Surah As-Sajdah amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah As-Sajdah miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (30 Andininy — مكية). As-Sajdah Henoy, As-Sajdah Fandikana, As-Sajdah mp3, As-Sajdah pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah As-Sajdah

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
الم ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Alif, Làm, Mìm
تَنزِيلُ الْكِتَابِ لَا رَيْبَ فِيهِ مِن رَّبِّ الْعَالَمِينَ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Ny fidinan’ny boky, dia tsy misy fisalasalana ny ao anatiny, avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.
أَمْ يَقُولُونَ افْتَرَاهُ ۚ بَلْ هُوَ الْحَقُّ مِن رَّبِّكَ لِتُنذِرَ قَوْمًا مَّا أَتَاهُم مِّن نَّذِيرٍ مِّن قَبْلِكَ لَعَلَّهُمْ يَهْتَدُونَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Hilaza ve izy ireo fa noforonin'i (Mohammad) izany ? Nefa tsy izany akory, fa izy ity kosa dia Fahamarinana avy amin’ny Tomponao mba ho fampitandremana ny vahoaka izay tsy mbola nisy mpampitandrina teo alohanao tonga teo amin’izy ireo, angamba ho voatari-dàlana izy ireo.
اللَّهُ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَمَا بَيْنَهُمَا فِي سِتَّةِ أَيَّامٍ ثُمَّ اسْتَوَىٰ عَلَى الْعَرْشِ ۖ مَا لَكُم مِّن دُونِهِ مِن وَلِيٍّ وَلَا شَفِيعٍ ۚ أَفَلَا تَتَذَكَّرُونَ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, tao anatin’ny enin'andro. Avy eo dia nitoetra teo amin’ny seza fiandrianany Izy. Ary tsy manana mpiahy, na mpanelanelana ankoatra Azy ianareo.Tsy tsaronareo ve izany ?
يُدَبِّرُ الْأَمْرَ مِنَ السَّمَاءِ إِلَى الْأَرْضِ ثُمَّ يَعْرُجُ إِلَيْهِ فِي يَوْمٍ كَانَ مِقْدَارُهُ أَلْفَ سَنَةٍ مِّمَّا تَعُدُّونَ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Tantanany avokoa ny raharaha rehetra any an-danitra sy ety an-tany, avy eo dia miakatra any Aminy (ny raharaha rehetra) ao anatin’ny andro iray, ka ny faharetan’izany dia mitovy amin’ny arivo taona amin’ny fanisanareo.
ذَٰلِكَ عَالِمُ الْغَيْبِ وَالشَّهَادَةِ الْعَزِيزُ الرَّحِيمُ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Izy Ilay Mahalala (izao tontolo izao) ny miafina sy ny hita maso, Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo,
الَّذِي أَحْسَنَ كُلَّ شَيْءٍ خَلَقَهُ ۖ وَبَدَأَ خَلْقَ الْإِنسَانِ مِن طِينٍ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Izay nandavorary ny rehetra nohariany. Ary nanomboka ny fahariana ny olombelona Izy avy amin’ny vovoky ny tany.
ثُمَّ جَعَلَ نَسْلَهُ مِن سُلَالَةٍ مِّن مَّاءٍ مَّهِينٍ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Avy eo dia nataony avy tamin’ny tete-drano malemy (tsirin'aina) ny taranany.
ثُمَّ سَوَّاهُ وَنَفَخَ فِيهِ مِن رُّوحِهِ ۖ وَجَعَلَ لَكُمُ السَّمْعَ وَالْأَبْصَارَ وَالْأَفْئِدَةَ ۚ قَلِيلًا مَّا تَشْكُرُونَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Avy eo dia nomeny vatana tsara endrika izy, ka notsofiny tao aminy ny fofon’aina avy Aminy. Ary nataony eo aminareo ny fandrenesana, ireo maso sy ny fo. Zara raha mankasitraka ianareo !
وَقَالُوا أَإِذَا ضَلَلْنَا فِي الْأَرْضِ أَإِنَّا لَفِي خَلْقٍ جَدِيدٍ ۚ بَلْ هُم بِلِقَاءِ رَبِّهِمْ كَافِرُونَ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Ary niteny izy ireo hoe : “Rehefa very ao anatin’ny tany (ho lasa vovoka ) izahay, dia hiverina amin’ny fahariana vaovao indray ve ? Raha ny marina, dia tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompony izy ireo.
۞ قُلْ يَتَوَفَّاكُم مَّلَكُ الْمَوْتِ الَّذِي وُكِّلَ بِكُمْ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُمْ تُرْجَعُونَ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Teneno hoe : “Haka ny fofon'ainareo ilay anjelin'ny fahafatesana, izay miahy anareo. Avy eo dia haverina any amin’ny Tomponareo ianareo”.
وَلَوْ تَرَىٰ إِذِ الْمُجْرِمُونَ نَاكِسُو رُءُوسِهِمْ عِندَ رَبِّهِمْ رَبَّنَا أَبْصَرْنَا وَسَمِعْنَا فَارْجِعْنَا نَعْمَلْ صَالِحًا إِنَّا مُوقِنُونَ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Raha hitanao ireo mpanao heloka bevava, mitanondri-doha eo anoloan’ny Tompony izy ireo ! “Tomponay ô ! Nahita sy nandre izahay, koa avereno àry izahay mba hanao ny tsara; tena marina fa mino tanteraka izahay (ankehitriny)”.
وَلَوْ شِئْنَا لَآتَيْنَا كُلَّ نَفْسٍ هُدَاهَا وَلَٰكِنْ حَقَّ الْقَوْلُ مِنِّي لَأَمْلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنَ الْجِنَّةِ وَالنَّاسِ أَجْمَعِينَ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Raha sitrakay, dia nomenay ny tari-dàlany avy ny fanahy tsirairay. Kanefa tsy maintsy tanterahana ny teny avy aty Amiko : “ Tena ho fenoiko ireo jiny sy ireo olombelona ny Afobe”.
فَذُوقُوا بِمَا نَسِيتُمْ لِقَاءَ يَوْمِكُمْ هَٰذَا إِنَّا نَسِينَاكُمْ ۖ وَذُوقُوا عَذَابَ الْخُلْدِ بِمَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Andramonareo àry ! Nohon'ny nanadinoanareo ny fihaonana amin’ity andronareo ity. Tena marina fa nanadino anareo koa izahay. Andramonareo ny famaizana mandrakizay noho izay nataonareo”.
إِنَّمَا يُؤْمِنُ بِآيَاتِنَا الَّذِينَ إِذَا ذُكِّرُوا بِهَا خَرُّوا سُجَّدًا وَسَبَّحُوا بِحَمْدِ رَبِّهِمْ وَهُمْ لَا يَسْتَكْبِرُونَ ۩ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ny tena mino ireo fanambaranay dia ireo izay, rehefa ampahatsiahivana azy ireo izany, dia miantoraka miankohoka izy ireo, ka mankalaza sy midera ny voninahitry ny Tompony, ary tsy feno fiavonavonana izy ireo.
تَتَجَافَىٰ جُنُوبُهُمْ عَنِ الْمَضَاجِعِ يَدْعُونَ رَبَّهُمْ خَوْفًا وَطَمَعًا وَمِمَّا رَزَقْنَاهُمْ يُنفِقُونَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Miarina, miala ny fandriana izy ireo, mba hitalaho amin’ny Tompony, amim-patahorana sy amim-panantenàna ary manao asa fanomezana izy ireo, amin’izay nomenay azy.
فَلَا تَعْلَمُ نَفْسٌ مَّا أُخْفِيَ لَهُم مِّن قُرَّةِ أَعْيُنٍ جَزَاءً بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Tsy misy mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ny amin’ny fahafinaretan’ireo maso, ho valin’izay nataon’izy ireo.
أَفَمَن كَانَ مُؤْمِنًا كَمَن كَانَ فَاسِقًا ۚ لَّا يَسْتَوُونَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Moa ve mitovy ny mpino sy ny mpanao asa ratsy ? (Tsia !) Tsy mitovy velively izy ireo !
أَمَّا الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ فَلَهُمْ جَنَّاتُ الْمَأْوَىٰ نُزُلًا بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireo ny fonenana ao amin’ireo zaridainan’ny fialofana, ho valisoan’ny asa nataon’izy ireo.
وَأَمَّا الَّذِينَ فَسَقُوا فَمَأْوَاهُمُ النَّارُ ۖ كُلَّمَا أَرَادُوا أَن يَخْرُجُوا مِنْهَا أُعِيدُوا فِيهَا وَقِيلَ لَهُمْ ذُوقُوا عَذَابَ النَّارِ الَّذِي كُنتُم بِهِ تُكَذِّبُونَ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Fa ho an’ireo izay manao ny asa ratsy kosa, ny fialofan’izy ireo dia ny Afobe. Isaka ny maniry ny hiala ao izy ireo, dia averina ao, ary hotenenina izy ireo hoe : “Andramanareo ny famaizan’ny Afobe izay nolazainareo fa lainga”.
وَلَنُذِيقَنَّهُم مِّنَ الْعَذَابِ الْأَدْنَىٰ دُونَ الْعَذَابِ الْأَكْبَرِ لَعَلَّهُمْ يَرْجِعُونَ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Tena hampandramananay ny famaizana eto an-tany izy ireo, alohan’ny famaizana lehibe (any an-koatra), angamba hiverina izy ireo (amin’ny làla-mahitsy) !
وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّن ذُكِّرَ بِآيَاتِ رَبِّهِ ثُمَّ أَعْرَضَ عَنْهَا ۚ إِنَّا مِنَ الْمُجْرِمِينَ مُنتَقِمُونَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Ary iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra amin’izay nampahatsiahivana ny fanambaran'i Tompony, avy eo, dia mitodi-damosina amin’izany ? Tena marina fa Izahay dia hamaly ireo mpanao heloka be vava.
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ فَلَا تَكُن فِي مِرْيَةٍ مِّن لِّقَائِهِ ۖ وَجَعَلْنَاهُ هُدًى لِّبَنِي إِسْرَائِيلَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Ary tena efa nomenay an’i Mosa ny Boky, koa aoka ianao tsy hanana fisalasalana amin’ny fihaonana aminy (Mosa), ary nataonay ho mpitari-dàlana ireo zanak’Israely izy.
وَجَعَلْنَا مِنْهُمْ أَئِمَّةً يَهْدُونَ بِأَمْرِنَا لَمَّا صَبَرُوا ۖ وَكَانُوا بِآيَاتِنَا يُوقِنُونَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Ary nanendry mpitarika maro avy tamin’izy ireo Izahay, izay nitari-dàlana (ny vahoaka) araka ny didinay, noho izy ireo nanana faharetana sy tena nino ireo fanambaranay.
إِنَّ رَبَّكَ هُوَ يَفْصِلُ بَيْنَهُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ فِيمَا كَانُوا فِيهِ يَخْتَلِفُونَ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Tena marina fa ny Tomponao, Izy no hanapaka amin’izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana, izay tsy nampitovy hevitra azy ireo.
أَوَلَمْ يَهْدِ لَهُمْ كَمْ أَهْلَكْنَا مِن قَبْلِهِم مِّنَ الْقُرُونِ يَمْشُونَ فِي مَسَاكِنِهِمْ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ ۖ أَفَلَا يَسْمَعُونَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Moa ve tsy manoro làlana azy ireo izy, fa firifiry no naringanay talohan’izy ireo, tamin’ireo taranaka, tao amin’ireo trano izay diavin’izy ireo ? Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ! Moa ve tsy mihaino izy ireo ?
أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّا نَسُوقُ الْمَاءَ إِلَى الْأَرْضِ الْجُرُزِ فَنُخْرِجُ بِهِ زَرْعًا تَأْكُلُ مِنْهُ أَنْعَامُهُمْ وَأَنفُسُهُمْ ۖ أَفَلَا يُبْصِرُونَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Izahay dia manosika ny rano mankany amin’ny tany karakaina, manarak’izany dia avoakanay (nampanirianay) ny voly mba ho hanin’ny biby fiompiny, sy izy ireo ihany koa. Moa tsy mba hitan’izy ireo va izany ?
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا الْفَتْحُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana izany fandresena izany, raha marina ny anareo ?”
قُلْ يَوْمَ الْفَتْحِ لَا يَنفَعُ الَّذِينَ كَفَرُوا إِيمَانُهُمْ وَلَا هُمْ يُنظَرُونَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Teneno hoe : “Amin’ny andro Fandresena, dia tsy misy fiantraikany amin’ireo tsy mpino intsony ny finoany ! Ary tsy misy fe-potoana omena azy ireo intsony.”
فَأَعْرِضْ عَنْهُمْ وَانتَظِرْ إِنَّهُم مُّنتَظِرُونَ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Alavironao izy ireo, ka miandrasa, ary izy ireo koa dia eo am-piandrasana.
← 31 As-Sajdah (32/114) 33 →
Vakio Surah As-Sajdah Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

32السجدة As-Sajdah 📚 30 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah As-Sajdah — 30 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers