🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (22 Andininy)
0/22
58:1
🔁 0/5
قَدۡ سَمِعَ ٱللَّهُ قَوۡلَ ٱلَّتِي تُجَٰدِلُكَ فِي زَوۡجِهَا وَتَشۡتَكِيٓ إِلَى ٱللَّهِ وَٱللَّهُ يَسۡمَعُ تَحَاوُرَكُمَآۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٌ ١
Qad sami`al laahu qawlal latee tujaadiluka fee zawjihaa wa tashtakeee ilal laahi wallaahu yasma`u tahaawurakumaa; innal laaha samee`um baseer
Henon'I Allah tokoa, ny tenin'ilay vehivavy miady hevitra aminao mikasika ny vadiny, ka mitaraina amin'I Allah. Ary henon'I Allah ny resakareo. Marina tokoa fa I Allah Ilay Mandre sy Mahita ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:2
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يُظَٰهِرُونَ مِنكُم مِّن نِّسَآئِهِم مَّا هُنَّ أُمَّهَٰتِهِمۡۖ إِنۡ أُمَّهَٰتُهُمۡ إِلَّا ٱلَّٰٓـِٔي وَلَدۡنَهُمۡۚ وَإِنَّهُمۡ لَيَقُولُونَ مُنكَرًا مِّنَ ٱلۡقَوۡلِ وَزُورًاۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَعَفُوٌّ غَفُورٌ ٢
Allazeena yuzaahiroona minkum min nisaaa`ihim maa hunnaa ummahaatihim in ummahaatuhum illal laaa`ee waladnahum; wa innaahum la yaqooloona munkaram minal qawli wa zooraa; wa innal laaha la`afuwwun ghafoor
Izay misao-bady aminareo, ka milaza fa tahaka ny lamosin’ny reniny izy ireo…, nefa tsy renin’izy ireo mihitsy, fa izay niteraka azy ireo ihany no Reniny. Milaza teny tsy mety, sady feno lainga tokoa izy ireo. Mpiantra sy Mpamela heloka anefa Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:3
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ يُظَٰهِرُونَ مِن نِّسَآئِهِمۡ ثُمَّ يَعُودُونَ لِمَا قَالُواْ فَتَحۡرِيرُ رَقَبَةٍ مِّن قَبۡلِ أَن يَتَمَآسَّاۚ ذَٰلِكُمۡ تُوعَظُونَ بِهِۦۚ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٌ ٣
Wallazeena yuzaahiroona min nisaaa`ihim summa ya`oodoona limaa qaaloo fatabreeru raqabatim min qabli any-yatamaaassaa; zaalikum too`azoona bih; wallaahu bimaa ta`maloona khabeer
Izay mampitaha ny vadin’izy ireo amin’ny lamosindreniny, ka miverina amin’ny teniny avy eo, dia tsy maintsy mamotsotra mpanompo iray, alohan’ny hikasihany ny vadiny. Izany no fananarana anareo. Fa Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Aممضا.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:4
🔁 0/5
فَمَن لَّمۡ يَجِدۡ فَصِيَامُ شَهۡرَيۡنِ مُتَتَابِعَيۡنِ مِن قَبۡلِ أَن يَتَمَآسَّاۖ فَمَن لَّمۡ يَسۡتَطِعۡ فَإِطۡعَامُ سِتِّينَ مِسۡكِينًاۚ ذَٰلِكَ لِتُؤۡمِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦۚ وَتِلۡكَ حُدُودُ ٱللَّهِۗ وَلِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٤
Famal lam yajid fa siyaamu shahraini mutataabi`ayni min qabli any-yatamaaassaa famal lam yastati` fa-it`aamu sitteena miskeena; zaalika litu`minoo billaahi wa rasoolih`wa tilka hudoodul laah; wa lilkaafireena `azaabun aleem
Fa izay tsy afaka manao izany kosa, dia tsy maintsy mifehy roa volana mifanesy, alohan'ny hikasihany ny vadiny. Fa raha tsy afaka manao izany ihany koa izy, dia aoka izy hanome sakafo olona mahantra enim-polo. Izany dia mba hinoanareo an'i Allah sy ny Irany, izay fepetra napetrak'I Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia hahazo famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:5
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُحَآدُّونَ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ كُبِتُواْ كَمَا كُبِتَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ وَقَدۡ أَنزَلۡنَآ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٍۚ وَلِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٌ مُّهِينٌ ٥
Innal lazeena yuhaaaddoonal laaha wa Rasoolahoo kubitoo kamaa kubital lazeena min qablihim; wa qad anzalnaaa aayaatim baiyinaat; wa lilkaa fireena `azaabum muheen
Izay manohitra an'I Allah sy ny Irany, dia hazera tahaka ny nanjerana ireo teo alohany. Efa nampidina porofo mazava Izahay, ka hahazo famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:6
🔁 0/5
يَوۡمَ يَبۡعَثُهُمُ ٱللَّهُ جَمِيعًا فَيُنَبِّئُهُم بِمَا عَمِلُوٓاْۚ أَحۡصَىٰهُ ٱللَّهُ وَنَسُوهُۚ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ شَهِيدٌ ٦
Yawma yab`asuhumul laahu jamee`an fayunabbi`uhum bimaa `amiloo; ahsaahul laahu wa nasooh; wallaahu `alaa kulli shai`in shaheed
Amin'ny andro hananganan'I Allah azy rehetra amin'ny maty, ka hampahafantariny izay nataon'izy ireo. Nisain'I Allah izany, saingy hadinon'izy ireo. Fa mahita ny zavatra rehetra I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:7
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۖ مَا يَكُونُ مِن نَّجۡوَىٰ ثَلَٰثَةٍ إِلَّا هُوَ رَابِعُهُمۡ وَلَا خَمۡسَةٍ إِلَّا هُوَ سَادِسُهُمۡ وَلَآ أَدۡنَىٰ مِن ذَٰلِكَ وَلَآ أَكۡثَرَ إِلَّا هُوَ مَعَهُمۡ أَيۡنَ مَا كَانُواْۖ ثُمَّ يُنَبِّئُهُم بِمَا عَمِلُواْ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٌ ٧
Alam tara annal laaha ya`lamu maa fis samaawaati wa maa fil ardi maa yakoonu min najwaa salaasatin illaa Huwa raabi`uhum wa laa khamsatin illaa huwa saadisuhum wa laaa adnaa min zaalika wa laaa aksara illaa huwa ma`ahum ayna, maa kaanoo summa yunabbi`uhum bimaa `amiloo yawmal qiyaamah; innal laaha bikulli shai`in aleem
Tsy hitanao va fa fantatr'i Allah izay any an-danitra sy ety an-tany? Tsy misy resaka miafina ataon'olona telo, raha tsy fahaefatra amin'izy ireo Izy, na amin'ny fahadimy, ka tsy fahaenina amin'izy ireo Izy, na latsaka noho izany, na mihoatra, dia ho eo amin'izy ireo Izy, amin'izay misy azy ireo. Avy eo, hampahafantariny azy ireo izay nataony, amin'ny andron'ny fitsanganana, fa mahafantatra ny zavatra rehetra Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:8
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ نُهُواْ عَنِ ٱلنَّجۡوَىٰ ثُمَّ يَعُودُونَ لِمَا نُهُواْ عَنۡهُ وَيَتَنَٰجَوۡنَ بِٱلۡإِثۡمِ وَٱلۡعُدۡوَٰنِ وَمَعۡصِيَتِ ٱلرَّسُولِۖ وَإِذَا جَآءُوكَ حَيَّوۡكَ بِمَا لَمۡ يُحَيِّكَ بِهِ ٱللَّهُ وَيَقُولُونَ فِيٓ أَنفُسِهِمۡ لَوۡلَا يُعَذِّبُنَا ٱللَّهُ بِمَا نَقُولُۚ حَسۡبُهُمۡ جَهَنَّمُ يَصۡلَوۡنَهَاۖ فَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ ٨
Alam tara ilal lazeena nuhoo `anin najwaa summa ya`oodoona limaa nuhoo `anhu wa yatanaajawna bil ismi wal`udwaani wa ma`siyatir rasooli wa izaa jaaa`ooka haiyawka bimaa lam yuhai yika bihil laahu wa yaqooloona fee anfusihim law laa yu`azzibunal laahu bimaa naqool; hasbuhum jahannnamu yaslawnahaa fabi`sal maseer
Tsy hitanao va ireo voarara tsy hanao resaka miafina ? Fa miverina amin'izay nandraràna azy izy ireo, izay mifandinika hanao fahotana, handika lalàna, sady hankato ny Irany. Fa rehefa manantona anao izy ireo, dia miarahaba anao, tsy tahaka izay niarahaban'I Allah anao, ka miteny anakam-po hoe : "Nahoana àry no tsy sazin'I Allah izahay, nohon'ny teny nataonay ?" Ampy ho azy ireo ny afobe, izay handoro azy. Fa fiafarana ratsy tokoa izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:9
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا تَنَٰجَيۡتُمۡ فَلَا تَتَنَٰجَوۡاْ بِٱلۡإِثۡمِ وَٱلۡعُدۡوَٰنِ وَمَعۡصِيَتِ ٱلرَّسُولِ وَتَنَٰجَوۡاْ بِٱلۡبِرِّ وَٱلتَّقۡوَىٰۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ ٱلَّذِيٓ إِلَيۡهِ تُحۡشَرُونَ ٩
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo izaa tanaajaytum falaa tatanaajaw bil ismi wal `udwaani wa ma`siyatir rasooli wa tanaajaw bil birri wattaqwaa wattaqul laahal lazeee ilaihi tuhsharoon
O ianareo mpino ! Rehefa manao resaka miafina ianareo, dia aza mifandinika hanota, sy handika lalàna, ary tsy hankato ny Iraka, fa mifandinia kosa, amin'ny hatsarana sy ny fitandremana . Ary matahora an'I Allah, izay hamory anareo any Aminy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:10
🔁 0/5
إِنَّمَا ٱلنَّجۡوَىٰ مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ لِيَحۡزُنَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَلَيۡسَ بِضَآرِّهِمۡ شَيۡـًٔا إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ١٠
Innaman najwaa minash shaitaani liyahzunal lazeena aamanoo wa laisa bidaaarrihim shai`an illaa bi-iznil laah; wa `alal laahi falyatawakkalil mu`minoon
Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona fa avy amin'i Satana, mba hampahoriany izay mino. Saingy tsy afaka hanisy ratsy azy ireo izany, raha tsy alalana avy amin'I Allah. Fa amin'I Allah no tokony hianteheran'ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:11
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا قِيلَ لَكُمۡ تَفَسَّحُواْ فِي ٱلۡمَجَٰلِسِ فَٱفۡسَحُواْ يَفۡسَحِ ٱللَّهُ لَكُمۡۖ وَإِذَا قِيلَ ٱنشُزُواْ فَٱنشُزُواْ يَرۡفَعِ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنكُمۡ وَٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ دَرَجَٰتٍۚ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٌ ١١
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo izaa qeela lakum tafassahoo fil majaalisi fafsahoo yafsahil laahu lakum wa izaa qeelan shuzoo fanshuzoo yarfa`il laahul lazeena aamanoo minkum wallazeena ootul `ilma darajaat; wallaahu bimaa ta`maloona khabeer
Fa ianareo mpino ! Raha ilazana ianareo hoe : "Manomeza toerana ho an'ny hafa amin'ny fivoriana", dia aoka hanome toerana. Fa hanamboaran'I Allah toerana ianareo (any amin'ny paradisa). Ary raha asaina mitsangana ianareo dia aoka hitsangana. Fa hasondrotr'I Allah izay mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana. Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:12
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا نَٰجَيۡتُمُ ٱلرَّسُولَ فَقَدِّمُواْ بَيۡنَ يَدَيۡ نَجۡوَىٰكُمۡ صَدَقَةًۚ ذَٰلِكَ خَيۡرٌ لَّكُمۡ وَأَطۡهَرُۚ فَإِن لَّمۡ تَجِدُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ١٢
Yaaa ayyuhal lazeena aamanooo izaa naajitumur Rasoola faqaddimoo baina yadai najwaakum sadaqah; zaalika khairul lakum wa athar; fa il lam tajidoo fa innal laaha ghafoorur Raheem
O ianareo mpino ! Raha misy dinika manokana hataonareo amin'ny Iraka, dia manolora fanomezana alohan'ny dinika izay ataonareo, tsara kokoa ho anareo izany sady madio. Fa raha tsy manan-katao amin'izany ianareo, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:13
🔁 0/5
ءَأَشۡفَقۡتُمۡ أَن تُقَدِّمُواْ بَيۡنَ يَدَيۡ نَجۡوَىٰكُمۡ صَدَقَٰتٍۚ فَإِذۡ لَمۡ تَفۡعَلُواْ وَتَابَ ٱللَّهُ عَلَيۡكُمۡ فَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥۚ وَٱللَّهُ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ ١٣
A-ashfaqtum an tuqaddimoo baina yadai najwaakum sadaqaat; fa-iz lam taf`aloo wa taabal laahu `alaikum fa aqeemus Salaata wa aatuz Zakaata wa atee`ul laaha wa rasoolah; wallaahu khabeerum bimaa ta`maloon
Matahotra va ianareo ny hanolotra fanomezana alohan'ny dinika ? Saingy raha tsy manao izany ianareo, ka mamindra fo aminareo I Allah, dia ho ampy anareo ny fanompoam-pivavahana sy ny famoahana zakat, ary ny fankatoavana an'I Allah sy ny Irany. Fa fantatr'I Allah izay ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:14
🔁 0/5
۞ أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ تَوَلَّوۡاْ قَوۡمًا غَضِبَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِم مَّا هُم مِّنكُمۡ وَلَا مِنۡهُمۡ وَيَحۡلِفُونَ عَلَى ٱلۡكَذِبِ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ ١٤
Alam tara ilal lazeena tawallaw qawman ghadibal laahu `alaihim maa hum minkum wa laa minhum wa yahlifoona `alal kazibi wa hum ya`lamoon
Tsy hitanao va ireo naka olona ho namana, izay efa nahatezitra an’I Allah ?Sady tsy avy aminareo izy ireny, no tsy avy amin’izy ireo ihany koa ; fa mianiana amin’ny lainga izy ireo kanefa mahafantatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:15
🔁 0/5
أَعَدَّ ٱللَّهُ لَهُمۡ عَذَابًا شَدِيدًاۖ إِنَّهُمۡ سَآءَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ١٥
A`addal laahu lahum `azaaban shadeedan innahum saaa`a maa kaanoo ya`maloon
Nanomanan’I Allah famaizana mafy izy ireo fa tena ratsy tokoa izay nataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:16
🔁 0/5
ٱتَّخَذُوٓاْ أَيۡمَٰنَهُمۡ جُنَّةً فَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ فَلَهُمۡ عَذَابٌ مُّهِينٌ ١٦
Ittakhazooo aymaanahum junnatan fasaddoo `an sabeelil laahi falahum `azaabum muheen
Raisiny ho toy ny ampinga ny fianiany, ary misakana ny lalan’I Allah izy ireo. Noho izany, hahazo famaizana mahafabaraka izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:17
🔁 0/5
لَّن تُغۡنِيَ عَنۡهُمۡ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُم مِّنَ ٱللَّهِ شَيۡـًٔاۚ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ١٧
Lan tughniya `anhum amwaaluhum wa laaa awladuhum minal laahi shai`aa; ulaaa `ika As haabun Naari hum feehaa khaalidoon
Tsy hisy ilain’izy ireo ny fananany, na ny zanany manoloana an'I Allah. Olon’ny afo izy ireny, izay honenany mandrakizay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:18
🔁 0/5
يَوۡمَ يَبۡعَثُهُمُ ٱللَّهُ جَمِيعًا فَيَحۡلِفُونَ لَهُۥ كَمَا يَحۡلِفُونَ لَكُمۡ وَيَحۡسَبُونَ أَنَّهُمۡ عَلَىٰ شَيۡءٍۚ أَلَآ إِنَّهُمۡ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ ١٨
Yawma yab`asuhumul laahujamee`an fa yahlifoona lahoo kamaa yahlifoona lakum wa yahsaboona annahum `alaa shai`; alaaa innahum humul kaaziboon
Amin’ny andro izay hananganan’I Allah azy rehetra amin’ny maty, dia hianiana Aminy izy ireo, tahaka ny hianianan’izy ireo aminareo, mihevitra fa miankina amin’ny zavatra matanjaka izy ireo. Kanefa, izy ireo no mpandainga.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:19
🔁 0/5
ٱسۡتَحۡوَذَ عَلَيۡهِمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ فَأَنسَىٰهُمۡ ذِكۡرَ ٱللَّهِۚ أُوْلَٰٓئِكَ حِزۡبُ ٱلشَّيۡطَٰنِۚ أَلَآ إِنَّ حِزۡبَ ٱلشَّيۡطَٰنِ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ ١٩
Istahwaza `alaihimush shaitaanu fa ansaahum zikral laah; ulaaa`ika hizbush shaitaaan; alaaa innaa hizbash shaitaani humul khaasiroon
Nofehezin’ny devoly izy ireo, ka nasainy nanadino ny fahatsiarovana an’I Allah. Izy ireny no antokon’ny devoly, ary tsy maintsy maty antoka ny antokon’ny devoly.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:20
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُحَآدُّونَ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥٓ أُوْلَٰٓئِكَ فِي ٱلۡأَذَلِّينَ ٢٠
Innal lazeena yuhaaaddoonal laaha wa Rasoolahooo ulaaa`ika fil azalleen
Ho isan’ireo afa-baraka indrindra, izay manohitra an’I Allah sy ny Irany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:21
🔁 0/5
كَتَبَ ٱللَّهُ لَأَغۡلِبَنَّ أَنَا۠ وَرُسُلِيٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ قَوِيٌّ عَزِيزٌ ٢١
Katabal laahu la aghlibanna ana wa Rusulee; innal laaha qawiyyun `Azeez
Nametraka didy Allah hoe : handresy tokoa Aho sy ireo Irako;tena marina fa matanjaka sy tsitoha I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
58:22
🔁 0/5
لَّا تَجِدُ قَوۡمًا يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ يُوَآدُّونَ مَنۡ حَآدَّ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَلَوۡ كَانُوٓاْ ءَابَآءَهُمۡ أَوۡ أَبۡنَآءَهُمۡ أَوۡ إِخۡوَٰنَهُمۡ أَوۡ عَشِيرَتَهُمۡۚ أُوْلَٰٓئِكَ كَتَبَ فِي قُلُوبِهِمُ ٱلۡإِيمَٰنَ وَأَيَّدَهُم بِرُوحٍ مِّنۡهُۖ وَيُدۡخِلُهُمۡ جَنَّٰتٍ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ رَضِيَ ٱللَّهُ عَنۡهُمۡ وَرَضُواْ عَنۡهُۚ أُوْلَٰٓئِكَ حِزۡبُ ٱللَّهِۚ أَلَآ إِنَّ حِزۡبَ ٱللَّهِ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ ٢٢
Laa tajidu qawmany yu`minoona billaahi wal yawmil aakhiri yuwaaaddoona man haaaddal laaha wa Rasoolahoo wa law kaanooo aabaaa`ahum aw abnaaa`ahum aw ikhwaa nahum aw `asheeratahum; ulaaa`ika kataba fee quloobihi mul eemaana wa ayyadahum biroohimminhu wa yudkhilu hum jannatin tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feehaa; radiyal laahu `anhum wa radoo `anh; ulaaa `ika hizbul laah; alaaa inna hizbal laahi humul muflihoon
Tsy ahita olona amin’ireo mino an'I Allah sy ny andro farany ianao, ka haka namana ireo izay manohitra an’I Allah sy ny Irany, na dia ny rainy, na ny zanany, na ny rahalahiny aza izany, na ny olona ao amin’ny fokony. Napetrany ao am-pon’izy ireo ny finoana, ary nampiany tamin’ny famonjeny izy ireo, hampidiriny any amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambany izy ireo, ka hipetraka ao mandrakizay. Mankasitraka azy ireo Allah, ary mankasitraka an’I Allah koa izy ireo. Izy ireo no antokon'I Allah. Moa tsy ny antokon'I Allah va no tafita?
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







