🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (109 Andininy)
0/109
10:1
🔁 0/5
الٓرۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡحَكِيمِ ١
Alif-Laaam-Raa; tilka Aayaatul Kitaabil Hakeem
ALIF, LAM, RA, indro ireo andinin’ilay Boky feno Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:2
🔁 0/5
أَكَانَ لِلنَّاسِ عَجَبًا أَنۡ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ رَجُلٍ مِّنۡهُمۡ أَنۡ أَنذِرِ ٱلنَّاسَ وَبَشِّرِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَنَّ لَهُمۡ قَدَمَ صِدۡقٍ عِندَ رَبِّهِمۡۗ قَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ إِنَّ هَٰذَا لَسَٰحِرٌ مُّبِينٌ ٢
A kaana linnaasi `aaban an awhainaaa ilaa rajulim minhum an anzirin naasa wa bashshiril lazeena aamanoo anna lahum qadama sidqin `inda Rabbihim; qaalal kaafiroona inna haaza lasaahirum mubeen
Moa ve mahagaga ireo Olona fa Izahay dia nandefa fanambarana tamin’ny lehilahy iray avy tamin’izy ireo : “ Ampitandremo ireo Olona ary lazao vaovao mahafaly ireo mpino fa manana toerana mendrika izy ireo eo anatrehan’ny Tompony." Niteny ireo tsy mpino ka nanao hoe : " Marina tokoa fa io Olona io dia tena mpanao majika miharihary.”
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:3
🔁 0/5
إِنَّ رَبَّكُمُ ٱللَّهُ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ فِي سِتَّةِ أَيَّامٍ ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰ عَلَى ٱلۡعَرۡشِۖ يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَۖ مَا مِن شَفِيعٍ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ إِذۡنِهِۦۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ فَٱعۡبُدُوهُۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ ٣
Inna Rabbakumul laahul lazee khalaqas samaawaati wal arda fee sittati aiyaamin summas tawaa `alal `Arshi yudabbirul amra maa min shafee`in illaa mim ba`di iznih; zalikumul laahu Rabbukum fa`budooh; afalaa tazakkaroon
Marina fa ny Tomponareo dia i Allah, izay nahary ireo lanitra sy ny tany nandritry ny enin’andro, avy eo dia nitoetra “ Istaoa ” teo amin’ny seza fiandrianany Izy, mandrindra ny zava-drehetra. Tsy misy ho mpanelanelana raha tsy mahazo alalana avy Aminy. izany ilay Allah Tomponareo. Tompoinareo àry Izy ! Moa ve tsy mahatsapa izany Ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:4
🔁 0/5
إِلَيۡهِ مَرۡجِعُكُمۡ جَمِيعًاۖ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقًّاۚ إِنَّهُۥ يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥ لِيَجۡزِيَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ بِٱلۡقِسۡطِۚ وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَهُمۡ شَرَابٌ مِّنۡ حَمِيمٍ وَعَذَابٌ أَلِيمُۢ بِمَا كَانُواْ يَكۡفُرُونَ ٤
Ilaihi marji`ukum jamee `anw wa`dal laahi haqqaa; innahoo yabda`ul khalqa summa yu`eeduhoo liyajziyal lazeena aamanoo wa `amilus saalihaati bilqist; wallazeena kafaroo lahum sharaabum min hamee minw wa `azaabun aleemum bimaa kaanoo yakfuroon
Any Aminy no hiverenananareo rehetra, izany no fampanantenan’i Allah amim-pahamarinana ! Izy no nanao ny fahariana voalohany, avy eo dia hamerina izany Izy mba hanomezany ireo izay nino sy nanao asa soa ny valisoa ara-drariny. Ary ho an’ireo izay tsy nino kosa dia ny zava-pisotro mangotrakotraka sy ny sazy mamirifiry, noho izy ireo tsy nino !
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:5
🔁 0/5
هُوَ ٱلَّذِي جَعَلَ ٱلشَّمۡسَ ضِيَآءً وَٱلۡقَمَرَ نُورًا وَقَدَّرَهُۥ مَنَازِلَ لِتَعۡلَمُواْ عَدَدَ ٱلسِّنِينَ وَٱلۡحِسَابَۚ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ ذَٰلِكَ إِلَّا بِٱلۡحَقِّۚ يُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٍ يَعۡلَمُونَ ٥
Huwal lazee ja`alash shamsa diyaaa`anw walqamara nooranw wa qaddarahoo manaaz zila lita`lamoo `adadas sineena walhisaab; maa khalaqal laahu zaalika illa bilhaqq; yufassilul aayaati liqawminw ya`lamoon
Izy no nanao ny masoandro ho famirapiratana sy ny volana ho fahazavana ary nalahany ho manana ambaratongam-piovaovana izany, mba hafantaranareo ny isan’ny taona sy ny fikajiana ny fotoana. Tsy nahary izany Allah raha tsy amim-pahamarinana. Hazavainy antsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:6
🔁 0/5
إِنَّ فِي ٱخۡتِلَٰفِ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ وَمَا خَلَقَ ٱللَّهُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ لَأٓيَٰتٍ لِّقَوۡمٍ يَتَّقُونَ ٦
Inna fikh tilaafil laili wannahaari wa maa khalaqal laahu fis samaawaati wal ardi la Aayaatil liqawminy yattaqoon
Marina fa eo amin’ny fifadimbiasan’ny alina sy ny andro ary koa eo amin’izay rehetra noharian’i Allah any amin’ireo lanitra sy ny tany dia tena misy famantarana maro ho an’ireo vahoaka manam-patahorana (an’i Allah).
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:7
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ لِقَآءَنَا وَرَضُواْ بِٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَٱطۡمَأَنُّواْ بِهَا وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَنۡ ءَايَٰتِنَا غَٰفِلُونَ ٧
Innal lazeena laa yarjoona liqaaa`anaa wa radoo bilhayaatid dunyaa watma annoo bihaa wallazeena hum `an Aayaatinaa ghaafiloon
Ireo izay tsy manantena mihitsy ny fihaonana Aminay sy afa-po amin’ny fiainana eto an-tany ka mahatsapa fitoniana izy ireo amin’izany ary koa ireo izay tsy mitandrina ireo famantaranay,
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:8
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ مَأۡوَىٰهُمُ ٱلنَّارُ بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ ٨
Ulaaa`ika maawaahumun Naaru bimaa kaanoo yaksiboon
Izy ireny dia ny Afobe no fialofan'Izy ireo nohon'ny asa izay nataon'izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:9
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ يَهۡدِيهِمۡ رَبُّهُم بِإِيمَٰنِهِمۡۖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهِمُ ٱلۡأَنۡهَٰرُ فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ ٩
Innal lazeena aamanoo wa `amilus saalihaati yahdeehim Rabbuhum bi eemaanihim tajree min tahtihimul anhaaru fee jannaatin Na`eem
Marina fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa dia tarihin’ny Tompony làlana izy ireo nohon'ny finoan'izy ireo. Hikoriana eo ambanin’izy ireo, ireo renirano ao anatin’ireo zaridainan’ny fahafinaretana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:10
🔁 0/5
دَعۡوَىٰهُمۡ فِيهَا سُبۡحَٰنَكَ ٱللَّهُمَّ وَتَحِيَّتُهُمۡ فِيهَا سَلَٰمٌۚ وَءَاخِرُ دَعۡوَىٰهُمۡ أَنِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ ١٠
Da`waahum feehaa Subbaanakal laahumma wa tahiyyatuhum feehaa salaam; wa aakhiru da`waahum anil hamdu lillaahi Rabbil `aalameen
Ny fitalahoan’izy ireo ao (am-paradisa) dia manao hoe : " Voninahitra anie ho Anao, ry Allah ”, ary ny fiarahaban’izy ireo ao dia ny hoe : " Fiadanana ” ary faran’ny fitalahoan’izy ireo dia ny hoe : " Dera ho an’i Allah izay Tompon’izao tontolo izao."
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:11
🔁 0/5
۞ وَلَوۡ يُعَجِّلُ ٱللَّهُ لِلنَّاسِ ٱلشَّرَّ ٱسۡتِعۡجَالَهُم بِٱلۡخَيۡرِ لَقُضِيَ إِلَيۡهِمۡ أَجَلُهُمۡۖ فَنَذَرُ ٱلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ لِقَآءَنَا فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ ١١
Wa law yu`aijilul laahu linnaasish sharras ti`jaalahum bilkhairi laqudiya ilaihim ajaluhum fanazarul lazeena laa yarjoona liqaaa`anna fee tughyaanihim ya`mahoon
Ary raha hafainganin’i Allah amin’ny Olona ny fahoriana tahaka ny fitadiavan’izy ireo hanafainganana ny hasoavana, dia efa tapitra izay ny fe-potoana hiainan’izy ireo ka nefa avelanay ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay ao amin’ny fihoaram-pefin'izy ireo ka hiaina tanteraka ao anatin’ny fahajambana izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:12
🔁 0/5
وَإِذَا مَسَّ ٱلۡإِنسَٰنَ ٱلضُّرُّ دَعَانَا لِجَنۢبِهِۦٓ أَوۡ قَاعِدًا أَوۡ قَآئِمًا فَلَمَّا كَشَفۡنَا عَنۡهُ ضُرَّهُۥ مَرَّ كَأَن لَّمۡ يَدۡعُنَآ إِلَىٰ ضُرٍّ مَّسَّهُۥۚ كَذَٰلِكَ زُيِّنَ لِلۡمُسۡرِفِينَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ١٢
Wa izaa massal insaanad durru da`aanaa lijambiheee aw qaa`idan aw qaaa`iman falammaa kashafnaa `anhu durrahoo marra ka al lam yad`unaaa ilaa durrim massah; kazaalika zuyyina lilmusrifeena maa kaanoo ya`maloon
Ary rehefa misy loza manjo ny Olombelona dia miantso Anay ho eo ankilany izy, na am-pipetrahana na am-pitsanganana. Ary rehefa navotanay tamin’ny fahoriany izy, dia toy ny tsy niantso Anay mihitsy izy tamin’ny fahoriana izay nanjo Azy. Tahak’izany no nampihaingoana tamin’ireo mpanao fandanindaniam-poana ny asa izay ataony.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:13
🔁 0/5
وَلَقَدۡ أَهۡلَكۡنَا ٱلۡقُرُونَ مِن قَبۡلِكُمۡ لَمَّا ظَلَمُواْ وَجَآءَتۡهُمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَمَا كَانُواْ لِيُؤۡمِنُواْۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡمُجۡرِمِينَ ١٣
Wa laqad ahlaknal quroona min qablikum lammaa zalamoo wa jaaa`at hum Rusuluhum bil baiyinaati wa maa kaanoo liyu`minoo; kazaalika najzil qawmal mujrimeen
Naringanay ireo taranaka talohanareo raha nanao ny tsy rariny izy ireo, nefa ny Irak’izy ireo dia tonga teo aminy miaraka amin’ireo porofo mazava, fa tsy te-hino izy ireo. Toy izany no hamalianay ireo olo-meloka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:14
🔁 0/5
ثُمَّ جَعَلۡنَٰكُمۡ خَلَٰٓئِفَ فِي ٱلۡأَرۡضِ مِنۢ بَعۡدِهِمۡ لِنَنظُرَ كَيۡفَ تَعۡمَلُونَ ١٤
Summa ja`alnaakum khalaaa`ifa fil ardi mim ba`dihim linanzura kaifa ta`maloon
Avy eo dia nataonay ho mpandimby teto an-tany taorian’izy ireo Ianareo, mba hijerenay ahoana no Ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:15
🔁 0/5
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَاتُنَا بَيِّنَٰتٍ قَالَ ٱلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ لِقَآءَنَا ٱئۡتِ بِقُرۡءَانٍ غَيۡرِ هَٰذَآ أَوۡ بَدِّلۡهُۚ قُلۡ مَا يَكُونُ لِيٓ أَنۡ أُبَدِّلَهُۥ مِن تِلۡقَآيِٕ نَفۡسِيٓۖ إِنۡ أَتَّبِعُ إِلَّا مَا يُوحَىٰٓ إِلَيَّۖ إِنِّيٓ أَخَافُ إِنۡ عَصَيۡتُ رَبِّي عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٍ ١٥
Wa izaa tutlaa `alaihim aayaatunaa baiyinaatin qaalal lazeena laa yarjoona liqaaa`ana`ti bi Quraanin ghairi haazaaa aw baddilh; qul maa yakoonu leee an ubaddilahoo min tilqaaa`i nafsee in attabi`u illaa maa yoohaaa ilaiya inneee akhaafu in `asaytu Rabbee `azaaba Yawmin `Azeeem
Ary rehefa novakiana tamin’izy ireo mazava tsara ireo teninay, dia niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay ka nanao hoe : " Mitondrà Koroany hafa ankoatra ity Ianao na ovay io ”. Teneno hoe : " Tsy anjarako mihitsy ny hanova azy io araka ny sitrapoko. Tsy manaraka afa-tsy izay nambara Tamiko Aho. Tena marina fa Izaho dia matahotra, raha tsy mankato ny Tompoko, dia ahazo ny famaizana amin’ny Andro lehibe ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:16
🔁 0/5
قُل لَّوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا تَلَوۡتُهُۥ عَلَيۡكُمۡ وَلَآ أَدۡرَىٰكُم بِهِۦۖ فَقَدۡ لَبِثۡتُ فِيكُمۡ عُمُرًا مِّن قَبۡلِهِۦٓۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ ١٦
Qul law shaaa`al laahu maa talawtuhoo `alaikum wa laaa adraakum bihee faqad labistu feekum `umuram min qablih; afalaa ta`qiloon
Teneno hoe : " Raha sitrak’i Allah dia tsy novakiko taminareo izy io ary tsy nampahafantatra (Allah) Anareo ihany koa Izy. Efa niara-nipetraka Taminareo nandritry ny taona maro ny Tenako talohan’izany. Moa va tsy mandinika Ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:17
🔁 0/5
فَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَوۡ كَذَّبَ بِـَٔايَٰتِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ ١٧
Faman azlamu mimmanif taraa `alal laahi kaziban aw kazzaba bi Aayaatih; innahoo laa yuflihul mujrimoon
Fa iza no tena mpanao ny tsy rariny indrindra mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’i Allah na koa milaza fa lainga ireo teniny ? Tena marina, fa tsy ahazo fahombiazana ireo mpanao heloka bevava.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:18
🔁 0/5
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَضُرُّهُمۡ وَلَا يَنفَعُهُمۡ وَيَقُولُونَ هَٰٓؤُلَآءِ شُفَعَٰٓؤُنَا عِندَ ٱللَّهِۚ قُلۡ أَتُنَبِّـُٔونَ ٱللَّهَ بِمَا لَا يَعۡلَمُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ ١٨
Wa ya`budoona min doonil laahi maa laa yadurruhum wa laa yanfa`uhum wa yaqooloona haaa`ulaaa`i shufa`aaa `unaa `indal laah; qul atunabbi `oonal laaha bima laa ya`lamu fis samaawaati wa laa fil ard; subhaanahoo wa Ta`aalaa `ammaa yushrikoon
Ary manompo zavatra hafa ankoatr'i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanao ratsy no sady tsy afaka hanasoa azy ireo akory ary miteny izy ireo manao hoe : " Izy ireto no mpanelanelana Anay eo anatrehan’i Allah ". Teneno hoe : " Moa ve hampahalala an’i Allah izay tsy fantany any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany Ianareo ? ” Voninahitra sy laza anie ho Azy ! Ary ambony lavitra Izy noho izay atambatr’izy ireo Aminy ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:19
🔁 0/5
وَمَا كَانَ ٱلنَّاسُ إِلَّآ أُمَّةً وَٰحِدَةً فَٱخۡتَلَفُواْۚ وَلَوۡلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتۡ مِن رَّبِّكَ لَقُضِيَ بَيۡنَهُمۡ فِيمَا فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ ١٩
Wa maa kaanan naasu illaaa ummmatanw waahidatan fakh talafoo; wa law laa kalimatun sabaqat mir Rabbika laqudiya bainahum fee maa feehi yakhtalifoon
Ary tsy inona ny Olombelona afa-tsy vahoaka iray ihany tany am-piandohana, kanefa dia nifanipa-kevitra izy ireo ary raha tsy ny Teny efa vita mialoha avy amin’ny Tomponao, dia efa notsarain’i Allah izy ireo amin’izay nampifanolana azy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:20
🔁 0/5
وَيَقُولُونَ لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡهِ ءَايَةٌ مِّن رَّبِّهِۦۖ فَقُلۡ إِنَّمَا ٱلۡغَيۡبُ لِلَّهِ فَٱنتَظِرُوٓاْ إِنِّي مَعَكُم مِّنَ ٱلۡمُنتَظِرِينَ ٢٠
W yaqooloona law laaa unzila `alaihi aayatum mir Rabbihee faqul innamal ghaibu lillaahi fantaziroo innee ma`akum minal muntazireen
Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : " Raha mba misy fahagagana midina Aminy avy amin’ny Tompony ! ” Teneno hoe : " Izao ihany no izy, ho an’i Allah irery ihany ny zava-miafina, koa miandrasa Ianareo fa Izaho koa dia anisan’ny mpiandry miaraka Aminareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:21
🔁 0/5
وَإِذَآ أَذَقۡنَا ٱلنَّاسَ رَحۡمَةً مِّنۢ بَعۡدِ ضَرَّآءَ مَسَّتۡهُمۡ إِذَا لَهُم مَّكۡرٌ فِيٓ ءَايَاتِنَاۚ قُلِ ٱللَّهُ أَسۡرَعُ مَكۡرًاۚ إِنَّ رُسُلَنَا يَكۡتُبُونَ مَا تَمۡكُرُونَ ٢١
Wa izaaa azaqnan naasa rahmatam mim ba`di darraaa`a massat hum izaa lahum makrun feee aayaatinaa; qulil laahu asra`u makraa; inna rusulanaa yaktuboona maa tamkuroon
Ary raha nampandramananay ny famindram-po ireo Olona taorian’ny fahoriana nahazo azy dia indro izy ireo manomana teti-dratsy mikasika ireo Teninay. Teneno hoe : ” Allah no haingana indrindra amin’ny fanomanana tetika. Tena marina fa ireo Irakay (ireo Anjely) dia manoratra ny teti-dratsinareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:22
🔁 0/5
هُوَ ٱلَّذِي يُسَيِّرُكُمۡ فِي ٱلۡبَرِّ وَٱلۡبَحۡرِۖ حَتَّىٰٓ إِذَا كُنتُمۡ فِي ٱلۡفُلۡكِ وَجَرَيۡنَ بِهِم بِرِيحٍ طَيِّبَةٍ وَفَرِحُواْ بِهَا جَآءَتۡهَا رِيحٌ عَاصِفٌ وَجَآءَهُمُ ٱلۡمَوۡجُ مِن كُلِّ مَكَانٍ وَظَنُّوٓاْ أَنَّهُمۡ أُحِيطَ بِهِمۡ دَعَوُاْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ لَئِنۡ أَنجَيۡتَنَا مِنۡ هَٰذِهِۦ لَنَكُونَنَّ مِنَ ٱلشَّٰكِرِينَ ٢٢
Huwal lazee yusaiyirukum fil barri walbahri hattaaa izaa kuntum fil fulki wa jaraina bihim bireeh in taiyibatinw wa farihoo bihaa jaaa`at haa reehun `aasifunw wa jaaa`ahumul mawju min kulli makaaninw wa zannooo annahum uheeta bihim da`awul laaha mukhliseena lahud deena la`in anjaitanaa min haazihee lanakoonannna minash shaakireen
Izy no mampandeha Anareo eto an-tany sy eny ambonin-dranomasina, ka rehefa ao anaty sambo mitondra Olona Ianareo, izay misosa nohon'ny rivotra tsara dia faly amin’izany izy ireo. Dia tonga tampoka tamin’izy ireo ny rivo-mahery ary tonga tamin’izy ireo ihany koa ny onja avy amin’ny lafiny rehetra, dia nihevitra izy ireo fa voadidin’ny loza ka nitalaho tamin’i Allah izy ireo tamim-pinoana Azy tanteraka (no sady niteny hoe) : " Raha avotanao amin’izao izahay dia anisan’ireo mpankasitraka Anao.”
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:23
🔁 0/5
فَلَمَّآ أَنجَىٰهُمۡ إِذَا هُمۡ يَبۡغُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّۗ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّمَا بَغۡيُكُمۡ عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۖ مَّتَٰعَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ ثُمَّ إِلَيۡنَا مَرۡجِعُكُمۡ فَنُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ ٢٣
Falammaaa anjaahum izaa hum yabghoona fil ardi bighairil haqq; yaaa aiyuhannaasu innamaa bagh yukum `alaaa anfusikum mataa`al hayaatid dunyaa summa ilainaa marji`ukum fanunabbi `ukum bimaa kuntum ta`maloon
Nony novonjeny anefa izy ireo, dia indro, teny an-tanety fa nandika tsy ara-drariny ny lalàna. “Ry olombelona! Tsy hiantefa afa-tsy aminareo ihany ny fandikanareo lalàna, fa fahafinaretana mandalo amin’izao fiainana izao izany. Avy eo, dia any Aminay no fiverenanareo, ka ampahatsiarovinay anareo izay nataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:24
🔁 0/5
إِنَّمَا مَثَلُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا كَمَآءٍ أَنزَلۡنَٰهُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ فَٱخۡتَلَطَ بِهِۦ نَبَاتُ ٱلۡأَرۡضِ مِمَّا يَأۡكُلُ ٱلنَّاسُ وَٱلۡأَنۡعَٰمُ حَتَّىٰٓ إِذَآ أَخَذَتِ ٱلۡأَرۡضُ زُخۡرُفَهَا وَٱزَّيَّنَتۡ وَظَنَّ أَهۡلُهَآ أَنَّهُمۡ قَٰدِرُونَ عَلَيۡهَآ أَتَىٰهَآ أَمۡرُنَا لَيۡلًا أَوۡ نَهَارًا فَجَعَلۡنَٰهَا حَصِيدًا كَأَن لَّمۡ تَغۡنَ بِٱلۡأَمۡسِۚ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٍ يَتَفَكَّرُونَ ٢٤
Innamaa masalul hayaatid dunyaa kammaaa`in anzalnaahu minas sammaaa`i fakhtalata bihee nabaatul ardi mimmaa yaakulun naasu wal an`aam; hattaaa izaaa akhazatil ardu zukhrufahaa wazziyanat wa zanna ahluhaaa annahum qaadiroona `alaihaaa ataahaaa amrunaa lailan aw nahaaran faja`alnaahaa haseedan ka allam taghna bil-ams; kazaalika nufassilul aayaati liqawminy yatafakkaroon
Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy ny rano, izay nampidininay avy any an-danitra ka mifangaro taminy ny zava-manirin’ny tany izay ho hanin’ny Olombelona sy ny biby. Ka rehefa namoaka ny haingony ny tany sy nihatsara, dia nihevitra ny mponina ao Aminy fa eo ambanin’ny fiadidiany tanteraka izany. Dia tonga taminy (tany) ny didinay andro aman’alina, ka nataonay tany voanjinja izany, tahaka ny tany tsy nisy vokatra mihitsy omaly. Tahak’izany no hanazavanay antsipiriany ho an’ny vahoaka manam-pahalalana ireo fanambaranay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:25
🔁 0/5
وَٱللَّهُ يَدۡعُوٓاْ إِلَىٰ دَارِ ٱلسَّلَٰمِ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٍ مُّسۡتَقِيمٍ ٢٥
Wallaahu yad`ooo ilaa daaris salaami wa yahdee mai yashaaa`u ilaa Siraatim Mustaqeem
Ary i Allah dia miantso mankany amin’ny fonenana feno fiadanana ary mitari-dàlana izay sitrany ho amin’ny làla-mahitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:26
🔁 0/5
۞ لِّلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ ٱلۡحُسۡنَىٰ وَزِيَادَةٌۖ وَلَا يَرۡهَقُ وُجُوهَهُمۡ قَتَرٌ وَلَا ذِلَّةٌۚ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ٢٦
Lillazeena ahsanul husnaa wa ziyaadahtunw wa laa yarhaqu wujoohahum qatarunw wa laa zillah; ulaaa`ika ashaabul jannnati hum feehaa khaalidoon
Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny valisoa mendrika indrindra ary mihoatra izany aza.Tsy handrakotra ny tarehin’izy ireo na ny vovoka na ny fahafaham-baraka. Izy ireny no Olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:27
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ كَسَبُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ جَزَآءُ سَيِّئَةِۭ بِمِثۡلِهَا وَتَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٌۖ مَّا لَهُم مِّنَ ٱللَّهِ مِنۡ عَاصِمٍۖ كَأَنَّمَآ أُغۡشِيَتۡ وُجُوهُهُمۡ قِطَعًا مِّنَ ٱلَّيۡلِ مُظۡلِمًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ٢٧
Wallazeena kasabus saiyi aati jazaaa`u saiyi`atim bimislihaa wa tarhaquhum zillah; maa lahum minal laahi min `aasimin ka annamaaa ughshiyat wujoohuhum qita `am minal laili muzlimaa; ulaaa`ika Ashaabun Naari hum feeha khaalidoon
Ary ireo izay nanao asa ratsy kosa dia ho azy ireo ny valiny mitovy amin’izany. Ary handrakotra azy ireo ny fahafam-baraka. Tsy manana mpiaro izy ireo hiatrika i Allah toy ny voarakotry ny sombin’ny haizin’ny alina ny tarehin’izy ireo. Izy ireny no Olon’ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:28
🔁 0/5
وَيَوۡمَ نَحۡشُرُهُمۡ جَمِيعًا ثُمَّ نَقُولُ لِلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ مَكَانَكُمۡ أَنتُمۡ وَشُرَكَآؤُكُمۡۚ فَزَيَّلۡنَا بَيۡنَهُمۡۖ وَقَالَ شُرَكَآؤُهُم مَّا كُنتُمۡ إِيَّانَا تَعۡبُدُونَ ٢٨
Wa yawma nahshuruhum jamee`an summa naqoolu lillazeena ashrakoo makaanakum antum wa shurakaaa`ukum; fazaiyalnaa bainahum wa qaala shurakaaa`uhum maa kuntum iyyaanaa ta`budoon
Ary amin’ny Andro hanangonanay azy rehetra, avy eo dia hiteny Izahay amin’ireo izay nanakambana Allah amin’ny hafa hoe : " Raiso ny toeranareo, Ianareo sy ireo mpiombon’antoka taminareo.” Hampisarahanay izy ireo ary hiteny ireo mpiombon’antoka amin’izy ireo hanao hoe : " Tsy Izahay velively no notompoinareo.”
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:29
🔁 0/5
فَكَفَىٰ بِٱللَّهِ شَهِيدَۢا بَيۡنَنَا وَبَيۡنَكُمۡ إِن كُنَّا عَنۡ عِبَادَتِكُمۡ لَغَٰفِلِينَ ٢٩
Fakafaa billaahi shaheedam bainanaa wa bainakum in kunnaa `an `ibaadatikum laghaafileen
Ary ampy ho vavolombelona Aminay sy Anareo i Allah. Izahay dia tsy mahalala tanteraka mahakasika ny fanompoanareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:30
🔁 0/5
هُنَالِكَ تَبۡلُواْ كُلُّ نَفۡسٍ مَّآ أَسۡلَفَتۡۚ وَرُدُّوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ مَوۡلَىٰهُمُ ٱلۡحَقِّۖ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ ٣٠
Hunaalika tabloo kullu nafsim maaa aslafat; wa ruddoo ilal laahi mawlaahu mul haqqi wa dalla `anhum maa kaanoo yaftaroon
Amin’izany dia hatsapa izay nataony teo aloha ny tsirairay. Haverina izy ireo any amin’i Allah Tompon’izy ireo ilay marina ary very, nandao azy ireo izay noforonin'izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:31
🔁 0/5
قُلۡ مَن يَرۡزُقُكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ أَمَّن يَمۡلِكُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَمَن يُخۡرِجُ ٱلۡحَيَّ مِنَ ٱلۡمَيِّتِ وَيُخۡرِجُ ٱلۡمَيِّتَ مِنَ ٱلۡحَيِّ وَمَن يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَۚ فَسَيَقُولُونَ ٱللَّهُۚ فَقُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ ٣١
Qul mai yarzuqukum minas samaaa`i wal ardi ammany yamlikus sam`a wal absaara wa mai yukhrijul haiya minal maiyiti wa yikhrijul maiyita minal haiyi wa mai yudabbirul amr; fasa yaqooloonal laah; faqul afalaa tattaqoon
Teneno hoe : " iza no manome anjara ho Anareo avy any an-danitra sy ety an-tany, na koa iza no mitantana ny fandrenesana sy ny fahitana ary iza no mamoaka ny velona amin’ny maty sy mamoaka ny maty amin’ny velona ary iza no mandrindra ny raharaha rehetra ? ” dia hiteny izy ireo ka hanao hoe : " Allah ”, ka teneno hoe : " ka moa tsy matahotra Azy va ianareo ? ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:32
🔁 0/5
فَذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمُ ٱلۡحَقُّۖ فَمَاذَا بَعۡدَ ٱلۡحَقِّ إِلَّا ٱلضَّلَٰلُۖ فَأَنَّىٰ تُصۡرَفُونَ ٣٢
Fazaalikumul laahu Rabbukumul haqq; famaazaa ba`dal haqqi illad dalaalu fa annnaa tusrafoon
Izany i Allah Tomponareo, ilay Marina, ka inona no aorian’ny fahamarinana raha tsy ny fahaverezana ? Ary inona indray no mampivily làlana Anareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:33
🔁 0/5
كَذَٰلِكَ حَقَّتۡ كَلِمَتُ رَبِّكَ عَلَى ٱلَّذِينَ فَسَقُوٓاْ أَنَّهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ ٣٣
Kazaalika haqqat Kalimatu Rabbika `alal lazeena fasaqooo annahum laa yu`minoon
Tahak’izany no nahatanteraka ny tenin’ny tomponao tamin’ireo izay nanao asa ratsy : “ Fa izy ireo dia tena tsy nino mihitsy ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:34
🔁 0/5
قُلۡ هَلۡ مِن شُرَكَآئِكُم مَّن يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥۚ قُلِ ٱللَّهُ يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥۖ فَأَنَّىٰ تُؤۡفَكُونَ ٣٤
Qul hal min shurakaaa `ikum mai yabda`ul khalqa suma yu`eeduh; qulil laahu yabda`ul khalqa summa yu`eeduhoo fa annaa tu`fakoon
Teneno hoe : " Amin’ireo mpiombon’antoka Aminareo, iza no manomboka amin’ny fahariana avy eo izy no mamerina izany aoriana (fahafatesana) Teneno hoe : i Allah irery ihany no manomboka ny fahariana sy mamerina izany. Nahoana Ianareo no mivily làlana (amin’ny fanopoana Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:35
🔁 0/5
قُلۡ هَلۡ مِن شُرَكَآئِكُم مَّن يَهۡدِيٓ إِلَى ٱلۡحَقِّۚ قُلِ ٱللَّهُ يَهۡدِي لِلۡحَقِّۗ أَفَمَن يَهۡدِيٓ إِلَى ٱلۡحَقِّ أَحَقُّ أَن يُتَّبَعَ أَمَّن لَّا يَهِدِّيٓ إِلَّآ أَن يُهۡدَىٰۖ فَمَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ ٣٥
Qul hal min shurakaaa `ikum mai yahdeee ilal haqq; qulil laahu yahdee lilhaqq; afamai yahdeee ilal haqqi ahaqqu ai yuttaba`a ammal laa yahiddeee illaaa ai yuhdaa famaa lakum kaifa tahkumoon
Teneno hoe : " Moa ve misy amin’ireo mpiombon’antoka Aminareo izay mitarika mankany amin’ny fahamarinana ? ” Teneno hoe : i Allah no mitarika any amin’ny fahamarinana. Moa ve izay mitarika amin’ny fahamarinana no mendrika arahana kokoa sa izay tsy mahatari-tena raha tsy misy mpitarika Azy ? Inona àry no mahazo Anareo ? Ahoana no fitsaranareo izany ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:36
🔁 0/5
وَمَا يَتَّبِعُ أَكۡثَرُهُمۡ إِلَّا ظَنًّاۚ إِنَّ ٱلظَّنَّ لَا يُغۡنِي مِنَ ٱلۡحَقِّ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِمَا يَفۡعَلُونَ ٣٦
Wa maa yattabi`u aksaruhum illaa zannaa; innaz zanna laa yughnee minal haqqi shai`aa; innal laaha `Aleemum bimaa yaf`aloon
Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy manaraka afa-tsy amin’ny eritreritra. Ny eritreritra anefa dia tsy afaka manao na inona na inona eo anatrehan’ny fahamarinana ! Marina fa i Allah dia tena mahalala izay rehetra ataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:37
🔁 0/5
وَمَا كَانَ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانُ أَن يُفۡتَرَىٰ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَلَٰكِن تَصۡدِيقَ ٱلَّذِي بَيۡنَ يَدَيۡهِ وَتَفۡصِيلَ ٱلۡكِتَٰبِ لَا رَيۡبَ فِيهِ مِن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ ٣٧
Wa maa kaana haazal Quraanu ai yuftaraa min doonil laahi wa laakin tasdeeqal lazee baina yadaihi wa tafseelal Kitaabi laa raiba fee mir Rabbil `aalameen
Ary ity Boky masina Koroany ity dia tsy misy namorona ankoatr’i Allah, nefa fanamafisana izay efa nisy teo alohany ary fanazavana ilay Boky izay tsy misy fisalasalana Aminy fa avy amin’ny tompon’izao Tontolo izao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:38
🔁 0/5
أَمۡ يَقُولُونَ ٱفۡتَرَىٰهُۖ قُلۡ فَأۡتُواْ بِسُورَةٍ مِّثۡلِهِۦ وَٱدۡعُواْ مَنِ ٱسۡتَطَعۡتُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ٣٨
Am yaqooloonaf taraahu qul faatoo bisooratim mislihee wad`oo manis tata`tum min doonil laahi in kuntum saadiqeen
Sa hiteny izy ireo hoe : “Noforoniny (Mohammad) va izany?”. Valio hoe : “Manaova ary ianareo antokon-tsoratra mitovy amin’ity, ary antsoy hanampy anareo izay tianareo ankoatra an’Allah, raha tena mpilaza ny marina tokoa ianareo”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:39
🔁 0/5
بَلۡ كَذَّبُواْ بِمَا لَمۡ يُحِيطُواْ بِعِلۡمِهِۦ وَلَمَّا يَأۡتِهِمۡ تَأۡوِيلُهُۥۚ كَذَٰلِكَ كَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۖ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلظَّٰلِمِينَ ٣٩
Bal kazzaboo bimaa lam yuheetoo bi`ilmihee wa lammaa yaatihim taaweeluh; kazaalika kazzabal lazeena min qablihim fanzur kaifa kaana `aaqibatuz zaalimeen
Tsy izany mihitsy : Milaza izy ireo fa lainga izay tsy voafehin’ny fahalalany ary tsy mbola tonga amin’izy ireo ny fanazavana Azy .Tahaka izany no nataon’ireo (izay niaina) teo alohan’izy ireo ka nampandainga ireo Iraka. Jereo àry fa ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:40
🔁 0/5
وَمِنۡهُم مَّن يُؤۡمِنُ بِهِۦ وَمِنۡهُم مَّن لَّا يُؤۡمِنُ بِهِۦۚ وَرَبُّكَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُفۡسِدِينَ ٤٠
Wa minhum mai yu `minu bihee wa minhum mal laa yu`minu bih; wa Rabbuka a`lamu bilmufsideen
Ary misy amin’izy ireo izay mino izany nefa misy ihany koa izay tsy mino izany. Ary ny Tomponao no tena mahalala ireo izay mpanao asa fanimbana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:41
🔁 0/5
وَإِن كَذَّبُوكَ فَقُل لِّي عَمَلِي وَلَكُمۡ عَمَلُكُمۡۖ أَنتُم بَرِيٓـُٔونَ مِمَّآ أَعۡمَلُ وَأَنَا۠ بَرِيٓءٌ مِّمَّا تَعۡمَلُونَ ٤١
Wa in kazzabooka faqul lee `amalee wa lakum `amalukum antum bareee`oona mimmaaa a`malu wa ana bareee`um mimmaa ta`maloon
Ary raha manao Anao ho mpadainga izy ireo dia lazao fa hoe : " Ahy ny asako ary ho Anareo ny asanareo. Ianareo dia tsy tompon’andraikitra amin’ny asa izay Ataoko ary Izaho dia manalavitra Anareo amin’ny asa izay Ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:42
🔁 0/5
وَمِنۡهُم مَّن يَسۡتَمِعُونَ إِلَيۡكَۚ أَفَأَنتَ تُسۡمِعُ ٱلصُّمَّ وَلَوۡ كَانُواْ لَا يَعۡقِلُونَ ٤٢
Wa minhum mai yastami`oona iliak; afa anta tusmi`us summa wa law kaanoo la ya`qiloon
Ary misy amin’izy ireo izay mihaino Anao. Moa ve Ianao afaka mampaheno ireo marenina na dia tsy misaina aza izy ireo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:43
🔁 0/5
وَمِنۡهُم مَّن يَنظُرُ إِلَيۡكَۚ أَفَأَنتَ تَهۡدِي ٱلۡعُمۡيَ وَلَوۡ كَانُواْ لَا يُبۡصِرُونَ ٤٣
Wa minhum mai yanzuru ilaik; afa anta tahdil `umya wa law kaanoo laa yubsiroon
Ary misy amin’izy ireo izay mijery Anao. Ka moa ve Ianao afaka hitari-dàlana ireo jamba na dia tsy mahita aza izy ireo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:44
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَظۡلِمُ ٱلنَّاسَ شَيۡـًٔا وَلَٰكِنَّ ٱلنَّاسَ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ ٤٤
Innal laaha laa yazlimun naasa shai`anw wa laakin nannaasa anfusahum yazlimoon
Marina fa i Allah dia tsy miangatra amin’ny Olona na dia kely aza, fa ny Olona ihany kosa no manao ny tsy rariny amin’ny tenany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:45
🔁 0/5
وَيَوۡمَ يَحۡشُرُهُمۡ كَأَن لَّمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا سَاعَةً مِّنَ ٱلنَّهَارِ يَتَعَارَفُونَ بَيۡنَهُمۡۚ قَدۡ خَسِرَ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِلِقَآءِ ٱللَّهِ وَمَا كَانُواْ مُهۡتَدِينَ ٤٥
Wa Yawma yahshuruhum ka al lam yalbasooo illaa saa`atam minan nahaari yata`aarafoona bainahum; qad khasiral lazeena kazzaboo biliqaaa`il laahi wa maa kaanoo muhtadeen
Amin’ny Andro hamoriany azy ireo, dia toy ny tsy nijanona (tao am-pasany) afa-tsy adiny iray monja tamin’ny atoandro izay afahan’izy ireo hifankahalala. Tena maty antoka ireo izay nilaza fa lainga ny fihaonana amin’i Allah no sady tsy mpanara-dàlana mihitsy izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:46
🔁 0/5
وَإِمَّا نُرِيَنَّكَ بَعۡضَ ٱلَّذِي نَعِدُهُمۡ أَوۡ نَتَوَفَّيَنَّكَ فَإِلَيۡنَا مَرۡجِعُهُمۡ ثُمَّ ٱللَّهُ شَهِيدٌ عَلَىٰ مَا يَفۡعَلُونَ ٤٦
Wa imma nuriyannaka ba`dal lazee na`iduhum aw natawaffayannaka fa ilainaa marji`uhum summal laahu shaheedun `alaa maa yaf`aloon
Na hampahitanay Anao ny sasany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na ho tamperinay tanteraka ny fiainanao ary tsy maintsy aty Aminay ihany no hiverenan’izy ireo. Manarak’izany, i Allah dia vavolombelona amin’izay rehetra ataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:47
🔁 0/5
وَلِكُلِّ أُمَّةٍ رَّسُولٌۖ فَإِذَا جَآءَ رَسُولُهُمۡ قُضِيَ بَيۡنَهُم بِٱلۡقِسۡطِ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ ٤٧
Wa likulli ummatir Rasoolun fa izaa jaaa`a Rasooluhum qudiya bainahum bilqisti wa hum laa yuzlamoon
Isaky ny vahoaka dia nanana Iraka. Ary rehefa tonga ny Iraka ho azy ireo dia voatsara ara-drariny ary tsy nisy fiangarana tamin’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:48
🔁 0/5
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ٤٨
Wa yaqooloona mataa haazal wa`du in kuntum saadiqeen
Ary miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa Ianareo ? ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:49
🔁 0/5
قُل لَّآ أَمۡلِكُ لِنَفۡسِي ضَرًّا وَلَا نَفۡعًا إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۗ لِكُلِّ أُمَّةٍ أَجَلٌۚ إِذَا جَآءَ أَجَلُهُمۡ فَلَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ سَاعَةً وَلَا يَسۡتَقۡدِمُونَ ٤٩
Qul laaa amliku linafsee darranw wa laa naf`an illaa maa shaaa`al laah; likulli ummatin ajalun izaa jaaa`a ajaluhum falaaa yastaakhiroona saa`a tanw wa laa yastaqdimoon
Teneno : " Izaho dia tsy manana na inona na inona hampahory na hanasoa ny tenako afa-tsy izay sitrak’i Allah. Ny vahoaka tsirairay dia samy manana fe-potoana hiafarany. Rehefa tonga ny fe-potoan’izy ireo, dia tsy misy afaka hampihemotra na dia adiny iray aza izy ireo na hampandroso izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:50
🔁 0/5
قُلۡ أَرَءَيۡتُمۡ إِنۡ أَتَىٰكُمۡ عَذَابُهُۥ بَيَٰتًا أَوۡ نَهَارًا مَّاذَا يَسۡتَعۡجِلُ مِنۡهُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ ٥٠
Qul ara`aitum in ataakum `azaabuhoo bayaatan aw nahaaram maazaa yasta`jilu minhul mujrimoon
Teneno hoe : " Moa ve hitanareo raha tonga eo Aminareo ny Saziny amin’ny alina na amin’ny atoandro, mba inona no azon’ireo mpanao heloka bevava hafainganina amin’izany ? ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:51
🔁 0/5
أَثُمَّ إِذَا مَا وَقَعَ ءَامَنتُم بِهِۦٓۚ ءَآلۡـَٰٔنَ وَقَدۡ كُنتُم بِهِۦ تَسۡتَعۡجِلُونَ ٥١
Asumma izaa maa waqa`a aamantum bih; aaal`aana wa qad kuntum bihee tasta`jiloon
Moa ve rehefa mitranga tokoa izany vao hino Ianareo ? Ankehitriny ! Nefa Ianareo teo aloha dia nitaky ny fahatongavan’izany haingana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:52
🔁 0/5
ثُمَّ قِيلَ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ ذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡخُلۡدِ هَلۡ تُجۡزَوۡنَ إِلَّا بِمَا كُنتُمۡ تَكۡسِبُونَ ٥٢
Summa qeela lillazeena zalamoo zooqoo `azaabal khuld hal tujzawna illaa bimaa kuntum taksiboon
Ary dia ho tenenina amin’ireo izay nanao ny tsy rariny hoe : "Andramonareo ny sazy maharitra mandrakizay! Moa va ho valiana ianareo afa-tsy izay nataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:53
🔁 0/5
۞ وَيَسۡتَنۢبِـُٔونَكَ أَحَقٌّ هُوَۖ قُلۡ إِي وَرَبِّيٓ إِنَّهُۥ لَحَقٌّۖ وَمَآ أَنتُم بِمُعۡجِزِينَ ٥٣
Wa yastambi`oonaka ahaqqun huwa qul ee wa Rabbeee innahoo lahaqq; wa maaa antum bimu`jizeen
Ary mangataka fanazavana avy Aminao izy ireo : " Moa ve marina izany ? ” Teneno fa hoe : " Marina ! Mianiana amin’ny Tompoko Aho ! Tena marina tokoa izany. Ary Ianareo dia tena tsy afaka hanakana izany mihitsy ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:54
🔁 0/5
وَلَوۡ أَنَّ لِكُلِّ نَفۡسٍ ظَلَمَتۡ مَا فِي ٱلۡأَرۡضِ لَٱفۡتَدَتۡ بِهِۦۗ وَأَسَرُّواْ ٱلنَّدَامَةَ لَمَّا رَأَوُاْ ٱلۡعَذَابَۖ وَقُضِيَ بَيۡنَهُم بِٱلۡقِسۡطِ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ ٥٤
Wa law anna likulli nafsin zalamat maa fil ardi laftadat bih; wa asarrun nadaamata lammaa ra awul `azaab, wa qudiya bainahum bilqist; wa hum laa yuzlamoon
Ary raha ny Olona tsirairay izay nanao ny tsy rariny nanana izay rehetra eto an-tany, dia tena nataony onitra izany. Ary nafenin’izy ireo ny fanenenany rehefa hitany ny famaizana. Fa ho tsaraina izy ireo amin’ny rariny ary tsy hiangarana mihitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:55
🔁 0/5
أَلَآ إِنَّ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ أَلَآ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقٌّ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ ٥٥
Alaaa inna lillaahi maa fis samaawaati wal ard; alaaa inna wa`dal laahi haqqunw wa laakinna aksarahum laa ya`lamoon
Tena marina, fa an’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany. Moa va tsy marina ihany koa ny fampanantenan’i Allah ? Ka nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:56
🔁 0/5
هُوَ يُحۡيِۦ وَيُمِيتُ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ ٥٦
Huwa yuhyee wa yumeetu wailaihi turja`oon
Izy no mamelona sy mamono ary tsy maintsy any Aminy no hamerenana Anareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:57
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ قَدۡ جَآءَتۡكُم مَّوۡعِظَةٌ مِّن رَّبِّكُمۡ وَشِفَآءٌ لِّمَا فِي ٱلصُّدُورِ وَهُدًى وَرَحۡمَةٌ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ ٥٧
Yaaa aiyuhan naasu qad jaaa`atkum maw `izatum mir Rabbikum wa shifaaa`ul limaa fis sudoori wa hudanw wa rahmatul lilmu`mineen
Ry olombelona! Tonga taminareo ny fananarana avy amin’ny Tomponareo, sy fanasitranana izay ao an-tratranareo, ary tari-dàlana sy famindram-po ho an’ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:58
🔁 0/5
قُلۡ بِفَضۡلِ ٱللَّهِ وَبِرَحۡمَتِهِۦ فَبِذَٰلِكَ فَلۡيَفۡرَحُواْ هُوَ خَيۡرٌ مِّمَّا يَجۡمَعُونَ ٥٨
Qul bifadlil laahi wa birahmatihii fabizaalika falyaf rahoo huwa khairum mimmaa yajma`oon
Teneno hoe : " Amin’ny fahasoavan’i Allah sy ny indrafony, ka amin’izany no tokony hifalian’izy ireo. Izany dia tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:59
🔁 0/5
قُلۡ أَرَءَيۡتُم مَّآ أَنزَلَ ٱللَّهُ لَكُم مِّن رِّزۡقٍ فَجَعَلۡتُم مِّنۡهُ حَرَامًا وَحَلَٰلًا قُلۡ ءَآللَّهُ أَذِنَ لَكُمۡۖ أَمۡ عَلَى ٱللَّهِ تَفۡتَرُونَ ٥٩
Qul ara`aitum maaa anzalal laahu lakum mir rizqin faja`altum minhu haraamanw wa halaalan qul aaallaahu azina lakum am `alal laahi taftaroon
Teneno hoe : " Moa ve hitanareo ny anjara izay nampidinin’i Allah ho Anareo ka nataonareo ho misy amin’izany, ny voarara sy ny tsy voarara ? ” Teneno hoe : " Moa ve i Allah no nanome alalana anareo amin’izany ? Na koa momba Allah no hamoronanareo lainga ? ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:60
🔁 0/5
وَمَا ظَنُّ ٱلَّذِينَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَشۡكُرُونَ ٦٠
Wa maa zannul lazeena yaftaroona `alal laahil kaziba Yawmal Qiyaamah; innal laaha lazoo fadlin `alan naasi wa laakinna aksarahum laa yashkuroon
Ary inona no eritreritr’ireo izay mamoron-dainga momba i Allah amin’ny Andro fitsanganana ? Marina fa i Allah no Tompon’ny fahasoavana ho an’ny Olona, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahay mankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:61
🔁 0/5
وَمَا تَكُونُ فِي شَأۡنٍ وَمَا تَتۡلُواْ مِنۡهُ مِن قُرۡءَانٍ وَلَا تَعۡمَلُونَ مِنۡ عَمَلٍ إِلَّا كُنَّا عَلَيۡكُمۡ شُهُودًا إِذۡ تُفِيضُونَ فِيهِۚ وَمَا يَعۡزُبُ عَن رَّبِّكَ مِن مِّثۡقَالِ ذَرَّةٍ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فِي ٱلسَّمَآءِ وَلَآ أَصۡغَرَ مِن ذَٰلِكَ وَلَآ أَكۡبَرَ إِلَّا فِي كِتَٰبٍ مُّبِينٍ ٦١
Wa maa takoonu fee shaaninw wa maa tatloo minhu min quraaninw wa laa ta`maloona min `amalin illaa kunnaa `alaikum shuhoodan iz tufeedoona feeh; wa maa ya`zubu `ar Rabbika mim mis qaali zarratin fil ardi wa laa fis samaaa`i wa laaa asghara min zaalika wa laaa akbara illaa fee Kitaabim Mubeen
Tsy misy toerana hisy anao, ary tsy hamaky na andininy iray amin’ny Kor’any ianao, tsy hanatanteraka asa ianareo na iray aza, raha tsy Atrehinay izany amin’ny fotoana izay anaovanareo azy. Tsy misy miafina amin’ny Tomponao na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atôma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokimpahazavana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:62
🔁 0/5
أَلَآ إِنَّ أَوۡلِيَآءَ ٱللَّهِ لَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ ٦٢
Alaa innaa awliyaaa`al laahi laa khawfun `alaihim wa laa hum yahzanoon
Tena marina fa ireo sakaizan’i Allah dia tsy hanam-patahorana ary tsy ho alahelo mihitsy izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:63
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَكَانُواْ يَتَّقُونَ ٦٣
Allazeena aamanoo wa kaanoo yattaqoon
Ireo izay nino sy izay natahotra (an’i Allah).
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:64
🔁 0/5
لَهُمُ ٱلۡبُشۡرَىٰ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَفِي ٱلۡأٓخِرَةِۚ لَا تَبۡدِيلَ لِكَلِمَٰتِ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ ٦٤
Lahumul bushraa filha yaatid dunyaa wa fil Aakhirah; laa tabdeela likalimaatil laah; zaalika huwal fawzul `azeem
Misy ho azy ireo ny vaovao mahafaly ety amin’ny fiainana an-tany sy amin’ny fiainana any an-koatra. Tsy hisy fiovana ireo tenin’i Allah. Izany no ilay fahombiazana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:65
🔁 0/5
وَلَا يَحۡزُنكَ قَوۡلُهُمۡۘ إِنَّ ٱلۡعِزَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًاۚ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ ٦٥
Wa laa yahzunka qawluhum; innal `izzata lillaahi jamee`aa; Huwas Samee`ul `Aleem
Aoka tsy hampalahelo Anao ny tenin’izy ireo. Marina fa ny hery rehetra dia ho an’i Allah. Izy ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:66
🔁 0/5
أَلَآ إِنَّ لِلَّهِ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَمَا يَتَّبِعُ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ شُرَكَآءَۚ إِن يَتَّبِعُونَ إِلَّا ٱلظَّنَّ وَإِنۡ هُمۡ إِلَّا يَخۡرُصُونَ ٦٦
Alaaa inna lillaahi man fis samaawaati wa man fil ard; wa maa yattabi`ul lazeena yad`oona min doonil laahi shurakaaa`; iny yattabi`oona illaz zannna wa in hum illaa yakhrusoon
Moa tsy marina fa an’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra eto an-tany. Inona no arahin’ireo izay miantso ny mpiara- miombon’antoka ankoatr’i Allah ? Tsy manaraka izy ireo afa-tsy ny eritreritra ary tsy manao izy ireo afa-tsy ny mandainga.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:67
🔁 0/5
هُوَ ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلَّيۡلَ لِتَسۡكُنُواْ فِيهِ وَٱلنَّهَارَ مُبۡصِرًاۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍ لِّقَوۡمٍ يَسۡمَعُونَ ٦٧
Huwal lazee ja`ala lakumul laila litaskunoo feehi wannahaara mubsiraa; inna fee zaalika la Aayaatil liqawmai yasma`oon
Izy izay manao ho Anareo ny alina mba hialanareo sasatra ary ny andro mba ahafahanareo mahita ny mazava. Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro ho an’ny vahoaka mihaino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:68
🔁 0/5
قَالُواْ ٱتَّخَذَ ٱللَّهُ وَلَدًاۗ سُبۡحَٰنَهُۥۖ هُوَ ٱلۡغَنِيُّۖ لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ إِنۡ عِندَكُم مِّن سُلۡطَٰنِۭ بِهَٰذَآۚ أَتَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ ٦٨
Qaalut takhazal laahu waladan Subhaanahoo Huwal Ghaniyyu lahoo maa fis samaawaati wa maa fil ard; in `indakum min sultaanim bihaazaaa; ataqooloona `alal laahi maa laa ta`lamoon
Miteny izy ireo hoe : “Nanan-janaka Allah”, Azy anefa ny Voninahitra sy ny Fahadiovana! Izy no Ilay manana ny ampy tanteraka. Azy avokoa izay rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany; tsy manana porofo amin’izany ianareo. Hiteny zavatra mifanohitra amin’Allah amin’izay tsy fantatrareo va ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:69
🔁 0/5
قُلۡ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ لَا يُفۡلِحُونَ ٦٩
Qul innal lazeena yaftaroona `alal laahil kaziba laa yuflihoon
Teneno hoe : " Marina fa ireo izay mamoron-dainga momba i Allah dia tsy hahita fahombiazana mihitsy ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:70
🔁 0/5
مَتَٰعٌ فِي ٱلدُّنۡيَا ثُمَّ إِلَيۡنَا مَرۡجِعُهُمۡ ثُمَّ نُذِيقُهُمُ ٱلۡعَذَابَ ٱلشَّدِيدَ بِمَا كَانُواْ يَكۡفُرُونَ ٧٠
Mataa`un fiddunyaa summa ilainaa marji`uhum summa nuzeequhumul `azaabash shadeeda bimaa kaanoo yakkfuroon
Izany dia fahafinaretana mandalo eto an-tany ary dia aty Aminay no fiverenan’izy ireo, avy eo ihany koa dia hampandramananay azy ireo ny sazy mahery vaika nohon'izy ireo tsy nino no sady tsy manampinoana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:71
🔁 0/5
۞ وَٱتۡلُ عَلَيۡهِمۡ نَبَأَ نُوحٍ إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦ يَٰقَوۡمِ إِن كَانَ كَبُرَ عَلَيۡكُم مَّقَامِي وَتَذۡكِيرِي بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ فَعَلَى ٱللَّهِ تَوَكَّلۡتُ فَأَجۡمِعُوٓاْ أَمۡرَكُمۡ وَشُرَكَآءَكُمۡ ثُمَّ لَا يَكُنۡ أَمۡرُكُمۡ عَلَيۡكُمۡ غُمَّةً ثُمَّ ٱقۡضُوٓاْ إِلَيَّ وَلَا تُنظِرُونِ ٧١
Watlu `alaihim naba-a-Noohin iz qaala liqawmihee yaa qawmi in kaana kabura `alaikum maqaamee wa tazkeeree bi Aayaatil laahi fa`alal laahi tawakkaltu fa ajmi`ooo amrakum wa shurakaaa`akum summa laa yakun amrukum `alaikum ghummatan summmaq dooo ilaiya wa laa tunziroon
Tantarao amin’izy ireo ny vaovao mahakasika i Noe (Noa), rehefa niteny izy, tamin’ireo vahoakany nanao hoe : " Oh ry vahoakako, raha mavesatra Aminareo ny fipetrahako eto Aminareo sy ny fampahatsiahivako ireo famantarana mahakasika an'i Allah, dia any amin’i Allah no hametrahako ny fitokisako. Atambaro ny hevitrareo sy ireo mpiombon’antoka aminareo ary aoka tsy afeninareo izay didy tapahanareo. Avy eo, tanterahanareo ny fanapahan-kevitra momba ahy ary aza avelanareo hiandry mihitsy aho.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:72
🔁 0/5
فَإِن تَوَلَّيۡتُمۡ فَمَا سَأَلۡتُكُم مِّنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَى ٱللَّهِۖ وَأُمِرۡتُ أَنۡ أَكُونَ مِنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ ٧٢
Fa in tawallaitum famaa sa altukum min ajrin in ajriya illaa `alal laahi wa umirtu an akoona minal muslimeen
Raha mitodi-damosina Ianareo, dia tsy nangataka tambiny Aminareo Aho... tsy misy hanome tambiny Ahy afa-tsy i Allah irery ihany. Ary nodidiny Aho mba ho anisan’ireo mpanaiky Azy tanteraka ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:73
🔁 0/5
فَكَذَّبُوهُ فَنَجَّيۡنَٰهُ وَمَن مَّعَهُۥ فِي ٱلۡفُلۡكِ وَجَعَلۡنَٰهُمۡ خَلَٰٓئِفَ وَأَغۡرَقۡنَا ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَاۖ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُنذَرِينَ ٧٣
Fakazzaboohu fanajjainaahu wa mamm`ahoo fil fulki wa ja`alnaahum khalaaa`ifa wa aghraqnal lazeena kazzaboo bi aayaatinaa fanzur kaifa kaana `aaqibatul munzareen
Nolazain’izy ireo fa mpandainga Izy. Ka navotanay Izy sy ireo izay niaraka Taminy tao amin’ilay Sambo fiara ary nataonay ho mpandimby eto an-tany izy ireo. Ary narendrikay ireo izay nilaza fa lainga ireo porofonay. Ka jereo ahoana no niafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:74
🔁 0/5
ثُمَّ بَعَثۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِۦ رُسُلًا إِلَىٰ قَوۡمِهِمۡ فَجَآءُوهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَمَا كَانُواْ لِيُؤۡمِنُواْ بِمَا كَذَّبُواْ بِهِۦ مِن قَبۡلُۚ كَذَٰلِكَ نَطۡبَعُ عَلَىٰ قُلُوبِ ٱلۡمُعۡتَدِينَ ٧٤
Summma ba`asnaa mim ba`dihee Rusulan ilaa qawmihim fajaaa`oohum bilbaiyinaati famaa kaanoo liyu`minoo bimaa kazzaboo bihee min qabl; kazaalika natba`u `alaa quloobil mu`tadeen
Ary taoriany, Izahay dia nandefa Iraka maro tamin’ny vahoakan’izy ireo. Tonga Taminy (vahoaka) niaraka tamin’ny porofo mazava izy ireo. Ka nefa tsy vonona hino izay efa nolazain’izy ireo fa lainga teo aloha izy ireo. Tahak’izany no hanidinay tanteraka ny Fon’ireo izay mpandika lalàna.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:75
🔁 0/5
ثُمَّ بَعَثۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِم مُّوسَىٰ وَهَٰرُونَ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ بِـَٔايَٰتِنَا فَٱسۡتَكۡبَرُواْ وَكَانُواْ قَوۡمًا مُّجۡرِمِينَ ٧٥
Summa ba`asnaa mim ba`dihim Moosaa Wa Haaroona ilaa Fir`awna wa mala`ihee bi aayaatinaa fastakbaroo wa kaanoo qawmam mujrimeen
Avy eo dia nalefanay taorian’izy ireny i Moussa (Mosesy) sy i Harona (Arona) tamin’i Faraona sy ny loholony niaraka tamin’ireo porofonay. Ka nefa nanambony tena izy ireo ary izy ireo dia vahoaka efa mpanao heloka bevava.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:76
🔁 0/5
فَلَمَّا جَآءَهُمُ ٱلۡحَقُّ مِنۡ عِندِنَا قَالُوٓاْ إِنَّ هَٰذَا لَسِحۡرٌ مُّبِينٌ ٧٦
Falammaa jaaa`ahumul haqqu min `indinaa qaalooo inna haazaa lasihrum mubeen
Rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana avy taty Aminay, dia niteny izy ireo hoe ka nanao hoe: : " Marina fa tena majika miharihary izany ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:77
🔁 0/5
قَالَ مُوسَىٰٓ أَتَقُولُونَ لِلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَكُمۡۖ أَسِحۡرٌ هَٰذَا وَلَا يُفۡلِحُ ٱلسَّٰحِرُونَ ٧٧
Qaalaa Moosaaa ataqooloona lilhaqqi lammmaa jaaa`a kum asihrun haazaa wa laa yuflihus saabiroon
Hoy i Moussa : “Moa miteny amin’ny fahamarinana va ianareo, raha tonga aminareo izy hoe : majika va izany? Nefa tsy mahomby velively ireo mpanao majika”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:78
🔁 0/5
قَالُوٓاْ أَجِئۡتَنَا لِتَلۡفِتَنَا عَمَّا وَجَدۡنَا عَلَيۡهِ ءَابَآءَنَا وَتَكُونَ لَكُمَا ٱلۡكِبۡرِيَآءُ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا نَحۡنُ لَكُمَا بِمُؤۡمِنِينَ ٧٨
Qaaloo aji`tanaa litalfitanaa `ammaa wajadnaa `alaihi aabaaa`anaa wa takoona lakumal kibriyaaa`u fil ardi wa maa nahnu lakumaa bimu` mineen
Niteny izy ireo ka nanao hoe : moa ve tonga aty Aminay Ianao mba hampitodika Anay hiala amin’izay efa hitanay tamin’ireo razambenay, ka ho lasanareo roa lahy ny fahamboniana eto an-tany ? Ary Izahay dia tsy hino Anareo roa mihitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:79
🔁 0/5
وَقَالَ فِرۡعَوۡنُ ٱئۡتُونِي بِكُلِّ سَٰحِرٍ عَلِيمٍ ٧٩
Wa qaala Fir`awnu` toonee bikulli saahirin `aleem
Ary niteny I Faraona ka nanao hoe : " Ento aty Amiko ireo mpanao majika mahay indrindra ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:80
🔁 0/5
فَلَمَّا جَآءَ ٱلسَّحَرَةُ قَالَ لَهُم مُّوسَىٰٓ أَلۡقُواْ مَآ أَنتُم مُّلۡقُونَ ٨٠
Falammaa jaaa`assa haratu qaala lahum Moosaaa alqoo maaa antum mulqoon
Ary rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny i Moussa tamin’izy ireo ka nanao hoe : " Atsipazo izay efa nomaninareo ho atsipy ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:81
🔁 0/5
فَلَمَّآ أَلۡقَوۡاْ قَالَ مُوسَىٰ مَا جِئۡتُم بِهِ ٱلسِّحۡرُۖ إِنَّ ٱللَّهَ سَيُبۡطِلُهُۥٓ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُصۡلِحُ عَمَلَ ٱلۡمُفۡسِدِينَ ٨١
Falammaaa alqaw qaala Moosaa maa ji`tum bihis sihru innal laaha sa yubtiluhoo innal laaha laa yuslihu `amalal mufsideen
Ary rehefa nanipy izy ireo dia niteny i Moussa (A.s) ka nanao hoe : " izay rehetra nentinareo dia majika tokoa ! " Marina fa i Allah dia hanafoana izany. Ary i Allah dia tsy hampahomby ny asan’ireo mpanao ny ratsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:82
🔁 0/5
وَيُحِقُّ ٱللَّهُ ٱلۡحَقَّ بِكَلِمَٰتِهِۦ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡمُجۡرِمُونَ ٨٢
Wa yuhiqqul laahul haqqa bi Kalimaatihee wa law karihal mujrimoon
Ary i Allah dia hampandresy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Teniny na dia mankahala izany aza ireo mpanao heloka bevava ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:83
🔁 0/5
فَمَآ ءَامَنَ لِمُوسَىٰٓ إِلَّا ذُرِّيَّةٌ مِّن قَوۡمِهِۦ عَلَىٰ خَوۡفٍ مِّن فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِمۡ أَن يَفۡتِنَهُمۡۚ وَإِنَّ فِرۡعَوۡنَ لَعَالٍ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَإِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلۡمُسۡرِفِينَ ٨٣
Famaaa aamana li-Moosaaa illaa zurriyyatum min qawmihee `alaa khawfim min Fir`awna wa mala`ihim ai yaftinahum; wa inna Fir`awna la`aalin fil ardi wa innahoo laminal musrifeen
Tsy nisy nino an’i Mosa anefa afa-tsy ny taranaka (andiana tanora vitsivitsy) avy amin’ny vahoakany nohon’ny fatahorana an’i Faraona sy ireo loholony sao hamaly faty izy ireo. Marina fa i Faraona dia mpanefohefo teto an-tany sy anisan’ireo mpihoa-pefy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:84
🔁 0/5
وَقَالَ مُوسَىٰ يَٰقَوۡمِ إِن كُنتُمۡ ءَامَنتُم بِٱللَّهِ فَعَلَيۡهِ تَوَكَّلُوٓاْ إِن كُنتُم مُّسۡلِمِينَ ٨٤
Wa qaala Moosaa yaa qawmi in kuntum aamantum billaahi fa`alaihi tawakkalooo in kuntum muslimeen
Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako, raha nino Allah marina Ianareo, dia apetraho Aminy tanteraka ny fitokisanareo raha mpankato Azy marina Ianareo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:85
🔁 0/5
فَقَالُواْ عَلَى ٱللَّهِ تَوَكَّلۡنَا رَبَّنَا لَا تَجۡعَلۡنَا فِتۡنَةً لِّلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ ٨٥
Faqaaloo `alal laahi tawakkalnaa Rabbanaa laa taj`alnaa fitnatal lilqawmiz zaalimeen
Ka niteny izy ireo ka nanao hoe : “Amin’i Allah no hametrahanay ny fitokisanay.Tomponay oh ! Aza atao ho lasibatry ny hetraketrakin'ny vahoaka mpanao ny tsy rariny Izahay ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:86
🔁 0/5
وَنَجِّنَا بِرَحۡمَتِكَ مِنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡكَٰفِرِينَ ٨٦
Wa najjinaa birahmatika minal qawmil kaafireen
Ary avoty Izahay amin’ny alalan’ny famindram-ponao amin’ny vahoaka tsy mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:87
🔁 0/5
وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰ وَأَخِيهِ أَن تَبَوَّءَا لِقَوۡمِكُمَا بِمِصۡرَ بُيُوتًا وَٱجۡعَلُواْ بُيُوتَكُمۡ قِبۡلَةً وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٨٧
Wa awhainaaa ilaa Moosaa wa akheehi an tabaw wa aa liqawmikuma bi Misra bu yootanw waj`aloo bu yootakum qiblatanw wa aqeemus Salaah; wa bashshiril mu`mineen
Ary nandefasanay fanambarana tamin’i Moussa sy ny Rahalahiny ka nanao hoe : " Makà trano ao Ejypta ho an’ny vahoakanareo ary ataovy mitodika amin’ny toeram-pitodihana amin’ny fivavahana ireo tranonareo. Ary tanterahanareo ny Soalat, ka lazao vaovao mahafaly ireo mpino ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:88
🔁 0/5
وَقَالَ مُوسَىٰ رَبَّنَآ إِنَّكَ ءَاتَيۡتَ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَأَهُۥ زِينَةً وَأَمۡوَٰلًا فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا رَبَّنَا لِيُضِلُّواْ عَن سَبِيلِكَۖ رَبَّنَا ٱطۡمِسۡ عَلَىٰٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ وَٱشۡدُدۡ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ فَلَا يُؤۡمِنُواْ حَتَّىٰ يَرَوُاْ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ ٨٨
Wa qaala Mosaa Rabbanaaa innaka aataita Fir`awna wa mala ahoo zeenatanw wa amwaalan fil hayaatid dunyaa Rabbanaa liyudillo `ansabeelika Rabbanat mis `alaaa amwaalihim washdud `alaa quloobihim falaa yu`minoo hatta yarawul `azaabal aleem
Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : " Tomponay oh ! Ianao dia nanome an' i Faraona sy ny loholony haingo sy fananana maro eto amin’ny fiainana an-tany. Tomponay Oh ! mba hiatahan’izy ireo amin’ny làlanao ihany izany. Tomponay Oh ! ravao ny fananan’izy ireo ary hamafiso ny fon’izy ireo mba tsy ho mpino izy ireo mandra-pahitany ny sazy mamirifiry”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:89
🔁 0/5
قَالَ قَدۡ أُجِيبَت دَّعۡوَتُكُمَا فَٱسۡتَقِيمَا وَلَا تَتَّبِعَآنِّ سَبِيلَ ٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَ ٨٩
Qaala qad ujeebad da`watukumaa fastaqeemaa wa laa tattabi`aaanni sabeelal lazeena laaya`lamoon
Niteny Izy ka nanao hoe : " Efa novalinay ny hatakanareo roa. Ka aoka Ianareo mba hahitsy toetra mandrakariva, aza manaraka ny làlan’ireo izay tsy mahafantatra na inona na inona.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:90
🔁 0/5
۞ وَجَٰوَزۡنَا بِبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱلۡبَحۡرَ فَأَتۡبَعَهُمۡ فِرۡعَوۡنُ وَجُنُودُهُۥ بَغۡيًا وَعَدۡوًاۖ حَتَّىٰٓ إِذَآ أَدۡرَكَهُ ٱلۡغَرَقُ قَالَ ءَامَنتُ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱلَّذِيٓ ءَامَنَتۡ بِهِۦ بَنُوٓاْ إِسۡرَٰٓءِيلَ وَأَنَا۠ مِنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ ٩٠
Wa jaawaznaa bi Baneee Israaa`eelal bahra fa atba`ahum Fir`awnu wa junooduhoo baghyanw wa `adwan hattaaa izaaa adrakahul gharaqu qaala aamantu annnahoo laaa ilaaha illal lazeee aamanat bihee Banooo Israaa`eela wa ana minal muslimeen
Ary nampandalovinay ny ranomasina ireo zanak’Israely, izay nenjehin’i Faraona sy ireo tafiny tao anatin’ny fahatezerana sy ny fankahalana. Ka rehefa teo ampaharendrehana izy, dia niteny hoe: “Mino aho fa tsy misy tompo hafa, afa-tsy izay ninoan’ireo zanak’Israely, ary izaho dia isan’ireo mpankato”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:91
🔁 0/5
ءَآلۡـَٰٔنَ وَقَدۡ عَصَيۡتَ قَبۡلُ وَكُنتَ مِنَ ٱلۡمُفۡسِدِينَ ٩١
Aaal`aana wa qad `asaita qablu wa kunta minal mufsideen
Ankehitriny izao ve ? Nefa tsy nankato Ianao teo aloha ary Ianao dia tena anisan’ireo mpanimba ny tany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:92
🔁 0/5
فَٱلۡيَوۡمَ نُنَجِّيكَ بِبَدَنِكَ لِتَكُونَ لِمَنۡ خَلۡفَكَ ءَايَةًۚ وَإِنَّ كَثِيرًا مِّنَ ٱلنَّاسِ عَنۡ ءَايَٰتِنَا لَغَٰفِلُونَ ٩٢
Falyawma nunajjeeka bibadanika litakoona liman khalfaka Aayah; wa inna kaseeram minan naasi `an aayaatinaa laghaafiloon
Anio dia avotanay ny vatanao mba ho famantarana ho an’ireo avy ao aoriana. Tena marina fa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy miraharaha ireo famantarana avy Aminay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:93
🔁 0/5
وَلَقَدۡ بَوَّأۡنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ مُبَوَّأَ صِدۡقٍ وَرَزَقۡنَٰهُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ فَمَا ٱخۡتَلَفُواْ حَتَّىٰ جَآءَهُمُ ٱلۡعِلۡمُۚ إِنَّ رَبَّكَ يَقۡضِي بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ ٩٣
Wa laqad bawwaanaa Baneee Israaa`eela mubawwa-a sidqinw wa razaqnaahum minnat taiyibaati famakh talafoo hattaa jaaa`ahmul `ilm; inna Rabbaka yaqdee bainahum Yawmal Qiyaamati feemaa kaanoo feehi yakhtalifoon
Ary efa napetrakay tokoa tamin’ny toerana mendrika ireo Zanak’israely sy nomenay anjara-pivelomana tsara izy ireo. Ka tsy nizarazara izy ireo raha tsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny fahalalana Taminy. Marina fa ny Tomponao dia hitsara azy ireo amin’izay nampizarazara azy ireo amin’ny Andro fitsanganana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:94
🔁 0/5
فَإِن كُنتَ فِي شَكٍّ مِّمَّآ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ فَسۡـَٔلِ ٱلَّذِينَ يَقۡرَءُونَ ٱلۡكِتَٰبَ مِن قَبۡلِكَۚ لَقَدۡ جَآءَكَ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُمۡتَرِينَ ٩٤
Fa in kunta fee shakkim mimmaaa anzalnaaa ilaika fas`alil lazeena yaqra`oonal Kitaaba min qablik; laqad jaaa`akal haqqu mir Rabbika falaa takoonanna minal mumtareen
Raha ohatra ka ao anaty fisalasalana Ianao amin’izay nampidininay Taminao, dia hanontanio ireo izay efa namaky ny Boky teo alohanao. Efa tonga Taminao ny marina avy amin’ny Tomponao, koa aza manao ho isan’ireo mpisalasala mihitsy Ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:95
🔁 0/5
وَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ فَتَكُونَ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ ٩٥
Wa laa takoonanna minal lazeena kazzaboo bi Aayaatil laahi fatakoona minal khaasireen
Ary aza manao ho isan’ireo milaza fa lainga ny Fanambaran’i Allah. Fa ho isan’ireo maty antoka Ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:96
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ حَقَّتۡ عَلَيۡهِمۡ كَلِمَتُ رَبِّكَ لَا يُؤۡمِنُونَ ٩٦
Innal lazeena haqqat `alaihim Kalimatu Rabbika laa yu`minoon
Marina fa ireo izay niharan’ny tenin’ny Tomponao dia tsy hino velively,
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:97
🔁 0/5
وَلَوۡ جَآءَتۡهُمۡ كُلُّ ءَايَةٍ حَتَّىٰ يَرَوُاْ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ ٩٧
Wa law jaaa`at hum kullu Aayatin hattaa yarawul `azaabal aleem
Na dia tonga tamin’izy ireo aza ireo fanambarana rehetra, mandra-pahitan’izy ireo ny sazy mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:98
🔁 0/5
فَلَوۡلَا كَانَتۡ قَرۡيَةٌ ءَامَنَتۡ فَنَفَعَهَآ إِيمَٰنُهَآ إِلَّا قَوۡمَ يُونُسَ لَمَّآ ءَامَنُواْ كَشَفۡنَا عَنۡهُمۡ عَذَابَ ٱلۡخِزۡيِ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَمَتَّعۡنَٰهُمۡ إِلَىٰ حِينٍ ٩٨
Falaw laa kaanat qaryatun aamanat fanafa`ahaaa eemaanuhaaa illaa qawma Yoonusa lammaaa aamanoo kashafnaa `anhum `azaabal khizyi fil hayaatid dunyaa wa matta`naahum ilaa heen
Raha mba misy tanàna iray nino, ankoatra ny Vahoakan’i Jonasy, dia nahasoa azy ireo ny finoana ! Ary ho nesorinay tamn’izy ireo ny fampijaliana amin’ny fiainana eto an-tany sy nomenay fahafinaretana izy ireo ao anaty fotoana voafetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:99
🔁 0/5
وَلَوۡ شَآءَ رَبُّكَ لَأٓمَنَ مَن فِي ٱلۡأَرۡضِ كُلُّهُمۡ جَمِيعًاۚ أَفَأَنتَ تُكۡرِهُ ٱلنَّاسَ حَتَّىٰ يَكُونُواْ مُؤۡمِنِينَ ٩٩
Wa law shaaa`a Rabbuka la aamana man fil ardi kulluhum jamee`aa; afa anta tukrihun naasa hattaa yakoonoo mu`mineen
Ary raha sitraky ny Tomponao dia hino avokoa izay rehetra eto an-tany. Moa ve Ianao no hanery ny Olona rehetra ho tonga mpino ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:100
🔁 0/5
وَمَا كَانَ لِنَفۡسٍ أَن تُؤۡمِنَ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ وَيَجۡعَلُ ٱلرِّجۡسَ عَلَى ٱلَّذِينَ لَا يَعۡقِلُونَ ١٠٠
Wa maa kaana linafsin an tu`mina illaa bi iznil laah; wa yaj`alur rijsa `alal lazeena laa ya`qiloon
Tsy anjaran’ny Olona velively no hino raha tsy avy amin’ny alalan’i Allah. Ary atokana ho an’ireo izay tsy mandinika ny sazy izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:101
🔁 0/5
قُلِ ٱنظُرُواْ مَاذَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَمَا تُغۡنِي ٱلۡأٓيَٰتُ وَٱلنُّذُرُ عَن قَوۡمٍ لَّا يُؤۡمِنُونَ ١٠١
Qulin zuroo maazaa fissamaawaati wal ard; wa maa tughnil Aayaatu wannuzuru `an qawmil laa yu`minoon
Teneno hoe : “ jerenareo, inona no any amin’ireo lanitra sy ny ety ambonin'ny tany ? ” Ary tsy hitera-boka-tsoa ho an’ireo vahoaka tsy nino na ny famantarana na ireo Mpampitandrina (Mpaminany).
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:102
🔁 0/5
فَهَلۡ يَنتَظِرُونَ إِلَّا مِثۡلَ أَيَّامِ ٱلَّذِينَ خَلَوۡاْ مِن قَبۡلِهِمۡۚ قُلۡ فَٱنتَظِرُوٓاْ إِنِّي مَعَكُم مِّنَ ٱلۡمُنتَظِرِينَ ١٠٢
Fahal yantaziroona illaa misla ayyaamil lazeena khalaw min qablihim; qul fantazirooo innee ma`akum minal muntazireen
Moa ve tsy miandry izy ireo afa-tsy ny famaizana izay mitovy tamin’iireo vahoaka nandalo talohan’izy ireo ? Teneno hoe : " Andrasonareo ary fa izaho dia anisan’ireo miandry miaraka Aminareo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:103
🔁 0/5
ثُمَّ نُنَجِّي رُسُلَنَا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْۚ كَذَٰلِكَ حَقًّا عَلَيۡنَا نُنجِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ١٠٣
Summma nunajjee Ruslanaa wallazeena aamanoo; kazaalika haqqan `alainaa nunjil mu`mineen
Avy eo dia avotanay ireo irakay sy ireo izay nino, tahak’izany. Eny, adidinay tokoa ny manavotra ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:104
🔁 0/5
قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِن كُنتُمۡ فِي شَكٍّ مِّن دِينِي فَلَآ أَعۡبُدُ ٱلَّذِينَ تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَلَٰكِنۡ أَعۡبُدُ ٱللَّهَ ٱلَّذِي يَتَوَفَّىٰكُمۡۖ وَأُمِرۡتُ أَنۡ أَكُونَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ١٠٤
Qul yaaa ayyuhan naasu in kuntum fee shakkkim min deenee falaa a`budul lazeena ta`budoona min doonil laahi wa laakin a`budul laahal lazee yatawaffaakum wa umirtu an akoona minal mu`mineen
Teneno hoe : ” O! Ianareo Olombelona, raha ohatra ka ao anatin’ny fisalasalana Ianareo mikasika ny finoako, fa izaho kosa dia tsy hanompo mihitsy izay tompoinareo Ankoatran'i Allah, fa dia manompo kosa an’i Allah izay manala ny fofon’ainanareo. Ary nandidy Ahy Izy ho anisan’ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:105
🔁 0/5
وَأَنۡ أَقِمۡ وَجۡهَكَ لِلدِّينِ حَنِيفًا وَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ١٠٥
Wa an aqim wajhaka liddeeni Haneefanw wa laa takoonannna minal mushrikeen
Ary mitodiha Ianao amin’ny finoana tanteraka an’i Allah tokana ary aoka Ianao tsy ho anisan’ireo mpanakambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa (mpanompo sampy)
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:106
🔁 0/5
وَلَا تَدۡعُ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَنفَعُكَ وَلَا يَضُرُّكَۖ فَإِن فَعَلۡتَ فَإِنَّكَ إِذًا مِّنَ ٱلظَّٰلِمِينَ ١٠٦
Wa laa tad`u min doonil laahi maa laa yanfa`uka wa laa yadurruka fa in fa`alta fa innaka izam minaz zaalimeen
Ary aza mangataka Ianao raha tsy amin’i Allah, amin’izay tsy azahoanao tombony na tsy hampahory Anao, fa raha manao izany Ianao, dia tena ho anisan’ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:107
🔁 0/5
وَإِن يَمۡسَسۡكَ ٱللَّهُ بِضُرٍّ فَلَا كَاشِفَ لَهُۥٓ إِلَّا هُوَۖ وَإِن يُرِدۡكَ بِخَيۡرٍ فَلَا رَآدَّ لِفَضۡلِهِۦۚ يُصِيبُ بِهِۦ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦۚ وَهُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ ١٠٧
Wa iny yamsaskal laahu bidurrin falaa kaashifa lahoo illaa Huwa wa iny yuridka bikhairin falaa raaadda lifadlih; yuseebu bihee man yashaaa`u min `ibaadih; wa huwal Ghafoorur Raheem
Ary raha ataon’Allah hihatra aminao ny ratsy, dia tsy misy na iza na iza afaka hanala izany, ankoatra Azy. Fa raha te-hanao soa anao kosa Izy, dia tsy misy na iza na iza afaka hisakana ny fahasoavany izay homeny ny mpanompony araka izay sitrany, fa Mpamela heloka sy Mpamindra-fo Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:108
🔁 0/5
قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ قَدۡ جَآءَكُمُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكُمۡۖ فَمَنِ ٱهۡتَدَىٰ فَإِنَّمَا يَهۡتَدِي لِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن ضَلَّ فَإِنَّمَا يَضِلُّ عَلَيۡهَاۖ وَمَآ أَنَا۠ عَلَيۡكُم بِوَكِيلٍ ١٠٨
Qul yaaa aiyuhan naasu qad jaaa`akumul haqqu mir Rabbikum famanih tadaa fa innamaa yahtadee linafsihee wa man dalla fa innamaa yadillu `alaihaa wa maaa ana `alaikum biwakeel
Lazao hoe : “Ry olombelona! Tonga taminareo tokoa ny fahamarinana avy amin’ny Tomponareo. Ka izay mizotra amin’ny làla-marina dia nanitsy ny tenany ihany, fa izay mivily làlana kosa, dia namery ny tenany. Ary tsy mpiahy anareo Aho.
🎤 Ny rakotra nataonao:
10:109
🔁 0/5
وَٱتَّبِعۡ مَا يُوحَىٰٓ إِلَيۡكَ وَٱصۡبِرۡ حَتَّىٰ يَحۡكُمَ ٱللَّهُۚ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلۡحَٰكِمِينَ ١٠٩
Qattabi` maa yoohaaa ilaika wasbir hattaa yahkumal laah; wa Huwa khairul haakimeen
Ary araho izay nambara Taminao ary mahareta mandra-pahatonga ny fitsaran’i Allah fa Izy no Mpitsara mendrika indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







