🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (78 Andininy)
📚 Surah rehetra
30%
🎤 Tsindrio ny kisary mikrofona 🎙️ eo akaikin'ny andininy hirakofana ny feonao, avy eo henoy ary ampitahao amin'ny mpamaky.
0/78
22:1 🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمۡۚ إِنَّ زَلۡزَلَةَ ٱلسَّاعَةِ شَيۡءٌ عَظِيمٌ  ۝١
Yaaa ayyuhan naasuttaqoo Rabbakum; inna zalzalatas Saa`ati shai`un `azeem
Ry olombelona, matahora ny Tomponareo ianareo ! Ny fihozongozonan’ilay Ora (Andro Farany) dia tena zava-dehibe (mampihorohoro).
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:2 🔁 0/5
يَوۡمَ تَرَوۡنَهَا تَذۡهَلُ كُلُّ مُرۡضِعَةٍ عَمَّآ أَرۡضَعَتۡ وَتَضَعُ كُلُّ ذَاتِ حَمۡلٍ حَمۡلَهَا وَتَرَى ٱلنَّاسَ سُكَٰرَىٰ وَمَا هُم بِسُكَٰرَىٰ وَلَٰكِنَّ عَذَابَ ٱللَّهِ شَدِيدٌ  ۝٢
Yawma tarawnahaa tazhalu kullu murdi`atin `ammaaa arda`at wa tada`u kullu zaati hamlin hamlahaa wa tarannaasa sukaaraa wa maa hum bisukaaraa wa lakinaa `azaabal laahi shadeed
Amin’ny andro izay hahitanareo izany, ny vehivavy mampinono rehetra dia hanadino (ny zanany) izay hampinonoiny, ary ny vehivavy bevohoka dia ho afa-jaza (tsy fidiny). Ary hahita ny olona ho mamo ianao nefa izy ireo tsy mamo fa ny famaizan'I Allah dia mahery vaika tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:3 🔁 0/5
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٍ وَيَتَّبِعُ كُلَّ شَيۡطَٰنٍ مَّرِيدٍ  ۝٣
Wa minan naasi mai yujaadilu fil laahi bighairi `ilminw wa yattabi`u kullaa shaitaanim mareed
Misy amin’ny olombelona miady hevitra mahakasika an’i Allah tsy amim-pahalalana ary manaraka ny devoly rehetra, ilay mpikomy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:4 🔁 0/5
كُتِبَ عَلَيۡهِ أَنَّهُۥ مَن تَوَلَّاهُ فَأَنَّهُۥ يُضِلُّهُۥ وَيَهۡدِيهِ إِلَىٰ عَذَابِ ٱلسَّعِيرِ  ۝٤
Kutiba `alaihi annahoo man tawallaahu fa annahoo yudil lauhoo wa yahdeehi ilaa `azaabis sa`eer
Voasoratra ho azy (Satana), fa na iza na iza manaraka azy dia tena ho vereziny sy ho tarihiny mankany amin’ny famaizan’ny Afobe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:5 🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِن كُنتُمۡ فِي رَيۡبٍ مِّنَ ٱلۡبَعۡثِ فَإِنَّا خَلَقۡنَٰكُم مِّن تُرَابٍ ثُمَّ مِن نُّطۡفَةٍ ثُمَّ مِنۡ عَلَقَةٍ ثُمَّ مِن مُّضۡغَةٍ مُّخَلَّقَةٍ وَغَيۡرِ مُخَلَّقَةٍ لِّنُبَيِّنَ لَكُمۡۚ وَنُقِرُّ فِي ٱلۡأَرۡحَامِ مَا نَشَآءُ إِلَىٰٓ أَجَلٍ مُّسَمًّى ثُمَّ نُخۡرِجُكُمۡ طِفۡلًا ثُمَّ لِتَبۡلُغُوٓاْ أَشُدَّكُمۡۖ وَمِنكُم مَّن يُتَوَفَّىٰ وَمِنكُم مَّن يُرَدُّ إِلَىٰٓ أَرۡذَلِ ٱلۡعُمُرِ لِكَيۡلَا يَعۡلَمَ مِنۢ بَعۡدِ عِلۡمٍ شَيۡـًٔاۚ وَتَرَى ٱلۡأَرۡضَ هَامِدَةً فَإِذَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡهَا ٱلۡمَآءَ ٱهۡتَزَّتۡ وَرَبَتۡ وَأَنۢبَتَتۡ مِن كُلِّ زَوۡجِۭ بَهِيجٍ  ۝٥
Yaaa ayyuhan naasu in kuntum fee raibim minal ba`si fa innaa khalaqnaakum min turaabin summa min nutfatin summaa min `alaqatin summa mim mud ghatim mukhal laqatinw wa ghairi mukhalla qatil linubaiyina lakum; wa nuqirru fil arhaami maa nashaaa`u ilaaa ajalim musam man summa nukhrijukum tiflan summa litablughooo ashud dakum wa minkum mai yutawaffa wa minkum mai yuraddu ilaaa arzalil `umuri likailaa ya`lama mim ba`di `ilmin shai`aa; wa taral arda haamidatan fa izaaa anzalnaa `alaihal maaa`ah tazzat wa rabat wa ambatat min kulli zawjim baheej
Ry olombelona, raha manana fisalasalana ianareo mahakasika ny Fitsanganana,tena marina, fa Izahay no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo amin’ny alalan’ny ranon'aina, avy eo amin’ny vaingan-drà, avy eo amin’ny vainga-nofo izay manana endrika na tsy manana endrika, mba hanazavanay aminareo . Ary apetrakay ao anatin’ny vohoka izay sitrakay, mandritran'ny fotoana voafetra. Ary avoakanay ho zazakely ianareo sy mba hahatratraranareo ny fahanterana. Ary misy aminareo ny maty (tanora), ary misy aminareo koa ny tratra antitra, ka lasa tsy mahatadidy izay fantany teo aloha. Ary hahita ny tany karakaina ianao, nefa raha vao handatsahanay rano izany, dia mihetsika sy mibontsina izy, ary mampitsiry avy (aminy) ireo karazan-java-maniry tsiroaroa (lahy sy vavy) mahafinaritra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:6 🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّهُۥ يُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَأَنَّهُۥ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ  ۝٦
Zaalika bi annal laaha Huwal haqqu wa annahoo yuhyil mawtaa wa annahoo `alaakulli shai`in Qadeer
Izany no misy satria, i Allah Ilay Marina, ary Izy Ilay mamelona ny maty sy manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:7 🔁 0/5
وَأَنَّ ٱلسَّاعَةَ ءَاتِيَةٌ لَّا رَيۡبَ فِيهَا وَأَنَّ ٱللَّهَ يَبۡعَثُ مَن فِي ٱلۡقُبُورِ  ۝٧
Wa annas Saa`ata aatiya tul laa raiba feeha wa annal laaha yab`asuman fil quboor
Ary marina tokoa fa ny Ora dia ho avy, tsy hisalasalana ny amin’izany, ary marina fa I Allah dia hanangana izay ao am-pasana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:8 🔁 0/5
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٍ وَلَا هُدًى وَلَا كِتَٰبٍ مُّنِيرٍ  ۝٨
Wa minan naasi mai yujaadilu fil laahi bighairi `ilminw wa laa hudanw wa laa Kitaabim Muneer
Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’I Allah, tsy amim-pahalalana, tsy manam-pitari-dalana, tsy misy boky mpanazava.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:9 🔁 0/5
ثَانِيَ عِطۡفِهِۦ لِيُضِلَّ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِۖ لَهُۥ فِي ٱلدُّنۡيَا خِزۡيٌۖ وَنُذِيقُهُۥ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ عَذَابَ ٱلۡحَرِيقِ  ۝٩
Saaniya `itfihee liyudilla `an sabeelil laahi lahoo fiddun yaa khizyunw wa nuzeequhoo Yawmal Qiyaamati `azaabal lhareeq
Maneho ny fireharehany izy mba hamiliany hiala ny lalan’I Allah. Ho azy ny fahafaham-baraka eto an-tany, ary hampanandraminay azy ny famaizana amin’ny Afobe amin’ny Andro Fitsanganana .
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:10 🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتۡ يَدَاكَ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَيۡسَ بِظَلَّٰمٍ لِّلۡعَبِيدِ  ۝١٠
Zaalika bimaa qaddamat yadaaka wa annal laaha laisa bizallaamil lil`abeed
Izany dia vokatry ny nataon’ny tananao roa, ary marina fa I Allah dia tsy mpanao ny tsy rariny amin’ireo mpanompo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:11 🔁 0/5
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَعۡبُدُ ٱللَّهَ عَلَىٰ حَرۡفٍۖ فَإِنۡ أَصَابَهُۥ خَيۡرٌ ٱطۡمَأَنَّ بِهِۦۖ وَإِنۡ أَصَابَتۡهُ فِتۡنَةٌ ٱنقَلَبَ عَلَىٰ وَجۡهِهِۦ خَسِرَ ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةَۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡخُسۡرَانُ ٱلۡمُبِينُ  ۝١١
Wa minan naasi mai ya`budul laaha `alaa harfin fa in asaabahoo khairunit maanna bihee wa in asaabat hu fitnatunin qalaba `alaa wajhihee khasirad dunyaa wal aakhirah; zaalika huwal khusraanul mubeen
Ary misy amin’ny olombelona izay manompo an'I Allah an-tendrony (am-pisalasalana). Raha misy zavatra tsara tonga aminy dia finaritra amin’izany izy ; fa raha misy fitsapana kosa tonga aminy dia manodina tarehy (tsy mino intsony) izy ; koa maty antoka izy ety an-tany sy any ankoatra. Izany no tena faty antoka miharihary.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:12 🔁 0/5
يَدۡعُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَضُرُّهُۥ وَمَا لَا يَنفَعُهُۥۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلضَّلَٰلُ ٱلۡبَعِيدُ  ۝١٢
Yad`oo min doonil laahi maa laa yadurruhoo wa maa laa yanfa`uh` zaalika huwad dalaalul ba`ed
Mitalaho amin’ny hafa ankoatr’I Allah izy izay tsy afaka manao ratsy aminy na manao tsara aminy ; izany no tena fahaverezana lalina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:13 🔁 0/5
يَدۡعُواْ لَمَن ضَرُّهُۥٓ أَقۡرَبُ مِن نَّفۡعِهِۦۚ لَبِئۡسَ ٱلۡمَوۡلَىٰ وَلَبِئۡسَ ٱلۡعَشِيرُ  ۝١٣
Yad`oo laman darruhooo aqrabu min naf`ih; labi`salmawlaa wa labi`sal `asheer
Mitalaho amin’ny ratsy izay manakaiky azy tokoa izy noho ny tombotsoany, izany no mpiahy tena ratsy tokoa sy namana tena ratsy !
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:14 🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ يُدۡخِلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٍ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَفۡعَلُ مَا يُرِيدُ  ۝١٤
Innal laaha yudkhilul laeena aamanoo wa `amilus saalihaati jannaatin tajree min tahtihal anhaar; innal laaha yaf`alu maa yureed
Marina fa I Allah no mampiditra ireo izay mino sy ireo izay manao asa soa ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano mikoriana ao ambaniny. Marina fa I Allah dia manao izay tiany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:15 🔁 0/5
مَن كَانَ يَظُنُّ أَن لَّن يَنصُرَهُ ٱللَّهُ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ فَلۡيَمۡدُدۡ بِسَبَبٍ إِلَى ٱلسَّمَآءِ ثُمَّ لۡيَقۡطَعۡ فَلۡيَنظُرۡ هَلۡ يُذۡهِبَنَّ كَيۡدُهُۥ مَا يَغِيظُ  ۝١٥
Man kaana yazunnu allai yansurahul laahu fid dunyaa wal aakhirati fal yamdud bisababin ilas samaaa`i summal yaqta` falyanzur hal yuzhibanna kaiduhoo maa yagheez
Izay mihevitra fa tsy hamonjy azy I Allah ety an-tany sy any ankoatra, aoka izy hanantona tady eny an-danitra (eo amin’ny tafotranony), avy eo hananton-tenda eny izy ; aoka ho tapahiny izany, ka jereo raha toa ka nahavita nanafoana ny zavatra nahatezitra azy ny tetika nataony.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:16 🔁 0/5
وَكَذَٰلِكَ أَنزَلۡنَٰهُ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٍ وَأَنَّ ٱللَّهَ يَهۡدِي مَن يُرِيدُ  ۝١٦
Wa kazaalika anzalnaahu aayaatim baiyinaatinw wa annal laaha yahdee mai yureed
Toy izany no nampidinanay taminy ireo famantarana mazava. Marina fa I Allah dia mitari-dalana izay tiany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:17 🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَٱلَّذِينَ هَادُواْ وَٱلصَّٰبِـِٔينَ وَٱلنَّصَٰرَىٰ وَٱلۡمَجُوسَ وَٱلَّذِينَ أَشۡرَكُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ يَفۡصِلُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ شَهِيدٌ  ۝١٧
Innal lazeena aamanoo wallazeena haadoo was saabi`eena wan nasaaraa wal Majoosa wallazeena ashrakooo innal laaha yafsilu bainahum yawmal qiyaamah; innal laaha `alaa kulli shai`in shaheed
Ireo izay nino, ireo jiosy, ireo Sabeana, ireo kristiana, ireo mpanompo afo ary ireo mpanompo sampy. Allah dia hampisaraka azy ireo tokoa amin’ny Andro Fitsanganana. Tena marina fa Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:18 🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يَسۡجُدُۤ لَهُۥۤ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ وَٱلشَّمۡسُ وَٱلۡقَمَرُ وَٱلنُّجُومُ وَٱلۡجِبَالُ وَٱلشَّجَرُ وَٱلدَّوَآبُّ وَكَثِيرٌ مِّنَ ٱلنَّاسِۖ وَكَثِيرٌ حَقَّ عَلَيۡهِ ٱلۡعَذَابُۗ وَمَن يُهِنِ ٱللَّهُ فَمَا لَهُۥ مِن مُّكۡرِمٍۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَفۡعَلُ مَا يَشَآءُ۩  ۝١٨
Alam tara annal laaha yasjudu lahoo man fis samaawaati wa man fil ardi wash shamsu walqamaru wan nu joomu wal jibaalu wash shajaru wad dawaaabbu wa kaseerum minan naasi wa kaseerun haqqa `alaihil `azaab; wa mai yuhinil laahu famaa lahoo mim mukrim; innallaaha yaf`alu maa yashaaa
Moa va tsy hitanao fa tena miankohoka amin’I Allah avokoa izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ety an-tany, ny masoandro, ny volana, ny kintana, ny tendrombohitra, ny hazo, ny biby, ary ireo olona maro ? Fa maro ihany koa ny sazy mendrika ho azy ireo. N'iza n'iza ahetrin’I Allah, dia tsy misy hanome haja azy intsony. Tena marina fa I Allah dia manao izay tiany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:19 🔁 0/5
۞ هَٰذَانِ خَصۡمَانِ ٱخۡتَصَمُواْ فِي رَبِّهِمۡۖ فَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ قُطِّعَتۡ لَهُمۡ ثِيَابٌ مِّن نَّارٍ يُصَبُّ مِن فَوۡقِ رُءُوسِهِمُ ٱلۡحَمِيمُ  ۝١٩
Haazaani khasmaanikh tasamoo fee Rabbihim fal lazeena kafaroo qutti`at lahum siyaabum min naar; yusabbu min fawqi ru`oosihimul hameem
Indro mpifanandrina roa mifanditra ny mahakasika ny Tompon’izy ireo. Ho an’ireo izay tsy mino dia ho didìna ho azy ireo ny fitafy avy amin’ny afo, handrarahana rano mangotraka eo an-tampon-dohany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:20 🔁 0/5
يُصۡهَرُ بِهِۦ مَا فِي بُطُونِهِمۡ وَٱلۡجُلُودُ  ۝٢٠
Yusharu bihee maa fee butoonihim waljulood
Izay hampitsonika ny ao anatin’ny kibon’izy ireo sy ny hodiny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:21 🔁 0/5
وَلَهُم مَّقَٰمِعُ مِنۡ حَدِيدٍ  ۝٢١
Wa lahum maqaami`u min hadeed
Ary ho azy ireo ny fively vy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:22 🔁 0/5
كُلَّمَآ أَرَادُوٓاْ أَن يَخۡرُجُواْ مِنۡهَا مِنۡ غَمٍّ أُعِيدُواْ فِيهَا وَذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡحَرِيقِ  ۝٢٢
Kullamaa araadooo any yakhrujoo minhaa min ghammin u`eedoo feeha wa zooqoo `azaabal hareeq
Isaky ny te-hivoaka avy ao izy ireo, noho ny fahoriana, dia haverina ao indray (ka ho tenenina amin’izy ireo hoe) :“Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mivaivay”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:23 🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ يُدۡخِلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٍ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ يُحَلَّوۡنَ فِيهَا مِنۡ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٍ وَلُؤۡلُؤًاۖ وَلِبَاسُهُمۡ فِيهَا حَرِيرٌ  ۝٢٣
Innal laaha yudkhilul lazeena aamanoo wa `amilus saalihaati jannaatin tajree min tahtihal anhaaru yuhallawna feehaa min asaawira min zahabinw wa lu`lu`aa; wa libaasuhum feehaa hareer
Marina fa I Allah dia hampiditra ireo izay nino sy nanao asa soa ao amin’ny Paradisa izay misy renirano mikoriana eo ambaniny. Hampihaigoina amin’ny firavaka volamena, sy vatosoa izy ireo ao anatin’izany, ary ny fitafin’izy ireo ao dia lamba landy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:24 🔁 0/5
وَهُدُوٓاْ إِلَى ٱلطَّيِّبِ مِنَ ٱلۡقَوۡلِ وَهُدُوٓاْ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡحَمِيدِ  ۝٢٤
Wa hudooo ilat taiyibi minal qawli wa hudooo ilaaa siraatil hameed
Ary ho tarihina ho any amin’ny teny mendrika izy ireo sy ho tarihina ho any amin’ny lalana mendrika ihany koa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:25 🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِ ٱلَّذِي جَعَلۡنَٰهُ لِلنَّاسِ سَوَآءً ٱلۡعَٰكِفُ فِيهِ وَٱلۡبَادِۚ وَمَن يُرِدۡ فِيهِ بِإِلۡحَادِۭ بِظُلۡمٍ نُّذِقۡهُ مِنۡ عَذَابٍ أَلِيمٍ  ۝٢٥
Innal lazeena kafaroo wa yasuddoona `an sabeelil laahi wal Masjidil Haraamil lazee ja`alnaahu linnaasi sawaaa`anil `aakifu feehi walbaad; wa mai yurid feehi bi ilhaadim bizulmin nuziqhu min `azaabin aleem
Fa ireo izay tsy mino sy misakana ny lalan’I Allah kosa ary ny toeram-pivavahana masina izay nataonay ho an’olona, na ho an’ireo tompon-toerana ao, na ho an’ireo mpivahiny ka n'iza n'iza mitady hanao ratsy ao, amin’ny tsy rariny, dia hampanandramanay azy ny sazy mangirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:26 🔁 0/5
وَإِذۡ بَوَّأۡنَا لِإِبۡرَٰهِيمَ مَكَانَ ٱلۡبَيۡتِ أَن لَّا تُشۡرِكۡ بِي شَيۡـًٔا وَطَهِّرۡ بَيۡتِيَ لِلطَّآئِفِينَ وَٱلۡقَآئِمِينَ وَٱلرُّكَّعِ ٱلسُّجُودِ  ۝٢٦
Wa iz bawwaanaa li Ibraaheema makaanal Baiti allaa tushrik bee shai`anw wa tahhir Baitiya litaaa`ifeena walqaaa` imeena warrukka `is sujood
Ary raha natoronay an’i Abrahama ny toeran’ny Trano : ”Aza akambanao amin’ny hafa Aho ; ary diovy ny tranoko ho an’ireo mpihodidina, sy ho an’ireo mpitsangana, ary ho an’ireo mpiondrika mpiankohoka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:27 🔁 0/5
وَأَذِّن فِي ٱلنَّاسِ بِٱلۡحَجِّ يَأۡتُوكَ رِجَالًا وَعَلَىٰ كُلِّ ضَامِرٍ يَأۡتِينَ مِن كُلِّ فَجٍّ عَمِيقٍ  ۝٢٧
Wa azzin fin naasi bil Hajji yaatooka rijaalanw wa `alaa kulli daamiriny yaateena min kulli fajjin `ameeq
Antsoy ny olona ho amin’ny fivahinianana masina. Fa ho tonga eo aminao izy ireo, am-pandehanana an-tongotra sy amin’ny alalan’ny biby fitaingina, izay avy amin’ny lalana lavitra rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:28 🔁 0/5
لِّيَشۡهَدُواْ مَنَٰفِعَ لَهُمۡ وَيَذۡكُرُواْ ٱسۡمَ ٱللَّهِ فِيٓ أَيَّامٍ مَّعۡلُومَٰتٍ عَلَىٰ مَا رَزَقَهُم مِّنۢ بَهِيمَةِ ٱلۡأَنۡعَٰمِۖ فَكُلُواْ مِنۡهَا وَأَطۡعِمُواْ ٱلۡبَآئِسَ ٱلۡفَقِيرَ  ۝٢٨
Li yashhadoo manaafi`a lahum wa yazkurus mal laahi feee ayyaamimma`loomaatin `alaa maa razaqahum mim baheematil an`aami fakuloo minhaa wa at`imul baaa`isal faqeer
Mba handray anjara amin’ireo tombotsoa izay omena azy ireo sy hahatsiaro ny anaran’I Allah mandritra ny andro voafetra; amin’ny biby fiompy izay anjara nomena azy ireo, ary mihinàna amin’izany ianareo, ary ampihinano koa ireo mahantra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:29 🔁 0/5
ثُمَّ لۡيَقۡضُواْ تَفَثَهُمۡ وَلۡيُوفُواْ نُذُورَهُمۡ وَلۡيَطَّوَّفُواْ بِٱلۡبَيۡتِ ٱلۡعَتِيقِ  ۝٢٩
Summal yaqdoo tafasahum wal yoofoo nuzoorahum wal yattawwafoo bil Baitil `Ateeq
Avy eo, aoka izy ireo hanala ireo fady rehetra hatreo, hanatanteraka ny voadin’izy ireo, ary hanao fihodinana manodidina ilay Trano Tranaina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:30 🔁 0/5
ذَٰلِكَۖ وَمَن يُعَظِّمۡ حُرُمَٰتِ ٱللَّهِ فَهُوَ خَيۡرٌ لَّهُۥ عِندَ رَبِّهِۦۗ وَأُحِلَّتۡ لَكُمُ ٱلۡأَنۡعَٰمُ إِلَّا مَا يُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡۖ فَٱجۡتَنِبُواْ ٱلرِّجۡسَ مِنَ ٱلۡأَوۡثَٰنِ وَٱجۡتَنِبُواْ قَوۡلَ ٱلزُّورِ  ۝٣٠
Zaalika wa mai yu`azzim hurumaatil laahi fahuwa khairul lahoo `inda Rabbih; wa uhillat lakumul an`aamu illaa maa yutlaa `alaikum fajtanibur rijsa minal awsaani wajtaniboo qawlaz zoor
Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ny zava-pady avy amin’I Allah, dia tsara ho azy izany eo anatrehan’ny Tompony. Ary omena alalana ianareo hihinana ireo biby fiompy, afa-tsy izay notanisaina taminareo (fady). Alavironareo ny loto noho ireo sampy, ary alavironareo ihany koa ny teny feno lainga.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:31 🔁 0/5
حُنَفَآءَ لِلَّهِ غَيۡرَ مُشۡرِكِينَ بِهِۦۚ وَمَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَكَأَنَّمَا خَرَّ مِنَ ٱلسَّمَآءِ فَتَخۡطَفُهُ ٱلطَّيۡرُ أَوۡ تَهۡوِي بِهِ ٱلرِّيحُ فِي مَكَانٍ سَحِيقٍ  ۝٣١
Hunafaaa`a lillaahi ghaira mushrikeena bih; wa mai yushrik billaahi faka annamaa kharra minas samaaa`i fatakh tafuhut tairu aw tahwee bihir reehu bee makaanin saheeq
(Aoka ianareo) hadio fò amin’I Allah, tsy ho mpampikambana Azy amin’ny hafa ; fa n'iza n'iza manompo sampy, dia tahaka ny mianjera avy eny an-danitra, ka mifaoka azy ny vorona na ny rivotra manipy azy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:32 🔁 0/5
ذَٰلِكَۖ وَمَن يُعَظِّمۡ شَعَٰٓئِرَ ٱللَّهِ فَإِنَّهَا مِن تَقۡوَى ٱلۡقُلُوبِ  ۝٣٢
Zaalika wa mai yu`azzim sha`aaa`iral laahi fa innahaa min taqwal quloob
Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ireo zava-manan-kasin’I Allah, tena marina fa izany dia anisan’ny fatahoran’ny fo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:33 🔁 0/5
لَكُمۡ فِيهَا مَنَٰفِعُ إِلَىٰٓ أَجَلٍ مُّسَمًّى ثُمَّ مَحِلُّهَآ إِلَى ٱلۡبَيۡتِ ٱلۡعَتِيقِ  ۝٣٣
Lakum feehaa manaafi`u ilaaa ajalim musamman summa mahilluhaaa ilal Baitil `Ateeq
Manana tombotsoa (amin’ireo biby ireo) ianareo hatramin’ny fotoana voafetra ; ary ny toerana fanaovana sorona azy ireo dia eo amin’ilay trano fahiny (Ka’ba).
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:34 🔁 0/5
وَلِكُلِّ أُمَّةٍ جَعَلۡنَا مَنسَكًا لِّيَذۡكُرُواْ ٱسۡمَ ٱللَّهِ عَلَىٰ مَا رَزَقَهُم مِّنۢ بَهِيمَةِ ٱلۡأَنۡعَٰمِۗ فَإِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٌ وَٰحِدٌ فَلَهُۥٓ أَسۡلِمُواْۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُخۡبِتِينَ  ۝٣٤
Wa likulli ummatin ja`alnaa mansakal liyazkurus mal laahi `alaa maa razaqahum mim baheematil an`aam; failaahukum ilaahunw Waahidun falahooo aslimoo; wa bashshiril mukhbiteen
Ary ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba fanaovana sorona, mba hanononan’izy ireo ny anaran’I Allah amin’ny anjara nomena azy ireo amin’ny biby fiompy. Ka ny zanaharinareo dia Zanahary tokana ihany, ka atolory Azy ny fanetrehan-tena, ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanetri-tena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:35 🔁 0/5
ٱلَّذِينَ إِذَا ذُكِرَ ٱللَّهُ وَجِلَتۡ قُلُوبُهُمۡ وَٱلصَّٰبِرِينَ عَلَىٰ مَآ أَصَابَهُمۡ وَٱلۡمُقِيمِي ٱلصَّلَوٰةِ وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ  ۝٣٥
Allazeena izaa zukiral laahu wajilat quloobuhum wassaabireena `alaa maaa asaabahum walmuqeemis Salaati wa mimmaa razaqnaahum yunfiqoon
Ireo izay mihentam-po rehefa ampahatsiahivina mahakasika an'I Allah, sy ireo izay maharitra amin’ny voina mihatra amin’izy ireo, ary ireo mpanatanteraka ny Fivavahana sy manao fandaniana amin’izay anjara nomenay azy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:36 🔁 0/5
وَٱلۡبُدۡنَ جَعَلۡنَٰهَا لَكُم مِّن شَعَٰٓئِرِ ٱللَّهِ لَكُمۡ فِيهَا خَيۡرٌۖ فَٱذۡكُرُواْ ٱسۡمَ ٱللَّهِ عَلَيۡهَا صَوَآفَّۖ فَإِذَا وَجَبَتۡ جُنُوبُهَا فَكُلُواْ مِنۡهَا وَأَطۡعِمُواْ ٱلۡقَانِعَ وَٱلۡمُعۡتَرَّۚ كَذَٰلِكَ سَخَّرۡنَٰهَا لَكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ  ۝٣٦
Walbudna ja`alnaahaa lakum min sha`aaa`iril laahi lakum feehaa khairun fazkurusmal laahi `alaihaa sawaaff; fa izaa wajabat junoobuhaa fakuloo minhaa wa at`imul qaani`a walmu`tarr; kazaalika sakhkharnaahaa lakum la`allakum tashkuroon
Ary ireo rameva, dia nataonay ho anisan’ny zava-manan-kasin’I Allah ho anareo. Misy fahasoavana ho anareo amin’izany. Ary tononinareo amin’izy ireo ny anaran’I Allah rehefa voafatotra tsara izy ireo. Ary rehefa maty izy ireo dia mihinàna amin’izany ianareo, ary ampisakafoano ny mahantra, mpionona tsy mitalaho sy ireo mahantra mitalaho. Tahaka izany no nanaovanay azy ireo ho anareo, angamba hankasitraka ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:37 🔁 0/5
لَن يَنَالَ ٱللَّهَ لُحُومُهَا وَلَا دِمَآؤُهَا وَلَٰكِن يَنَالُهُ ٱلتَّقۡوَىٰ مِنكُمۡۚ كَذَٰلِكَ سَخَّرَهَا لَكُمۡ لِتُكَبِّرُواْ ٱللَّهَ عَلَىٰ مَا هَدَىٰكُمۡۗ وَبَشِّرِ ٱلۡمُحۡسِنِينَ  ۝٣٧
Lany yanaalal laaha luhoo muhaa wa laa dimaaa`uhaa wa laakiny yanaaluhut taqwaa minkum; kazaalika sakhkharhaa lakum litukabbirul laaha `alaa ma hadaakum; wa bashshirul muhsineen
Samy tsy ho tonga any amin’I Allah mihitsy na ny nofony na ny ràny, fa ny fatahoranareo no ho tonga any Aminy. Tahaka izany no nanaovany azy ireo ho anareo mba hideranareo ny halehiben’I Allah, satria Izy no nitarika anareo tamin’ny lala-mahitsy. Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanao asa soa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:38 🔁 0/5
۞ إِنَّ ٱللَّهَ يُدَٰفِعُ عَنِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ كُلَّ خَوَّانٍ كَفُورٍ  ۝٣٨
Innal laaha yudaafi` `anil lazeena aamanoo; innal laaha laa yuhibbu kulla khawwaanin kafoor
Allah dia tena miaro tokoa ireo izay mino. Tena marina fa Allah dia tsy mitia ireo mpamadika, tsy mpankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:39 🔁 0/5
أُذِنَ لِلَّذِينَ يُقَٰتَلُونَ بِأَنَّهُمۡ ظُلِمُواْۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ نَصۡرِهِمۡ لَقَدِيرٌ  ۝٣٩
Uzina lillazeena yuqaataloona bi annahum zulimoo; wa innal laaha `alaa nasrihim la Qaderr
Nomena alalana ireo izay voatafika (hiaro-tena), satria tena marina fa niharan’ny tsy rariny izy ireo, ary marina fa I Allah dia afaka mamonjy azy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:40 🔁 0/5
ٱلَّذِينَ أُخۡرِجُواْ مِن دِيَٰرِهِم بِغَيۡرِ حَقٍّ إِلَّآ أَن يَقُولُواْ رَبُّنَا ٱللَّهُۗ وَلَوۡلَا دَفۡعُ ٱللَّهِ ٱلنَّاسَ بَعۡضَهُم بِبَعۡضٍ لَّهُدِّمَتۡ صَوَٰمِعُ وَبِيَعٌ وَصَلَوَٰتٌ وَمَسَٰجِدُ يُذۡكَرُ فِيهَا ٱسۡمُ ٱللَّهِ كَثِيرًاۗ وَلَيَنصُرَنَّ ٱللَّهُ مَن يَنصُرُهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَقَوِيٌّ عَزِيزٌ  ۝٤٠
Allazeena ukhrijoo min diyaarihim bighairi haqqin illaaa any yaqooloo rabbunallaah; wa law laa daf`ul laahin naasa ba`dahum biba`dil lahuddimat sawaami`u wa biya`unw wa salawaatunw wa masaajidu yuzkaru feehasmul laahi kaseeraa; wa layansurannal laahu mai yansuruh; innal laaha la qawiyyun `Azeez
Ireo izay noroahina teo amin'ny fonenany, tamin'ny tsy rariny, satria niteny izy ireo hoe :"Allah no Tomponay". Raha tsy nampifandroahin'i Allah ny olona, dia nofoanana ny fitokana-monina amin'ireo trano fiankohofana izay iantsoana matetika ny anaran'i Allah. Hamafisina, fa manohana izay manohana Azy i Allah. Fa Matanjaka sy Tsitoha i Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:41 🔁 0/5
ٱلَّذِينَ إِن مَّكَّنَّٰهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ أَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتَوُاْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَمَرُواْ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَنَهَوۡاْ عَنِ ٱلۡمُنكَرِۗ وَلِلَّهِ عَٰقِبَةُ ٱلۡأُمُورِ  ۝٤١
Allazeena im makkan naahum fil ardi aqaamus Salaata wa aatawuz Zakaata wa amaroo bilma`roofi wa nahaw `anil munkar; wa lillaahi `aaqibatul umoor
Ireo izay efa nomenay fahefana teto ambonin’ny tany dia nanatanteraka ny fivavahana izy ireo, namoaka ny ampahan-karena, ary nandidy ny tsara sy nandrara tamin’ny ratsy. Tena marina fa any amin'I Allah ny fiafaran’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:42 🔁 0/5
وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدۡ كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٍ وَعَادٌ وَثَمُودُ  ۝٤٢
Wa iny yukazzibooka faqad kazzabat qablahum qawmu Nooinw wa Aadunw wa Samood
Ary raha milaza anao fa mpandainga izy ireo, dia efa nilaza fa mpandainga koa ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, ireo Thamod talohan’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:43 🔁 0/5
وَقَوۡمُ إِبۡرَٰهِيمَ وَقَوۡمُ لُوطٍ  ۝٤٣
Wa qawmu Ibraaheema wa qawmu Loot
Ary ny vahoakan’i Abrahama sy ny vahoakan’i Lota.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:44 🔁 0/5
وَأَصۡحَٰبُ مَدۡيَنَۖ وَكُذِّبَ مُوسَىٰۖ فَأَمۡلَيۡتُ لِلۡكَٰفِرِينَ ثُمَّ أَخَذۡتُهُمۡۖ فَكَيۡفَ كَانَ نَكِيرِ  ۝٤٤
Wa as haabu Madyana wa kuzziba Moosaa fa amlaitu lilkaafireena summa akhaztuhum fakaifa kaana nakeer
Sy ireo vahoakan’ny Mad'yna, ary voapanga ho lainga ihany koa i Mosesy. Ka nomeko fe-potoana ireo tsy mpino; avy eo dia noraisiko izy ireo. Ka nanao ahoana ny fanakianako azy ireo !
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:45 🔁 0/5
فَكَأَيِّن مِّن قَرۡيَةٍ أَهۡلَكۡنَٰهَا وَهِيَ ظَالِمَةٌ فَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا وَبِئۡرٍ مُّعَطَّلَةٍ وَقَصۡرٍ مَّشِيدٍ  ۝٤٥
Faka ayyim min qaryatin ahlaknaahaa wa hiya zaalimatun fahiya khaawiyatun `alaa `urooshihaa wa bi`rim mu`at talatinw wa qasrim masheed
Firifiry moa ireo tanàna izay noravainay, satria mpanao ny tsy rariny izy ireo, rava daholo ny tafony ! Ary ireo lava-drano (vovo) dia foana tanteraka ! Ary ireo lapa dia haolo !
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:46 🔁 0/5
أَفَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَتَكُونَ لَهُمۡ قُلُوبٌ يَعۡقِلُونَ بِهَآ أَوۡ ءَاذَانٌ يَسۡمَعُونَ بِهَاۖ فَإِنَّهَا لَا تَعۡمَى ٱلۡأَبۡصَٰرُ وَلَٰكِن تَعۡمَى ٱلۡقُلُوبُ ٱلَّتِي فِي ٱلصُّدُورِ  ۝٤٦
Afalam yaseeroo fil ardi fatakoona lahum quloobuny ya`qiloona bihaaa aw aazaanuny yasm`oona bihaa fa innahaa laa ta`mal absaaru wa laakin ta`mal quloobul latee fissudoor
Tsy mivezivezy maneran-tany ve izy ireo, mba hananany fo hisainany amin'ny alalan'izany, na sofina mba handre amin'ny alalan'izany ? Satria izany dia tsy manajamba ny maso akory, fa manajamba ny fo izay ao an-tratra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:47 🔁 0/5
وَيَسۡتَعۡجِلُونَكَ بِٱلۡعَذَابِ وَلَن يُخۡلِفَ ٱللَّهُ وَعۡدَهُۥۚ وَإِنَّ يَوۡمًا عِندَ رَبِّكَ كَأَلۡفِ سَنَةٍ مِّمَّا تَعُدُّونَ  ۝٤٧
Wa yasta`juloonaka bil`azaabi wa lany yukhlifal laahu wa`dah; wa inna yawman `inda Rabbika ka`alfi sanatim mimmaa ta`uddoon
Ary hangataka aminao ny hanafainganana ny famaizana izy ireo; kanefa tsy mba mivadika na oviana na oviana amin’ny fampanantenany I Allah. Marina fa ny andro iray eo anatrehan’ny Tomponao dia toy ny arivo taona araka ny fomba fanisanareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:48 🔁 0/5
وَكَأَيِّن مِّن قَرۡيَةٍ أَمۡلَيۡتُ لَهَا وَهِيَ ظَالِمَةٌ ثُمَّ أَخَذۡتُهَا وَإِلَيَّ ٱلۡمَصِيرُ  ۝٤٨
Wa ka ayyim min qaryatin amlaitu lahaa wa hiya zaalimatun summa akhaztuhaa wa ilaiyal maseer
Firifiry moa ireo tanàna izay nomeko fe-potoana nefa manao ny tsy rariny izy ireo ! Avy eo dia noraisiko izy ireo. Ary aty Amiko no fiafarana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:49 🔁 0/5
قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّمَآ أَنَا۠ لَكُمۡ نَذِيرٌ مُّبِينٌ  ۝٤٩
Qul yaaa ayyuhan naasu innamaaa ana lakum nazeerum mubeen
Teneno hoe : “Ry olombelona ! Tsy inona akory aho fa mpampitandrina miharihary tokoa ho anareo.”
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:50 🔁 0/5
فَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُم مَّغۡفِرَةٌ وَرِزۡقٌ كَرِيمٌ  ۝٥٠
Fallazeena aamanoo wa `amilu saalihaati lahum maghfiratunw wa rizqun kareem
Fa ireo izay mino sy manao asa soa, ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny anjaram-pivelomana mahafa-po.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:51 🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ سَعَوۡاْ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مُعَٰجِزِينَ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَحِيمِ  ۝٥١
Wallazeena sa`aw feee Aayaatinaa mu`aajizeena ulaaa ika As-haabul jaheem
Fa ireo izay miezaka hanohitra ny fanambaranay, izy ireny no olon’ny Afobe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:52 🔁 0/5
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ مِن رَّسُولٍ وَلَا نَبِيٍّ إِلَّآ إِذَا تَمَنَّىٰٓ أَلۡقَى ٱلشَّيۡطَٰنُ فِيٓ أُمۡنِيَّتِهِۦ فَيَنسَخُ ٱللَّهُ مَا يُلۡقِي ٱلشَّيۡطَٰنُ ثُمَّ يُحۡكِمُ ٱللَّهُ ءَايَٰتِهِۦۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ  ۝٥٢
Wa maaa arsalnaa min qablika mir Rasoolinnw wa laa Nabiyyin illaaa izaaa tamannaaa alqash Shaitaanu feee umniy yatihee fa yansakhul laahu maa yulqish Shaitaanu summa yuhkimul laahu aayaatih; wallaahu `Aleemun Hakeem
Izahay dia tsy nandefa iraka na mpaminany teo alohanao afa-tsy hoe maniry zavatra iray (famakiana ny Boky) izy nefa mampiditra fandrebirebena amin’ny zavatra vakin'ny Satana ! Avy eo dia foanan’i Allah izay alefan’ny Satana. Ary nohamafisin’i Allah ireo fanambarany. Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Hendry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:53 🔁 0/5
لِّيَجۡعَلَ مَا يُلۡقِي ٱلشَّيۡطَٰنُ فِتۡنَةً لِّلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ وَٱلۡقَاسِيَةِ قُلُوبُهُمۡۗ وَإِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ لَفِي شِقَاقِۭ بَعِيدٍ  ۝٥٣
Liyaj`ala maa yulqish Shaitaanu fitnatal lillazeena fee quloobihim maradunw walqaasiyati quloobuhum; wa innaz zaalimeena lafee shiqaaqim ba`eed
Ny fandrebireben’ny Satana dia nataony (Allah) mba ho fitsapana ho an’ireo izay misy aretina ao am-pony sy ireo izay mafy fo (manana fisalasalana na fihatsarambelatsihy)... Marina fa ireo izay mpanao ny tsy rariny dia ao anaty fisaraham-bazana tanteraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:54 🔁 0/5
وَلِيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ أَنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَيُؤۡمِنُواْ بِهِۦ فَتُخۡبِتَ لَهُۥ قُلُوبُهُمۡۗ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهَادِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِلَىٰ صِرَٰطٍ مُّسۡتَقِيمٍ  ۝٥٤
Wa liya`lamal lazeena ootul `ilma annahul haqqu mir Rabbika fa yu`minoo bihee fatukhbita ahoo quloobuhum; wa innal laaha lahaadil lazeena aamanoo ilaa Siraatim Mustaqeem
Fa ho an’ireo izay nomena fahalalana kosa, dia nataony (izany) mba hahalalany fa fahamarinana avy amin’ny Tomponao izany, koa aoka hino izany izy ireo, ary aoka ny fon’izy ireo hanetry tena Aminy tanteraka. Tena marina fa Allah dia mpitarika ireo izay mino amin’ny lala-mahitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:55 🔁 0/5
وَلَا يَزَالُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي مِرۡيَةٍ مِّنۡهُ حَتَّىٰ تَأۡتِيَهُمُ ٱلسَّاعَةُ بَغۡتَةً أَوۡ يَأۡتِيَهُمۡ عَذَابُ يَوۡمٍ عَقِيمٍ  ۝٥٥
Wa laa yazaalul lazeena kafaroo fee miryatim minhu hattaa taatiyahumus Saa`atu baghtatan aw yaatiyahum `azaabu Yawmin `aqeem
Ary ireo izay tsy mino dia mijanona hatrany ao amin’ny fisalasalana, mandra-pahatongan’ilay ora tampoka amin’izy ireo, na koa ny famaizana amin’ny andro izay tsy hisy intsony ny famokarana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:56 🔁 0/5
ٱلۡمُلۡكُ يَوۡمَئِذٍ لِّلَّهِ يَحۡكُمُ بَيۡنَهُمۡۚ فَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ  ۝٥٦
Almulku Yawma`izil lillaahi yahkumu bainahum; fallazeena aamanoo wa `amilus saalihaati fee jannaatin Na`eem
Amin’izany andro izany, ny fanjakana dia an’I Allah. Izy no hitsara azy ireo. Fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia ho ao amin’ny zaridain’ny fahafinaretana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:57 🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا فَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ مُّهِينٌ  ۝٥٧
Wallazeena kafaroo wa kazzaboo bi Aayaatinaa fa ulaaa`ika lahum `azaabum muheen
Fa ireo izay tsy nino kosa sy nilaza fa lainga ireo fanambaranay, dia ho azy ireo ny sazy manala baraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:58 🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ ثُمَّ قُتِلُوٓاْ أَوۡ مَاتُواْ لَيَرۡزُقَنَّهُمُ ٱللَّهُ رِزۡقًا حَسَنًاۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهُوَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ  ۝٥٨
Wallazeena haajaroo fee sabeelil laahi summa qutilooo law maatoo la yarzuqan nahumul laahu rizqan hasanaa; wa innal laaha la Huwa khairur raaziqeen
Ary ireo izay nifindra-monina amin’ny lalan’I Allah, ka novonoina, na koa maty, dia tsy maintsy omen’I Allah azy ireo ny anjara mendrika indrindra. Marina fa Allah no mendrika indrindra amin’ireo mpanome ny anjara.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:59 🔁 0/5
لَيُدۡخِلَنَّهُم مُّدۡخَلًا يَرۡضَوۡنَهُۥۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَعَلِيمٌ حَلِيمٌ  ۝٥٩
La yudkhilan nahum mud khalany yardawnah; wa innal laaha la `Aleemun Haleem
Tsy maintsy hampidiriny (ao am-paradisa) amin’ny fomba tena mahafa-po azy izy ireo. Ary marina fa Allah no Mahalala ny zava-drehetra sy Tsara fanahy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:60 🔁 0/5
۞ ذَٰلِكَۖ وَمَنۡ عَاقَبَ بِمِثۡلِ مَا عُوقِبَ بِهِۦ ثُمَّ بُغِيَ عَلَيۡهِ لَيَنصُرَنَّهُ ٱللَّهُۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَعَفُوٌّ غَفُورٌ  ۝٦٠
Zaalika wa man `aaqaba bimisli maa `ooqiba bihee summa bughiya `alaihi la yansurannahul laah; innal laaha la `Afuwwun Ghafoor
Izany tokoa ! N'iza n'iza manasazy tahaka izay nanasaziana azy, avy eo niharan’ny vali-faty indray ; Allah dia tsy maintsy hamonjy azy. Marina fa Allah dia Mpandefitra, Mpamela heloka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:61 🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ يُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَيُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِ وَأَنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٌ  ۝٦١
Zaalika bi annal laaha yoolijul laila fin nahaari wa yoolijun nahaara fil laili wa annal laaha Samee`um Baseer
Araka izany, Allah dia mampiditra ny alina ao amin’ny atoandro ary mampiditra ny andro ao amin’ny alina, ary Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:62 🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ هُوَ ٱلۡبَٰطِلُ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ  ۝٦٢
Zaalika bi annal laaha Huwal haqqu wa anna maa yad`oona min doonihee huwal baatilu wa annal laaha Huwal `Aliyyul kabeer
Araka izany Allah, Izy tokoa Ilay Marina, ary marina fa izay rehetra antsoin’izy ireo ankoatra Azy dia diso; ary Allah Ilay Avo indrindra, Ilay Lehibe indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:63 🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءً فَتُصۡبِحُ ٱلۡأَرۡضُ مُخۡضَرَّةًۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَطِيفٌ خَبِيرٌ  ۝٦٣
Alam tara annal laaha anzala minas samaaa`i maaa`an fatusbihul ardu mukhdarrah; innal laaha Lateefun Khabeer
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nampidina ny rano avy any an-danitra, ka lasa maitso tsara ny tany ? Allah dia Ilay Mpangoraka sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:64 🔁 0/5
لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهُوَ ٱلۡغَنِيُّ ٱلۡحَمِيدُ  ۝٦٤
Lahoo ma fis samaawaati wa ma fil ard; wa innal laaha la Huwal Ghaniyyul Hameed
Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany ; ary Allah irery ihany Ilay Manana ny ampy, Ilay Mendri-piderana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:65 🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ سَخَّرَ لَكُم مَّا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَٱلۡفُلۡكَ تَجۡرِي فِي ٱلۡبَحۡرِ بِأَمۡرِهِۦ وَيُمۡسِكُ ٱلسَّمَآءَ أَن تَقَعَ عَلَى ٱلۡأَرۡضِ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِٱلنَّاسِ لَرَءُوفٌ رَّحِيمٌ  ۝٦٥
Alam tara annal laaha sakhkhara lakum maa fil ardi wal fulka tajree fil bahri bi amrihee wa yumsikus samaaa`a an taqa`a `alal ardi illaa biiznih; innal laaha binnaasi la Ra`oofur Raheem
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nametraka ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eto an-tany ary koa ny sambo izay misosa eny ambonin’ny ranomasina araka ny didiny ? Ary Izy no mitazona ny lanitra mba tsy hianjera amin’ny tany, raha tsy hoe sitrany izany. Marina fa Allah dia tena Mpitsimbina sy be Fiantrana amin’ny olombelona.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:66 🔁 0/5
وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَحۡيَاكُمۡ ثُمَّ يُمِيتُكُمۡ ثُمَّ يُحۡيِيكُمۡۗ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ لَكَفُورٌ  ۝٦٦
Wa Huwal lazee ahyaakum summa yumeetukum summma yuheekum; innal insaana lakafoor
Ary Izy no manome anareo ny fiainana, ary manala ny ainareo, avy eo dia Izy no hamelona anareo indray. Tena marina fa ny olombelona dia mihizingizina ao anatin’ny tsy fankatoavana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:67 🔁 0/5
لِّكُلِّ أُمَّةٍ جَعَلۡنَا مَنسَكًا هُمۡ نَاسِكُوهُۖ فَلَا يُنَٰزِعُنَّكَ فِي ٱلۡأَمۡرِۚ وَٱدۡعُ إِلَىٰ رَبِّكَۖ إِنَّكَ لَعَلَىٰ هُدًى مُّسۡتَقِيمٍ  ۝٦٧
Likulli ummatin ja`alnaa mansakan hum naasikoohu falaa yunaazi `unnaka fil amr; wad`u ilaa Rabbika innaka la `alaa hudam mustaqeem
Isaky ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba aman-dalàna ny fanompoana harahiny. Ka aoka tsy hifanditra aminao mihitsy amin’ity raharaha ity izy ireo ! Ary miantsoa ho an’ny Tomponao ianao. Tena marina fa amin’ny tari-dalana mahitsy tokoa ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:68 🔁 0/5
وَإِن جَٰدَلُوكَ فَقُلِ ٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا تَعۡمَلُونَ  ۝٦٨
Wa in jaadalooka faqulil laahu a`lamu bimaa ta`maloon
Ary raha miady hevitra aminao izy ireo, dia lazao hoe: "Allah no Mahalala indrindra izay ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:69 🔁 0/5
ٱللَّهُ يَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ  ۝٦٩
Allaahu yahkumu bainakum Yawmal Qiyaamati feemaa kuntum feehi takhtalifoon
Allah no hitsara anareo amin’ny Andro Fitsanganana amin’izay mampifanolana anareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:70 🔁 0/5
أَلَمۡ تَعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّ ذَٰلِكَ فِي كِتَٰبٍۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٌ  ۝٧٠
Alam ta`lam annal laaha ya`lamu maa fis samaaa`i wal ard; inna zaalika fee kitaab; inna zaalika `alal laahi yaseer
Moa ve tsy fantatrao fa Allah tokoa no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany ? Izany rehetra izany dia voarakitra ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin’I Allah izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:71 🔁 0/5
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَمۡ يُنَزِّلۡ بِهِۦ سُلۡطَٰنًا وَمَا لَيۡسَ لَهُم بِهِۦ عِلۡمٌۗ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِن نَّصِيرٍ  ۝٧١
Wa ya`budoona min doonil laahi maa lam yunazzil bihee sultaananw wa maa laisa lahum bihee `ilm; wa maa lizzaalimeena min naseer
Ary manompo ankoatr'I Allah izy ireo, izay tsy nampidinany na porofo iray aza, sy tsy nanan'izy ireo fahalalana, ary tsy hanana mpiaro ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:72 🔁 0/5
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٍ تَعۡرِفُ فِي وُجُوهِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلۡمُنكَرَۖ يَكَادُونَ يَسۡطُونَ بِٱلَّذِينَ يَتۡلُونَ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتِنَاۗ قُلۡ أَفَأُنَبِّئُكُم بِشَرٍّ مِّن ذَٰلِكُمُۚ ٱلنَّارُ وَعَدَهَا ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ  ۝٧٢
Wa izaa tutlaa `laihim Aayaatunaa baiyinaatin ta`rifu fee wujoohil lazeena kafarul munkara yakaadoona yastoona bil lazeena yatloona `alaihim Aayaatinaa; qul afa unab bi`ukum bisharrim min zaalikum; an Naaru wa `adahal laahul lazeena kafaroo wa bi`sal maseer
Ary raha tanisaina amin’izy ireo, ireo Fanambaranay miharihary, dia ho tsikaritrao eny amin’ny tarehin’ireo izay tsy nino ny fankahalana. Efa te-hamely ireo izay mitory ireo Fanambaranay aminy izy ireo.Teneno hoe : “Ho lazaiko anareo va ny zava-dratsy aterak'izany ? Ny Afo: izany no nampanantenain’I Allah ireo izay tsy nino. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !”
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:73 🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ضُرِبَ مَثَلٌ فَٱسۡتَمِعُواْ لَهُۥٓۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَن يَخۡلُقُواْ ذُبَابًا وَلَوِ ٱجۡتَمَعُواْ لَهُۥۖ وَإِن يَسۡلُبۡهُمُ ٱلذُّبَابُ شَيۡـًٔا لَّا يَسۡتَنقِذُوهُ مِنۡهُۚ ضَعُفَ ٱلطَّالِبُ وَٱلۡمَطۡلُوبُ  ۝٧٣
Yaaa ayyuhan naasu duriba masalun fastami`oo lah; innal lazeena tad`oona min doonil laahi lai yakhluqoo zubaabanw wa lawijtama`oo lahoo wa iny yaslub humuz zubbabu shai`al laa yastan qizoohu minh; da`ufat taalibu walmatloob
Ry olombelona, misy fanoharana, koa henoinareo izany :” Marina fa ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah, dia tsy afaka hihary na dia ny lalitra iray aza, na dia hitambatra aza izy ireo amin’izany. Ary raha misy zavatra nendahan’ny lalitra teny amin’izy ireo, dia tsy afaka hanavotra izany avy aminy izy ireo. Eny, malemy tokoa ny mpangataka sy izay angatahana !
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:74 🔁 0/5
مَا قَدَرُواْ ٱللَّهَ حَقَّ قَدۡرِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَقَوِيٌّ عَزِيزٌ  ۝٧٤
Maa qadrul laaha haqqa qadrih; innal laaha la Qawiyyun `Azeez
Tsy nomen’izy ireo haja amin’ny tena fanajana azy I Allah. Tena marina fa Allah dia Ilay Matanjaka, Ilay Mahery.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:75 🔁 0/5
ٱللَّهُ يَصۡطَفِي مِنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ رُسُلًا وَمِنَ ٱلنَّاسِۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٌ  ۝٧٥
Allahu yastafee minal malaaa`ikati Rusulanw wa minan naas; innal laaha Samee`um Baseer
Allah dia nisafidy iraka tamin’ireo Anjely sy tamin’ireo olombelona. Tena marina fa Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:76 🔁 0/5
يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡۚ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ  ۝٧٦
Ya`lamu maa baina aydeehim wa maa khalfahum; wa ilal laahi turja`ul umoor
Izy dia mahafantatra izay eo alohan’izy ireo sy izay any aorian’izy ireo. Ary any amin’I Allah no hiverina ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:77 🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱرۡكَعُواْ وَٱسۡجُدُواْۤ وَٱعۡبُدُواْ رَبَّكُمۡ وَٱفۡعَلُواْ ٱلۡخَيۡرَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ۩  ۝٧٧
Yaaa ayyuhal lazeena aamanur ka`oo wasjudoo wa`budoo Rabbakum waf`alul khaira la`allakum tuflihoon
Ry ianareo izay nino, miondreha, miankohofa, ary manompoa ny Tomponareo ianareo ; ka manaova ny soa. Angamba ahazo fahombiazana ianareo !
🎤 Ny rakotra nataonao:
22:78 🔁 0/5
وَجَٰهِدُواْ فِي ٱللَّهِ حَقَّ جِهَادِهِۦۚ هُوَ ٱجۡتَبَىٰكُمۡ وَمَا جَعَلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلدِّينِ مِنۡ حَرَجٍۚ مِّلَّةَ أَبِيكُمۡ إِبۡرَٰهِيمَۚ هُوَ سَمَّىٰكُمُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ مِن قَبۡلُ وَفِي هَٰذَا لِيَكُونَ ٱلرَّسُولُ شَهِيدًا عَلَيۡكُمۡ وَتَكُونُواْ شُهَدَآءَ عَلَى ٱلنَّاسِۚ فَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَٱعۡتَصِمُواْ بِٱللَّهِ هُوَ مَوۡلَىٰكُمۡۖ فَنِعۡمَ ٱلۡمَوۡلَىٰ وَنِعۡمَ ٱلنَّصِيرُ  ۝٧٨
Wa jaahidoo fil laahi haqqa jihaadih; Huwaj tabaakum wa maa ja`ala `alaikum fid deeni min haraj; Millata abeekum Ibraaheem; Huwa sammaakumul muslimeena min qablu wa fee haaza li yakoonar Rasoolu shaheedan `alaikum wa takoonoo shuhadaaa`a `alan naas; fa aqeemus salaata wa aatuz zakaata wa`tasimoo billaahi Huwa mawlaakum fani`mal mawlaa wa ni`man naseer
Ary miadia ho an’I Allah amin’ny ezaka tena mendrika ho Azy ianareo. Izy no nifidy anareo, ary tsy nataony hisy fahasarotana ho anareo akory ao anatin’ny finoana, foto-pinoan’ny raibenareo Abrahama. Izy no nanome anareo anarana hoe : «mpanetry tena» tany aloha sy amin’izao, mba ho vavolombelona eo anatrehanareo ny iraka ary mba ho vavolombelona eo anatrehan’ny olombelona ihany koa ianareo. Ka tanterahanareo àry ny Soalat ary mamoàha Zakat, ary koa mifikira mafy amin’I Allah ianareo. Endre izany Mpiahy tsara sy Mpamonjy mendrika !
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.

🎉
🎊 Tsara be! Vita ny Fitadidiana
Mishary Rashid Alafasy
Mahmoud Khalil Al-Husary
Abdurrahman As-Sudais
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
Abdul Basit Abdul Samad
Ali Al-Hudhaify
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
Abu Bakr Ash-Shaatree
Muhammad Ayyoub
Abdullah Basfar
Abdullah Al-Juhani
Maher Al Muaiqly
0:00
0:00
-

Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers