Surah Ya-Sina amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Ya-Sina miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (83 Andininy — مكية). Ya-Sina Henoy, Ya-Sina Fandikana, Ya-Sina mp3, Ya-Sina pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Ya-Sina

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
يس ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Yasin,
وَالْقُرْآنِ الْحَكِيمِ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Mianiana amin’ilay Kor’any feno fahendrena Aho,
إِنَّكَ لَمِنَ الْمُرْسَلِينَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Hamafisina, fa isan’ireo Iraka tokoa ianao (Mohammad),
عَلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Anatin’ny làlana mahitsy.
تَنزِيلَ الْعَزِيزِ الرَّحِيمِ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Fanambarana avy amin’ilay Tsitoha sy be indrafo,
لِتُنذِرَ قَوْمًا مَّا أُنذِرَ آبَاؤُهُمْ فَهُمْ غَافِلُونَ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Mba hampitandremanao vahoaka iray, izay mbola tsy nahazo fampitandremana hatramin’ny razamben’izy ireo, ka dia tsy miraharaha izany izy ireo.
لَقَدْ حَقَّ الْقَوْلُ عَلَىٰ أَكْثَرِهِمْ فَهُمْ لَا يُؤْمِنُونَ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Tanteraka tokoa ny teny [sazy famaizana] natao tamin’ny ankamaroan’izy ireo, fa tsy hino izany mihitsy izy ireo.
إِنَّا جَعَلْنَا فِي أَعْنَاقِهِمْ أَغْلَالًا فَهِيَ إِلَى الْأَذْقَانِ فَهُم مُّقْمَحُونَ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Hasianay gadra-vy eo amin’ny hatony, ka hatreo amin’ny saokany, ary indreny handeha hilanja loha izy ireo.
وَجَعَلْنَا مِن بَيْنِ أَيْدِيهِمْ سَدًّا وَمِنْ خَلْفِهِمْ سَدًّا فَأَغْشَيْنَاهُمْ فَهُمْ لَا يُبْصِرُونَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Ary hasianay fefy eo anoloan’izy ireo, ary fefy ihany koa any aoriany, ary hosaromanay izy ireo ka tsy hahita mihitsy.
وَسَوَاءٌ عَلَيْهِمْ أَأَنذَرْتَهُمْ أَمْ لَمْ تُنذِرْهُمْ لَا يُؤْمِنُونَ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Ary mitovy ihany amin’izy ireo, na hampitandrina azy ireo ianao, na tsy hampitandrina, dia tsy hino mihitsy izy ireo.
إِنَّمَا تُنذِرُ مَنِ اتَّبَعَ الذِّكْرَ وَخَشِيَ الرَّحْمَٰنَ بِالْغَيْبِ ۖ فَبَشِّرْهُ بِمَغْفِرَةٍ وَأَجْرٍ كَرِيمٍ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Tsy mampitandrina ianao afa-tsy izay manaraka ny fampahatsiahivana sy matahotra Ilay be fiantrana na dia tsy hita maso aza. Lazao vaovao mahafaly amin’ny famelan-keloka sy valisoa sesehena ho azony izy ireo.
إِنَّا نَحْنُ نُحْيِي الْمَوْتَىٰ وَنَكْتُبُ مَا قَدَّمُوا وَآثَارَهُمْ ۚ وَكُلَّ شَيْءٍ أَحْصَيْنَاهُ فِي إِمَامٍ مُّبِينٍ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Hamafisina, fa Izahay tokoa no manangana ireo maty, ary manoratra izay nataon’izy ireo amin’ny fiainany any an-koatra, sy ny vokatr’izany. Ary noraiketinay an-tsoratra ny zava-drehetra.
وَاضْرِبْ لَهُم مَّثَلًا أَصْحَابَ الْقَرْيَةِ إِذْ جَاءَهَا الْمُرْسَلُونَ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Omeo fanoharana ho azy ireo ny mponin’ny tanàna iray, rehefa tonga teo aminy ireo Iraka.
إِذْ أَرْسَلْنَا إِلَيْهِمُ اثْنَيْنِ فَكَذَّبُوهُمَا فَعَزَّزْنَا بِثَالِثٍ فَقَالُوا إِنَّا إِلَيْكُم مُّرْسَلُونَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Rehefa nandefasanay Iraka roa tamin’izy ireo, dia nolazainy fa mpandainga izy roa, ary nohamafisinay tamin’ny Iraka fahatelony, dia nilaza izy ireo hoe : “ Marina fa izahay dia Iraka nalefa ho aminareo”.
قَالُوا مَا أَنتُمْ إِلَّا بَشَرٌ مِّثْلُنَا وَمَا أَنزَلَ الرَّحْمَٰنُ مِن شَيْءٍ إِنْ أَنتُمْ إِلَّا تَكْذِبُونَ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Nefa hoy izy ireo hoe : “ Olombelona tahaka anay ihany ianareo. Ary tsy nampidina na inona na inona Ilay be fiantrana, fa ianareo dia olona mandainga fotsiny ”.
قَالُوا رَبُّنَا يَعْلَمُ إِنَّا إِلَيْكُمْ لَمُرْسَلُونَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Nilaza ireo Iraka hoe: “Ny Tomponay dia mahalala, fa nalefa ho anareo tokoa izahay”.
وَمَا عَلَيْنَا إِلَّا الْبَلَاغُ الْمُبِينُ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
“ Ary ny hany anjaranay, dia ny fampitàna mazava tsara ny hafatra fotsiny ”.
قَالُوا إِنَّا تَطَيَّرْنَا بِكُمْ ۖ لَئِن لَّمْ تَنتَهُوا لَنَرْجُمَنَّكُمْ وَلَيَمَسَّنَّكُم مِّنَّا عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Nilaza izy ireo hoe : “ milaza loza ny fahitanay anareo. Raha tsy mitsahatra amin’izany ianareo, dia ho torahanay vato tokoa, ary hahazo famaizana mamirifiry avy Aminay tokoa ianareo ”.
قَالُوا طَائِرُكُم مَّعَكُمْ ۚ أَئِن ذُكِّرْتُم ۚ بَلْ أَنتُمْ قَوْمٌ مُّسْرِفُونَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Namaly izy ireo hoe : “avy aminareo ihany ny lozanareo. Tahak’izany ve no ataonareo rehefa ampahatsiahivina ? Tena vahoaka mpihoa-pefy tokoa ianareo ”.
وَجَاءَ مِنْ أَقْصَى الْمَدِينَةِ رَجُلٌ يَسْعَىٰ قَالَ يَا قَوْمِ اتَّبِعُوا الْمُرْسَلِينَ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ary nisy lehilahy iray avy amin’ny faran’ny tanàna tonga, ka niteny hoe : “ Ry vahoakako! Aoka ianareo hanaraka ireo Iraka,
اتَّبِعُوا مَن لَّا يَسْأَلُكُمْ أَجْرًا وَهُم مُّهْتَدُونَ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Manaraha izay tsy mangataka tambiny aminareo ianareo, sady ao anatin’ny làlana mahitsy.
وَمَا لِيَ لَا أَعْبُدُ الَّذِي فَطَرَنِي وَإِلَيْهِ تُرْجَعُونَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Ary inona moa no handrara ahy tsy hanompoako Ilay nahary ahy ? Nefa any Aminy no tsy maintsy hamerenana anareo.
أَأَتَّخِذُ مِن دُونِهِ آلِهَةً إِن يُرِدْنِ الرَّحْمَٰنُ بِضُرٍّ لَّا تُغْنِ عَنِّي شَفَاعَتُهُمْ شَيْئًا وَلَا يُنقِذُونِ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Moa haka zanahary hafa ankoatra Azy ve aho ? Raha te-hanao ratsy ahy Ilay be fiantrana, dia tsy hahasoa ahy ny fanelanelanan’izy ireo, sady tsy afaka hanavotra ahy izy ireo.
إِنِّي إِذًا لَّفِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Raha izany, dia tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa aho.
إِنِّي آمَنتُ بِرَبِّكُمْ فَاسْمَعُونِ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Mino ny Tomponareo aho, koa mba henoinareo ary aho.
قِيلَ ادْخُلِ الْجَنَّةَ ۖ قَالَ يَا لَيْتَ قَوْمِي يَعْلَمُونَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Dia nolazaina taminy hoe : “ Midira ao amin’ny Paradisa ianao ”, ka nilaza izy hoe : “ Raha mba fantatry ny vahoakako mantsy !
بِمَا غَفَرَ لِي رَبِّي وَجَعَلَنِي مِنَ الْمُكْرَمِينَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Ka namela ahy noho izany ny Tompoko, ary nataony ho isan’ireo manamboninahitra.
۞ وَمَا أَنزَلْنَا عَلَىٰ قَوْمِهِ مِن بَعْدِهِ مِن جُندٍ مِّنَ السَّمَاءِ وَمَا كُنَّا مُنزِلِينَ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Ary tao aoriany, dia tsy nampidina miaramila avy tany an-danitra mihitsy Izahay, ary tsy nampidina na inona na inona tamin’ny vahoakany intsony.
إِن كَانَتْ إِلَّا صَيْحَةً وَاحِدَةً فَإِذَا هُمْ خَامِدُونَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Hiaka tokana fotsiny, dia indro fa maty daholo izy ireo.
يَا حَسْرَةً عَلَى الْعِبَادِ ۚ مَا يَأْتِيهِم مِّن رَّسُولٍ إِلَّا كَانُوا بِهِ يَسْتَهْزِئُونَ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Indrisy ho an’ireo mpanompo ! Tsy nisy Iraka tonga tamin’izy ireo ka tsy novazivaziany.
أَلَمْ يَرَوْا كَمْ أَهْلَكْنَا قَبْلَهُم مِّنَ الْقُرُونِ أَنَّهُمْ إِلَيْهِمْ لَا يَرْجِعُونَ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry ny taranaka teo alohan’izy ireo no naringanay, izay tsy hiverina intsony eo amin’izy ireo mandrakizay ?
وَإِن كُلٌّ لَّمَّا جَمِيعٌ لَّدَيْنَا مُحْضَرُونَ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ary ny rehetra, dia tsy maintsy hiseho avokoa eo anatrehanay, tsy misy ankanavaka.
وَآيَةٌ لَّهُمُ الْأَرْضُ الْمَيْتَةُ أَحْيَيْنَاهَا وَأَخْرَجْنَا مِنْهَا حَبًّا فَمِنْهُ يَأْكُلُونَ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Ary porofo iray ho azy ireo dia ny tany izay efa maty omenay aina indray, ka hampitsirinay ny voa izay hohanin’izy ireo
وَجَعَلْنَا فِيهَا جَنَّاتٍ مِّن نَّخِيلٍ وَأَعْنَابٍ وَفَجَّرْنَا فِيهَا مِنَ الْعُيُونِ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Nasinay zaridaina avy amin’ny hazon'atrendry sy voaloboka ao, ary nasianay loharano miboiboika,
لِيَأْكُلُوا مِن ثَمَرِهِ وَمَا عَمِلَتْهُ أَيْدِيهِمْ ۖ أَفَلَا يَشْكُرُونَ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Mba hihinanan’izy ireo ny voankazony, sy izay vokatry ny asan-tánany. Moa tsy halala hankasitraka ve izy ireo ?
سُبْحَانَ الَّذِي خَلَقَ الْأَزْوَاجَ كُلَّهَا مِمَّا تُنبِتُ الْأَرْضُ وَمِنْ أَنفُسِهِمْ وَمِمَّا لَا يَعْلَمُونَ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Voninahitra ho an’Ilay nahary ny zavaboary rehetra tsiroaroa avy, izay nampanirian’ny tany, sy avy amin’ny tenan’izy ireo koa, ary avy amin’izay tsy fantatr’izy ireo !
وَآيَةٌ لَّهُمُ اللَّيْلُ نَسْلَخُ مِنْهُ النَّهَارَ فَإِذَا هُم مُّظْلِمُونَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Ary porofo iray ho azy ireo ny alina, esorinay avy aminy ny andro, ka indro izy ireo ao anatin’ny haizina tanteraka,
وَالشَّمْسُ تَجْرِي لِمُسْتَقَرٍّ لَّهَا ۚ ذَٰلِكَ تَقْدِيرُ الْعَزِيزِ الْعَلِيمِ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Ary ny masoandro dia misosa mankany amin’ny toerana izay natokana ho azy, toy izany no fandaharana nataon’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala tanteraka ny zava-drehetra.
وَالْقَمَرَ قَدَّرْنَاهُ مَنَازِلَ حَتَّىٰ عَادَ كَالْعُرْجُونِ الْقَدِيمِ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Ary ny volana, dia noferanay ny fiovaovany, mandra-piverenany tahaka ny rantsan-kazon'atrendry antitra.
لَا الشَّمْسُ يَنبَغِي لَهَا أَن تُدْرِكَ الْقَمَرَ وَلَا اللَّيْلُ سَابِقُ النَّهَارِ ۚ وَكُلٌّ فِي فَلَكٍ يَسْبَحُونَ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Tsy afaka hahatratra ny volana ny masoandro, na handeha hialoha ny andro ny alina, fa samy misosa amin’ny zotra misy azy avy ny tsirairay.
وَآيَةٌ لَّهُمْ أَنَّا حَمَلْنَا ذُرِّيَّتَهُمْ فِي الْفُلْكِ الْمَشْحُونِ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Ary ny famantarana iray ho azy ireo ihany koa, dia ny nitondranay ny taranak’izy ireo tamin’ny sambofiara feno,
وَخَلَقْنَا لَهُم مِّن مِّثْلِهِ مَا يَرْكَبُونَ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Ary dia noharianay mitovy amin’izany izy ireo ka niakatra tao aminy [ tao anatin’ilay sambofiara ].
وَإِن نَّشَأْ نُغْرِقْهُمْ فَلَا صَرِيخَ لَهُمْ وَلَا هُمْ يُنقَذُونَ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Ary raha sitrakay, dia narendrikay izy ireo, ka tsy hisy mpamonjy intsony, ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
إِلَّا رَحْمَةً مِّنَّا وَمَتَاعًا إِلَىٰ حِينٍ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Raha tsy nohon'ny famindram-po avy Aminay, sy ho fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ اتَّقُوا مَا بَيْنَ أَيْدِيكُمْ وَمَا خَلْفَكُمْ لَعَلَّكُمْ تُرْحَمُونَ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ary raha ilazana izy ireo hoe : “Aoka ianareo hatahotra izay eo anoloanareo, sy izay ao aorianareo, mba hahazoanareo famindram-po. ”.
وَمَا تَأْتِيهِم مِّنْ آيَةٍ مِّنْ آيَاتِ رَبِّهِمْ إِلَّا كَانُوا عَنْهَا مُعْرِضِينَ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe: tsy noraharahin’izy ireo izany.
وَإِذَا قِيلَ لَهُمْ أَنفِقُوا مِمَّا رَزَقَكُمُ اللَّهُ قَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لِلَّذِينَ آمَنُوا أَنُطْعِمُ مَن لَّوْ يَشَاءُ اللَّهُ أَطْعَمَهُ إِنْ أَنتُمْ إِلَّا فِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Manaova fandaniana ianareo amin’ny anjara izay nomen’I Allah anareo”. Dia hilaza amin’ny mpino ireo izay tsy mpino hoe: “Moa ve izahay no hampihinana olona izay azon’I Allah hampihinanina, raha sitrany izany? Tena anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa ianareo”.
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا الْوَعْدُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Ary miteny izy ireo hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ? ”.
مَا يَنظُرُونَ إِلَّا صَيْحَةً وَاحِدَةً تَأْخُذُهُمْ وَهُمْ يَخِصِّمُونَ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Tsy miandry raha tsy hiaka tokana ihany izy ireo, izay ho tonga amin’izy ireo, kanefa izy ireo dia mbola ao anatin’ny fifandirana tanteraka.
فَلَا يَسْتَطِيعُونَ تَوْصِيَةً وَلَا إِلَىٰ أَهْلِهِمْ يَرْجِعُونَ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Tsy afaka hanao didim-pananana intsony izy ireo, na koa hiverina any amin'ny fianakaviany.
وَنُفِخَ فِي الصُّورِ فَإِذَا هُم مِّنَ الْأَجْدَاثِ إِلَىٰ رَبِّهِمْ يَنسِلُونَ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Ary ho tsofina ny trompetra, ka indro fa hivoaka avy ao am-pasana izy ireo, ka ho any amin’ny Tompony,
قَالُوا يَا وَيْلَنَا مَن بَعَثَنَا مِن مَّرْقَدِنَا ۜ ۗ هَٰذَا مَا وَعَدَ الرَّحْمَٰنُ وَصَدَقَ الْمُرْسَلُونَ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Sady hiteny izy ireo hoe : “ Loza ho anay ! Iza no nampitsangana anay avy tao amin’ny toerana fatorianay ? ”. Izany dia fampanantenan’Ilay be fiantrana, ary marina izay voalazan’ireo Iraka.
إِن كَانَتْ إِلَّا صَيْحَةً وَاحِدَةً فَإِذَا هُمْ جَمِيعٌ لَّدَيْنَا مُحْضَرُونَ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Tsy hisy raha tsy ny hiaka tokana ihany, dia indro fa hiseho eo anatrehanay izy rehetra.
فَالْيَوْمَ لَا تُظْلَمُ نَفْسٌ شَيْئًا وَلَا تُجْزَوْنَ إِلَّا مَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Amin’izany andro izany, dia tsy hisy ho voambaka mihitsy. Ary tsy hisy valin-kasasarana ho anareo raha tsy araka ny asa izay nataonareo ihany.
إِنَّ أَصْحَابَ الْجَنَّةِ الْيَوْمَ فِي شُغُلٍ فَاكِهُونَ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Amin’izany andro izany, dia ho variana amin’ny fahasambarana azon’izy ireo ny olon’ny Paradisa.
هُمْ وَأَزْوَاجُهُمْ فِي ظِلَالٍ عَلَى الْأَرَائِكِ مُتَّكِئُونَ ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Eo ambany alokalok'izy ireo sy ny vadiny no mitehin-kiho eo ambony seza lava.
لَهُمْ فِيهَا فَاكِهَةٌ وَلَهُم مَّا يَدَّعُونَ ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Hahazo voankazo izy ireo ao, ary hahazo izay rehetra tadiaviny.
سَلَامٌ قَوْلًا مِّن رَّبٍّ رَّحِيمٍ ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Fandriampahalemana ! ( Salam ) no teny avy amin’ny Tompo be Indrafo.
وَامْتَازُوا الْيَوْمَ أَيُّهَا الْمُجْرِمُونَ ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Ary miataha lavitra ianareo amin’izany andro izany ! Ry Mpanao heloka be vava!
۞ أَلَمْ أَعْهَدْ إِلَيْكُمْ يَا بَنِي آدَمَ أَن لَّا تَعْبُدُوا الشَّيْطَانَ ۖ إِنَّهُ لَكُمْ عَدُوٌّ مُّبِينٌ ۝٦٠
📖 Fandikana Andininy 60
Moa tsy efa nifanaiky taminareo ve Aho, ry taranak’i Adama, mba tsy hanompo ny devoly ? Satria fahavalo miharihary ho anareo tokoa izy.
وَأَنِ اعْبُدُونِي ۚ هَٰذَا صِرَاطٌ مُّسْتَقِيمٌ ۝٦١
📖 Fandikana Andininy 61
Fa hanompo Ahy ianareo ? Izany no lalana mahitsy.
وَلَقَدْ أَضَلَّ مِنكُمْ جِبِلًّا كَثِيرًا ۖ أَفَلَمْ تَكُونُوا تَعْقِلُونَ ۝٦٢
📖 Fandikana Andininy 62
Ary efa namery andiany maro taminareo tokoa izy. Ka moa tsy misaina ve ianareo ?
هَٰذِهِ جَهَنَّمُ الَّتِي كُنتُمْ تُوعَدُونَ ۝٦٣
📖 Fandikana Andininy 63
Indro ny afobe izay nampanantenaina anareo.
اصْلَوْهَا الْيَوْمَ بِمَا كُنتُمْ تَكْفُرُونَ ۝٦٤
📖 Fandikana Andininy 64
Midira ao ianareo androany, nohon'ny tsy finoanareo.
الْيَوْمَ نَخْتِمُ عَلَىٰ أَفْوَاهِهِمْ وَتُكَلِّمُنَا أَيْدِيهِمْ وَتَشْهَدُ أَرْجُلُهُم بِمَا كَانُوا يَكْسِبُونَ ۝٦٥
📖 Fandikana Andininy 65
Amin’izany andro izany, dia hidinay ny vavan’izy ireo, fa ny tanan’izy ireo no hiresaka Aminay, ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona amin’izay nataony.
وَلَوْ نَشَاءُ لَطَمَسْنَا عَلَىٰ أَعْيُنِهِمْ فَاسْتَبَقُوا الصِّرَاطَ فَأَنَّىٰ يُبْصِرُونَ ۝٦٦
📖 Fandikana Andininy 66
Ary raha sitrakay, dia nokosehinay tokoa ny mason’izy ireo, ka hihazakazaka eny amin’ny làlana izy ireo. Fa ahoana àry no fomba hahiratan’izy ireo?
وَلَوْ نَشَاءُ لَمَسَخْنَاهُمْ عَلَىٰ مَكَانَتِهِمْ فَمَا اسْتَطَاعُوا مُضِيًّا وَلَا يَرْجِعُونَ ۝٦٧
📖 Fandikana Andininy 67
Ary raha sitrakay, dia novanay ny endrika aman-toetran’izy ireo eo amin’ny toeran’izy ireo, ka tsy afaka handroso na hihemotra intsony izy ireo.
وَمَن نُّعَمِّرْهُ نُنَكِّسْهُ فِي الْخَلْقِ ۖ أَفَلَا يَعْقِلُونَ ۝٦٨
📖 Fandikana Andininy 68
Ary izay omenay andro lava hiainana, dia hataonay miha osa. Moa tsy misaina ve izy ireo ?
وَمَا عَلَّمْنَاهُ الشِّعْرَ وَمَا يَنبَغِي لَهُ ۚ إِنْ هُوَ إِلَّا ذِكْرٌ وَقُرْآنٌ مُّبِينٌ ۝٦٩
📖 Fandikana Andininy 69
Ary tsy nampianarinay tononkalo izy [ Mohammad ], sady tsy mendrika azy mihitsy izany.Tsy inona izany fa fampahatsiahivana sy vakiteny mazava (Koroany).
لِّيُنذِرَ مَن كَانَ حَيًّا وَيَحِقَّ الْقَوْلُ عَلَى الْكَافِرِينَ ۝٧٠
📖 Fandikana Andininy 70
Mba hampitandremany izay velona, ary ho tanteraka amin’ireo tsy mpino ny teny [Famaizana].
أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّا خَلَقْنَا لَهُم مِّمَّا عَمِلَتْ أَيْدِينَا أَنْعَامًا فَهُمْ لَهَا مَالِكُونَ ۝٧١
📖 Fandikana Andininy 71
Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa Izahay no nahary ho azy ireo, avy tamin’izay nataon’ny Tananay, ny biby fiompy maro, ka lasa fananan’izy ireo izany.
وَذَلَّلْنَاهَا لَهُمْ فَمِنْهَا رَكُوبُهُمْ وَمِنْهَا يَأْكُلُونَ ۝٧٢
📖 Fandikana Andininy 72
Ary dia nataonay eo ambany fiadidian’izy ireo izany, ka misy amin’izy ireo no fitaingainana, ary misy koa amin’izy ireo natao fihinana.
وَلَهُمْ فِيهَا مَنَافِعُ وَمَشَارِبُ ۖ أَفَلَا يَشْكُرُونَ ۝٧٣
📖 Fandikana Andininy 73
Ary mbola manana tombontsoa hafa ihany koa izy ireo amin’izany, sy hataony zava-pisotro. Ka moa tsy mba mahalala mankasitraka ve izy ireo ?
وَاتَّخَذُوا مِن دُونِ اللَّهِ آلِهَةً لَّعَلَّهُمْ يُنصَرُونَ ۝٧٤
📖 Fandikana Andininy 74
Kanefa dia naka zanahary hafa ankoatran'I Allah izy ireo, mba hanantena famonjena
لَا يَسْتَطِيعُونَ نَصْرَهُمْ وَهُمْ لَهُمْ جُندٌ مُّحْضَرُونَ ۝٧٥
📖 Fandikana Andininy 75
Izy ireny anefa dia tsy afaka hanavotra azy ireo ary hamorona miaramila hanohitra azy ireo.
فَلَا يَحْزُنكَ قَوْلُهُمْ ۘ إِنَّا نَعْلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعْلِنُونَ ۝٧٦
📖 Fandikana Andininy 76
Koa aoka áry tsy hampalahelo anao ny tenin’izy ireo ! Satria hamafisina fa fantatray izay afeniny sy izay aharihariny.
أَوَلَمْ يَرَ الْإِنسَانُ أَنَّا خَلَقْنَاهُ مِن نُّطْفَةٍ فَإِذَا هُوَ خَصِيمٌ مُّبِينٌ ۝٧٧
📖 Fandikana Andininy 77
Moa tsy hitan’ny olombelona ve, fa Izahay tokoa no nahary azy, avy tamin’ny tsirin'aina indray mitete ? Kanefa indro izy ireo indray no mpanohitra miharihary.
وَضَرَبَ لَنَا مَثَلًا وَنَسِيَ خَلْقَهُ ۖ قَالَ مَن يُحْيِي الْعِظَامَ وَهِيَ رَمِيمٌ ۝٧٨
📖 Fandikana Andininy 78
Ary nanome fanoharana iray taminay izy, kanefa hadinony ny nahariana azy, ka hoy izy hoe : “Iza no hanome aina indray ireo taolana rehefa lasa vovoka ?”
قُلْ يُحْيِيهَا الَّذِي أَنشَأَهَا أَوَّلَ مَرَّةٍ ۖ وَهُوَ بِكُلِّ خَلْقٍ عَلِيمٌ ۝٧٩
📖 Fandikana Andininy 79
Lazao hoe : “Ilay Nahary azy ireo tamin’ny voalohany, no hanome azy ireo aina indray, ary fantany avokoa ny zavaboary rehetra”.
الَّذِي جَعَلَ لَكُم مِّنَ الشَّجَرِ الْأَخْضَرِ نَارًا فَإِذَا أَنتُم مِّنْهُ تُوقِدُونَ ۝٨٠
📖 Fandikana Andininy 80
Ilay nanao ny afo ho anareo avy amin’ny hazo maitso, ka indro fa mandrehitra afo avy amin’izany ianareo.
أَوَلَيْسَ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ بِقَادِرٍ عَلَىٰ أَن يَخْلُقَ مِثْلَهُم ۚ بَلَىٰ وَهُوَ الْخَلَّاقُ الْعَلِيمُ ۝٨١
📖 Fandikana Andininy 81
Moa tsy afaka hahary mitovy amin’izy ireo ve Ilay nahary ny lanitra sy ny tany ? Mifanohitra amin’izany tokoa, fa Izy no Ilay Mpahary tonga lafatra, Ilay mahalala ny zava-drehetra.
إِنَّمَا أَمْرُهُ إِذَا أَرَادَ شَيْئًا أَن يَقُولَ لَهُ كُن فَيَكُونُ ۝٨٢
📖 Fandikana Andininy 82
Raha milaza zavatra iray Izy, dia mibaiko amin’ny teny manao hoe: “Misia”,dia misy tokoa izany.
فَسُبْحَانَ الَّذِي بِيَدِهِ مَلَكُوتُ كُلِّ شَيْءٍ وَإِلَيْهِ تُرْجَعُونَ ۝٨٣
📖 Fandikana Andininy 83
Koa Voninahitra anie ho an’Ilay mitána ny fanjakan’ny zava-drehetra eo am-pelantanany ! Ary any Aminy no hamerenana anareo.
← 35 Ya-Sina (36/114) 37 →
Vakio Surah Ya-Sina Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

36يس Yasin 📚 83 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Ya-Sina — 83 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers