🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (200 Andininy)
0/200
3:1
🔁 0/5
الٓمٓ ١
Alif-Laam-Meeem
Alif, Làm, Mìm
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:2
🔁 0/5
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡحَيُّ ٱلۡقَيُّومُ ٢
Allaahu laaa ilaaha illaa Huwal Haiyul Qaiyoom
Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Velona mandrakizay sy ilay Mahavita tena tanteraka (al-kaiòm)[37].
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:3
🔁 0/5
نَزَّلَ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ مُصَدِّقًا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ وَأَنزَلَ ٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَ ٣
Nazzala `alaikal Kitaaba bilhaqqi musaddiqal limaa baina yadaihi wa anzalat Tawraata wal Injeel
Nampidina Taminao ny Boky tamim-pahamarinana Izy, manamarina izay efa nisy teo alohany. Ary nampidina ny Taoraty sy ny Evanjely Izy,
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:4
🔁 0/5
مِن قَبۡلُ هُدًى لِّلنَّاسِ وَأَنزَلَ ٱلۡفُرۡقَانَۗ إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ لَهُمۡ عَذَابٌ شَدِيدٌۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌ ذُو ٱنتِقَامٍ ٤
Min qablu hudal linnaasi wa anzalal Furqaan; innallazeena kafaroo bi Aayaatil laahi lahum `azaabun shadeed; wallaahu `azeezun zun tiqaam
Tany aloha, tari-dàlana ho an’ny Olombelona. Ary nampidina ny fanavahana [38] Izy. Tena marina, fa ireo izay nitsipaka ny fanambaran’i Allah, dia ho azy ireo ny famaizana mafy. Ary Allah dia Tsitoha sy Tompon’ny famalian-keloka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:5
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَخۡفَىٰ عَلَيۡهِ شَيۡءٌ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فِي ٱلسَّمَآءِ ٥
Innal laaha laa yakhfaa `alaihi shai`un fil ardi wa laa fis samaaa
Tena marina, fa tsy misy zavatra miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-danitra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:6
🔁 0/5
هُوَ ٱلَّذِي يُصَوِّرُكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡحَامِ كَيۡفَ يَشَآءُۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ٦
Huwal lazee yusawwirukum fil arhaami kaifa yashaaa`; laa ilaaha illaa Huwal `Azeezul Hakeem
Izy no nanome Anareo endrika tao am-bohoka araka izay sitrany. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:7
🔁 0/5
هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ مِنۡهُ ءَايَٰتٌ مُّحۡكَمَٰتٌ هُنَّ أُمُّ ٱلۡكِتَٰبِ وَأُخَرُ مُتَشَٰبِهَٰتٌۖ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِمۡ زَيۡغٌ فَيَتَّبِعُونَ مَا تَشَٰبَهَ مِنۡهُ ٱبۡتِغَآءَ ٱلۡفِتۡنَةِ وَٱبۡتِغَآءَ تَأۡوِيلِهِۦۖ وَمَا يَعۡلَمُ تَأۡوِيلَهُۥٓ إِلَّا ٱللَّهُۗ وَٱلرَّٰسِخُونَ فِي ٱلۡعِلۡمِ يَقُولُونَ ءَامَنَّا بِهِۦ كُلٌّ مِّنۡ عِندِ رَبِّنَاۗ وَمَا يَذَّكَّرُ إِلَّآ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ ٧
Huwal lazeee anzala `alaikal Kitaaba minhu Aayaatum Muh kamaatun hunna Ummul Kitaabi wa ukharu Mutashaabihaatun faammal lazeena fee quloobihim ziyghun fa yattabi`oona ma tashaabaha minhubtighaaa `alfitnati wabtighaaa`a taaweelih; wa maa ya`lamu taaweelahooo illal laah; warraasikhoona fil `ilmi yaqooloona aamannaa bihee kullum min `indi Rabbinaa; wa maa yazzakkaru illaaa ulul albaab
Izy no nampidina Taminao ilay Boky, misy andininy mazava tsara ao, izy ireo no fototr’ilay Boky, fa ny (andininy) sasany kosa dia mifono hevitra maro [39].Ireo izay manana fo mirona amin’ny fahaverezana dia manaraka ireo andininy mifono hevitra maro, ho fitadiavana ny fifanoheran-kevitra sy fitadiavana ny dikan-teny hafa momba izany, nefa tsy misy mahalala ny tena dikan’izany afa-tsy i Allah. Fa ireo miorim-paka lalina amin’ny fahalalana kosa dia miteny hoe : “ Mino an’izany izahay ! Avy amin’ny Tomponay avokoa izany rehetra izany ”. Nefa, tsy misy mahatsiaro izany, afa-tsy ireo matsilo saina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:8
🔁 0/5
رَبَّنَا لَا تُزِغۡ قُلُوبَنَا بَعۡدَ إِذۡ هَدَيۡتَنَا وَهَبۡ لَنَا مِن لَّدُنكَ رَحۡمَةًۚ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡوَهَّابُ ٨
Rabbanaa laa tuzigh quloobanaa ba`da iz hadaitanaa wa hab lanaa mil ladunka rahmah; innaka antal Wahhaab
Tomponay ô ! Aza havily any amin’ny fahaverezana ny fonay, aorian’ny nitarihanao làlana Anay, omeo indrafo avy Aminao Izahay. Tena marina fa, Ianao Ilay Mpanome tsy manam-petra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:9
🔁 0/5
رَبَّنَآ إِنَّكَ جَامِعُ ٱلنَّاسِ لِيَوۡمٍ لَّا رَيۡبَ فِيهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُخۡلِفُ ٱلۡمِيعَادَ ٩
Rabbanaaa innaka jaami `un-naasi li Yawmil laa raibafeeh; innal laaha laa yukhliful mee`aad
Tomponay ô ! Tena marina fa, Ianao no hanangona ny Olona rehetra, amin’ny Andro iray tsy misy fisalasalana ny Aminy. Tena marina fa, i Allah dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:10
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَن تُغۡنِيَ عَنۡهُمۡ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُم مِّنَ ٱللَّهِ شَيۡـًٔاۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمۡ وَقُودُ ٱلنَّارِ ١٠
Innal lazeena kafaroo lan tughniya `anhum amwaaluhum wa laaa awlaaduhum minal laahi shai`anw wa ulaaa`ika hum waqoodun Naar
Tena marina fa, ireo izay tsy nino dia tsy hahavita na inona na inona amin'izy ireo, na ny haren’izy ireo, na ny Zanak’izy ireo, eo anatrehan’i Allah. Izy ireo no ho fandrehitry ny Afobe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:11
🔁 0/5
كَدَأۡبِ ءَالِ فِرۡعَوۡنَ وَٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا فَأَخَذَهُمُ ٱللَّهُ بِذُنُوبِهِمۡۗ وَٱللَّهُ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ ١١
Kadaabi Aali Fir`awna wallazeena min qablihim; kazzaboo bi Aayaatinaa fa akhazahumul laahu bizunoo bihim; wallaahu shadeedul `iqaab
Tahaka ny vahoakan’i Faraona sy ireo talohan’izy ireo, nilaza ho lainga ireo fanambaranay izy ireo, ka nosazian’i Allah nohon'ny fahotan'izy ireo. Ary mafy ny fanasazian'i Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:12
🔁 0/5
قُل لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ سَتُغۡلَبُونَ وَتُحۡشَرُونَ إِلَىٰ جَهَنَّمَۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمِهَادُ ١٢
Qul lillazeena kafaroosatughlaboona wa tuhsharoona ilaa jahannam; wa bi`sal mihaad
Teneno amin’ireo izay tsy nino hoe : “ Ho resy tsy ela ianareo, ary ho angonina ao anaty Afobe. Ary toerana ratsy tokoa izany!
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:13
🔁 0/5
قَدۡ كَانَ لَكُمۡ ءَايَةٌ فِي فِئَتَيۡنِ ٱلۡتَقَتَاۖ فِئَةٌ تُقَٰتِلُ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَأُخۡرَىٰ كَافِرَةٌ يَرَوۡنَهُم مِّثۡلَيۡهِمۡ رَأۡيَ ٱلۡعَيۡنِۚ وَٱللَّهُ يُؤَيِّدُ بِنَصۡرِهِۦ مَن يَشَآءُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةً لِّأُوْلِي ٱلۡأَبۡصَٰرِ ١٣
Qad kaana lakum Aayatun fee fi`atainil taqataa fi`atun tuqaatilu fee sabeelil laahi wa ukhraa kaafiratuny yarawnahum mislaihim raayal `ayn; wallaahu yu`ayyidu bi nasrihee mai yashaaa`; innaa fee zaalika la `ibratal li ulil absaar
Efa nisy famantarana ho Anareo tamin'ireo andian’Olona roa nifanandrina: ny andiany iray dia niady amin’ny làlan’i Allah, ary ny andiany iray hafa kosa dia tsy mpino. Ireto farany dia nahita maso ireo mpino indroa amin’ny isan’izy ireo. Ary Allah dia manohana amin’ny alalan’ny fanampiany izay sitrany. Tena marina fa, ao anatin’izany dia misy lesona ho an’ireo manana fahiratan-tsaina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:14
🔁 0/5
زُيِّنَ لِلنَّاسِ حُبُّ ٱلشَّهَوَٰتِ مِنَ ٱلنِّسَآءِ وَٱلۡبَنِينَ وَٱلۡقَنَٰطِيرِ ٱلۡمُقَنطَرَةِ مِنَ ٱلذَّهَبِ وَٱلۡفِضَّةِ وَٱلۡخَيۡلِ ٱلۡمُسَوَّمَةِ وَٱلۡأَنۡعَٰمِ وَٱلۡحَرۡثِۗ ذَٰلِكَ مَتَٰعُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ وَٱللَّهُ عِندَهُۥ حُسۡنُ ٱلۡمَـَٔابِ ١٤
Zuyyina linnaasi hubbush shahawaati minannisaaa`i wal baneena walqanaateeril muqantarati minaz zahabi walfiddati walkhailil musawwamati wal an`aami walhars; zaalika mataa`ul hayaatid dunyaa wallaahu `indahoo husnul ma-aab
Nohatsaraina ho an’ny Olombelona ny fitiavana ny zavatra izay ankafiziny : amin'ireo vehivavy, ireo zanaka, ny harena betsaka amin’ireo volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly. Izany rehetra izany dia fahafinaretan’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Ary eo anatrehan’i Allah no misy ny fiverenana tsara indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:15
🔁 0/5
۞ قُلۡ أَؤُنَبِّئُكُم بِخَيۡرٍ مِّن ذَٰلِكُمۡۖ لِلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتٌ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا وَأَزۡوَٰجٌ مُّطَهَّرَةٌ وَرِضۡوَٰنٌ مِّنَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِٱلۡعِبَادِ ١٥
Qul a`unabbi `ukum bikhairim min zaalikum; lillazeenat taqaw `inda Rabbihim jannaatun tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feehaa wa azwaajum mutahharatunw wa ridwaanum minal laah; wallaahu baseerum bil`ibaad
Teneno hoe : “ Atoroko Anareo ve ny tsara mihoatra izany ? Ho an’ireo izay manam-patahorana, eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, dia zaridaina izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, sy vady maro izay voadio, ary koa ny fankatoavana avy amin’i Allah ”. Ary i Allah dia Mahita ny amin’ny antsipiriany ny momba ireo mpanompony.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:16
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَآ إِنَّنَآ ءَامَنَّا فَٱغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَا وَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ ١٦
Allazeena yaqooloona Rabbanaaa innanaaa aamannaa faghfir lanaa zunoobanaa wa qinaa `azaaban Naar
Ireo izay miteny hoe : " Ry Tomponay ô ! Tena marina fa mino izahay, avelao ny fahotanay, ary arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:17
🔁 0/5
ٱلصَّٰبِرِينَ وَٱلصَّٰدِقِينَ وَٱلۡقَٰنِتِينَ وَٱلۡمُنفِقِينَ وَٱلۡمُسۡتَغۡفِرِينَ بِٱلۡأَسۡحَارِ ١٧
Assaabireena wassaa diqeena walqaaniteena walmunfiqeena walmus taghfireena bil ashaar
Ireo maharitra sy ireo marina, ireo mpankato sy ireo mpamoaka ny hareny, ary ireo mpangataka ny famelan-keloka alohan’ny maraina vao mangiran-dratsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:18
🔁 0/5
شَهِدَ ٱللَّهُ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَأُوْلُواْ ٱلۡعِلۡمِ قَآئِمَۢا بِٱلۡقِسۡطِۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ١٨
Shahidal laahu annahoo laa ilaaha illaa Huwa walmalaaa`ikatu wa ulul `ilmi qaaa`imam bilqist; laaa ilaaha illaa Huwal `Azeezul Hakeem
Nitsangana vavolombelona i Allah, fa tena marina tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy irery ihany, mihaiky izany koa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana, mijoro am-pahamarinana Izy. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:19
🔁 0/5
إِنَّ ٱلدِّينَ عِندَ ٱللَّهِ ٱلۡإِسۡلَٰمُۗ وَمَا ٱخۡتَلَفَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَهُمُ ٱلۡعِلۡمُ بَغۡيَۢا بَيۡنَهُمۡۗ وَمَن يَكۡفُرۡ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ فَإِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ ١٩
Innad deena `indal laahil Islaam; wa makhtalafal lazeena ootul Kitaaba illaa mim ba`di maa jaaa`ahumul `ilmu baghyam bainahum; wa mai yakfur bi Aayaatil laahi fa innal laaha saree`ul hisaab
Tena marina fa ny finoana eo anatrehan’i Allah dia ny finoana Islamo [40]. Ary tsy nifanipa-kevitra ireo izay nomena ny Boky, afa-tsy taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, nohon'ny disadisa nifanaovany. Ary izay tsy mino ireo fanambaran’i Allah ka Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa !
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:20
🔁 0/5
فَإِنۡ حَآجُّوكَ فَقُلۡ أَسۡلَمۡتُ وَجۡهِيَ لِلَّهِ وَمَنِ ٱتَّبَعَنِۗ وَقُل لِّلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡأُمِّيِّـۧنَ ءَأَسۡلَمۡتُمۡۚ فَإِنۡ أَسۡلَمُواْ فَقَدِ ٱهۡتَدَواْۖ وَّإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡكَ ٱلۡبَلَٰغُۗ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِٱلۡعِبَادِ ٢٠
Fa in haaajjooka faqul aslamtu wajhiya lillaahi wa manit taba`an; wa qul lillazeena ootul Kitaaba wal ummiyyeena `a-aslamtum; fa in aslamoo faqadih tadaw wa in tawallaw fa innamaa `alaikal balaagh; wallaahu baseerum bil `ibaad
Fa raha miady hevitra Aminao izy ireo, dia teneno hoe : “ Natolotro ho an’i Allah ny tavako (tenako), sy izay manaraka Ahy ”. Ary teneno amin’ireo nomena ny Boky sy ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny hoe : “ Moa efa niditra Islamo ve Ianareo ? ”. Raha niditra Islamo izy ireo, dia efa nahazo ny tari-dàlana. Ary raha niamboho kosa izy ireo... dia tsy inona, afa-tsy mpampiely fotsiny Ianao. Ary i Allah dia mahita amin’ny antsipiriany izay rehetra ataon’ireo mpanompo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:21
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَيَقۡتُلُونَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ بِغَيۡرِ حَقٍّ وَيَقۡتُلُونَ ٱلَّذِينَ يَأۡمُرُونَ بِٱلۡقِسۡطِ مِنَ ٱلنَّاسِ فَبَشِّرۡهُم بِعَذَابٍ أَلِيمٍ ٢١
Innal lazeena yakfuroona bi Aayaatil laahi wa yaqtuloonan Nabiyyeena bighairi haqqinw wa yaqtuloonal lazeena yaamuroona bilqisti minannaasi fabashirhum bi`azaabin aleem
Tena marina fa izay mitsipaka ireo porofo famantarana avy amin’Allah, ka mandatsak’aina tsy amim-pahamarinana ireo Mpaminany, ary mandatsak’aina ihany koa ireo olona izay mampirisika ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny, dia lazao, fa, miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:22
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ حَبِطَتۡ أَعۡمَٰلُهُمۡ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ ٢٢
Ulaaa`ikal lazeena habitat a`maaluhum fid dunyaa wal Aaakhirati wa maa lahum min naasireen
Ireny no Olona izay very maina ny asa nataony, ety an-tany sy any an-koatra ary tsy hanana mpamonjy izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:23
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ نَصِيبًا مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ يُدۡعَوۡنَ إِلَىٰ كِتَٰبِ ٱللَّهِ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٌ مِّنۡهُمۡ وَهُم مُّعۡرِضُونَ ٢٣
Alam tara ilal lazeena ootoo naseebam minal Kitaabi yud`awna ilaa Kitaabil laahi liyahkuma bainahum summa yatawallaa fareequm minhum wa hum mu`ridoon
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky [41] ? Antsoina izy ireo mankany amin’ny Bokin’i Allah mba hitsara azy ireo; avy eo dia miamboho ny andiany amin’izy ireo ka mitodi-damosina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:24
🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَالُواْ لَن تَمَسَّنَا ٱلنَّارُ إِلَّآ أَيَّامًا مَّعۡدُودَٰتٍۖ وَغَرَّهُمۡ فِي دِينِهِم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ ٢٤
Zaalika bi annahum qaaloo lan tamassanan naaru illaaa ayyaamam ma`doodaatinw wa gharrahum fee deenihim maa kaanoo yaftaroon
Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively ny afo, raha tsy andro vitsy azo isaina”. Ka dia nahavery azy ireny tokoa teo amin’ny finoany izany lainga noforonin’izy ireo izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:25
🔁 0/5
فَكَيۡفَ إِذَا جَمَعۡنَٰهُمۡ لِيَوۡمٍ لَّا رَيۡبَ فِيهِ وَوُفِّيَتۡ كُلُّ نَفۡسٍ مَّا كَسَبَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ ٢٥
Fakaifa izaa jama`naahum li Yawmil laa raiba fee wa wuffiyat kullu nafsim maa kasabat wa hum laa yuzlamoon
Ary ahoana rehefa havorinay izy ireo ho amin’ny Andro izay tsy hisalasalana ny Aminy, ary omena ny tsirairay tanteraka ny vokatry ny asa nataon'izy ireo ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:26
🔁 0/5
قُلِ ٱللَّهُمَّ مَٰلِكَ ٱلۡمُلۡكِ تُؤۡتِي ٱلۡمُلۡكَ مَن تَشَآءُ وَتَنزِعُ ٱلۡمُلۡكَ مِمَّن تَشَآءُ وَتُعِزُّ مَن تَشَآءُ وَتُذِلُّ مَن تَشَآءُۖ بِيَدِكَ ٱلۡخَيۡرُۖ إِنَّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ ٢٦
Qulil laahumma Maalikal Mulki tu`til mulka man tashaaa`u wa tanzi`ulmulka mimman tashhaaa`u wa tu`izzu man tashaaa`u wa tuzillu man tashaaa`u biyadikal khairu innaka `alaa kulli shai`in Qadeer
Teneno hoe : " Ô Allah ! Tompon’ny fanjakana. Manome ny fanjakana ho an’izay sitrakao Ianao, sy mandrava ny fanjakana amin’izay sitrakao, ary manome hery izay sitrakao, ary manala-baraka izay sitrakao, eo am-pelatananao ny tsara rehetra. Tena marina fa Ianao dia Mahefa ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:27
🔁 0/5
تُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَتُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِۖ وَتُخۡرِجُ ٱلۡحَيَّ مِنَ ٱلۡمَيِّتِ وَتُخۡرِجُ ٱلۡمَيِّتَ مِنَ ٱلۡحَيِّۖ وَتَرۡزُقُ مَن تَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٍ ٢٧
Toolijul laila fin nahaari wa toolijun nahaara fil laili wa tukhrijul haiya minalmaiyiti wa tukhrijulo maiyita minal haiyi wa tarzuqu man tashaaa`u bighari hisab
Mampiditra ny alina ao anatin’ny Andro Ianao, ary mampiditra ny Andro ao anatin’ny alina, ary mamoaka ny velona avy amin’ny maty Ianao, ary mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary manome izay sitrakao ny anjara tsy tambo isaina Ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:28
🔁 0/5
لَّا يَتَّخِذِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۖ وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ فَلَيۡسَ مِنَ ٱللَّهِ فِي شَيۡءٍ إِلَّآ أَن تَتَّقُواْ مِنۡهُمۡ تُقَىٰةًۗ وَيُحَذِّرُكُمُ ٱللَّهُ نَفۡسَهُۥۗ وَإِلَى ٱللَّهِ ٱلۡمَصِيرُ ٢٨
Laa yattakhizil mu`minoonal kaafireena awliyaaa`a min doonil mu`mineena wa mai yaf`al zaalika falaisa minal laahi fee shai`in illaaa an tattaqoo minhum tuqaah; wa yuhazzirukumul laahu nafsah; wa ilal laahil maseer
Aoka ireo mpino mba tsy handray ireo tsy mpino ho namana ankoatra ireo mpino. Fa izay manao izany dia tsy misy tokony hantenainy mihitsy avy amin’i Allah, afa-tsy hoe miaro ny Tenanareo eo anatrehan’izy ireo Ianareo. Ary mampitandrina Anareo ny Aminy i Tompo Allah. Fa any amin’i Allah no fiverenana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:29
🔁 0/5
قُلۡ إِن تُخۡفُواْ مَا فِي صُدُورِكُمۡ أَوۡ تُبۡدُوهُ يَعۡلَمۡهُ ٱللَّهُۗ وَيَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ ٢٩
Qul in tukhfoo maa fee sudoorikum aw tubdoohu ya`lamhul laah; wa ya`lamu maa fis samaawaati wa maa fil ard; wallaahu `alaa kulli shai`in Qadeer
Teneno hoe : “ Na afeninareo izay ao an-tratranareo, na abaribarinareo, dia fantatr’i Allah izany. Ary mahafantatra izay any amin’ireo lanitra sy izay eto an-tany Izy. Fa i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:30
🔁 0/5
يَوۡمَ تَجِدُ كُلُّ نَفۡسٍ مَّا عَمِلَتۡ مِنۡ خَيۡرٍ مُّحۡضَرًا وَمَا عَمِلَتۡ مِن سُوٓءٍ تَوَدُّ لَوۡ أَنَّ بَيۡنَهَا وَبَيۡنَهُۥٓ أَمَدَۢا بَعِيدًاۗ وَيُحَذِّرُكُمُ ٱللَّهُ نَفۡسَهُۥۗ وَٱللَّهُ رَءُوفُۢ بِٱلۡعِبَادِ ٣٠
Yawma tajidu kullu nafsim maa`amilat min khairim muhdaranw wa maa `amilat min sooo`in tawaddu law anna bainahaa wa bainahooo amadam ba`eedaa; wa yuhazzirukumul laahu nafsah; wallaahu ra`oofum bil`ibaad
Amin’ny Andro hahitan’ny tsirairay izay tsara nataony eo anoloany, sy izay ratsy nataony, dia haniry izy mba hisy elanelana lavitra dia lavitra eo Aminy sy ny asa ratsy izay vitany. Ary mampitandrina Anareo ny Aminy Allah. Ary i Allah dia be fitsimbinana amin’ireo mpanompo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:31
🔁 0/5
قُلۡ إِن كُنتُمۡ تُحِبُّونَ ٱللَّهَ فَٱتَّبِعُونِي يُحۡبِبۡكُمُ ٱللَّهُ وَيَغۡفِرۡ لَكُمۡ ذُنُوبَكُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ٣١
Qul in kuntum tuhibboonal laaha fattabi` oonee yuhbibkumul laahu wa yaghfir lakum zunoobakum; wallaahu Ghafoorur Raheem
Teneno hoe : “ Raha tia Allah tokoa Ianareo, dia manaraha Ahy, mba ho tian’i Allah Ianareo, ary hamela Anareo Izy amin’ny fahotanareo. Ary i Allah dia be Famelan-keloka, be Indrafo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:32
🔁 0/5
قُلۡ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَٱلرَّسُولَۖ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ ٱلۡكَٰفِرِينَ ٣٢
Qul atee`ul laaha war Rasoola fa in tawallaw fa innal laaha laa yuhibbul kaafireen
Teneno hoe : “Aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Iraka”. Fa raha mivadika kosa ianareo…dia hamafisina, fa Allah tsy tia ireo tsy mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:33
🔁 0/5
۞ إِنَّ ٱللَّهَ ٱصۡطَفَىٰٓ ءَادَمَ وَنُوحًا وَءَالَ إِبۡرَٰهِيمَ وَءَالَ عِمۡرَٰنَ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ ٣٣
Innal laahas tafaaa Aadama wa Noohanw wa Aala Ibraaheema wa Aala Imraana `alal `aalameen
Tena marina fa i Allah dia nisafidy an’i Adama sy i Noa sy ny fianakavian’i Ibrahimo ary ny fianakavian’i Imrana teo amin’izao tontolo izao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:34
🔁 0/5
ذُرِّيَّةَۢ بَعۡضُهَا مِنۢ بَعۡضٍۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ ٣٤
Zurriyyatam ba`duhaa mim ba`d; wallaahu Samee`un `Aleem
Taranaka mifandimby, ny andaniny nipoitra avy amin'ny ankilany. Ary i Allah dia tena Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:35
🔁 0/5
إِذۡ قَالَتِ ٱمۡرَأَتُ عِمۡرَٰنَ رَبِّ إِنِّي نَذَرۡتُ لَكَ مَا فِي بَطۡنِي مُحَرَّرًا فَتَقَبَّلۡ مِنِّيٓۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ ٣٥
Iz qaalatim ra atu `Imraana Rabbi innee nazartu laka maa fee batnee muharraran fataqabbal minnee innaka Antas Samee`ul `Aleem
Raha niteny ny vadin’i Imran hoe : “Tompo ô! Efa nivoady an-tsitrapo aho, fa atolotro ho anao izay ato ambohoko. Ka aoka Ianao hanaiky ny fitalahoako. Fa Ianao no Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:36
🔁 0/5
فَلَمَّا وَضَعَتۡهَا قَالَتۡ رَبِّ إِنِّي وَضَعۡتُهَآ أُنثَىٰ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا وَضَعَتۡ وَلَيۡسَ ٱلذَّكَرُ كَٱلۡأُنثَىٰۖ وَإِنِّي سَمَّيۡتُهَا مَرۡيَمَ وَإِنِّيٓ أُعِيذُهَا بِكَ وَذُرِّيَّتَهَا مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ ٱلرَّجِيمِ ٣٦
Falammaa waqa`athaa qaalat Rabbi innee wada`tuhaaa unsaa wallaahu a`lamu bimaa wada`at wa laisaz zakaru kalunsaa wa innee sammaituhaa Maryama wa innee u`eezuhaa bika wa zurriyyatahaa minash Shaitaanir Rajeem
Ka nony niteraka azy izy, dia nilaza hoe : “Tompo ô! Indro aho fa niteraka vavy”, ary efa fantatr’Allah rahateo izay naterany! Ary tsy tahaka ny lahy ny vavy. Fa izaho nanome anarana azy hoe Mariam, ary dia mametraka azy sy ny taranany ho eo ambany fiarovanao amin’i satana, ilay voahozona”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:37
🔁 0/5
فَتَقَبَّلَهَا رَبُّهَا بِقَبُولٍ حَسَنٍ وَأَنۢبَتَهَا نَبَاتًا حَسَنًا وَكَفَّلَهَا زَكَرِيَّاۖ كُلَّمَا دَخَلَ عَلَيۡهَا زَكَرِيَّا ٱلۡمِحۡرَابَ وَجَدَ عِندَهَا رِزۡقًاۖ قَالَ يَٰمَرۡيَمُ أَنَّىٰ لَكِ هَٰذَاۖ قَالَتۡ هُوَ مِنۡ عِندِ ٱللَّهِۖ إِنَّ ٱللَّهَ يَرۡزُقُ مَن يَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٍ ٣٧
Fataqabbalahaa Rabbuhaa biqaboolin hasaninw wa ambatahaa nabaatan hasananw wa kaffalahaa Zakariyyaa kullamaa dakhala `alaihaa Zakariyyal Mihraaba wajada `indahaa rizqan qaala yaa Maryamu annaa laki haazaa qaalat huwa min `indil laahi innal laaha yarzuqu mai yashaaa`u bighairi hisaab
Ka neken’ny Tompony izany tamin’ny fanekena mendrika, ary nampitomboiny tsara Izy tamin’ny fitomboana mendrika, ary notendreny ho mpiahy Azy i Zakaria. Isaka ny miditra ao Aminy i Zakaria eo amin’ny Mihrab [43] ,dia mahita sakafo ao Aminy. Niteny izy nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Avy aiza no nahazahoanao io (sakafo io) ? ”. Niteny Izy nanao hoe : “ Avy amin’i Allah izy ireto ”. Tena marina fa i Allah dia manome anjara tsy tambo isaina ho an’izay sitrany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:38
🔁 0/5
هُنَالِكَ دَعَا زَكَرِيَّا رَبَّهُۥۖ قَالَ رَبِّ هَبۡ لِي مِن لَّدُنكَ ذُرِّيَّةً طَيِّبَةًۖ إِنَّكَ سَمِيعُ ٱلدُّعَآءِ ٣٨
Hunaaalika da`aa Zakariyyaa Rabbahoo qaala Rabbi hab lee mil ladunka zurriyyatan taiyibatan innaka samee`ud du`aaa
Teo no niantsoan’i Zakaria ny Tompony ka nanao hoe : “ Tompoko ô, omeo taranaka tsara avy Aminao Aho, fa mihaino fitarainana tokoa Ianao ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:39
🔁 0/5
فَنَادَتۡهُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَهُوَ قَآئِمٌ يُصَلِّي فِي ٱلۡمِحۡرَابِ أَنَّ ٱللَّهَ يُبَشِّرُكَ بِيَحۡيَىٰ مُصَدِّقَۢا بِكَلِمَةٍ مِّنَ ٱللَّهِ وَسَيِّدًا وَحَصُورًا وَنَبِيًّا مِّنَ ٱلصَّٰلِحِينَ ٣٩
Fanaadat hul malaaa`ikatu wa huwa qaaa`imuny yusallee fil Mihraabi annal laaha yubashshiruka bi Yahyaa musaddiqam bi Kalimatim minal laahi wa saiyidanw wa hasooranw wa Nabiyyam minas saaliheen
Ka niantso azy ireo anjely, ary izy teo ampitsanganana mivavaka tao amin’ilay toeram-pivavahana (Mihrab) manao hoe : “Allah dia milaza vaovao mahafaly ho anao amin’ny hahaterahan’i Yahya, izay hanamafy ny Teny avy amin’Allah . Ho manamboninahitra, tsara fanahy, ho Mpaminany ary koa ho isan’ireo olona mendrika.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:40
🔁 0/5
قَالَ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي غُلَٰمٌ وَقَدۡ بَلَغَنِيَ ٱلۡكِبَرُ وَٱمۡرَأَتِي عَاقِرٌۖ قَالَ كَذَٰلِكَ ٱللَّهُ يَفۡعَلُ مَا يَشَآءُ ٤٠
Qaala Rabbi annaa yakoonu lee ghulaamunw wa qad balaghaniyal kibaru wamraatee `aaqirun qaala kazaalikal laahu yaf`alu maa yashaaa
Niteny izy nanao hoe : “ Tompo ô ! Ahoana àry no hahazoako Zazalahy, kanefa izaho dia efa tena antitra, ary ny vadiko dia momba ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no izy ! ”. i Allah dia manao izay sitrany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:41
🔁 0/5
قَالَ رَبِّ ٱجۡعَل لِّيٓ ءَايَةًۖ قَالَ ءَايَتُكَ أَلَّا تُكَلِّمَ ٱلنَّاسَ ثَلَٰثَةَ أَيَّامٍ إِلَّا رَمۡزًاۗ وَٱذۡكُر رَّبَّكَ كَثِيرًا وَسَبِّحۡ بِٱلۡعَشِيِّ وَٱلۡإِبۡكَٰرِ ٤١
Qaala Rabbij `al leee Aayatan qaala Aaayatuka allaa tukalliman naasa salaasata ayyaamin illa ramzaa; wzkur Rabbaka kaseeranw wa sabbih bil`ashiyyi wal ibkaar
Niteny izy (Zakaria) ka nanao hoe : “ Tompo ô ! Omeo famantarana Aho ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiresaka amin’olona Ianao mandritry ny telo Andro, afa-tsy amin’ny alalan’ny fihetsika ihany. Ary tsarovy matetika ny Tomponao, ary derao ny voninahiny amin’ny hariva sy ny maraina ".
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:42
🔁 0/5
وَإِذۡ قَالَتِ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَٰمَرۡيَمُ إِنَّ ٱللَّهَ ٱصۡطَفَىٰكِ وَطَهَّرَكِ وَٱصۡطَفَىٰكِ عَلَىٰ نِسَآءِ ٱلۡعَٰلَمِينَ ٤٢
Wa iz qaalatil malaaa`ikatu yaa Ya Maryamu innal laahas tafaaki wa tahharaki wastafaaki `alaa nisaaa`il `aalameen
Ary rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia nisafidy Anao sy nanadio Anao; ary nisafidy Anao koa tamin’ireo vehivavin’izao tontolo izao ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:43
🔁 0/5
يَٰمَرۡيَمُ ٱقۡنُتِي لِرَبِّكِ وَٱسۡجُدِي وَٱرۡكَعِي مَعَ ٱلرَّٰكِعِينَ ٤٣
Yaa Maryamuq nutee li Rabbiki wasjudee warka`ee ma`ar raaki`een
Ô ry Mariamo ! Ankatoavy ny Tomponao, ka miankohofa Aminy Ianao, ary miondreha miaraka amin’ireo mpiondrika ".
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:44
🔁 0/5
ذَٰلِكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡغَيۡبِ نُوحِيهِ إِلَيۡكَۚ وَمَا كُنتَ لَدَيۡهِمۡ إِذۡ يُلۡقُونَ أَقۡلَٰمَهُمۡ أَيُّهُمۡ يَكۡفُلُ مَرۡيَمَ وَمَا كُنتَ لَدَيۡهِمۡ إِذۡ يَخۡتَصِمُونَ ٤٤
Zaalika min ambaaa`il ghaibi nooheehi ilaik; wa maa kunta ladaihim iz yulqoona aqlaamahum ayyuhum yakfulu Maryama wa maa kunta ladaihim iz yakhtasimoon
Izany dia anisan’ireo fanambarana vaovao miafina izay ampitanay Aminao. Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nanipy ny peniny izy ireo : iza amin’izy ireo no hiahy an’i Mariamo ! Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nifamaly izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:45
🔁 0/5
إِذۡ قَالَتِ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَٰمَرۡيَمُ إِنَّ ٱللَّهَ يُبَشِّرُكِ بِكَلِمَةٍ مِّنۡهُ ٱسۡمُهُ ٱلۡمَسِيحُ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَ وَجِيهًا فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَمِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ ٤٥
Iz qaalatil malaaa`ikatu yaa Maryamu innal laaha yubashshiruki bi Kalimatim minhus muhul Maseeh u `Eesab nu Maryama wajeehan fid dunyaa wal Aakhirati wa minal muqarrabeen
Rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia manambara vaovao Aminao, dia ny Teny avy Aminy : ny anarany dia « Mesia » « Issa », Zanakan’i Mariamo, hanam-boninahitra eto an-tany sy any an-koatra, ary ho anisan’ireo akaiky Azy ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:46
🔁 0/5
وَيُكَلِّمُ ٱلنَّاسَ فِي ٱلۡمَهۡدِ وَكَهۡلًا وَمِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ ٤٦
Wa yukallimun naasa filmahdi wa kahlanw wa minassaaliheen
“ Ary hiteny amin’Olombelona Izy raha vao teraka eo ambony fandriana, sy amin’ny halehibeny, ary ho anisan’ireo Olona mendrika ".
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:47
🔁 0/5
قَالَتۡ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي وَلَدٌ وَلَمۡ يَمۡسَسۡنِي بَشَرٌۖ قَالَ كَذَٰلِكِ ٱللَّهُ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُۚ إِذَا قَضَىٰٓ أَمۡرًا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ ٤٧
Qaalat Rabbi annaa yakoonu ee waladunw wa lam yamsasnee basharun qaala kazaalikil laahu yakhluqu maa yashaaa`; izaa qadaaa amran fa innamaa yaqoolu lahoo kun fayakoon
Niteny i Mariamo : “ Tompo ô ! Ahoana Aho no hanan-janaka lahy ka nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no Izy ! Allah dia mamorona izay sitrany. Raha mandidy zavatra Izy, dia miteny Aminy fotsiny Izy ny hoe :” Misia ", dia misy tokoa izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:48
🔁 0/5
وَيُعَلِّمُهُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَ ٤٨
Wa yu`allimuhul Kitaaba wal Hikmata wat Tawraata wal Injeel
Ary Izy (Allah) dia hampianatra Azy (Issa) ny Boky, sy ny Fahendrena, ary ny Taoraty sy ny Evanjely.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:49
🔁 0/5
وَرَسُولًا إِلَىٰ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ أَنِّي قَدۡ جِئۡتُكُم بِـَٔايَةٍ مِّن رَّبِّكُمۡ أَنِّيٓ أَخۡلُقُ لَكُم مِّنَ ٱلطِّينِ كَهَيۡـَٔةِ ٱلطَّيۡرِ فَأَنفُخُ فِيهِ فَيَكُونُ طَيۡرَۢا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۖ وَأُبۡرِئُ ٱلۡأَكۡمَهَ وَٱلۡأَبۡرَصَ وَأُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ بِإِذۡنِ ٱللَّهِۖ وَأُنَبِّئُكُم بِمَا تَأۡكُلُونَ وَمَا تَدَّخِرُونَ فِي بُيُوتِكُمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةً لَّكُمۡ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ ٤٩
Wa Rasoolan ilaa Baneee Israaa`eela annee qad ji`tukum bi Aayatim mir Rabbikum annee akhluqu lakum minatteeni kahai `atittairi fa anfukhu feehi fayakoonu tairam bi iznil laahi wa ubri`ul akmaha wal abrasa wa uhyil mawtaa bi iznil laahi wa unabbi`ukum bimaa taakuloona wa maa taddakhiroona fee buyootikum; inna fee zaalika la Aayatal lakum in kuntum mu`mineen
Ary Iraka ho amin’ny zanak’Israely izy, ka hilaza amin’izy ireo hoe : “Lazaiko marina fa tonga eto aminareo aho miaraka amin’ny porofo famantarana avy amin’ny Tomponareo. Fa izaho hamboatra ho anareo avy amin’ny fotaka natao endrika vorona, avy eo dia ho tsofiko izany; ary ho tonga vorona noho ny herin’Allah. Hampahiratra ny jamba aho, ary hanasitrana ny boka, hamelona ny maty amin’ny herin’Allah aho. Hampahafantatra anareo izay ho haninareo, sy izay hangoninareo any an-tokantranonareo ihany koa aho. Lazaiko marina aminareo, fa ao anatin’izany dia tena misy famantarana ho anareo, raha tena mpino tokoa ianareo,
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:50
🔁 0/5
وَمُصَدِّقًا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيَّ مِنَ ٱلتَّوۡرَىٰةِ وَلِأُحِلَّ لَكُم بَعۡضَ ٱلَّذِي حُرِّمَ عَلَيۡكُمۡۚ وَجِئۡتُكُم بِـَٔايَةٍ مِّن رَّبِّكُمۡ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ ٥٠
Wa musaddiqal limaa baina yadaiya minat Tawraati wa liuhilla lakum ba`dal lazee hurrima `alaikum; wa ji`tukum bi Aayatim mir Rabbikum fattaqul laaha wa atee`oon
Ary hanamarina izay ao amin’ny Taoraty teo alohako, ary hanome alàlana Anareo ny amin’ny sasany izay voarara Taminareo Aho. Ary tonga Aminareo Aho miaraka amin’ny famantarana avy amin’ny Tomponareo. Ka matahora an’i Allah àry Ianareo, ary ankatoavinareo Aho.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:51
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ رَبِّي وَرَبُّكُمۡ فَٱعۡبُدُوهُۚ هَٰذَا صِرَٰطٌ مُّسۡتَقِيمٌ ٥١
Innal laaha Rabbee wa Rabbukum fa`budooh; haazaa Siraatum Mustaqeem
Tena marina fa i Allah dia Tompoko sady Tomponareo ka tompoinareo Izy, fa izany no làla-mahitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:52
🔁 0/5
۞ فَلَمَّآ أَحَسَّ عِيسَىٰ مِنۡهُمُ ٱلۡكُفۡرَ قَالَ مَنۡ أَنصَارِيٓ إِلَى ٱللَّهِۖ قَالَ ٱلۡحَوَارِيُّونَ نَحۡنُ أَنصَارُ ٱللَّهِ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَٱشۡهَدۡ بِأَنَّا مُسۡلِمُونَ ٥٢
Falammaaa ahassa `Eesaa minhumul kufra qaala man ansaaree ilal laahi qaalal Hawaariyyoona nahnu ansaarul laahi aamannaa billaahi washhad bi annaa muslimoon
Ka rehefa nahatsapa ny tsy finoan’izy ireo i Issa (Jesoa), dia hoy izy : “Iza no hanampy ahy ho any amin’Allah”? Dia hoy ireo apôstôly : “Izahay no mpanampy izay rehetra an’Allah. Efa nino an’Allah izahay. Ary aoka ianao ho vavolombelona fa izahay dia mpanolotena ho an’Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:53
🔁 0/5
رَبَّنَآ ءَامَنَّا بِمَآ أَنزَلۡتَ وَٱتَّبَعۡنَا ٱلرَّسُولَ فَٱكۡتُبۡنَا مَعَ ٱلشَّٰهِدِينَ ٥٣
Rabbanaaa aamannaa bimaaa anzalta wattaba`nar Rasoola faktubnaa ma`ash shaahideen
“ Tomponay ô ! Nino izay nampidininao Izahay, ary narahinay ny Iraka. Ka soraty ho anisan’ireo vavolombelona Izahay ".
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:54
🔁 0/5
وَمَكَرُواْ وَمَكَرَ ٱللَّهُۖ وَٱللَّهُ خَيۡرُ ٱلۡمَٰكِرِينَ ٥٤
Wa makaroo wa makaral laahu wallaahu khairul maakireen
Ary nanao tetik’ady izy ireo, ka nanao tetik’ady ihany koa i Allah. Ary Allah no tsara tetik’ady indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:55
🔁 0/5
إِذۡ قَالَ ٱللَّهُ يَٰعِيسَىٰٓ إِنِّي مُتَوَفِّيكَ وَرَافِعُكَ إِلَيَّ وَمُطَهِّرُكَ مِنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَجَاعِلُ ٱلَّذِينَ ٱتَّبَعُوكَ فَوۡقَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِۖ ثُمَّ إِلَيَّ مَرۡجِعُكُمۡ فَأَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ فِيمَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ ٥٥
Iz qaalal laahu yaa `Eesaaa innee mutawaffeeka wa raafi`uka ilaiya wa mutah hiruka minal lazeena kafaroo wa jaa`ilul lazeenattaba ooka fawqal lazeena kafarooo ilaa Yawmil Qiyaamati summa ilaiya marji`ukum fa ahkumu bainakum feemaa kuntum feehi takhtaliifoon
Raha niteny Allah nanao hoe : “Ry Issaa, lazaiko marina aminao, fa Izaho dia hanapitra ny fiainanao ety an-tany, ary hampiakatra anao ho aty Amiko, hanadio anao amin’ireo tsy mpino, ary ireo izay nanara-dia sy nankato anao dia ho ambonin’ireo tsy mpino mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana. Ary dia aty Amiko no hiverenanareo, ka hitsara anareo Aho amin’izay nampifanolana anareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:56
🔁 0/5
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فَأُعَذِّبُهُمۡ عَذَابًا شَدِيدًا فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ ٥٦
Fa ammal lazeena kafaroo fa u`az zibuhum `azaaban shadeedan fiddunyaa wal Aakhirati wa maa lahum min naasireen
Fa ho an’ireo tsy nino kosa, dia homeko famaizana mafy izy ireny, ety an-tany sy any an-koatra; ary tsy hanana mpamonjy intsony izy ireny”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:57
🔁 0/5
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَيُوَفِّيهِمۡ أُجُورَهُمۡۗ وَٱللَّهُ لَا يُحِبُّ ٱلظَّٰلِمِينَ ٥٧
Wa ammal lazeena aamanoo wa `amilus saalihaati fa yuwaffeehim ujoorahum; wallaahu laa yuhibbuz zaalimeen
Ary ireo izay nino sy nanao ireo asa soa, dia omeny azy ireo tanteraka ny valin-kasasaran’izy ireo. Ary Allah dia tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:58
🔁 0/5
ذَٰلِكَ نَتۡلُوهُ عَلَيۡكَ مِنَ ٱلۡأٓيَٰتِ وَٱلذِّكۡرِ ٱلۡحَكِيمِ ٥٨
Zaalika natloohu `alaika minal Aayaati wa Zikril Hakeem
Izany, izay vakianay Aminao, dia anisan’ireo fahagagana sy fahatsiarovana feno fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:59
🔁 0/5
إِنَّ مَثَلَ عِيسَىٰ عِندَ ٱللَّهِ كَمَثَلِ ءَادَمَۖ خَلَقَهُۥ مِن تُرَابٍ ثُمَّ قَالَ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ ٥٩
Inna masala `Eesaa `indal laahi kamasali Aadama khalaqahoo min turaabin summa qaala lahoo kun fayakoon
Tena marina fa i Issa (Jesoa), eo anatrehan’i Allah, dia mitovy amin’i Adama, noforoniny avy tamin’ny fotaka Izy, avy eo dia niteny Taminy Izy ka nanao hoe : “ Misia ! ”, dia nisy tokoa izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:60
🔁 0/5
ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَلَا تَكُن مِّنَ ٱلۡمُمۡتَرِينَ ٦٠
Alhaqqu mir Rabbika falaa takum minal mumtareen
Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy ho anisan’ireo mpisalasala Ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:61
🔁 0/5
فَمَنۡ حَآجَّكَ فِيهِ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَكَ مِنَ ٱلۡعِلۡمِ فَقُلۡ تَعَالَوۡاْ نَدۡعُ أَبۡنَآءَنَا وَأَبۡنَآءَكُمۡ وَنِسَآءَنَا وَنِسَآءَكُمۡ وَأَنفُسَنَا وَأَنفُسَكُمۡ ثُمَّ نَبۡتَهِلۡ فَنَجۡعَل لَّعۡنَتَ ٱللَّهِ عَلَى ٱلۡكَٰذِبِينَ ٦١
Faman haaajjaka feehi mim ba`di maa jaaa`aka minal `ilmi faqul ta`aalaw nad`u abnaaa`anaa wa abnaaa`akum wa nisaaa`anaa wa nisaaa`akum wa anfusanaa wa anfusakum summa nabtahil fanaj`al la`natal laahi `alal kaazibeen
Ka izay mifanditra Aminao mikasika izany, taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana Taminao, dia Teneno ny hoe : " Avia Ianareo, hiantso ireo zanakay sy ny zanakareo isika, ny vehivavinay sy ny vehivavinareo, ny tenanay sy ny tenanareo, avy eo hanozona miaraka isika, ka hataontsika ho an’ireo mpandainga ny ozon’i Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:62
🔁 0/5
إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡقَصَصُ ٱلۡحَقُّۚ وَمَا مِنۡ إِلَٰهٍ إِلَّا ٱللَّهُۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ٦٢
Innaa haazaa lahuwal qasasul haqq; wa maa min ilaahin illal laah; wa innal laahaa la Huwal `Azeezul Hakeem
Tena marina fa, izany no tantara tena marina. Ary tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah. Ary marina fa i Allah tokoa no ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:63
🔁 0/5
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِٱلۡمُفۡسِدِينَ ٦٣
Fa in tawallaw fa innal laaha`aleemun bil mufsideen
Ka raha mitodi-damosina izy ireo... Tena marina fa i Allah dia mahalala indrindra ireo mpanao fanimbana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:64
🔁 0/5
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ تَعَالَوۡاْ إِلَىٰ كَلِمَةٍ سَوَآءِۭ بَيۡنَنَا وَبَيۡنَكُمۡ أَلَّا نَعۡبُدَ إِلَّا ٱللَّهَ وَلَا نُشۡرِكَ بِهِۦ شَيۡـًٔا وَلَا يَتَّخِذَ بَعۡضُنَا بَعۡضًا أَرۡبَابًا مِّن دُونِ ٱللَّهِۚ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَقُولُواْ ٱشۡهَدُواْ بِأَنَّا مُسۡلِمُونَ ٦٤
Qul yaa Ahlal Kitaabi ta`aalaw ilaa Kalimatin sawaaa`im bainanaa wa bainakum allaa na`buda illal laaha wa laa nushrika bihee shai`anw wa laa yattakhiza ba`dunaa ba`dan arbaabam min doonil laah; fa in tawallaw faqoolush hadoo bi annaa muslimoon
Lazao hoe : “Ry olon’ny boky, tongava ianareo hanamafy ilay teny iray itoviana eo aminay sy eo aminareo; dia ny tsy tokony hanompoantsika afa-tsy Allah, ary tsy hampitambatra Azy amin-javatra hafa, ary ny tsy tokony handraisana ny sasany amintsika ho toy ny tompo ho tompoin’ny sasany ankoatran’Allah”. Ka raha mivadika izy ireo, dia lazaonareo aminy: “Aoka ho vavolombelona ianareo, fa izahay kosa efa mpanolotena”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:65
🔁 0/5
يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تُحَآجُّونَ فِيٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَمَآ أُنزِلَتِ ٱلتَّوۡرَىٰةُ وَٱلۡإِنجِيلُ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِهِۦٓۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ ٦٥
Yaaa Ahlal Kitaabi limaa tuhaaajjoona feee Ibraaheema wa maaa unzilatit Tawraatu wal Injeelu illaa mim ba`dih; afala ta`qiloon
Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana no mifanditra Ianareo mahakasik’i Ibrahimo, nefa tsy nampidinina ny Taoraty sy ny Evanjely raha tsy taty aoriany ? Moa ve tsy mba misaina Ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:66
🔁 0/5
هَٰٓأَنتُمۡ هَٰٓؤُلَآءِ حَٰجَجۡتُمۡ فِيمَا لَكُم بِهِۦ عِلۡمٌ فَلِمَ تُحَآجُّونَ فِيمَا لَيۡسَ لَكُم بِهِۦ عِلۡمٌۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ وَأَنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ ٦٦
Haaa antum haaa`ulaaa`i baajajtum feemaa lakum bihee `ilmun falima tuhaaajjoonaa feemaa laisa lakum bihee `ilm; wallaahu ya`lamu wa antum laa ta`lamoon
Indro Ianareo mifanditra amin’ny zavatra izay Anananareo fahalalana, ka nahoana Ianareo no mifanditra amin’ny zavatra izay tsy Anananareo fahalalana ? Ary i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa dia tsy mahalala.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:67
🔁 0/5
مَا كَانَ إِبۡرَٰهِيمُ يَهُودِيًّا وَلَا نَصۡرَانِيًّا وَلَٰكِن كَانَ حَنِيفًا مُّسۡلِمًا وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ٦٧
Maa kaana Ibraaheemu Yahoodiyyanw wa laa Nasraa niyyanw wa laakin kaana Haneefam Muslimanw wa maa kaana minal mushrikeen
Tsy jiosy akory i Ibrahim, ary tsy Kristianina, fa olo-marina sy mpanolo tena Izy. Ary tsy mba anisan’ireo mpanompo sampy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:68
🔁 0/5
إِنَّ أَوۡلَى ٱلنَّاسِ بِإِبۡرَٰهِيمَ لَلَّذِينَ ٱتَّبَعُوهُ وَهَٰذَا ٱلنَّبِيُّ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْۗ وَٱللَّهُ وَلِيُّ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٦٨
Innaa awlan naasi bi Ibraaheema lallazeenat taba `oohu wa haazan nabiyyu wallazeena aamanoo; wallaahu waliyyul mu`mineen
Tena marina fa, ny Olona mendrika hitonon-tena hoe avy amin’i Ibrahimo (A.s), dia ireo izay nanaraka Azy, sy ity Mpaminany ity [46], ary ireo izay nino. Ary i Allah no Mpiahy ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:69
🔁 0/5
وَدَّت طَّآئِفَةٌ مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ لَوۡ يُضِلُّونَكُمۡ وَمَا يُضِلُّونَ إِلَّآ أَنفُسَهُمۡ وَمَا يَشۡعُرُونَ ٦٩
Waddat taaa`ifatum min Ahlil Kitaabi law yudil loonakum wa maa yudilloona illaaa anfusahum wa maa yash`uroon
Naniry ny mba hamery làlana Anareo ny andiany amin’ireo Olon’ny Boky. ka nefa tsy mamery làlana afa-tsy ny Tenany ihany izy ireo; saingy tsy mahatsapa izany izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:70
🔁 0/5
يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَأَنتُمۡ تَشۡهَدُونَ ٧٠
Yaaa Ahlal Kitaabi lima takfuroona bi Aayaatil laahi wan antum tashadoon
Ô Ianareo Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no mitsipaka ireo fanambaran’i Allah, nefa ianareo dia vavolombelona tamin’izany ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:71
🔁 0/5
يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَلۡبِسُونَ ٱلۡحَقَّ بِٱلۡبَٰطِلِ وَتَكۡتُمُونَ ٱلۡحَقَّ وَأَنتُمۡ تَعۡلَمُونَ ٧١
Yaaa Ahalal Kitaabi lima talbisoonal haqqa bilbaatili wa taktumoonal haqqa wa antum ta`lamoon
Ô Ianareo Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no mampifangaro ny marina amin’ny lainga sy manafina ny marina, ka nefa mahafantatra tsara an'izany Ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:72
🔁 0/5
وَقَالَت طَّآئِفَةٌ مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ ءَامِنُواْ بِٱلَّذِيٓ أُنزِلَ عَلَى ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَجۡهَ ٱلنَّهَارِ وَٱكۡفُرُوٓاْ ءَاخِرَهُۥ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ ٧٢
Wa qaalat taaa`ifatum min Ahlil Kitaabi aaminoo billazeee unzila `alal lazeena aamanoo wajhan nahaari wakfurooo aakhirahoo la`alla hum yarji`oon
Ary niteny ny andiany iray tamin’ireo Olon’ny Boky ka nanao hoe :” Minoa Ianareo amin'izay nampidinina tamin’ireo nino, amin’ny fiandohan’ny maraina, fa mitsipaha izany kosa amin’ny hariva, angamba hiverin-dàlana izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:73
🔁 0/5
وَلَا تُؤۡمِنُوٓاْ إِلَّا لِمَن تَبِعَ دِينَكُمۡ قُلۡ إِنَّ ٱلۡهُدَىٰ هُدَى ٱللَّهِ أَن يُؤۡتَىٰٓ أَحَدٌ مِّثۡلَ مَآ أُوتِيتُمۡ أَوۡ يُحَآجُّوكُمۡ عِندَ رَبِّكُمۡۗ قُلۡ إِنَّ ٱلۡفَضۡلَ بِيَدِ ٱللَّهِ يُؤۡتِيهِ مَن يَشَآءُۗ وَٱللَّهُ وَٰسِعٌ عَلِيمٌ ٧٣
Wa laa tu`minooo illaa liman tabi`a deenakum qul innal hudaa hudal laahi ai yu`taaa ahadum misla maaa ooteetum aw yuhaaajjookum `inda Rabbikum, qul innal fadla biyadil laah; yu`teehi mai yashaaa`; wallaahu Waasi`un `Aleem
Aza hinoanareo raha tsy olona izay nanaraka ny Finoanareo…”. Lazao azy ireo: “Fa ny tena tari-dàlana marina, dia ny tari-dàlan’Allah”. Tsy misy na iray aza nahazo mitovy amin’izay nomena anareo, na koa hifanditra aminareo eo anatrehan’ny Tompo Zanaharinareo. Lazao azy ireo hoe : “Fa ny fahasoavana, dia eo am-pelatànan’Allah. Izy no manome izany amin’ny olona ankasitrahiny. Fa Malalatànana Allaha, ary Izy no Mahalala ny zavatra rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:74
🔁 0/5
يَخۡتَصُّ بِرَحۡمَتِهِۦ مَن يَشَآءُۗ وَٱللَّهُ ذُو ٱلۡفَضۡلِ ٱلۡعَظِيمِ ٧٤
Yakhtassu birahmatihee mai yashaaa`; wallaahu zulfadil `azeem
Manokana ny indrafony amin’izay sitrany Izy. Ary i Allah dia Tompon’ny fahasoavana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:75
🔁 0/5
۞ وَمِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ مَنۡ إِن تَأۡمَنۡهُ بِقِنطَارٍ يُؤَدِّهِۦٓ إِلَيۡكَ وَمِنۡهُم مَّنۡ إِن تَأۡمَنۡهُ بِدِينَارٍ لَّا يُؤَدِّهِۦٓ إِلَيۡكَ إِلَّا مَا دُمۡتَ عَلَيۡهِ قَآئِمًاۗ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَالُواْ لَيۡسَ عَلَيۡنَا فِي ٱلۡأُمِّيِّـۧنَ سَبِيلٌ وَيَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ ٧٥
Wa min Ahlil Kitaabi man in taamanhu biqintaariny yu`addihee ilaika wa minhum man in taamanhu bideenaaril laa yu`addiheee ilaika illaa maa dumta `alaihi qaaa` imaa; zaalika biannahum qaaloo laisa `alainaa fil ummiyyeena sabeelunw wa yaqooloona `alal laahil kaziba wa hum ya`lamoon
Ary misy amin’ireny olon’ny boky ireny, raha ametrahanao fitokiana amin’ny singam-bolamena arivo dia mamerina izany araka ny tokony ho izy aminao. Kanefa, misy amin’izy ireny ihany koa raha ametrahanao fitokiana amina dinary iray, dia tsy mamerina izany aminao raha tsy mitsangana manenjika azy ianao. Satria izy ireny no nilaza: “Tsy manandraharaha ny amin’ireo tsy mahay na inona na inona izahay”. Ary milaza lainga manohitra an’Allah izy ireny, kanefa dia mahalàla.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:76
🔁 0/5
بَلَىٰۚ مَنۡ أَوۡفَىٰ بِعَهۡدِهِۦ وَٱتَّقَىٰ فَإِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُتَّقِينَ ٧٦
Balaa man awfaa bi`ahdihee wattaqaa fainnal laaha yuhibbul muttaqeen
Tsy izany anefa, fa na iza na iza nanatanteraka ny fifanekeny sy fatahorany an’i Allah…. Marina tokoa fa i Allah dia tia ireo manam-patahorana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:77
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَشۡتَرُونَ بِعَهۡدِ ٱللَّهِ وَأَيۡمَٰنِهِمۡ ثَمَنًا قَلِيلًا أُوْلَٰٓئِكَ لَا خَلَٰقَ لَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ وَلَا يُكَلِّمُهُمُ ٱللَّهُ وَلَا يَنظُرُ إِلَيۡهِمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَلَا يُزَكِّيهِمۡ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٧٧
Innal lazeena yashtaroona bi`ahdil laahi wa aymaanihim samanan qaleelan ulaaa`ika laa khalaaqa lahum fil Aakhirati wa laa yukallimuhumul laahu wa laa yanzuru ilaihim Yawmal Qiyaamati wa laa yuzakkeehim wa lahum `azabun `aleem
Tena marina fa, ireo izay mivarotra ny fifanekena nataony tamin’i Allah sy ny fianianany, amin’ny vidiny mora, izy ireny dia tsy hanana anjara na dia kely aza amin’ny fiainana any an-koatra, ary tsy hiresaka amin’izy ireo mihitsy i Allah, sady tsy hijery azy ireo amin’ny Andro farany, no tsy hanadio azy ireo Izy, ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:78
🔁 0/5
وَإِنَّ مِنۡهُمۡ لَفَرِيقًا يَلۡوُۥنَ أَلۡسِنَتَهُم بِٱلۡكِتَٰبِ لِتَحۡسَبُوهُ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَمَا هُوَ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَيَقُولُونَ هُوَ مِنۡ عِندِ ٱللَّهِ وَمَا هُوَ مِنۡ عِندِ ٱللَّهِۖ وَيَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ ٧٨
Wa inna minhum lafaree qany yalwoona alsinatahum bil Kitaabi litahsaboohu minal Kitaab, wa maa huwa minal Kitaabi wa yaqooloon huwa min `indillaahi wa maa huwa min `indillaahi wa yaqooloona `alal laahil kaziba wa hum ya`lamoon
Hamafisina, fa misy andiany amin’izy ireny no mamadika ny lelany eo am-pamakiana ilay boky, mba hiheveranareo izany ho avy ao amin’ilay boky tokoa. Tsia! Tsy avy amin’ilay boky akory izany, ary milaza ihany koa izy ireny fa ho e: “Avy amin’Allah izany”, Tsia! Tsy avy amin’Allah velively izany. Ary dia milaza lainga manohitra an’Allah izy ireo, ary fantany izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:79
🔁 0/5
مَا كَانَ لِبَشَرٍ أَن يُؤۡتِيَهُ ٱللَّهُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحُكۡمَ وَٱلنُّبُوَّةَ ثُمَّ يَقُولَ لِلنَّاسِ كُونُواْ عِبَادًا لِّي مِن دُونِ ٱللَّهِ وَلَٰكِن كُونُواْ رَبَّٰنِيِّـۧنَ بِمَا كُنتُمۡ تُعَلِّمُونَ ٱلۡكِتَٰبَ وَبِمَا كُنتُمۡ تَدۡرُسُونَ ٧٩
Maa kaana libasharin ai yu`tiyahul laahul Kitaaba walhukma wan Nubuwwata summa yaqoola linnaasi koonoo `ibaadal lee min doonil laahi wa laakin koonoo rabbaaniy yeena bimaa kuntum tu`allimoonal Kitaaba wa bimaa kuntum tadrusoon
Tsy mbola nisy olombelona nomen’Allah ny boky sy ny fahendrena, ary ny faminaniana ka mahasahy miteny amin’ny olona hoe: “Manompoa ahy ianareo, fa aza manompo an’Allah”, fa hiteny kosa izy : “Aoka ianareo hifantoka tanteraka amin’ny Tompo Zanahary, noho ianareo nampianatra ilay boky izay nandalinanareo izany”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:80
🔁 0/5
وَلَا يَأۡمُرَكُمۡ أَن تَتَّخِذُواْ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ وَٱلنَّبِيِّـۧنَ أَرۡبَابًاۚ أَيَأۡمُرُكُم بِٱلۡكُفۡرِ بَعۡدَ إِذۡ أَنتُم مُّسۡلِمُونَ ٨٠
Wa laa yaamurakum an tattakhizul malaaa `ikata wan Nabiyyeena arbaabaa; a yaamurukum bilkufri ba`da iz antum muslimoon
Ary tsy hampirisika anareo velively handray ireo Anjely, na koa ireo Irak’Allah ho toy ireo tompo izy. Moa va hampirisika anareo amin’ny tsy finoana izy, taorian’ny nahampanolotena anareo?
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:81
🔁 0/5
وَإِذۡ أَخَذَ ٱللَّهُ مِيثَٰقَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ لَمَآ ءَاتَيۡتُكُم مِّن كِتَٰبٍ وَحِكۡمَةٍ ثُمَّ جَآءَكُمۡ رَسُولٌ مُّصَدِّقٌ لِّمَا مَعَكُمۡ لَتُؤۡمِنُنَّ بِهِۦ وَلَتَنصُرُنَّهُۥۚ قَالَ ءَأَقۡرَرۡتُمۡ وَأَخَذۡتُمۡ عَلَىٰ ذَٰلِكُمۡ إِصۡرِيۖ قَالُوٓاْ أَقۡرَرۡنَاۚ قَالَ فَٱشۡهَدُواْ وَأَنَا۠ مَعَكُم مِّنَ ٱلشَّٰهِدِينَ ٨١
Wa iz akhazal laahu meesaaqan Nabiyyeena lamaaa aataitukum min Kitaabinw wa Hikmatin summa jaaa`akum Rasoolum musaddiqul limaa ma`akum latu`minunna bihee wa latansurunnah; qaala `aaqrartum wa akhaztum alaa zaalikum isree qaalooo aqrarnaa; qaala fashhadoo wa ana ma`akum minash shaahideen
Ary rehefa noraisin’i Allah ny faneken’ireo Mpaminany ny amin'ny hoe : “ Isaka ny manome Boky sy fahendrena ho Anareo Aho, ary avy eo, misy Iraka tonga Aminareo, hanamarina izay efa teo Aminareo, dia tsy maintsy hino azy Ianareo, ary tsy maintsy hanampy Azy. Ka niteny Izy nanao hoe : “ Ekenareo ve sy Ankatoavinareo amin’izany ve ny fifanekena Amiko ? ” Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ekenay izany ”. Niteny Izy ka nanao hoe : " Mitsangàna ho vavolombelona àry Ianareo. Ary Izaho koa ho anisan’ny vavolombelona, miaraka Aminareo ".
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:82
🔁 0/5
فَمَن تَوَلَّىٰ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ ٨٢
Faman tawallaa ba`da zaalika fa ulaaa`ika humul faasiqoon
Ka izay mivadika aorian’izany... dia izy ireny tokoa no tena mpanao ratsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:83
🔁 0/5
أَفَغَيۡرَ دِينِ ٱللَّهِ يَبۡغُونَ وَلَهُۥٓ أَسۡلَمَ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ طَوۡعًا وَكَرۡهًا وَإِلَيۡهِ يُرۡجَعُونَ ٨٣
Afaghaira deenil laahi yabghoona wa lahooo aslama man fis samaawaati wal ardi taw`anw wa karhanw wa ilaihi yurja`oon
Moa va ankoatra ny Finoana izay an’Allah no tadiavin’izy ireo? Kanefa manolotena ho Azy avokoa izay rehetra any an-danitra manontolo sy ety an-tany, na an-tsafidy izany na an-tery, ary any Aminy no hiverenan’izy ireny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:84
🔁 0/5
قُلۡ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ عَلَيۡنَا وَمَآ أُنزِلَ عَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطِ وَمَآ أُوتِيَ مُوسَىٰ وَعِيسَىٰ وَٱلنَّبِيُّونَ مِن رَّبِّهِمۡ لَا نُفَرِّقُ بَيۡنَ أَحَدٍ مِّنۡهُمۡ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُسۡلِمُونَ ٨٤
Qul aamannaa billaahi wa maaa unzila `alainaa wa maaa unzila `alaaa Ibraaheema wa Ismaa`eela wa Ishaaqa wa Ya`qooba wal Asbaati wa maaa ootiya Moosaa wa `Eesaa wan Nabiyyoona mir Rabbihim laa nufarriqu baina ahadim minhum wa nahnu lahoo muslimoon
Lazao ny hoe : " Izahay dia mino an'i Allah; ary mino izay nampidinina Taminay sy izay nampidinina tamin'i Ibrahim, Ismaely, Ishaaka sy Ya'qoub ary ireo foko (taranak'i Ya'qoub), ary izay nomena an'i Moussa sy Issa, ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo. Tsy manavaka na dia iray amin'izy ireo Izahay ; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:85
🔁 0/5
وَمَن يَبۡتَغِ غَيۡرَ ٱلۡإِسۡلَٰمِ دِينًا فَلَن يُقۡبَلَ مِنۡهُ وَهُوَ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ ٨٥
Wa mai yabtaghi ghairal Islaami deenan falany yuqbala minhu wa huwa fil Aakhirati minal khaasireen
Ary izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana Islamo dia tsy ho ekena aminy izany, ary any an-koatra, dia ho anisan’ny maty antoka Izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:86
🔁 0/5
كَيۡفَ يَهۡدِي ٱللَّهُ قَوۡمًا كَفَرُواْ بَعۡدَ إِيمَٰنِهِمۡ وَشَهِدُوٓاْ أَنَّ ٱلرَّسُولَ حَقٌّ وَجَآءَهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُۚ وَٱللَّهُ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّٰلِمِينَ ٨٦
Kaifa yahdil laahu qawman kafaroo ba`da eemaanihim wa shahidooo annar Rasoola haqqunw wa jaaa`ahumul baiyinaat; wallaahu laa yahdil qawmaz zaalimeen
Ahoana no hitarihan’i Allah làlana ny vahoaka tsy mino, taorian’izy ireo efa nino sy nitsangana ho vavolombelona fa tena marina tokoa ny Iraka, ary taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mazava tamin’izy ireo. Ary Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:87
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ جَزَآؤُهُمۡ أَنَّ عَلَيۡهِمۡ لَعۡنَةَ ٱللَّهِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ وَٱلنَّاسِ أَجۡمَعِينَ ٨٧
Ulaaa`ika jazaaa`uhum anna `alaihim la`natal laahi walmalaaa`ikati wannaasi ajma`een
Fa handray ny valin’asany izy ireny, dia ny hozona avy amin’Allah, sy ireo Anjely, ary ny olombelona rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:88
🔁 0/5
خَٰلِدِينَ فِيهَا لَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمُ ٱلۡعَذَابُ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ ٨٨
Khaalideena feehaa laa yukhaffafu `anhumul `azaabu wa laa hum yunzaroon
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:89
🔁 0/5
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ٨٩
Illal lazeena taaboo mim ba`di zaalika wa aslahoo fa innal laaha Ghafoorur Raheem
Afa-tsy ireo izay nibebaka taorian’izany, sy nanitsy ny tenan'izy ireo. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:90
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بَعۡدَ إِيمَٰنِهِمۡ ثُمَّ ٱزۡدَادُواْ كُفۡرًا لَّن تُقۡبَلَ تَوۡبَتُهُمۡ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلضَّآلُّونَ ٩٠
Innal lazeena kafaroo ba`da eemaanihim summaz daadoo kufral lan tuqbala tawbatuhum wa ulaaa`ika humud daaalloon
Hamafisina fa ireo izay tsy nino taorian’ny finoan’izy ireo, ka nampitombo hatrany ny tsy finoany, dia tsy ho raisina intsony ny fibebahan’izy ireo. Ary izy ireny no very tanteraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:91
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَمَاتُواْ وَهُمۡ كُفَّارٌ فَلَن يُقۡبَلَ مِنۡ أَحَدِهِم مِّلۡءُ ٱلۡأَرۡضِ ذَهَبًا وَلَوِ ٱفۡتَدَىٰ بِهِۦٓۗ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ ٩١
Innal lazeena kafaroo wa maatoo wa hum kuffaarun falany yuqbala min ahadihim mil`ul ardi zahabanw wa lawiftadaa bih; ulaaa `ika lahum `azaabun aleemunw wa maa lahum min naasireen
Tena marina fa ireo olona tsy nino ka nindaosin’ny fahafatesana tao anatin’izany, dia tsy misy na iray ekena na oviana na oviana avy amin’izy ireny, na dia volamena hameno ny tany aza no ho takalony. Efa miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana, ary tsy hanana mpanavotra izy ireo amin’izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:92
🔁 0/5
لَن تَنَالُواْ ٱلۡبِرَّ حَتَّىٰ تُنفِقُواْ مِمَّا تُحِبُّونَۚ وَمَا تُنفِقُواْ مِن شَيۡءٍ فَإِنَّ ٱللَّهَ بِهِۦ عَلِيمٌ ٩٢
Lan tanaalul birra hattaa tunfiqoo mimmaa tuhibboon; wa maa tunfiqoo min shai`in fa innal laaha bihee `Aleem
Tsy hahazo ilay fahasoavana velively ianareo raha tsy mahafoy manome izay zavatra tianareo. Ary izay zavatra rehetra afoinareo, dia Allah no tena mahafantatra izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:93
🔁 0/5
۞ كُلُّ ٱلطَّعَامِ كَانَ حِلًّا لِّبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ إِلَّا مَا حَرَّمَ إِسۡرَٰٓءِيلُ عَلَىٰ نَفۡسِهِۦ مِن قَبۡلِ أَن تُنَزَّلَ ٱلتَّوۡرَىٰةُۚ قُلۡ فَأۡتُواْ بِٱلتَّوۡرَىٰةِ فَٱتۡلُوهَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ٩٣
Kullut ta`aami kaana hillal li Baneee Israaa`eela illaa maa harrama Israaa`eelu `alaa nafsihee min qabli an tunzzalat Tawraah; qul faatoo bit Tawraati fatloohaaa in kuntum saadiqeen
Ny sakafo rehetra fahiny dia azo ho hanina (Halal) [52] ho an’ny zanak’Israely, afa-tsy izay noraran’ny Israely (Haramo) [53] tamin’ny tenany talohan’ny nampidinana ny Taoraty. Teneno hoe : “ Ento eto ny Boky Taoraty ka vakio, raha marina izay lazainareo ! ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:94
🔁 0/5
فَمَنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ ٩٤
Famanif taraa `alal laahilkaziba mim ba`di zaalika fa ulaaa`ika humuz zaalimoon
Ka izay mamorona lainga mikasika an’i Allah taorian’izany, dia izy ireo no mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:95
🔁 0/5
قُلۡ صَدَقَ ٱللَّهُۗ فَٱتَّبِعُواْ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفًاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ٩٥
Qul sadaqal laah; fattabi`oo Millata Ibraaheema Haneefanw wa maa kaana minal mush rikeen
Teneno hoe: “ Nilaza ny marina i Allah ” Ka arahinareo ny finoan’i Ibrahimo izay fanompoana an’i Allah irery ihany, madio mangarahara ary tsy mba anisan’ireo mpanompo sampy Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:96
🔁 0/5
إِنَّ أَوَّلَ بَيۡتٍ وُضِعَ لِلنَّاسِ لَلَّذِي بِبَكَّةَ مُبَارَكًا وَهُدًى لِّلۡعَٰلَمِينَ ٩٦
Inna awwala Baitinw wudi`a linnaasi lallazee bi Bakkata mubaarakanw wa hudal lil `aalameen
Tena marina fa ny trano naorina voalohany indrindra ho an’ny Olombelona, dia izay ao Bakka [54] (Makka) feno fahasoavana sy tari-dàlana ho an’izao tontolo izao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:97
🔁 0/5
فِيهِ ءَايَٰتُۢ بَيِّنَٰتٌ مَّقَامُ إِبۡرَٰهِيمَۖ وَمَن دَخَلَهُۥ كَانَ ءَامِنًاۗ وَلِلَّهِ عَلَى ٱلنَّاسِ حِجُّ ٱلۡبَيۡتِ مَنِ ٱسۡتَطَاعَ إِلَيۡهِ سَبِيلًاۚ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَنِيٌّ عَنِ ٱلۡعَٰلَمِينَ ٩٧
Feehi Aayaatum baiyinaatum Maqaamu Ibraaheema wa man dakhalahoo kaana aaminaa; wa lillaahi `alan naasi Hijjul Baiti manis tataa`a ilaihi sabeelaa; wa man kafara fa innal laaha ghaniyyun `anil `aalameen
Misy famantarana mazava maro ao Aminy, toerana izay nitsanganan’i Ibrahimo. Ary izay miditra ao dia mahita fandriampahalemana. Adidin’ny Olombelona Amin’i Allah ho an’izay manan-katao no mankany, manatanteraka ny Hajy, amin’ilay trano masina. Ary ho an’izay tsy nino, dia hamafisina fa tsy miantehitra amin’izao tontolo izao i Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:98
🔁 0/5
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَٱللَّهُ شَهِيدٌ عَلَىٰ مَا تَعۡمَلُونَ ٩٨
Qul yaaa Ahlal Kitaabi lima takfuroona bi Aayaatillaahi wallaahu shaheedun `alaa maa ta`maloon
Teneno hoe : “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no tsy mino an’ireo fanambaran’i Allah, nefa i Allah dia vavolombelon’izay rehetra Ataonareo ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:99
🔁 0/5
قُلۡ يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ مَنۡ ءَامَنَ تَبۡغُونَهَا عِوَجًا وَأَنتُمۡ شُهَدَآءُۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ ٩٩
Qul yaaa Ahlal Kitaabi lima tusuddoona `an sabeelil laahi man aamana tabghoonahaa `iwajanw wa antum shuhadaaa`; wa mallaahu bighaafilin `ammaa ta`maloon
Teneno hoe: “ Ô ry Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no manakana izay mino mankany amin’ny làlan’i Allah ilainareo avily izany, ka nefa Ianareo dia vavolombelona manoloana ny fahamarinana ! ”.ary i Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra Ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:100
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن تُطِيعُواْ فَرِيقًا مِّنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ يَرُدُّوكُم بَعۡدَ إِيمَٰنِكُمۡ كَٰفِرِينَ ١٠٠
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo in tutee`oo fareeqam minal lazeena ootul Kitaaba yaruddookum ba`da eemaanikum kaafireen
Ô Ianareo izay nino ! Raha mankato ny andiany amin’ireo izay nomena ny Boky Ianareo, dia hamerina Anareo ho lasa tsy mpino izy ireo, taorian’ny finoana izay efa Nanananareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:101
🔁 0/5
وَكَيۡفَ تَكۡفُرُونَ وَأَنتُمۡ تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ ءَايَٰتُ ٱللَّهِ وَفِيكُمۡ رَسُولُهُۥۗ وَمَن يَعۡتَصِم بِٱللَّهِ فَقَدۡ هُدِيَ إِلَىٰ صِرَٰطٍ مُّسۡتَقِيمٍ ١٠١
Wa kaifa takfuroona wa antum tutlaa `alaikum Aayaatul laahi wa feekum Rasooluh; wa mai ya`tasim baillaahi faqad hudiya ilaa Siraatim Mustaqeem
Ary ahoana Ianareo no tsy mino ka nefa ianareo indrindra no amakiana ireo fanambaran’i Allah, ary eo Aminareo lalandava ny Irany ? Ary izay mifikitra mafy amin’i Allah dia efa voahitsy amin’ny làlana mahitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:102
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَ حَقَّ تُقَاتِهِۦ وَلَا تَمُوتُنَّ إِلَّا وَأَنتُم مُّسۡلِمُونَ ١٠٢
Yaaa ayyuhal lazeena aamanut taqul laaha haqqa tuqaatihee wa laa tamoontunna illaa wa antum muslimoon
Ô Ianareo izay nino ! Matahora an’i Allah Ianareo amin’ny tena fatahorana Azy marina, ary aoka mba tsy ho faty raha tsy efa manaiky tanteraka an’i Allah Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:103
🔁 0/5
وَٱعۡتَصِمُواْ بِحَبۡلِ ٱللَّهِ جَمِيعًا وَلَا تَفَرَّقُواْۚ وَٱذۡكُرُواْ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ إِذۡ كُنتُمۡ أَعۡدَآءً فَأَلَّفَ بَيۡنَ قُلُوبِكُمۡ فَأَصۡبَحۡتُم بِنِعۡمَتِهِۦٓ إِخۡوَٰنًا وَكُنتُمۡ عَلَىٰ شَفَا حُفۡرَةٍ مِّنَ ٱلنَّارِ فَأَنقَذَكُم مِّنۡهَاۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ ١٠٣
Wa`tasimoo bi Hablil laahi jamee`anw wa laa tafarraqoo; wazkuroo ni`matal laahi alaikum iz kuntum a`daaa`an fa allafa baina quloobikum fa asbah tum bini`matiheee ikhwaananw wa kuntum `alaa shafaa hufratim minan Naari fa anqazakum minhaa; kazaalika yubaiyinul laahu lakum aayaatihee la`allakum tahtadoon
Ary mifikira mafy Ianareo amin’ny tadin’i Allah, fa aza misaratsaraka. Ary tsarovinareo ny Fahasoavan’i Allah eo Aminareo, raha mpifahavalo Ianareo teo aloha dia natambatry ny Fonareo, ka lasa mpirahalahy nohon'ny fahasoavany Ianareo. Ary Ianareo dia efa tena teo amoron-kadin’ny afo, ka navotany tamin’izany Ianareo. Tahaka izany no hanazavan’i Allah Aminareo ny fanambarany, angamba hizotra amin’ny làla-mahitsy Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:104
🔁 0/5
وَلۡتَكُن مِّنكُمۡ أُمَّةٌ يَدۡعُونَ إِلَى ٱلۡخَيۡرِ وَيَأۡمُرُونَ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَيَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمُنكَرِۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ ١٠٤
Waltakum minkum ummatuny yad`oona ilal khairi wa yaamuroona bilma `roofi wa yanhawna `anil munkar; wa ulaaa`ika humul muflihoon
Ary aoka mba hisy Aminareo vahoaka, hiantso ho amin’ny tsara sy handidy amin’ny mendrika, ary handrara amin’ny ratsy. Ary izy ireo no mahazo ny fahombiazana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:105
🔁 0/5
وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ تَفَرَّقُواْ وَٱخۡتَلَفُواْ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٌ ١٠٥
Wa laa takoonoo kallazeena tafarraqoo wakhtalafoo mim ba`di maa jaaa`ahumul baiyinaat; wa ulaaa`ika lahum `azaabun `azeem
Ary aoka Ianareo tsy hanao tahaka ireo nisaratsaraka, sy nifanipa-kevitra taorian’ny fahatongavan’ireo porofo mazava tamin’izy ireo. Ary ho azy ireo ny famaizana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:106
🔁 0/5
يَوۡمَ تَبۡيَضُّ وُجُوهٌ وَتَسۡوَدُّ وُجُوهٌۚ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ٱسۡوَدَّتۡ وُجُوهُهُمۡ أَكَفَرۡتُم بَعۡدَ إِيمَٰنِكُمۡ فَذُوقُواْ ٱلۡعَذَابَ بِمَا كُنتُمۡ تَكۡفُرُونَ ١٠٦
Yawma tabyaddu wujoohunw wa taswaddu wujooh; faammal lazeenas waddat wujoohum akafartum ba`da eemaanikum fazooqul `azaaba bimaa kuntum takfuroon
Amin’ny Andro hampazava ireo tarehy sy hahamaizina ihany koa ireo tarehy hafa, ka ho an’ireo izay maizina ny tarehinizy ireo (dia holazaina izy ireo): “ Tsy nino va Ianareo taorian’ny fanananareo ny finoana ? Ka andramano àry ny famaizana noho Ianareo nitsipaka ny finoana ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:107
🔁 0/5
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ ٱبۡيَضَّتۡ وُجُوهُهُمۡ فَفِي رَحۡمَةِ ٱللَّهِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ١٠٧
Wa ammal lazeenabyadd at wujoohuhum fafee rahmatil laahi hum feehaa khaalidoon
Fa ireo izay mazava kosa ny tarehiny, dia ao anatin’ny Indrafon’i Allah, ary hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:108
🔁 0/5
تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱللَّهِ نَتۡلُوهَا عَلَيۡكَ بِٱلۡحَقِّۗ وَمَا ٱللَّهُ يُرِيدُ ظُلۡمًا لِّلۡعَٰلَمِينَ ١٠٨
Tilka Aayaatul laahi natloohaa `alaika bilhaqq; wa mal laahu yureedu zulmallil `aalameen
Ireny no Fanambaran’i Allah, vakinay Aminao am-pahamarinana, ary tsy mitady hanao ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao mihitsy i Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:109
🔁 0/5
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ ١٠٩
Wa lillaahi maa fissamaawaati wa maa fil ard; wa ilal laahi turja;ul umoor
Ary an’i Allah avokoa izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany. Ary any amin’i Allah no hiverenan’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:110
🔁 0/5
كُنتُمۡ خَيۡرَ أُمَّةٍ أُخۡرِجَتۡ لِلنَّاسِ تَأۡمُرُونَ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَتَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمُنكَرِ وَتُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِۗ وَلَوۡ ءَامَنَ أَهۡلُ ٱلۡكِتَٰبِ لَكَانَ خَيۡرًا لَّهُمۚ مِّنۡهُمُ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ وَأَكۡثَرُهُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ ١١٠
Kuntum khaira ummatin ukhrijat linnaasi taamuroona bilma`roofi wa tanhawna `anil munkari wa tu`minoona billaah; wa law aamana Ahlul Kitaabi lakaana khairal lahum minhumul mu`minoona wa aksaruhumul faasiqoon
Ianareo no vahoaka mendrika indrindra navoaka ho an’ny Olombelona, handidy sy handrara amin’ny ratsy Ianareo, ary mino Allah. Raha nino ireo Olon’ny Boky, dia tsara tokoa ho azy ireo izany. Nisy tamin’izy ireo anefa no tena mpino, fa ny ankamaron’izy ireo kosa dia mpanao ratsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:111
🔁 0/5
لَن يَضُرُّوكُمۡ إِلَّآ أَذًىۖ وَإِن يُقَٰتِلُوكُمۡ يُوَلُّوكُمُ ٱلۡأَدۡبَارَ ثُمَّ لَا يُنصَرُونَ ١١١
Lai yadurrookum `illaaa azanw wa ai yuqaatilookum yuwallookumul adbaara summa laa yunsaroon
Tsy hahavita ratsy mihitsy Aminareo izy ireo, afa-tsy ny fanelingelenana. Ary rehefa miady Aminareo izy ireo dia hitodi-damosina, avy eo dia tsy hisy hanavotra izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:112
🔁 0/5
ضُرِبَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلذِّلَّةُ أَيۡنَ مَا ثُقِفُوٓاْ إِلَّا بِحَبۡلٍ مِّنَ ٱللَّهِ وَحَبۡلٍ مِّنَ ٱلنَّاسِ وَبَآءُو بِغَضَبٍ مِّنَ ٱللَّهِ وَضُرِبَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلۡمَسۡكَنَةُۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ كَانُواْ يَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَيَقۡتُلُونَ ٱلۡأَنۢبِيَآءَ بِغَيۡرِ حَقٍّۚ ذَٰلِكَ بِمَا عَصَواْ وَّكَانُواْ يَعۡتَدُونَ ١١٢
Duribat `alaihimuz zillatu aina maa suqifooo illaa bihablim minal laahi wa hablim minan naasi wa baaa`oo bighadabim minallaahi wa duribat `alaihimul maskanah; zaalika bi-annahum kaanoo yakfuroona bi Aayaatil laahi wa yaqtuloonal Ambiyaaa`a bighairi haqq; zaalika bimaa `asaw wa kaanoo ya`tadoon
Mianjady amin’izy ireo ny fahafaham-baraka, n’aiza n’aiza misy azy ireo, raha tsy amin’ny alalan’ny famonjena avy amin’i Allah sy fifanekena avy amin’Olombelona. Nianjady tamin’izy ireo ny fahatezeran’i Allah, ary nianjady tamin’izy ireo ihany koa ny fahantrana. Izany, noho izy ireo tsy nino ireo fanambaran’i Allah, ary namono tsy ara-drariny ireo Mpaminany, ary koa noho izy ireo tsy nankato, sy nandika ny didy aman-dalàna.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:113
🔁 0/5
۞ لَيۡسُواْ سَوَآءًۗ مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ أُمَّةٌ قَآئِمَةٌ يَتۡلُونَ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ ءَانَآءَ ٱلَّيۡلِ وَهُمۡ يَسۡجُدُونَ ١١٣
Laisoo sawaaa`a; min Ahlil Kitaabi ummatun qaaa`imatuny yatloona Aayaatil laahi aanaaa`al laili wa hum yasjudoon
Tsy mitovy avokoa izy ireo. Misy amin’ireo Olon’ny Boky, vahoaka mijoro, mamaky ny Fanambaran’i Allah mandritra ny alina no sady miankohoka izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:114
🔁 0/5
يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَيَأۡمُرُونَ بِٱلۡمَعۡرُوفِ وَيَنۡهَوۡنَ عَنِ ٱلۡمُنكَرِ وَيُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ ١١٤
Yu`minoona billaahi wal Yawmil Aakhiri wa yaa muroona bilma`roofi wa yanhawna `anil munkari wa yusaari`oona fil khairaati wa ulaa`ika minas saaliheen
Mino an’i Allah sy ny Andro farany izy ireo, mandidy amin’ny mendrika sy mandrarà amin’ny ratsy, ary mifaninana amin’ny fanaovana ireo asa soa. Fa izy ireny dia anisan’ireo Olona mpanao asa soa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:115
🔁 0/5
وَمَا يَفۡعَلُواْ مِنۡ خَيۡرٍ فَلَن يُكۡفَرُوهُۗ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِٱلۡمُتَّقِينَ ١١٥
Wa maa yaf`aloo min khairin falai yukfarooh; wallaahu `aleemun bilmuttaqeen
Ary izay tsara ataon’izy ireo, dia tsy misy handà azy ireo amin’izany mihitsy. Ary i Allah no tena Mahalala ireo manam-patahorana (tia vavaka).
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:116
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَن تُغۡنِيَ عَنۡهُمۡ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُم مِّنَ ٱللَّهِ شَيۡـًٔاۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ١١٦
Innal lazeena kafaroo lan tughniya `anhum amwaalum wa laaa awlaaduhum minal laahi shai anw wa ulaaa`ika Ashaabun Naar; hum feehaa khaalidoon
Tena marina fa ireo izay tsy nino, dia tsy afaka hanao n’ino n’inona amin’izy ireo na dia kely aza, ireo hareny na ireo zanany, eo anatrehan’i Allah. Ary izy ireo dia Olon’ny afo, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:117
🔁 0/5
مَثَلُ مَا يُنفِقُونَ فِي هَٰذِهِ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا كَمَثَلِ رِيحٍ فِيهَا صِرٌّ أَصَابَتۡ حَرۡثَ قَوۡمٍ ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ فَأَهۡلَكَتۡهُۚ وَمَا ظَلَمَهُمُ ٱللَّهُ وَلَٰكِنۡ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ ١١٧
Masalu maa yunfiqoona fee haazihil hayaatid dunyaa kamasali reehin feehaa sirrun as aabat harsa qawmin zalamooo anfusahum fa ahlakath; wa maa zalamahumul laahu wa laakin anfusahum yazlimoon
Tahaka izay lanin’izy ireo eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany, dia mitovy amin’ny rivotra feno havandra, izay milatsaka eo amin’ny tanimbolin’ireo vahoaka namitaka ny tenan'izy ireo, ka mamotika izany. Ary tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo i Allah, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:118
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَتَّخِذُواْ بِطَانَةً مِّن دُونِكُمۡ لَا يَأۡلُونَكُمۡ خَبَالًا وَدُّواْ مَا عَنِتُّمۡ قَدۡ بَدَتِ ٱلۡبَغۡضَآءُ مِنۡ أَفۡوَٰهِهِمۡ وَمَا تُخۡفِي صُدُورُهُمۡ أَكۡبَرُۚ قَدۡ بَيَّنَّا لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِۖ إِن كُنتُمۡ تَعۡقِلُونَ ١١٨
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo laa tattakhizoo bitaanatam min doonikum laa yaaloonakum khabaalanw waddoo maa `anittum qad badatil baghdaaa`u min afwaahihim; wa maa tukhfee sudooruhum akbar; qad baiyannaa lakumul Aayaati in kuntum ta`qiloon
Ô Ianareo izay nino ! Aza mandray mpitana tsiambaratelo ivelanareo Ianareo; tsy mitsahatra hanapotika Anareo izy ireo. Mirary Anareo ho ao anatin’ny fahasahiranana lalandava izy ireo; ny fankahalàna no mivoaka avy amin’ny vavan’izy ireo; ary izay afenin’ny tratran’izy ireo (Fo) dia lehibe mihoatra izany. Efa nasehonay Anareo ireo famantarana, raha mba misaina Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:119
🔁 0/5
هَٰٓأَنتُمۡ أُوْلَآءِ تُحِبُّونَهُمۡ وَلَا يُحِبُّونَكُمۡ وَتُؤۡمِنُونَ بِٱلۡكِتَٰبِ كُلِّهِۦ وَإِذَا لَقُوكُمۡ قَالُوٓاْ ءَامَنَّا وَإِذَا خَلَوۡاْ عَضُّواْ عَلَيۡكُمُ ٱلۡأَنَامِلَ مِنَ ٱلۡغَيۡظِۚ قُلۡ مُوتُواْ بِغَيۡظِكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ ١١٩
Haaa antum ulaaa`i tuhibboonahum wa laa yuhibboonakum wa tu`minoona bil kitaabi kullihee wa izaa laqookum qaalooo aamannaa wa izaa khalaw `addoo `alaikumul anaamila minal ghaiz; qul mootoo bighai zikum; innal laaha `aleemum bizaatis sudoor
Ianareo, tia azy ireo, nefa izy ireo tsy mba tia Anareo; ary mino ny Boky rehetra Ianareo. Ary rehefa mihaona Aminareo izy ireo, dia milaza hoe : “ Mino Izahay ”, fa rehefa samy irery kosa izy ireo, dia manaikitra tondro mafy izy ireo nohon'ny hatezerany. Lazao hoe : “ Matesa nohon'ny haromotanareo Ianareo ”. Tena marina, fa i Allah dia mahafantatra tanteraka izay rehetra ao am-po.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:120
🔁 0/5
إِن تَمۡسَسۡكُمۡ حَسَنَةٌ تَسُؤۡهُمۡ وَإِن تُصِبۡكُمۡ سَيِّئَةٌ يَفۡرَحُواْ بِهَاۖ وَإِن تَصۡبِرُواْ وَتَتَّقُواْ لَا يَضُرُّكُمۡ كَيۡدُهُمۡ شَيۡـًٔاۗ إِنَّ ٱللَّهَ بِمَا يَعۡمَلُونَ مُحِيطٌ ١٢٠
In tamsaskum hasanatun tasu`hum wa in tusibkum saiyi`atuny yafrahoo bihaa wa in tasbiroo wa tattaqoo laa yad urrukum kaiduhum shai`aa; innal laaha bimaa ya`maloona muheet
Raha misy fahasoavana Azonareo, dia mampalahelo azy ireo izany. Raha misy loza kosa manjo Anareo, dia mahafaly azy ireo. Raha manam-paharetana sy manam-patahorana Ianareo, dia tsy ahazo Anareo na dia kely aza ny teti-dratsin'izy ireo. Tena marina, fa i Allah dia mahafehy tsara izay ataon'izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:121
🔁 0/5
وَإِذۡ غَدَوۡتَ مِنۡ أَهۡلِكَ تُبَوِّئُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ مَقَٰعِدَ لِلۡقِتَالِۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ ١٢١
Wa iz ghadawta min ahlika tubawwi`ul mu`mineena maqaa`ida lilqitaal; wallaahu samee`un `aleem
Ary raha niala ny fianakavianao indray maraina ianao, ka nametrapetraka ireo mpino teo amin’ny tobim-piadiana, dia maheno tokoa sy mahafantatra ny zava-drehetra i Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:122
🔁 0/5
إِذۡ هَمَّت طَّآئِفَتَانِ مِنكُمۡ أَن تَفۡشَلَا وَٱللَّهُ وَلِيُّهُمَاۗ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ١٢٢
Iz hammat taaa`ifataani minkum an tafshalaa wallaahu waliyyuhumaa; wa `alal laahi falyatawakkalil mu`minoon
Raha nanam-pikasana hilefitra ny andiany Roa Taminareo [55], dia i Allah no Mpiahy azy Roa tonta. Ka aoka hametra-pitokisana amin’i Allah ny mpino rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:123
🔁 0/5
وَلَقَدۡ نَصَرَكُمُ ٱللَّهُ بِبَدۡرٍ وَأَنتُمۡ أَذِلَّةٌۖ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ ١٢٣
Wa laqad nasarakumul laahu bi-Badrinw wa antum azillatun fattaqul laaha la`allakum tashkuroon
Ary nanome fandresena anareo i Allah, tamin’ny adin’i Badr, na dia mbola narefo aza ianareo; ka matahora an’i Allah ianareo angamba hahay hankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:124
🔁 0/5
إِذۡ تَقُولُ لِلۡمُؤۡمِنِينَ أَلَن يَكۡفِيَكُمۡ أَن يُمِدَّكُمۡ رَبُّكُم بِثَلَٰثَةِ ءَالَٰفٍ مِّنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ مُنزَلِينَ ١٢٤
Iz taqoolu lilmu`mineena alai yakfiyakum ai-yumiddakum Rabbukum bisalaasati aalaafim minal malaaa`ikati munzaleen
Raha niteny tamin’ireo mpino ianao hoe : “ Tsy ampy anareo ve ny nampidinan’ny Tomponareo ireo anjely telo arivo, nanampy anareo ? ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:125
🔁 0/5
بَلَىٰٓۚ إِن تَصۡبِرُواْ وَتَتَّقُواْ وَيَأۡتُوكُم مِّن فَوۡرِهِمۡ هَٰذَا يُمۡدِدۡكُمۡ رَبُّكُم بِخَمۡسَةِ ءَالَٰفٍ مِّنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ مُسَوِّمِينَ ١٢٥
Balaaa; in tasbiroo wa tattaqoo wa yaatookum min fawrihim haazaa yumdidkum Rabbukum bikhamsati aalaafim minal malaaa`ikati musawwaimeen
Eny tokoa, raha mpino maharitra Ianareo sy manam-patahorana, ka tonga hamely Anareo tampoka izy ireo, dia handefa Anjely dimy arivo miavaka tsara hanatevin-daharana Anareo ny Tomponareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:126
🔁 0/5
وَمَا جَعَلَهُ ٱللَّهُ إِلَّا بُشۡرَىٰ لَكُمۡ وَلِتَطۡمَئِنَّ قُلُوبُكُم بِهِۦۗ وَمَا ٱلنَّصۡرُ إِلَّا مِنۡ عِندِ ٱللَّهِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡحَكِيمِ ١٢٦
Wa maa ja`alahul laahu illaa bushraa lakum wa litatma`inna quloobukum bih` wa man-nasru illaa min `indilllaahil `Azeezil Hakeem
Ary tsy nataon’i Allah izany, raha tsy ny vaovao mahafaly ho Anareo, sy hampitony ny Fonareo. Ary tsy misy fandresena raha tsy avy amin’i Allah, ilay avo Tsitoha sy ilay be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:127
🔁 0/5
لِيَقۡطَعَ طَرَفًا مِّنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَوۡ يَكۡبِتَهُمۡ فَيَنقَلِبُواْ خَآئِبِينَ ١٢٧
Laiyaqta`a tarafam minal lazeena kafarooo aw yakbitahum fayanqaliboo khaaa`ibeen
Mba hamotehana ny sasany amin’ireo izay tsy mino, na hanala baraka azy ireo, mba hiverina miaraka amin’ny fahadisoam-panantenana izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:128
🔁 0/5
لَيۡسَ لَكَ مِنَ ٱلۡأَمۡرِ شَيۡءٌ أَوۡ يَتُوبَ عَلَيۡهِمۡ أَوۡ يُعَذِّبَهُمۡ فَإِنَّهُمۡ ظَٰلِمُونَ ١٢٨
Laisa laka minal amrishai`un aw yatooba `alaihim aw yu`az zi bahum fa innahum zaalimoon
Tsy misy hidiranao ny amin’ny resaka didy na dia kely aza, na hanaiky ny fibebahan’izy ireo Izy na hanasazy azy ireo, izy ireo dia tena mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:129
🔁 0/5
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ يَغۡفِرُ لِمَن يَشَآءُ وَيُعَذِّبُ مَن يَشَآءُۚ وَٱللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ١٢٩
Wa lilaahi maa fissamaawaati wa maa fil-ard; yaghfiru limai-yashaaa`u wa yu`azzibu mai-yashaaa`; wallaahu Ghafoorur Raheem
Ary an’i Allah ny any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, mamela heloka ho an’izay sitrany Izy, ary manasazy izay sitrany koa Izy. Ary i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:130
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَأۡكُلُواْ ٱلرِّبَوٰٓاْ أَضۡعَٰفًا مُّضَٰعَفَةًۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ ١٣٠
Yaaa ayyuhal lazeena aamanoo la taakuhur ribaaa ad`aafam mudaa`afatanw wattaqul laaha la`allakum tuflihoon
Ô Ianareo izay nino ! Aza mihinana Ribà (zana-bola) izay mampitombo mihoa-pampana ny renim-bola Ianareo, ary matahora an’i Allah, angamba ahazo fahombiazana Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:131
🔁 0/5
وَٱتَّقُواْ ٱلنَّارَ ٱلَّتِيٓ أُعِدَّتۡ لِلۡكَٰفِرِينَ ١٣١
Wattaqun Naaral lateee u`iddat lilkaafireen
Ary matahora ny Afobe izay voahomana ho an’ireo tsy mpino Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:132
🔁 0/5
وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَٱلرَّسُولَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ ١٣٢
Wa atee`ul laaha war Rasoola la`allakum turhamoon
Ary ankatoavinareo i Allah sy ny Iraka, angamba hahazo famindram-po Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:133
🔁 0/5
۞ وَسَارِعُوٓاْ إِلَىٰ مَغۡفِرَةٍ مِّن رَّبِّكُمۡ وَجَنَّةٍ عَرۡضُهَا ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ أُعِدَّتۡ لِلۡمُتَّقِينَ ١٣٣
Wa saari`ooo ilaa maghfiratim mir Rabbikum wa Jannatin arduhassamaawaatu wal ardu u`iddat lilmuttaqeen
Ary mifaninàna Ianareo mankany amin’ny famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo, ary ho any amin’ny Zaridaina (Paradisa) izay midadasika toy ireo lanitra sy ny tany, izay efa nomanina ho an’ireo manam-patahorana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:134
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ فِي ٱلسَّرَّآءِ وَٱلضَّرَّآءِ وَٱلۡكَٰظِمِينَ ٱلۡغَيۡظَ وَٱلۡعَافِينَ عَنِ ٱلنَّاسِۗ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلۡمُحۡسِنِينَ ١٣٤
Allazeena yunfiqoona fissarraaa`i waddarraaa`i wal kaazimeenal ghaiza wal aafeena `anin-naas; wallaahu yuhibbul muhsineen
Ireo izay mamoaka ny harenan'izy ireo ao am-pahalalahana sy an-katerena, sy mahafehy ny hatezeran'izy ireo, ary mahalefitra amin’Olombelona. Ary i Allah dia tia ireo mpanao ny tsara.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:135
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ إِذَا فَعَلُواْ فَٰحِشَةً أَوۡ ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ ذَكَرُواْ ٱللَّهَ فَٱسۡتَغۡفَرُواْ لِذُنُوبِهِمۡ وَمَن يَغۡفِرُ ٱلذُّنُوبَ إِلَّا ٱللَّهُ وَلَمۡ يُصِرُّواْ عَلَىٰ مَا فَعَلُواْ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ ١٣٥
Wallazeena izaa fa`aloo faahishatan aw zalamooo anfusahum zakarul laaha fastaghfaroo lizunoobihim; wa mai yaghfiruz zunooba illal laahu wa lam yusirroo `alaa maa fa`aloo wa hum ya`lamooo
Ary ireo izay, raha nahavita asa vetaveta na nanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ka nahatsiaro an’i Allah no sady nifona nohon'ny fahotan'izy ireo, ary iza koa moa no mamela ireo fahotana afa-tsy i Allah ? Ary tsy miziriziry amin’ny ratsy nataon'izy ireo teo aloha izy ireo, ary dia mahafantatra izany izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:136
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ جَزَآؤُهُم مَّغۡفِرَةٌ مِّن رَّبِّهِمۡ وَجَنَّٰتٌ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ وَنِعۡمَ أَجۡرُ ٱلۡعَٰمِلِينَ ١٣٦
Ulaaa`ika jazaaa`uhum maghfiratum mir Rabbihim wa Jannaatun tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feeha; wa ni`ma ajrul `aamileen
Izy ireny no mahazo valisoa, dia ny famelan-keloka avy amin’ny Tompon’izy ireo, ary koa ireo zaridaina (Paradisa) izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsara tokoa izany valisoan’ireo mpanao tsara izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:137
🔁 0/5
قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِكُمۡ سُنَنٌ فَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُكَذِّبِينَ ١٣٧
Qad khalat min qablikum sunanum faseeroo fil ardi fanzuroo kaifa kaana `aaqiba tul mukazzibeen
Efa niseho talohanareo ny fisehoan-javatra isan-karazany, ka mandehana mivezivezy eny ambonin’ny tany Ianareo, ary jereo ahoana no niafaran’ireny nilaza fa mpandainga ireo Mpaminany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:138
🔁 0/5
هَٰذَا بَيَانٌ لِّلنَّاسِ وَهُدًى وَمَوۡعِظَةٌ لِّلۡمُتَّقِينَ ١٣٨
Haazaa bayaanul linnaasi wa hudanw wa maw`izatul lilmuttaqeen
Ity dia fanazavana ho an’ny Olombelona sy tari-dalàna, ary anatra ho an’ireo manam-patahorana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:139
🔁 0/5
وَلَا تَهِنُواْ وَلَا تَحۡزَنُواْ وَأَنتُمُ ٱلۡأَعۡلَوۡنَ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ ١٣٩
Wa laa tahinoo wa laa tahzanoo wa antumul a`lawna in kuntum mu`mineen
Aza manaiky resy Ianareo, ary aza malahelo, fa Ianareo no tena ambony raha mpino tokoa Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:140
🔁 0/5
إِن يَمۡسَسۡكُمۡ قَرۡحٌ فَقَدۡ مَسَّ ٱلۡقَوۡمَ قَرۡحٌ مِّثۡلُهُۥۚ وَتِلۡكَ ٱلۡأَيَّامُ نُدَاوِلُهَا بَيۡنَ ٱلنَّاسِ وَلِيَعۡلَمَ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَيَتَّخِذَ مِنكُمۡ شُهَدَآءَۗ وَٱللَّهُ لَا يُحِبُّ ٱلظَّٰلِمِينَ ١٤٠
Iny-yamsaskum qarhum faqad massal qawma qarhum misluh; wa tilkal ayyaamu nudaawiluhaa bainan naasi wa liya`lamal laahul lazeena aamanoo wa yattakhiza minkum shuhadaaa`; wallaahu laa yuh ibbuz zaalimeen
Raha azon’ny ratra Ianareo, dia efa azon’ny ratra mitovy amin’izany koa ireo vahoaka (fahavalo). Ary ireny Andro ireny (na tsara na ratsy), izahay no mampifandimby azy eo amin’ny Olombelona; ary mba ahalalan’i Allah ireo izay mino sy handraisany ireo maritiora avy Aminareo. Ary i Allah dia tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:141
🔁 0/5
وَلِيُمَحِّصَ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَيَمۡحَقَ ٱلۡكَٰفِرِينَ ١٤١
Wa liyumahhisal laahul lazeena aamanoo wa yamhaqal kaafireen
Ary mba hidioavan’i Allah ireo izay nino, sy ny handringanany ireo izay tsy mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:142
🔁 0/5
أَمۡ حَسِبۡتُمۡ أَن تَدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ وَلَمَّا يَعۡلَمِ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ جَٰهَدُواْ مِنكُمۡ وَيَعۡلَمَ ٱلصَّٰبِرِينَ ١٤٢
Am hasibtum an tadkhulul Jannnata wa lammaa ya`lamil laahul lazeena jaahadoo minkum wa ya`lamas saabireen
Moa ve mihevitra hiditra ao am-Paradisa Ianareo, ka tsy fantatr’i Allah akory izay niezaka tamin’ny ady sy izay nanam-paharetana Taminareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:143
🔁 0/5
وَلَقَدۡ كُنتُمۡ تَمَنَّوۡنَ ٱلۡمَوۡتَ مِن قَبۡلِ أَن تَلۡقَوۡهُ فَقَدۡ رَأَيۡتُمُوهُ وَأَنتُمۡ تَنظُرُونَ ١٤٣
Wa laqad kuntum tamannnawnal mawta min qabli an talqawhu faqad ra aitumoohu wa antum tanzuroon
Ary naniry fahafatesana tokoa Ianareo, talohan’ny niatrehanareo izany. Ka tena hitanareo izany, sady Ianareo mbola eo am-pijerena Azy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:144
🔁 0/5
وَمَا مُحَمَّدٌ إِلَّا رَسُولٌ قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِهِ ٱلرُّسُلُۚ أَفَإِيْن مَّاتَ أَوۡ قُتِلَ ٱنقَلَبۡتُمۡ عَلَىٰٓ أَعۡقَٰبِكُمۡۚ وَمَن يَنقَلِبۡ عَلَىٰ عَقِبَيۡهِ فَلَن يَضُرَّ ٱللَّهَ شَيۡـًٔاۚ وَسَيَجۡزِي ٱللَّهُ ٱلشَّٰكِرِينَ ١٤٤
Wa maa Muhammadun illaa Rasoolun qad khalat min qablihir Rusul; afa`im maata aw qutilan qalabtum `alaaa a`qaabikum; wa mai yanqalib `alaa aqibihi falai yadurral laaha shai`aa; wa sayajzil laahush shaakireen
Tsy iza i Mohammadi fa Iraka ihany, efa nandalo teo alohany ireo Iraka maro, raha toa ka maty Izy, na novonoina dia hiverina amin’ny vody tongotrareo (1) ve ianareo? Ary n'iza n'iza miverina amin’ny vodi-tongony, dia tsy hanao ratsy an’i Allah na dia kely aza, ary i Allah dia hanome valisoa ireo izay mpankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:145
🔁 0/5
وَمَا كَانَ لِنَفۡسٍ أَن تَمُوتَ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِ كِتَٰبًا مُّؤَجَّلًاۗ وَمَن يُرِدۡ ثَوَابَ ٱلدُّنۡيَا نُؤۡتِهِۦ مِنۡهَا وَمَن يُرِدۡ ثَوَابَ ٱلۡأٓخِرَةِ نُؤۡتِهِۦ مِنۡهَاۚ وَسَنَجۡزِي ٱلشَّٰكِرِينَ ١٤٥
Wa maa kaana linafsin an tamoota illaa bi iznillaahi kitaabam mu`ajjalaa; wa mai yurid sawaabad dunyaa nu`tihee minhaa wa mai yurid sawaabal Aakhirati nu`tihee minhaa; wa sanajzish shaakireen
Ary tsy misy Olona ho faty, raha tsy alalana avy amin’i Allah, araka izay efa voasoratra tany am-piandohana. Ary izay mila valisoa eto an-tany dia omenay amin’izany Izy, ary izay mila valisoa any an-koatra dia omenay amin’izany koa Izy, ary omenay valisoa ireo mpankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:146
🔁 0/5
وَكَأَيِّن مِّن نَّبِيٍّ قَٰتَلَ مَعَهُۥ رِبِّيُّونَ كَثِيرٌ فَمَا وَهَنُواْ لِمَآ أَصَابَهُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَمَا ضَعُفُواْ وَمَا ٱسۡتَكَانُواْۗ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلصَّٰبِرِينَ ١٤٦
Wa ka aiyim min Nabiyyin qaatala ma`ahoo ribbiyyoona kaseerun famaa wahanoo limaaa Asaabahum fee sabeelil laahi wa maa da`ufoo wa mas takaanoo; wallaahu yuhibbus saabireen
Ary firifiry tamin’ireo Mpaminany no nanana mpianatra maro, niara-niady Taminy, ka tsy nilefitra izy ireo tamin’izay nanjo azy ireo tamin’ny lalàn’i Allah. Tsy nalemy izy ireo, ary tsy nilavo lefona mihitsy, ary i Allah dia tia ireo manam-paharetana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:147
🔁 0/5
وَمَا كَانَ قَوۡلَهُمۡ إِلَّآ أَن قَالُواْ رَبَّنَا ٱغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَا وَإِسۡرَافَنَا فِيٓ أَمۡرِنَا وَثَبِّتۡ أَقۡدَامَنَا وَٱنصُرۡنَا عَلَى ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡكَٰفِرِينَ ١٤٧
Wa maa kaana qawlahum illaa an qaaloo Rabbanagh fir lanaa zunoobanaa wa israafanaa feee amirnaa wa sabbit aqdaamanaa wansurnaa `alal qawmil kaafireen
Tsy nisy teny nivoaka avy tamin’izy ireo afa-tsy ny fitenenana hoe : “ Tomponay ô ! Avelao ny fahotanay sy ny fihoaram-pefy izay nataonay tamin’ny fihetsika, ary hamafiso ny dianay, ary omeo fandresena Izahay amin’ireo vahoaka tsy mpino.”
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:148
🔁 0/5
فَـَٔاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ ثَوَابَ ٱلدُّنۡيَا وَحُسۡنَ ثَوَابِ ٱلۡأٓخِرَةِۗ وَٱللَّهُ يُحِبُّ ٱلۡمُحۡسِنِينَ ١٤٨
Fa aataahumul laahu sawaabad dunyaa wa husna sawaabil Aakhirah; wallaahu yuhibbul muhsineen
Ka nomen’i Allah azy ireo ny valisoa eto an-tany sy ny valisoa mendrika indrindra any an-koatra. Ary i Allah dia tia ireo mpanao tsara.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:149
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن تُطِيعُواْ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ يَرُدُّوكُمۡ عَلَىٰٓ أَعۡقَٰبِكُمۡ فَتَنقَلِبُواْ خَٰسِرِينَ ١٤٩
Yaaa `aiyuhal lazeena aamanoo in tutee`ullazeena kafaroo yaruddookum `alaaa a`qaabkum fatanqaliboo khaasireen
Ô Ianareo izay nino ! Raha mankato ireo tsy mino Ianareo, dia hamerina Anareo amin’ny vody tongotrareo [56] izy ireo. Ka dia hiverina ho maty antoka Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:150
🔁 0/5
بَلِ ٱللَّهُ مَوۡلَىٰكُمۡۖ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلنَّٰصِرِينَ ١٥٠
Balil laahu mawlaakum wa Huwa khairun naasireen
Ka nefa i Allah no Mpiahy Anareo, ary Izy no Mpanavotra mendrika indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:151
🔁 0/5
سَنُلۡقِي فِي قُلُوبِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلرُّعۡبَ بِمَآ أَشۡرَكُواْ بِٱللَّهِ مَا لَمۡ يُنَزِّلۡ بِهِۦ سُلۡطَٰنًاۖ وَمَأۡوَىٰهُمُ ٱلنَّارُۖ وَبِئۡسَ مَثۡوَى ٱلظَّٰلِمِينَ ١٥١
Sanulqee fee quloobil lazeena kafarur ru`ba bimaaa ashrakoo billaahi maa lam yunazzil bihee sultaana-nw wa maawaahumun Naar; wa bi`sa maswaz zaalimeen
Ho alatsakay ao am-pon’ireo izay tsy nino ny fatahorana, noho izy ireo manakambana an’i Allah amin’ireo izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza. Ary ny Afobe no fonenan’izy ireo, ary ratsy tokoa izany fonenan’ireo mpanao ny tsy rariny izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:152
🔁 0/5
وَلَقَدۡ صَدَقَكُمُ ٱللَّهُ وَعۡدَهُۥٓ إِذۡ تَحُسُّونَهُم بِإِذۡنِهِۦۖ حَتَّىٰٓ إِذَا فَشِلۡتُمۡ وَتَنَٰزَعۡتُمۡ فِي ٱلۡأَمۡرِ وَعَصَيۡتُم مِّنۢ بَعۡدِ مَآ أَرَىٰكُم مَّا تُحِبُّونَۚ مِنكُم مَّن يُرِيدُ ٱلدُّنۡيَا وَمِنكُم مَّن يُرِيدُ ٱلۡأٓخِرَةَۚ ثُمَّ صَرَفَكُمۡ عَنۡهُمۡ لِيَبۡتَلِيَكُمۡۖ وَلَقَدۡ عَفَا عَنكُمۡۗ وَٱللَّهُ ذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ١٥٢
Wa laqad sadaqakumul laahu wa`dahooo iz tahussoo nahum bi iznihee hattaaa izaa fashiltim wa tanaaza`tum fil amri wa `asaitum mim ba`di maaa araakum maa tuhibboon; minkum mai yureedud dunyaa wa minkum mai yureedul Aakhirah; summa sarafakum `anhum sarafakum `anhum liyabtaliyakum wa laqad `afaa `ankum; wallaahu zoo fadlin `alal mu`mineen
Ary efa notanterahin’i Allah ny fampanantenana izay nomeny Anareo, rehefa nopotipotehanareo tanteraka izy ireo nohon'ny heriny, mandra-pileferanareo tsy hiady intsony, ka nifanolana Ianareo mahakasika ny baiko, ary tsy nankato Ianareo taorian’ny nampahitany Anareo izay tianareo [57]. Misy Aminareo no maniry ny fiainana eto an-tany, ary misy Aminareo koa no maniry ny fiainana any an-koatra. Rehefa avy eo dia nohalaviriny azy ireo Ianareo, mba hitsapany Anareo. Ary efa nandefitra Taminareo tokoa Izy. Ary i Allah dia tompom-pahasoavana ho an’ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:153
🔁 0/5
۞ إِذۡ تُصۡعِدُونَ وَلَا تَلۡوُۥنَ عَلَىٰٓ أَحَدٍ وَٱلرَّسُولُ يَدۡعُوكُمۡ فِيٓ أُخۡرَىٰكُمۡ فَأَثَٰبَكُمۡ غَمَّۢا بِغَمٍّ لِّكَيۡلَا تَحۡزَنُواْ عَلَىٰ مَا فَاتَكُمۡ وَلَا مَآ أَصَٰبَكُمۡۗ وَٱللَّهُ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ ١٥٣
Iz tus`idoona wa laa talwoona `alaaa ahadinw war Rasoolu yad`ookum feee ukhraakum fa asaabakum ghammam bighammil likailaa tahzanoo `alaa maa faatakum wa laa maaa asaabakum; wallaahu khabeerum bimaa ta`maloon
Raha nandositra Ianareo, ary samy nanavotra ny ainy, ka tsy nifampitodika mihitsy, ka nefa ny Iraka (Mpaminany) dia niantso Anareo avy ao aorianareo. Ka nosaziny Ianareo amin’ny tebiteby miampy tebiteby, mba tsy alahelo Ianareo amin’izay very Taminareo sy amin’izay nanjo Anareo. Ary i Allah dia tena mahalala izay Ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:154
🔁 0/5
ثُمَّ أَنزَلَ عَلَيۡكُم مِّنۢ بَعۡدِ ٱلۡغَمِّ أَمَنَةً نُّعَاسًا يَغۡشَىٰ طَآئِفَةً مِّنكُمۡۖ وَطَآئِفَةٌ قَدۡ أَهَمَّتۡهُمۡ أَنفُسُهُمۡ يَظُنُّونَ بِٱللَّهِ غَيۡرَ ٱلۡحَقِّ ظَنَّ ٱلۡجَٰهِلِيَّةِۖ يَقُولُونَ هَل لَّنَا مِنَ ٱلۡأَمۡرِ مِن شَيۡءٍۗ قُلۡ إِنَّ ٱلۡأَمۡرَ كُلَّهُۥ لِلَّهِۗ يُخۡفُونَ فِيٓ أَنفُسِهِم مَّا لَا يُبۡدُونَ لَكَۖ يَقُولُونَ لَوۡ كَانَ لَنَا مِنَ ٱلۡأَمۡرِ شَيۡءٌ مَّا قُتِلۡنَا هَٰهُنَاۗ قُل لَّوۡ كُنتُمۡ فِي بُيُوتِكُمۡ لَبَرَزَ ٱلَّذِينَ كُتِبَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡقَتۡلُ إِلَىٰ مَضَاجِعِهِمۡۖ وَلِيَبۡتَلِيَ ٱللَّهُ مَا فِي صُدُورِكُمۡ وَلِيُمَحِّصَ مَا فِي قُلُوبِكُمۡۚ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ ١٥٤
Summa anzala `alaikum mim ba`dil ghammi amanatan nu`aasai yaghshaa taaa` ifatam minkum wa taaa`ifatun qad ahammathum anfusuhum yazunnoona billaahi ghairal haqqi zannal jaahiliyyati yaqooloona hal lanaa minal amri min shai`; qul innal amra kullahoo lillaah; yukhfoona fee anfusihim maa laa yubdoona laka yaqooloona law kaana lanaa minal amri shai`ummaa qutilnaa haahunaa; qul law kuntum fee buyootikum labarazal lazeena kutiba `alaihimul qatlu ilaa madaaji`ihim wa liyabtaliyal laahu maa fee sudoorikum wa liyumah hisa maa fee quloobikum; wallaahu `aleemum bizaatis sudoor
Avy eo dia nampidina ny fitoniana teo Aminareo Izy, taorian’ny tebiteby, ny torimaso izay nanarona tanteraka ny andiany iray Taminareo [58]. Ary ny andiany iray hafa kosa dia ny tenan’izy ireo ihany no nanahirana azy ireo; sy mieritreritra mahakasikan’i Allah izy ireo amin’ny fieritreretana tsy marina, fieritreretana tamin’ny andron’ny habadoana, ka niteny izy ireo nanao hoe : “ Moa ve mba manana anjara amin’io raharaha io Izahay ? ” ka dia teneno ny hoe : “ Ny raharaha rehetra dia an’i Allah ”. Izy ireo dia manafina ny ao am-pony izay tsy asehony Aminao. Miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Raha mba nanana anjara tamin’io raharaha io Izahay, dia tsy novonoina tety velively ”. Teneno ny hoe : “ na dia ao an-tranonareo aza Ianareo, dia tsy maintsy mivoaka, izay efa voasoratra ho Azy ny fahafatesana, mankany amin’ny toerana hahafatesany ”. Ary mba hitsapan’i Allah izay ao anaty Fonareo, sy hanadiovany ny Fonareo. Ary i Allah dia mahafantatra izay tena ao am-po”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:155
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ تَوَلَّوۡاْ مِنكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡتَقَى ٱلۡجَمۡعَانِ إِنَّمَا ٱسۡتَزَلَّهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ بِبَعۡضِ مَا كَسَبُواْۖ وَلَقَدۡ عَفَا ٱللَّهُ عَنۡهُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ حَلِيمٌ ١٥٥
Innal lazeena tawallaw minkum yawmal taqal jam`aani innamas tazallahumush Shaitaanu biba`di maa kasaboo wa laqad `afal laahu `anhum; innnal laaha Ghafoorum Haleem
Tena marina, fa ireo izay niamboho (nitsoaka) Taminareo tamin’ny Andro niatrehan’ny andiany ankiroa ny ady, dia ny satana tokoa no nandrebireby azy ireo tamin’ny sasantsasany (fahadisoana) vitan’izy ireo. Efa nandeferan’i Allah tokoa izy ireo. Marina fa i Allah dia be famelan-keloka sy tsara fanahy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:156
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَقَالُواْ لِإِخۡوَٰنِهِمۡ إِذَا ضَرَبُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ أَوۡ كَانُواْ غُزًّى لَّوۡ كَانُواْ عِندَنَا مَا مَاتُواْ وَمَا قُتِلُواْ لِيَجۡعَلَ ٱللَّهُ ذَٰلِكَ حَسۡرَةً فِي قُلُوبِهِمۡۗ وَٱللَّهُ يُحۡيِۦ وَيُمِيتُۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٌ ١٥٦
Yaaa ayyuhul lazeena aamanoo laa takoonoo kallazeena kafaroo wa qaaloo li ikhwaanihim izaa daraboo fil ardi aw kaanoo ghuzzal law kaanoo `indanaa maa maatoo wa maa qutiloo liyaj`alal laahu zaalika hasratan fee quloobihim; qallaahu yuhyee wa yumeet; wallaahu bimaa ta`maloona Baseer
Ô Ianareo izay nino, aza manao toy ireo tsy mino Ianareo, ka niteny izy ireo momba ireo rahalahin'izy ireo izay nandeha lavitra na am-piadiana ka nanao hoe : “ Raha teo Aminay izy ireo, dia tsy maty na novonoina ”. Ka nataon’i Allah, ho fanenenana ao am’pon’izy ireo izany. Fa i Allah no Mamelona sy Mamono. Ary i Allah dia tena mahita izay Ataonareo rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:157
🔁 0/5
وَلَئِن قُتِلۡتُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ أَوۡ مُتُّمۡ لَمَغۡفِرَةٌ مِّنَ ٱللَّهِ وَرَحۡمَةٌ خَيۡرٌ مِّمَّا يَجۡمَعُونَ ١٥٧
Wa la`in qutiltum fee sabeelil laahi aw muttum lamaghfiratum minal laahi wa rahmatun khairum mimmaa yajma`oon
Ary raha novonoina tamin’ny lalàn’i Allah na maty Ianareo, eny, ny famelan-keloka avy amin’i Allah sy ny indrafony dia tsara lavitra noho izay voahangon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:158
🔁 0/5
وَلَئِن مُّتُّمۡ أَوۡ قُتِلۡتُمۡ لَإِلَى ٱللَّهِ تُحۡشَرُونَ ١٥٨
Wa la`im muttum `aw qutiltumla ilal laahi tuhsharoon
Ary raha maty na novonoina Ianareo dia tsy maintsy any amin’i Allah no hamoriana Anareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:159
🔁 0/5
فَبِمَا رَحۡمَةٍ مِّنَ ٱللَّهِ لِنتَ لَهُمۡۖ وَلَوۡ كُنتَ فَظًّا غَلِيظَ ٱلۡقَلۡبِ لَٱنفَضُّواْ مِنۡ حَوۡلِكَۖ فَٱعۡفُ عَنۡهُمۡ وَٱسۡتَغۡفِرۡ لَهُمۡ وَشَاوِرۡهُمۡ فِي ٱلۡأَمۡرِۖ فَإِذَا عَزَمۡتَ فَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُتَوَكِّلِينَ ١٥٩
Fabimaa rahmatim minal laahi linta lahum wa law kunta fazzan ghaleezal qalbi lanfaddoo min hawlika fafu `anhum wastaghfir lahum wa shaawirhum fil amri fa izaa `azamta fatawakkal `alal laah; innallaaha yuhibbul mutawak kileen
Nohon'ny indrafo avy amin’i Allah, dia nalemy Fo tamin’izy ireo Ianao. Ary raha Ianao no henjana sy mafy Fo, dia hiataka ny manodidina Anao izy ireo. Ka andefero àry izy ireo, sy angataho famelan-keloka. Ary makà hevitra amin’izy ireo, mahakasika ny raharaha izay atao Ianao. Koa rehefa tapa-kevitra Ianao, dia ankino amin’i Allah izany. Tena marina fa i Allah dia tia ireo mpiankina Aminy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:160
🔁 0/5
إِن يَنصُرۡكُمُ ٱللَّهُ فَلَا غَالِبَ لَكُمۡۖ وَإِن يَخۡذُلۡكُمۡ فَمَن ذَا ٱلَّذِي يَنصُرُكُم مِّنۢ بَعۡدِهِۦۗ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ١٦٠
Iny-yansurkumul laahu falaa ghaaliba lakum wa iny-yakhzulkum faman zal lazee yansurukum mim ba`dih; wa `alal laahi falyatawakkalil mu`minoon
Raha manampy Anareo i Allah dia tsy hisy handresy Anareo mihitsy, fa raha mandao Anareo kosa Izy (Allah), dia iza indray no hanampy Anareo aoriany ? Ary aoka amin’i Allah no iankinan’ny mpino rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:161
🔁 0/5
وَمَا كَانَ لِنَبِيٍّ أَن يَغُلَّۚ وَمَن يَغۡلُلۡ يَأۡتِ بِمَا غَلَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ ثُمَّ تُوَفَّىٰ كُلُّ نَفۡسٍ مَّا كَسَبَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ ١٦١
Wa maa kaana li Nabiyyin ai yaghull; wa mai yaghlul yaati bimaa ghalla Yawmal Qiyaamah; summa tuwaffaa kullu nafsim maa kasabat wa hum laa yuzlamoon
Tsy ny Mpaminany (s.w.a) mihitsy no mibodo ny zavatra azo babo. N'iza n'iza mibodo ny zavatra azo babo, dia mitondra miaraka Aminy izay nobodoiny amin’ny Andro fitsanganana amin’ny maty Izy. Avy eo dia omena tanteraka ny tsirairay ny valin’asany, ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:162
🔁 0/5
أَفَمَنِ ٱتَّبَعَ رِضۡوَٰنَ ٱللَّهِ كَمَنۢ بَآءَ بِسَخَطٍ مِّنَ ٱللَّهِ وَمَأۡوَىٰهُ جَهَنَّمُۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ ١٦٢
Afamanit taba`a Ridwaanal laahi kamam baaa`a bisakhatim minal laahi wa maawaahu Jahannam; wa bi`sal maseer
Moa ve izay manome fahafaham-po an’i Allah dia mitovy amin’izay hiharan’ny fahatezeran’i Allah ? Ny fialofany dia ny Afobe. Ary tena ratsy tokoa izany fiafarana izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:163
🔁 0/5
هُمۡ دَرَجَٰتٌ عِندَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِمَا يَعۡمَلُونَ ١٦٣
Hum darajaatun `indal laah; wallaahu baseerum bimaa ya`maloon
Izy ireo dia samy amin’ny ambaratongan-daharany eo anatrehan’i Allah. ary i Allah dia tena mahita izay rehetra ataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:164
🔁 0/5
لَقَدۡ مَنَّ ٱللَّهُ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ إِذۡ بَعَثَ فِيهِمۡ رَسُولًا مِّنۡ أَنفُسِهِمۡ يَتۡلُواْ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتِهِۦ وَيُزَكِّيهِمۡ وَيُعَلِّمُهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَإِن كَانُواْ مِن قَبۡلُ لَفِي ضَلَٰلٍ مُّبِينٍ ١٦٤
Laqad mannal laahu `alal mu`mineena iz ba`asa feehim Rasoolam min anfusihim yatloo `alaihim Aayaatihee wa yuzakkeehim wa yu`allimu humul Kitaaba wal Hikmata wa in kaanoo min qablu lafee dalaalim mubeen
Efa nomen’i Allah tombontsoa ireo mpino, raha nandefa tamin’izy ireo an'ilay Iraka avy amin’izy ireo ihany Izy, izay hamaky ireo fanambarany amin’izy ireo, sy hanadio ny fanahin’izy ireo, ary hampianatra azy ireo ny Boky sy ny fahendrena, raha tao anatin’ny fahaverezana miharihary izy ireo teo aloha.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:165
🔁 0/5
أَوَلَمَّآ أَصَٰبَتۡكُم مُّصِيبَةٌ قَدۡ أَصَبۡتُم مِّثۡلَيۡهَا قُلۡتُمۡ أَنَّىٰ هَٰذَاۖ قُلۡ هُوَ مِنۡ عِندِ أَنفُسِكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ ١٦٥
Awa lammaaa asaabatkum museebatun qad asabtum mislaihaa qultum annaa haazaa qul huwa min `indi anfusikum; innal laaha `alaa kulli shai`in Qadeer
Fa ahoana ! Raha niharan’ny fahavoazana iray Ianareo dia efa voa tahaka izany avo roa heny Ianareo fahiny, niteny Ianareo hoe : “ Avy aiza izao ? ”. Teneno hoe : “ Izy io dia avy amin’ny tenanareo ihany ”. Marina fa i Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:166
🔁 0/5
وَمَآ أَصَٰبَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡتَقَى ٱلۡجَمۡعَانِ فَبِإِذۡنِ ٱللَّهِ وَلِيَعۡلَمَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ١٦٦
Wa maa asaabakum yawmal taqal jam`aani fabiiznil laahi wa liya`lamal mu`mineen
Ary izay nanjo Anareo tamin’ny Andro nifandonan’ny andian-tafika Roa, dia alàlana avy amin’i Allah, ary mba hahafantarany ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:167
🔁 0/5
وَلِيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ نَافَقُواْۚ وَقِيلَ لَهُمۡ تَعَالَوۡاْ قَٰتِلُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ أَوِ ٱدۡفَعُواْۖ قَالُواْ لَوۡ نَعۡلَمُ قِتَالًا لَّٱتَّبَعۡنَٰكُمۡۗ هُمۡ لِلۡكُفۡرِ يَوۡمَئِذٍ أَقۡرَبُ مِنۡهُمۡ لِلۡإِيمَٰنِۚ يَقُولُونَ بِأَفۡوَٰهِهِم مَّا لَيۡسَ فِي قُلُوبِهِمۡۚ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا يَكۡتُمُونَ ١٦٧
Wa liya`lamal lazeena naafaqoo; wa qeela lahum ta`aalaw qaatiloo fee sabeelil laahi awid fa`oo qaaloo law na`lamu qitaalallat taba`naakum; hum lilkufri yawma`izin aqrabu minhum lil eemaan; yaqooloona bi afwaahihim maa laisa fee quloobihim; wallaahu a`lamu bimaa yaktumoon
Ary ny mba hahafantarana an'ireo izay mihatsaravelatsihy. Ary notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Tongava Ianareo hiady amin’ny lalàn’i Allah, na atoseho (ireo fahavalo) ”. Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Raha nahay niady Izahay dia tena nanaraka Anareo ”. Izy ireo, tamin’izany Andro izany, dia tsy ny finoana no akaiky azy ireo bebe kokoa noho ny finoana. Izy ireo dia miteny amin’ny vavany izay tsy ao am-pony velively. Ary i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:168
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ قَالُواْ لِإِخۡوَٰنِهِمۡ وَقَعَدُواْ لَوۡ أَطَاعُونَا مَا قُتِلُواْۗ قُلۡ فَٱدۡرَءُواْ عَنۡ أَنفُسِكُمُ ٱلۡمَوۡتَ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ١٦٨
Allazeena qaaloo liikhwaanihim wa qa`adoo law ataa`oonaa maa qutiloo; qul fadra`oo`an anfusikumul mawta in kuntum saadiqeen
Ireo izay niteny tamin’ireo rahalahiny, sady nijanona tsy nandeha ka niteny nanao hoe : “ Raha nanaraka ny teninay izy ireo dia tsy mba maty novonoina ” ka Teneno ny hoe : “ Dia arovy tsy iharan’ny fahafatesana àry ny Tenanareo, raha marina ny Anareo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:169
🔁 0/5
وَلَا تَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ قُتِلُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ أَمۡوَٰتَۢاۚ بَلۡ أَحۡيَآءٌ عِندَ رَبِّهِمۡ يُرۡزَقُونَ ١٦٩
Wa laa tahsabannal lazeena qutiloo fee sabeelillaahi amwaata; bal ahyaaa`un `inda Rabbihim yurzaqoon
Ary aza mieritreritra mihitsy Ianao fa ireo izay novonoina, teo amin’ny lalàn’i Allah dia maty. Tsy izany ! Tena velona izy ireo eo anatrehan’ny Tompony, mahazo ny anjarany izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:170
🔁 0/5
فَرِحِينَ بِمَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦ وَيَسۡتَبۡشِرُونَ بِٱلَّذِينَ لَمۡ يَلۡحَقُواْ بِهِم مِّنۡ خَلۡفِهِمۡ أَلَّا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ ١٧٠
Fariheena bimaaa aataa humul laahu min fadlihee wa yastabshiroona billazeena lam yalhaqoo bihim min fadlihee wa yastabshiroona billazeena lam yalhaqoo bihim min khalfihim allaa khawfun `alaihim wa laa hum yahzanoon
Faly izy ireo tamin’ireo tombontsoa natolon’i Allah azy ireo, ary mampahafantatra ireo izay mbola tsy namonjy azy ireo, izay ho avy ao aoriany : “ Tsy misy tokony hampatahotra azy ireo, ary tsy tokony alahelo izy ireo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:171
🔁 0/5
۞ يَسۡتَبۡشِرُونَ بِنِعۡمَةٍ مِّنَ ٱللَّهِ وَفَضۡلٍ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَا يُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ١٧١
Yastabshiroona bini`matim minal laahi wa fad linw wa annal laaha laa yudee`u ajral mu`mineen
Faly izy ireo tamin’ny fahasoavana avy amin’i Allah sy ny tombontsoa, ary i Allah dia tsy manary mihitsy ny valin’asan’ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:172
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ ٱسۡتَجَابُواْ لِلَّهِ وَٱلرَّسُولِ مِنۢ بَعۡدِ مَآ أَصَابَهُمُ ٱلۡقَرۡحُۚ لِلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ مِنۡهُمۡ وَٱتَّقَوۡاْ أَجۡرٌ عَظِيمٌ ١٧٢
Allazeenas tajaaboo lil laahi war Rasooli mim ba`di maaa asaabahumulqarh; lillazeena ahsanoo minhum wattaqaw ajrun `azeem
Ireo izay namaly ny antson’i Allah sy ilay Iraka, taorian’ny fahavoazana nanjò azy ireo, ho an’ireo izay nanao asa soa tamin’izy ireo, sy nanam-patahorana ny valisoa lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:173
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ قَالَ لَهُمُ ٱلنَّاسُ إِنَّ ٱلنَّاسَ قَدۡ جَمَعُواْ لَكُمۡ فَٱخۡشَوۡهُمۡ فَزَادَهُمۡ إِيمَٰنًا وَقَالُواْ حَسۡبُنَا ٱللَّهُ وَنِعۡمَ ٱلۡوَكِيلُ ١٧٣
Allazeena qaala lahumun naasu innan naasa qad jama`oo lakum fakhshawhuin fazaadahum eemaannanwa wa qaaloo hasbunal laahu wa ni`malwakeel
Ireo izay notenenin’ny Olona hoe : “ Tena marina fa ny Olona rehetra dia efa navory hanohitra Anareo, ka matahora azy ireo Ianareo ”. Nampitombo ny finoan’izy ireo anefa izany, ary niteny izy ireo ka nanao hoe : " Ampy Anay i Allah, ary Izy no mpiantoka mendrika indrindra ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:174
🔁 0/5
فَٱنقَلَبُواْ بِنِعۡمَةٍ مِّنَ ٱللَّهِ وَفَضۡلٍ لَّمۡ يَمۡسَسۡهُمۡ سُوٓءٌ وَٱتَّبَعُواْ رِضۡوَٰنَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ ذُو فَضۡلٍ عَظِيمٍ ١٧٤
Fanqalaboo bini`matim minal laahi wa fadlil lam yamsashum sooo`unw wattaba`oo ridwaanal laah; wallaahu zoo fadlin `azeem
Niverina izy ireo mbamin’ny fahasoavana avy amin’i Allah sy ny tombontsoa. Tsy misy ratsy nanjò azy ireo, ary nanaraka izay nahafapo an’i Allah izy ireo. Ary i Allah dia Tompom-pahasoavana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:175
🔁 0/5
إِنَّمَا ذَٰلِكُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ يُخَوِّفُ أَوۡلِيَآءَهُۥ فَلَا تَخَافُوهُمۡ وَخَافُونِ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ ١٧٥
Innamaa zaalikumush Shaitaanu yukhawwifu awliyaaa`ahoo falaa takhaafoohum wa khaafooni in kuntum mu`mineen
Tena marina fa ny satana no mampatahotra Anareo amin’ireo sakaizany, ka aza matahotra azy ireo Ianareo, fa Izaho no Atahorinareo, raha tena mpino tokoa Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:176
🔁 0/5
وَلَا يَحۡزُنكَ ٱلَّذِينَ يُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡكُفۡرِۚ إِنَّهُمۡ لَن يَضُرُّواْ ٱللَّهَ شَيۡـًٔاۚ يُرِيدُ ٱللَّهُ أَلَّا يَجۡعَلَ لَهُمۡ حَظًّا فِي ٱلۡأٓخِرَةِۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٌ ١٧٦
Wa laa yahzunkal lazeena yusaari`oona fil Kufr; innahum lai yadurrul laaha shai`aa; yureedul laahu allaa yaj`ala lahum hazzan fil Aakhirati wa lahum `azaabun `azeem
Ary aza atao mampalahelo Anao, ireo izay mihazakazaka mankany amin’ny tsy finoana. Tena marina fa izy ireo dia tsy afaka hanao ratsy amin’i Allah na dia kely aza. Tian’i Allah ny tsy hahazoan’izy ireo anjara mihitsy amin’ny Andro farany. Ary ho azy ireo ny famaizana lehibe indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:177
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ ٱشۡتَرَوُاْ ٱلۡكُفۡرَ بِٱلۡإِيمَٰنِ لَن يَضُرُّواْ ٱللَّهَ شَيۡـًٔاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ١٧٧
Innal lazeenash tarawul kufra bil eemaani lai yadurrul laaha shai anw wa lahum `azdaabun aleem
Tena marina fa ireo izay nanakalo ny tsy finoana amin’ny finoana, dia tsy havita hanao ratsy amin’i Allah na dia kely aza. Ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:178
🔁 0/5
وَلَا يَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَنَّمَا نُمۡلِي لَهُمۡ خَيۡرٌ لِّأَنفُسِهِمۡۚ إِنَّمَا نُمۡلِي لَهُمۡ لِيَزۡدَادُوٓاْ إِثۡمًاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ مُّهِينٌ ١٧٨
Wa laa yahsabannal lazeena kafarooo annamaa numlee lahum khairulli anfusihim; innamaa numlee lahum liyazdaadooo ismaa wa lahum `azaabum muheen
Ary aza mieritreritra ireo izay tsy nino, fa ny fe-potoana nomenay azy ireo dia tsara ho azy ireo. Tena marina fa nomenay fe-potoana izy ireo, mba hampitomboan’izy ireo ny fahotany. Ary ho azy ireo ny famaizana mahafa-baraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:179
🔁 0/5
مَّا كَانَ ٱللَّهُ لِيَذَرَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ عَلَىٰ مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ حَتَّىٰ يَمِيزَ ٱلۡخَبِيثَ مِنَ ٱلطَّيِّبِۗ وَمَا كَانَ ٱللَّهُ لِيُطۡلِعَكُمۡ عَلَى ٱلۡغَيۡبِ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَجۡتَبِي مِن رُّسُلِهِۦ مَن يَشَآءُۖ فَـَٔامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦۚ وَإِن تُؤۡمِنُواْ وَتَتَّقُواْ فَلَكُمۡ أَجۡرٌ عَظِيمٌ ١٧٩
Maa kaanal laahu liyazaral mu`mineena `alaa maaa antum `alaihi hattaa yameezal khabeesa minat taiyib; wa maa kaanal laahu liyutli`akum `alal ghaibi wa laakinnal laaha yajtabee mir Rusulihii mai yashaaa`u fa aaminoo billaahi wa Rusulih; wa in tu `minoo wa tattaqoo falakum ajrun `azeem
Allah dia tsy hamela ireo mpino, eo amin’ny toerana misy Anareo amin’izao, mandra-panavahany ny ratsy amin’ny tsara. Ary i Allah dia tsy hampiseho Aminareo izay miafina. Ka nefa i Allah dia mitady amin’ireo Irany izay sitrany. Minoa àry an’i Allah sy ireo Irany Ianareo. Fa raha mino Ianareo sy manam-patahorana, dia ho Anareo ny valisoa lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:180
🔁 0/5
وَلَا يَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ يَبۡخَلُونَ بِمَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦ هُوَ خَيۡرًا لَّهُمۖ بَلۡ هُوَ شَرٌّ لَّهُمۡۖ سَيُطَوَّقُونَ مَا بَخِلُواْ بِهِۦ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ وَلِلَّهِ مِيرَٰثُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٌ ١٨٠
Wa laa yahsabannal lazeena yabkhaloon bimaa aataahumul lahu min fadilhee huwa khairal lahum bal huwa sharrul lahum sayutaw waqoona maa bakhiloo bihee Yawmal Qiyaamah; wa lillaahi meeraasus samaawaati wal ard; wallaahu bimaa ta`maloona Khabeer
Ary aza mieritreritra ireo izay mahihitra amin’izay nomen’i Allah azy ireo tamin’ny fahasoavany fa hoe tsara ho azy ireo izany. Tsia ! Ratsy ho azy ireo izany satria ho fatorana amin’ny tendany [59] izy ireo amin’izay notazoniny nohon'ny fahihirany, amin'ny andron’ny fitsanganana. Ary an’i Allah ny fandovana ireo lanitra sy ny tany. Ary i Allah no tena mahafantatra izay ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:181
🔁 0/5
لَّقَدۡ سَمِعَ ٱللَّهُ قَوۡلَ ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ فَقِيرٌ وَنَحۡنُ أَغۡنِيَآءُۘ سَنَكۡتُبُ مَا قَالُواْ وَقَتۡلَهُمُ ٱلۡأَنۢبِيَآءَ بِغَيۡرِ حَقٍّ وَنَقُولُ ذُوقُواْ عَذَابَ ٱلۡحَرِيقِ ١٨١
Laqad sami`al laahu qawlal lazeena qaalooo innal laaha faqeerunw wa nahnu aghniyaaa`; sanaktubu maa qaaloo wa qatlahumul Ambiyaa`a bighairi haqqinw wa naqoolu zooqoo `azaaba Ihreeq
Efa henon’i Allah ny tenin’ireo izay niteny hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mahantra, ary Izahay no manan-karena ”. Nosoratanay izay notenenin’izy ireo, sy ny famonoan’izy ireo, ireo Mpaminany tsy amin’ny rariny. Ary hoteneninay amin’izy ireo ny hoe : “ Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mandoro ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:182
🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتۡ أَيۡدِيكُمۡ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَيۡسَ بِظَلَّامٍ لِّلۡعَبِيدِ ١٨٢
Zaalika bimaa qaddamat aideekum wa annal laaha laisa bizallaamil lil`abeed
Izany, dia noho izay nataon’ny tànanareo. Ary tena marina fa i Allah dia tsy manambaka ireo mpanompony.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:183
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ عَهِدَ إِلَيۡنَآ أَلَّا نُؤۡمِنَ لِرَسُولٍ حَتَّىٰ يَأۡتِيَنَا بِقُرۡبَانٍ تَأۡكُلُهُ ٱلنَّارُۗ قُلۡ قَدۡ جَآءَكُمۡ رُسُلٌ مِّن قَبۡلِي بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَبِٱلَّذِي قُلۡتُمۡ فَلِمَ قَتَلۡتُمُوهُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ١٨٣
Allazeena qaalooo innal laaha `ahida ilainaaa allaa nu`mina liRasoolin hatta yaa tiyanaa biqurbaanin taa kuluhun naar; qul qad jaaa`akum Rusulum min qablee bilbaiyinaati wa billazee qultum falima qataltumoohum in kuntum saadiqeen
Ireo izay niteny ka nanao hoe : “ Tena marina fa i Allah dia nanafatrafatra Anay mba tsy hino Iraka (Mpaminany), raha tsy mitondra fanatitra ho Anay izay hohanin’ny afo ”. Teneno ny hoe : “ Efa nisy Iraka maro tonga teo Aminareo talohako, niaraka tamin’ny porofo mazava sy tamin’ireo izay nolazainareo, ka nahoana no vonoinareo izy ireo, raha tena marina Ianareo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:184
🔁 0/5
فَإِن كَذَّبُوكَ فَقَدۡ كُذِّبَ رُسُلٌ مِّن قَبۡلِكَ جَآءُو بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَٱلزُّبُرِ وَٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُنِيرِ ١٨٤
Fa in kaz zabooka faqad kuz ziba Rusulum min qablika jaaa`oo bilbaiyinaati waz Zuburi wal Kitaabil Muneer
Raha nilaza Anao ho mpandainga izy ireo, dia efa nolazaina ho mpandainga ireo Iraka talohanao. Izy ireo dia tonga niaraka tamin’ireo porofo mazava, ireo salamo (Zabora) ary ny Boky feno fahazavana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:185
🔁 0/5
كُلُّ نَفۡسٍ ذَآئِقَةُ ٱلۡمَوۡتِۗ وَإِنَّمَا تُوَفَّوۡنَ أُجُورَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۖ فَمَن زُحۡزِحَ عَنِ ٱلنَّارِ وَأُدۡخِلَ ٱلۡجَنَّةَ فَقَدۡ فَازَۗ وَمَا ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَآ إِلَّا مَتَٰعُ ٱلۡغُرُورِ ١٨٥
Kulu nafsin zaaa`iqatul mawt; wa innamaa tuwaffawna ujoorakum Yawmal Qiyaamati faman zuhziha `anin Naari waudkhilal Jannata faqad faaz; wa mal hayaatud dunyaaa illaa mataa`ul ghuroor
Ny manan’aina rehetra dia tsy maintsy manandrana ny fahafatesana. Omena Anareo tanteraka ny valin-kasasaranareo amin’ny Andro fitsanganana. Ka n'iza n'iza nahataka tamin’ny Afobe sy nampidirina ao amin’ny Paradisa, dia tena tafita. Ary tsy inona ny fiainana eto an-tany afa-tsy fahafinaretana miserana feno fitaka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:186
🔁 0/5
۞ لَتُبۡلَوُنَّ فِيٓ أَمۡوَٰلِكُمۡ وَأَنفُسِكُمۡ وَلَتَسۡمَعُنَّ مِنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ مِن قَبۡلِكُمۡ وَمِنَ ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُوٓاْ أَذًى كَثِيرًاۚ وَإِن تَصۡبِرُواْ وَتَتَّقُواْ فَإِنَّ ذَٰلِكَ مِنۡ عَزۡمِ ٱلۡأُمُورِ ١٨٦
Latublawunna feee amwaalikum wa anfusikum wa latasma`unna minal lazeena ootul Kitaaba min qablikum wa minal lazeena ashrakooo azan kaseeraa; wa in tasbiroo wa tattaqoo fa inna zaalika min `azmil umoor
Tsy maintsy hotsapana Ianareo amin’ny Fanananareo sy ny Tenanareo, ary tsy maintsy haheno teny ratsy maro avy amin’ireo nomena ny Boky teo alohanareo, sy avy amin’ireo mpanompo sampy Ianareo. Ary manàna faharetana Ianareo, sy manàna fatahorana izany no fanapahan-kevitra mahomby indrindra amin’ny raharaha rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:187
🔁 0/5
وَإِذۡ أَخَذَ ٱللَّهُ مِيثَٰقَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ لَتُبَيِّنُنَّهُۥ لِلنَّاسِ وَلَا تَكۡتُمُونَهُۥ فَنَبَذُوهُ وَرَآءَ ظُهُورِهِمۡ وَٱشۡتَرَوۡاْ بِهِۦ ثَمَنًا قَلِيلًاۖ فَبِئۡسَ مَا يَشۡتَرُونَ ١٨٧
Wa iz akhazal laahu meesaaqal lazeena ootul Kitaaba latubaiyinunnahoo linnaasi wa laa taktumoona hoo fanabazoohu waraaa`a zuhoorihim washtaraw bihee samanan qaleelan fabi`sa maa yashtaroon
Ary raha nandray fanekena tamin’ireo izay nomena ny Boky Izy : “ Aoka Ianareo hanambara izany amin’ny Olombelona rehetra, ary tsy hanafina izany velively ”. Ka nefa nataon’izy ireo tao an-damosiny izany, sy namidiny tamin’ny vidiny ambany dia ambany. Ratsy dia ratsy izany varotra nataon’izy ireo izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:188
🔁 0/5
لَا تَحۡسَبَنَّ ٱلَّذِينَ يَفۡرَحُونَ بِمَآ أَتَواْ وَّيُحِبُّونَ أَن يُحۡمَدُواْ بِمَا لَمۡ يَفۡعَلُواْ فَلَا تَحۡسَبَنَّهُم بِمَفَازَةٍ مِّنَ ٱلۡعَذَابِۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ١٨٨
Laa tahsabannal lazeena yafrahoona bimaaa ataw wa yuhibbona ai yuhmadoo bimaa lam yaf`aloo falaa tahsabunnahum bimafaazatim minal `azaabi wa lahum `azaabun aleem
Aza mieritreritra Ianao, fa ireo izay faly amin’ny asa ratsy nataon’izy ireo, ary tian’izy ireo ny hoderaina amin’ny asa izay tsy nataon'izy ireo akory; aza mieritreritra mihitsy Ianao, fa izy ireo no ho avotra amin’ny famaizana; fa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry !
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:189
🔁 0/5
وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۗ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ ١٨٩
Wa lillaahi mulkus samaawaati wal ard; wallaahu `alaa kulli shai`in Qadeer
An'i Allah irery ihany ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany, ary i Allah no mahefa ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:190
🔁 0/5
إِنَّ فِي خَلۡقِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱخۡتِلَٰفِ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ لَأٓيَٰتٍ لِّأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ ١٩٠
Inna fee khalqis samaawati wal ardi wakhtilaafil laili wannahaari la Aayaatil liulil albaab
Tena marina fa, tamin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro, dia tena feno famantarana ho an’ireo matsilo saina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:191
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يَذۡكُرُونَ ٱللَّهَ قِيَٰمًا وَقُعُودًا وَعَلَىٰ جُنُوبِهِمۡ وَيَتَفَكَّرُونَ فِي خَلۡقِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ رَبَّنَا مَا خَلَقۡتَ هَٰذَا بَٰطِلًا سُبۡحَٰنَكَ فَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ ١٩١
Allazeena yazkuroonal laaha qiyaamaiw-wa qu`oodanw-wa `alaa juno obihim wa yatafakkaroona fee khalqis samaawaati wal ardi Rabbanaa maa khalaqta haaza baatilan Subhaanak faqinaa `azaaban Naar
Ireo izay mahatsiaro Allah, am-pitsanganana, sy amin'ny fipetrahana, ary am-patoriana sy amin’ny ilan’izy ireo ary mandinika ny momban'ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany ka niteny izy ireny ka nanao hoe : “ Tomponay ô ! Tsy noharianao tsy amin’ny antony izao (rehetra izao) ka Voninahitra anie ho Anao irery ! ka arovy amin’ny famaizan’ny Afobe Izahay”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:192
🔁 0/5
رَبَّنَآ إِنَّكَ مَن تُدۡخِلِ ٱلنَّارَ فَقَدۡ أَخۡزَيۡتَهُۥۖ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِنۡ أَنصَارٍ ١٩٢
Rabbanaaa innaka man tudkhilin Naara faqad akhzai tahoo wa maa lizzaalimeena min ansaar
Tomponay ô ! Tena marina fa, izay ampidirinao ao amin’ny Afobe, dia nalainao baraka tokoa, ary tsy misy mpanavotra ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:193
🔁 0/5
رَّبَّنَآ إِنَّنَا سَمِعۡنَا مُنَادِيًا يُنَادِي لِلۡإِيمَٰنِ أَنۡ ءَامِنُواْ بِرَبِّكُمۡ فَـَٔامَنَّاۚ رَبَّنَا فَٱغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَا وَكَفِّرۡ عَنَّا سَيِّـَٔاتِنَا وَتَوَفَّنَا مَعَ ٱلۡأَبۡرَارِ ١٩٣
Rabbanaaa innanaa sami`naa munaadiyai yunaadee lil eemaani an aaminoo bi Rabbikum fa aamannaa; Rabbanaa faghfir lanaa zunoobanaa wa kaffir `annaa saiyi aatina wa tawaffanaa ma`al abraar
Tomponay ô ! Henonay tokoa ny mpiantso izay miantso ho amin’ny finoana ka nanao hoe : “ Minoa an’ny Tomponareo Ianareo ”. Dia nino tokoa Izahay. Tomponay ô ! Avelao ny helokay, fafao ny ratsy vitanay, ary ataovy ho faty miaraka amin’ireo Olona mendrika Izahay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:194
🔁 0/5
رَبَّنَا وَءَاتِنَا مَا وَعَدتَّنَا عَلَىٰ رُسُلِكَ وَلَا تُخۡزِنَا يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۖ إِنَّكَ لَا تُخۡلِفُ ٱلۡمِيعَادَ ١٩٤
Rabbanaa wa aatinaa maa wa`attanaa `alaa Rusulika wa laa tukhzinaa Yawmal Qiyaamah; innaka laa tukhliful mee`aad
Tomponay ô ! Omeo Anay izay nampanantenainao Anay, tamin’ny alalan’ireo Irakao. Ary aza alainao baraka Izahay amin’ny Andro farany, Andro ny fitsanganana satria tena marina tokoa fa Ianao dia tsy mba mivadika amin’ny fampanantenana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:195
🔁 0/5
فَٱسۡتَجَابَ لَهُمۡ رَبُّهُمۡ أَنِّي لَآ أُضِيعُ عَمَلَ عَٰمِلٍ مِّنكُم مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰۖ بَعۡضُكُم مِّنۢ بَعۡضٍۖ فَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ وَأُخۡرِجُواْ مِن دِيَٰرِهِمۡ وَأُوذُواْ فِي سَبِيلِي وَقَٰتَلُواْ وَقُتِلُواْ لَأُكَفِّرَنَّ عَنۡهُمۡ سَيِّـَٔاتِهِمۡ وَلَأُدۡخِلَنَّهُمۡ جَنَّٰتٍ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ ثَوَابًا مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِۚ وَٱللَّهُ عِندَهُۥ حُسۡنُ ٱلثَّوَابِ ١٩٥
Fastajaaba lahum Rabbuhum annee laaa Udee`u `amala `aamilim minkum min zakarin aw unsaa ba`dukum mim ba`din fal lazeena haajaroo wa ukhrijoo min diyaarihim wa oozoo fee sabeelee wa qaataloo wa qutiloo la ukaffiranna `anhum saiyi aatihim wa la udkhilanna hum Jannnatin tajree min tahtihal anhaaru sawaabam min `indil laah; wallaahu `indahoo husnus sawaab
Ka namaly ny hatak’izy ireo ny Tompony, ary nanao hoe : “ Tena marina fa tsy hanary ny asa nataon’ny tsirairay Taminareo Aho, na lahy na vavy, avy amin’ny andaniny sy avy amin’ny ankilany Aminareo. Ka ireo izay nifindra monina sy noroahana tamin’ny toeram-ponenany, sy nampijaliana tamin’ny làlako, ary ireo niady sy novonoina, dia tena ho fafàko amin’izy ireo ny asa ratsy vitan'izy ireo, ary hampidiriko tokoa ao amin’ireo zaridaina (Paradisa) izy ireo, izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny, valisoa avy amin’i Allah, ary i Allah no manana ny mendrika indrindra amin’ny valisoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:196
🔁 0/5
لَا يَغُرَّنَّكَ تَقَلُّبُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ ١٩٦
Laa yaghurrannaka taqal lubul lazeena kafaroo fil bilaad
Aoka tsy hamitaka Anao ny fihetsik’ireo izay tsy nino ao amin’ny tanàna.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:197
🔁 0/5
مَتَٰعٌ قَلِيلٌ ثُمَّ مَأۡوَىٰهُمۡ جَهَنَّمُۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمِهَادُ ١٩٧
Mataa`un qaleelun summa maawaahum Jahannam; wa bi`sal mihaad
Fahafinaretana kely fotsiny ! Avy eo any amin’ny Afobe no fialofan’izy ireo. Ary ratsy dia ratsy tokoa izany fandriana izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:198
🔁 0/5
لَٰكِنِ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ رَبَّهُمۡ لَهُمۡ جَنَّٰتٌ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا نُزُلًا مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِۗ وَمَا عِندَ ٱللَّهِ خَيۡرٌ لِّلۡأَبۡرَارِ ١٩٨
Laakinil lazeenat taqaw Rabbahum lahum Jannnaatun tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feehaa nuzulammin `indil laah; wa maa `indal laahi khairul lil abraar
Ka nefa ireo izay matahotra ny Tompon'izy ireo kosa, dia ho azy ireo ny zaridaina (Paradisa) maro, izay misy renirano maro mikoriana ao ambaniny. Hitoetra ao mandrakizay izy ireo, toeram-pitobiana avy amin’i Allah. Ary izay misy any amin’i Allah dia mendrika ho an’ireo mpanao asa soa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:199
🔁 0/5
وَإِنَّ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ لَمَن يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡكُمۡ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡهِمۡ خَٰشِعِينَ لِلَّهِ لَا يَشۡتَرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ ثَمَنًا قَلِيلًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ أَجۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ ١٩٩
Wa inna min Ahlil Kitaabi lamai yu minu billaahi wa maaa unzila ilaikum wa maaa unzila ilaihim khaashi `eena lillaahi laa yashtaroona bi Aayaatil laahi samanan qaleelaa; ulaaa`ika lahum ajruhum `inda Rabbihim; innal laaha saree`ul hisaab
Ary tena misy amin’ireo Olon’ny Boky mino tokoa an’i Allah sy izay nampidinina Taminareo, ary izay nampidininy tamin’izy ireo. Feno fanetre-tena amin’i Allah izy ireo, ary tsy nivarotra mihitsy ireo fanambaran’i Allah amin’ny vidiny ambany dia ambany izy ireo. Ho azy ireo ny valisoa avy amin’ny Tompony.Tena marina fa i Allah dia haingam-panisa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
3:200
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱصۡبِرُواْ وَصَابِرُواْ وَرَابِطُواْ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ ٢٠٠
Yaaa aiyuhal lazeena aamanus biroo wa saabiroo wa raabitoo wattaqul laaha la`allakum tuflihoon
Ô Ianareo izay nino ! Miareta Ianareo sy mahereza, ary hamafiso ny fiambenanareo (vahoaka), ary matahorà an’i Allah Ianareo, fa hahazo fahombiazana tokoa Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







