🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (18 Andininy)
0/18
49:1
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تُقَدِّمُواْ بَيۡنَ يَدَيِ ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٌ ١
Yaa ayyuhal lazeena aamanoo la tuqaddimoo baina yada yil laahi wa Rasoolihee wattaqul laah; innal laaha samee`un `Aleem
Ianareo mpino ! Aza mialoha lalana an’I Allah sy ny Irany ianareo. Ary aoka ianareo hatahotra an’I Allah. Fa mandre sy mahalala ny zava-drehetra Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:2
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَرۡفَعُوٓاْ أَصۡوَٰتَكُمۡ فَوۡقَ صَوۡتِ ٱلنَّبِيِّ وَلَا تَجۡهَرُواْ لَهُۥ بِٱلۡقَوۡلِ كَجَهۡرِ بَعۡضِكُمۡ لِبَعۡضٍ أَن تَحۡبَطَ أَعۡمَٰلُكُمۡ وَأَنتُمۡ لَا تَشۡعُرُونَ ٢
Yaa ayyuhal lazeena aamanoo laa tarfa`ooo aswaatakum fawqa sawtin Nabiyi wa laa tajharoo lahoo bilqawli kajahri ba`dikum liba `din an tahbata a `maalukum wa antum laa tash`uroon
Ianareo mpino ! Aza atao avo nohon'ny feon’ny mpaminany ny feonareo, ary aza mampiaka-peo ianareo rehefa miteny aminy, tahaka ny fifampiresahanareo samy ianareo, raha tsy izany dia ho very maina ny asanareo izay tsy ho tsapanareo akory.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:3
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَغُضُّونَ أَصۡوَٰتَهُمۡ عِندَ رَسُولِ ٱللَّهِ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ ٱمۡتَحَنَ ٱللَّهُ قُلُوبَهُمۡ لِلتَّقۡوَىٰۚ لَهُم مَّغۡفِرَةٌ وَأَجۡرٌ عَظِيمٌ ٣
Innal lazeena yaghud doona aswaatahum `inda Rasoolil laahi ulaaa`ikal lazeenam tah anal laahu quloobahum littaqwaa; lahum maghfiratunw waajrun `azeem
Fa izay manalefaka ny feony rehefa eo akaikin'ny Irak’i Allah, dia izy ireny no efa nosedran’I Allah ny fony mba hanam-patahorana. Hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:4
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُنَادُونَكَ مِن وَرَآءِ ٱلۡحُجُرَٰتِ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡقِلُونَ ٤
Innal lazeena yunaadoo naka minw waraaa`il hujuraati aksaruhum laa ya`qiloon
Hamafisina fa ireo miantso mafy anao avy ao ambadiky ny efitrano dia tsy mandinika ny ankamaroan’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:5
🔁 0/5
وَلَوۡ أَنَّهُمۡ صَبَرُواْ حَتَّىٰ تَخۡرُجَ إِلَيۡهِمۡ لَكَانَ خَيۡرًا لَّهُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ٥
Wa law annahum sabaroo hatta takhruja ilaihim lakaana khairal lahum; wallaahu Ghafoorur Raheem
Ary raha maharitra izy ireo mandra-pivoahanao eo aminy, dia izany no tsara kokoa ho azy ireo, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:6
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن جَآءَكُمۡ فَاسِقُۢ بِنَبَإٍ فَتَبَيَّنُوٓاْ أَن تُصِيبُواْ قَوۡمَۢا بِجَهَٰلَةٍ فَتُصۡبِحُواْ عَلَىٰ مَا فَعَلۡتُمۡ نَٰدِمِينَ ٦
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo in jaaa`akum faasqum binaba in fatabaiyanooo an tuseeboo qawmam bijahalatin fatusbihoo `alaa maa fa`altum naadimeen
Ianareo mpino ! Raha misy olona ratsy tonga mitondra vaovao ho anareo, hamarino tsara izany mba tsy hanaovanareo ratsy amin’ny olona nohon'ny tsy fahafantaranareo, sao dia hanenina amin’izay ataonareo ianareo avy eo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:7
🔁 0/5
وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ فِيكُمۡ رَسُولَ ٱللَّهِۚ لَوۡ يُطِيعُكُمۡ فِي كَثِيرٍ مِّنَ ٱلۡأَمۡرِ لَعَنِتُّمۡ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ حَبَّبَ إِلَيۡكُمُ ٱلۡإِيمَٰنَ وَزَيَّنَهُۥ فِي قُلُوبِكُمۡ وَكَرَّهَ إِلَيۡكُمُ ٱلۡكُفۡرَ وَٱلۡفُسُوقَ وَٱلۡعِصۡيَانَۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلرَّٰشِدُونَ ٧
Wa`lamooo anna feekum Rasoolal laah; law yutee`ukum fee kaseerim minal amrila`anittum wa laakinnal laaha habbaba ilaikumul eemaana wa zaiyanahoo fee quloobikum wa karraha ilaikumul kufra walfusooqa wal`isyaan; ulaaaika humur raashidoon
Ary fantaro fa miaraka aminareo ny Irak'I Allah. Raha nankatoa anareo tamin’ny zavatra maro izy, dia ho tao anatin’ny fahasahiranana tokoa ianareo. Saingy nataon’I Allah nitia ny finoana ianareo, sady nohatsarainy tao am-ponareo izany, ary nataony nankahala ny tsy finoana ianareo, ny faharatsiana sy ny tsy fankatoavana. Izy ireo no voatari-dalana tsara.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:8
🔁 0/5
فَضۡلًا مِّنَ ٱللَّهِ وَنِعۡمَةًۚ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ ٨
Fadlam minal laahi wa ni`mah; wallaahu `Aleemun Hakeem
Fitahiana sy fahasoavana avy amin’I Allah tokoa izany. Fa mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:9
🔁 0/5
وَإِن طَآئِفَتَانِ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٱقۡتَتَلُواْ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَهُمَاۖ فَإِنۢ بَغَتۡ إِحۡدَىٰهُمَا عَلَى ٱلۡأُخۡرَىٰ فَقَٰتِلُواْ ٱلَّتِي تَبۡغِي حَتَّىٰ تَفِيٓءَ إِلَىٰٓ أَمۡرِ ٱللَّهِۚ فَإِن فَآءَتۡ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَهُمَا بِٱلۡعَدۡلِ وَأَقۡسِطُوٓاْۖ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُقۡسِطِينَ ٩
Wa in taaa`ifataani minal mu`mineenaq tataloo faaslihoo bainahumaa fa-im baghat ih daahumaa `alal ukhraa faqaatilul latee tabhee hattaa tafeee`a ilaaa amril laah; fa-in faaa`t fa aslihoo bainahumaa bil`adli wa aqsitoo innal laaha yuhibbul muqsiteen
Fa raha miady ny andiany roa amin’ireo mpino, dia aoka ianareo ampihavana azy ireo. Raha mikomy ny anankiray amin’izy ireo hanohitra ny anankiray hafa, dia aoka ianareo hiady amin’ilay mpikomy mba hanarahany ny didin’I Allah. Fa raha manaraka izany izy, dia ampihavano amim-pahamarinana, ary aoka ianareo hanao ny rariny, fa tia ireo mpanao ny rariny Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:10
🔁 0/5
إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ إِخۡوَةٌ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَ أَخَوَيۡكُمۡۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ ١٠
Innamal mu`minoona ikhwatun fa aslihoo baina akhawaykum wattaqul laaha la`allakum tuhamoon
Mpirahalahy tokoa ireo mpino. Koa aoka ianareo hanatsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo rahalahinareo, ary matahora Allah mba hahazoanareo ny famindram-po.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:11
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا يَسۡخَرۡ قَوۡمٌ مِّن قَوۡمٍ عَسَىٰٓ أَن يَكُونُواْ خَيۡرًا مِّنۡهُمۡ وَلَا نِسَآءٌ مِّن نِّسَآءٍ عَسَىٰٓ أَن يَكُنَّ خَيۡرًا مِّنۡهُنَّۖ وَلَا تَلۡمِزُوٓاْ أَنفُسَكُمۡ وَلَا تَنَابَزُواْ بِٱلۡأَلۡقَٰبِۖ بِئۡسَ ٱلِٱسۡمُ ٱلۡفُسُوقُ بَعۡدَ ٱلۡإِيمَٰنِۚ وَمَن لَّمۡ يَتُبۡ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ ١١
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo laa yaskhar qawmum min qawmin `asaaa anyyakoonoo khairam minhum wa laa nisaaa`um min nisaaa`in `Asaaa ay yakunna khairam minhunna wa laa talmizooo bil alqaab; bi`sal ismul fusooqu ba`dal eemaan; wa mal-lam yatub fa-ulaaa`ika humuz zaalimoon
Ianareo mpino ! Aoka tsy haneso ny andian’olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Ary aoka tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Aza mifanambany ianareo, ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto rehefa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka dia izy ireny no olona mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:12
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱجۡتَنِبُواْ كَثِيرًا مِّنَ ٱلظَّنِّ إِنَّ بَعۡضَ ٱلظَّنِّ إِثۡمٌۖ وَلَا تَجَسَّسُواْ وَلَا يَغۡتَب بَّعۡضُكُم بَعۡضًاۚ أَيُحِبُّ أَحَدُكُمۡ أَن يَأۡكُلَ لَحۡمَ أَخِيهِ مَيۡتًا فَكَرِهۡتُمُوهُۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ تَوَّابٌ رَّحِيمٌ ١٢
Yaaa ayyuhal lazeena aamanuj taniboo kaseeram minaz zanni inna ba`daz zanniismunw wa laa tajassasoo wa la yaghtab ba`dukum ba`daa; a yuhibbu ahadukum any yaakula lahma akheehi maitan fakarih tumooh; wattaqul laa; innal laaha tawwaabur Raheem
Ianareo mpino ! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny am-pahany amin’ny ahiahy atao amin’ny olona. Ary aoka tsy hitsikilo olona ianareo, na hifampifosa ianareo samy ianareo. Misy mitia mihinana ny nofon’ny rahalahiny maty va ianareo? Harikoriko amin’izany ianareo. Koa aoka ianareo hatahotra an'I Allah. Fa fatra-pandray fibebahana Allah, ary be indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:13
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّا خَلَقۡنَٰكُم مِّن ذَكَرٍ وَأُنثَىٰ وَجَعَلۡنَٰكُمۡ شُعُوبًا وَقَبَآئِلَ لِتَعَارَفُوٓاْۚ إِنَّ أَكۡرَمَكُمۡ عِندَ ٱللَّهِ أَتۡقَىٰكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمٌ خَبِيرٌ ١٣
Yaaa ayyuhan naasu innaa khalaqnaakum min zakarinw wa unsaa wa ja`alnaakum shu`oobanw wa qabaaa`ila lita`aarafoo inna akramakum `indal laahi atqaakum innal laaha `Aleemun khabeer
Ry olombelona ! Noharianay avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’I Allah, dia izay vonto-pinoana indrindra. Fa mahalala sy mahafantatra tsara ny zava-drehetra Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:14
🔁 0/5
۞ قَالَتِ ٱلۡأَعۡرَابُ ءَامَنَّاۖ قُل لَّمۡ تُؤۡمِنُواْ وَلَٰكِن قُولُوٓاْ أَسۡلَمۡنَا وَلَمَّا يَدۡخُلِ ٱلۡإِيمَٰنُ فِي قُلُوبِكُمۡۖ وَإِن تُطِيعُواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ لَا يَلِتۡكُم مِّنۡ أَعۡمَٰلِكُمۡ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ١٤
Qaalatil-A `raabu aamannaa qul lam tu`minoo wa laakin qoolooo aslamnaa wa lamma yadkhulil eemaanu fee quloobikum wa in tutee`ul laaha wa Rasoolahoo laa yalitkum min a`maalikum shai`aa; innal laaha Ghafoorur Raheem
Hoy ireo mpifindrafindra fonenana arabo : “Mino izahay”. Lazao hoe : “Tsy mbola manam-pinoana ianareo. Fa lazao kosa hoe : Mankato izahay, satria tsy mbola tafiditra am-ponareo ny finoana. Fa raha mankato an'I Allah sy ny Irany ianareo, dia hataony tsy misy very ny asanareo”. Mpamela heloka sy be indrafo Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:15
🔁 0/5
إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ ثُمَّ لَمۡ يَرۡتَابُواْ وَجَٰهَدُواْ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلصَّٰدِقُونَ ١٥
Innamal muu`minoonal lazeena aamanoo billaahi wa Rasoolihee summa lam yartaaboo wa jaahadoo biamwaalihim wa anfusihim fee sabeelil laah; ulaaaika humus saadiqoon
Ny tena mpino, dia ireo mino an'I Allah sy ny Irany, sy tsy misalasala mihitsy aty aoriana, ary miezaka amin’ny lalan’I Allah amin’alalan’ireo fananany sy ny tenany. Izy ireny no tena olona marina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:16
🔁 0/5
قُلۡ أَتُعَلِّمُونَ ٱللَّهَ بِدِينِكُمۡ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٌ ١٦
Qul atu`allimoonal laaha bideenikum wallaahu ya`lamu maa fis samaawaati wa maa fil ard; wallaahu bikulli shai`in `Aleem
Lazao hoe : “Ianareo va no hampianatra an'I Allah ny finoanareo, kanefa Allah no mahalala izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany ? Ary Allah no mahalala ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:17
🔁 0/5
يَمُنُّونَ عَلَيۡكَ أَنۡ أَسۡلَمُواْۖ قُل لَّا تَمُنُّواْ عَلَيَّ إِسۡلَٰمَكُمۖ بَلِ ٱللَّهُ يَمُنُّ عَلَيۡكُمۡ أَنۡ هَدَىٰكُمۡ لِلۡإِيمَٰنِ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ١٧
Yamunnoona `alaika an aslamoo qul laa tamunnoo `alaiya Islaamakum balillaahu yamunnu `alaikum an hadaakum lil eemaani in kuntum saadiqeen
Mampahatsiaro anao ny fidiran’izy ireo amin’ny finoanan'I Allah tokoa izy, tahaka ny tombontsoa manokana (ho anao) avy amin’izy ireo izany. Lazao hoe : “Aoka ianareo tsy hampahatsiaro ahy ny fidiranareo amin’ny finoana Allah tokana ho toy ny tombotsoa manokana. Na ny mifanohitra amin’izany tombotsoa manokana ho anareo izany aza dia avy amin’I Allah no nitarihany anareo amin’ny finoana raha tena olo- marina ianareo”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
49:18
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ غَيۡبَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ ١٨
Innal laaha ya`lamu ghaibas samaawaati wal ard; wallaahu baseerum bimaa ta`maloon
Fantatr’I Allah ny zava-miafiana any an-danitra sy ety an-tany, ary mahita izay ataonareo Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







