fa iza kosa àry no mba hiaro ireo tsy mpino amin'ny famaizana mamirifiry ?"
قُلْ هُوَ الرَّحْمَٰنُ آمَنَّا بِهِ وَعَلَيْهِ تَوَكَّلْنَا ۖ فَسَتَعْلَمُونَ مَنْ هُوَ فِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Lazao hoe: " Izy no Ilay be fiantrana. Mino Azy izahay, ary Izy no ianteheranay. Ho fantatrareo tsy ho ela izay ho any amin'ny fahaverezana tanteraka".
قُلْ أَرَأَيْتُمْ إِنْ أَصْبَحَ مَاؤُكُمْ غَوْرًا فَمَن يَأْتِيكُم بِمَاءٍ مَّعِينٍ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Lazao hoe : “Fa ahoana ny hevitrareo? Raha milentika any amin’ny farany lalina indrindra any anaty tany ny rano, dia iza àry no hitondra loharano ho anareo?”
← 66 Al-Mulk (67/114) 68 →
Vakio Surah Al-Mulk Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

67الملك Al-Mulk 📚 30 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Mulk — 30 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers