Surah Al-Fath amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Fath miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (29 Andininy — مدنية). Al-Fath Henoy, Al-Fath Fandikana, Al-Fath mp3, Al-Fath pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Fath

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
إِنَّا فَتَحْنَا لَكَ فَتْحًا مُّبِينًا ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Marina tokoa fa nomenay fandresena miezinezina ianao.
لِّيَغْفِرَ لَكَ اللَّهُ مَا تَقَدَّمَ مِن ذَنبِكَ وَمَا تَأَخَّرَ وَيُتِمَّ نِعْمَتَهُ عَلَيْكَ وَيَهْدِيَكَ صِرَاطًا مُّسْتَقِيمًا ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Mba hamelan’I Allah izay mety ho fahadisoanao, na tamin’ny lasa izany na ny ho avy; sy hamenoany ny fahasoavany aminao, dia tarihany any amin’ny lalana mahitsy hatrany ianao ;
وَيَنصُرَكَ اللَّهُ نَصْرًا عَزِيزًا ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ary homen’I Allah anao ny famonjena matanjaka.
هُوَ الَّذِي أَنزَلَ السَّكِينَةَ فِي قُلُوبِ الْمُؤْمِنِينَ لِيَزْدَادُوا إِيمَانًا مَّعَ إِيمَانِهِمْ ۗ وَلِلَّهِ جُنُودُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَكَانَ اللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Izy no nampidina ny fahatoniana tao am-pon’ireo mpino mba hampitombo ny finoana efa ao amin’izy ireo. An’I Allah ny tafikin'ny lanitra sy ny tany; ary mahafantatra ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah.
لِّيُدْخِلَ الْمُؤْمِنِينَ وَالْمُؤْمِنَاتِ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا وَيُكَفِّرَ عَنْهُمْ سَيِّئَاتِهِمْ ۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عِندَ اللَّهِ فَوْزًا عَظِيمًا ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Mba ho ampidirana ireo mpino lahy sy vavy ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, izay hipetrahan’izy ireo mandrakizay, ary hamafany ny asa ratsin’izy ireo. Fahombiazana lehibe tokoa izany eo anatrehan’ny tompo Allah.
وَيُعَذِّبَ الْمُنَافِقِينَ وَالْمُنَافِقَاتِ وَالْمُشْرِكِينَ وَالْمُشْرِكَاتِ الظَّانِّينَ بِاللَّهِ ظَنَّ السَّوْءِ ۚ عَلَيْهِمْ دَائِرَةُ السَّوْءِ ۖ وَغَضِبَ اللَّهُ عَلَيْهِمْ وَلَعَنَهُمْ وَأَعَدَّ لَهُمْ جَهَنَّمَ ۖ وَسَاءَتْ مَصِيرًا ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary hanasaziany ireo mpihatsaravelatsihy, lahy sy vavy, ireo mpampitambatra an'I Allah amin’ny hafa, lahy sy vavy, izay mieritreri-dratsy an'I Allah. Hiverina amin’izy ireo ihany anie ny ratsy, tezitra amin’izy ireo Allah, sy nanozona azy ireo ary nanomana ny afobe ho azy ireo. Fiafarana ratsy tokoa izany !
وَلِلَّهِ جُنُودُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَكَانَ اللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
An’I Allah ireo tafiky ny lanitra sy ny tany, ary Allah no tsitoha sy be fahendrena.
إِنَّا أَرْسَلْنَاكَ شَاهِدًا وَمُبَشِّرًا وَنَذِيرًا ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Ho vavolombelona sy mpilaza vaovao tsara, ary ho mpampitandrina no nandefasanay anao.
لِّتُؤْمِنُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ وَتُعَزِّرُوهُ وَتُوَقِّرُوهُ وَتُسَبِّحُوهُ بُكْرَةً وَأَصِيلًا ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Mba hinoanareo an’I Allah sy ny irany, sy hanajanareo Azy, hanekenareo ny fahamendrehany, ary hanomezanareo voninahitr'Azy marain-tsy hariva.
إِنَّ الَّذِينَ يُبَايِعُونَكَ إِنَّمَا يُبَايِعُونَ اللَّهَ يَدُ اللَّهِ فَوْقَ أَيْدِيهِمْ ۚ فَمَن نَّكَثَ فَإِنَّمَا يَنكُثُ عَلَىٰ نَفْسِهِ ۖ وَمَنْ أَوْفَىٰ بِمَا عَاهَدَ عَلَيْهُ اللَّهَ فَسَيُؤْتِيهِ أَجْرًا عَظِيمًا ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Izay manao tokim-panoavana aminao dia manao tokim-panoavana amin’i Allah ihany koa, eo ambonin’ny tanan’izy ireo ny tanan’I Allah. Izay mandika ny fianianana, dia mandika izany ho an’ny tenany ihany; fa izay manatanteraka ny fifanekena tamin’I Allah kosa dia homeny valisoa lehibe tsy ho ela.
سَيَقُولُ لَكَ الْمُخَلَّفُونَ مِنَ الْأَعْرَابِ شَغَلَتْنَا أَمْوَالُنَا وَأَهْلُونَا فَاسْتَغْفِرْ لَنَا ۚ يَقُولُونَ بِأَلْسِنَتِهِم مَّا لَيْسَ فِي قُلُوبِهِمْ ۚ قُلْ فَمَن يَمْلِكُ لَكُم مِّنَ اللَّهِ شَيْئًا إِنْ أَرَادَ بِكُمْ ضَرًّا أَوْ أَرَادَ بِكُمْ نَفْعًا ۚ بَلْ كَانَ اللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرًا ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Ireo arabo mpifindra fonenana sasany tavela taty aoriana, dia hiteny aminao hoe : “Nanahirana anay ireo fanananay sy ireo fianakavianay, koa mangataha famelana ho anay”. Lazain’izy ireo amin’ny lelany izany, fa tsy mitovy ao am-pony. Lazao hoe : “Iza àry no manana fahefana aminareo eo anatrehan’I Allah, raha te-hanasazy anareo Izy, na te-hanao soa anareo ?" Saingy mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
بَلْ ظَنَنتُمْ أَن لَّن يَنقَلِبَ الرَّسُولُ وَالْمُؤْمِنُونَ إِلَىٰ أَهْلِيهِمْ أَبَدًا وَزُيِّنَ ذَٰلِكَ فِي قُلُوبِكُمْ وَظَنَنتُمْ ظَنَّ السَّوْءِ وَكُنتُمْ قَوْمًا بُورًا ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Noheverinareo fa tsy hiverina any amin’ny fianakaviany intsony ireo mpino sy ny Iraka. Koa dia nibahana tao am-ponareo izany, ary nanana hevi-dratsy ianareo. Ka lasa olom-bery.
وَمَن لَّمْ يُؤْمِن بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ فَإِنَّا أَعْتَدْنَا لِلْكَافِرِينَ سَعِيرًا ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ary na iza na iza tsy mino an’I Allah sy ny Irany dia hamafisina fa nanomana afo mamaivay Izahay ho an’ireo tsy mpino.
وَلِلَّهِ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ يَغْفِرُ لِمَن يَشَاءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَاءُ ۚ وَكَانَ اللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany .Mamela ny helok’izay tiany havela Izy, ary manafay izay tiany ho faizina. Fa mpamela heloka sy be indrafo hatrany Allah.
سَيَقُولُ الْمُخَلَّفُونَ إِذَا انطَلَقْتُمْ إِلَىٰ مَغَانِمَ لِتَأْخُذُوهَا ذَرُونَا نَتَّبِعْكُمْ ۖ يُرِيدُونَ أَن يُبَدِّلُوا كَلَامَ اللَّهِ ۚ قُل لَّن تَتَّبِعُونَا كَذَٰلِكُمْ قَالَ اللَّهُ مِن قَبْلُ ۖ فَسَيَقُولُونَ بَلْ تَحْسُدُونَنَا ۚ بَلْ كَانُوا لَا يَفْقَهُونَ إِلَّا قَلِيلًا ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Hiteny ireo tavela tany aoriana, rehefa nandeha ho any amin’ny fananana nobaboina ianareo mba haka izany hoe : “Avelao izahay hanaraka anareo”. Tian’izy ireo hovana ny tenin’I Allah. Lazao hoe : “Aza manaraka anay mihitsy ianareo, fa izany no efa nambaran’I Allah “. Saingy hiteny izy ireo hoe : “ Mialona anay ianareo”. Kanefa kely ihany ny fahafantaran’izy ireo.
قُل لِّلْمُخَلَّفِينَ مِنَ الْأَعْرَابِ سَتُدْعَوْنَ إِلَىٰ قَوْمٍ أُولِي بَأْسٍ شَدِيدٍ تُقَاتِلُونَهُمْ أَوْ يُسْلِمُونَ ۖ فَإِن تُطِيعُوا يُؤْتِكُمُ اللَّهُ أَجْرًا حَسَنًا ۖ وَإِن تَتَوَلَّوْا كَمَا تَوَلَّيْتُم مِّن قَبْلُ يُعَذِّبْكُمْ عَذَابًا أَلِيمًا ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Lazao ireo arabo mpifindrafindra fonenana tavela tany aoriana hoe : “Antsoina hifanandrina amin’ireo olona manana hery mampihorohoro ianareo. Ka hiady amin’izy ireo ianareo, na izy ireo manaraka ny finoana an’I Allah tokana. Raha Mankato ianareo, dia omen’I Allah valisoa mendrika, fa raha mitsipaka kosa ianareo, tahaka izay efa nataonareo teo aloha, dia ho saziany amin’ny sazy mamirifiry ”.
لَّيْسَ عَلَى الْأَعْمَىٰ حَرَجٌ وَلَا عَلَى الْأَعْرَجِ حَرَجٌ وَلَا عَلَى الْمَرِيضِ حَرَجٌ ۗ وَمَن يُطِعِ اللَّهَ وَرَسُولَهُ يُدْخِلْهُ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ ۖ وَمَن يَتَوَلَّ يُعَذِّبْهُ عَذَابًا أَلِيمًا ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Tsy misy tsiny azo omena ireo jamba, sy kilemaina, ary ny marary. Na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, dia hampidiriny amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny. Fa na iza na iza kosa mivily lalana, dia ho saziany amin’ny sazy mamirifiry.
۞ لَّقَدْ رَضِيَ اللَّهُ عَنِ الْمُؤْمِنِينَ إِذْ يُبَايِعُونَكَ تَحْتَ الشَّجَرَةِ فَعَلِمَ مَا فِي قُلُوبِهِمْ فَأَنزَلَ السَّكِينَةَ عَلَيْهِمْ وَأَثَابَهُمْ فَتْحًا قَرِيبًا ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Nankasitrahan’i Allah tokoa ireo mpino, tamin’izy ireo nanao tokim-panoavana taminao teo ambodihazo. Fantany ny ao am-pon’izy ireo, ka nampidininy teo amin’izy ireo ny fahatoniana, ary dia novaliany soa tamin’ny fandresena tsy ho ela izy ireo.
وَمَغَانِمَ كَثِيرَةً يَأْخُذُونَهَا ۗ وَكَانَ اللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Sy fananana maro voababo ho alain’izy ireo. Tsitoha sy be fahendrena I Allah.
وَعَدَكُمُ اللَّهُ مَغَانِمَ كَثِيرَةً تَأْخُذُونَهَا فَعَجَّلَ لَكُمْ هَٰذِهِ وَكَفَّ أَيْدِيَ النَّاسِ عَنكُمْ وَلِتَكُونَ آيَةً لِّلْمُؤْمِنِينَ وَيَهْدِيَكُمْ صِرَاطًا مُّسْتَقِيمًا ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Nampanantena fananana maro voababo ho alainareo Allah, ary nohafainganiny ho anareo izany, ka nampanalaviriny taminareo ny tanan’olona hafa, mba ho famantarana ho an’ireo mpino, ary hitarihany anareo amin’ny lalana mahitsy;
وَأُخْرَىٰ لَمْ تَقْدِرُوا عَلَيْهَا قَدْ أَحَاطَ اللَّهُ بِهَا ۚ وَكَانَ اللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرًا ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Nampanantena fananana hafa voababo ho anareo, izay tsy ho azonareo mihitsy Izy, kanefa dia nofehezin’I Allah tamin’ny heriny izany, satria mahefa ny zavatra rehetra Allah.
وَلَوْ قَاتَلَكُمُ الَّذِينَ كَفَرُوا لَوَلَّوُا الْأَدْبَارَ ثُمَّ لَا يَجِدُونَ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Ary raha miady aminareo ireo tsy mpino, dia tsy maintsy hitodi-doha izy ireo, ka tsy hahita namana na mpamonjy mihitsy.
سُنَّةَ اللَّهِ الَّتِي قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلُ ۖ وَلَن تَجِدَ لِسُنَّةِ اللَّهِ تَبْدِيلًا ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Izany no fitsipika napetrak’I Allah nampiharina tamin’ireo taranaka taloha. Ary tsy hahita fiovana amin’ny fitsipika napetrak’I Allah mihitsy ianao.
وَهُوَ الَّذِي كَفَّ أَيْدِيَهُمْ عَنكُمْ وَأَيْدِيَكُمْ عَنْهُم بِبَطْنِ مَكَّةَ مِن بَعْدِ أَنْ أَظْفَرَكُمْ عَلَيْهِمْ ۚ وَكَانَ اللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرًا ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Izy no nampihataka ny tanan’izy ireo taminareo, tao amin’ny lohasahan’i Makkat (Lameka), sady nampihataka ny tananareo tamin’izy ireo koa taorian’ny nampandreseny anareo. Ary hitan’I Allah tsara izay ataonareo.
هُمُ الَّذِينَ كَفَرُوا وَصَدُّوكُمْ عَنِ الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ وَالْهَدْيَ مَعْكُوفًا أَن يَبْلُغَ مَحِلَّهُ ۚ وَلَوْلَا رِجَالٌ مُّؤْمِنُونَ وَنِسَاءٌ مُّؤْمِنَاتٌ لَّمْ تَعْلَمُوهُمْ أَن تَطَئُوهُمْ فَتُصِيبَكُم مِّنْهُم مَّعَرَّةٌ بِغَيْرِ عِلْمٍ ۖ لِّيُدْخِلَ اللَّهُ فِي رَحْمَتِهِ مَن يَشَاءُ ۚ لَوْ تَزَيَّلُوا لَعَذَّبْنَا الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْهُمْ عَذَابًا أَلِيمًا ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Izy ireo no tsy nino sy nisakana anareo tsy ho any amin’ny trano masina fiankohofana sy nisakana ihany koa ny tsy hahatongavan’ny sorona voafatotra eo amin’ny toerana fanaovana izany. Raha tsy nisy ireo lehilahy mpino sy ireo vehivavy mpino, tsy fantatrareo (tao Lameka) izay saika voahitsakareo, ka nahatonga anareo ho sosotra tamin’izany nohon'ny tsy fahalalana izany dia mba hampidiran’I Allah izay tiany ao amin’ny famindram-pony. Ary raha navahana ireo mpino, dia tsy maintsy nofaizinay tamin’ny famaizana mamirifiry tokoa izay tsy nino tamin’izy ireo (ireo mponin’i Lameka).
إِذْ جَعَلَ الَّذِينَ كَفَرُوا فِي قُلُوبِهِمُ الْحَمِيَّةَ حَمِيَّةَ الْجَاهِلِيَّةِ فَأَنزَلَ اللَّهُ سَكِينَتَهُ عَلَىٰ رَسُولِهِ وَعَلَى الْمُؤْمِنِينَ وَأَلْزَمَهُمْ كَلِمَةَ التَّقْوَىٰ وَكَانُوا أَحَقَّ بِهَا وَأَهْلَهَا ۚ وَكَانَ اللَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمًا ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Rehefa nataon'ireo tsy mpino tao am-pony ny hatezerana mafy nohon'ny tsy fahalalana, dia nampidinin’I Allah tamin’ny Irany sy tamin’ireo mpino kosa ny fahatoniana avy Aminy, ary nodidiny hanao teny fitiavam-bavaka izy ireo, izay izy ireo no mendrika sy akaiky izany. Fa mahafantatra ny zava-drehetra Allah.
لَّقَدْ صَدَقَ اللَّهُ رَسُولَهُ الرُّؤْيَا بِالْحَقِّ ۖ لَتَدْخُلُنَّ الْمَسْجِدَ الْحَرَامَ إِن شَاءَ اللَّهُ آمِنِينَ مُحَلِّقِينَ رُءُوسَكُمْ وَمُقَصِّرِينَ لَا تَخَافُونَ ۖ فَعَلِمَ مَا لَمْ تَعْلَمُوا فَجَعَلَ مِن دُونِ ذَٰلِكَ فَتْحًا قَرِيبًا ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Nohamarinin’I Allah ny fahitan’ny irany, tamin’izy nanambara tamim-pahamarinana hoe : “Hiditra ao amin’ny trano masina fiankohofana amim-piadanana tokoa ianareo raha sitrak’I Allah izany, rehefa avy nanala volo tanteraka ianareo na nitapa-bolo, tsy amim-pahatahorana”. Fantany izay tsy mbola fantatrareo. Ary ankoatra izany dia napetrany ny fandresena efa akaiky.
هُوَ الَّذِي أَرْسَلَ رَسُولَهُ بِالْهُدَىٰ وَدِينِ الْحَقِّ لِيُظْهِرَهُ عَلَى الدِّينِ كُلِّهِ ۚ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ شَهِيدًا ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Izy no nandefa ny irany miaraka amin’ny tari-dalana sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho ambonin’ny finoana hafa rehetra. Ampy hahita (ny zava-drehetra)I Allah.
مُّحَمَّدٌ رَّسُولُ اللَّهِ ۚ وَالَّذِينَ مَعَهُ أَشِدَّاءُ عَلَى الْكُفَّارِ رُحَمَاءُ بَيْنَهُمْ ۖ تَرَاهُمْ رُكَّعًا سُجَّدًا يَبْتَغُونَ فَضْلًا مِّنَ اللَّهِ وَرِضْوَانًا ۖ سِيمَاهُمْ فِي وُجُوهِهِم مِّنْ أَثَرِ السُّجُودِ ۚ ذَٰلِكَ مَثَلُهُمْ فِي التَّوْرَاةِ ۚ وَمَثَلُهُمْ فِي الْإِنجِيلِ كَزَرْعٍ أَخْرَجَ شَطْأَهُ فَآزَرَهُ فَاسْتَغْلَظَ فَاسْتَوَىٰ عَلَىٰ سُوقِهِ يُعْجِبُ الزُّرَّاعَ لِيَغِيظَ بِهِمُ الْكُفَّارَ ۗ وَعَدَ اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ مِنْهُم مَّغْفِرَةً وَأَجْرًا عَظِيمًا ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Irak’Allah i Mohammady. Masiaka amin’ny tsy mpino ireo mpiara-dia aminy, fa mifamindra-fo kosa amin’ny samy izy ireo. Hitanao miondrika izy ireo, miankohoka, mitady fahasoavana sy fankasitrahana avy amin’I Allah. Misy faritra avelan’ny fiankohofana ny tavan’izy ireo. Izany no endrika hanoharana azy ireo amin’ny Taoraty. Ary ny endrika hanoharana azy ireo ao amin’ny Evanjely dia toy ny voa vao mitsimoka, mihamafy, mihamatevina sy mitsangana amin’ny tahony, ka mahafaly ny mpamafy izay Ataony hahatezitra ireo tsy mpino amin’izy ireo. Mampanantena famelan-keloka sy valisoa lehibe ho an’izay mino ,manao asa soa amin’izy ireo Allah.
← 47 Al-Fath (48/114) 49 →
Vakio Surah Al-Fath Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

48الفتح Al-Fath 📚 29 Andininy مدنية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Fath — 29 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers