Surah Taha amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Taha miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (135 Andininy — مكية). Taha Henoy, Taha Fandikana, Taha mp3, Taha pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Taha

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
طه ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Toã-Hã.
مَا أَنزَلْنَا عَلَيْكَ الْقُرْآنَ لِتَشْقَىٰ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Tsy nampidina velively Taminao ny Koroany Izahay mba hampahory Anao.
إِلَّا تَذْكِرَةً لِّمَن يَخْشَىٰ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Fa fampahatsiahivana ho an’izay matahotra (an’i Allah);
تَنزِيلًا مِّمَّنْ خَلَقَ الْأَرْضَ وَالسَّمَاوَاتِ الْعُلَى ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Nidina avy tamin’Ilay nahary ny tany sy ireo lanitra ambony.
الرَّحْمَٰنُ عَلَى الْعَرْشِ اسْتَوَىٰ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ilay be Fiantrana nitoetra eo amin’ny Seza Fiandrianana.
لَهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ وَمَا بَيْنَهُمَا وَمَا تَحْتَ الثَّرَىٰ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary Azy avokoa izay any amin’ireo lanitra, sy ety an-tany, ary izay eo anelanelan’izy ireo, sy izay any ambanin’ny tany.
وَإِن تَجْهَرْ بِالْقَوْلِ فَإِنَّهُ يَعْلَمُ السِّرَّ وَأَخْفَى ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ary raha mampiaka-peo Ianao, Izy dia mahafantatra tokoa ireo zava-miafina, na dia ireo izay tena miafina aza.
اللَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۖ لَهُ الْأَسْمَاءُ الْحُسْنَىٰ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ! Azy ireo anarana tsara indrindra.
وَهَلْ أَتَاكَ حَدِيثُ مُوسَىٰ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Moa ve tonga Taminao ny tantaran’i Mosa ?
إِذْ رَأَىٰ نَارًا فَقَالَ لِأَهْلِهِ امْكُثُوا إِنِّي آنَسْتُ نَارًا لَّعَلِّي آتِيكُم مِّنْهَا بِقَبَسٍ أَوْ أَجِدُ عَلَى النَّارِ هُدًى ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Raha nahita afo Izy, dia niteny tamin’ny fianakaviany ka nanao hoe : “ Mijanona eto ianareo ! Fa Izaho dia nahatazana afo tokoa erý lavitra erý, angamba hitondra tapa-porohana ho Anareo Aho, na ahita toro-làlana eo anatrehan’io afo io Aho ”.
فَلَمَّا أَتَاهَا نُودِيَ يَا مُوسَىٰ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Ary nony tonga teo izy, dia nisy feo niantso azy hoe : “ Ry Moussa ! "
إِنِّي أَنَا رَبُّكَ فَاخْلَعْ نَعْلَيْكَ ۖ إِنَّكَ بِالْوَادِ الْمُقَدَّسِ طُوًى ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Izaho no Tomponao ! Esory ny Kapanao, satria eo amin’ny lohasaha masina, “ Towa ” Ianao.
وَأَنَا اخْتَرْتُكَ فَاسْتَمِعْ لِمَا يُوحَىٰ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Izaho no nisafidy Anao, ka henoy àry izay holazaiko.
إِنَّنِي أَنَا اللَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا أَنَا فَاعْبُدْنِي وَأَقِمِ الصَّلَاةَ لِذِكْرِي ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Marina fa Izaho no Allah, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany. Aoka hanompo Ahy Ianao, ka tanteraho ny Soalat (vavaka) ho fahatsiarovana Ahy.
إِنَّ السَّاعَةَ آتِيَةٌ أَكَادُ أُخْفِيهَا لِتُجْزَىٰ كُلُّ نَفْسٍ بِمَا تَسْعَىٰ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Tena ho avy tokoa ilay Ora. Nefa afeniko ihany izany, mba ho voavaly araka ny ezaka nataony ny fanahy tsirairay.
فَلَا يَصُدَّنَّكَ عَنْهَا مَن لَّا يُؤْمِنُ بِهَا وَاتَّبَعَ هَوَاهُ فَتَرْدَىٰ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Aoka tsy hanakana Anao amin’izany ireo izay tsy nino, sy nanaraka ny hetahetam-pony fa ho tra-doza Ianao.
وَمَا تِلْكَ بِيَمِينِكَ يَا مُوسَىٰ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Ary inona ity amin’ny tànanao havanana ity, ry Mosa ?
قَالَ هِيَ عَصَايَ أَتَوَكَّأُ عَلَيْهَا وَأَهُشُّ بِهَا عَلَىٰ غَنَمِي وَلِيَ فِيهَا مَآرِبُ أُخْرَىٰ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Ity no tehiko izay hianteherako, ampiasaiko amin’ny fiandrasana ireo ondriko, sy ilaiko amin’ny zavatra hafa ihany koa ”.
قَالَ أَلْقِهَا يَا مُوسَىٰ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Niteny i Allah ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Atsipazo izy io (tehana) ”,
فَأَلْقَاهَا فَإِذَا هِيَ حَيَّةٌ تَسْعَىٰ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Dia natsipiny izany (tehina), ka indro lasa bibilava nandady izany,
قَالَ خُذْهَا وَلَا تَخَفْ ۖ سَنُعِيدُهَا سِيرَتَهَا الْأُولَىٰ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Niteny Izy (Allah) hoe : “ Raiso izy (tehana) ! Ary aza matahotra fa averinay amin’ny endriny taloha indray izany ”.
وَاضْمُمْ يَدَكَ إِلَىٰ جَنَاحِكَ تَخْرُجْ بَيْضَاءَ مِنْ غَيْرِ سُوءٍ آيَةً أُخْرَىٰ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Ary ataovy ao ambany helikao ny Tànanao, fa ho lasa fotsy (mamirapiratra) izany rehefa mivoaka avy ao, ka tsy harary akory, fa ho fahagagana hafa indray izany.
لِنُرِيَكَ مِنْ آيَاتِنَا الْكُبْرَى ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Mba hampisehoanay anao ireo fahagagana lehibe avy Aminay.
اذْهَبْ إِلَىٰ فِرْعَوْنَ إِنَّهُ طَغَىٰ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Mandehana any amin’i Faraona Ianao, fa efa tena mihoa-pefy Izy.
قَالَ رَبِّ اشْرَحْ لِي صَدْرِي ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Niteny i Mosa ka nanao hoe : “ Tompo ô ! Sokafy ny tratrako (foko),
وَيَسِّرْ لِي أَمْرِي ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ary hamoray ny iraka Ataoko.
وَاحْلُلْ عُقْدَةً مِّن لِّسَانِي ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Ary vahao ny fatotra amin’ny lelako,
يَفْقَهُوا قَوْلِي ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Mba ahazoan’izy ireo ny Teniko.
وَاجْعَل لِّي وَزِيرًا مِّنْ أَهْلِي ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Ary omeo mpanampy avy amin’ny fianakaviako Aho.
هَارُونَ أَخِي ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Harona, Rahalahiko.
اشْدُدْ بِهِ أَزْرِي ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Ampitomboy avy amin’ny alalany ny Heriko !
وَأَشْرِكْهُ فِي أَمْرِي ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ataovy hifarimbona Amiko amin’ireo iraka ataoko Izy.
كَيْ نُسَبِّحَكَ كَثِيرًا ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Mba hideranay Anao im-betsaka.
وَنَذْكُرَكَ كَثِيرًا ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Mba ahatsiarovanay Anao matetika.
إِنَّكَ كُنتَ بِنَا بَصِيرًا ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Marina fa Ianao dia tena mahita Anay.
قَالَ قَدْ أُوتِيتَ سُؤْلَكَ يَا مُوسَىٰ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : Ry Mosa ! Efa nankatoavinay ny fangatahanao ”
وَلَقَدْ مَنَنَّا عَلَيْكَ مَرَّةً أُخْرَىٰ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Ary efa nomenay tombony manokana Ianao tany am-boalohany tany.
إِذْ أَوْحَيْنَا إِلَىٰ أُمِّكَ مَا يُوحَىٰ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Rehefa nolazainay tamin’ny Reninao izay tokony nambara Azy:
أَنِ اقْذِفِيهِ فِي التَّابُوتِ فَاقْذِفِيهِ فِي الْيَمِّ فَلْيُلْقِهِ الْيَمُّ بِالسَّاحِلِ يَأْخُذْهُ عَدُوٌّ لِّي وَعَدُوٌّ لَّهُ ۚ وَأَلْقَيْتُ عَلَيْكَ مَحَبَّةً مِّنِّي وَلِتُصْنَعَ عَلَىٰ عَيْنِي ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
“Ataovy anaty vatakely Izy, dia alefaso eny ambony rano mba ho entin’ny riaka eny an-tsisiny. Ka hisy fahavaloko sy fahavalony handray Azy. Ary nandrotsahako fitiavana avy Amiko Ianao mba hobeazina eo ambany masoko.
إِذْ تَمْشِي أُخْتُكَ فَتَقُولُ هَلْ أَدُلُّكُمْ عَلَىٰ مَن يَكْفُلُهُ ۖ فَرَجَعْنَاكَ إِلَىٰ أُمِّكَ كَيْ تَقَرَّ عَيْنُهَا وَلَا تَحْزَنَ ۚ وَقَتَلْتَ نَفْسًا فَنَجَّيْنَاكَ مِنَ الْغَمِّ وَفَتَنَّاكَ فُتُونًا ۚ فَلَبِثْتَ سِنِينَ فِي أَهْلِ مَدْيَنَ ثُمَّ جِئْتَ عَلَىٰ قَدَرٍ يَا مُوسَىٰ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Ary tonga (nandalo) teo ny Anabavinao, ka niteny nanao hoe : “ Moa ve azoko atao ny manondro Olona ho Anareo hikarakara Azy ? ”. Dia naverinay tamin’ny Reninao Ianao, mba hampifaly ny masony, ka tsy halahelo intsony izy. Namono Olona Ianao, nefa navotanay tamin’ny tahotra izay nanangeja Anao; ary nosedrainay fitsapana maro Ianao. Ka nonina taona maro niaraka tamin’ny mponin’i Madina Ianao. Avy eo dia tonga ianao, araka ny didy efa voafetra, ô ry Mosa !
وَاصْطَنَعْتُكَ لِنَفْسِي ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Efa nofidiko ho Ahy Ianao.
اذْهَبْ أَنتَ وَأَخُوكَ بِآيَاتِي وَلَا تَنِيَا فِي ذِكْرِي ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Koa mandehana Ianao sy ny Rahalahinao, miaraka amin’ny fahagagana avy Amiko; ary aza atao tsirambina ny fahatsiarovana Ahy.
اذْهَبَا إِلَىٰ فِرْعَوْنَ إِنَّهُ طَغَىٰ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Mandehana any amin’i Faraona Ianareo, fa tena nihoa-pefy Izy.
فَقُولَا لَهُ قَوْلًا لَّيِّنًا لَّعَلَّهُ يَتَذَكَّرُ أَوْ يَخْشَىٰ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Dia miresaha Aminy am-pahendrena Ianareo roa. Angamba ahatsiaro tena izy na hatahotra (Ahy)
قَالَا رَبَّنَا إِنَّنَا نَخَافُ أَن يَفْرُطَ عَلَيْنَا أَوْ أَن يَطْغَىٰ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Niteny izy Roa ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tena matahotra ny hampijaliany Izahay, na ny hanaovany ratsy tafahoatra Aminay ”.
قَالَ لَا تَخَافَا ۖ إِنَّنِي مَعَكُمَا أَسْمَعُ وَأَرَىٰ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Niteny (i Allah) hoe : “ Aza matahotra ianareo, fa Izaho dia miaraka aminareo hatrany, mandre sy mahita”.
فَأْتِيَاهُ فَقُولَا إِنَّا رَسُولَا رَبِّكَ فَأَرْسِلْ مَعَنَا بَنِي إِسْرَائِيلَ وَلَا تُعَذِّبْهُمْ ۖ قَدْ جِئْنَاكَ بِآيَةٍ مِّن رَّبِّكَ ۖ وَالسَّلَامُ عَلَىٰ مَنِ اتَّبَعَ الْهُدَىٰ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Mandehana any aminy ianareo, ary teneno (izy) hoe : “Izahay dia Iraky ny Tomponao. koa alefaso miaraka aminay ireo Zanak’Israely, fa aza ampijaliana intsony. Tonga eto aminao izahay miaraka amin’ny porofo avy amin’ny Tomponao. Ary ny fiadanana anie ho an’izay manaraka ny làla-mahitsy”.
إِنَّا قَدْ أُوحِيَ إِلَيْنَا أَنَّ الْعَذَابَ عَلَىٰ مَن كَذَّبَ وَتَوَلَّىٰ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Efa nahazo fanambarana Izahay fa, ny famaizana dia natao ho an’ireo izay milaza lainga (ny finoana) sy mitodi-damosina.
قَالَ فَمَن رَّبُّكُمَا يَا مُوسَىٰ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Niteny Izy (Faraona) ka nanao hoe : “ Iza àry no Tomponareo ry Mosa ? ”
قَالَ رَبُّنَا الَّذِي أَعْطَىٰ كُلَّ شَيْءٍ خَلْقَهُ ثُمَّ هَدَىٰ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Niteny Izy (Mosa) : “ Ny Tomponay, dia ilay nanome endrika ny zavatra tsirairay, avy eo dia nitari-dàlana Azy Izy ”.
قَالَ فَمَا بَالُ الْقُرُونِ الْأُولَىٰ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Niteny Izy (Faraona) nanao hoe : “ Ka ahoana àry ireo taranaka teo aloha ? ”
قَالَ عِلْمُهَا عِندَ رَبِّي فِي كِتَابٍ ۖ لَّا يَضِلُّ رَبِّي وَلَا يَنسَى ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Niteny izy (Mosa) hoe : “Ny fahalalana momba azy ireo dia eo anatrehan’ny Tompoko, ao amin’ny Boky. Tsy manao hadisoana, ary tsy manadino ny Tompoko”.
الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ الْأَرْضَ مَهْدًا وَسَلَكَ لَكُمْ فِيهَا سُبُلًا وَأَنزَلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَخْرَجْنَا بِهِ أَزْوَاجًا مِّن نَّبَاتٍ شَتَّىٰ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Izy izay nanao ho Anareo ny tany ho toy ny fandriana, ary nanoritra ny làlana teo Aminy ho Anareo; nampidina ny rano avy eny an-danitra Izy. Ka avy amin’izany no namoahanay tsiroaroa ireo karazan-java-maniry maro samihafa.
كُلُوا وَارْعَوْا أَنْعَامَكُمْ ۗ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّأُولِي النُّهَىٰ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
“ Mihinàna àry Ianareo, ary ampihinano koa ireo biby fiompinareo ”. Izany dia porofo famantarana ho an’ireo matsilo saina.
۞ مِنْهَا خَلَقْنَاكُمْ وَفِيهَا نُعِيدُكُمْ وَمِنْهَا نُخْرِجُكُمْ تَارَةً أُخْرَىٰ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Avy aminy (tany) no naharianay Anareo, ary avy Aminy no hamerenanay Anareo, ary avy aminy ihany koa no hamoahanay Anareo indray.
وَلَقَدْ أَرَيْنَاهُ آيَاتِنَا كُلَّهَا فَكَذَّبَ وَأَبَىٰ ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Efa nasehonay Azy (Faraona) daholo ireo zava-mahagaga rehetra avy Aminay; saingy nolazainy fa lainga izany, ary nandà Izy.
قَالَ أَجِئْتَنَا لِتُخْرِجَنَا مِنْ أَرْضِنَا بِسِحْرِكَ يَا مُوسَىٰ ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Niteny izy (Faraona) ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Moa ve tonga aty Aminay Ianao, mba hamoaka Anay hiala amin’ny taninay amin’ny alalan’ny majikanao ?
فَلَنَأْتِيَنَّكَ بِسِحْرٍ مِّثْلِهِ فَاجْعَلْ بَيْنَنَا وَبَيْنَكَ مَوْعِدًا لَّا نُخْلِفُهُ نَحْنُ وَلَا أَنتَ مَكَانًا سُوًى ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Tena hitondrànay majika mitovy amin’izany koa Ianao, ka aoka Ianao hanome fotoana ho Antsika, ka tsy hisy tsy ho tonga amin’izany, na Izahay na Ianao, eny amin’ny toerana malalaka.
قَالَ مَوْعِدُكُمْ يَوْمُ الزِّينَةِ وَأَن يُحْشَرَ النَّاسُ ضُحًى ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Dia niteny Izy (Mosa) ka nanao hoe : “ Ny fotoana hihaonanareo dia amin’ny Andro fety. Ary aoka amin’ny maraina no hamoriana ny Olona ”.
فَتَوَلَّىٰ فِرْعَوْنُ فَجَمَعَ كَيْدَهُ ثُمَّ أَتَىٰ ۝٦٠
📖 Fandikana Andininy 60
Nisintaka i Faraona, dia lasa nampivondrona ny hevi-petsiny (ireo mpanao majikany), avy eo dia niverina Izy (teny amin’ny toerana fihaonana).
قَالَ لَهُم مُّوسَىٰ وَيْلَكُمْ لَا تَفْتَرُوا عَلَى اللَّهِ كَذِبًا فَيُسْحِتَكُم بِعَذَابٍ ۖ وَقَدْ خَابَ مَنِ افْتَرَىٰ ۝٦١
📖 Fandikana Andininy 61
Niteny tamin’izy ireo i Mosa ka nanao hoe : “ Loza ho Anareo ! Aza mamorona lainga mahakasika an’i Allah Ianareo, raha tsy izany, dia haringany avokoa amin’ny alalan’ny famaizana Ianareo. Ho very tokoa izay mamoron-dainga ! ”
فَتَنَازَعُوا أَمْرَهُم بَيْنَهُمْ وَأَسَرُّوا النَّجْوَىٰ ۝٦٢
📖 Fandikana Andininy 62
Tamin’izany dia niady hevitra mafy izy ireo, nefa nitazona ny tsiambaratelony izy ireo.
قَالُوا إِنْ هَٰذَانِ لَسَاحِرَانِ يُرِيدَانِ أَن يُخْرِجَاكُم مِّنْ أَرْضِكُم بِسِحْرِهِمَا وَيَذْهَبَا بِطَرِيقَتِكُمُ الْمُثْلَىٰ ۝٦٣
📖 Fandikana Andininy 63
Niteny izy ireo hoe : “Marina fa ireto olona roalahy ireto dia mpanao majika, mitady hamoaka anareo hiala amin’ny taninareo amin’ny alàlan’ny majikan’izy ireo sy hanafoana ny foto-pinoana mendrika nahazatra anareo”.
فَأَجْمِعُوا كَيْدَكُمْ ثُمَّ ائْتُوا صَفًّا ۚ وَقَدْ أَفْلَحَ الْيَوْمَ مَنِ اسْتَعْلَىٰ ۝٦٤
📖 Fandikana Andininy 64
Avondrony àry ny hevi-petsinareo rehetra, avy eo dia avia ianareo miara-milahatra, fa tena mahazo fahasambarana izay mandresy androany.
قَالُوا يَا مُوسَىٰ إِمَّا أَن تُلْقِيَ وَإِمَّا أَن نَّكُونَ أَوَّلَ مَنْ أَلْقَىٰ ۝٦٥
📖 Fandikana Andininy 65
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Na Ianao no hanipy (ny tehinao), na Izahay no hanipy voalohany ”.
قَالَ بَلْ أَلْقُوا ۖ فَإِذَا حِبَالُهُمْ وَعِصِيُّهُمْ يُخَيَّلُ إِلَيْهِ مِن سِحْرِهِمْ أَنَّهَا تَسْعَىٰ ۝٦٦
📖 Fandikana Andininy 66
Namaly izy hoe : “Atsipazo ny anareo”. Ka indro ny tadin’izy ireo sy ny tehin’izy ireo, fa toa hitany mandady, vokatry ny majikan’izy ireo.
فَأَوْجَسَ فِي نَفْسِهِ خِيفَةً مُّوسَىٰ ۝٦٧
📖 Fandikana Andininy 67
Ka nahatsiaro nisy tahotra ihany i Mosa tao amin’ny tenany.
قُلْنَا لَا تَخَفْ إِنَّكَ أَنتَ الْأَعْلَىٰ ۝٦٨
📖 Fandikana Andininy 68
Dia niteny Taminy Izahay ka nanao hoe : “ Aza matahotra ! Fa Ianao no ambony indrindra ”.
وَأَلْقِ مَا فِي يَمِينِكَ تَلْقَفْ مَا صَنَعُوا ۖ إِنَّمَا صَنَعُوا كَيْدُ سَاحِرٍ ۖ وَلَا يُفْلِحُ السَّاحِرُ حَيْثُ أَتَىٰ ۝٦٩
📖 Fandikana Andininy 69
Ary atsipazo izay eo amin’ny tànanao havanana, hitelina izay namboarin’izy ireo izany. Tena marina fa izay namboarin’izy ireo dia hevi-petsin’ny mpanao majika. Ary ny mpanao majika dia tsy ahita fahombiazana n'aiza n'aiza misy azy.
فَأُلْقِيَ السَّحَرَةُ سُجَّدًا قَالُوا آمَنَّا بِرَبِّ هَارُونَ وَمُوسَىٰ ۝٧٠
📖 Fandikana Andininy 70
Indro fa niantoraka ka niankohoka ireo mpanao majika, sady niteny nanao hoe : “ Mino ny Tompon’i Harona sy Mosa Izahay ”.
قَالَ آمَنتُمْ لَهُ قَبْلَ أَنْ آذَنَ لَكُمْ ۖ إِنَّهُ لَكَبِيرُكُمُ الَّذِي عَلَّمَكُمُ السِّحْرَ ۖ فَلَأُقَطِّعَنَّ أَيْدِيَكُمْ وَأَرْجُلَكُم مِّنْ خِلَافٍ وَلَأُصَلِّبَنَّكُمْ فِي جُذُوعِ النَّخْلِ وَلَتَعْلَمُنَّ أَيُّنَا أَشَدُّ عَذَابًا وَأَبْقَىٰ ۝٧١
📖 Fandikana Andininy 71
Niteny i Faraona ka nanao hoe :“ Nino azy ve Ianareo alohan’ny hanomezako alàlana Anareo ? Tena marina fa Izy no tena lehibenareo izay nampianatra Anareo ny majika. Noho izany, dia tena ho tapatapahiko ny tànanareo sy ny tongotrareo mifanohitra amin’ny andaniny avy, avy eo dia hofantsihiko amin’ireo vatan-kazo palma Ianareo,ka ho fantatrareo, iza no tena mafy famaizana indrindra Amintsika sy aharitra kokoa ”.
قَالُوا لَن نُّؤْثِرَكَ عَلَىٰ مَا جَاءَنَا مِنَ الْبَيِّنَاتِ وَالَّذِي فَطَرَنَا ۖ فَاقْضِ مَا أَنتَ قَاضٍ ۖ إِنَّمَا تَقْضِي هَٰذِهِ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا ۝٧٢
📖 Fandikana Andininy 72
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy ho tianay kokoa na oviana na oviana, noho ireo porofo mazava tonga Aminay Ianao, amin’ny Anaran’Ilay Nahary Anay. Tanteraho àry izay didy Tianao ampiharina. Fa ny didinao dia tsy mahakasika afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ”.
إِنَّا آمَنَّا بِرَبِّنَا لِيَغْفِرَ لَنَا خَطَايَانَا وَمَا أَكْرَهْتَنَا عَلَيْهِ مِنَ السِّحْرِ ۗ وَاللَّهُ خَيْرٌ وَأَبْقَىٰ ۝٧٣
📖 Fandikana Andininy 73
“ Tena marina fa mino ny Tomponay Izahay, mba hamelany ny helokay amin’ireo hadisoana nataonay, sy amin’ny majika izay nanerenao Anay. Ary i Allah no mendrika indrindra sy mandrakizay ”.
إِنَّهُ مَن يَأْتِ رَبَّهُ مُجْرِمًا فَإِنَّ لَهُ جَهَنَّمَ لَا يَمُوتُ فِيهَا وَلَا يَحْيَىٰ ۝٧٤
📖 Fandikana Andininy 74
Tena marina fa, n'iza n'iza manatona ny Tompony ka nanao heloka be vava, dia ho azy ny afobe. Ary tsy maty izy ao, no sady tsy velona.
وَمَن يَأْتِهِ مُؤْمِنًا قَدْ عَمِلَ الصَّالِحَاتِ فَأُولَٰئِكَ لَهُمُ الدَّرَجَاتُ الْعُلَىٰ ۝٧٥
📖 Fandikana Andininy 75
Ary izay manatona Azy, ka nino no sady nanao ny asa soa, izy ireny no hanana ny laharana ambony.
جَنَّاتُ عَدْنٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا ۚ وَذَٰلِكَ جَزَاءُ مَن تَزَكَّىٰ ۝٧٦
📖 Fandikana Andininy 76
Ireo zaridainan’i Edena izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ary izany dia valisoan’ireo izay nanadio (ny fanahiny).
وَلَقَدْ أَوْحَيْنَا إِلَىٰ مُوسَىٰ أَنْ أَسْرِ بِعِبَادِي فَاضْرِبْ لَهُمْ طَرِيقًا فِي الْبَحْرِ يَبَسًا لَّا تَخَافُ دَرَكًا وَلَا تَخْشَىٰ ۝٧٧
📖 Fandikana Andininy 77
Ary nolazainay tamin’i Mosa ny hoe : “ Mandehana amin’ny alina, miaraka amin’ireo mpanompoko Ianao, ka kapohy ny ranomasina ho làlan’izy ireo. Aza matahotra ny fanenjehana, ary aza manahy Ianao ! ”
فَأَتْبَعَهُمْ فِرْعَوْنُ بِجُنُودِهِ فَغَشِيَهُم مِّنَ الْيَمِّ مَا غَشِيَهُمْ ۝٧٨
📖 Fandikana Andininy 78
Ka nanenjika azy ireo i Faraona niaraka tamin’ireo miaramilany, nefa voarakotry ny ranomasina tanteraka izy ireo.
وَأَضَلَّ فِرْعَوْنُ قَوْمَهُ وَمَا هَدَىٰ ۝٧٩
📖 Fandikana Andininy 79
Ary noverezin’i Faraona ny vahoakany, ka tsy notarihiny tamin’ny làla-mahitsy.
يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ قَدْ أَنجَيْنَاكُم مِّنْ عَدُوِّكُمْ وَوَاعَدْنَاكُمْ جَانِبَ الطُّورِ الْأَيْمَنَ وَنَزَّلْنَا عَلَيْكُمُ الْمَنَّ وَالسَّلْوَىٰ ۝٨٠
📖 Fandikana Andininy 80
Ô ry Zanakan’Israely ! Efa navotanay teo amin’ny fahavalonareo Ianareo, ary efa nomenay fotoana teo amin’ny ilany havanan’ny tendrombohitra Tora ihany koa Ianareo, ary mbola nampidininay Taminareo ny mana sy ireo mpapelika.
كُلُوا مِن طَيِّبَاتِ مَا رَزَقْنَاكُمْ وَلَا تَطْغَوْا فِيهِ فَيَحِلَّ عَلَيْكُمْ غَضَبِي ۖ وَمَن يَحْلِلْ عَلَيْهِ غَضَبِي فَقَدْ هَوَىٰ ۝٨١
📖 Fandikana Andininy 81
Mihinàna Ianareo amin’ireo sakafo tsara izay anjara nomenay Anareo. Ary aza mihoa-pefy amin’izany Ianareo, raha tsy izany, dia hianjera Aminareo ny hatezerako. Fa izay hianjeran’ny hatezerako, dia mankany amin’ny fahapotehana tanteraka.
وَإِنِّي لَغَفَّارٌ لِّمَن تَابَ وَآمَنَ وَعَمِلَ صَالِحًا ثُمَّ اهْتَدَىٰ ۝٨٢
📖 Fandikana Andininy 82
Ary Izaho dia tena Mpamela heloka, ho an’izay mibebaka sy mino, ary manao asa soa, ka mizotra amin’ny làla-mahitsy.
۞ وَمَا أَعْجَلَكَ عَن قَوْمِكَ يَا مُوسَىٰ ۝٨٣
📖 Fandikana Andininy 83
“Fa inona ry Mosa no nahamaika Anao hiala ny vahoakanao ? ”
قَالَ هُمْ أُولَاءِ عَلَىٰ أَثَرِي وَعَجِلْتُ إِلَيْكَ رَبِّ لِتَرْضَىٰ ۝٨٤
📖 Fandikana Andininy 84
Niteny i Mosa ka nanao hoe : “ Izy ireo dia nanara-dia Ahy. Ary nanafaingana ny diako aty Aminao Aho, mba hankasitrahanao.
قَالَ فَإِنَّا قَدْ فَتَنَّا قَوْمَكَ مِن بَعْدِكَ وَأَضَلَّهُمُ السَّامِرِيُّ ۝٨٥
📖 Fandikana Andininy 85
Hoy Allah : “Nosedrainay tokoa ny vahoakanao, taorian’ny nandehananao. Ka noverezin’i Samiri làlana izy ireo, (tamin’ny nitarihiny azy ireo, hanompo ilay zanak’omby volamena)
فَرَجَعَ مُوسَىٰ إِلَىٰ قَوْمِهِ غَضْبَانَ أَسِفًا ۚ قَالَ يَا قَوْمِ أَلَمْ يَعِدْكُمْ رَبُّكُمْ وَعْدًا حَسَنًا ۚ أَفَطَالَ عَلَيْكُمُ الْعَهْدُ أَمْ أَرَدتُّمْ أَن يَحِلَّ عَلَيْكُمْ غَضَبٌ مِّن رَّبِّكُمْ فَأَخْلَفْتُم مَّوْعِدِي ۝٨٦
📖 Fandikana Andininy 86
Ary dia niverina tany amin’ny vahoakany i Mosa, tezitra no sady nalahelo ka niteny izy nanao hoe : “ Ô ry vahoakako ! Moa ve tsy efa nanome fampanantenana tsara ho Anareo ny Tomponareo ? Moa ve ela loatra Taminareo ny fifanekena ? Sa irinareo ny hianjeran’ny fahatezeran’ny Tomponareo Aminareo, nohon'ny famadihanareo ny fotoana nifanekena Tamiko ?”.
قَالُوا مَا أَخْلَفْنَا مَوْعِدَكَ بِمَلْكِنَا وَلَٰكِنَّا حُمِّلْنَا أَوْزَارًا مِّن زِينَةِ الْقَوْمِ فَقَذَفْنَاهَا فَكَذَٰلِكَ أَلْقَى السَّامِرِيُّ ۝٨٧
📖 Fandikana Andininy 87
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy nohon'ny sitraponay loatra no nivadihanay tamin’ny fotoana nifanekena Taminao, saingy noterena hivesatra ireo firavaky ny vahoakan’i Faraona Izahay, ka nodoranay avokoa (tamin’ny afo) izany araka ny hevitra natsipin’i Samiry.
فَأَخْرَجَ لَهُمْ عِجْلًا جَسَدًا لَّهُ خُوَارٌ فَقَالُوا هَٰذَا إِلَٰهُكُمْ وَإِلَٰهُ مُوسَىٰ فَنَسِيَ ۝٨٨
📖 Fandikana Andininy 88
Dia namoaka sarin-janak’omby lahy (volamena) avy tamin’izany ho azy ireo Izy, vatana mitrena. Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Io no Zanaharinareo sy Zanaharin’i Mosa, fa izy no nanadino ”.
أَفَلَا يَرَوْنَ أَلَّا يَرْجِعُ إِلَيْهِمْ قَوْلًا وَلَا يَمْلِكُ لَهُمْ ضَرًّا وَلَا نَفْعًا ۝٨٩
📖 Fandikana Andininy 89
Fa nahoana ! Tsy hitanareo ve, fa tsy miteny Izy io (zanak’omby lahy volamena), ary tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanao soa azy ireo akory Izy ?
وَلَقَدْ قَالَ لَهُمْ هَارُونُ مِن قَبْلُ يَا قَوْمِ إِنَّمَا فُتِنتُم بِهِ ۖ وَإِنَّ رَبَّكُمُ الرَّحْمَٰنُ فَاتَّبِعُونِي وَأَطِيعُوا أَمْرِي ۝٩٠
📖 Fandikana Andininy 90
Ary efa tena niteny mialoha tamin’izy ireo i Harona ka nanao hoe : “ Ô ry vahoakako, tena latsaka tao amin’ny fakam-panahy Ianareo (nohon'ny zanak’omby volamena), nefa ny marina dia ilay be Fiantrana no Tomponareo. koa manaraha Ahy Ianareo, ary ankatoavy ny didiko ”.
قَالُوا لَن نَّبْرَحَ عَلَيْهِ عَاكِفِينَ حَتَّىٰ يَرْجِعَ إِلَيْنَا مُوسَىٰ ۝٩١
📖 Fandikana Andininy 91
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy hitsahatra ny hifikitra amin’io Izahay, raha tsy miverina aty Aminay i Mosa”.
قَالَ يَا هَارُونُ مَا مَنَعَكَ إِذْ رَأَيْتَهُمْ ضَلُّوا ۝٩٢
📖 Fandikana Andininy 92
Niteny i Mosa KA nanao hoe : “ Ô ry Harona ! Inona no nisakana Anao (tsy handrara azy ireo) rehefa hitanao fa diso làlana izy ireo ? ”
أَلَّا تَتَّبِعَنِ ۖ أَفَعَصَيْتَ أَمْرِي ۝٩٣
📖 Fandikana Andininy 93
Moa ve tsy manaraka Ahy Ianao ? Sa tsy nankatoavinao ny didiko ?
قَالَ يَا ابْنَ أُمَّ لَا تَأْخُذْ بِلِحْيَتِي وَلَا بِرَأْسِي ۖ إِنِّي خَشِيتُ أَن تَقُولَ فَرَّقْتَ بَيْنَ بَنِي إِسْرَائِيلَ وَلَمْ تَرْقُبْ قَوْلِي ۝٩٤
📖 Fandikana Andininy 94
Niteny izy (Harona) nanao hoe : “O ry zanaky ny reniko ! Aza raisinao amin’ny volom-bavako aho, na amin’ny lohako. Matahotra aho ny hitenenanao hoe : “Nozarazarainao ireo zanak’Israely, ary tsy nanatanteraka ny teniko ianao”.
قَالَ فَمَا خَطْبُكَ يَا سَامِرِيُّ ۝٩٥
📖 Fandikana Andininy 95
Niteny Izy (Mosa) ka nanao hoe : “ Fa inona no zavatra tetehinao ry Samiry ?
قَالَ بَصُرْتُ بِمَا لَمْ يَبْصُرُوا بِهِ فَقَبَضْتُ قَبْضَةً مِّنْ أَثَرِ الرَّسُولِ فَنَبَذْتُهَا وَكَذَٰلِكَ سَوَّلَتْ لِي نَفْسِي ۝٩٦
📖 Fandikana Andininy 96
Niteny Izy (Samiry) ka nanao hoe : “ Nahita izay tsy hitan’izy ireo Aho, ka naka eran’ny tànana tamin’ny dian’ilay Iraka Aho ; avy eo, dia nafafiko izany.Tahaka izany no bitsiky ny fanahy Tamiko ”
قَالَ فَاذْهَبْ فَإِنَّ لَكَ فِي الْحَيَاةِ أَن تَقُولَ لَا مِسَاسَ ۖ وَإِنَّ لَكَ مَوْعِدًا لَّن تُخْلَفَهُ ۖ وَانظُرْ إِلَىٰ إِلَٰهِكَ الَّذِي ظَلْتَ عَلَيْهِ عَاكِفًا ۖ لَّنُحَرِّقَنَّهُ ثُمَّ لَنَنسِفَنَّهُ فِي الْيَمِّ نَسْفًا ۝٩٧
📖 Fandikana Andininy 97
Niteny izy (Mosa) hoe : “Mandehana ianao. Amin’ny fiainana, toy izao hatrany no teneninao (amin’ny olona rehetra) : “Aza mikasika Ahy (ianareo) ! ”. Ary hisy fe-potoana omena anao izay tsy azonao hidovirana. Jereo ny Zanaharinao izay nofikirinao fatratra, fa ho doranay tokoa izy, ary hafafinay (ny lavenony) any amin’ireo onjan-dranomasina.
إِنَّمَا إِلَٰهُكُمُ اللَّهُ الَّذِي لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۚ وَسِعَ كُلَّ شَيْءٍ عِلْمًا ۝٩٨
📖 Fandikana Andininy 98
Tena marina, fa i Allah no Zanaharinareo, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Manenika ny zava-drehetra ny Fahalalany.
كَذَٰلِكَ نَقُصُّ عَلَيْكَ مِنْ أَنبَاءِ مَا قَدْ سَبَقَ ۚ وَقَدْ آتَيْنَاكَ مِن لَّدُنَّا ذِكْرًا ۝٩٩
📖 Fandikana Andininy 99
Toy izany no fitantaranay Aminao izay niseho tany aloha. Tena fampahatsiahivana avy Aminay tokoa no nentinay Taminao.
مَّنْ أَعْرَضَ عَنْهُ فَإِنَّهُ يَحْمِلُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وِزْرًا ۝١٠٠
📖 Fandikana Andininy 100
N'iza n'iza manohitra Azy (Kor’any) dia hitondra enta-mavesatra (fahotana) izy amin’ny Andro Fitsanganana.
خَالِدِينَ فِيهِ ۖ وَسَاءَ لَهُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ حِمْلًا ۝١٠١
📖 Fandikana Andininy 101
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ary tena enta-mavesatra ho azy ireo izany amin’ny Andro Fitsanganana (ny maty).
يَوْمَ يُنفَخُ فِي الصُّورِ ۚ وَنَحْشُرُ الْمُجْرِمِينَ يَوْمَئِذٍ زُرْقًا ۝١٠٢
📖 Fandikana Andininy 102
Amin’ny Andro izay hitsofana ny trompetra (anjomara), dia hangoninay amin’izany Andro izany ireo mpanao heloka bevava, ary ho mangana ny endriny (noho ny tahotra).
يَتَخَافَتُونَ بَيْنَهُمْ إِن لَّبِثْتُمْ إِلَّا عَشْرًا ۝١٠٣
📖 Fandikana Andininy 103
Hifampibitsika izy ireo ka hanao hoe : “ Tsy nijanona tao Ianareo raha tsy folo (andro ihany) ! ”
نَّحْنُ أَعْلَمُ بِمَا يَقُولُونَ إِذْ يَقُولُ أَمْثَلُهُمْ طَرِيقَةً إِن لَّبِثْتُمْ إِلَّا يَوْمًا ۝١٠٤
📖 Fandikana Andininy 104
Tena mahalala tsara izay holazain’izy ireo Izahay, raha ny iray tamin’izy ireo, izay tsara fitondran-tena hiteny hanao hoe : “ Tsy nijanona afa-tsy iray Andro ihany Ianareo ”.
وَيَسْأَلُونَكَ عَنِ الْجِبَالِ فَقُلْ يَنسِفُهَا رَبِّي نَسْفًا ۝١٠٥
📖 Fandikana Andininy 105
Ary hanontany Anao izy ireo mahakasika ireo tendrombohitra. Lazao hoe : “ Ny Tompoko no hanaparitaka azy ireo ho tahaka ny vovoka ”.
فَيَذَرُهَا قَاعًا صَفْصَفًا ۝١٠٦
📖 Fandikana Andininy 106
Ary hataony ho toy ny tany lemaka sy ngazana izany.
لَّا تَرَىٰ فِيهَا عِوَجًا وَلَا أَمْتًا ۝١٠٧
📖 Fandikana Andininy 107
Izay tsy ahitanao na fiolakolahana na dongon-tany.
يَوْمَئِذٍ يَتَّبِعُونَ الدَّاعِيَ لَا عِوَجَ لَهُ ۖ وَخَشَعَتِ الْأَصْوَاتُ لِلرَّحْمَٰنِ فَلَا تَسْمَعُ إِلَّا هَمْسًا ۝١٠٨
📖 Fandikana Andininy 108
Amin’izany Andro izany dia hanaraka ny Mpiantso tsy misy fiolakolahana (fanarahana feno fankatoavana) izy ireo; dia hihamora ny feo eo anatrehan’Ilay be Fiantrana. Ary tsy handre Ianao afa-tsy feo malefaka ihany.
يَوْمَئِذٍ لَّا تَنفَعُ الشَّفَاعَةُ إِلَّا مَنْ أَذِنَ لَهُ الرَّحْمَٰنُ وَرَضِيَ لَهُ قَوْلًا ۝١٠٩
📖 Fandikana Andininy 109
Amin’izany Andro Izany, dia tsy hisy ahazo tombontsoa amin’ny fanelanelanana afa-tsy izay nomen’Ilay be Fiantrana alalana,sy nankasitrahany ny teniny.
يَعْلَمُ مَا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ وَلَا يُحِيطُونَ بِهِ عِلْمًا ۝١١٠
📖 Fandikana Andininy 110
Fantany izay eo alohan’izy ireo sy izay ao aorian’izy ireo, nefa tsy mahafehy Azy amin’ny alalan’ny fahalalana izy ireo.
۞ وَعَنَتِ الْوُجُوهُ لِلْحَيِّ الْقَيُّومِ ۖ وَقَدْ خَابَ مَنْ حَمَلَ ظُلْمًا ۝١١١
📖 Fandikana Andininy 111
Manetry tena eo anatrehan'ilay Velona mandrakizay, ilay tsy miankina na amin’iza na amin’iza ny tarehy rehetra. Ary ho maty antoka izay nanao ny tsy rariny.
وَمَن يَعْمَلْ مِنَ الصَّالِحَاتِ وَهُوَ مُؤْمِنٌ فَلَا يَخَافُ ظُلْمًا وَلَا هَضْمًا ۝١١٢
📖 Fandikana Andininy 112
Ary n'iza n'iza nanao asa soa no sady mino, dia tsy hatahotra na ny tsy rariny na ny tsindry hazo lena Izy.
وَكَذَٰلِكَ أَنزَلْنَاهُ قُرْآنًا عَرَبِيًّا وَصَرَّفْنَا فِيهِ مِنَ الْوَعِيدِ لَعَلَّهُمْ يَتَّقُونَ أَوْ يُحْدِثُ لَهُمْ ذِكْرًا ۝١١٣
📖 Fandikana Andininy 113
Toy izany no nampidinanay ny Koroany (amin’ny fiteny) arabo, ary nampitomboinay ao anatiny ny fandrahonana,angamba izy ireo hanam-patahorana, na hitondra fampahatsiahivana vaovao ho azy ireo.
فَتَعَالَى اللَّهُ الْمَلِكُ الْحَقُّ ۗ وَلَا تَعْجَلْ بِالْقُرْآنِ مِن قَبْلِ أَن يُقْضَىٰ إِلَيْكَ وَحْيُهُ ۖ وَقُل رَّبِّ زِدْنِي عِلْمًا ۝١١٤
📖 Fandikana Andininy 114
Ho an’i Allah anie ny fahamboniana, ilay Mpanjaka tena Marina ! Aza maika (mamaky) ny Koroany Ianao,alohan’ny fahataperan’ny fanambarana azy Aminao. Ary teneno hoe : “Ô ry Tompoko ! Ampitomboy ny fahalalako ! ”
وَلَقَدْ عَهِدْنَا إِلَىٰ آدَمَ مِن قَبْلُ فَنَسِيَ وَلَمْ نَجِدْ لَهُ عَزْمًا ۝١١٥
📖 Fandikana Andininy 115
Ary tena efa nandidy an’i Adama Izahay teo aloha, saingy nanadino Izy; ary tsy nahita fanapahan-kevitra hentitra tao Aminy Izahay.
وَإِذْ قُلْنَا لِلْمَلَائِكَةِ اسْجُدُوا لِآدَمَ فَسَجَدُوا إِلَّا إِبْلِيسَ أَبَىٰ ۝١١٦
📖 Fandikana Andininy 116
Ary raha niteny tamin’ireo Anjely Izahay ka nanao hoe : “ Miankohofa eo anatrehan’i Adama Ianareo ! ”. Dia niankohoka avokoa izy rehetra, afa-tsy Iblisy izay nandà.
فَقُلْنَا يَا آدَمُ إِنَّ هَٰذَا عَدُوٌّ لَّكَ وَلِزَوْجِكَ فَلَا يُخْرِجَنَّكُمَا مِنَ الْجَنَّةِ فَتَشْقَىٰ ۝١١٧
📖 Fandikana Andininy 117
Dia niteny Izahay nanao hoe : “ Ô ry Adama ! Tena marina fa fahavalo ho Anao, sy ho an’ny vadinao tokoa Izy. Koa aoka tsy havoakany avy ao amin’ny paradisa Ianareo, fa ho lasa ory Ianao.
إِنَّ لَكَ أَلَّا تَجُوعَ فِيهَا وَلَا تَعْرَىٰ ۝١١٨
📖 Fandikana Andininy 118
Fa tsy ahatsiaro hanoanana Ianao ao, na hitanjaka koa.
وَأَنَّكَ لَا تَظْمَأُ فِيهَا وَلَا تَضْحَىٰ ۝١١٩
📖 Fandikana Andininy 119
Ary tsy ahatsiaro hetaheta ihany koa Ianao ao, ary tsy ho tratran’ny hafanan’ny masoandro.
فَوَسْوَسَ إِلَيْهِ الشَّيْطَانُ قَالَ يَا آدَمُ هَلْ أَدُلُّكَ عَلَىٰ شَجَرَةِ الْخُلْدِ وَمُلْكٍ لَّا يَبْلَىٰ ۝١٢٠
📖 Fandikana Andininy 120
Avy eo dia naka fanahy Azy ny satana, sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Adama ! Hatoroko Anao ve ilay hazon’ny mandrakizay, sy ny fanjakana tsy mety rava ? ”
فَأَكَلَا مِنْهَا فَبَدَتْ لَهُمَا سَوْآتُهُمَا وَطَفِقَا يَخْصِفَانِ عَلَيْهِمَا مِن وَرَقِ الْجَنَّةِ ۚ وَعَصَىٰ آدَمُ رَبَّهُ فَغَوَىٰ ۝١٢١
📖 Fandikana Andininy 121
Dia samy nihinana tamin’izany izy Roa (Adam sy Eva).Avy eo, dia nahatsapa fa nitanjaka (niboridana) izy Roa, ka niara-nitafy ny ravina tao am-paradisa. Tsy nankatò ny tenin’ny Tompony i Adama, ka dia very làlana.
ثُمَّ اجْتَبَاهُ رَبُّهُ فَتَابَ عَلَيْهِ وَهَدَىٰ ۝١٢٢
📖 Fandikana Andininy 122
Avy eo,dia nofidin’ny Tompony Izy, ary nankasitrahiny ny fibebahany, ary dia notarihiny làlana Izy.
قَالَ اهْبِطَا مِنْهَا جَمِيعًا ۖ بَعْضُكُمْ لِبَعْضٍ عَدُوٌّ ۖ فَإِمَّا يَأْتِيَنَّكُم مِّنِّي هُدًى فَمَنِ اتَّبَعَ هُدَايَ فَلَا يَضِلُّ وَلَا يَشْقَىٰ ۝١٢٣
📖 Fandikana Andininy 123
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Midìna miala eto Ianareo roa (Adama sy Eva) ! Ny andaniny Aminareo no fahavalon’ny ankilany. Ary raha misy tari-dàlana avy aty Amiko tonga eo Aminareo, ka n'iza n'iza manaraka ny tari-dàlako dia tsy ho very làlana, ary tsy ho ory Izy.
وَمَنْ أَعْرَضَ عَن ذِكْرِي فَإِنَّ لَهُ مَعِيشَةً ضَنكًا وَنَحْشُرُهُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ أَعْمَىٰ ۝١٢٤
📖 Fandikana Andininy 124
Ary n'iza n'iza kosa mitodi-damosina amin’ny fampahatsiahivako,tena marina fa ho Azy ny fiainana feno fahasahiranana, ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia haverinay ao anaty fahajambana Izy.
قَالَ رَبِّ لِمَ حَشَرْتَنِي أَعْمَىٰ وَقَدْ كُنتُ بَصِيرًا ۝١٢٥
📖 Fandikana Andininy 125
Dia hiteny Izy hanao hoe : “ Tompo ô ! Nahoana no naverinao anatin’ny fahajambana Aho, nefa dia nahiratra tany aloha ”.
قَالَ كَذَٰلِكَ أَتَتْكَ آيَاتُنَا فَنَسِيتَهَا ۖ وَكَذَٰلِكَ الْيَوْمَ تُنسَىٰ ۝١٢٦
📖 Fandikana Andininy 126
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Toy izany no nahatongavan’ny Famantaranay teo Aminao, ka nanadino izany Ianao, dia toy izany koa no hanadinoana Anao Androany ”.
وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي مَنْ أَسْرَفَ وَلَمْ يُؤْمِن بِآيَاتِ رَبِّهِ ۚ وَلَعَذَابُ الْآخِرَةِ أَشَدُّ وَأَبْقَىٰ ۝١٢٧
📖 Fandikana Andininy 127
Ary tahaka izany no hanasazianay izay mihoa-pefy sy tsy mino ireo Famantarana avy amin’ny Tompony. Ary tena marina fa ny famaizana any an-koatra no tena mafy sady maharitra.
أَفَلَمْ يَهْدِ لَهُمْ كَمْ أَهْلَكْنَا قَبْلَهُم مِّنَ الْقُرُونِ يَمْشُونَ فِي مَسَاكِنِهِمْ ۗ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّأُولِي النُّهَىٰ ۝١٢٨
📖 Fandikana Andininy 128
Tsy ampy ho toro-làlana ho azy ireo ve, firifiry moa no naringanay, talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka maro tao amin’ireo fonenana izay andehanan’izy ireo ankehitriny ? Tena marina fa izany dia Famantarana ho an’ireo matsilo saina !
وَلَوْلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتْ مِن رَّبِّكَ لَكَانَ لِزَامًا وَأَجَلٌ مُّسَمًّى ۝١٢٩
📖 Fandikana Andininy 129
Raha tsy ny fisian’ny Teny izay efa noraisin’ny Tomponao mialoha, sy ny fotoana izay efa voafaritra, dia tsy afa-bela (amin’ny famaizana) izy ireo.
فَاصْبِرْ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَسَبِّحْ بِحَمْدِ رَبِّكَ قَبْلَ طُلُوعِ الشَّمْسِ وَقَبْلَ غُرُوبِهَا ۖ وَمِنْ آنَاءِ اللَّيْلِ فَسَبِّحْ وَأَطْرَافَ النَّهَارِ لَعَلَّكَ تَرْضَىٰ ۝١٣٠
📖 Fandikana Andininy 130
Zakao amim-paharetana izay lazain’izy ireo, ary ankalazao amim-piderana ny Tomponao, alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy mialohan’ny filentehany. Ary mandritra ny alina, dia ankalazao ny voninahiny, sy eo amin’ny fiandohan’ny andro ary ny fiafarany. Angamba ahazo fahafaham-po Ianao.
وَلَا تَمُدَّنَّ عَيْنَيْكَ إِلَىٰ مَا مَتَّعْنَا بِهِ أَزْوَاجًا مِّنْهُمْ زَهْرَةَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا لِنَفْتِنَهُمْ فِيهِ ۚ وَرِزْقُ رَبِّكَ خَيْرٌ وَأَبْقَىٰ ۝١٣١
📖 Fandikana Andininy 131
Ary aza atopy mankany amin’izay fahafinaretana mandalo nomenay hifalian’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo ny masonao ; tahaka ny ravaky ny fiainana an-tany hisedrana azy ireo izany. Ny fanomezana izay avy amin’ny Tomponao no tena tsara indrindra, sady maharitra.
وَأْمُرْ أَهْلَكَ بِالصَّلَاةِ وَاصْطَبِرْ عَلَيْهَا ۖ لَا نَسْأَلُكَ رِزْقًا ۖ نَّحْنُ نَرْزُقُكَ ۗ وَالْعَاقِبَةُ لِلتَّقْوَىٰ ۝١٣٢
📖 Fandikana Andininy 132
Ary didio ny Fianakavianao amin’ny fanatanterahana ny Soalat (vavaka), ary mahareta amin’izany (Soalat) koa Ianao. Tsy mangataka anjara fivelomana Aminao Izahay, fa Izahay no manome anjara fivelomana ho Anao. fa ny fiafarana tsara dia ho an’ny manam-patahorana.
وَقَالُوا لَوْلَا يَأْتِينَا بِآيَةٍ مِّن رَّبِّهِ ۚ أَوَلَمْ تَأْتِهِم بَيِّنَةُ مَا فِي الصُّحُفِ الْأُولَىٰ ۝١٣٣
📖 Fandikana Andininy 133
Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nahoana Izahay no tsy hitondrany fahagagana avy amin’ny Tompony ? ”. Moa ve tsy efa tonga tamin’izy ireo ny porofo izay noraiketin’ireo Boky teo aloha ?
وَلَوْ أَنَّا أَهْلَكْنَاهُم بِعَذَابٍ مِّن قَبْلِهِ لَقَالُوا رَبَّنَا لَوْلَا أَرْسَلْتَ إِلَيْنَا رَسُولًا فَنَتَّبِعَ آيَاتِكَ مِن قَبْلِ أَن نَّذِلَّ وَنَخْزَىٰ ۝١٣٤
📖 Fandikana Andininy 134
Ary raha naringanay tamin’ny famaizana talohan’ny nahatongavany (Mohammady) izy ireo, dia ho niteny tokoa izy ireo ka nanao hoe : “ Ry Tomponay ô ! Nahoana no tsy nandefasanao Iraka izahay ? Dia ho nanaraka ny famantaranao (porofo fanambarana) Izahay, mialohan’ny hiatrehanay (ambany dia ambany), sy fahafaham-baraka Aminay ”.
قُلْ كُلٌّ مُّتَرَبِّصٌ فَتَرَبَّصُوا ۖ فَسَتَعْلَمُونَ مَنْ أَصْحَابُ الصِّرَاطِ السَّوِيِّ وَمَنِ اهْتَدَىٰ ۝١٣٥
📖 Fandikana Andininy 135
Teneno hoe : “ Ny tsirairay dia samy miandry avokoa. Miandrasa ihany koa àry Ianareo ! Tsy ho ela dia ho fantatrareo, iza ireo Olon’ny làla-mahitsy, sy ireo izay voatari-dàlana ”.
← 19 Taha (20/114) 21 →
Vakio Surah Taha Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

20طه Taha 📚 135 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Taha — 135 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers