🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (123 Andininy)
0/123
11:1
🔁 0/5
الٓرۚ كِتَٰبٌ أُحۡكِمَتۡ ءَايَٰتُهُۥ ثُمَّ فُصِّلَتۡ مِن لَّدُنۡ حَكِيمٍ خَبِيرٍ ١
Alif-Laaam-Raa; Kitaabun uhkimat Aayaatuhoo summa fussilat mil ladun Hakeemin Khabeer
ALIF, LAM, RA. Ity dia Boky voarindra tanteraka ny andian-teniny sy voazava amin’ny antsipiriany, avy amin’ilay be Fahendrena sy Mpahalala ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:2
🔁 0/5
أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّا ٱللَّهَۚ إِنَّنِي لَكُم مِّنۡهُ نَذِيرٌ وَبَشِيرٌ ٢
Allaa ta`budooo illal laah; innanee lakum minhu nazeerunw wa basheer
Aoka tsy hanompo afa-tsy i Allah Ianareo, marina fa Izaho dia mpampitandrina sy mpilaza vaovao mahafaly avy Aminy ho Anareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:3
🔁 0/5
وَأَنِ ٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِ يُمَتِّعۡكُم مَّتَٰعًا حَسَنًا إِلَىٰٓ أَجَلٍ مُّسَمًّى وَيُؤۡتِ كُلَّ ذِي فَضۡلٍ فَضۡلَهُۥۖ وَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ كَبِيرٍ ٣
Wa anis taghfiroo Rabbakum summa toobooo ilaihi yumatti`kum mataa`an hasanan ilaaa ajalim musammanw wa yu`ti kulla zee fadlin fadlahoo wa in tawallaw fa inneee akhaafu `alaikum `azaaba Yawmin Kabeer
Ary aoka hangataka famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo Ianareo, avy eo mibebaha Aminy, amin’izany dia hanome Anareo fanomezana mendrika sy tsara amin’ny fotoana voafetra Izy. Ary hanome ny fahasoavany amin’ny tsirairay mendrika izany Izy. Fa raha mitodi-damosina kosa Ianareo dia matahotra Aho fa hihatra Aminareo ny sazy amin’ny Andro lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:4
🔁 0/5
إِلَى ٱللَّهِ مَرۡجِعُكُمۡۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ ٤
Ilal laahi marji`ukum wa Huwa `alaa kulli shai`in Qadeer
Any amin’i Allah no hiverenanareo ary Izy dia Mahefa ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:5
🔁 0/5
أَلَآ إِنَّهُمۡ يَثۡنُونَ صُدُورَهُمۡ لِيَسۡتَخۡفُواْ مِنۡهُۚ أَلَا حِينَ يَسۡتَغۡشُونَ ثِيَابَهُمۡ يَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَۚ إِنَّهُۥ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ ٥
Alaa innahum yasnoona sudoorahum liyastakhfoo minh; alaa heena yastaghshoona siyaabahum ya`lamu maa yusiroona wa maa yu`linoon; innahoo `aleemum bizaatis sudoor
Moa ve izy ireo tsy manidy ny fony hiafenan’izy ireo Aminy. Na dia amin’ny fotoan’izy ireo manarona ny fitafiny, dia mahalala izay afenin’izy ireo sy izay abaribarin’izy ireo Izy. Ary Izy dia tena Mahalala izay rehetra ao am-po.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:6
🔁 0/5
۞ وَمَا مِن دَآبَّةٍ فِي ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا عَلَى ٱللَّهِ رِزۡقُهَا وَيَعۡلَمُ مُسۡتَقَرَّهَا وَمُسۡتَوۡدَعَهَاۚ كُلٌّ فِي كِتَٰبٍ مُّبِينٍ ٦
Wa maa min daaabbatin fil ardi illaa `alal laahi rizquhaa wa ya`lamu mustaqarrahaa wa mustawda`ahaa; kullun fee Kitaabim Mubeen
Ary tsy misy zava-manan'aina eto an-tany afa-tsy avy amin’i Allah ny anjaram-pivelomany izay fantany ny toerana iainany sy ny toerana ahafatesany. Izany dia voarakitra ao anaty boky mazava tsara.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:7
🔁 0/5
وَهُوَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ فِي سِتَّةِ أَيَّامٍ وَكَانَ عَرۡشُهُۥ عَلَى ٱلۡمَآءِ لِيَبۡلُوَكُمۡ أَيُّكُمۡ أَحۡسَنُ عَمَلًاۗ وَلَئِن قُلۡتَ إِنَّكُم مَّبۡعُوثُونَ مِنۢ بَعۡدِ ٱلۡمَوۡتِ لَيَقُولَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٌ مُّبِينٌ ٧
Wa Huwal lazee khalaqas samaawaati wal alrda fee sittati aiyaaminw wa kaana `Arshuhoo alal maaa`i liyablu wakum aiyukum ahsanu `amalaa; wa la`in qulta innakum mab`oosoona mim ba`dil mawti la yaqoolanal lazeena kafaroo in haazaaa illaa sihrum mubeen
Ary Izy no nahary ireo lanitra sy ny tany tao anaty enin’andro, ka ny seza fiandrianany tamin’izany dia teo ambonin’ny rano, mba hitsapany, iza Aminareo no tena tsara kokoa, ary raha milaza Ianao manao hoe : ” Tena marina fa Ianareo dia hatsangana aorian’ny fahafatesana ”, dia hiteny tokoa ireo izay tsy nino hanao hoe : ” Tsy inona akory izany fa majika miharihary ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:8
🔁 0/5
وَلَئِنۡ أَخَّرۡنَا عَنۡهُمُ ٱلۡعَذَابَ إِلَىٰٓ أُمَّةٍ مَّعۡدُودَةٍ لَّيَقُولُنَّ مَا يَحۡبِسُهُۥٓۗ أَلَا يَوۡمَ يَأۡتِيهِمۡ لَيۡسَ مَصۡرُوفًا عَنۡهُمۡ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ ٨
Wala`in akhkharnaa `anhumul `azaaba ilaaa ummatim ma`doodatil la yaqoolunna maa yahbisuh; alaa yawma yaateehim laisa masroofan `anhum wa haaqa bihim maa kaanoo bihee yastahzi`oon
Ary raha ahemotray amin’izy ireo ny sazy mandra-pahatongan’ny fotoana voafetra dia tena hilaza Izy ireo ka hanao hoe : ” Inona no mitazona izany ? ” Ary amin’ny andro hatongavan’izany amin’izy ireo dia tsy voavily hiala amin’izy ireo izany. Ary handrakotra azy ireo izay noesoesoiny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:9
🔁 0/5
وَلَئِنۡ أَذَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِنَّا رَحۡمَةً ثُمَّ نَزَعۡنَٰهَا مِنۡهُ إِنَّهُۥ لَيَـُٔوسٌ كَفُورٌ ٩
Wa la`in azaqnal insaana minnaa rahmatan summa naza`naahaa minhu, innahoo laya`oosun kafoor
Ary raha ampanandramanay ny olombelona ny fahasoavana avy Aminay, ka esorinay Aminy izany, dia indro Izy fa diso fanantenana sy tsy mankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:10
🔁 0/5
وَلَئِنۡ أَذَقۡنَٰهُ نَعۡمَآءَ بَعۡدَ ضَرَّآءَ مَسَّتۡهُ لَيَقُولَنَّ ذَهَبَ ٱلسَّيِّـَٔاتُ عَنِّيٓۚ إِنَّهُۥ لَفَرِحٌ فَخُورٌ ١٠
Wala`in azaqnaahu na`maaa`a ba`da darraaa`a massat hu la yaqoolanna zahabas saiyiaatu `anneee; innahoo lafarihun fakhoor
Ary raha ampanandramanay Azy ny fahasambarana taorian’ny fahoriana nanjo Azy, dia hiteny izy ka hanao hoe : " Nanalavitra ahy ireo ratsy ”, indro izy fa tena faly sy mirehareha.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:11
🔁 0/5
إِلَّا ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُم مَّغۡفِرَةٌ وَأَجۡرٌ كَبِيرٌ ١١
Illal lazeena sabaroo wa `amilus saalihaati ulaaa`ika lahum maghfiratunw wa ajrun kabeer
Afa-tsy ireo izay maharitra sy manao ny asa soa. Izy ireny no ahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:12
🔁 0/5
فَلَعَلَّكَ تَارِكُۢ بَعۡضَ مَا يُوحَىٰٓ إِلَيۡكَ وَضَآئِقُۢ بِهِۦ صَدۡرُكَ أَن يَقُولُواْ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ كَنزٌ أَوۡ جَآءَ مَعَهُۥ مَلَكٌۚ إِنَّمَآ أَنتَ نَذِيرٌۚ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ وَكِيلٌ ١٢
Fala`allaka taarikum ba`da maa yoohaaa ilaika wa daaa`iqum bihee sadruka ai yaqooloo law laaa unzila `alaihi kanzun aw jaaa`a ma`ahoo malak; innamaa anta nazeer; wallaahu `alaa kulli shai`inw wakeel
Angamba Ianao hamela ny ampahany amin’ny fanambarana izay nalefanay taminao, ary ahatsapa tery ny tratranao noho izany. Satria hiteny izy ireo hanao hoe : ” Nahoana tsy harena sarobidy no nampidinina taminy ? ” na koa : " Nahoana no tsy tonga niaraka taminy ny Anjely ? ” tena marina fa Ianao dia mpampitandrina ihany, ary i Allah no Mpandrindra ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:13
🔁 0/5
أَمۡ يَقُولُونَ ٱفۡتَرَىٰهُۖ قُلۡ فَأۡتُواْ بِعَشۡرِ سُوَرٍ مِّثۡلِهِۦ مُفۡتَرَيَٰتٍ وَٱدۡعُواْ مَنِ ٱسۡتَطَعۡتُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ١٣
Am yaqooloonaf taraahu qul faatoo bi`ashri Suwarim mislihee muftarayaatinw wad`oo manis tata`tum min doonil laahi in kuntum saadiqeen
Na koa hiteny izy ireo hanao hoe : " Noforonony izany (koroany) izany. Lazao hoe : " Mitondraha àry Ianareo toko folo mitovy amin’ity, izay noforoninareo, ary antsoy izay afaka hanampy Anareo ankoatr’i Allah raha marina ny teninareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:14
🔁 0/5
فَإِلَّمۡ يَسۡتَجِيبُواْ لَكُمۡ فَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّمَآ أُنزِلَ بِعِلۡمِ ٱللَّهِ وَأَن لَّآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ فَهَلۡ أَنتُم مُّسۡلِمُونَ ١٤
Fa il lam yastajeeboo lakum fa`lamooo annamaaa unzilla bi`ilmil laahi wa al laaa ilaaha illaa Huwa fahal antum muslimoon
Raha toa ka tsy namaly Anareo izy ireo, dia fantaro fa tena nampidinina tamin’ny alalan’ny fahalalan’i Allah tokoa izany, ary tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Ka moa ve manaiky Azy tanteraka Ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:15
🔁 0/5
مَن كَانَ يُرِيدُ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا وَزِينَتَهَا نُوَفِّ إِلَيۡهِمۡ أَعۡمَٰلَهُمۡ فِيهَا وَهُمۡ فِيهَا لَا يُبۡخَسُونَ ١٥
Man kaana yureedul hayaatad dunyaa zeenatahaa nuwaffi ilaihim a`maa lahum feehaa wa hum feehaa laa yubkhasoon
Ireo izay mila ny fiainana eto an-tany sy ny haingony, dia omenay azy ireo ny valin’asany feno tanteraka fony mbola eto ambony tany, ary tsy misy hanalana na dia kely aza ny valisoan’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:16
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ لَيۡسَ لَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ إِلَّا ٱلنَّارُۖ وَحَبِطَ مَا صَنَعُواْ فِيهَا وَبَٰطِلٌ مَّا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ١٦
Ulaaa`ikal lazeena laisa lahum fil Aakhirati illan Naaru wa habita maa sana`oo feehaa wa baatilum maa kaanoo ya`maloon
Izy ireny dia tsy manana anjara intsony any an-koatra afa-tsy ny Afobe, ary rava daholo izay rehetra nataon’izy ireo, ka lasa zava-poana avokoa izay rehetra nataon'izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:17
🔁 0/5
أَفَمَن كَانَ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّهِۦ وَيَتۡلُوهُ شَاهِدٌ مِّنۡهُ وَمِن قَبۡلِهِۦ كِتَٰبُ مُوسَىٰٓ إِمَامًا وَرَحۡمَةًۚ أُوْلَٰٓئِكَ يُؤۡمِنُونَ بِهِۦۚ وَمَن يَكۡفُرۡ بِهِۦ مِنَ ٱلۡأَحۡزَابِ فَٱلنَّارُ مَوۡعِدُهُۥۚ فَلَا تَكُ فِي مِرۡيَةٍ مِّنۡهُۚ إِنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يُؤۡمِنُونَ ١٧
Afaman kaana `alas baiyinatim mir Rabbihee wa yatloohu shaahidum minhu wa min qablihee Kitaabu Moosaaa imaamanw wa rahmah; ulaaa `ika yu`minoona bih; wa mai yakfur bihee minal Ahzaabi fan Naaru maw`iduh; falaa taku fee miryatim minh; innahul haqqu mir Rabbika wa laakinna aksaran naasi laa yu`minoon
Inona no ho tenenina amin’izay miorina amin’ny porofo mazava (koroany) avy amin’ny Tompony ary mamaky izany ny vavolombelona avy Aminy (Anjely Gabriela), nefa talohany (Mohammad) nisy ny Bokin’i Mosa ho mpitarika sy ho famindra-po (no tsara kokoa sa izay tsy miorina amin’ny porofo mazava). Izy ireny no tena mino Azy (ny koroany), ary izay tsy mino Azy amin’ireo vondron’olona, dia ny Afobe no toeram-pihaonany. Aoka Ianao tsy hanana fisalasalana momba Azy intsony (koroany), izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao; nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:18
🔁 0/5
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ يُعۡرَضُونَ عَلَىٰ رَبِّهِمۡ وَيَقُولُ ٱلۡأَشۡهَٰدُ هَٰٓؤُلَآءِ ٱلَّذِينَ كَذَبُواْ عَلَىٰ رَبِّهِمۡۚ أَلَا لَعۡنَةُ ٱللَّهِ عَلَى ٱلظَّٰلِمِينَ ١٨
Wa man azlamu mimmanif taraa `alal laahi kazibaa; ulaaa`ika yu`radoona `alaa Rabbihim wa yaqoolul ashhaa duhaaa`ulaaa`il lazeena kazaboo `alaa Rabbihim; alaa la`natul laahi alaz zaalimeen
Ary iza no manao ny tsy rariny indrindra mihoatra ny olona mamoron-dainga mahakasika i Allah ? Izy ireny dia haseho amin’ny Tompony, ka hilaza ireo vavolombelona (Anjely) hanao hoe : " Izy ireo no namoron-dainga mahakasika ny Tompon’izy ireo ”. Hiantefa amin’ireo mpanao ny tsy rariny anie ny ozon’i Allah,
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:19
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَيَبۡغُونَهَا عِوَجًا وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ كَٰفِرُونَ ١٩
Allazeena yasuddoona `an sabeelil laahi wa yabghoonahaa `iwajanw wa hum bil Aakhiratihum kaafiroon
Ireo izay manakana ny làlan’i Allah ka mitady ny hamilivily izany, izy ireo dia tsy mino ny any an-koatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:20
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ لَمۡ يَكُونُواْ مُعۡجِزِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا كَانَ لَهُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ مِنۡ أَوۡلِيَآءَۘ يُضَٰعَفُ لَهُمُ ٱلۡعَذَابُۚ مَا كَانُواْ يَسۡتَطِيعُونَ ٱلسَّمۡعَ وَمَا كَانُواْ يُبۡصِرُونَ ٢٠
Ulaaa`ika lam yakoonoo mu`jizeena fil ardi wa maa kaana lahum min doonil laahi min awliyaaa`; yudaa`afu lahumul `azaab; maa kaanoo yastatee`oonas sam`a wa maa kaanoo yubsiroon
Izy ireny dia tsy afa-manohitra ny fahefan’i Allah eto an-tany ! Ary tsy manana mpiahy izy ireo ankoatr’i Allah. Hampitomboina avo roa heny ny sazin’izy ireo. Ary tsy afa-mandre no sady tsy afa-mahita ihany koa izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:21
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ ٢١
Ulaaa`ikal lazeena khasirooo anfusahum wa dalla `anhum maa kaanoo yaftaroon
Izy ireny no namono antoka ny tenany. Ary nanalavitra azy ireo (ny sampy) izay noforoniny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:22
🔁 0/5
لَا جَرَمَ أَنَّهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ هُمُ ٱلۡأَخۡسَرُونَ ٢٢
Laa jarama annahum fil Aakhirati humul akhsaroon
Tena tsy hisalasalana mihitsy fa izy ireo no tena maty antoka tanetraka amin’ny fiainana any an-koatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:23
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَأَخۡبَتُوٓاْ إِلَىٰ رَبِّهِمۡ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ٢٣
Innal lazeena aamanoo wa `amilus saalihaati wa akhbatooo ilaa Rabbihim ulaaa`ika Ashaabul Jannati hum feehaa khaalidoon
Marina tokoa fa izay nino sy nanao asa soa kosa, dia izy ireny no olon'ny Paradisa ary hitoetra ao mandrakizay izy ireny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:24
🔁 0/5
۞ مَثَلُ ٱلۡفَرِيقَيۡنِ كَٱلۡأَعۡمَىٰ وَٱلۡأَصَمِّ وَٱلۡبَصِيرِ وَٱلسَّمِيعِۚ هَلۡ يَسۡتَوِيَانِ مَثَلًاۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ ٢٤
Masalul fareeqini kal a`maa wal asammi walbaseeri wassamee`; hal yastawiyaani masalaa; afalaa tazakkaroon
Ny fanoharana natao tamin’ireo vondron’olona anakiroa dia tahaka : ny iray jamba sy marenina ary ny faha-roa mahita sy maheno. Moa ve mitovy ireo fanoharana roa ireo ? Moa ve tsy mandini-tena ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:25
🔁 0/5
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦٓ إِنِّي لَكُمۡ نَذِيرٌ مُّبِينٌ ٢٥
Wa laqad arsalnaa Noohan ilaa qawmihee innee lakum nazeerum mubeen
Efa nalefanay i Noa tany amin’ny vahoakany : " Tena marina fa mpampitandrina miharihary ho Anareo Aho,
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:26
🔁 0/5
أَن لَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّا ٱللَّهَۖ إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ أَلِيمٍ ٢٦
Al laa ta`budooo illal laaha inneee akhaafu `alaikum `azaaba Yawmin aleem
Mba tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany Ianareo. Marina fa, atahorako ho avy Aminareo ny sazin’ny andro izay mamirifiry ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:27
🔁 0/5
فَقَالَ ٱلۡمَلَأُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن قَوۡمِهِۦ مَا نَرَىٰكَ إِلَّا بَشَرًا مِّثۡلَنَا وَمَا نَرَىٰكَ ٱتَّبَعَكَ إِلَّا ٱلَّذِينَ هُمۡ أَرَاذِلُنَا بَادِيَ ٱلرَّأۡيِ وَمَا نَرَىٰ لَكُمۡ عَلَيۡنَا مِن فَضۡلِۭ بَلۡ نَظُنُّكُمۡ كَٰذِبِينَ ٢٧
Faqaalal mala ul lazeena kafaroo min qawmihee ma naraaka illaa basharam mislanaa wa maa naraakat taba`aka illal lazeena hum araazilunaa baadiyar raayi wa maa naraa lakum `alainaa min fadlim bal nazunnukum kaazibeen
Ary niteny ireo loholona izay tsy nino tamin’ny vahoakany (vahoakan’i Noa) : " Izahay dia tsy mahita afa-tsy olombelona tahaka Anay Ianao, ary Izahay dia tsy mahita afa-tsy ireo izay olona ambany saranga Aminay no sady tsy manam-pandinihana akory no manaraka Anao, ary Izahay dia tsy mahita fa ambony noho Izahay Ianareo, mihevitra kosa Izahay fa Ianareo dia mpandainga.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:28
🔁 0/5
قَالَ يَٰقَوۡمِ أَرَءَيۡتُمۡ إِن كُنتُ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّي وَءَاتَىٰنِي رَحۡمَةً مِّنۡ عِندِهِۦ فَعُمِّيَتۡ عَلَيۡكُمۡ أَنُلۡزِمُكُمُوهَا وَأَنتُمۡ لَهَا كَٰرِهُونَ ٢٨
Qaala yaa qawmi ara`aitum in kuntu `alaa baiyinatim mir Rabbee wa aataanee rahmatam min `indihee fa`um miyat `alaikum anulzimuku moohaa wa antum lahaa kaarihoon
Hoy izy hoe : "Ry vahoakako ! Moa ve hitanareo raha manana porofo mazava avy amin’ny Tompoko aho, sy nahazo famindram-po avy Aminy nefa tsy teo imasonareo, moa ve ho terenay amin’izany ianareo nefa dia mankahala izany ianareo?
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:29
🔁 0/5
وَيَٰقَوۡمِ لَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مَالًاۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَى ٱللَّهِۚ وَمَآ أَنَا۠ بِطَارِدِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْۚ إِنَّهُم مُّلَٰقُواْ رَبِّهِمۡ وَلَٰكِنِّيٓ أَرَىٰكُمۡ قَوۡمًا تَجۡهَلُونَ ٢٩
Wa yaa qawmi laaa as`alukum `alaihi maalan in ajriya illaa `alal laah; wa maaa ana bitaaridil lazeena aamanoo; innahum mulaaqoo Rabbihim wa laakinneee araakum qawman tajhaloon
Oh ry vahoakako ! tsy mangataka harena Aminareo Aho, tsy amin’iza ny valin-kasasarako afa-tsy amin’i Allah irery ihany. Ary tsy handroaka velively ireo izay nino Aho. Tena marina fa, Izy ireo dia hihaona amin’ny Tompony. Nefa itako Ianareo fa vahoaka tsy mahalala na inona na inona.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:30
🔁 0/5
وَيَٰقَوۡمِ مَن يَنصُرُنِي مِنَ ٱللَّهِ إِن طَرَدتُّهُمۡۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ ٣٠
Wa yaa qawmi mai yansurunee minal laahi in tarattuhum; afalaa tazak karoon
Oh ry vahoakako ! iza no hanavotra Ahy eo anatrehan’i Allah raha mandroaka azy ireo Aho. Moa ve tsy mba mandini-tena Ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:31
🔁 0/5
وَلَآ أَقُولُ لَكُمۡ عِندِي خَزَآئِنُ ٱللَّهِ وَلَآ أَعۡلَمُ ٱلۡغَيۡبَ وَلَآ أَقُولُ إِنِّي مَلَكٌ وَلَآ أَقُولُ لِلَّذِينَ تَزۡدَرِيٓ أَعۡيُنُكُمۡ لَن يُؤۡتِيَهُمُ ٱللَّهُ خَيۡرًاۖ ٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا فِيٓ أَنفُسِهِمۡ إِنِّيٓ إِذًا لَّمِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ ٣١
Wa laa aqoolu lakum `indee khazaa`inul laahi wa laaa a`lamul ghaiba wa laa aqoolu inee malakunw wa laaa aqoolu lillazeena tazdareee a`yunukum lai yu`tiyahumul laahu khairan Allaahu a`lamu bimaa feee anfusihim innee izal laminaz zaalimeen
Ary tsy milaza Aminareo Aho fa Izaho no mitantana ireo haren’i Allah sy tsy mahalala ny miafina, ary tsy milaza Aho fa izaho dia Anjely, ary tsy milaza ihany koa Aho fa ireo izay nambanimbanian’ny masonareo dia tsy omen’i Allah fahasoavana mihitsy na oviana na oviana. Allah no tena mahalala izay ao amin’ny tenan’izy ireo. (Raha miteny izany aho) dia tena anisan’ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:32
🔁 0/5
قَالُواْ يَٰنُوحُ قَدۡ جَٰدَلۡتَنَا فَأَكۡثَرۡتَ جِدَٰلَنَا فَأۡتِنَا بِمَا تَعِدُنَآ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ ٣٢
Qaaloo yaa Noohu qad jaadaltanaa fa aksarta jidaalanaa faatinaa bimaa ta`idunaaa in kunta minas saadiqeen
Niteny izy ireo : " Ry Noa ! efa niady hevitra taminay ianao, ary dia nampitombo fifandirana taminay. Ka ento aty aminay izay nampanantenainao anay raha toa ka isan'ireo olo-marina ianao”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:33
🔁 0/5
قَالَ إِنَّمَا يَأۡتِيكُم بِهِ ٱللَّهُ إِن شَآءَ وَمَآ أَنتُم بِمُعۡجِزِينَ ٣٣
Qaala innamaa yaateekum bihil laahu in shaaa`a wa maaa antum bimu`jizeen
Dia niteny izy ka nanao hoe : " Tena marina fa i Allah irery ihany no hitondra izany Aminareo raha sitrany, ary Ianareo dia tsy afa-manohitra ny fahefany ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:34
🔁 0/5
وَلَا يَنفَعُكُمۡ نُصۡحِيٓ إِنۡ أَرَدتُّ أَنۡ أَنصَحَ لَكُمۡ إِن كَانَ ٱللَّهُ يُرِيدُ أَن يُغۡوِيَكُمۡۚ هُوَ رَبُّكُمۡ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ ٣٤
Wa laa yanfa`ukum nusheee in arattu an ansaha lakum in kaanal laahu yureedu ai yughwi yakum; Huwa Rabbukum wa ilaihi turja`oon
Ary tsy hitera-boka-tsoa ho Anareo ny fananarako, na dia mitady hanoro hevitra Anareo aza Aho, nefa tia hamily làlana Anareo i Allah. Izy no Tomponareo, ary any Aminy no hamerenana Anareo rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:35
🔁 0/5
أَمۡ يَقُولُونَ ٱفۡتَرَىٰهُۖ قُلۡ إِنِ ٱفۡتَرَيۡتُهُۥ فَعَلَيَّ إِجۡرَامِي وَأَنَا۠ بَرِيٓءٌ مِّمَّا تُجۡرِمُونَ ٣٥
Am yaqooloonaf taraahu qul inif taraituhoo fa`alaiya ijraamee wa ana bareee`um mimmaa tujrimoon
Na koa milaza izy ireo manao hoe : " Noforoniny izany ”. ka teneno hoe : " Raha noforoniko izany dia hianjera Amiko ny heloko ary Izaho dia tsy manan-tsiny amin’izay heloka Ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:36
🔁 0/5
وَأُوحِيَ إِلَىٰ نُوحٍ أَنَّهُۥ لَن يُؤۡمِنَ مِن قَوۡمِكَ إِلَّا مَن قَدۡ ءَامَنَ فَلَا تَبۡتَئِسۡ بِمَا كَانُواْ يَفۡعَلُونَ ٣٦
Wa oohiya ilaa Noohin annahoo lany-yu`mina min qawmika illaa man qad aamana falaa tabta`is bimaa kaanoo yaf`aloon
Ary nandefasana Fanambarana i Noa : " Tsy misy hino intsony ny vahoakanao afa-tsy izay efa nino, ka aoka Ianao tsy alahelo amin’izay ataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:37
🔁 0/5
وَٱصۡنَعِ ٱلۡفُلۡكَ بِأَعۡيُنِنَا وَوَحۡيِنَا وَلَا تُخَٰطِبۡنِي فِي ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ إِنَّهُم مُّغۡرَقُونَ ٣٧
Wasna`il fulka bi-a`yuninaa wa wahyinaa wa laa tukhaa tibnee fil lazeena zalamoo; innahum mughraqoon
Ary manamboara sambo fiara Ianao eo imasonay sy araka ny fanambaranay, ary aoka Ianao tsy hitaraina Amiko intsony mahakasika ireo izay nanao ny tsy rariny, tena marina fa izy ireo dia ho rendrika avokoa ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:38
🔁 0/5
وَيَصۡنَعُ ٱلۡفُلۡكَ وَكُلَّمَا مَرَّ عَلَيۡهِ مَلَأٌ مِّن قَوۡمِهِۦ سَخِرُواْ مِنۡهُۚ قَالَ إِن تَسۡخَرُواْ مِنَّا فَإِنَّا نَسۡخَرُ مِنكُمۡ كَمَا تَسۡخَرُونَ ٣٨
Wa yasn`ul fulka wa kullamaa marra `alaihi malaum min qawmihee sakhiroo minh; qaala in taskharoo minnaa fa innaa naskharu minkum kamaa taskharoon
Ary dia nanamboatra ny sambo fiara Izy. Koa isaky ny mandalo eo Aminy ireo loholona tamin’ny vahoakany, dia maneso Azy izy ireo. Nilaza izy (Noa) nanao hoe : " Raha maneso Anay Ianareo, dia Izahay koa haneso Anareo, tahaka Ianareo maneso Anay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:39
🔁 0/5
فَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَ مَن يَأۡتِيهِ عَذَابٌ يُخۡزِيهِ وَيَحِلُّ عَلَيۡهِ عَذَابٌ مُّقِيمٌ ٣٩
Fasawfa ta`lamoona mai yaateehi `azaabuny yaukhzeehi wa yahillu `alaihi `azaabum muqeem
Ka ho fantatrareo tsy ho ela, amin’iza no ho tonga ny famaizana hanala baraka, sy hianjera amin’iza ny famaizana maharitra ” !
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:40
🔁 0/5
حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَ أَمۡرُنَا وَفَارَ ٱلتَّنُّورُ قُلۡنَا ٱحۡمِلۡ فِيهَا مِن كُلٍّ زَوۡجَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِ وَأَهۡلَكَ إِلَّا مَن سَبَقَ عَلَيۡهِ ٱلۡقَوۡلُ وَمَنۡ ءَامَنَۚ وَمَآ ءَامَنَ مَعَهُۥٓ إِلَّا قَلِيلٌ ٤٠
Hattaaa izaa jaaa`a amrunaa wa faarat tannooru qulnah mil feehaa min kullin zawjainis naini wa ahlaka illaa man sabaqa `alaihil qawlu wa man aaman; wa maaa aamana ma`ahooo illaa qaleel
Avy eo, rehefa tonga ny Didinay dia nangotrangotraka (ny rano) tao amin’ny lafaoro ary niteny Izahay nanao hoe : " Ento ao amin’ny sambo fiara ny biby mpivady isaky ny karazany tsiroaroa sy ny fianakavianao afa-tsy ireo izay efa nihatra taminy ny Teny, sy ireo izay nino ”. Nefa ireo izay nino niaraka Taminy dia vitsy an’isa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:41
🔁 0/5
۞ وَقَالَ ٱرۡكَبُواْ فِيهَا بِسۡمِ ٱللَّهِ مَجۡر۪ىٰهَا وَمُرۡسَىٰهَآۚ إِنَّ رَبِّي لَغَفُورٌ رَّحِيمٌ ٤١
Wa qaalar kaboo feehaa bismil laahi majraihaa wa mursaahaa; inna Rabbee la Ghafoorur Raheem
Ary niteny Izy nanao hoe : " Miakara ao anatiny Ianareo. Amin’ny anaran’i Allah no handehanany sy hirosoany. Tena marina fa ny Tompoko dia Mpamela heloka sy be Fiantrana ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:42
🔁 0/5
وَهِيَ تَجۡرِي بِهِمۡ فِي مَوۡجٍ كَٱلۡجِبَالِ وَنَادَىٰ نُوحٌ ٱبۡنَهُۥ وَكَانَ فِي مَعۡزِلٍ يَٰبُنَيَّ ٱرۡكَب مَّعَنَا وَلَا تَكُن مَّعَ ٱلۡكَٰفِرِينَ ٤٢
Wa hiya tajree bihim fee mawjin kaljibaali wa naadaa Noohunib nahoo wa kaana fee ma`ziliny yaa bunai yarkam ma`anaa wa laa takum ma`al kaafireen
Ary nisosa nitondra azy ireo teo afovoan’ny onja mitovy amin’ny ahavon’ny tendrombohitra izy. Ary i Noa dia niantso ny zanany lahy, izay nijanona tamin’ny toerana iray mitokana ka nanao hoe : " Ry anaka ! miakara aty Aminay Ianao fa aza miaraka amin’ireo tsy mpino ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:43
🔁 0/5
قَالَ سَـَٔاوِيٓ إِلَىٰ جَبَلٍ يَعۡصِمُنِي مِنَ ٱلۡمَآءِۚ قَالَ لَا عَاصِمَ ٱلۡيَوۡمَ مِنۡ أَمۡرِ ٱللَّهِ إِلَّا مَن رَّحِمَۚ وَحَالَ بَيۡنَهُمَا ٱلۡمَوۡجُ فَكَانَ مِنَ ٱلۡمُغۡرَقِينَ ٤٣
Qaala sa aaweee ilaa jabaliny ya`simunee minal maaa`; qaala laa `aasimal yawma min amril laahi illaa mar rahim; wa haala bainahumal mawju fakaana minal mughraqeen
Namaly izy ka nanao hoe : "Handeha hialoka amin’ny tendrombohitra iray aho, izay hiaro ahy amin’ny rano”. Namaly azy i Noa (A.S) hoe : "Anio dia tsy misy mpiaro afaka manakana ny didin’i Allah afa-tsy izay nomeny famindram-po ihany”. Ary nanafotra teo anelanelan’izy roa ny onja, ary izy dia anisan’ireo rendrika.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:44
🔁 0/5
وَقِيلَ يَٰٓأَرۡضُ ٱبۡلَعِي مَآءَكِ وَيَٰسَمَآءُ أَقۡلِعِي وَغِيضَ ٱلۡمَآءُ وَقُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ وَٱسۡتَوَتۡ عَلَى ٱلۡجُودِيِّۖ وَقِيلَ بُعۡدًا لِّلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ ٤٤
Wa qeela yaaa ardubla`ee maaa`aki wa yaa samaaa`u aqi`ee wa gheedal maaa`u wa qudiyal amru wastawat `alal joodiyyi wa qeela bu`dal lilqawmiz zaalimeen
. Ary toy izao no voalaza : " Oh ry tany ! tsetsefo ny ranonao, ary ianao ry lanitra, mijanona amin’izay ”. Ka nihemotra ny rano. Fa tanteraka ny didy, ary nipetraka teo ambonin’ny al-jodii (anaran’ny tendrombohitra) ilay sambo fiara, ary nisy nilaza nanao hoe : " Enga anie hanjavona avokoa ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ! ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:45
🔁 0/5
وَنَادَىٰ نُوحٌ رَّبَّهُۥ فَقَالَ رَبِّ إِنَّ ٱبۡنِي مِنۡ أَهۡلِي وَإِنَّ وَعۡدَكَ ٱلۡحَقُّ وَأَنتَ أَحۡكَمُ ٱلۡحَٰكِمِينَ ٤٥
Wa naadaa noohur Rabbahoo faqaala Rabbi innabnee min ahlee wa inna wa`dakal haqqu wa Anta ahkamul haakimeen
Ary nitalaho tamin’ny Tompony i Noa ka nilaza nanao hoe : " Tompoko oh ! Tena marina fa ny zanako dia isan’ny fianakaviako ary ny fampanantenanao dia marina tokoa. Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:46
🔁 0/5
قَالَ يَٰنُوحُ إِنَّهُۥ لَيۡسَ مِنۡ أَهۡلِكَۖ إِنَّهُۥ عَمَلٌ غَيۡرُ صَٰلِحٍۖ فَلَا تَسۡـَٔلۡنِ مَا لَيۡسَ لَكَ بِهِۦ عِلۡمٌۖ إِنِّيٓ أَعِظُكَ أَن تَكُونَ مِنَ ٱلۡجَٰهِلِينَ ٤٦
Qaala yaa Noohu innahoo laisa min ahlika innahoo `amalun ghairu saalihin falaa tas`alni mmaa laisa laka bihee `ilmun inneee a`izuka an takoona minal jaahileen
Niteny Izy (Allah) : " Oh ry Noa ! tsy isan’ny fianakavianao Izy satria nanao asa mamparikoriko. Aza mangataka Amiko intsony Ianao amin’izay tsy anananao fahalalana. Mananatra Anao Aho mba tsy ho isan’ireo tsy Mahalala ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:47
🔁 0/5
قَالَ رَبِّ إِنِّيٓ أَعُوذُ بِكَ أَنۡ أَسۡـَٔلَكَ مَا لَيۡسَ لِي بِهِۦ عِلۡمٌۖ وَإِلَّا تَغۡفِرۡ لِي وَتَرۡحَمۡنِيٓ أَكُن مِّنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ ٤٧
Qaala rabbi inneee a`oozu bika an as`alaka maa laisa lee bihee `ilmunw wa illaa taghfir lee wa tarhamneee akum minal khaasireen
Namaly i Noa hoe : " Tompo o ! Mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fitalahoako izay tsy ananako fahalalana. Ary raha tsy mamela ny heloko ianao sy tsy mamindra fo amiko, dia ho isan’ireo very aho ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:48
🔁 0/5
قِيلَ يَٰنُوحُ ٱهۡبِطۡ بِسَلَٰمٍ مِّنَّا وَبَرَكَٰتٍ عَلَيۡكَ وَعَلَىٰٓ أُمَمٍ مِّمَّن مَّعَكَۚ وَأُمَمٌ سَنُمَتِّعُهُمۡ ثُمَّ يَمَسُّهُم مِّنَّا عَذَابٌ أَلِيمٌ ٤٨
Qeela yaa Noohuh bit bisalaamim minnaa wa barakaatin `alaika wa `alaaa umamim mimmam ma`ak; wa umamun sanumatti`uhum summa yamassuhum minaa `azaabun aleem
Ary nolazaina Izy nanao hoe : " Oh ry Noa ! midina amim-piadananay Ianao ary ho Anao ny fahasoavanay sy ho an’ireo vahoaka izay miaraka Aminao. Ary hisy amin’ireo vahoaka ireo izay omenay hafaliana miserana; avy eo dia hihatra amin’izy ireo ny sazy mamirifiry avy aty Aminay”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:49
🔁 0/5
تِلۡكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡغَيۡبِ نُوحِيهَآ إِلَيۡكَۖ مَا كُنتَ تَعۡلَمُهَآ أَنتَ وَلَا قَوۡمُكَ مِن قَبۡلِ هَٰذَاۖ فَٱصۡبِرۡۖ إِنَّ ٱلۡعَٰقِبَةَ لِلۡمُتَّقِينَ ٤٩
Tilka min ambaaa`il ghaibi nooheehaaa ilaika maa kunta ta`lamuhaaaa anta wa laa qawmuka min qabli haazaa fasbir innal `aaqibata lilmuttaqeen
Izany no vaovao sasantsasan’Ilay Miafina izay lazainay Aminao. Tsy nahafantatra izany Ianao na ny vahoakanao talohan’izao. Manàna faharetana Ianao. Ka ny fiafarana sambatra indrindra, dia ho an’ireo izay manam-patahorana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:50
🔁 0/5
وَإِلَىٰ عَادٍ أَخَاهُمۡ هُودًاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓۖ إِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا مُفۡتَرُونَ ٥٠
Wa ilaa `aadin akhaahum Hoodaa; qaala yaa qawmi` budul laaha maa lakum min ilaahin ghairuhooo in antum illaa muftaroon
Ary (nalefanay) tamin’ny foko Andy ny rahalahin’izy ireo Hody, izay nilaza tamin’izy ireo nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! manompoa an’i Allah Ianareo. Ary tsy manana zanahary hafa Ianareo afa-tsy Izy irery ihany. Tsy iza akory Ianareo afa-tsy mpamoron-dainga.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:51
🔁 0/5
يَٰقَوۡمِ لَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ أَجۡرًاۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَى ٱلَّذِي فَطَرَنِيٓۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ ٥١
Yaa qawmi laaa as`alukum `alaihi ajran in ajriya illaa `alal lazee fataranee; afalaa ta`qiloon
Ry vahoakako! Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho, fa Ilay Nahary ahy ihany no manome tambiny ahy. Tsy mandinika va ianareo?
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:52
🔁 0/5
وَيَٰقَوۡمِ ٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِ يُرۡسِلِ ٱلسَّمَآءَ عَلَيۡكُم مِّدۡرَارًا وَيَزِدۡكُمۡ قُوَّةً إِلَىٰ قُوَّتِكُمۡ وَلَا تَتَوَلَّوۡاْ مُجۡرِمِينَ ٥٢
Wa yaa qawmis taghfiroo Rabbakum summa toobooo ilaihi yursilis samaaa`a `alaikum midraaranw wa yazidkum quwwatan ilaa quwwatikum wa laa tatawallaw mujrimeen
Oh ry vahoakako ! mangataha famelan-keloka amin’ny Tomponareo ianareo ary mibebaha Aminy mba handatsahany orana maro avy any an-danitra Aminareo, sy hampitombo ny hery izay efa Anananareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:53
🔁 0/5
قَالُواْ يَٰهُودُ مَا جِئۡتَنَا بِبَيِّنَةٍ وَمَا نَحۡنُ بِتَارِكِيٓ ءَالِهَتِنَا عَن قَوۡلِكَ وَمَا نَحۡنُ لَكَ بِمُؤۡمِنِينَ ٥٣
Qaaloo yaa Hoodu maa ji`tanaa bibaiyinatinw wa maa nahnu bitaarikeee aalihatinaa `an qawlika wa maa nahnu laka bimu`mineen
Niteny izy ireo ka nanao hoe : " Oh ry Hody (A,s) ! tsy nitondra porofo mazava Taminay Ianao, ary Izahay dia tsy vonona hamela ireo sampinay nohon'ny Teninao, ka tsy hino Anao Izahay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:54
🔁 0/5
إِن نَّقُولُ إِلَّا ٱعۡتَرَىٰكَ بَعۡضُ ءَالِهَتِنَا بِسُوٓءٍۗ قَالَ إِنِّيٓ أُشۡهِدُ ٱللَّهَ وَٱشۡهَدُوٓاْ أَنِّي بَرِيٓءٌ مِّمَّا تُشۡرِكُونَ ٥٤
In naqoolu illa` taraaka ba`du aalihatinaa bisooo`; qaala inneee ushhidul laaha wash hadooo annee bareee`um mimmaa tushrikoon
Hany ka mba ho teneninay Aminao kosa dia nampalahelo Anao ny ratsy nataon’ny sasany tamin’ireo sampinay ”. Ka nilaza izy nanao hoe : " Izaho dia mandray an’i Allah ho vavolombelona, ary aoka Ianareo ho vavolombelona koa, satria hamafisina,fa mandà izay atambatrareo Aminy Aho.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:55
🔁 0/5
مِن دُونِهِۦۖ فَكِيدُونِي جَمِيعًا ثُمَّ لَا تُنظِرُونِ ٥٥
Min doonihee fakeedoonee jamee`an summa laa tunziroon
Ankoatra Azy. Ampiasao Amiko daholo àry ny tetika, ary aza omenareo fotoana hiandrasana Aho.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:56
🔁 0/5
إِنِّي تَوَكَّلۡتُ عَلَى ٱللَّهِ رَبِّي وَرَبِّكُمۚ مَّا مِن دَآبَّةٍ إِلَّا هُوَ ءَاخِذُۢ بِنَاصِيَتِهَآۚ إِنَّ رَبِّي عَلَىٰ صِرَٰطٍ مُّسۡتَقِيمٍ ٥٦
Innee tawakkaltu `alallaahi Rabbee wa Rabbikum; maa min daaabbatin illaa Huwa aakhizum binaasiyatihaa; inna Rabbee `alaa Siraatim mustaqeem
Apetrako amin’i Allah, ilay Tompoko sy Tomponareo ny fitokisana. Tsy misy zava-manan’aina izay tsy ho eo ambany fahefany. Tena marina fa ny Tompoko dia amin’ny làla-mahitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:57
🔁 0/5
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَقَدۡ أَبۡلَغۡتُكُم مَّآ أُرۡسِلۡتُ بِهِۦٓ إِلَيۡكُمۡۚ وَيَسۡتَخۡلِفُ رَبِّي قَوۡمًا غَيۡرَكُمۡ وَلَا تَضُرُّونَهُۥ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ رَبِّي عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ حَفِيظٌ ٥٧
Fa in tawallaw faqad ablaghtukum maaa ursiltu biheee ilaikum; wa yastakhlifu Rabbee qawman ghairakum wa laa tadur roonahoo shai`aa; inna Rabbee `alaa kulli shai`in Hafeez
Raha mitodi-damosina kosa Ianareo…, dia efa nampitaiko Taminareo (ny hafatra) izay nanirahana Ahy Taminareo. Ary hanolo vahoaka hafa ankoatra Anareo ny Tompoko, ka tsy havita na inona na inona na dia kely Aminy aza Ianareo. Tena marina fa ny Tompoko no Mpiambina tsara indrindra ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:58
🔁 0/5
وَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا نَجَّيۡنَا هُودًا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ بِرَحۡمَةٍ مِّنَّا وَنَجَّيۡنَٰهُم مِّنۡ عَذَابٍ غَلِيظٍ ٥٨
Wa lammaa jaaa`a amrunaa najainaa Hoodanw wallazeena aamanoo ma`ahoo birahmatim minnaa wa najainaahum min `azaabin ghaleez
Ary rehefa tonga ny didinay, dia novonjenay i Hody tamin’ny alalan’ny famindram-po avy Taminay, sy ireo izay nino niaraka Taminy. Ary navotanay tamin’ny sazy henjana izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:59
🔁 0/5
وَتِلۡكَ عَادٌۖ جَحَدُواْ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ وَعَصَوۡاْ رُسُلَهُۥ وَٱتَّبَعُوٓاْ أَمۡرَ كُلِّ جَبَّارٍ عَنِيدٍ ٥٩
Wa tilka `aad, jahadoo bi Aayaati Rabbihim wa `asaw Rusulahoo wattaba`ooo amra kulli jabbaarin `aneed
Indro ireo (vahoaka) Andy, nandà ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, tsy nankato ireo Irany fa nanaraka kosa ny didin’ireo mpanefoefo mahery loha.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:60
🔁 0/5
وَأُتۡبِعُواْ فِي هَٰذِهِ ٱلدُّنۡيَا لَعۡنَةً وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ أَلَآ إِنَّ عَادًا كَفَرُواْ رَبَّهُمۡۗ أَلَا بُعۡدًا لِّعَادٍ قَوۡمِ هُودٍ ٦٠
Wa utbi`oo fee haazihid dunyaa la`natanw wa Yawmal Qiyaamah; alaaa inna `Aadan kafaroo Rabbahum; alaa bu`dal li `Aadin qawmin Hood
Ary narahana ozona izy ireo eto ambonin’ny tany sy amin’ny Andro Fitsanganana.Tena marina fa ireo Andy dia tsy nino ny Tompony. Ho ringana tanteraka anie ireo foko Andy izay vahoakan’i Hody !
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:61
🔁 0/5
۞ وَإِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمۡ صَٰلِحًاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥۖ هُوَ أَنشَأَكُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ وَٱسۡتَعۡمَرَكُمۡ فِيهَا فَٱسۡتَغۡفِرُوهُ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِۚ إِنَّ رَبِّي قَرِيبٌ مُّجِيبٌ ٦١
Wa ilaa Samooda akhaahum Saalihaa; qaala yaa qawmi` budul laaha maa lakum min ilaahim ghairuhoo Huwa ansha akum minal ardi wasta` marakum feehaa fastaghfiroohu summa toobooo ilaih; inna Rabbee Qareebum Mujeeb
Ary (nalefanay) tamin’ireo foko Samody, ny ralahin’izy ireo Soalihy, izay nilaza ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany ianareo. Avy tamin’ny tany no nahariany Anareo, ary nataony ho nameno izany (tany) Ianareo. Koa mangataha famelan-keloka Aminy àry Ianareo, avy eo dia mibebaha Aminy Ihany koa. Tena marina fa ny Tompoko dia akaiky, ary mamaly lalandava ny hataka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:62
🔁 0/5
قَالُواْ يَٰصَٰلِحُ قَدۡ كُنتَ فِينَا مَرۡجُوًّا قَبۡلَ هَٰذَآۖ أَتَنۡهَىٰنَآ أَن نَّعۡبُدَ مَا يَعۡبُدُ ءَابَآؤُنَا وَإِنَّنَا لَفِي شَكٍّ مِّمَّا تَدۡعُونَآ إِلَيۡهِ مُرِيبٍ ٦٢
Qaaloo yaa Saalihu qad kunta feenaa marjuwwan qabla haazaaa atanhaanaaa an na`bu da maa ya`budu aabaaa`unaa wa innanaa lafee shakkim mimmaa tad`oonaaa ilaihi mureeb
Namaly izy ireo ka nanao hoe : " Oh ry Soalihy ! taloha Ianao dia fanantenana tokoa ho Anay. Moa ve raranao Izahay hanompo izay efa notompoin’ny Razambenay ? Ankehitriny Izahay, dia hipetrahan’ny fisalasalana fatratra mahakasika izay hiantsoanao Anay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:63
🔁 0/5
قَالَ يَٰقَوۡمِ أَرَءَيۡتُمۡ إِن كُنتُ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّي وَءَاتَىٰنِي مِنۡهُ رَحۡمَةً فَمَن يَنصُرُنِي مِنَ ٱللَّهِ إِنۡ عَصَيۡتُهُۥۖ فَمَا تَزِيدُونَنِي غَيۡرَ تَخۡسِيرٍ ٦٣
Qaala yaa qawmi ara`aytum in kuntu `alaa baiyinatim mir Rabbee wa aataanee minhu rahmatan famai yansurunee minal laahi in `asaituhoo famaa tazeedoonanee ghaira takhseer
Nilaza Izy ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! ahoana ny hevitrareo raha miankina tanteraka amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko Aho, ary raha misy famindram-po azoko avy Aminy, iza àry no hiaro Ahy eo anatrehan’i Allah raha tsy mankato Azy Aho ? Tsy manao afa-tsy ny mampitombo ny faty antoko Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:64
🔁 0/5
وَيَٰقَوۡمِ هَٰذِهِۦ نَاقَةُ ٱللَّهِ لَكُمۡ ءَايَةًۖ فَذَرُوهَا تَأۡكُلۡ فِيٓ أَرۡضِ ٱللَّهِۖ وَلَا تَمَسُّوهَا بِسُوٓءٍ فَيَأۡخُذَكُمۡ عَذَابٌ قَرِيبٌ ٦٤
Wa yaa qawmi haazihee naaqatul laahi lakum aayatan fazaroohaa taakul feee ardil laahi wa laa tamassoohaa bisooo`in fa yaakhuzakum azaabun qareeb
Oh ry vahoakako ! ity Rameva vavin’i Allah ity dia nalefany Aminareo ho famantarana. Avelao àry izy hisakafo eo amin’ny tanin’i Allah, ary aza manao ratsy azy Ianareo, raha tsy izany, dia hihatra Aminareo tsy ho ela ny sazy ! ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:65
🔁 0/5
فَعَقَرُوهَا فَقَالَ تَمَتَّعُواْ فِي دَارِكُمۡ ثَلَٰثَةَ أَيَّامٍۖ ذَٰلِكَ وَعۡدٌ غَيۡرُ مَكۡذُوبٍ ٦٥
Fa `aqaroohaa faqaala tamatta`oo fee daarikum salaasata aiyaamin zaalika wa`dun ghairu makzoob
Novonoin’izy ireo anefa Izy (ilay Rameva vavy) ka hoy Izy ( i Soalihy) tamin’ny izy ireo : " Mifalia (amin’ny fanananareo) ao amin’ny fonenanareo mandritry ny telo Andro Ianareo ! indro ny fampanantenana tsy misy handaingana ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:66
🔁 0/5
فَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا نَجَّيۡنَا صَٰلِحًا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ بِرَحۡمَةٍ مِّنَّا وَمِنۡ خِزۡيِ يَوۡمِئِذٍۚ إِنَّ رَبَّكَ هُوَ ٱلۡقَوِيُّ ٱلۡعَزِيزُ ٦٦
Falammaa jaaa`a amrunaa najjainaa Saalihanw wal lazeena aamanoo ma`ahoo birahmatim minnaa wa min khizyi Yawmi`iz inna Rabbaka Huwal Qawiyyul `Azeez
Rehefa tonga àry ny didinay (sazy) navotanay i Soalihy sy ireo izay nino niaraka taminy tamin’ny alalan’ny famindram-po avy Aminay, nohon'ny fahafaham-baraka tamin’io andro io.Tena marina fa ny Tomponao no ilay Matanjaka ilay Tsitoha.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:67
🔁 0/5
وَأَخَذَ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلصَّيۡحَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دِيَٰرِهِمۡ جَٰثِمِينَ ٦٧
Wa akhazal lazeena zalamus saihatu fa asbahoo fee diyaarihim jaasimeena
Ary nianjady tamin’ireo mpanao ny tsy rariny ny kiakiaka, ka indro izy ireo maty nitsitra tao amin’ny toeram-ponenany avy (nohon'ny varatra).
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:68
🔁 0/5
كَأَن لَّمۡ يَغۡنَوۡاْ فِيهَآۗ أَلَآ إِنَّ ثَمُودَاْ كَفَرُواْ رَبَّهُمۡۗ أَلَا بُعۡدًا لِّثَمُودَ ٦٨
Ka al lam yaghnaw feehaaa; alaaa inna Samooda kafaroo Rabbahum; alaa bu`dal li Samood
Tahaka ny tsy niaina tao (eto an-tany) izy ireo. Tsy marina ve fa ireo Samody dia tsy mba nino mihitsy ny Tompon’izy ireo ? " Tsy azo lazaina ve fa ho ringana anie ny foko Samody ? ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:69
🔁 0/5
وَلَقَدۡ جَآءَتۡ رُسُلُنَآ إِبۡرَٰهِيمَ بِٱلۡبُشۡرَىٰ قَالُواْ سَلَٰمًاۖ قَالَ سَلَٰمٌۖ فَمَا لَبِثَ أَن جَآءَ بِعِجۡلٍ حَنِيذٍ ٦٩
Wa laqad jaaa`at Rusulunaaa Ibraaheema bilbushraa qaaloo salaaman qaala salaamun famaa labisa an jaaa`a bi`ijin haneez
Ary efa tonga tamin’i Abrahama (Ibrahim) tokoa ireo Irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, izay nilaza ka nanao hoe : " Fiadanana enga anie ho Anao ! ” Namaly koa Izy ka nanao hoe : " Fiadanana koa enga anie ho Anareo ! ” Tsy niandry ela Izy dia nitondra zanak’omby voatono.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:70
🔁 0/5
فَلَمَّا رَءَآ أَيۡدِيَهُمۡ لَا تَصِلُ إِلَيۡهِ نَكِرَهُمۡ وَأَوۡجَسَ مِنۡهُمۡ خِيفَةًۚ قَالُواْ لَا تَخَفۡ إِنَّآ أُرۡسِلۡنَآ إِلَىٰ قَوۡمِ لُوطٍ ٧٠
Falammaa ra aaa aidiyahum laa tasilu ilaihi nakirahum wa awjasa minhum kheefah; qaaloo la takhaf innaaa ursilnaaa ilaa qawmi Loot
Ary nony hitany fa tsy nikasika izany izy ireo, dia velona ahiahy Izy teo anatrehan’izy ireo sady natahotra. Ka niteny izy ireo nanao hoe : " Aza matahotra Ianao fa Izahay (Anjely) dia Iraka ho any amin’ny vahoakan‘i Lota ".
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:71
🔁 0/5
وَٱمۡرَأَتُهُۥ قَآئِمَةٌ فَضَحِكَتۡ فَبَشَّرۡنَٰهَا بِإِسۡحَٰقَ وَمِن وَرَآءِ إِسۡحَٰقَ يَعۡقُوبَ ٧١
Wamra atuhoo qaaa`imatun fadahikat fabashsharnaahaa bi Ishaaqa wa minw waraaa`i Ishaaqa Ya`qoob
Nitsangana ny vadiny (vadin’i Abrahama) ary nihomehy, koa nilaza vaovao mahafaly taminy Izahay fa hanan-janaka (lahy) Isaka Izy, ary aorian’i Isaka dia i Jakoba.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:72
🔁 0/5
قَالَتۡ يَٰوَيۡلَتَىٰٓ ءَأَلِدُ وَأَنَا۠ عَجُوزٌ وَهَٰذَا بَعۡلِي شَيۡخًاۖ إِنَّ هَٰذَا لَشَيۡءٌ عَجِيبٌ ٧٢
Qaalat yaa wailataaa `aalidu wa ana `ajoozunw wa haaza ba`lee shaikhan inna haazaa lashai`un `ajeeb
Niteny Izy ka nanao hoe : " Loza izany ! Hiteraka ve Aho nefa Izaho efa antitra ary ny vadiko koa dia efa anti-dahy ? Ary tena zava-mahagaga tokoa izany ! "
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:73
🔁 0/5
قَالُوٓاْ أَتَعۡجَبِينَ مِنۡ أَمۡرِ ٱللَّهِۖ رَحۡمَتُ ٱللَّهِ وَبَرَكَٰتُهُۥ عَلَيۡكُمۡ أَهۡلَ ٱلۡبَيۡتِۚ إِنَّهُۥ حَمِيدٌ مَّجِيدٌ ٧٣
Qaalooo ata`jabeena min amril laahi rahmatul laahi wa barakaatuho `alaikum Ahlal Bayt; innahoo Hameedum Majeed
Niteny izy ireo nanao hoe : "Moa ve mahagaga anao ny fandaharan’i Allah ? Ny famindram-pon’i ALLAH sy ny fahasoavany anie ho aminareo tompon’ity trano ity ! Izy no tena mendri-piderana sy mendrika hankalazaina !’’
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:74
🔁 0/5
فَلَمَّا ذَهَبَ عَنۡ إِبۡرَٰهِيمَ ٱلرَّوۡعُ وَجَآءَتۡهُ ٱلۡبُشۡرَىٰ يُجَٰدِلُنَا فِي قَوۡمِ لُوطٍ ٧٤
Falammaa zahaba an Ibraaheemar raw`u wa jaaa`at hul bushraaa yujaadilunaa fee qawmi Loot
Rehefa niala tamin’i Abrahama (Ibrahim) ny tahotra dia tonga taminy ny vaovao mahafaly, dia indro izy nifanakalo hevitra Taminay mahakasika ny vahoakan’i Lota.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:75
🔁 0/5
إِنَّ إِبۡرَٰهِيمَ لَحَلِيمٌ أَوَّٰهٌ مُّنِيبٌ ٧٥
Inna Ibraaheema lahaleemun awwwaahum muneeb
75 – ka hamafisina, fa i Abrahama (Ibrahim) dia Olon’ny fangorahana, fitalahoana sy fibebahana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:76
🔁 0/5
يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُ أَعۡرِضۡ عَنۡ هَٰذَآۖ إِنَّهُۥ قَدۡ جَآءَ أَمۡرُ رَبِّكَۖ وَإِنَّهُمۡ ءَاتِيهِمۡ عَذَابٌ غَيۡرُ مَرۡدُودٍ ٧٦
Yaaa Ibraaheemu a`rid `an haazaaa innahoo qad jaaa`a amru Rabbika wa innahum aateehim `azaabun ghairun mardood
Oh ry Abrahama (Ibrahim) ! avelao any izany, tena marina fa efa tonga ny didin’ny Tomponao, ary hihatra amin’izy ireo ny sazy tsy azo hialana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:77
🔁 0/5
وَلَمَّا جَآءَتۡ رُسُلُنَا لُوطًا سِيٓءَ بِهِمۡ وَضَاقَ بِهِمۡ ذَرۡعًا وَقَالَ هَٰذَا يَوۡمٌ عَصِيبٌ ٧٧
Wa lammaa jaaa`at Rusulunaa Lootan seee`a bihim wa daaqa bihim zar`anw wa qaala haazaa yawmun `aseeb
Ary raha tonga tamin’i Lota ireo irakay (Anjely), dia nalahelo mafy Izy noho izy ireo, sady nahatsiaro henatra lehibe. Ary niteny Izy ka nanao hoe : “ ity àry ilay Andro tena sarotra tokoa ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:78
🔁 0/5
وَجَآءَهُۥ قَوۡمُهُۥ يُهۡرَعُونَ إِلَيۡهِ وَمِن قَبۡلُ كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ٱلسَّيِّـَٔاتِۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ هَٰٓؤُلَآءِ بَنَاتِي هُنَّ أَطۡهَرُ لَكُمۡۖ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَلَا تُخۡزُونِ فِي ضَيۡفِيٓۖ أَلَيۡسَ مِنكُمۡ رَجُلٌ رَّشِيدٌ ٧٨
Wa jaaa`ahoo qawmuhoo yuhra`oona ilaihi wa min qablu kaanoo ya`maloonas saiyiaat; qaala yaa qawmi haaa`ulaaa`i banaatee hunna atharu lakum fattaqul laaha wa laa tukhzooni fee daifee alaisa minkum rajulur rasheed
Fa ireo vahoakany kosa, dia tonga nihazakazaka nanatona Azy. Ary teo aloha dia nanao asa ratsy izy ireo. Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe: “ Oh ry vahoakako ! ireto ny zanako vavy : Madio tokoa izy ireo ho Anareo. Ka matahora an’i Allah àry Ianareo, ary aza manala-baraka Ahy amin’ireto vahiniko Ianareo. Moa ve tsy mba misy lehilahy misaina eto Aminareo ? ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:79
🔁 0/5
قَالُواْ لَقَدۡ عَلِمۡتَ مَا لَنَا فِي بَنَاتِكَ مِنۡ حَقٍّ وَإِنَّكَ لَتَعۡلَمُ مَا نُرِيدُ ٧٩
Qaaloo laqad `alimta maa lanaa fee banastika min haqq, wa innaka lata`lamu maa nureed
Niteny izy ireo ka nanao hoe : " Efa fantatrao tsara, fa tsy manan-jo amin’ireo zanakao vavy ireo Izahay. Tena marina fa Ianao dia mahalala tsara izay tadiavinay ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:80
🔁 0/5
قَالَ لَوۡ أَنَّ لِي بِكُمۡ قُوَّةً أَوۡ ءَاوِيٓ إِلَىٰ رُكۡنٍ شَدِيدٍ ٨٠
Qaala law anna lee bikum quwwatan aw aaweee ilaa ruknin shadeed
Niteny izy ka nanao hoe : “ Raha manana hery hanoherana Anareo Aho, na koa nahita andry matanjaka hiankinana ! "
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:81
🔁 0/5
قَالُواْ يَٰلُوطُ إِنَّا رُسُلُ رَبِّكَ لَن يَصِلُوٓاْ إِلَيۡكَۖ فَأَسۡرِ بِأَهۡلِكَ بِقِطۡعٍ مِّنَ ٱلَّيۡلِ وَلَا يَلۡتَفِتۡ مِنكُمۡ أَحَدٌ إِلَّا ٱمۡرَأَتَكَۖ إِنَّهُۥ مُصِيبُهَا مَآ أَصَابَهُمۡۚ إِنَّ مَوۡعِدَهُمُ ٱلصُّبۡحُۚ أَلَيۡسَ ٱلصُّبۡحُ بِقَرِيبٍ ٨١
Qaaloo yaa Lootu innaa Rusulu Rabbika lai yasiloo ilaika fa asri bi ahlika biqit `im minal laili wa laa yaltafit minkum ahadun illam ra ataka innahoo museebuhaa maaa asaabahum; inna maw`i dahumus subh; alaisas subhu biqareeb
Niteny izy ireo (Anjely) ka nanao hoe : “Ry Lota ! izahay dia Iraky ny Tomponao. Tsy ahatratra anao velively izy ireo, koa mandehana ianao miaraka amin’ny fianakavianao amin’ny ampaham-potoana amin’ny alina, ary dia aoka tsy hisy hitodika na dia ny iray aminareo afa-tsy ny vadinao, satria izay hanjo azy ireo dia hanjo azy ihany koa : “Tena marina fa ny fotoana omena azy ireo dia ny maraina vao mangiran-dratsy ka moa ve tsy efa akaiky tokoa ny maraina vao mangiran-dratsy? ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:82
🔁 0/5
فَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا جَعَلۡنَا عَٰلِيَهَا سَافِلَهَا وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهَا حِجَارَةً مِّن سِجِّيلٍ مَّنضُودٍ ٨٢
Falammaa jaaa`a amrunaa ja`alnaa `aaliyahaa saafilahaa wa amtamaa `alaihaa hijaaratam min sijjeelim mandood
Ary rehefa tonga ny didinay, dia navadikay (ny tànana) ambony ho ambany, ary narotsakay tahaka ny orana tamin'ireo vaingan-tany manga mahamay mifanesisesy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:83
🔁 0/5
مُّسَوَّمَةً عِندَ رَبِّكَۖ وَمَا هِيَ مِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ بِبَعِيدٍ ٨٣
Musawwamatan `inda Rabbik; wa maa hiya minaz zaalimena biba`eed
nitondra famantarana fantatry ny Tomponao. Ary tsy lavitr’ireo mpanao ny tsy rariny izany (ireo vato).
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:84
🔁 0/5
۞ وَإِلَىٰ مَدۡيَنَ أَخَاهُمۡ شُعَيۡبًاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥۖ وَلَا تَنقُصُواْ ٱلۡمِكۡيَالَ وَٱلۡمِيزَانَۖ إِنِّيٓ أَرَىٰكُم بِخَيۡرٍ وَإِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٍ مُّحِيطٍ ٨٤
Wa ilaa Madyana akhaahum Shu`aibaa; qaala yaa qawmi` budul laaha maa lakum min ilaahin ghairuhoo wa laa tanqusul mikyaala walmeezaan; inneee araakum bikhairinw wa innee akhaafu `alaikum `azaaba Yawmim muheet
Ary nalefanay tamin’ny foko Madiana, ny rahalahin’izy ireo Shoaibo izay nilaza tamin’izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy mihitsy Ianareo. Aza ahenanareo ny famarana sy ny lanja. Izaho dia mahita, fa ao anaty hasambarana Ianareo, nefa matahotra ho Anareo Aho (raha tsy mino ianareo) ny sazy amin’ny andro izay handrakotra ny rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:85
🔁 0/5
وَيَٰقَوۡمِ أَوۡفُواْ ٱلۡمِكۡيَالَ وَٱلۡمِيزَانَ بِٱلۡقِسۡطِۖ وَلَا تَبۡخَسُواْ ٱلنَّاسَ أَشۡيَآءَهُمۡ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ ٨٥
Wa yaa qawmi awful mikyaala walmeezaana bilqisti wa laa tabkhasun naasa ashyaaa`ahum wa laa ta`saw fil ardi mufsideen
Oh ry vahoakako ! aoka ataonareo amim-pahamarinana ny fatra sy ny fandanjana, aza ahena ny lanjan’izay tokony ho an’olona, ary aza mampiely asa fanimbana ny tany Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:86
🔁 0/5
بَقِيَّتُ ٱللَّهِ خَيۡرٌ لَّكُمۡ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَۚ وَمَآ أَنَا۠ عَلَيۡكُم بِحَفِيظٍ ٨٦
Baqiyyatul laahi khairul lakum in kuntum mu`mineen; wa maa ana `alaikum bihafeez
Izay maharitra eo anatrehan’i Allah (ny fananana azo amin’ny rariny na dia kely) no tsara ho Anareo raha mpino marina Ianareo ! Fa Izaho kosa dia tsy mpiambina Anareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:87
🔁 0/5
قَالُواْ يَٰشُعَيۡبُ أَصَلَوٰتُكَ تَأۡمُرُكَ أَن نَّتۡرُكَ مَا يَعۡبُدُ ءَابَآؤُنَآ أَوۡ أَن نَّفۡعَلَ فِيٓ أَمۡوَٰلِنَا مَا نَشَٰٓؤُاْۖ إِنَّكَ لَأَنتَ ٱلۡحَلِيمُ ٱلرَّشِيدُ ٨٧
Qaaloo yaa Shu`aybu asalaatuka taamuruka an natruka maa ya`budu aabaaa`unaaa aw an naf`ala feee amwaalinaa maa nashaaa`oo innaka la antal haleemur rasheed
Nilaza izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! moa ve ny Soalat (ny fivavahanao) no mandidy Anao mba hamelanay izay efa notompoin’ireo razambenay, na mibaiko Anay amin’izay tianay atao amin’ireo fanananay ? hamafisina, fa Ianao tokoa ilay malemy fanahy sy ilay mahitsy indrinra”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:88
🔁 0/5
قَالَ يَٰقَوۡمِ أَرَءَيۡتُمۡ إِن كُنتُ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّي وَرَزَقَنِي مِنۡهُ رِزۡقًا حَسَنًاۚ وَمَآ أُرِيدُ أَنۡ أُخَالِفَكُمۡ إِلَىٰ مَآ أَنۡهَىٰكُمۡ عَنۡهُۚ إِنۡ أُرِيدُ إِلَّا ٱلۡإِصۡلَٰحَ مَا ٱسۡتَطَعۡتُۚ وَمَا تَوۡفِيقِيٓ إِلَّا بِٱللَّهِۚ عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُ وَإِلَيۡهِ أُنِيبُ ٨٨
Qaala yaa qawmi ara`aitum in kuntu `alaa baiyinatim mir Rabbee wa razaqanee minhu rizqan hasanaa; wa maaa ureedu an ukhaalifakum ilaa maaa anhaakum `anh; in ureedu illal islaaha mastata`t; wa maa tawfeeqeee illaa billaah; `alaihi tawakkaltu wa ilaihi uneeb
Namaly Izy ka nanao hoe : Oh ry vahoakako ! hitanareo ve raha Izaho no miankina amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko, ary raha manome Ahy fanomezana tsara indrindra avy Aminy Izy ? ary tsy maniry ny hanohitra Anareo velively Aho amin’izay nandrarako Anareo fa ny fanatsarana no tiako atao araka izay vitako ary tsy miankina afa-tsy amin’i Allah ny fahombiazako any Aminy no hametrahako ny fitokisako, ary any Aminy ihany koa no hiverenako hibebaka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:89
🔁 0/5
وَيَٰقَوۡمِ لَا يَجۡرِمَنَّكُمۡ شِقَاقِيٓ أَن يُصِيبَكُم مِّثۡلُ مَآ أَصَابَ قَوۡمَ نُوحٍ أَوۡ قَوۡمَ هُودٍ أَوۡ قَوۡمَ صَٰلِحٍۚ وَمَا قَوۡمُ لُوطٍ مِّنكُم بِبَعِيدٍ ٨٩
Wa yaa qawmi laa yajri mannakum shiqaaqeee ai yuseebakum mislu maaa asaaba qawma Noohin aw qawma Hoodin aw qawma Saalih; wa maa qawmu Lootim minkum biba`eed
Oh ry vahoakako ! aoka ny fankahalanareo Ahy tsy hitarika Anareo ahazo sazy tahaka izay nahazo ny vahoakan’i Noa, ny vahoakan’i Hody na ny vahoakan’i Soalihy,ary ny vahoakan’i Lota dia tsy lavitra Anareo (ny ohatra momba izany).
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:90
🔁 0/5
وَٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِۚ إِنَّ رَبِّي رَحِيمٌ وَدُودٌ ٩٠
Wastaghfiroo Rabbakum summa toobooo ilaih; inna Rabbee Raheemunw Wadood
Ary mangataha ny famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo Ianareo ary mibebaha Aminy Tena marina, fa ny Tompoko dia be Fiantrana sy be fitiavana ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:91
🔁 0/5
قَالُواْ يَٰشُعَيۡبُ مَا نَفۡقَهُ كَثِيرًا مِّمَّا تَقُولُ وَإِنَّا لَنَرَىٰكَ فِينَا ضَعِيفًاۖ وَلَوۡلَا رَهۡطُكَ لَرَجَمۡنَٰكَۖ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡنَا بِعَزِيزٍ ٩١
Qaaloo yaa Shu`aibu maa nafqahu kaseeram mimmaa taqoolu wa innaa lanaraaka feenaa da`eefanw wa law laa rahtuka larajamnaaka wa maaa anta `alainaa bi`azeez
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! tsy mazava Aminay ny ankamaroan’ny zavatra izay teneninao, ary tena marina fa ny fahitanay Anao dia olona kanosa eo Aminay raha tsy nohon'ny foko izay misy Anao dia notorahanay vato tokoa iAnao. Ary tsy mba manan-danja mihitsy eo anatrehanay Ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:92
🔁 0/5
قَالَ يَٰقَوۡمِ أَرَهۡطِيٓ أَعَزُّ عَلَيۡكُم مِّنَ ٱللَّهِ وَٱتَّخَذۡتُمُوهُ وَرَآءَكُمۡ ظِهۡرِيًّاۖ إِنَّ رَبِّي بِمَا تَعۡمَلُونَ مُحِيطٌ ٩٢
Qaala yaa qawmi arahteee a`azzu `alaikum minal laahi wattakhaztumoohu waraaa`akum zihriyyan inna Rabbee bimaa ta`maloona muheet
Namaly izy ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! moa ve manan-danja tokoa eo imasonareo ny foko izay misy Ahy noho i Allah izay hitodihanareo lamosina ankarihary ? Tena marina fa ny Tompoko dia mahafehy tsara izay rehetra atao nareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:93
🔁 0/5
وَيَٰقَوۡمِ ٱعۡمَلُواْ عَلَىٰ مَكَانَتِكُمۡ إِنِّي عَٰمِلٌۖ سَوۡفَ تَعۡلَمُونَ مَن يَأۡتِيهِ عَذَابٌ يُخۡزِيهِ وَمَنۡ هُوَ كَٰذِبٌۖ وَٱرۡتَقِبُوٓاْ إِنِّي مَعَكُمۡ رَقِيبٌ ٩٣
Wa yaa qawmi` maloo `alaa makaanatikum innee `aamilun sawfa ta`lamoona mai yaateehi `azaabuny yukhzeehi wa man huwa kaazib; wartaqibooo innnee ma`akum raqeeb
Oh ry vahoakako ! Miasà Ianareo araka ny fomba fiasanareo, ary izaho ihany koa dia hiasa (araka ny fomba fiasako), ary ho fantatrareo tsy ho ela, amin’iza no hianjera ilay sazy manala-baraka, ary iza (amintsika) no mpandainga. Ary miambena Ianareo, fa Izaho koa dia hiara-hiambina aminareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:94
🔁 0/5
وَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا نَجَّيۡنَا شُعَيۡبًا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ بِرَحۡمَةٍ مِّنَّا وَأَخَذَتِ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلصَّيۡحَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دِيَٰرِهِمۡ جَٰثِمِينَ ٩٤
Wa lammaa jaaa`a amrunaa najjainaa shu`aibanw wal lazeena aamanoo ma`ahoo birahmatim minnaa wa akhazatil lazeena zalamus saihatu fa asbahoo fee diyaarihim jaasimeen
Ary rehefa tonga ny didinay, dia navotanay i Shoaibo (A.s) sy ireo izay nino niaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Taminay. Ary nianjady tamin’ireo mpanao ny tsy rariny ny Hiakiaka, ka indro izy ireo maty niampatra tao amin’ny toeram-ponenany avy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:95
🔁 0/5
كَأَن لَّمۡ يَغۡنَوۡاْ فِيهَآۗ أَلَا بُعۡدًا لِّمَدۡيَنَ كَمَا بَعِدَتۡ ثَمُودُ ٩٥
Ka-al-lam yaghnaw feehaaa; alaa bu`dal li Madyana Kamaa ba`idat Samood
Tahaka ny tsy niaina teto (an-tany) izy ireo. Ho ringana anie ireo vahoaka Madiana, tahaka ny nandringanana ireo foko Samody.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:96
🔁 0/5
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ بِـَٔايَٰتِنَا وَسُلۡطَٰنٍ مُّبِينٍ ٩٦
Wa laqad arsalnaa Moosaa bi Aayaatinaa wa sultaanim mubeen
Ary efa nalefanay i Mosesy (Mosa) niaraka tamin’ireo fahagagana sy fahefana miharihary avy Taminay,
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:97
🔁 0/5
إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ فَٱتَّبَعُوٓاْ أَمۡرَ فِرۡعَوۡنَۖ وَمَآ أَمۡرُ فِرۡعَوۡنَ بِرَشِيدٍ ٩٧
Ilaa Fir`awna wa mala`ihee fattaba`ooo amra Fir`awna wa maaa amru Fir`awna birasheed
Ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Nefa nanaraka ny baikon’i Faraona izy ireo. Ny baikon’i Faraona anefa dia tsy manaraka ny fahamarinana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:98
🔁 0/5
يَقۡدُمُ قَوۡمَهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فَأَوۡرَدَهُمُ ٱلنَّارَۖ وَبِئۡسَ ٱلۡوِرۡدُ ٱلۡمَوۡرُودُ ٩٨
Yaqdumu qawmahoo Yawmal Qiyaamati fa awrada humun Naara wa bi`sal wirdul mawrood
Hialoha ny vahoakany Izy amin’ny Andro farany, Andro ny fitsanganana. Ho entiny hiditra ao amin’ny Afobe izy ireo. Ary tena ratsy tokoa izany fidirana izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:99
🔁 0/5
وَأُتۡبِعُواْ فِي هَٰذِهِۦ لَعۡنَةً وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ بِئۡسَ ٱلرِّفۡدُ ٱلۡمَرۡفُودُ ٩٩
Wa utbi`oo fee haazihee la`natanw wa Yawmal Qiyaamah; bi`sar rifdul marfood
Ary arahana ozona eto an-tany izy ireo sy amin’ny Andro farany Andro ny fitsanganana. Ary tena ratsy tokoa izany fanomezana izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:100
🔁 0/5
ذَٰلِكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡقُرَىٰ نَقُصُّهُۥ عَلَيۡكَۖ مِنۡهَا قَآئِمٌ وَحَصِيدٌ ١٠٠
Zaalika min ambaaa`il quraa naqussuhoo `alaika minhaa qaaa`imunw wa haseed
Izany dia anisan’ny vaovaon’ireo tanàna, izay tantarainay aminao ny momba azy ireo. Ny sasany amin’izy ireo dia mbola mitsangana, fa ireo sasany kosa dia efa rava.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:101
🔁 0/5
وَمَا ظَلَمۡنَٰهُمۡ وَلَٰكِن ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡۖ فَمَآ أَغۡنَتۡ عَنۡهُمۡ ءَالِهَتُهُمُ ٱلَّتِي يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٍ لَّمَّا جَآءَ أَمۡرُ رَبِّكَۖ وَمَا زَادُوهُمۡ غَيۡرَ تَتۡبِيبٍ ١٠١
Wa maa zalamnaahum wa laakin zalamooo anfusahum famaaa aghnat `anhum aalihatuhumul latee yad`oona min doonil laahi min shai`il lammaa jaaa`a amru Rabbika wa maa zaadoohum ghaira tatbeeb
Ary tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo Izahay fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany. Ny sampin’izy ireo izay nitalahoany ankoatr’i Allah dia tsy nahavita na inona na inona tamin’izy ireo na dia kely aza. Rehefa tonga ny baikon’ny Tomponao (famaizana) dia tsy nanao afa-tsy izay nampitombo ny faty antoka ho azy ireo ihany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:102
🔁 0/5
وَكَذَٰلِكَ أَخۡذُ رَبِّكَ إِذَآ أَخَذَ ٱلۡقُرَىٰ وَهِيَ ظَٰلِمَةٌۚ إِنَّ أَخۡذَهُۥٓ أَلِيمٌ شَدِيدٌ ١٠٢
Wa kazaalika akhzu Rabbika izaaa akhazal quraa wa hiya zaalimah; inna akhzahooo aleemun shadeed
Tahaka izany ny hamafin’ny sazin’ny Tomponao raha mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny Izy. Ny saziny dia tena mamirifiry sy henjana tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:103
🔁 0/5
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةً لِّمَنۡ خَافَ عَذَابَ ٱلۡأٓخِرَةِۚ ذَٰلِكَ يَوۡمٌ مَّجۡمُوعٌ لَّهُ ٱلنَّاسُ وَذَٰلِكَ يَوۡمٌ مَّشۡهُودٌ ١٠٣
Inna fee zaalika la aayatal liman khaafa `azaabal Aakhirah; zaalika Yawmum majmoo`ul lahun naasu wa zaalika Yawmum mashhood
Tena marina fa izany dia famantarana ho an’izay matahotra ny famaizana any an-koatra. Izany no Andro hamoriana ireo olona, ary andro manetriketrika hijoroan’ny rehetra ho vavolombelona.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:104
🔁 0/5
وَمَا نُؤَخِّرُهُۥٓ إِلَّا لِأَجَلٍ مَّعۡدُودٍ ١٠٤
Wa maa nu`akhkhiruhooo illaa li ajalim ma`dood
Ary Izahay dia tsy hanemotra izany raha tsy amin’ny fotoana tena voafetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:105
🔁 0/5
يَوۡمَ يَأۡتِ لَا تَكَلَّمُ نَفۡسٌ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦۚ فَمِنۡهُمۡ شَقِيٌّ وَسَعِيدٌ ١٠٥
Yawma yaati laa takallamu nafsun illaa bi iznih; faminhum shaqiyyunw wa sa`eed
Ary amin’ny Andro ahatongavan’izany dia tsy misy na dia iray aza afaka hiteny raha tsy amin’ny alalany (Allah), ka hisy amin’izy ireo no ho ory, sy ho sambatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:106
🔁 0/5
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ شَقُواْ فَفِي ٱلنَّارِ لَهُمۡ فِيهَا زَفِيرٌ وَشَهِيقٌ ١٠٦
Fa ammal lazeena shaqoo fafin Naari lahum feehaa zafeerunw wa shaheeq
Ka ireo izay ory dia ho ao amin’ny afobe, hisento sy hidradradradra an-dranomaso ao izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:107
🔁 0/5
خَٰلِدِينَ فِيهَا مَا دَامَتِ ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ إِلَّا مَا شَآءَ رَبُّكَۚ إِنَّ رَبَّكَ فَعَّالٌ لِّمَا يُرِيدُ ١٠٧
Khaalideena feehaa maa daamatis samaawaatu wal ardu illaa maa shaaa`a Rabbuk; inna Rabbaka fa` `aalul limaa yureed
Ka hipetraka ao mandrakizay izy ireo, raha mbola maharitra ihany koa ireo lanitra sy ny tany, raha tsy manana fanapahan-kevitra hafa ny Tomponao. Tena marina fa ny Tomponao dia manantanteraka izay Tiany Atao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:108
🔁 0/5
۞ وَأَمَّا ٱلَّذِينَ سُعِدُواْ فَفِي ٱلۡجَنَّةِ خَٰلِدِينَ فِيهَا مَا دَامَتِ ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ إِلَّا مَا شَآءَ رَبُّكَۖ عَطَآءً غَيۡرَ مَجۡذُوذٍ ١٠٨
Wa ammal lazeena su`idoo fafil Jannati khaalideena feehaa maa daamatis samaawaatu wal ardu illaa maa shaaa`a Rabbuk; ataaa`an ghaira majzooz
Fa ireo izay sambatra kosa dia ho ao amin’ny paradisa, ka hipetraka ao mandrakizay izy ireo, raha mbola maharitra koa ireo lanitra sy ny tany, raha tsy manana fanapahan-kevitra hafa ny Tomponao. Izany no fanomezana tsy manam-pahataperana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:109
🔁 0/5
فَلَا تَكُ فِي مِرۡيَةٍ مِّمَّا يَعۡبُدُ هَٰٓؤُلَآءِۚ مَا يَعۡبُدُونَ إِلَّا كَمَا يَعۡبُدُ ءَابَآؤُهُم مِّن قَبۡلُۚ وَإِنَّا لَمُوَفُّوهُمۡ نَصِيبَهُمۡ غَيۡرَ مَنقُوصٍ ١٠٩
Falaa taku fee miryatim mimmmaa ya`budu haaa`ulaaa`; maa ya`budoona illaa kamaa ya`budu aabaaa`uhum min qabl; wa innaa lamuwaf foohum naseebahum ghaira manqoos
Ary aoka tsy hisalasala momba izay tompoin’izy ireo Ianao Tsy manompo izy ireo afa-tsy tahak’izay notompoin’ireo razambeny teo aloha. Ary omenay azy ireo tsy misy hanalana na dia kely aza ny anjaran’izy ireo manontolo amin’izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:110
🔁 0/5
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ فَٱخۡتُلِفَ فِيهِۚ وَلَوۡلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتۡ مِن رَّبِّكَ لَقُضِيَ بَيۡنَهُمۡۚ وَإِنَّهُمۡ لَفِي شَكٍّ مِّنۡهُ مُرِيبٍ ١١٠
Wa laqad aatainaa Moosal Kitaaba fakhtulifa feeh; wa law laa Kalimatun sabaqat mir Rabbika laqudiya bainahum; wa innahum lafee shakkim minhu mureeb
Ary efa nomenay an’i Mosesy (Mosa) ilay Boky, tsy nitovy hevitra momba izany izy ireo. Raha tsy efa nisy didy mialoha avy tamin’i Tomponao, ary efa nisy fanampahan-kevitra noraisina momba azy ireo. Ary tena marina fa feno fisalasalana momba izany tokoa izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:111
🔁 0/5
وَإِنَّ كُلًّا لَّمَّا لَيُوَفِّيَنَّهُمۡ رَبُّكَ أَعۡمَٰلَهُمۡۚ إِنَّهُۥ بِمَا يَعۡمَلُونَ خَبِيرٌ ١١١
Wa inna kullal lammaa la yuwaffiyannahum Rabbuka a`maalahum; innahoo bimaa ya`maloona Khabeer
Tena marina, fa ny Tomponao dia hanome valin’asa feno ny tsirairay amin’izay nataon’izy ireo, satria tena mahalala ny asa izay nataon’izy ireo Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:112
🔁 0/5
فَٱسۡتَقِمۡ كَمَآ أُمِرۡتَ وَمَن تَابَ مَعَكَ وَلَا تَطۡغَوۡاْۚ إِنَّهُۥ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٌ ١١٢
Fastaqim kamaaa umirta wa man taaba ma`aka wa laa tatghaw; innahoo bimaa ta`maloona Baseer
Mifikira amin’ny làla-mahitsy Ianao, tahaka izay nandidiana Anao sy izay nibebaka niaraka Taminao. Ary aza mihoa-pefy Ianareo. Satria Izy dia tena mahita izay ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:113
🔁 0/5
وَلَا تَرۡكَنُوٓاْ إِلَى ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ فَتَمَسَّكُمُ ٱلنَّارُ وَمَا لَكُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ مِنۡ أَوۡلِيَآءَ ثُمَّ لَا تُنصَرُونَ ١١٣
Wa laa tarkanooo ilal lazeena zalamoo fatamassa kumun Naaru wa maa lakum min doonil laahi min awliyaaa`a summa laa tunsaroon
Ary aoka tsy hirona amin’ireo mpanao ny tsy rariny Ianareo : Raha tsy izany dia ho azon’ny Afo koa Ianareo. Satria tsy manana mpiahy ankoatr'i Allah Ianareo. Ka tsy ho voavonjy Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:114
🔁 0/5
وَأَقِمِ ٱلصَّلَوٰةَ طَرَفَيِ ٱلنَّهَارِ وَزُلَفًا مِّنَ ٱلَّيۡلِۚ إِنَّ ٱلۡحَسَنَٰتِ يُذۡهِبۡنَ ٱلسَّيِّـَٔاتِۚ ذَٰلِكَ ذِكۡرَىٰ لِلذَّٰكِرِينَ ١١٤
Wa aqimis Salaata tarafayin nahaari wa zulafam minal layl; innal hasanaati yuzhibnas saiyi aat; zaalika zikraa liz zaakireen
Ary tanteraho sy antsangano ny Soalat (Vavaka) amin’ny fiantombohan’ny andro sy ny fiafarany, ary amin’ny ampaham-potoana amin’ny alina.Tena marina fa ireo asa soa dia mamafa ireo asa ratsy. Izany dia fampahatsiahivana ho an’ireo Olona mpandinika.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:115
🔁 0/5
وَٱصۡبِرۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ ١١٥
Wasbir fa innal laaha laa yudee`u ajral muhsineen
Ary manàna faharetana Ianao. Fa i Allah dia tena tsy hamela ho very ny valisoan’ireo mpanao asa soa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:116
🔁 0/5
فَلَوۡلَا كَانَ مِنَ ٱلۡقُرُونِ مِن قَبۡلِكُمۡ أُوْلُواْ بَقِيَّةٍ يَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡفَسَادِ فِي ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا قَلِيلًا مِّمَّنۡ أَنجَيۡنَا مِنۡهُمۡۗ وَٱتَّبَعَ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ مَآ أُتۡرِفُواْ فِيهِ وَكَانُواْ مُجۡرِمِينَ ١١٦
Falw laa kaana minal qurooni min qablikum ooloo baqiyyatiny yanhawna `anil fasaadi fil ardi illaa qaleelam mimman anjainaa minhum; wattaba`al lazeena zalamoo maaa utrifoo feehi wa kaanoo mujrimeen
Raha mba nisy mantsy tamin’ireo razambe teo alohanareo olo-mendrika sy nandrara ny fanimbana teto an-tany ! Nefa indrisy mantsy ! Afa-tsy ny vitsy an’isa tamin’ireo izay navotanay ihany. Fa ireo izay nanao ny tsy rariny, dia miezaka amin’ny fanarahana ny asa ratsy tafahoatra izay niainany no sady mpanao heloka bevava tokoa izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:117
🔁 0/5
وَمَا كَانَ رَبُّكَ لِيُهۡلِكَ ٱلۡقُرَىٰ بِظُلۡمٍ وَأَهۡلُهَا مُصۡلِحُونَ ١١٧
Wa maa kaana Rabbuka liyuhlikal quraa bizulminw wa ahluhaa muslihoon
Ary ny Tomponao, dia tsy handrava amin’ny tsy rariny ireo tanàna raha mbola misy mponina miezaka manarina ny ratsy ao Aminy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:118
🔁 0/5
وَلَوۡ شَآءَ رَبُّكَ لَجَعَلَ ٱلنَّاسَ أُمَّةً وَٰحِدَةًۖ وَلَا يَزَالُونَ مُخۡتَلِفِينَ ١١٨
Wa law shaaa`a Rabbuka laja`alannnaasa ummatanw waa hidatanw wa laa yazaaloona mukhtalifeen
Ary raha sitraky ny Tomponao, dia nataony ho vahoaka iray mitovy tarigetra ihany ny olona rehetra nefa tsy mijanona amin’ny tsy fifanarahana tokoa izy ireo,
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:119
🔁 0/5
إِلَّا مَن رَّحِمَ رَبُّكَۚ وَلِذَٰلِكَ خَلَقَهُمۡۗ وَتَمَّتۡ كَلِمَةُ رَبِّكَ لَأَمۡلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنَ ٱلۡجِنَّةِ وَٱلنَّاسِ أَجۡمَعِينَ ١١٩
Illaa mar rahima Rabbuk; wa lizaalika khalaqahum; wa tammat Kalimatu Rabbika la amla`ana Jahannama minal jinnati wannnaasi ajma`een
Afa-tsy ireo izay nomen’ny Tomponao famindram-po ihany. Satria izany no nohariany azy ireo. Ary tanteraka tokoa ny tenin’ny Tomponao manao hoe : “ Hamafisina, fa ho fenoiko Djiny (tsiny) sy olombelona avokoa miaraka ao anaty Afo-be ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:120
🔁 0/5
وَكُلًّا نَّقُصُّ عَلَيۡكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلرُّسُلِ مَا نُثَبِّتُ بِهِۦ فُؤَادَكَۚ وَجَآءَكَ فِي هَٰذِهِ ٱلۡحَقُّ وَمَوۡعِظَةٌ وَذِكۡرَىٰ لِلۡمُؤۡمِنِينَ ١٢٠
Wa kullan naqussu `alaika min ambaaa`ir Rusuli maa nusabbitu bihee fu`aadak; wa jaaa`aka fee haazihil haqqu wa maw`izatunw wa zikraa lilmu` mineen
Ary izay rehetra notataranay Taminao mikasika ny tantaran’ireo Iraka, dia ny hanamafisanay ny fonao. Ary avy tamin’izany no nahatongavan’ny fahamarinana (Ny Kor’any) sy anatra ary fampahatsiahivana Taminao ho an’ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:121
🔁 0/5
وَقُل لِّلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ ٱعۡمَلُواْ عَلَىٰ مَكَانَتِكُمۡ إِنَّا عَٰمِلُونَ ١٢١
Wa qul lillazeena laa yu`minoona` maloo `alaa makaanatikum innaa `aamiloon
Ary lazao amin’ireo izay tsy mino ny teny manao hoe : “ Miasà Ianareo araka izay vitanareo, fa izahay kosa dia hiasa araka izay vitanay ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:122
🔁 0/5
وَٱنتَظِرُوٓاْ إِنَّا مُنتَظِرُونَ ١٢٢
Wantaziroo innaa mun taziroon
Ary miandrasa Ianareo fa Izahay dia hiandry ihany koa !
🎤 Ny rakotra nataonao:
11:123
🔁 0/5
وَلِلَّهِ غَيۡبُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَإِلَيۡهِ يُرۡجَعُ ٱلۡأَمۡرُ كُلُّهُۥ فَٱعۡبُدۡهُ وَتَوَكَّلۡ عَلَيۡهِۚ وَمَا رَبُّكَ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ ١٢٣
Wa lillaahi ghaibus samaawaati wal ardi wa ilaihi yurja`ul amru kulluhoo fa`bu-dhu wa tawakkal `alaih; wa maa Rabbuka bighaafilin `ammaa ta`maloon
Ary an’i Allah ny fahafantarana ny zava-miafina ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary any Aminy no hiverenan’ny didy manontolo. Tompoy àry Izy, ka apetraho Aminy ny fitokisanao. Fa ny tomponao,dia tsy variana amin’izay ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







