Surah Ad-Dukhan amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Ad-Dukhan miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (59 Andininy — مكية). Ad-Dukhan Henoy, Ad-Dukhan Fandikana, Ad-Dukhan mp3, Ad-Dukhan pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Ad-Dukhan

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
حم ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Hà, Mîm.
وَالْكِتَابِ الْمُبِينِ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Mianiana amin’ilay Boky (Koroany) mazava aho.
إِنَّا أَنزَلْنَاهُ فِي لَيْلَةٍ مُّبَارَكَةٍ ۚ إِنَّا كُنَّا مُنذِرِينَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Nampidininay tamin’ny alina masina tokoa izy, fa Izahay no mpampitandrina,
فِيهَا يُفْرَقُ كُلُّ أَمْرٍ حَكِيمٍ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Nandritra izany no nanapahana ny didy rehetra feno fahendrena.
أَمْرًا مِّنْ عِندِنَا ۚ إِنَّا كُنَّا مُرْسِلِينَ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Didy avy Aminay izany. Izahay no mandefa ireo iraka,
رَحْمَةً مِّن رَّبِّكَ ۚ إِنَّهُ هُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ho famindram-po avy amin’ny Tomponao, fa Izy no Ilay Mahare, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra,
رَبِّ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا بَيْنَهُمَا ۖ إِن كُنتُم مُّوقِنِينَ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelan’izany! Raha miaiky izany tokoa ianareo.
لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ يُحْيِي وَيُمِيتُ ۖ رَبُّكُمْ وَرَبُّ آبَائِكُمُ الْأَوَّلِينَ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. Izy no mamelona sy mamono, ary Izy no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
بَلْ هُمْ فِي شَكٍّ يَلْعَبُونَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Nefa izy ireo dia misangy ao anatin’ny fisalasalana.
فَارْتَقِبْ يَوْمَ تَأْتِي السَّمَاءُ بِدُخَانٍ مُّبِينٍ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Raha izany, andraso ilay andro hitondran’ny lanitra setroka hita maso,
يَغْشَى النَّاسَ ۖ هَٰذَا عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Izay handrakotra ny olona. Ho famaizana mamirifiry tokoa izany.
رَّبَّنَا اكْشِفْ عَنَّا الْعَذَابَ إِنَّا مُؤْمِنُونَ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Tomponay ô ! Alaviro aminay ny famaizana. Fa mino tokoa izahay.
أَنَّىٰ لَهُمُ الذِّكْرَىٰ وَقَدْ جَاءَهُمْ رَسُولٌ مُّبِينٌ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Taiza izany fahatsiarovan-tenan’izy ireo izany, nefa dia efa tonga tamin’izy ireo ny iraka mazava.
ثُمَّ تَوَلَّوْا عَنْهُ وَقَالُوا مُعَلَّمٌ مَّجْنُونٌ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Avy eo, dia nihataka taminy izy ireo, sady niteny hoe: “Olona nanovo fahalalana izy io, nidiran’ny devoly.”
إِنَّا كَاشِفُو الْعَذَابِ قَلِيلًا ۚ إِنَّكُمْ عَائِدُونَ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ho foananay fotoana fohy ny famaizana, fa mbola hamerina ianareo.
يَوْمَ نَبْطِشُ الْبَطْشَةَ الْكُبْرَىٰ إِنَّا مُنتَقِمُونَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ny andro hampiasanay ny famaizana mafy indrindra sy hanaovanay famelan-keloka.
۞ وَلَقَدْ فَتَنَّا قَبْلَهُمْ قَوْمَ فِرْعَوْنَ وَجَاءَهُمْ رَسُولٌ كَرِيمٌ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Ary talohan’izy ireo, dia efa nosedrainay ny vahoakan’i Faraona, tamin’ny fahatongavan’ny iraka manan-kaja teo amin’izy ireo.
أَنْ أَدُّوا إِلَيَّ عِبَادَ اللَّهِ ۖ إِنِّي لَكُمْ رَسُولٌ أَمِينٌ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Izay niteny hoe: “Atolory ahy ireo mpanompon’Allah! Fa iraka mendri-pitokisana ho anareo tokoa aho.
وَأَن لَّا تَعْلُوا عَلَى اللَّهِ ۖ إِنِّي آتِيكُم بِسُلْطَانٍ مُّبِينٍ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Aza manambon'ny tena eo anatrehan’I Allah ianareo, fa mitondra porofo mazava ho anareo aho.
وَإِنِّي عُذْتُ بِرَبِّي وَرَبِّكُمْ أَن تَرْجُمُونِ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ary mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba tsy ho torahanareo.
وَإِن لَّمْ تُؤْمِنُوا لِي فَاعْتَزِلُونِ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Ary raha tsy te-hino ahy ianareo, dia manalavira ahy.”
فَدَعَا رَبَّهُ أَنَّ هَٰؤُلَاءِ قَوْمٌ مُّجْرِمُونَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Dia niantso ny Tompony izy hoe: “ Olona mpanao ratsy tokoa izy ireo ! ”.
فَأَسْرِ بِعِبَادِي لَيْلًا إِنَّكُم مُّتَّبَعُونَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao;fa hisy hanaraka ianareo.
وَاتْرُكِ الْبَحْرَ رَهْوًا ۖ إِنَّهُمْ جُندٌ مُّغْرَقُونَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Avelao ho tony araka izao ny ranomasina, fa tafika ho maty an-drano izy ireo.
كَمْ تَرَكُوا مِن جَنَّاتٍ وَعُيُونٍ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Firifiry ireo zaridaina sy loharano navelan’izy ireo.
وَزُرُوعٍ وَمَقَامٍ كَرِيمٍ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ireo saha sy fonenana mahafinaritra
وَنَعْمَةٍ كَانُوا فِيهَا فَاكِهِينَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Ny fahafinaretana nifalian’izy ireo.
كَذَٰلِكَ ۖ وَأَوْرَثْنَاهَا قَوْمًا آخَرِينَ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Toy izany no niseho, ka nampandovanay vahoaka hafa izany.
فَمَا بَكَتْ عَلَيْهِمُ السَّمَاءُ وَالْأَرْضُ وَمَا كَانُوا مُنظَرِينَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Tsy nisy nitomany azy ireo, na ny lanitra, na ny tany, sady tsy nahazo fanemoram-potoana intsony izy ireo.
وَلَقَدْ نَجَّيْنَا بَنِي إِسْرَائِيلَ مِنَ الْعَذَابِ الْمُهِينِ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Ary navotanay tamin’ny famaizana mahafabaraka ireo zanak’Israely,
مِن فِرْعَوْنَ ۚ إِنَّهُ كَانَ عَالِيًا مِّنَ الْمُسْرِفِينَ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Tamin’i Faraona, izay mpanambon'ny tena, isan’ireo mpanao ny tafahoatra.
وَلَقَدِ اخْتَرْنَاهُمْ عَلَىٰ عِلْمٍ عَلَى الْعَالَمِينَ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Hamafisina, fa nofidiay teo anivon’izao tontolo izao izy ireo tamim-pahalalana tanteraka.
وَآتَيْنَاهُم مِّنَ الْآيَاتِ مَا فِيهِ بَلَاءٌ مُّبِينٌ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Ka nitondranay fahagagana izy ireo, izay misy fitsapana miharihary ho azy.
إِنَّ هَٰؤُلَاءِ لَيَقُولُونَ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Milaza izy ireny (mponin'i Makkat) hoe:
إِنْ هِيَ إِلَّا مَوْتَتُنَا الْأُولَىٰ وَمَا نَحْنُ بِمُنشَرِينَ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana iray voalohany ihany ho anay. Ary tsy hatsangana amin’ny maty izahay.
فَأْتُوا بِآبَائِنَا إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Avereno àry ireo razambenay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”
أَهُمْ خَيْرٌ أَمْ قَوْمُ تُبَّعٍ وَالَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ أَهْلَكْنَاهُمْ ۖ إِنَّهُمْ كَانُوا مُجْرِمِينَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Mendrika kokoa va izy ireo nohon'ny vahoakan’i Tobba, sy ireo talohan’izy ireo ? Naringanay izy ireo, fa tena olon-dratsy.
وَمَا خَلَقْنَا السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَمَا بَيْنَهُمَا لَاعِبِينَ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Tsy ho kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany, ary izay eo anelanelan’izany.
مَا خَلَقْنَاهُمَا إِلَّا بِالْحَقِّ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ لَا يَعْلَمُونَ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Fa tamim-pahamarinana tokoa no naharianay azy ireny. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
إِنَّ يَوْمَ الْفَصْلِ مِيقَاتُهُمْ أَجْمَعِينَ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Hamafisina, fa ny andro ny fitsarana farany no fotoana hihaonan’izy ireo rehetra.
يَوْمَ لَا يُغْنِي مَوْلًى عَن مَّوْلًى شَيْئًا وَلَا هُمْ يُنصَرُونَ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Ny andro izay tsy hilan’ny olona ny namany intsony; ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
إِلَّا مَن رَّحِمَ اللَّهُ ۚ إِنَّهُ هُوَ الْعَزِيزُ الرَّحِيمُ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Afa-tsy, izay niantran’I Allah. Fa Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
إِنَّ شَجَرَتَ الزَّقُّومِ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Hamafisina, fa ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe),
طَعَامُ الْأَثِيمِ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Dia ho sakafon’ny be fahotana.
كَالْمُهْلِ يَغْلِي فِي الْبُطُونِ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Toy ny vy voarendrika hangotraka ao an-kibo.
كَغَلْيِ الْحَمِيمِ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Tahaka ny fangotrahan’ny rano mamay.
خُذُوهُ فَاعْتِلُوهُ إِلَىٰ سَوَاءِ الْجَحِيمِ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Raisonareo izy, ka avarino any anaty afo mamaivay.
ثُمَّ صُبُّوا فَوْقَ رَأْسِهِ مِنْ عَذَابِ الْحَمِيمِ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Avy eo, tondrahinareo rano mangotraka eo ambony lohany ho famaizana azy.
ذُقْ إِنَّكَ أَنتَ الْعَزِيزُ الْكَرِيمُ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Andramo! Fa ianao ilay nihevi-tena ho mahery, ilay manan-kaja.
إِنَّ هَٰذَا مَا كُنتُم بِهِ تَمْتَرُونَ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Izany mantsy ilay nampisalasala anareo.
إِنَّ الْمُتَّقِينَ فِي مَقَامٍ أَمِينٍ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Ho amin’ny fonenana azo antoka ireo vontom-pinoana,
فِي جَنَّاتٍ وَعُيُونٍ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Ao amin’ireo zaridaina sy loharano,
يَلْبَسُونَ مِن سُندُسٍ وَإِسْتَبْرَقٍ مُّتَقَابِلِينَ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Akanjo mangirana sy lamba lasoa no fitafin’izy ireo, ary hipetraka mifanatrika.
كَذَٰلِكَ وَزَوَّجْنَاهُم بِحُورٍ عِينٍ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Toy izany! Ary tovovavy baribary maso no homenay ho vadin'izy ireo.
يَدْعُونَ فِيهَا بِكُلِّ فَاكِهَةٍ آمِنِينَ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Hangataka karazam-boankazo am-pilaminana tanteraka izy ireo ao.
لَا يَذُوقُونَ فِيهَا الْمَوْتَ إِلَّا الْمَوْتَةَ الْأُولَىٰ ۖ وَوَقَاهُمْ عَذَابَ الْجَحِيمِ ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Tsy hanandrana fahafatesana izy ireo ao, afa-tsy ilay fahafatesana voalohany ihany. Ary harovana amin’ny famaizan’ny afo mavaivay izy ireo,
فَضْلًا مِّن رَّبِّكَ ۚ ذَٰلِكَ هُوَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Fahasoavana avy amin’ny Tomponao izany. Ary izany no fahombiazana lehibe.
فَإِنَّمَا يَسَّرْنَاهُ بِلِسَانِكَ لَعَلَّهُمْ يَتَذَكَّرُونَ ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Nataonay ho mora tamin’ny lelanao izany (Koroany), mba hahatsiaro izy ireo.
فَارْتَقِبْ إِنَّهُم مُّرْتَقِبُونَ ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Koa miandrasa àry ianao, fa miandry koa izy ireo.
← 43 Ad-Dukhan (44/114) 45 →
Vakio Surah Ad-Dukhan Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

44الدخان Ad-Dukhan 📚 59 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Ad-Dukhan — 59 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers