Surah Yosofy amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Yosofy miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (111 Andininy — مكية). Yosofy Henoy, Yosofy Fandikana, Yosofy mp3, Yosofy pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Yosofy

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
الر ۚ تِلْكَ آيَاتُ الْكِتَابِ الْمُبِينِ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
ALIF LAM RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana.
إِنَّا أَنزَلْنَاهُ قُرْآنًا عَرَبِيًّا لَّعَلَّكُمْ تَعْقِلُونَ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Nataonay amin'ny fiteny arabo izany Koroany izany, mba hisainanareo
نَحْنُ نَقُصُّ عَلَيْكَ أَحْسَنَ الْقَصَصِ بِمَا أَوْحَيْنَا إِلَيْكَ هَٰذَا الْقُرْآنَ وَإِن كُنتَ مِن قَبْلِهِ لَمِنَ الْغَافِلِينَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Tantarahanay Aminao ny tantara tsara indrindra nohon'ny fanambarana izay ataonay Aminao ao anatin' ity Koroany ity na dia anisan’ireo tsy mahalala izany aza Ianao teo aloha.
إِذْ قَالَ يُوسُفُ لِأَبِيهِ يَا أَبَتِ إِنِّي رَأَيْتُ أَحَدَ عَشَرَ كَوْكَبًا وَالشَّمْسَ وَالْقَمَرَ رَأَيْتُهُمْ لِي سَاجِدِينَ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Raha niteny tamin’ny Rainy i Josefa hoe : “Ry Dada, nahita (tamin’ny nofy) kintana iraika ambiny folo, ary koa ny masoandro sy ny volana aho, nahita azy ireo niankohoka teo anatrehako.”
قَالَ يَا بُنَيَّ لَا تَقْصُصْ رُؤْيَاكَ عَلَىٰ إِخْوَتِكَ فَيَكِيدُوا لَكَ كَيْدًا ۖ إِنَّ الشَّيْطَانَ لِلْإِنسَانِ عَدُوٌّ مُّبِينٌ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Namaly izy : Ry anaka, aza tantaraina amin’ireo rahalahinao ny nofinao, fa hanao teti-dratsy aminao izy ireo, tena marina fa i satana dia fahavalo miharihary ho an’ny olombelona.
وَكَذَٰلِكَ يَجْتَبِيكَ رَبُّكَ وَيُعَلِّمُكَ مِن تَأْوِيلِ الْأَحَادِيثِ وَيُتِمُّ نِعْمَتَهُ عَلَيْكَ وَعَلَىٰ آلِ يَعْقُوبَ كَمَا أَتَمَّهَا عَلَىٰ أَبَوَيْكَ مِن قَبْلُ إِبْرَاهِيمَ وَإِسْحَاقَ ۚ إِنَّ رَبَّكَ عَلِيمٌ حَكِيمٌ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary noho izany ny Tomponao dia hisafidy Anao sy hampianatra Anao ny fandikana nofy, ary ho tanterahiny Aminao sy amin’ny fianakavian’i Jakoba ny fahasoavany tahaka ny nanaovany izany tamin’ireo razambenao roa teo aloha dia Ibrahimo sy Isaka. Tena marina fa ny Tomponao dia be Fahalalàna sy be Fahendrena.
۞ لَّقَدْ كَانَ فِي يُوسُفَ وَإِخْوَتِهِ آيَاتٌ لِّلسَّائِلِينَ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Tena nisy fananarana tokoa ho an’ireo izay manontany, ny amin’i Josefa sy ireo rahalahiny
إِذْ قَالُوا لَيُوسُفُ وَأَخُوهُ أَحَبُّ إِلَىٰ أَبِينَا مِنَّا وَنَحْنُ عُصْبَةٌ إِنَّ أَبَانَا لَفِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Raha niteny izy ireo nanao hoe: “I Josefa sy ny rahalahiny, dia tian’ny rainay kokoa noho izahay, nefa izahay dia vondron’olona matanjaka. Tena ao anatin’ny hadisoana miharihary ny rainay”.
اقْتُلُوا يُوسُفَ أَوِ اطْرَحُوهُ أَرْضًا يَخْلُ لَكُمْ وَجْهُ أَبِيكُمْ وَتَكُونُوا مِن بَعْدِهِ قَوْمًا صَالِحِينَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
“Vonoy i Josefa, na hampanalaviro any amin’ny tany hafa izy, mba hitodihan’ny tavan’ny Rainareo, aminareo manokana, ary hahatonga anareo ho olona tsara any aoriana”.
قَالَ قَائِلٌ مِّنْهُمْ لَا تَقْتُلُوا يُوسُفَ وَأَلْقُوهُ فِي غَيَابَتِ الْجُبِّ يَلْتَقِطْهُ بَعْضُ السَّيَّارَةِ إِن كُنتُمْ فَاعِلِينَ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Hoy ny anankiray tamin’izy ireo: “Aza vonoina i Josefa, fa atsipazo ao anatina vovo iray, raha vonona ny hanao izany ianareo, mba handraisan’ny andian’olona sasany mpandeha azy indray”.
قَالُوا يَا أَبَانَا مَا لَكَ لَا تَأْمَنَّا عَلَىٰ يُوسُفَ وَإِنَّا لَهُ لَنَاصِحُونَ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Hoy izy ireo : “Ry Dadanay ô! Inona no mahazo anao, no tsy matoky anay mikasika an’i Josefa ianao? Nefa tsy manana hevi-dratsy momba azy izahay”.
أَرْسِلْهُ مَعَنَا غَدًا يَرْتَعْ وَيَلْعَبْ وَإِنَّا لَهُ لَحَافِظُونَ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Ka alefaso miaraka aminay izy rahampitso hitsangatsangana sy hilalao. Fa izahay dia vonona hiaro azy ”.
قَالَ إِنِّي لَيَحْزُنُنِي أَن تَذْهَبُوا بِهِ وَأَخَافُ أَن يَأْكُلَهُ الذِّئْبُ وَأَنتُمْ عَنْهُ غَافِلُونَ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Hoy izy : “Marina fa malahelo aho ny hitondranareo azy, ary matahotra aho, sao lanin’ny amboadia izy amin’ny fotoana mahavariana anareo, ka tsy hitandremanareo azy”.
قَالُوا لَئِنْ أَكَلَهُ الذِّئْبُ وَنَحْنُ عُصْبَةٌ إِنَّا إِذًا لَّخَاسِرُونَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Niteny izy ireo ka nanao hoe : " Raha sanatria ka ho lanin’ny amboadia tokoa Izy, nefa Izahay maro, tena faty antoka ho Anay izany.
فَلَمَّا ذَهَبُوا بِهِ وَأَجْمَعُوا أَن يَجْعَلُوهُ فِي غَيَابَتِ الْجُبِّ ۚ وَأَوْحَيْنَا إِلَيْهِ لَتُنَبِّئَنَّهُم بِأَمْرِهِمْ هَٰذَا وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ary raha nentin’izy ireo izy, ka nifanarahan’izy ireo ny hamarina azy, anaty vovo lalina indrindra, dia nambaranay taminy hoe: “Mbola hampahafantarinao azy ireo, indray andro any, izao nataon’izy ireo izao, fa tsy tsapan’izy ireo izany ankehitriny”.
وَجَاءُوا أَبَاهُمْ عِشَاءً يَبْكُونَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Tonga tany amin’ny Rainy izy ireo ny alina sady nitomany.
قَالُوا يَا أَبَانَا إِنَّا ذَهَبْنَا نَسْتَبِقُ وَتَرَكْنَا يُوسُفَ عِندَ مَتَاعِنَا فَأَكَلَهُ الذِّئْبُ ۖ وَمَا أَنتَ بِمُؤْمِنٍ لَّنَا وَلَوْ كُنَّا صَادِقِينَ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Niteny izy ireo ka nanao hoe : Oh ry Dadanay o ! nandeha nifaninana nihazakazaka Izahay, ka navelanay teo akaikin’ny entanay i Yosofa, ka nohanin’ny amboadia Izy. Ary tsy hino Anay velively Ianao, na dia milaza ny marina aza Izahay.”
وَجَاءُوا عَلَىٰ قَمِيصِهِ بِدَمٍ كَذِبٍ ۚ قَالَ بَلْ سَوَّلَتْ لَكُمْ أَنفُسُكُمْ أَمْرًا ۖ فَصَبْرٌ جَمِيلٌ ۖ وَاللَّهُ الْمُسْتَعَانُ عَلَىٰ مَا تَصِفُونَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Nentin’izy ireo ny akanjony lainga mihosi-drà . Niteny izy hoe : “Ny fanahy ratsinareo no nanosika anareo hanao tetika… ka tsy misy azoko atao afa-tsy ny faharetana tsara! Ary Allah no hangatahana vonjy amin’izay notantarainareo! ”
وَجَاءَتْ سَيَّارَةٌ فَأَرْسَلُوا وَارِدَهُمْ فَأَدْلَىٰ دَلْوَهُ ۖ قَالَ يَا بُشْرَىٰ هَٰذَا غُلَامٌ ۚ وَأَسَرُّوهُ بِضَاعَةً ۚ وَاللَّهُ عَلِيمٌ بِمَا يَعْمَلُونَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Nefa, nisy andian’olona anankiray tonga. Nirahin’izy ireo ny mpaka ny ranony, dia nampidina ny fanovozana kely. Hoy izy : “Vaovao mahafaly! Indro, nahita zazalahy kely aho!”. Ary nafenin’izy ireo izy (hamidy) toy ny entam-barotra. Nefa fantatr’Allah tsara izay ataon’izy ireo.
وَشَرَوْهُ بِثَمَنٍ بَخْسٍ دَرَاهِمَ مَعْدُودَةٍ وَكَانُوا فِيهِ مِنَ الزَّاهِدِينَ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ary dia namidin’izy ireo mora vidy izy, dirham vitsivitsy. Fa noheverin’izy ireo, ho tsy misy hajany izy.
وَقَالَ الَّذِي اشْتَرَاهُ مِن مِّصْرَ لِامْرَأَتِهِ أَكْرِمِي مَثْوَاهُ عَسَىٰ أَن يَنفَعَنَا أَوْ نَتَّخِذَهُ وَلَدًا ۚ وَكَذَٰلِكَ مَكَّنَّا لِيُوسُفَ فِي الْأَرْضِ وَلِنُعَلِّمَهُ مِن تَأْوِيلِ الْأَحَادِيثِ ۚ وَاللَّهُ غَالِبٌ عَلَىٰ أَمْرِهِ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Ary ilay nividy azy avy any Ejypta, dia niteny tamin’ny vadiny, ka hoy izy : “Raiso ampitiavana izy, fa mety hilaintsika na hatsangantsika ho zanaka”. Araka izany dia nataonay maritoerana tao an-tanàna i Josefa, ka nampianarinay azy ny fandikana ny nofy. Fa ambony amin’ny didiny Allah, nefa tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona izany.
وَلَمَّا بَلَغَ أَشُدَّهُ آتَيْنَاهُ حُكْمًا وَعِلْمًا ۚ وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Rehefa tonga ny fahamatoran-tsainy dia nomenay Azy ny fahendrena sy ny fahalalana. Tahaka izany no hamalianay ireo mpanao ny asa soa.
وَرَاوَدَتْهُ الَّتِي هُوَ فِي بَيْتِهَا عَن نَّفْسِهِ وَغَلَّقَتِ الْأَبْوَابَ وَقَالَتْ هَيْتَ لَكَ ۚ قَالَ مَعَاذَ اللَّهِ ۖ إِنَّهُ رَبِّي أَحْسَنَ مَثْوَايَ ۖ إِنَّهُ لَا يُفْلِحُ الظَّالِمُونَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Ary ilay (Zoulaikha) nandray azy tao an-tranony, dia niezaka ny haka fanahy azy, ka nakatony tsara ireo varavarana, ary hoy izy : “Avia, (vonona ho anao aho). Ka hoy izy namaly : “Hiaro ahy anie Allah! Ny tompoko no nanome ahy fialofana tsara. Ekena, fa tsy mahomby ireo mpanao ny tsy rariny”.
وَلَقَدْ هَمَّتْ بِهِ ۖ وَهَمَّ بِهَا لَوْلَا أَن رَّأَىٰ بُرْهَانَ رَبِّهِ ۚ كَذَٰلِكَ لِنَصْرِفَ عَنْهُ السُّوءَ وَالْفَحْشَاءَ ۚ إِنَّهُ مِنْ عِبَادِنَا الْمُخْلَصِينَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Ary naniry mafy Azy (an’i yosofa) Izy (ilay vehivavy). Ary ho naniry Azy koa Izy (yosofa), raha tsy nahita porofo miharihary tamin’ny Tompony. Tahaka izany no nampihatahanay taminy ny ratsy sy ny asa vetaveta. Marina fa Izy dia anisan’ireo mpanomponay voafidy.
وَاسْتَبَقَا الْبَابَ وَقَدَّتْ قَمِيصَهُ مِن دُبُرٍ وَأَلْفَيَا سَيِّدَهَا لَدَى الْبَابِ ۚ قَالَتْ مَا جَزَاءُ مَنْ أَرَادَ بِأَهْلِكَ سُوءًا إِلَّا أَن يُسْجَنَ أَوْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Ary dia nihazakazaka ho eny amin’ny varavarana izy roa, ka norovitin-dravehivavy ny akanjon’i Josefa, avy aty aoriana. Hitan’izy roa teo ambaravarana ny vadin-dravehivavy, ka hoy ravehivavy: “Inona no sazin’izay nanao ratsy tamin’ny ankohonanao (vadinao) raha tsy ny fonja, na sazy mamirifiry?”.
قَالَ هِيَ رَاوَدَتْنِي عَن نَّفْسِي ۚ وَشَهِدَ شَاهِدٌ مِّنْ أَهْلِهَا إِن كَانَ قَمِيصُهُ قُدَّ مِن قُبُلٍ فَصَدَقَتْ وَهُوَ مِنَ الْكَاذِبِينَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ka hoy i Josefa : “Izy no naka fanahy ahy”, ary nijoro vavolombelona ny anankiray tamin’ny fianakavian-dravehivavy nanao hoe : “Raha rovitra avy aty anoloana ny akanjon’i Josefa, dia ravehivavy no milaza ny marina, fa izy kosa dia isan’ireo mpandainga,
وَإِن كَانَ قَمِيصُهُ قُدَّ مِن دُبُرٍ فَكَذَبَتْ وَهُوَ مِنَ الصَّادِقِينَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Fa raha rovitra avy aty aoriana kosa ny fitafiny, dia ilay vehivavy no mpandainga ary izy (Youssouf) kosa dia anisan’ireo milaza ny marina.
فَلَمَّا رَأَىٰ قَمِيصَهُ قُدَّ مِن دُبُرٍ قَالَ إِنَّهُ مِن كَيْدِكُنَّ ۖ إِنَّ كَيْدَكُنَّ عَظِيمٌ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Ka rahefa hitan’ilay tompom-bady ny akanjon’i Josefa, fa rovitra avy any aoriana, dia hoy izy : “Tena fitakareo vehivavy mihitsy izao! Henjana tokoa ny fitakareo”.
يُوسُفُ أَعْرِضْ عَنْ هَٰذَا ۚ وَاسْتَغْفِرِي لِذَنبِكِ ۖ إِنَّكِ كُنتِ مِنَ الْخَاطِئِينَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Yosofa, aza mieritreritra izany intsony Ianao ! Ary Ianao, (ravehivavy) mangataha famelan-keloka nohon'ny fahotanao, marina fa Ianao dia anisan’ireo mpanao hadisoana ”.
۞ وَقَالَ نِسْوَةٌ فِي الْمَدِينَةِ امْرَأَتُ الْعَزِيزِ تُرَاوِدُ فَتَاهَا عَن نَّفْسِهِ ۖ قَدْ شَغَفَهَا حُبًّا ۖ إِنَّا لَنَرَاهَا فِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Ary niteny ireo vehivavy tao an-tànana hoe : “Niezaka naka fanahy ny mpanompony ny vadin’i Aziz, nataony adalampitiavana taminy mihitsy izy. Hitanay, fa tao amin’ny fahaverezana miharihary tokoa izy”.
فَلَمَّا سَمِعَتْ بِمَكْرِهِنَّ أَرْسَلَتْ إِلَيْهِنَّ وَأَعْتَدَتْ لَهُنَّ مُتَّكَأً وَآتَتْ كُلَّ وَاحِدَةٍ مِّنْهُنَّ سِكِّينًا وَقَالَتِ اخْرُجْ عَلَيْهِنَّ ۖ فَلَمَّا رَأَيْنَهُ أَكْبَرْنَهُ وَقَطَّعْنَ أَيْدِيَهُنَّ وَقُلْنَ حَاشَ لِلَّهِ مَا هَٰذَا بَشَرًا إِنْ هَٰذَا إِلَّا مَلَكٌ كَرِيمٌ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
ka rehefa naheno ny fifosana nataon’izy ireo Izy, dia nandefa fanasana tamin’izy ireo, ka nanomana sakafo maivana ho azy ireo Izy, ary notolorany antsy tsirairay avy izy ireo. Ary niteny Izy (vadin’ny mpanjaka ) ka nanao hoe : " Mivoaha mankany amin’izy ireo Ianao (Yosofa) ! ” Nony nahita azy izy ireo, dia talanjona taminy, ka nandidy ny tànany izy ireo, ary niteny ka nanao hoe : " Ny fahadiovana anie ho an’i Allah ! ity dia tsy mba olombelona, tsy inona Izy io fa Anjely mihaja ! ”
قَالَتْ فَذَٰلِكُنَّ الَّذِي لُمْتُنَّنِي فِيهِ ۖ وَلَقَدْ رَاوَدتُّهُ عَن نَّفْسِهِ فَاسْتَعْصَمَ ۖ وَلَئِن لَّمْ يَفْعَلْ مَا آمُرُهُ لَيُسْجَنَنَّ وَلَيَكُونًا مِّنَ الصَّاغِرِينَ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Hoy izy : “Indro ary ilay nanankiananareo ahy. Niezaka ny haka fanahy azy aho, nefa niaro tena fatratra tamin’izany izy. Raha ohatra ka tsy nanao izay nandidiako azy izy, dia ho any am-ponja, ary ho isan’ireo nanetri-tena”.
قَالَ رَبِّ السِّجْنُ أَحَبُّ إِلَيَّ مِمَّا يَدْعُونَنِي إِلَيْهِ ۖ وَإِلَّا تَصْرِفْ عَنِّي كَيْدَهُنَّ أَصْبُ إِلَيْهِنَّ وَأَكُن مِّنَ الْجَاهِلِينَ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Niteny i Yousofa ka nanao hoe : Oh ry Tompoko, ny fonja no tiako kokoa noho izay hiantsoan’izy ireo Ahy ka raha tsy mampihataka Amiko ny teti-dratsin’izy ireo Ianao, dia hirona amin’izy ireo Aho ary ho anisan’ireo tsy Mahalala (mpanota) Aho ”.
فَاسْتَجَابَ لَهُ رَبُّهُ فَصَرَفَ عَنْهُ كَيْدَهُنَّ ۚ إِنَّهُ هُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Ka namaly ny antsony ny Tompony ary nampiatahany taminy ny teti-dratsin’izy ireo. Tena marina fa Izy tokoa ilay Maheno sy ilay Mahalala ny zava-drehetra.
ثُمَّ بَدَا لَهُم مِّن بَعْدِ مَا رَأَوُا الْآيَاتِ لَيَسْجُنُنَّهُ حَتَّىٰ حِينٍ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Ary rehefa hitan’izy ireo niseho miharihary ireo porofo (amin’ny maha tsy manan-tsiny azy) dia nihevitra ihany izy ireo ny hampigadrana Azy mandritry ny fotoana fohy.
وَدَخَلَ مَعَهُ السِّجْنَ فَتَيَانِ ۖ قَالَ أَحَدُهُمَا إِنِّي أَرَانِي أَعْصِرُ خَمْرًا ۖ وَقَالَ الْآخَرُ إِنِّي أَرَانِي أَحْمِلُ فَوْقَ رَأْسِي خُبْزًا تَأْكُلُ الطَّيْرُ مِنْهُ ۖ نَبِّئْنَا بِتَأْوِيلِهِ ۖ إِنَّا نَرَاكَ مِنَ الْمُحْسِنِينَ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Niaraka niditra Taminy tao am-ponja ny mpanompo lahy anakiroa. Ny ankiray tamin’izy ireo dia niteny ka nanao hoe : " Nahita ny tenako tamin’ny nofy Aho fa namotsipotsika (voaloboka) atao toaka; ny iray hafa kosa dia niteny ka nanao hoe : " Izaho dia nahita ny tenako fa miloloha mofo izay nohanin’ireo voro-manidina. Hazavao Aminay ny dikan’ireo nofinay ireo. Tena marina fa Izahay dia mahita fa Ianao dia isan’ireo mpanao soa ”.
قَالَ لَا يَأْتِيكُمَا طَعَامٌ تُرْزَقَانِهِ إِلَّا نَبَّأْتُكُمَا بِتَأْوِيلِهِ قَبْلَ أَن يَأْتِيَكُمَا ۚ ذَٰلِكُمَا مِمَّا عَلَّمَنِي رَبِّي ۚ إِنِّي تَرَكْتُ مِلَّةَ قَوْمٍ لَّا يُؤْمِنُونَ بِاللَّهِ وَهُم بِالْآخِرَةِ هُمْ كَافِرُونَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
“ Mbola tsy tonga eo Aminareo akory ny sakafo izay omena Anareo, hoy Izy, dia ho lazaiko Aminareo sahady ny dikan’ireo nofy ireo mialoha ny fahatongavan’ny sakafo Aminareo roa. Izany dia anisan’izay nampianarin’ny Tompoko Ahy .Marina fa Izaho dia namela ny finoan’ny vahoaka izay tsy mino an’i Allah sy mandà ny fisian’ny fiainana any an-koatra ”.
وَاتَّبَعْتُ مِلَّةَ آبَائِي إِبْرَاهِيمَ وَإِسْحَاقَ وَيَعْقُوبَ ۚ مَا كَانَ لَنَا أَن نُّشْرِكَ بِاللَّهِ مِن شَيْءٍ ۚ ذَٰلِكَ مِن فَضْلِ اللَّهِ عَلَيْنَا وَعَلَى النَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَشْكُرُونَ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Ary Izaho dia nanaraka ny finoan’ireo razambeko Ibrahimo, Isaka sy i Jakoba. Izahay dia tsy mendrika hampikambana an’i Allah na amin’inona na amin’inona. Izany dia isan’ny fahasoavana nomen’i Allah anay sy ny olombelona rehetra, nefa kosa ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahay mankasitraka.
يَا صَاحِبَيِ السِّجْنِ أَأَرْبَابٌ مُّتَفَرِّقُونَ خَيْرٌ أَمِ اللَّهُ الْوَاحِدُ الْقَهَّارُ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Oh Ianareo roa lahy namako ato am-ponja ! Moa ve tompo maro misaratsaraka no tsara indrindra sa i Allah ilay Tokana, ilay Mpifehy ambony indrindra ?
مَا تَعْبُدُونَ مِن دُونِهِ إِلَّا أَسْمَاءً سَمَّيْتُمُوهَا أَنتُمْ وَآبَاؤُكُم مَّا أَنزَلَ اللَّهُ بِهَا مِن سُلْطَانٍ ۚ إِنِ الْحُكْمُ إِلَّا لِلَّهِ ۚ أَمَرَ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا إِيَّاهُ ۚ ذَٰلِكَ الدِّينُ الْقَيِّمُ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Ianareo dia tsy manompo ankoatr'Azy, afa-tsy ireo anarana izay noforoninareo sy ny razambenareo, izay tsy nampidinan’i Allah porofo. Tsy an’iza ny fahefana afa-tsy an’i Allah irery ihany. Nandidy Anareo Izy tsy hanompo afa-tsy Izy ihany. Izany no finoana mahitsy, nefa ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra.
يَا صَاحِبَيِ السِّجْنِ أَمَّا أَحَدُكُمَا فَيَسْقِي رَبَّهُ خَمْرًا ۖ وَأَمَّا الْآخَرُ فَيُصْلَبُ فَتَأْكُلُ الطَّيْرُ مِن رَّأْسِهِ ۚ قُضِيَ الْأَمْرُ الَّذِي فِيهِ تَسْتَفْتِيَانِ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Ô Ianareo roalahy namako ato am-ponja ! Ny iray Aminareo dia hampisotro divay (toaka) ny tompony, ny ankiray Aminareo kosa dia ho fantsihana (amin’ny hazo fijaliana) ary ireo vorona dia ihinana ny lohany, efa tontosa izany ny raharaha izay nanontanianareo roalahy Ahy ”.
وَقَالَ لِلَّذِي ظَنَّ أَنَّهُ نَاجٍ مِّنْهُمَا اذْكُرْنِي عِندَ رَبِّكَ فَأَنسَاهُ الشَّيْطَانُ ذِكْرَ رَبِّهِ فَلَبِثَ فِي السِّجْنِ بِضْعَ سِنِينَ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Ary hoy izy tamin’ny iray amin’izy roa, ilay nihevitra fa ho avotra: “Ampahatsiahivo any amin’ny tomponao any aho”, saingy nampanadinoin’ny devoly azy, ny filazana momba an’i Josefa tany amin’ny tompony. Koa dia nijanona taona vitsivitsy tao am-ponja i Josefa.
وَقَالَ الْمَلِكُ إِنِّي أَرَىٰ سَبْعَ بَقَرَاتٍ سِمَانٍ يَأْكُلُهُنَّ سَبْعٌ عِجَافٌ وَسَبْعَ سُنبُلَاتٍ خُضْرٍ وَأُخَرَ يَابِسَاتٍ ۖ يَا أَيُّهَا الْمَلَأُ أَفْتُونِي فِي رُؤْيَايَ إِن كُنتُمْ لِلرُّؤْيَا تَعْبُرُونَ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Ary hoy ny mpanjaka: “Marina fa Izaho dia nahita tamin’ny nofy, ombivavy matavy fito natelin’ny ombivavy mahia fito, ary salohy maitso fito sy salohy maina hafa mitovy isa. Ry loholona mpanolotsaina, omeo fanazavana amin’io fahitako io aho raha hainareo ny mandika ny nofy”.
قَالُوا أَضْغَاثُ أَحْلَامٍ ۖ وَمَا نَحْنُ بِتَأْوِيلِ الْأَحْلَامِ بِعَالِمِينَ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Niteny izy ireo nanao hoe : " izany dia nofy maro mifangaro ! ary Izahay dia tsy mahay mandika ny nofy ! “
وَقَالَ الَّذِي نَجَا مِنْهُمَا وَادَّكَرَ بَعْدَ أُمَّةٍ أَنَا أُنَبِّئُكُم بِتَأْوِيلِهِ فَأَرْسِلُونِ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ary niteny ny iray tamin’izy roalahy izay afaka tao am-ponja taorian’ny fotoana fohy nahatsiarovany : “ Omeko Anareo ny dikany ka alefaso àry Aho ”.
يُوسُفُ أَيُّهَا الصِّدِّيقُ أَفْتِنَا فِي سَبْعِ بَقَرَاتٍ سِمَانٍ يَأْكُلُهُنَّ سَبْعٌ عِجَافٌ وَسَبْعِ سُنبُلَاتٍ خُضْرٍ وَأُخَرَ يَابِسَاتٍ لَّعَلِّي أَرْجِعُ إِلَى النَّاسِ لَعَلَّهُمْ يَعْلَمُونَ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
“ Oh ry Yosofa, Ianao ilay olona marina ! Hazavao Aminay ny momba’ny omby vavy matavy fito nohanin’ny omby vavy mahia fito, sy salohin-java-maniry maitso fito ary salohin-java-maniry maina hafa mitovy isa Aminy, mba hiverenako amin’ireo olona, angamba ahafantatra ny dikan’izany nofy izany izy ireo ”.
قَالَ تَزْرَعُونَ سَبْعَ سِنِينَ دَأَبًا فَمَا حَصَدتُّمْ فَذَرُوهُ فِي سُنبُلِهِ إِلَّا قَلِيلًا مِّمَّا تَأْكُلُونَ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Namaly izy (Josefa) ka nanao hoe : “ Aoka hamboly mandritry ny fito taona misesy Ianareo.Izay rehetra voanjinjanareo dia avelao amin’ny salohiny, afa-tsy izay kelikely ho haninareo.
ثُمَّ يَأْتِي مِن بَعْدِ ذَٰلِكَ سَبْعٌ شِدَادٌ يَأْكُلْنَ مَا قَدَّمْتُمْ لَهُنَّ إِلَّا قَلِيلًا مِّمَّا تُحْصِنُونَ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Ary manaraka izany dia hisy fito taona ny hain-tany sy ny mosary ihinananareo izay nangoninareo afa-tsy ireo kelikely ataonareo voa hafafy.
ثُمَّ يَأْتِي مِن بَعْدِ ذَٰلِكَ عَامٌ فِيهِ يُغَاثُ النَّاسُ وَفِيهِ يَعْصِرُونَ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Ary avy eo, dia hisy taona iray hamonjena ny olona (amin’ny alalan’ny orana) ka handeha izy ireo eny amin’ny famiazam-boankazo.
وَقَالَ الْمَلِكُ ائْتُونِي بِهِ ۖ فَلَمَّا جَاءَهُ الرَّسُولُ قَالَ ارْجِعْ إِلَىٰ رَبِّكَ فَاسْأَلْهُ مَا بَالُ النِّسْوَةِ اللَّاتِي قَطَّعْنَ أَيْدِيَهُنَّ ۚ إِنَّ رَبِّي بِكَيْدِهِنَّ عَلِيمٌ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Ary niteny ilay mpanjaka ka nanao hoe : “ Ento aty Amiko Izy ”. Nony tonga teo aminy ny Iraka dia niteny i Yosofa (A.s) nanao hoe : " Miverena any amin’ny Tomponao Ianao ka hanontanio Azy, ahoana ny momba ireo vehivavy nandidy ny tànany (izy ireo) ? Marina fa ny Tompoko dia mahalala tanteraka ny teti-dratsin’izy ireo ”.
قَالَ مَا خَطْبُكُنَّ إِذْ رَاوَدتُّنَّ يُوسُفَ عَن نَّفْسِهِ ۚ قُلْنَ حَاشَ لِلَّهِ مَا عَلِمْنَا عَلَيْهِ مِن سُوءٍ ۚ قَالَتِ امْرَأَتُ الْعَزِيزِ الْآنَ حَصْحَصَ الْحَقُّ أَنَا رَاوَدتُّهُ عَن نَّفْسِهِ وَإِنَّهُ لَمِنَ الصَّادِقِينَ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Tamin’izay dia hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo : “Inona àry no nahatonga anareo hiezaka haka fanahy an’i Josefa?”, ka hoy izy ireo namaly : “Tsy sitrak’Allah izany! Tsy mahalala na inona na inona ratsy aminy izahay”, ary hoy ny vadin’i Aziz : “Miseho ny marina ankehitriny, izaho no te-haka fanahy azy, ary ekena fa isan’ny olo-marina izy”
ذَٰلِكَ لِيَعْلَمَ أَنِّي لَمْ أَخُنْهُ بِالْغَيْبِ وَأَنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي كَيْدَ الْخَائِنِينَ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Izany dia mba ahafantarany (vadin'ilay vehivavy) fa tsy namadika Azy Aho nandritry ny tsy nahateo Azy, ary marina fa i Allah dia tsy mitari-dàlana ny tetik’ireo mpamadika.
۞ وَمَا أُبَرِّئُ نَفْسِي ۚ إِنَّ النَّفْسَ لَأَمَّارَةٌ بِالسُّوءِ إِلَّا مَا رَحِمَ رَبِّي ۚ إِنَّ رَبِّي غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Tsy manadio ny tenako Aho ; fa ny fanahy dia tena mandrisika amin’ny fanaovan-dratsy tokoa, raha tsy nohon'ny indrafon’ny Tompoko (miaro Ahy amin’ny fahotana). Marina fa ny Tompoko dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
وَقَالَ الْمَلِكُ ائْتُونِي بِهِ أَسْتَخْلِصْهُ لِنَفْسِي ۖ فَلَمَّا كَلَّمَهُ قَالَ إِنَّكَ الْيَوْمَ لَدَيْنَا مَكِينٌ أَمِينٌ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Ary niteny ilay Mpanjaka ka nanao hoe : “ Ento aty Amiko Izy, atokako ho Ahy samy irery Izy ”. Ary rehefa niteny taminy Izy, dia nanao hoe : “ Tena marina fa Ianao manomboka androany dia akaiky Anay, hanana fahefana feno sy fitokisana ”.
قَالَ اجْعَلْنِي عَلَىٰ خَزَائِنِ الْأَرْضِ ۖ إِنِّي حَفِيظٌ عَلِيمٌ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Dia hoy izy (Josefa): “Ankino amiko ny fametrahana ireo entana eto an-tanàna, fa mpiambina tsara, sy mpahalala aho”.
وَكَذَٰلِكَ مَكَّنَّا لِيُوسُفَ فِي الْأَرْضِ يَتَبَوَّأُ مِنْهَا حَيْثُ يَشَاءُ ۚ نُصِيبُ بِرَحْمَتِنَا مَن نَّشَاءُ ۖ وَلَا نُضِيعُ أَجْرَ الْمُحْسِنِينَ ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Tahaka izany no nanamafisanay (fahefana) an’i Yosofa (Josefa) amin’io faritra io ary nipetraka tao Izy araka izay tiany. Omenay ny Famindran-ponay izay sitrakay ary tsy ho avelanay ho very ny valin’asan’ireo Mpanao soa.
وَلَأَجْرُ الْآخِرَةِ خَيْرٌ لِّلَّذِينَ آمَنُوا وَكَانُوا يَتَّقُونَ ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Ary ny valisoa any an-koatra no mendrika indrindra ho an’ireo izay nino sy nanam-patahorana.
وَجَاءَ إِخْوَةُ يُوسُفَ فَدَخَلُوا عَلَيْهِ فَعَرَفَهُمْ وَهُمْ لَهُ مُنكِرُونَ ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Ary tonga ireo Rahalahin’i Yosofa (Josefa) ka niditra tao Aminy. Nahafantatra azy ireo Izy, fa izy ireo kosa dia tsy nahafantatra Azy.
وَلَمَّا جَهَّزَهُم بِجَهَازِهِمْ قَالَ ائْتُونِي بِأَخٍ لَّكُم مِّنْ أَبِيكُمْ ۚ أَلَا تَرَوْنَ أَنِّي أُوفِي الْكَيْلَ وَأَنَا خَيْرُ الْمُنزِلِينَ ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Ary rehefa nanome tahirin-tsakafo voahomana ho Azy ireo Izy, dia niteny hoe : ” Ento aty Amiko ny Rahalahinareo anankiray avy amin’ny Rainareo. Moa ve tsy hitanareo fa Izaho no nanome Anareo fatra feno tsara, ary Izaho no mendrika indrindra amin’ireo mpampian-trano ?
فَإِن لَّمْ تَأْتُونِي بِهِ فَلَا كَيْلَ لَكُمْ عِندِي وَلَا تَقْرَبُونِ ۝٦٠
📖 Fandikana Andininy 60
Raha tsy entinareo mankaty Amiko Izy, dia tsy hisy tahirin-tsakafonareo intsony aty Amiko. Ary aza manatona Ahy mihitsy ”.
قَالُوا سَنُرَاوِدُ عَنْهُ أَبَاهُ وَإِنَّا لَفَاعِلُونَ ۝٦١
📖 Fandikana Andininy 61
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Hiezaka Izahay handresy lahatra ny Rainay, ary tena hataonay tokoa izany.
وَقَالَ لِفِتْيَانِهِ اجْعَلُوا بِضَاعَتَهُمْ فِي رِحَالِهِمْ لَعَلَّهُمْ يَعْرِفُونَهَا إِذَا انقَلَبُوا إِلَىٰ أَهْلِهِمْ لَعَلَّهُمْ يَرْجِعُونَ ۝٦٢
📖 Fandikana Andininy 62
Ary niteny izy tamin’ireo mpanompony : “ Averinareo any amin’ny kitapon’izy ireo ny entany, angamba ho fantatr’izy ireo izany rehefa tafaverina any amin’ny fianakaviany izy ireo, angamba hiverina indray izy ireo ”.
فَلَمَّا رَجَعُوا إِلَىٰ أَبِيهِمْ قَالُوا يَا أَبَانَا مُنِعَ مِنَّا الْكَيْلُ فَأَرْسِلْ مَعَنَا أَخَانَا نَكْتَلْ وَإِنَّا لَهُ لَحَافِظُونَ ۝٦٣
📖 Fandikana Andininy 63
Ary nony tafaverina tany amin’ny Rainy izy ireo, dia niteny ka nanao hoe : ” O ry Dadanay o ! Tsy hahazo tahirin-tsakafo intsony Izahay (amin’ny manaraka) koa alefaso miaraka Aminay ny Rahalahinay mba hahazoanay vatsy, ary Izahay dia tena hiaro Azy tsara.
قَالَ هَلْ آمَنُكُمْ عَلَيْهِ إِلَّا كَمَا أَمِنتُكُمْ عَلَىٰ أَخِيهِ مِن قَبْلُ ۖ فَاللَّهُ خَيْرٌ حَافِظًا ۖ وَهُوَ أَرْحَمُ الرَّاحِمِينَ ۝٦٤
📖 Fandikana Andininy 64
Niteny Izy (rain’izy ireo) ka nanao hoe : ” Moa va hatoky Anareo indray Aho, tahaka ny fahatokisako Anareo tamin’ny Rahalahiny teo aloha ? Nefa i Allah no Mpiaro mendrika indrindra, ary Izy no tena be Indrafo amin’ireo Mpamindra-fo.
وَلَمَّا فَتَحُوا مَتَاعَهُمْ وَجَدُوا بِضَاعَتَهُمْ رُدَّتْ إِلَيْهِمْ ۖ قَالُوا يَا أَبَانَا مَا نَبْغِي ۖ هَٰذِهِ بِضَاعَتُنَا رُدَّتْ إِلَيْنَا ۖ وَنَمِيرُ أَهْلَنَا وَنَحْفَظُ أَخَانَا وَنَزْدَادُ كَيْلَ بَعِيرٍ ۖ ذَٰلِكَ كَيْلٌ يَسِيرٌ ۝٦٥
📖 Fandikana Andininy 65
Ary rehefa nanokatra ny kitapony izy ireo, dia hitan’izy ireo tao fa naverina tamin’izy ireo ny entany. Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry dadanay o ! Inona indray no tadiavintsika ? Fa indro naverina amintsika ny entantsika, ka afaka hamatsy ny fianakaviana Isika, koa hanara-maso akaiky ny Rahalahinay Izahay, ary hampianay iray hafa indray ny entan’ny rameva. Izany dia mora amin’ny fahazoana entana.
قَالَ لَنْ أُرْسِلَهُ مَعَكُمْ حَتَّىٰ تُؤْتُونِ مَوْثِقًا مِّنَ اللَّهِ لَتَأْتُنَّنِي بِهِ إِلَّا أَن يُحَاطَ بِكُمْ ۖ فَلَمَّا آتَوْهُ مَوْثِقَهُمْ قَالَ اللَّهُ عَلَىٰ مَا نَقُولُ وَكِيلٌ ۝٦٦
📖 Fandikana Andininy 66
Niteny Yakoba (Jakoba) hoe : ” Tsy handefa Azy miaraka Aminareo mihitsy Aho mandra-panomezanareo Ahy ny fifanekena hentitra amin’ny anaran’i Allah fa hitondra Azy hiverina aty Amiko Ianareo, raha tsy hoe voasakana Ianareo ”. rehefa nanome ny fifanekena taminy izy ireo dia niteny Izy (Yakoba) ka nanao hoe : ” i Allah no Mpiantoka amin’izay tenenintsika ”.
وَقَالَ يَا بَنِيَّ لَا تَدْخُلُوا مِن بَابٍ وَاحِدٍ وَادْخُلُوا مِنْ أَبْوَابٍ مُّتَفَرِّقَةٍ ۖ وَمَا أُغْنِي عَنكُم مِّنَ اللَّهِ مِن شَيْءٍ ۖ إِنِ الْحُكْمُ إِلَّا لِلَّهِ ۖ عَلَيْهِ تَوَكَّلْتُ ۖ وَعَلَيْهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُتَوَكِّلُونَ ۝٦٧
📖 Fandikana Andininy 67
Ary hoy izy : “Ry zanako! Aza miditra amin’ny varavarana tokana ianareo, fa midira amin’ny varavarana samihafa. Tsy misy ilanareo ahy na kely aza amin’ny lahatr’Allah. Fa an’Allah ny fanapahan-kevitra, Aminy no ametrahako ny fitokiako. Ary izay mametraka ny fitokiany dia aoka hametraka izany Aminy”.
وَلَمَّا دَخَلُوا مِنْ حَيْثُ أَمَرَهُمْ أَبُوهُم مَّا كَانَ يُغْنِي عَنْهُم مِّنَ اللَّهِ مِن شَيْءٍ إِلَّا حَاجَةً فِي نَفْسِ يَعْقُوبَ قَضَاهَا ۚ وَإِنَّهُ لَذُو عِلْمٍ لِّمَا عَلَّمْنَاهُ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ۝٦٨
📖 Fandikana Andininy 68
Ary rehefa niditra izy ireo araka ny nandidian’ny Rainy azy ireo, dia tsy nahavita na inona na inona manoloana izany izy ireo teo anatrehan’ny didin’i Allah, fahamalinana fotsiny ihany no niheverin’i Yakoba izany hafatra izany. Tena marina fa izy dia manam-pahalalana feno amin’izay nampianarinay Azy. Nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mahalala.
وَلَمَّا دَخَلُوا عَلَىٰ يُوسُفَ آوَىٰ إِلَيْهِ أَخَاهُ ۖ قَالَ إِنِّي أَنَا أَخُوكَ فَلَا تَبْتَئِسْ بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝٦٩
📖 Fandikana Andininy 69
Raha niditra tao amin’ny Yosofa (Josefa) izy ireo, dia notazoniny teo Aminy ny Rahalahiny sady niteny izy hoe : ” Rahalahinao Aho, koa aza malahelo amin’izay nataon’izy ireo ianao ”.
فَلَمَّا جَهَّزَهُم بِجَهَازِهِمْ جَعَلَ السِّقَايَةَ فِي رَحْلِ أَخِيهِ ثُمَّ أَذَّنَ مُؤَذِّنٌ أَيَّتُهَا الْعِيرُ إِنَّكُمْ لَسَارِقُونَ ۝٧٠
📖 Fandikana Andininy 70
Rehefa avy nanome tahirin-tsakafon’izy ireo Izy, dia nataony tao anaty kitapon’ireo Rahalahiny ny kaopy. Dia nisy mpiantso nanao hoe :“ O Ianareo mpandeha ! mpangalatra Ianareo ”.
قَالُوا وَأَقْبَلُوا عَلَيْهِم مَّاذَا تَفْقِدُونَ ۝٧١
📖 Fandikana Andininy 71
Nitodika izy ireo sady niteny ka nanao hoe : “ Inona no tadiavinareo ? ”
قَالُوا نَفْقِدُ صُوَاعَ الْمَلِكِ وَلِمَن جَاءَ بِهِ حِمْلُ بَعِيرٍ وَأَنَا بِهِ زَعِيمٌ ۝٧٢
📖 Fandikana Andininy 72
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mitady ny kaopy lehibe an’i mpanjaka Izahay. ka izay mahita azy, dia ahazo valisoa entana tongan’ny rameva anakiray. Ary Izaho no mpiantoka amin’izany ”.
قَالُوا تَاللَّهِ لَقَدْ عَلِمْتُم مَّا جِئْنَا لِنُفْسِدَ فِي الْأَرْضِ وَمَا كُنَّا سَارِقِينَ ۝٧٣
📖 Fandikana Andininy 73
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! fantatrareo tsara fa tsy tonga handoto ity faritra ity Izahay ary tsy mpangalatra ”.
قَالُوا فَمَا جَزَاؤُهُ إِن كُنتُمْ كَاذِبِينَ ۝٧٤
📖 Fandikana Andininy 74
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Inona àry no saziny raha mpandainga Ianareo ? ”.
قَالُوا جَزَاؤُهُ مَن وُجِدَ فِي رَحْلِهِ فَهُوَ جَزَاؤُهُ ۚ كَذَٰلِكَ نَجْزِي الظَّالِمِينَ ۝٧٥
📖 Fandikana Andininy 75
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ny sazy mendrika hoan'izay ahitana ilay kaopy ao amin’ny entany, dia ny tenany ihany no lasa hatao andevo amin'izay nataony tahaka izany tokoa no hanasazianay ireo mpanao ny tsy rariny ”.
فَبَدَأَ بِأَوْعِيَتِهِمْ قَبْلَ وِعَاءِ أَخِيهِ ثُمَّ اسْتَخْرَجَهَا مِن وِعَاءِ أَخِيهِ ۚ كَذَٰلِكَ كِدْنَا لِيُوسُفَ ۖ مَا كَانَ لِيَأْخُذَ أَخَاهُ فِي دِينِ الْمَلِكِ إِلَّا أَن يَشَاءَ اللَّهُ ۚ نَرْفَعُ دَرَجَاتٍ مَّن نَّشَاءُ ۗ وَفَوْقَ كُلِّ ذِي عِلْمٍ عَلِيمٌ ۝٧٦
📖 Fandikana Andininy 76
Nanomboka nisava kitapon’ireo hafa izy (Yosofa) mialohan’ny hisavany ny kitapon’ny Rahalahiny; avy eo dia navoakany izany avy tao anatin’ny kitapon’ny Rahalahiny. Ary tahaka izany no nanoroanay hevitra an’i Yosofa (Josefa), satria tsy afaka hisambotra ny Rahalahiny Izy, araka ny lalànan’ny mpanjaka, raha tsy sitrak’i Allah izany. Izahay no mampiakatra amin’ny laharana ambony izay sitrakay. Ary misy manam-pahaizana hatrany ambon’izay Olona manam-pahalalana.
۞ قَالُوا إِن يَسْرِقْ فَقَدْ سَرَقَ أَخٌ لَّهُ مِن قَبْلُ ۚ فَأَسَرَّهَا يُوسُفُ فِي نَفْسِهِ وَلَمْ يُبْدِهَا لَهُمْ ۚ قَالَ أَنتُمْ شَرٌّ مَّكَانًا ۖ وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِمَا تَصِفُونَ ۝٧٧
📖 Fandikana Andininy 77
. Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Raha mangalatra Izy dia efa nangalatra ihany koa ny Ralahiny teo aloha fa nafenin’i Yosofa (Josefa) tamin’ny tenany ihany izany (teny Izany), ka tsy navoakany azy ireo ”. Niteny Izy nanao hoe : ” Ianareo no tena ratsy toerana indrindra ! fa i Allah no tena Mahalala izay tanisanareo ”.
قَالُوا يَا أَيُّهَا الْعَزِيزُ إِنَّ لَهُ أَبًا شَيْخًا كَبِيرًا فَخُذْ أَحَدَنَا مَكَانَهُ ۖ إِنَّا نَرَاكَ مِنَ الْمُحْسِنِينَ ۝٧٨
📖 Fandikana Andininy 78
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry manam-boninahitra hajaina; manan-dray tena antitra Izy, koa tazony amin’ny toerany ny iray Aminay. Tena hitanay fa anisan’ny mpanao soa Ianao ”.
قَالَ مَعَاذَ اللَّهِ أَن نَّأْخُذَ إِلَّا مَن وَجَدْنَا مَتَاعَنَا عِندَهُ إِنَّا إِذًا لَّظَالِمُونَ ۝٧٩
📖 Fandikana Andininy 79
Miaro Anay anie i Allah amin’ny fakana Olona hafa ankoatr’izay nahitanay ny fanananay ! Raha tsy izany dia tena mpanao ny tsy rariny Izahay.
فَلَمَّا اسْتَيْأَسُوا مِنْهُ خَلَصُوا نَجِيًّا ۖ قَالَ كَبِيرُهُمْ أَلَمْ تَعْلَمُوا أَنَّ أَبَاكُمْ قَدْ أَخَذَ عَلَيْكُم مَّوْثِقًا مِّنَ اللَّهِ وَمِن قَبْلُ مَا فَرَّطتُمْ فِي يُوسُفَ ۖ فَلَنْ أَبْرَحَ الْأَرْضَ حَتَّىٰ يَأْذَنَ لِي أَبِي أَوْ يَحْكُمَ اللَّهُ لِي ۖ وَهُوَ خَيْرُ الْحَاكِمِينَ ۝٨٠
📖 Fandikana Andininy 80
Rehefa very fanantenana hitondra (an’i Bejamina hody) izy Ireo, dia nifampidinika mangina. Niteny ny lahimatoa tamin’izy ireo nanao hoe : “ Moa ve tsy fantatrareo fa efa nanao fifanekena amin’ny anaran’i Allah Taminareo ny Rainareo ary Ianareo efa tsy nahantanteraka izany taloha mikasika an’i Yosofa (Josefa) ? Tsy hiala amin’ity faritra ity mihitsy Aho mandra-pahamelan’i Raiko Ahy na mandra-pitsaran’i Allah Ahy. Ary Izy no Mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
ارْجِعُوا إِلَىٰ أَبِيكُمْ فَقُولُوا يَا أَبَانَا إِنَّ ابْنَكَ سَرَقَ وَمَا شَهِدْنَا إِلَّا بِمَا عَلِمْنَا وَمَا كُنَّا لِلْغَيْبِ حَافِظِينَ ۝٨١
📖 Fandikana Andininy 81
Miverena any amin’ny Rainareo Ianareo ary teneno Aminy hoe : “ O ry Dadanay ! Nangalatra ny Zanakao. Izahay dia tsy mitsangana ho vavolombelona afa-tsy amin’izay fantatray ary Izahay dia tsy mahalala mihitsy ny zava-miafina.
وَاسْأَلِ الْقَرْيَةَ الَّتِي كُنَّا فِيهَا وَالْعِيرَ الَّتِي أَقْبَلْنَا فِيهَا ۖ وَإِنَّا لَصَادِقُونَ ۝٨٢
📖 Fandikana Andininy 82
Ary hanontanio ny Olona tao amin’ny tanàna izay nisy Anay (Egypta), ary koa ny andian’ny mpandeha niaraka tonga Taminay. Izahay dia tena miteny ny marina ”.
قَالَ بَلْ سَوَّلَتْ لَكُمْ أَنفُسُكُمْ أَمْرًا ۖ فَصَبْرٌ جَمِيلٌ ۖ عَسَى اللَّهُ أَن يَأْتِيَنِي بِهِمْ جَمِيعًا ۚ إِنَّهُ هُوَ الْعَلِيمُ الْحَكِيمُ ۝٨٣
📖 Fandikana Andininy 83
Niteny izy ka nanao hoe : “ Ny fanahy ratsinareo no nanosika Anareo nanao tetika... Ka (tsy misy azoko atao afa-tsy) ny faharetana tsara. Angamba Allah dia hamerina Amiko izy roa. Marina fa Izy tena Mahalala sy be Fahendrena ”.
وَتَوَلَّىٰ عَنْهُمْ وَقَالَ يَا أَسَفَىٰ عَلَىٰ يُوسُفَ وَابْيَضَّتْ عَيْنَاهُ مِنَ الْحُزْنِ فَهُوَ كَظِيمٌ ۝٨٤
📖 Fandikana Andininy 84
Ary nitodika nandao azy ireo Izy ka niteny nanao hoe : “ Tena lehibe tokoa izany alaheloko amin’i Yosofa (Josefa) izany ! ” ary nahafotsy ny masony ny alahelo. Tena vonton’alahelo tokoa Izy.
قَالُوا تَاللَّهِ تَفْتَأُ تَذْكُرُ يُوسُفَ حَتَّىٰ تَكُونَ حَرَضًا أَوْ تَكُونَ مِنَ الْهَالِكِينَ ۝٨٥
📖 Fandikana Andininy 85
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! Fa ianao dia tsy hijanona ahatsiaro an’i Yosofa (Josefa) mandra-paharerakao na mandra-pahafatinao.
قَالَ إِنَّمَا أَشْكُو بَثِّي وَحُزْنِي إِلَى اللَّهِ وَأَعْلَمُ مِنَ اللَّهِ مَا لَا تَعْلَمُونَ ۝٨٦
📖 Fandikana Andininy 86
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mitaraina sy miampanga ny fahoriako sy ny alaheloko amin’i Allah. Ary Izaho dia mahafantatra avy fa amin’i Allah izay tsy fantatrareo.
يَا بَنِيَّ اذْهَبُوا فَتَحَسَّسُوا مِن يُوسُفَ وَأَخِيهِ وَلَا تَيْأَسُوا مِن رَّوْحِ اللَّهِ ۖ إِنَّهُ لَا يَيْأَسُ مِن رَّوْحِ اللَّهِ إِلَّا الْقَوْمُ الْكَافِرُونَ ۝٨٧
📖 Fandikana Andininy 87
O ry Zanako, mandehana Ianareo ka tadiavinareo i Yosofa sy ny Rahalahiny. Ary aza kivy amin’ny famindram-pon’i Allah. Fa ireo vahoaka tsy Mpino ihany no mora kivy amin’ny famindram-pon’i Allah.
فَلَمَّا دَخَلُوا عَلَيْهِ قَالُوا يَا أَيُّهَا الْعَزِيزُ مَسَّنَا وَأَهْلَنَا الضُّرُّ وَجِئْنَا بِبِضَاعَةٍ مُّزْجَاةٍ فَأَوْفِ لَنَا الْكَيْلَ وَتَصَدَّقْ عَلَيْنَا ۖ إِنَّ اللَّهَ يَجْزِي الْمُتَصَدِّقِينَ ۝٨٨
📖 Fandikana Andininy 88
Ary nony niditra tao amin'i Yosofa (Josefa) izy ireo dia niteny ka nanao hoe : “ O ry manam-boninahitra hajaina, tratry ny mosary Izahay sy ny fianakavinay ka tonga Izahay miaraka amin’ny entam-barotra tsy dia misy vidiny loatra. Omeo fatra feno Izahay ary miantrà Anay Ianao. Tena marina fa i Allah dia manome valisoa an’ireo mpiantra ! ”
قَالَ هَلْ عَلِمْتُم مَّا فَعَلْتُم بِيُوسُفَ وَأَخِيهِ إِذْ أَنتُمْ جَاهِلُونَ ۝٨٩
📖 Fandikana Andininy 89
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Moa ve fantatrareo ny zavatra nataonareo tamin’i Yosofa (Josefa) sy ny Rahalahiny. nefa Ianareo tsy mahalala izany ? ”
قَالُوا أَإِنَّكَ لَأَنتَ يُوسُفُ ۖ قَالَ أَنَا يُوسُفُ وَهَٰذَا أَخِي ۖ قَدْ مَنَّ اللَّهُ عَلَيْنَا ۖ إِنَّهُ مَن يَتَّقِ وَيَصْبِرْ فَإِنَّ اللَّهَ لَا يُضِيعُ أَجْرَ الْمُحْسِنِينَ ۝٩٠
📖 Fandikana Andininy 90
Dia hoy izy ireo : “Moa va ianao…tena marina fa i Josefa ianao!”, dia hoy izy namaly: “Josefa tokoa aho, ary ity ny rahalahiko. Marina fa nanasoa anay Allah. Na iza na iza manam-pahatahorana sy manam-paharetana...Ary marina, fa tsy avelan’Allah ho very, ny valisoan’ireo mpanao soa”.
قَالُوا تَاللَّهِ لَقَدْ آثَرَكَ اللَّهُ عَلَيْنَا وَإِن كُنَّا لَخَاطِئِينَ ۝٩١
📖 Fandikana Andininy 91
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Mianiana amin’i Allah ! Tena marina, fa notiavin’i Allah mihoatra Anay Ianao ary diso tokoa Izahay ”.
قَالَ لَا تَثْرِيبَ عَلَيْكُمُ الْيَوْمَ ۖ يَغْفِرُ اللَّهُ لَكُمْ ۖ وَهُوَ أَرْحَمُ الرَّاحِمِينَ ۝٩٢
📖 Fandikana Andininy 92
Niteny izy ka nanao hoe : “ Tsy misy fanakianana Anareo androany ! hamela ny helokareo anie i Allah ary Izy, ilay Mpamindra-fo indrindra amin’ireo mpamindra-fo.
اذْهَبُوا بِقَمِيصِي هَٰذَا فَأَلْقُوهُ عَلَىٰ وَجْهِ أَبِي يَأْتِ بَصِيرًا وَأْتُونِي بِأَهْلِكُمْ أَجْمَعِينَ ۝٩٣
📖 Fandikana Andininy 93
Entonareo ity fitafiako ity ary apetaho amin’ny tavan’i Raiko dia hahiratra avy hatrany Izy. Ary ento mankaty Amiko avokoa ny fianakavianareo rehetra ”.
وَلَمَّا فَصَلَتِ الْعِيرُ قَالَ أَبُوهُمْ إِنِّي لَأَجِدُ رِيحَ يُوسُفَ ۖ لَوْلَا أَن تُفَنِّدُونِ ۝٩٤
📖 Fandikana Andininy 94
Raha vao tafavoaka ny sisin-tany (kanana) ny andian’ny mpandeha, Niteny ny Rain’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa Izaho dia maheno ny fofon’i Yosofa (Josefa) na dia teneninareo fa mirediredy Aho ”.
قَالُوا تَاللَّهِ إِنَّكَ لَفِي ضَلَالِكَ الْقَدِيمِ ۝٩٥
📖 Fandikana Andininy 95
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah fa indro indray Ianao dia miverina amin’ny fahaverezanao taloha ”.
فَلَمَّا أَن جَاءَ الْبَشِيرُ أَلْقَاهُ عَلَىٰ وَجْهِهِ فَارْتَدَّ بَصِيرًا ۖ قَالَ أَلَمْ أَقُل لَّكُمْ إِنِّي أَعْلَمُ مِنَ اللَّهِ مَا لَا تَعْلَمُونَ ۝٩٦
📖 Fandikana Andininy 96
Rehefa tonga ilay mpitondra vaovao mahafaly dia napetany tamin’ny tavan’ny Yakoba (Jakoba) ilay fitafiana. Avy hatrany dia nahiratra Izy, sy niteny ka nanao hoe : “ Moa ve tsy efa nolazaiko taminareo fa Izaho dia mahazo fahalalana avy amin’i Allah, izay tsy fantatrareo ? ”.
قَالُوا يَا أَبَانَا اسْتَغْفِرْ لَنَا ذُنُوبَنَا إِنَّا كُنَّا خَاطِئِينَ ۝٩٧
📖 Fandikana Andininy 97
Hoy izy ireo : “Ry Dada ô! Mangataha ho anay, ho famelana ny fahotanay, fa tena diso tokoa izahay”.
قَالَ سَوْفَ أَسْتَغْفِرُ لَكُمْ رَبِّي ۖ إِنَّهُ هُوَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ ۝٩٨
📖 Fandikana Andininy 98
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Izaho dia hitalaho amin’ny Tompoko ny hamelana ny helokareo satria Izy ilay Mpamela ny heloka, ilay be Fiantrana ”.
فَلَمَّا دَخَلُوا عَلَىٰ يُوسُفَ آوَىٰ إِلَيْهِ أَبَوَيْهِ وَقَالَ ادْخُلُوا مِصْرَ إِن شَاءَ اللَّهُ آمِنِينَ ۝٩٩
📖 Fandikana Andininy 99
Fa rehefa niditra tao amin’i Yosofa (Josefa) izy Ireo dia noraisiny ireo Ray aman-dreniny ka niteny tamin’izy ireo izy nanao hoe : “ Midira any Egypta am-piadanana Ianareo, raha sitrak’i Allah !
وَرَفَعَ أَبَوَيْهِ عَلَى الْعَرْشِ وَخَرُّوا لَهُ سُجَّدًا ۖ وَقَالَ يَا أَبَتِ هَٰذَا تَأْوِيلُ رُؤْيَايَ مِن قَبْلُ قَدْ جَعَلَهَا رَبِّي حَقًّا ۖ وَقَدْ أَحْسَنَ بِي إِذْ أَخْرَجَنِي مِنَ السِّجْنِ وَجَاءَ بِكُم مِّنَ الْبَدْوِ مِن بَعْدِ أَن نَّزَغَ الشَّيْطَانُ بَيْنِي وَبَيْنَ إِخْوَتِي ۚ إِنَّ رَبِّي لَطِيفٌ لِّمَا يَشَاءُ ۚ إِنَّهُ هُوَ الْعَلِيمُ الْحَكِيمُ ۝١٠٠
📖 Fandikana Andininy 100
Ary dia nakariny teny ambonin’ny seza fiandrianana ireo Ray aman-dReniny, ka dia niankohoka teo anatrehany ny rehetra. Ary hoy izy : “Ry Dada ô! Izany no dikan’ny nofiko fahiny. Fa notanterahin’Allah tokoa izany. Ary tena nanao soa ahy Izy, raha namoaka ahy tao am-ponja, ka nahatonga anareo avy tany ambanivohitra (tany efitra), rehefa avy nampitranga tsy fifanarahana teo amiko sy ny rahalahiko ny devoly. Feno hamoram-po amin’izay tiany ny Tompoko. Ary Izy no Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, sady be Fahendrena.
۞ رَبِّ قَدْ آتَيْتَنِي مِنَ الْمُلْكِ وَعَلَّمْتَنِي مِن تَأْوِيلِ الْأَحَادِيثِ ۚ فَاطِرَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ أَنتَ وَلِيِّي فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ ۖ تَوَفَّنِي مُسْلِمًا وَأَلْحِقْنِي بِالصَّالِحِينَ ۝١٠١
📖 Fandikana Andininy 101
Ry Tompoko oh, efa nanome fahefana Ahy Ianao sy nampianatra ny fandikana ireo nofy. Mpahary ireo lanitra sy ny tany Ianao. Ianao no Mpiahy Ahy ento an-tany sy any an-koatra. Ataovy maty ao anaty fankatoavana Anao Aho, ary ataovy miaraka amin’ireo Olona mpanao asa soa.
ذَٰلِكَ مِنْ أَنبَاءِ الْغَيْبِ نُوحِيهِ إِلَيْكَ ۖ وَمَا كُنتَ لَدَيْهِمْ إِذْ أَجْمَعُوا أَمْرَهُمْ وَهُمْ يَمْكُرُونَ ۝١٠٢
📖 Fandikana Andininy 102
Izany dia anisan’ireo tantara miafina nolazainay Aminao. Ary Ianao dia tsy teo anatrehan’izy ireo raha niombo-kevitra hanao teti-dratsy izy ireo.
وَمَا أَكْثَرُ النَّاسِ وَلَوْ حَرَصْتَ بِمُؤْمِنِينَ ۝١٠٣
📖 Fandikana Andininy 103
Ary ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mpino na dia teo aza ny fanirianao fatratra mba ho mpino izy ireo.
وَمَا تَسْأَلُهُمْ عَلَيْهِ مِنْ أَجْرٍ ۚ إِنْ هُوَ إِلَّا ذِكْرٌ لِّلْعَالَمِينَ ۝١٠٤
📖 Fandikana Andininy 104
Ary aza mangataka tambi-karama noho izany Ianao, fa tsy inona akory ity afa-tsy fampahatsiahivana ihany ho an’izao tontolo izao.
وَكَأَيِّن مِّنْ آيَةٍ فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ يَمُرُّونَ عَلَيْهَا وَهُمْ عَنْهَا مُعْرِضُونَ ۝١٠٥
📖 Fandikana Andininy 105
Any amin’ireo lanitra sy ety ambonin’ny tany, dia misy ireo famantarana izay andalovan’ny Olona kanefa itodihany lamosina !
وَمَا يُؤْمِنُ أَكْثَرُهُم بِاللَّهِ إِلَّا وَهُم مُّشْرِكُونَ ۝١٠٦
📖 Fandikana Andininy 106
Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino an’i Allah raha tsy mampikambana Azy amin’ny zanahary hafa.
أَفَأَمِنُوا أَن تَأْتِيَهُمْ غَاشِيَةٌ مِّنْ عَذَابِ اللَّهِ أَوْ تَأْتِيَهُمُ السَّاعَةُ بَغْتَةً وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ ۝١٠٧
📖 Fandikana Andininy 107
Inona no tokin’izy ireo raha tonga handrakotra azy ireo ny sazin’i Allah, na koa ho tonga tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizin’izy ireo ilay ora nefa tsy hatsapa izany izy ireo ?
قُلْ هَٰذِهِ سَبِيلِي أَدْعُو إِلَى اللَّهِ ۚ عَلَىٰ بَصِيرَةٍ أَنَا وَمَنِ اتَّبَعَنِي ۖ وَسُبْحَانَ اللَّهِ وَمَا أَنَا مِنَ الْمُشْرِكِينَ ۝١٠٨
📖 Fandikana Andininy 108
Teneno hoe : ” Ity no làlako, miantso ny Olona mankany amin’i Allah Aho, amin’ny alalan’ny porofo mazava, Izaho sy ireo izay manaraka Ahy.Voninahitra anie ho an’i Allah. Izaho dia tsy anisan’ireo manana zanahary maro.
وَمَا أَرْسَلْنَا مِن قَبْلِكَ إِلَّا رِجَالًا نُّوحِي إِلَيْهِم مِّنْ أَهْلِ الْقُرَىٰ ۗ أَفَلَمْ يَسِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۗ وَلَدَارُ الْآخِرَةِ خَيْرٌ لِّلَّذِينَ اتَّقَوْا ۗ أَفَلَا تَعْقِلُونَ ۝١٠٩
📖 Fandikana Andininy 109
Izahay dia tsy nandefa, talohanao, afa-tsy ireo lehilahy avy tamin’ireo tanàna izay nanaovanay fanambarana. Moa tsy nielipatrana eran-tany va izy ireo, ary jereonareo ny fiafaran’ireo teo alohan’izy ireo? Hamafisina, fa tena tsara ho an’ireo izay manam-pahatahorana ny fonenana any an-koatra. Moa tsy misaina izany va ianareo?
حَتَّىٰ إِذَا اسْتَيْأَسَ الرُّسُلُ وَظَنُّوا أَنَّهُمْ قَدْ كُذِبُوا جَاءَهُمْ نَصْرُنَا فَنُجِّيَ مَن نَّشَاءُ ۖ وَلَا يُرَدُّ بَأْسُنَا عَنِ الْقَوْمِ الْمُجْرِمِينَ ۝١١٠
📖 Fandikana Andininy 110
Raha efa very fanantenana ireo Iraka sy nieritreritra fa voampanga ho mpandainga izy ireo, dia tonga tamin’izy ireo avy hatrany ny Famonjenay. Ary navotanay izay sitrakay. Nefa tsy misy afaka manakana ny sazinay izay miantefa amin’ireo vahoaka mpanao heloka be vava.
لَقَدْ كَانَ فِي قَصَصِهِمْ عِبْرَةٌ لِّأُولِي الْأَلْبَابِ ۗ مَا كَانَ حَدِيثًا يُفْتَرَىٰ وَلَٰكِن تَصْدِيقَ الَّذِي بَيْنَ يَدَيْهِ وَتَفْصِيلَ كُلِّ شَيْءٍ وَهُدًى وَرَحْمَةً لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ۝١١١
📖 Fandikana Andininy 111
Ao amin’ny tantaran’izy ireo dia tena feno lesona fananarana ho an’ireo Olona manan-tsaina. Tsy tantara noforonina izany. Fa fanamafisana kosa izay efa nisy teo alohany, ary famakafakana antsipiriany ny zava-drehetra, tari-dàlana sy famindram-po ho an’ireo vahoaka izay mino.
← 11 Yosofy (12/114) 13 →
Vakio Surah Yosofy Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

12يوسف Yusuf 📚 111 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Yosofy — 111 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers