Surah Al-Kahf amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Kahf miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (110 Andininy — مكية). Al-Kahf Henoy, Al-Kahf Fandikana, Al-Kahf mp3, Al-Kahf pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Kahf

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي أَنزَلَ عَلَىٰ عَبْدِهِ الْكِتَابَ وَلَمْ يَجْعَل لَّهُ عِوَجًا ۜ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Dera ho an’I Allah, izay nampidina ny Boky tamin’ny irany, ary nataony tsy miholakolaka izany.
قَيِّمًا لِّيُنذِرَ بَأْسًا شَدِيدًا مِّن لَّدُنْهُ وَيُبَشِّرَ الْمُؤْمِنِينَ الَّذِينَ يَعْمَلُونَ الصَّالِحَاتِ أَنَّ لَهُمْ أَجْرًا حَسَنًا ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Ao anaty fahitsiana tanteraka, mba ho entiny hampitandrina amin’ny fahoriana mafy (fanasaziana) avy Aminy, sy mba ho entiny hanambarana vaovao mahafaly ireo mpino izay manao asa soa, fa “tena ho azy ireo ny valisoa tsara”.
مَّاكِثِينَ فِيهِ أَبَدًا ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
وَيُنذِرَ الَّذِينَ قَالُوا اتَّخَذَ اللَّهُ وَلَدًا ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Ary hampitandrina ireo izay niteny hoe : “Allah dia nandray zanaka lahy ho Azy !
مَّا لَهُم بِهِ مِنْ عِلْمٍ وَلَا لِآبَائِهِمْ ۚ كَبُرَتْ كَلِمَةً تَخْرُجُ مِنْ أَفْوَاهِهِمْ ۚ إِن يَقُولُونَ إِلَّا كَذِبًا ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Tsy manam-pahalalana momba izany izy ireo, na ireo razambeny koa. Maharikoriko ny teny izay mivoaka avy amin’ny vavan’izy ireo ! Tsy miteny afa-tsy ny lainga izy ireo.
فَلَعَلَّكَ بَاخِعٌ نَّفْسَكَ عَلَىٰ آثَارِهِمْ إِن لَّمْ يُؤْمِنُوا بِهَٰذَا الْحَدِيثِ أَسَفًا ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Ary angamba ianao (ry Mohamady) hamono ny tenanao amin’ny alahelo nohon’ny fandavan’izy ireo raha tsy mino ity lahateny ity izy ireo !
إِنَّا جَعَلْنَا مَا عَلَى الْأَرْضِ زِينَةً لَّهَا لِنَبْلُوَهُمْ أَيُّهُمْ أَحْسَنُ عَمَلًا ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Marina fa nataonay izay rehetra eto ambonin’ny tany ho haingony, mba hitsapanay azy ireo hoe iza amin’izy ireo no tena mpanao ny asa soa.
وَإِنَّا لَجَاعِلُونَ مَا عَلَيْهَا صَعِيدًا جُرُزًا ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Ary marina fa Izahay dia hanao izay rehetra eo aminy (tany) ho karakaina.
أَمْ حَسِبْتَ أَنَّ أَصْحَابَ الْكَهْفِ وَالرَّقِيمِ كَانُوا مِنْ آيَاتِنَا عَجَبًا ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Moa mihevitra ve ianao fa ireo olon’ny lava-bato sy «Ar-Raqim » dia tena anisan’ny fahagaganay mampitolagaga ?
إِذْ أَوَى الْفِتْيَةُ إِلَى الْكَهْفِ فَقَالُوا رَبَّنَا آتِنَا مِن لَّدُنكَ رَحْمَةً وَهَيِّئْ لَنَا مِنْ أَمْرِنَا رَشَدًا ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
(Tsarovy ry Mohamady) raha nitoetra tao anatin’ilay lava-bato ireo tanora, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Tomponay oh ! Omeo famindram-po avy Aminao izahay, ary hamorao aminay ny fahitsiana amin’izay rehetra momba anay.
فَضَرَبْنَا عَلَىٰ آذَانِهِمْ فِي الْكَهْفِ سِنِينَ عَدَدًا ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Ka nataonay marenina ny sofin’izy ireo, tao anaty lava-bato, nandritran'ny taona maro.
ثُمَّ بَعَثْنَاهُمْ لِنَعْلَمَ أَيُّ الْحِزْبَيْنِ أَحْصَىٰ لِمَا لَبِثُوا أَمَدًا ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Avy eo, dia nofohazinay izy ireo, mba hahafantaranay, iza amin’ny andiany roa ireo no mahay manisa indrindra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao.
نَّحْنُ نَقُصُّ عَلَيْكَ نَبَأَهُم بِالْحَقِّ ۚ إِنَّهُمْ فِتْيَةٌ آمَنُوا بِرَبِّهِمْ وَزِدْنَاهُمْ هُدًى ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Izahay dia mitantara aminao (ry Mohamady) ny tantaran’izy ireo, amim-pahamarinana. Marina fa izy ireo dia tanora nino ny Tompony, ka nohamafisinay tamin’izy ireo ny tari-dàlana.
وَرَبَطْنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمْ إِذْ قَامُوا فَقَالُوا رَبُّنَا رَبُّ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ لَن نَّدْعُوَ مِن دُونِهِ إِلَٰهًا ۖ لَّقَدْ قُلْنَا إِذًا شَطَطًا ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Ary nataonay mafy orina tao am-pon’izy ireo, rehefa nitsangana izy ireo, ny fiitenenana hoe : “Ny Tomponay no Tompon’ireo lanitra sy ny tany, tsy hitalaho na oviana na oviana amin’ny zanahary hafa ankoatra Azy izahay, raha tsy izany, dia namoaka fiteny miala ny fahamarinana izahay.
هَٰؤُلَاءِ قَوْمُنَا اتَّخَذُوا مِن دُونِهِ آلِهَةً ۖ لَّوْلَا يَأْتُونَ عَلَيْهِم بِسُلْطَانٍ بَيِّنٍ ۖ فَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ireny vahoakanay ireny dia nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah). Maninona moa izy ireo no tsy nitondra porofo mazava mikasika izany ? Ka iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik'I Allah ?
وَإِذِ اعْتَزَلْتُمُوهُمْ وَمَا يَعْبُدُونَ إِلَّا اللَّهَ فَأْوُوا إِلَى الْكَهْفِ يَنشُرْ لَكُمْ رَبُّكُم مِّن رَّحْمَتِهِ وَيُهَيِّئْ لَكُم مِّنْ أَمْرِكُم مِّرْفَقًا ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ary raha nihataka tamin’izy ireo ianareo sy momba izay notompoin’izy ireo ankoatr’I Allah, dia miafena ao anaty lava-bato ianareo : ny Tomponareo dia hampiely ny famindram-pony aminareo sy hanamora ny momba anareo, amin’ny raharaha ilainareo.
۞ وَتَرَى الشَّمْسَ إِذَا طَلَعَت تَّزَاوَرُ عَن كَهْفِهِمْ ذَاتَ الْيَمِينِ وَإِذَا غَرَبَت تَّقْرِضُهُمْ ذَاتَ الشِّمَالِ وَهُمْ فِي فَجْوَةٍ مِّنْهُ ۚ ذَٰلِكَ مِنْ آيَاتِ اللَّهِ ۗ مَن يَهْدِ اللَّهُ فَهُوَ الْمُهْتَدِ ۖ وَمَن يُضْلِلْ فَلَن تَجِدَ لَهُ وَلِيًّا مُّرْشِدًا ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Ary hahita ny masoandro mihilana miankavanana miala ny lava-baton’izy ireo ianao, rehefa miposaka izy, ary rehefa milentika kosa izy dia miala amin’izy ireo miankavia, nefa izy ireo dia eo amin’ny toerana malalaka ao anaty (lava-bato). Izany dia isan’ireo fahagagana avy amin’I Allah ! Izay tarihin’i Allah amin'ny lalana dia izy no tena voatari-dalana. Fa izay naviliny lalana kosa dia tsy hahita mpiahy sy mpitarika azy ianao.
وَتَحْسَبُهُمْ أَيْقَاظًا وَهُمْ رُقُودٌ ۚ وَنُقَلِّبُهُمْ ذَاتَ الْيَمِينِ وَذَاتَ الشِّمَالِ ۖ وَكَلْبُهُم بَاسِطٌ ذِرَاعَيْهِ بِالْوَصِيدِ ۚ لَوِ اطَّلَعْتَ عَلَيْهِمْ لَوَلَّيْتَ مِنْهُمْ فِرَارًا وَلَمُلِئْتَ مِنْهُمْ رُعْبًا ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Ary heverinao toa mifoha izy ireo nefa matory. Ary navadibadikay amin’ny ilany havanana sy amin’ny ilany havia izy ireo, ary ny alikan’izy ireo kosa dia manampatra ny tongony roa aloha eo am-pidirana. Raha mahatazana azy ireo ianao dia tena hitsoaka ka handositra azy ireo ary tena ho feno tahotra eo anatrehan’izy ireo ianao.
وَكَذَٰلِكَ بَعَثْنَاهُمْ لِيَتَسَاءَلُوا بَيْنَهُمْ ۚ قَالَ قَائِلٌ مِّنْهُمْ كَمْ لَبِثْتُمْ ۖ قَالُوا لَبِثْنَا يَوْمًا أَوْ بَعْضَ يَوْمٍ ۚ قَالُوا رَبُّكُمْ أَعْلَمُ بِمَا لَبِثْتُمْ فَابْعَثُوا أَحَدَكُم بِوَرِقِكُمْ هَٰذِهِ إِلَى الْمَدِينَةِ فَلْيَنظُرْ أَيُّهَا أَزْكَىٰ طَعَامًا فَلْيَأْتِكُم بِرِزْقٍ مِّنْهُ وَلْيَتَلَطَّفْ وَلَا يُشْعِرَنَّ بِكُمْ أَحَدًا ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Ary toy izany no namohazanay azy ireo, mba hifampanontany, niteny ny iray tamin’izy ireo hoe : “Hatramin'oviana no nijanonanareo (teto)? ”Niteny izy ireo hoe : “Andro iray na ampahan’ny andro no nijanonantsika”. Niteny (ny sasany) hoe : “Ny Tomponareo no tena mahafantatra ny fotoana nijanonanareo. Koa alefaso ny iray aminareo mankany an-tanàna miaraka amin’ity volanareo ity mba hitady sakafo tena madio, ka hitondrany anjara sakafo ho anareo avy amin’izany. Ary aoka izy hitondra ny tenany amim-pahamalinana sy tsy hampahafantatra ny momba anareo na amin’iza na amin’iza.
إِنَّهُمْ إِن يَظْهَرُوا عَلَيْكُمْ يَرْجُمُوكُمْ أَوْ يُعِيدُوكُمْ فِي مِلَّتِهِمْ وَلَن تُفْلِحُوا إِذًا أَبَدًا ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Tena marina fa raha mahatsikaritra anareo izy ireo dia ho torahan’izy ireo vato ianareo, na haverin’izy ireo amin’ny finoany, ka dia tsy hahita fahombiazana intsony ianareo.
وَكَذَٰلِكَ أَعْثَرْنَا عَلَيْهِمْ لِيَعْلَمُوا أَنَّ وَعْدَ اللَّهِ حَقٌّ وَأَنَّ السَّاعَةَ لَا رَيْبَ فِيهَا إِذْ يَتَنَازَعُونَ بَيْنَهُمْ أَمْرَهُمْ ۖ فَقَالُوا ابْنُوا عَلَيْهِم بُنْيَانًا ۖ رَّبُّهُمْ أَعْلَمُ بِهِمْ ۚ قَالَ الَّذِينَ غَلَبُوا عَلَىٰ أَمْرِهِمْ لَنَتَّخِذَنَّ عَلَيْهِم مَّسْجِدًا ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Ary noho izany, dia nataonay ho aseho izy ireo mba ahafantaran’ireo (olona tao amin’ny tanàna) fa ny fampanantenan’I Allah dia tena marina tokoa ary marina fa ny ora dia tsy hisalasalana ny momba izany. Dia niady hevitra izy ireo (ireo olona tao amin’ny tanàna) ny mikasika azy ireo (olon’ny lava-bato), ka niteny izy ireo nanao hoe : “Hanorenanareo fonenana eo ambonin’izy ireo”. Ny Tompon’izy ireo no tena mahalala tokoa an'izy ireo. Niteny ireo izay nandresy (tamin’ny ady hevitra) momba azy ireo nanao hoe : “Tena hataontsika toeram-pivavahana eo ambonin’izy ireo."
سَيَقُولُونَ ثَلَاثَةٌ رَّابِعُهُمْ كَلْبُهُمْ وَيَقُولُونَ خَمْسَةٌ سَادِسُهُمْ كَلْبُهُمْ رَجْمًا بِالْغَيْبِ ۖ وَيَقُولُونَ سَبْعَةٌ وَثَامِنُهُمْ كَلْبُهُمْ ۚ قُل رَّبِّي أَعْلَمُ بِعِدَّتِهِم مَّا يَعْلَمُهُمْ إِلَّا قَلِيلٌ ۗ فَلَا تُمَارِ فِيهِمْ إِلَّا مِرَاءً ظَاهِرًا وَلَا تَسْتَفْتِ فِيهِم مِّنْهُمْ أَحَدًا ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Hiteny izy ireo hanao hoe : “Telo izy ireo, ny alikany no faha efany”. Ary hiteny ny sasany hanao hoe : “Dimy izy ireo, ny alikany no faha eniny”, vinavina momba ny zava-miafina fotsiny. Ary mbola hiteny koa ny hafa hanao hoe : “Fito izy ireo ary ny alikany no faha valony”. Teneno hoe : “Ny Tompoko ihany no tena mahafantatra ny isan’izy ireo. Tsy misy mahafantatra azy ireo afa-tsy ny vitsy an'isa ihany”. Koa aza miady hevitra ny momba azy ireo ianao, raha tsy ady hevitra amin’ny endrika ivelany ihany ary aza manontany na iza na iza amin’izy ireo momba azy ireo (olon’ny lava-bato) ianao.
وَلَا تَقُولَنَّ لِشَيْءٍ إِنِّي فَاعِلٌ ذَٰلِكَ غَدًا ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Ary aza milaza amin'iza na iza amin'izay hataonao rahampitso.
إِلَّا أَن يَشَاءَ اللَّهُ ۚ وَاذْكُر رَّبَّكَ إِذَا نَسِيتَ وَقُلْ عَسَىٰ أَن يَهْدِيَنِ رَبِّي لِأَقْرَبَ مِنْ هَٰذَا رَشَدًا ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Afa-tsy (ampiana teny) hoe : “Raha sitrak'Allah - Insha Allah!” Ary tsarovy ny Tomponao raha nanadino ianao ary mitenena hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dàlana ahy ho amin’izay akaiky ny marina kokoa noho izao.”
وَلَبِثُوا فِي كَهْفِهِمْ ثَلَاثَ مِائَةٍ سِنِينَ وَازْدَادُوا تِسْعًا ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Ary nijanona tao anaty lava-batony izy ireo nandritran'ny telonjato taona ary niampy sivy taona.
قُلِ اللَّهُ أَعْلَمُ بِمَا لَبِثُوا ۖ لَهُ غَيْبُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ أَبْصِرْ بِهِ وَأَسْمِعْ ۚ مَا لَهُم مِّن دُونِهِ مِن وَلِيٍّ وَلَا يُشْرِكُ فِي حُكْمِهِ أَحَدًا ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Teneno (ry Mohamady) hoe : “Allah no tena mahafantatra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao”. Azy ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Tena Mahita sy Mandre tokoa Izy ! Tsy manana mpiahy na iray aza ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ary tsy misy na iza na iza atambany Aminy amin’ny fiadidiany.
وَاتْلُ مَا أُوحِيَ إِلَيْكَ مِن كِتَابِ رَبِّكَ ۖ لَا مُبَدِّلَ لِكَلِمَاتِهِ وَلَن تَجِدَ مِن دُونِهِ مُلْتَحَدًا ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Ary vakio (ry MohamadY) izay efa nambara taminao avy ao amin’ny Bokin’ny Tomponao. Tsy misy afaka hanova ireo Teniny. Ary tsy hahita fialofana mihitsy ankoatr'Azy ianao.
وَاصْبِرْ نَفْسَكَ مَعَ الَّذِينَ يَدْعُونَ رَبَّهُم بِالْغَدَاةِ وَالْعَشِيِّ يُرِيدُونَ وَجْهَهُ ۖ وَلَا تَعْدُ عَيْنَاكَ عَنْهُمْ تُرِيدُ زِينَةَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَلَا تُطِعْ مَنْ أَغْفَلْنَا قَلْبَهُ عَن ذِكْرِنَا وَاتَّبَعَ هَوَاهُ وَكَانَ أَمْرُهُ فُرُطًا ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Ary mahareta ny tenanao miaraka amin’ireo izay miantso ny Tompon’izy ireo maraina sy hariva, (izay) mitady ny zava-drehetra amin'ny fotony Tompony. Ary aoka ny masonao tsy hiala azy ireo mihitsy, ho amin’ny fitadiavana ny rendrarendran’ny fiainana eto an-tany. Ary aza mankatò izay nataonay variana amin’ny fampahatsiahivanay ny fony sy manaraka ny hetahetam-pony ary ny raharahany rehetra dia fahaverezana sy fahapotehana avokoa.
وَقُلِ الْحَقُّ مِن رَّبِّكُمْ ۖ فَمَن شَاءَ فَلْيُؤْمِن وَمَن شَاءَ فَلْيَكْفُرْ ۚ إِنَّا أَعْتَدْنَا لِلظَّالِمِينَ نَارًا أَحَاطَ بِهِمْ سُرَادِقُهَا ۚ وَإِن يَسْتَغِيثُوا يُغَاثُوا بِمَاءٍ كَالْمُهْلِ يَشْوِي الْوُجُوهَ ۚ بِئْسَ الشَّرَابُ وَسَاءَتْ مُرْتَفَقًا ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Ary teneno : "Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponareo”. Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay. Ary raha mitady rano izy ireo, dia ho ampisotroina rano tahaka ny menaka mangotraka mandoro ny tarehy. Tena zava-pisotro ratsy tokoa ary fonenana tena mahatsiravina izany !
إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ إِنَّا لَا نُضِيعُ أَجْرَ مَنْ أَحْسَنَ عَمَلًا ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa, tena marina fa Izahay dia tsy hanary ny valin’asan’ireo izay manao ny tsara.
أُولَٰئِكَ لَهُمْ جَنَّاتُ عَدْنٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهِمُ الْأَنْهَارُ يُحَلَّوْنَ فِيهَا مِنْ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٍ وَيَلْبَسُونَ ثِيَابًا خُضْرًا مِّن سُندُسٍ وَإِسْتَبْرَقٍ مُّتَّكِئِينَ فِيهَا عَلَى الْأَرَائِكِ ۚ نِعْمَ الثَّوَابُ وَحَسُنَتْ مُرْتَفَقًا ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Izy ireny no ahazo ireo zaridain’ny Edena izay mikoriana eo ambaniny ireo renirano maro. Hampiravahana firavaka volamena izy ireo ao sy hampitafiana lamba maitso vita amin’ny lasoa manify sy lamba lasoa matevina (feno soratsoratra), mitehina amin’ireo farafara voaravaka tsara. Tena valisoa tsara tokoa ary fonenana tena tsara izany !
۞ وَاضْرِبْ لَهُم مَّثَلًا رَّجُلَيْنِ جَعَلْنَا لِأَحَدِهِمَا جَنَّتَيْنِ مِنْ أَعْنَابٍ وَحَفَفْنَاهُمَا بِنَخْلٍ وَجَعَلْنَا بَيْنَهُمَا زَرْعًا ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ary anaovy fanoharana izy ireo amin’ny lehilahy roa, ny iray dia nomenay tanim-boaloboka roa izay nohodidininay hazo palma ary nasinay saha misy voly teo anelanelan’izy roa (zaridaina).
كِلْتَا الْجَنَّتَيْنِ آتَتْ أُكُلَهَا وَلَمْ تَظْلِم مِّنْهُ شَيْئًا ۚ وَفَجَّرْنَا خِلَالَهُمَا نَهَرًا ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Ireo zaridaina roa ireo dia nanome vokatra tsy mihato. Ary nasinay renirano eo anelanelan’izy roa ireo.
وَكَانَ لَهُ ثَمَرٌ فَقَالَ لِصَاحِبِهِ وَهُوَ يُحَاوِرُهُ أَنَا أَكْثَرُ مِنكَ مَالًا وَأَعَزُّ نَفَرًا ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Ary nanana voankazo izy, ka niteny tamin’ny namany izay nifampiresahany nanao hoe : “Izaho dia manana harena mihoatra anao ary manana foko matanjaka ihany koa mihoatra anao.
وَدَخَلَ جَنَّتَهُ وَهُوَ ظَالِمٌ لِّنَفْسِهِ قَالَ مَا أَظُنُّ أَن تَبِيدَ هَٰذِهِ أَبَدًا ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Ary niditra tao amin’ny zaridainy izy ary nanao fahadisoana tamin’ny tenany no sady niteny hoe : “Tsy mieritreritra aho fa ho rava mihitsy ity”.
وَمَا أَظُنُّ السَّاعَةَ قَائِمَةً وَلَئِن رُّدِدتُّ إِلَىٰ رَبِّي لَأَجِدَنَّ خَيْرًا مِّنْهَا مُنقَلَبًا ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Ary tsy mieritreritra mihitsy aho fa ho avy ny Ora, ary raha miverina any amin’ny Tompoko aza aho dia tena hahita tsara kokoa noho izao (zaridaina izao) ho takalony.
قَالَ لَهُ صَاحِبُهُ وَهُوَ يُحَاوِرُهُ أَكَفَرْتَ بِالَّذِي خَلَقَكَ مِن تُرَابٍ ثُمَّ مِن نُّطْفَةٍ ثُمَّ سَوَّاكَ رَجُلًا ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Niteny azy ilay namany (mpino) teo am-piresahana aminy nanao hoe : “Moa tsy mino Ilay Nahary anao avy amin’ny tany sy (nohariany) amin’ny alalan’ny ranon'aina ary nanao anao ho olombelona ve ianao ?
لَّٰكِنَّا هُوَ اللَّهُ رَبِّي وَلَا أُشْرِكُ بِرَبِّي أَحَدًا ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Fa kosa, Izy Allah no Tompoko ary tsy hanambatra ny Tompoko na amin’iza na amin’iza aho.
وَلَوْلَا إِذْ دَخَلْتَ جَنَّتَكَ قُلْتَ مَا شَاءَ اللَّهُ لَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللَّهِ ۚ إِن تَرَنِ أَنَا أَقَلَّ مِنكَ مَالًا وَوَلَدًا ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Tamin’ny fotoana nidiranao ny zaridainao, naninona ianao no tsy mba niteny hoe : "Izaho no sitrak’I Allah ! Ary tsy misy hery ka tsy avy amin’I Allah”, rehefa hitanao fa tsy manan-karena sy kely anaka kokoa noho ianao aho.
فَعَسَىٰ رَبِّي أَن يُؤْتِيَنِ خَيْرًا مِّن جَنَّتِكَ وَيُرْسِلَ عَلَيْهَا حُسْبَانًا مِّنَ السَّمَاءِ فَتُصْبِحَ صَعِيدًا زَلَقًا ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny zaridainao ary handefa loza (amin’ilay zaridaina) avy eny an-danitra Izy, ka ho lasa tany malama (tsy hamokatra intsony) izy.
أَوْ يُصْبِحَ مَاؤُهَا غَوْرًا فَلَن تَسْتَطِيعَ لَهُ طَلَبًا ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Na ho lasa ritra ny ranony ka tsy afaka hahatratra izany (rano) intsony ianao.
وَأُحِيطَ بِثَمَرِهِ فَأَصْبَحَ يُقَلِّبُ كَفَّيْهِ عَلَىٰ مَا أَنفَقَ فِيهَا وَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا وَيَقُولُ يَا لَيْتَنِي لَمْ أُشْرِكْ بِرَبِّي أَحَدًا ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Ary potika tokoa ny vokatra nantenainy, ka lasa namadibadika ny tànany izy (nanenina) noho izay efa nisasarany tao, ka indro rava tanteraka hatramin’ny talantalany izany (tanim-boly) ary niteny izy nanao hoe : “Eh ! Tahaka izay aho tsy nanakambana ny Tompoko tamin’iza na iza !"
وَلَمْ تَكُن لَّهُ فِئَةٌ يَنصُرُونَهُ مِن دُونِ اللَّهِ وَمَا كَانَ مُنتَصِرًا ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Ary tsy nisy vondron’olona afaka nanavotra azy ankoatr'I Allah ary tsy afaka nanavotra ny tenany koa izy.
هُنَالِكَ الْوَلَايَةُ لِلَّهِ الْحَقِّ ۚ هُوَ خَيْرٌ ثَوَابًا وَخَيْرٌ عُقْبًا ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Ho setrin’izany, dia an’Allah, Ilay Marina ny fiarovana ambony indrindra. Izy no manome ny valisoa, sy ny vokatra tsara indrindra.
وَاضْرِبْ لَهُم مَّثَلَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا كَمَاءٍ أَنزَلْنَاهُ مِنَ السَّمَاءِ فَاخْتَلَطَ بِهِ نَبَاتُ الْأَرْضِ فَأَصْبَحَ هَشِيمًا تَذْرُوهُ الرِّيَاحُ ۗ وَكَانَ اللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ مُّقْتَدِرًا ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ary anaovy fanoharana izy ireo (ry Mohamady) amin’ny fiainana eto an-tany : tahaka ny rano izay nampidininay avy any an-danitra; ka mifangaro aminy (rano) ny zava-manirin’ny tany, avy eo dia lasa ahitra maina izay aparitaky ny rivotra. Ary Allah dia mahery amin’ny zava-drehetra.
الْمَالُ وَالْبَنُونَ زِينَةُ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَالْبَاقِيَاتُ الصَّالِحَاتُ خَيْرٌ عِندَ رَبِّكَ ثَوَابًا وَخَيْرٌ أَمَلًا ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Ny harena sy ireo zanaka dia haingon’ny fiainana eto an-tany. Ary ireo asa soa maharitra dia mbola ahazoana valisoa tsara (noho izany) eo anatrehan’ny Tomponao sy fanantenana tsara.
وَيَوْمَ نُسَيِّرُ الْجِبَالَ وَتَرَى الْأَرْضَ بَارِزَةً وَحَشَرْنَاهُمْ فَلَمْ نُغَادِرْ مِنْهُمْ أَحَدًا ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Ary (ampahatsiahivo azy ireo) amin’ny andro izay hampandehananay ny tendrombohitra, ka hahita ny tany misongadina ianao. Ary havorinay izy ireo ka tsy misy na dia iray aza avelanay amin’izy ireo.
وَعُرِضُوا عَلَىٰ رَبِّكَ صَفًّا لَّقَدْ جِئْتُمُونَا كَمَا خَلَقْنَاكُمْ أَوَّلَ مَرَّةٍ ۚ بَلْ زَعَمْتُمْ أَلَّن نَّجْعَلَ لَكُم مَّوْعِدًا ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Haseho milahatra eo anatrehan’ny Tomponao izy ireo. Indro tokoa fa tonga aty Aminay ianareo tahaka ny namoronanay anareo tany am-piandohana. Nefa nihambo ianareo fa tsy hametraka fotoana hihaonana aminareo mihitsy Izahay.
وَوُضِعَ الْكِتَابُ فَتَرَى الْمُجْرِمِينَ مُشْفِقِينَ مِمَّا فِيهِ وَيَقُولُونَ يَا وَيْلَتَنَا مَالِ هَٰذَا الْكِتَابِ لَا يُغَادِرُ صَغِيرَةً وَلَا كَبِيرَةً إِلَّا أَحْصَاهَا ۚ وَوَجَدُوا مَا عَمِلُوا حَاضِرًا ۗ وَلَا يَظْلِمُ رَبُّكَ أَحَدًا ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Ary napetraka ny Boky mba ho hitanao ireo mpanao heloka bevava matahotra izay ao anatiny. Ary hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Fa inona ity boky ity no tsy mamela (ireo fahotana) kely na lehibe raha tsy notanisany ?” Ary ho hitan’izy ireo miharihary eo anoloany izay nataony. Ary tsy manao ny tsy rariny na amin’iza na amin’iza ny Tomponao.
وَإِذْ قُلْنَا لِلْمَلَائِكَةِ اسْجُدُوا لِآدَمَ فَسَجَدُوا إِلَّا إِبْلِيسَ كَانَ مِنَ الْجِنِّ فَفَسَقَ عَنْ أَمْرِ رَبِّهِ ۗ أَفَتَتَّخِذُونَهُ وَذُرِّيَّتَهُ أَوْلِيَاءَ مِن دُونِي وَهُمْ لَكُمْ عَدُوٌّ ۚ بِئْسَ لِلظَّالِمِينَ بَدَلًا ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Ary (tsarovy) rehefa niteny tamin’ireo Anjely Izahay nanao hoe : "Miankohofa amin’i Adama ianareo”, dia niankohoka daholo izy rehetra afa-tsy i Iblisy (Satana) izay avy amin’ny djiny nanohitra ny didin’ny Tompony. Dia mbola noraisinareo ho mpiahy ve izy sy ny taranany ankoatra Ahy (Allah), nefa izy ireo dia fahavalonareo ? Takalo ratsy tokoa no nataon’ireo mpanao ny tsy rariny !
۞ مَّا أَشْهَدتُّهُمْ خَلْقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَلَا خَلْقَ أَنفُسِهِمْ وَمَا كُنتُ مُتَّخِذَ الْمُضِلِّينَ عَضُدًا ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Tsy nataoko vavolombelon’ny faharian’ireo lanitra sy ny tany izy ireo na amin’ny fahariana ny tenan’izy ireo. Ary tsy nandray ireo very lalana ho mpanampy Aho.
وَيَوْمَ يَقُولُ نَادُوا شُرَكَائِيَ الَّذِينَ زَعَمْتُمْ فَدَعَوْهُمْ فَلَمْ يَسْتَجِيبُوا لَهُمْ وَجَعَلْنَا بَيْنَهُم مَّوْبِقًا ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Ary amin’ny Andro izay hitenenany hoe : Antsoy ireo izay ihamboanareo fa mpiara- miombon'antoka Amiko”. Dia nantsoin’izy ireo tokoa izany, fa saingy tsy namaly azy izy ireo, ho asinay toeram-pahaverezana eo anelanelan’izy ireo.
وَرَأَى الْمُجْرِمُونَ النَّارَ فَظَنُّوا أَنَّهُم مُّوَاقِعُوهَا وَلَمْ يَجِدُوا عَنْهَا مَصْرِفًا ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Ho ahita ny Afo ireo mpanao heloka bevava. Ka mihevitra izy ireo fa ho alatsaka ao ary tsy hahita fialana avy ao.
وَلَقَدْ صَرَّفْنَا فِي هَٰذَا الْقُرْآنِ لِلنَّاسِ مِن كُلِّ مَثَلٍ ۚ وَكَانَ الْإِنسَانُ أَكْثَرَ شَيْءٍ جَدَلًا ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Ary efa nanazava amin’ny alalan’ny ohatra maro isan-karazany Izahay ho an’ny olona, ao anatin’ity Koro’any ity, nefa ny olombelona no be fifandirana indrindra amin’ny zava-drehetra.
وَمَا مَنَعَ النَّاسَ أَن يُؤْمِنُوا إِذْ جَاءَهُمُ الْهُدَىٰ وَيَسْتَغْفِرُوا رَبَّهُمْ إِلَّا أَن تَأْتِيَهُمْ سُنَّةُ الْأَوَّلِينَ أَوْ يَأْتِيَهُمُ الْعَذَابُ قُبُلًا ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Ary tsy nisy na inona na inona anakana ny olona tsy hino rehefa tonga tamin’izy ireo ny toro-lalana ary hangataka famelan-keloka amin’ny Tompony izy ireo, afa-tsy ny fiantraikan’ny fitsipika fototra nianjady tamin’ireo teo aloha amin’izy ireo na hiatrika ny sazy izy ireo.
وَمَا نُرْسِلُ الْمُرْسَلِينَ إِلَّا مُبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَ ۚ وَيُجَادِلُ الَّذِينَ كَفَرُوا بِالْبَاطِلِ لِيُدْحِضُوا بِهِ الْحَقَّ ۖ وَاتَّخَذُوا آيَاتِي وَمَا أُنذِرُوا هُزُوًا ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Ary tsy mandefa iraka Izahay raha tsy hilaza vaovao mahafaly sy hampitandrina. Ary miady hevitra ireo izay tsy nino miaraka amin’ny lainga mba handravana ny marina amin’ny alalan’izany ary noraisin’izy ireo vazivazy ny andian-teniko sy izay nampitandremana azy ireo.
وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّن ذُكِّرَ بِآيَاتِ رَبِّهِ فَأَعْرَضَ عَنْهَا وَنَسِيَ مَا قَدَّمَتْ يَدَاهُ ۚ إِنَّا جَعَلْنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمْ أَكِنَّةً أَن يَفْقَهُوهُ وَفِي آذَانِهِمْ وَقْرًا ۖ وَإِن تَدْعُهُمْ إِلَى الْهُدَىٰ فَلَن يَهْتَدُوا إِذًا أَبَدًا ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Ary iza moa no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampahatsiahivina ireo andian-tenin’ny Tompony kanefa nitsipaka izany sy nanadino izay nataon’ny tanany roa ? Nosaronanay ny fon’izy ireo, mba tsy ahazoan’izy ireo izany (ny Koro’any) sy (nasianay) marenina ao anatin'ny sofin’izy ireo. Ary na dia miantso azy ireo mankany amin’ny lala-mahitsy aza ianao dia tsy hanaraka ny hitsin-dalana na oviana na oviana izy ireo
وَرَبُّكَ الْغَفُورُ ذُو الرَّحْمَةِ ۖ لَوْ يُؤَاخِذُهُم بِمَا كَسَبُوا لَعَجَّلَ لَهُمُ الْعَذَابَ ۚ بَل لَّهُم مَّوْعِدٌ لَّن يَجِدُوا مِن دُونِهِ مَوْئِلًا ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Ary ny Tomponao Ilay Mpamela heloka, dia Tompon’ny famindram-po. Raha noraisiny araka izay nataony izy ireo, dia nohafainganiny ho azy ireo ny sazy. Nefa misy fotoana efa nomena azy ireo ka tsy hahita fialofana ankoatra Azy mihitsy izy ireo.
وَتِلْكَ الْقُرَىٰ أَهْلَكْنَاهُمْ لَمَّا ظَلَمُوا وَجَعَلْنَا لِمَهْلِكِهِم مَّوْعِدًا ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Ary ireo tanàna izay naringanay raha nanao ny tsy rariny izy ireo, dia nanome fotoana handringanana azy ireo Izahay.
وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِفَتَاهُ لَا أَبْرَحُ حَتَّىٰ أَبْلُغَ مَجْمَعَ الْبَحْرَيْنِ أَوْ أَمْضِيَ حُقُبًا ۝٦٠
📖 Fandikana Andininy 60
Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny mpanampiny lahy nanao hoe : “Tsy hijanona aho raha tsy tonga eo amin’ny fihaonan’ny ranomasina roa na koa handeha mandritry ny taona maro”.
فَلَمَّا بَلَغَا مَجْمَعَ بَيْنِهِمَا نَسِيَا حُوتَهُمَا فَاتَّخَذَ سَبِيلَهُ فِي الْبَحْرِ سَرَبًا ۝٦١
📖 Fandikana Andininy 61
Ary rehefa tonga teo amin’ny fihaonan’ny (ranomasina) izy roa, dia nanadino ny trondrony izy ireo ka dia nandray ny lalany mora foana nankany any an-dranomasina izy (ilay trondro).
فَلَمَّا جَاوَزَا قَالَ لِفَتَاهُ آتِنَا غَدَاءَنَا لَقَدْ لَقِينَا مِن سَفَرِنَا هَٰذَا نَصَبًا ۝٦٢
📖 Fandikana Andininy 62
Ary rehefa nihoatra io toerana io izy roa, dia niteny tamin’ny mpanampiny lahy izy nanao hoe : “Omeo aty ny sakafontsika atoandro, fa tena tojo harerahana isika tamin’ity diantsika ity”.
قَالَ أَرَأَيْتَ إِذْ أَوَيْنَا إِلَى الصَّخْرَةِ فَإِنِّي نَسِيتُ الْحُوتَ وَمَا أَنسَانِيهُ إِلَّا الشَّيْطَانُ أَنْ أَذْكُرَهُ ۚ وَاتَّخَذَ سَبِيلَهُ فِي الْبَحْرِ عَجَبًا ۝٦٣
📖 Fandikana Andininy 63
Niteny izy (ilay mpanampiny lahy) nanao hoe : “Hitanao fa tamin’ny fotoana nialofantsika teo amin’ilay vatolampy, dia hadinoko tokoa ilay trondro, ka tsy misy tokony hanadinoako hilaza izany (aminao) afa-tsy avy amin'i Satana ary ny mahagaga dia nandray ny lalany nankany an-dranomasina izy.
قَالَ ذَٰلِكَ مَا كُنَّا نَبْغِ ۚ فَارْتَدَّا عَلَىٰ آثَارِهِمَا قَصَصًا ۝٦٤
📖 Fandikana Andininy 64
Niteny izy nanao hoe : "Izany no tiako hahatongavantsika”! Ary dia niverin-dalana nanaraka ny diany izy roa.
فَوَجَدَا عَبْدًا مِّنْ عِبَادِنَا آتَيْنَاهُ رَحْمَةً مِّنْ عِندِنَا وَعَلَّمْنَاهُ مِن لَّدُنَّا عِلْمًا ۝٦٥
📖 Fandikana Andininy 65
Ka nihaona tamin’ny iray amin’ireo mpanomponay, izay notoloranay indrafo sy nampianarinay fahalalana avy aty Aminay.
قَالَ لَهُ مُوسَىٰ هَلْ أَتَّبِعُكَ عَلَىٰ أَن تُعَلِّمَنِ مِمَّا عُلِّمْتَ رُشْدًا ۝٦٦
📖 Fandikana Andininy 66
Niteny taminy i Mosesy nanao hoe : "Afaka manaraka anao ve aho, mba hianatra aminao amin’izay nampianarina anao momba ny fahendrena?”
قَالَ إِنَّكَ لَن تَسْتَطِيعَ مَعِيَ صَبْرًا ۝٦٧
📖 Fandikana Andininy 67
Niteny izy nanao hoe : “tsy hanam-paharetana hiaraka amiko mihitsy ianao”
وَكَيْفَ تَصْبِرُ عَلَىٰ مَا لَمْ تُحِطْ بِهِ خُبْرًا ۝٦٨
📖 Fandikana Andininy 68
Ary ahoana no haharetanao amin’izay mbola tsy anananao fahalalana akory ?
قَالَ سَتَجِدُنِي إِن شَاءَ اللَّهُ صَابِرًا وَلَا أَعْصِي لَكَ أَمْرًا ۝٦٩
📖 Fandikana Andininy 69
Niteny izy nanao hoe : "Ho hitanao fa hanam-paharetana aho raha sitrak’I Allah ary tsy handà ny baiko avy aminao aho”.
قَالَ فَإِنِ اتَّبَعْتَنِي فَلَا تَسْأَلْنِي عَن شَيْءٍ حَتَّىٰ أُحْدِثَ لَكَ مِنْهُ ذِكْرًا ۝٧٠
📖 Fandikana Andininy 70
Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : “Raha manaraka ahy ianao dia aza anontaniana na inona na inona aho mandra-pilazako izany aminao”.
فَانطَلَقَا حَتَّىٰ إِذَا رَكِبَا فِي السَّفِينَةِ خَرَقَهَا ۖ قَالَ أَخَرَقْتَهَا لِتُغْرِقَ أَهْلَهَا لَقَدْ جِئْتَ شَيْئًا إِمْرًا ۝٧١
📖 Fandikana Andininy 71
Dia nandeha izy roa lahy. Ary rehefa niakatra tamin’ny sambo izy ireo dia nolavahany (ilay mpanompo) izany. Niteny izy(Mosa) nanao hoe : "Nolavahanao ve ilay sambo mba aharendrika ny mpandeha ? Tena nanao zavatra mahatsiravina ianao”.
قَالَ أَلَمْ أَقُلْ إِنَّكَ لَن تَسْتَطِيعَ مَعِيَ صَبْرًا ۝٧٢
📖 Fandikana Andininy 72
Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : "Moa ve tsy efa nolazaiko ianao, fa tsy hanam-paharetana velively hiaraka amiko ?”
قَالَ لَا تُؤَاخِذْنِي بِمَا نَسِيتُ وَلَا تُرْهِقْنِي مِنْ أَمْرِي عُسْرًا ۝٧٣
📖 Fandikana Andininy 73
Niteny izy (Mosa) nanao hoe : “Aza omena tsiny aho nohon'ny fanadinoako, aza avela hiantsoroka zava-tsarotra amin’ny raharahako aho.
فَانطَلَقَا حَتَّىٰ إِذَا لَقِيَا غُلَامًا فَقَتَلَهُ قَالَ أَقَتَلْتَ نَفْسًا زَكِيَّةً بِغَيْرِ نَفْسٍ لَّقَدْ جِئْتَ شَيْئًا نُّكْرًا ۝٧٤
📖 Fandikana Andininy 74
Avy eo dia nanohy ny diany izy roa lahy mandra-pihaon’izy ireo tamin’ny zazalahy kely iray, dia novonoiny (ilay mpanompo) izy (ilay zazalahy). Niteny izy (Mosesy) nanao hoe: Namono olona tsy manan-tsiny, tsy mbola namono olona ve ianao ? Tena nanao zavatra maharikoriko tokoa ianao !”
۞ قَالَ أَلَمْ أَقُل لَّكَ إِنَّكَ لَن تَسْتَطِيعَ مَعِيَ صَبْرًا ۝٧٥
📖 Fandikana Andininy 75
Niteny Izy (ilay mpanompo) ka nanao hoe: “ Moa ve tsy efa nolazaiko Ianao, fa tsy hanam-paharetana velively hiaraka Amiko Ianao ? “
قَالَ إِن سَأَلْتُكَ عَن شَيْءٍ بَعْدَهَا فَلَا تُصَاحِبْنِي ۖ قَدْ بَلَغْتَ مِن لَّدُنِّي عُذْرًا ۝٧٦
📖 Fandikana Andininy 76
Niteny i Mosesy ka nanao hoe: ” Raha mbola manontany Anao Aho na amin’inona na amin’inona aorian’izao, dia aza mandray Ahy ho namana intsony Ianao. Ary tena ho afa-tsiny Amiko Ianao.
فَانطَلَقَا حَتَّىٰ إِذَا أَتَيَا أَهْلَ قَرْيَةٍ اسْتَطْعَمَا أَهْلَهَا فَأَبَوْا أَن يُضَيِّفُوهُمَا فَوَجَدَا فِيهَا جِدَارًا يُرِيدُ أَن يَنقَضَّ فَأَقَامَهُ ۖ قَالَ لَوْ شِئْتَ لَتَّخَذْتَ عَلَيْهِ أَجْرًا ۝٧٧
📖 Fandikana Andininy 77
Dia nanohy ny diany àry izy Roa lahy, ka rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izy ireo, dia nangataka sakafo tamin’ireo mponina tao, nefa nandà ny hampiantrano izy Roa izy ireo. Avy eo dia nahita rindrina mila hianjera izy roa, ka dia nareniny (ilay mpanompo) izany. Niteny izy (Mosa) nanao hoe : " Raha sitrakao dia nakanao tambiny Izao ”.
قَالَ هَٰذَا فِرَاقُ بَيْنِي وَبَيْنِكَ ۚ سَأُنَبِّئُكَ بِتَأْوِيلِ مَا لَمْ تَسْتَطِع عَّلَيْهِ صَبْرًا ۝٧٨
📖 Fandikana Andininy 78
Niteny Izy (ilay mpanompo) ka nanao hoe : " Eto Izaho sy Ianao no misaraka ary ho ambarako Anao amin’izay ny dikan’ireo izay tsy nanananao faharetana.
أَمَّا السَّفِينَةُ فَكَانَتْ لِمَسَاكِينَ يَعْمَلُونَ فِي الْبَحْرِ فَأَرَدتُّ أَنْ أَعِيبَهَا وَكَانَ وَرَاءَهُم مَّلِكٌ يَأْخُذُ كُلَّ سَفِينَةٍ غَصْبًا ۝٧٩
📖 Fandikana Andininy 79
Raha ny amin’ilay sambo, dia an’ireo Olona mahantra izay miasa eny an-dranomasina. Tiako ny hanimba azy, satria misy mpanjaka aorian’izy ireo izay maka an-keriny ny sambo rehetra (izay tsara).
وَأَمَّا الْغُلَامُ فَكَانَ أَبَوَاهُ مُؤْمِنَيْنِ فَخَشِينَا أَن يُرْهِقَهُمَا طُغْيَانًا وَكُفْرًا ۝٨٠
📖 Fandikana Andininy 80
Raha ny amin’ilay zazalahy kely kosa, dia mpino ny Ray aman-dreniny , ka atahoranay sao dia hanery azy Roa hihoam-pefy sy tsy hino Izy (ilay zazalahy kely).
فَأَرَدْنَا أَن يُبْدِلَهُمَا رَبُّهُمَا خَيْرًا مِّنْهُ زَكَاةً وَأَقْرَبَ رُحْمًا ۝٨١
📖 Fandikana Andininy 81
Ka tianay ny hanoloan’ny Tompon’izy Roa lahy Zaza hafa tsara noho ilay teo aloha, madio fitondran-tena sy be fitiavana kokoa.
وَأَمَّا الْجِدَارُ فَكَانَ لِغُلَامَيْنِ يَتِيمَيْنِ فِي الْمَدِينَةِ وَكَانَ تَحْتَهُ كَنزٌ لَّهُمَا وَكَانَ أَبُوهُمَا صَالِحًا فَأَرَادَ رَبُّكَ أَن يَبْلُغَا أَشُدَّهُمَا وَيَسْتَخْرِجَا كَنزَهُمَا رَحْمَةً مِّن رَّبِّكَ ۚ وَمَا فَعَلْتُهُ عَنْ أَمْرِي ۚ ذَٰلِكَ تَأْوِيلُ مَا لَمْ تَسْطِع عَّلَيْهِ صَبْرًا ۝٨٢
📖 Fandikana Andininy 82
Fa raha ny amin’ilay rindrina kosa, dia an’ny Zaza kamboty Roa lahy tao amin’ilay tanàna. Ary misy tao ambanin’izany ny harena sarobidin’izy Roa lahy. Ary ny Rain’izy ireo dia tsara fanahy, ka tian’ny Tomponao ho tonga amin’ny fahamatoran-tsaina no hitrandraka ilay haren'izy Roa ireo nohon'ny famindram-pon’ny Tomponao.Tsy nanao azy ireny tamin’ny sitrapoko manokana Aho ; Izany no fanazavana ireny (zavatra) izay tsy nanananao faharetana ireny.
وَيَسْأَلُونَكَ عَن ذِي الْقَرْنَيْنِ ۖ قُلْ سَأَتْلُو عَلَيْكُم مِّنْهُ ذِكْرًا ۝٨٣
📖 Fandikana Andininy 83
Ary manontany Anao izy ireo ny amin’i Żol-Karnainy. Teneno hoe : “ ho tantaraiko Aminareo ny fampahatsiahivana sasantsasany ny amin’izany ”.
إِنَّا مَكَّنَّا لَهُ فِي الْأَرْضِ وَآتَيْنَاهُ مِن كُلِّ شَيْءٍ سَبَبًا ۝٨٤
📖 Fandikana Andininy 84
Marina fa nohamafisinay ny fahefany teto an-tany, ary nomenay falalahana amin’ny zava-drehetra Izy.
فَأَتْبَعَ سَبَبًا ۝٨٥
📖 Fandikana Andininy 85
Ary dia nanaraka làlana iray Izy.
حَتَّىٰ إِذَا بَلَغَ مَغْرِبَ الشَّمْسِ وَجَدَهَا تَغْرُبُ فِي عَيْنٍ حَمِئَةٍ وَوَجَدَ عِندَهَا قَوْمًا ۗ قُلْنَا يَا ذَا الْقَرْنَيْنِ إِمَّا أَن تُعَذِّبَ وَإِمَّا أَن تَتَّخِذَ فِيهِمْ حُسْنًا ۝٨٦
📖 Fandikana Andininy 86
Ary nony tany amin’ny filentehan’ny masoandro (andrefana) Izy, dia tazany fa milentika amin’ny loharano feno fotaka izany, ary nahita vahoaka teo akaikiny (loharano) Izy. Niteny Izahay ka nanao hoe: “ O ! Żol-Karnainy, Na ianao hanasazy azy ireo na hanao soa azy ireo”.
قَالَ أَمَّا مَن ظَلَمَ فَسَوْفَ نُعَذِّبُهُ ثُمَّ يُرَدُّ إِلَىٰ رَبِّهِ فَيُعَذِّبُهُ عَذَابًا نُّكْرًا ۝٨٧
📖 Fandikana Andininy 87
Niteny izy (Zol-Karnainy) hoe : ” Fa izay manao ny tsy rariny dia ho sazinay izy, avy eo dia haverina any amin’ny Tompony dia ho faizinay amin’ny famaizana mahatsiravina.
وَأَمَّا مَنْ آمَنَ وَعَمِلَ صَالِحًا فَلَهُ جَزَاءً الْحُسْنَىٰ ۖ وَسَنَقُولُ لَهُ مِنْ أَمْرِنَا يُسْرًا ۝٨٨
📖 Fandikana Andininy 88
Fa izay mino sy manao asa soa kosa, dia ho Azy ny valisoa tsara indrindra. Ary ho teneninay Aminy ireo didy mora tanterahina.
ثُمَّ أَتْبَعَ سَبَبًا ۝٨٩
📖 Fandikana Andininy 89
Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy.
حَتَّىٰ إِذَا بَلَغَ مَطْلِعَ الشَّمْسِ وَجَدَهَا تَطْلُعُ عَلَىٰ قَوْمٍ لَّمْ نَجْعَل لَّهُم مِّن دُونِهَا سِتْرًا ۝٩٠
📖 Fandikana Andininy 90
Ary nony tany amin’ny fiposahan’ny masoandro (antsinanana) Izy, dia tazany fa miposaka izany teo ambonin’ny vahoaka, izay tsy nasianay voaly (sarondoa) ho fiarovana azy ireo amin’ny masoandro.
كَذَٰلِكَ وَقَدْ أَحَطْنَا بِمَا لَدَيْهِ خُبْرًا ۝٩١
📖 Fandikana Andininy 91
Tahaka izany no niseho ary nofehezinay tamin’ny fahalalana izay nananany.
ثُمَّ أَتْبَعَ سَبَبًا ۝٩٢
📖 Fandikana Andininy 92
Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy.
حَتَّىٰ إِذَا بَلَغَ بَيْنَ السَّدَّيْنِ وَجَدَ مِن دُونِهِمَا قَوْمًا لَّا يَكَادُونَ يَفْقَهُونَ قَوْلًا ۝٩٣
📖 Fandikana Andininy 93
Ary nony tany amin’ny toerana iray, izay eo anelanelan’ny sakana roa (tendrombohitra roa) Izy, dia nahita vahoaka tao ambadik’izany, izay saika tsy mahazo fiteny hafa.
قَالُوا يَا ذَا الْقَرْنَيْنِ إِنَّ يَأْجُوجَ وَمَأْجُوجَ مُفْسِدُونَ فِي الْأَرْضِ فَهَلْ نَجْعَلُ لَكَ خَرْجًا عَلَىٰ أَن تَجْعَلَ بَيْنَنَا وَبَيْنَهُمْ سَدًّا ۝٩٤
📖 Fandikana Andininy 94
Niteny izy ireo ka nanao hoe: “ O ! Ry Zol-karnainy, marina fa Yajojo (yagoga) sy Majojo (magoga) dia mpanao asa fanimbana eto an-tany, Moa ve azonay atao ny manome ampahan-karena mba hanangananao fefy mampisarakanay sy izy ireo ”.
قَالَ مَا مَكَّنِّي فِيهِ رَبِّي خَيْرٌ فَأَعِينُونِي بِقُوَّةٍ أَجْعَلْ بَيْنَكُمْ وَبَيْنَهُمْ رَدْمًا ۝٩٥
📖 Fandikana Andininy 95
Niteny izy (Zol-karnainy) ka nanao hoe :” Izay nomen’ny Tompoko Ahy dia tsara lavitra (noho) izay omenareo. Ampionareo àry Aho amin’ny alalan’ny herinareo, hananganana fefy eo anelanelanareo sy izy ireo.
آتُونِي زُبَرَ الْحَدِيدِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا سَاوَىٰ بَيْنَ الصَّدَفَيْنِ قَالَ انفُخُوا ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَعَلَهُ نَارًا قَالَ آتُونِي أُفْرِغْ عَلَيْهِ قِطْرًا ۝٩٦
📖 Fandikana Andininy 96
Hitondranareo fonjam-by aho ”. Ary avy eo rehefa feno ny toerana manelanelana ny tendrombohitra roa dia niteny izy hoe : “Tsofinareo ! ” ka rehefa lasa hainafo izany, dia niteny izy hoe : “Itondranareo varahina voa empo aho, izay ararako eo amboniny.
فَمَا اسْطَاعُوا أَن يَظْهَرُوهُ وَمَا اسْتَطَاعُوا لَهُ نَقْبًا ۝٩٧
📖 Fandikana Andininy 97
Noho izany dia tsy afaka hianika izany mihitsy izy ireo ary tsy afaka hanimba izany.
قَالَ هَٰذَا رَحْمَةٌ مِّن رَّبِّي ۖ فَإِذَا جَاءَ وَعْدُ رَبِّي جَعَلَهُ دَكَّاءَ ۖ وَكَانَ وَعْدُ رَبِّي حَقًّا ۝٩٨
📖 Fandikana Andininy 98
Niteny izy ka nanao hoe :“ Indrafo avy amin’ny Tompoko izao ”. Nefa rehefa ho tonga ilay fampanantenan’ny Tompoko, dia ataony ho tany lemaka izany. Ary marina ny fampanantenan’ny Tompoko ”.
۞ وَتَرَكْنَا بَعْضَهُمْ يَوْمَئِذٍ يَمُوجُ فِي بَعْضٍ ۖ وَنُفِخَ فِي الصُّورِ فَجَمَعْنَاهُمْ جَمْعًا ۝٩٩
📖 Fandikana Andininy 99
Amin’izany Andro izany dia havelanay hifandona tahaka ireo onja izy ireo, dia hotsofinay ny Trompetra (Anjomara) ary havorinay izy rehetra (zavaboary)
وَعَرَضْنَا جَهَنَّمَ يَوْمَئِذٍ لِّلْكَافِرِينَ عَرْضًا ۝١٠٠
📖 Fandikana Andininy 100
Ary amin’izany Andro izany dia asehonay akaikin’ireo tsy mpino ny Afobe (Djahanam).
الَّذِينَ كَانَتْ أَعْيُنُهُمْ فِي غِطَاءٍ عَن ذِكْرِي وَكَانُوا لَا يَسْتَطِيعُونَ سَمْعًا ۝١٠١
📖 Fandikana Andininy 101
Dia ireo izay voasarona ny mason’izy ireo ka voasakana tsy hieritreritra Ahy, ary tsy afaka mandre na inona na inona izy ireo.
أَفَحَسِبَ الَّذِينَ كَفَرُوا أَن يَتَّخِذُوا عِبَادِي مِن دُونِي أَوْلِيَاءَ ۚ إِنَّا أَعْتَدْنَا جَهَنَّمَ لِلْكَافِرِينَ نُزُلًا ۝١٠٢
📖 Fandikana Andininy 102
Moa ve mihevitra ireo izay tsy mino, fa afaka handray ireo mpanompoko ho Mpiahy ankoatra Ahy ? Tena marina fa nomaninay ny Afobe ho fonenan’ireo tsy mpino.
قُلْ هَلْ نُنَبِّئُكُم بِالْأَخْسَرِينَ أَعْمَالًا ۝١٠٣
📖 Fandikana Andininy 103
Teneno hoe : “ Moa ve hampahafantarinay Anareo izay tena maty antoka indrindra amin’ireo asany ?
الَّذِينَ ضَلَّ سَعْيُهُمْ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَهُمْ يَحْسَبُونَ أَنَّهُمْ يُحْسِنُونَ صُنْعًا ۝١٠٤
📖 Fandikana Andininy 104
Ireo izay nandany ny fihezahany tamin’ny fiainana teto an-tany, dia very làlana, nefa mihevitra izy ireo fa manao asa tsara !
أُولَٰئِكَ الَّذِينَ كَفَرُوا بِآيَاتِ رَبِّهِمْ وَلِقَائِهِ فَحَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فَلَا نُقِيمُ لَهُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وَزْنًا ۝١٠٥
📖 Fandikana Andininy 105
Izy ireny izay mitsipaka ireo famatarana avy amin’ny Tompony, sy ny fihaonana Amin'i Allah. Ka dia ho foana ny asan’izy ireo ”. Tsy omenay lanja na dia kely aza amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) izy ireo.
ذَٰلِكَ جَزَاؤُهُمْ جَهَنَّمُ بِمَا كَفَرُوا وَاتَّخَذُوا آيَاتِي وَرُسُلِي هُزُوًا ۝١٠٦
📖 Fandikana Andininy 106
Noho izany dia ny Afobe no valin’ny asan’izy ireo, satria tsy nino sy nanao vazivazy ireo famantarako sy ireo Irako (mpaminany).
إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ كَانَتْ لَهُمْ جَنَّاتُ الْفِرْدَوْسِ نُزُلًا ۝١٠٧
📖 Fandikana Andininy 107
Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa dia ny Paradisa ny “Firdaosy” no fonenan’izy ireo.
خَالِدِينَ فِيهَا لَا يَبْغُونَ عَنْهَا حِوَلًا ۝١٠٨
📖 Fandikana Andininy 108
Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy haniry fanovana na dia kely aza.
قُل لَّوْ كَانَ الْبَحْرُ مِدَادًا لِّكَلِمَاتِ رَبِّي لَنَفِدَ الْبَحْرُ قَبْلَ أَن تَنفَدَ كَلِمَاتُ رَبِّي وَلَوْ جِئْنَا بِمِثْلِهِ مَدَدًا ۝١٠٩
📖 Fandikana Andininy 109
Teneno hoe: “ Raha ny ranomasina no ranomainty hanoratana ireo tenin’ny Tompoko, dia ho ritra izany mialoha ny hahataperan’ireo tenin’ny Tompoko, na dia ampinay mitovy amin’izany koa aza ”.
قُلْ إِنَّمَا أَنَا بَشَرٌ مِّثْلُكُمْ يُوحَىٰ إِلَيَّ أَنَّمَا إِلَٰهُكُمْ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۖ فَمَن كَانَ يَرْجُو لِقَاءَ رَبِّهِ فَلْيَعْمَلْ عَمَلًا صَالِحًا وَلَا يُشْرِكْ بِعِبَادَةِ رَبِّهِ أَحَدًا ۝١١٠
📖 Fandikana Andininy 110
Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy.
← 17 Al-Kahf (18/114) 19 →
Vakio Surah Al-Kahf Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

18الكهف Al-Kahf 📚 110 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Kahf — 110 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers