🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (176 Andininy)
0/176
4:1
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمُ ٱلَّذِي خَلَقَكُم مِّن نَّفۡسٍ وَٰحِدَةٍ وَخَلَقَ مِنۡهَا زَوۡجَهَا وَبَثَّ مِنۡهُمَا رِجَالًا كَثِيرًا وَنِسَآءًۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ ٱلَّذِي تَسَآءَلُونَ بِهِۦ وَٱلۡأَرۡحَامَۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلَيۡكُمۡ رَقِيبًا ١
Yaaa aiyuhan naasut taqoo Rabbakumul lazee khalaqakum min nafsinw waahidatinw wa khalaqa minhaa zawjahaa wa bas sa minhumaa rijaalan kaseeranw wa nisaaa`aa; wattaqul laahallazee tasaaa `aloona bihee wal arhaam; innal laaha kaana `alaikum Raqeeba
Ô ry Olombelona ! Matahora an’ny Tomponareo, izay nahary Anareo avy tamin’ny vatana iray, sy nahary avy aminy ny vadiny [60], ary nampiely avy tamin’izy roa, lehilahy maro sy vehivavy. Ary matahora an’i Allah izay amin’ny anarany no hifangatahanareo; ary matahora amin’ny fanapahana ny rohim-pihavanana Ianareo. Tena marina fa i Allah dia manara-maso Anareo tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:2
🔁 0/5
وَءَاتُواْ ٱلۡيَتَٰمَىٰٓ أَمۡوَٰلَهُمۡۖ وَلَا تَتَبَدَّلُواْ ٱلۡخَبِيثَ بِٱلطَّيِّبِۖ وَلَا تَأۡكُلُوٓاْ أَمۡوَٰلَهُمۡ إِلَىٰٓ أَمۡوَٰلِكُمۡۚ إِنَّهُۥ كَانَ حُوبًا كَبِيرًا ٢
Wa aatul yataamaaa amwaalahum wa laa tatabad dalul khabeesa bittaiyibi wa laa taakulooo amwaalahum ilaaa amwaalikum; innahoo kaana hooban kabeeraa
Ary omeo ireo kamboty ny fananan’izy ireo, ary aza ampifanakalozinareo ny ratsy ny tsara, ary aza mihinana ny fananan’izy ireo Ianareo miaraka amin’ny fanananareo. Fa fahotana lehibe tokoa izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:3
🔁 0/5
وَإِنۡ خِفۡتُمۡ أَلَّا تُقۡسِطُواْ فِي ٱلۡيَتَٰمَىٰ فَٱنكِحُواْ مَا طَابَ لَكُم مِّنَ ٱلنِّسَآءِ مَثۡنَىٰ وَثُلَٰثَ وَرُبَٰعَۖ فَإِنۡ خِفۡتُمۡ أَلَّا تَعۡدِلُواْ فَوَٰحِدَةً أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡۚ ذَٰلِكَ أَدۡنَىٰٓ أَلَّا تَعُولُواْ ٣
Wa in khiftum allaa tuqsitoo fil yataamaa fankihoo maa taaba lakum minan nisaaa`i masnaa wa sulaasa wa rubaa`a fa`in khiftum allaa ta`diloo fawaahidatan aw maa malakat aimaanukum; zaalika adnaaa allaa ta`ooloo
Ary raha matahotra ianareo fa tsy havita hanao ny rariny amin’ireo kamboty, dia manambadia izay mahafinaritra Anareo amin’ireo vehivavy Ianareo, roa na telo na efatra. Ka raha matahotra Ianareo, fa tsy ahavita hampifandanja azy ireo, dia iray ihany, na ireo andevo vavy eo am-pelatànanareo. Izany dia mba tsy hanaovanareo ny tsy ara-drariny, (na mba tsy hampavesatra Anareo eo amin’ny andraiki-pianakaviana).
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:4
🔁 0/5
وَءَاتُواْ ٱلنِّسَآءَ صَدُقَٰتِهِنَّ نِحۡلَةًۚ فَإِن طِبۡنَ لَكُمۡ عَن شَيۡءٍ مِّنۡهُ نَفۡسًا فَكُلُوهُ هَنِيٓـًٔا مَّرِيٓـًٔا ٤
Wa aatun nisaaa`a sadu qaatihinna nihlah; fa in tibna lakum `an shai`im minhu nafsan fakuloohu hanee`am mareee`aa
Ary omeo ny vehivavy am-pitiavana ny Mahr [61] ho azy ireo Fa raha mahafoy an-tsitrapò ny ampahany amin’izany ho Anareo izy ireo, dia aoka Ianareo hihinana izany amim-piadanana sy amin’ny Fo madio.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:5
🔁 0/5
وَلَا تُؤۡتُواْ ٱلسُّفَهَآءَ أَمۡوَٰلَكُمُ ٱلَّتِي جَعَلَ ٱللَّهُ لَكُمۡ قِيَٰمًا وَٱرۡزُقُوهُمۡ فِيهَا وَٱكۡسُوهُمۡ وَقُولُواْ لَهُمۡ قَوۡلًا مَّعۡرُوفًا ٥
Wa laa tu`tus sufahaaa`a amwaalakumul latee ja`alal laahu lakum qiyaamanw-warzuqoohum feehaa waksoohum wa qooloo lahum qawlam ma`roofaa
Ary aza omena ireo tsy ampy saina [62] ireo fanananareo, izay nataon’i Allah mba ho fivelomanareo. Ary omeo ampahany amin’izany ho anjara sakafon'izy ireo, sy ampitafianareo, ary mitenena amin’izy ireo amim-pahamendrehana Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:6
🔁 0/5
وَٱبۡتَلُواْ ٱلۡيَتَٰمَىٰ حَتَّىٰٓ إِذَا بَلَغُواْ ٱلنِّكَاحَ فَإِنۡ ءَانَسۡتُم مِّنۡهُمۡ رُشۡدًا فَٱدۡفَعُوٓاْ إِلَيۡهِمۡ أَمۡوَٰلَهُمۡۖ وَلَا تَأۡكُلُوهَآ إِسۡرَافًا وَبِدَارًا أَن يَكۡبَرُواْۚ وَمَن كَانَ غَنِيًّا فَلۡيَسۡتَعۡفِفۡۖ وَمَن كَانَ فَقِيرًا فَلۡيَأۡكُلۡ بِٱلۡمَعۡرُوفِۚ فَإِذَا دَفَعۡتُمۡ إِلَيۡهِمۡ أَمۡوَٰلَهُمۡ فَأَشۡهِدُواْ عَلَيۡهِمۡۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ حَسِيبًا ٦
Wabtalul yataamaa hattaaa izaa balaghun nikaaha fa in aanastum minhum rushdan fad fa`ooo ilaihim amwaalahum wa laa taa kuloohaaa israafanw wa bidaaran ai yakbaroo; wa mai kaana ghaniyyan falyasta` fif wa mai kaana faqeeran falyaakul bilma`roof; fa izaa dafa`tum ilaihim amwaalahum fa`ashhidoo `alaihim; wa kafaa billaahi Haseeba
Ary tsapao ireo kamboty mandra-pahazoan’izy ireo taonam-panambadiana; ka raha tsikaritrareo amin’izy ireo ny fahamatoran-tsaina, dia atolory azy ireo ny fananan’izy ireo. Ary aza ho haninareo amin’ny fandanindaniam-poana sy fandrobana izany, alohan’ny ahalehibe azy ireo. Ary izay manan-katao, aoka Izy tsy handray amin’izany. Fa izay mahantra kosa, dia aoka Izy hihinana araka izay tokony ho izy. Koa raha hamerina amin’izy ireo ny fananany Inareo dia makà vavolombelona eo anatrehany. Ary ampy ho Mpitsara i Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:7
🔁 0/5
لِّلرِّجَالِ نَصِيبٌ مِّمَّا تَرَكَ ٱلۡوَٰلِدَانِ وَٱلۡأَقۡرَبُونَ وَلِلنِّسَآءِ نَصِيبٌ مِّمَّا تَرَكَ ٱلۡوَٰلِدَانِ وَٱلۡأَقۡرَبُونَ مِمَّا قَلَّ مِنۡهُ أَوۡ كَثُرَۚ نَصِيبًا مَّفۡرُوضًا ٧
Lirrijaali naseebum mimmaa tarakal waalidaani wal aqraboona wa lin nisaaa`i naseebum mimmaa tarakal waalidaani wal aqraboona mimmaa qalla minhu aw kasur; naseebam mafroodaa
Ireo lehilahy dia manana anjara amin’izay navelan’ny Ray aman-dreny sy ny havany akaiky, ary ireo vehivavy koa dia manana anjara amin’izay navelan’ny Ray aman-dreny sy ny havany akaiky na be na kely izany anjara voafaritra araka ny lalàna izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:8
🔁 0/5
وَإِذَا حَضَرَ ٱلۡقِسۡمَةَ أُوْلُواْ ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينُ فَٱرۡزُقُوهُم مِّنۡهُ وَقُولُواْ لَهُمۡ قَوۡلًا مَّعۡرُوفًا ٨
Wa izaa hadaral qismata ulul qurbaa walyataamaa walmasaakeenu farzuqoohum minhu wa qooloo lahum qawlam ma`roofaa
Raha nanatrika fizarana lova ireo fianakaviana akaiky sy ireo kamboty ary ireo mahantra dia mba omeo kely amin'izany izy ireo, ary mba mitenena teny tsara amin'izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:9
🔁 0/5
وَلۡيَخۡشَ ٱلَّذِينَ لَوۡ تَرَكُواْ مِنۡ خَلۡفِهِمۡ ذُرِّيَّةً ضِعَٰفًا خَافُواْ عَلَيۡهِمۡ فَلۡيَتَّقُواْ ٱللَّهَ وَلۡيَقُولُواْ قَوۡلًا سَدِيدًا ٩
Walyakhshal lazeena law tarakoo min khalfihim zurriyyatan di`aafan khaafoo `alaihim falyattaqul laaha walyaqooloo qawlan sadeedaa
Aoka mba hanana fatahorana izy ireo, raha namela taranaka malemy [63] aty aoriana, ka hatahotra izy ireo momba ny ho avin'izy ireo. Ary aoka izy ireo hatahotra Allah,ary hiteny teny marina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:10
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَأۡكُلُونَ أَمۡوَٰلَ ٱلۡيَتَٰمَىٰ ظُلۡمًا إِنَّمَا يَأۡكُلُونَ فِي بُطُونِهِمۡ نَارًاۖ وَسَيَصۡلَوۡنَ سَعِيرًا ١٠
Innal lazeena yaakuloona amwaalal yataamaa zulman innamaa yaakuloona fee butoonihim Naaranw-wa sayaslawna sa`eeraa
Tena marina, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo kamboty amin’ny tsy rariny, dia tena mihinana afo ao an-kibony. Hirehitra ao amin’ny Afobe izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:11
🔁 0/5
يُوصِيكُمُ ٱللَّهُ فِيٓ أَوۡلَٰدِكُمۡۖ لِلذَّكَرِ مِثۡلُ حَظِّ ٱلۡأُنثَيَيۡنِۚ فَإِن كُنَّ نِسَآءً فَوۡقَ ٱثۡنَتَيۡنِ فَلَهُنَّ ثُلُثَا مَا تَرَكَۖ وَإِن كَانَتۡ وَٰحِدَةً فَلَهَا ٱلنِّصۡفُۚ وَلِأَبَوَيۡهِ لِكُلِّ وَٰحِدٍ مِّنۡهُمَا ٱلسُّدُسُ مِمَّا تَرَكَ إِن كَانَ لَهُۥ وَلَدٌۚ فَإِن لَّمۡ يَكُن لَّهُۥ وَلَدٌ وَوَرِثَهُۥٓ أَبَوَاهُ فَلِأُمِّهِ ٱلثُّلُثُۚ فَإِن كَانَ لَهُۥٓ إِخۡوَةٌ فَلِأُمِّهِ ٱلسُّدُسُۚ مِنۢ بَعۡدِ وَصِيَّةٍ يُوصِي بِهَآ أَوۡ دَيۡنٍۗ ءَابَآؤُكُمۡ وَأَبۡنَآؤُكُمۡ لَا تَدۡرُونَ أَيُّهُمۡ أَقۡرَبُ لَكُمۡ نَفۡعًاۚ فَرِيضَةً مِّنَ ٱللَّهِۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمًا ١١
Yooseekumul laahu feee awlaadikum liz zakari mislu hazzil unsayayn; fa in kunna nisaaa`an fawqas nataini falahunna suhusaa maa taraka wa in kaanat waahidatan falahan nisf; wa li abawaihi likulli waahidim minhumas sudusu mimmma taraka in kaana lahoo walad; fa il lam yakul lahowaladunw wa warisahooo abawaahu fali ummihis sulus; fa in kaana lahoo ikhwatun fali ummihis sudus; mim ba`di wasiyyatiny yoosee bihaaa aw dayn; aabaaa`ukum wa abnaaa`ukum laa tadroona aiyuhum aqrabu lakum naf`aa; fareedatam minallaah; innal laaha kaana `Aleeman Hakeemaa
Mandidy Anareo i Allah mahakasika ireo Zanakareo : ny lahy dia mahazo anjara mitovy amin’ny anjara azon’ny vavy Roa. Raha vehivavy daholo izy ireo, ka mihoatra ny Roa, dia ho azy ireo ny Roa ampahatelon’izay navelan’ny maty. Ary raha vavy tokana kosa Izy, dia ho Azy ny antsasany. Ary ho an’ny Ray aman-drenin’ilay maty, samy mahazo ny ampahenina avy izy Roa, amin’ny lova izay navelany raha manan-janaka iray Izy (ilay maty). Raha tsy manan-janaka kosa Izy, ka ny Ray aman-dreniny no mandova Azy, dia ho an’ny Reniny ny ampahatelony. Ary raha toa ka manan-drahalahy maro kosa Izy, dia ho an’ny Reniny ny ampahenina, aorian’ny fanatanterahany ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Na ireo Ray aman-dreninareo, na ireo Zanakareo, dia tsy fantatrareo iza amin’izy ireo no tena ahazoanareo tombontsoa. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Tena marina, fa i Allah dia Mahalala ny zava-drehetra, ary be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:12
🔁 0/5
۞ وَلَكُمۡ نِصۡفُ مَا تَرَكَ أَزۡوَٰجُكُمۡ إِن لَّمۡ يَكُن لَّهُنَّ وَلَدٌۚ فَإِن كَانَ لَهُنَّ وَلَدٌ فَلَكُمُ ٱلرُّبُعُ مِمَّا تَرَكۡنَۚ مِنۢ بَعۡدِ وَصِيَّةٍ يُوصِينَ بِهَآ أَوۡ دَيۡنٍۚ وَلَهُنَّ ٱلرُّبُعُ مِمَّا تَرَكۡتُمۡ إِن لَّمۡ يَكُن لَّكُمۡ وَلَدٌۚ فَإِن كَانَ لَكُمۡ وَلَدٌ فَلَهُنَّ ٱلثُّمُنُ مِمَّا تَرَكۡتُمۚ مِّنۢ بَعۡدِ وَصِيَّةٍ تُوصُونَ بِهَآ أَوۡ دَيۡنٍۗ وَإِن كَانَ رَجُلٌ يُورَثُ كَلَٰلَةً أَوِ ٱمۡرَأَةٌ وَلَهُۥٓ أَخٌ أَوۡ أُخۡتٌ فَلِكُلِّ وَٰحِدٍ مِّنۡهُمَا ٱلسُّدُسُۚ فَإِن كَانُوٓاْ أَكۡثَرَ مِن ذَٰلِكَ فَهُمۡ شُرَكَآءُ فِي ٱلثُّلُثِۚ مِنۢ بَعۡدِ وَصِيَّةٍ يُوصَىٰ بِهَآ أَوۡ دَيۡنٍ غَيۡرَ مُضَآرٍّۚ وَصِيَّةً مِّنَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَلِيمٌ ١٢
Wa lakum nisfu maa taraka azwaajukum il lam yakul lahunna walad; fa in kaana lahunna waladun falakumur rub`u mimmaa tarakna mim ba`di wasiyyatiny yooseena bihaaa aw dayn; wa lahunnar rubu`u mimmaa tarakum il lam yakul lakum walad; fa in kaana lakum waladun falahunnas sumunu mimmaa taraktum; mim ba`di wasiyyatin toosoona bihaaa aw dayn; wa in kaana rajuluny yoorasu kalaalatan awim ra atunw wa lahooo akhun aw ukhtun falikulli waahidim minhumas sudus; fa in kaanooo aksara min zaalika fahum shurakaaa`u fissulusi mim ba`di wasiyyatiny yoosaa bihaaa aw dainin ghaira mudaaarr; wasiyyatam minal laah; wallaahu `Aleemun Haleem
Ary ho Anareo ny antsasany amin’ny lova navelan‘ireo Vadinareo vavy, raha tsy manan-janaka izy ireo. Fa raha manan-janaka kosa izy ireo, dia ho Anareo ny ampahefany amin’ny lova navelany, aorian’ny fanatanterahan’izy ireo ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Ary ho an’ireo Vadinareo vavy, ny ampahefany amin’ny lova navelanareo, raha tsy manan-janaka Ianareo. Fa raha manan-janaka Ianareo, dia ny ampahavalony amin’ny lova Navelanareo no ho Azy, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana na ny fandoavana ny trosany. Ary ireo lehilahy na vehivavy tsy manana mpandova mivantana, ka nefa manan-drahalahy na anabavy, mahazo ny ampahenina ny tsirairay amin’izy Roa. Fa raha maro mihoatra izany izy ireo, dia mitambatra ao anaty ampahatelony izy ireo, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana navelany na fandoavana ny trosany, tsy misy famelezana na amin’iza na amin’iza. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Ary i Allah dia mahalala ny zava-drehetra, ary tena tsara fanahy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:13
🔁 0/5
تِلۡكَ حُدُودُ ٱللَّهِۚ وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ يُدۡخِلۡهُ جَنَّٰتٍ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ وَذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ ١٣
Tilka hudoodul laah; wa mai yuti`il laaha wa Rasoolahoo yudkhilhu Jannaatin tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feehaa; wa zaalikal fawzul `azeem
Izany ary no didin’i Allah. Ary izay mankato an’i Allah sy ny Irany, dia ampidiriny ao amin’ny Paradisa, izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny. Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ary izany no fahombiazana lehibe indrindra !
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:14
🔁 0/5
وَمَن يَعۡصِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَيَتَعَدَّ حُدُودَهُۥ يُدۡخِلۡهُ نَارًا خَٰلِدًا فِيهَا وَلَهُۥ عَذَابٌ مُّهِينٌ ١٤
Wa mai ya`sil laaha wa Rasoolahoo wa yata`adda hudoodahoo yudkhilhu Naaran khaalidan feehaa wa lahoo `azaabum muheen
Ary izay tsy nankatò an’i Allah sy ny Irany kosa, ary nandika ny didiny, dia ampidiriny ao anaty afobe, ka hitoetra ao mandrakizay. Ary ho azy ny famaizana manala-baraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:15
🔁 0/5
وَٱلَّٰتِي يَأۡتِينَ ٱلۡفَٰحِشَةَ مِن نِّسَآئِكُمۡ فَٱسۡتَشۡهِدُواْ عَلَيۡهِنَّ أَرۡبَعَةً مِّنكُمۡۖ فَإِن شَهِدُواْ فَأَمۡسِكُوهُنَّ فِي ٱلۡبُيُوتِ حَتَّىٰ يَتَوَفَّىٰهُنَّ ٱلۡمَوۡتُ أَوۡ يَجۡعَلَ ٱللَّهُ لَهُنَّ سَبِيلًا ١٥
Wallaatee yaateenal faahishata min nisaaa`ikum fastashhidoo `alaihinna arba`atam minkum fa in shahidoo fa amsikoohunna fil buyooti hatta yatawaffaa hunnal mawtu aw yaj`alal laahu lahunna sabeelaa
Ho an’ireo vehivavinareo izay manao asa vetaveta (mijangajanga), dia manangàna vavolombelona efatra Aminareo eo anatrehany. Koa raha nitsangana vavolombelona izy ireo, dia tazony ao an-trano izy ireo, mandra-pahatongavan’ny fahafatesany, na koa i Allah hamoaka lalàna hafa ho azy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:16
🔁 0/5
وَٱلَّذَانِ يَأۡتِيَٰنِهَا مِنكُمۡ فَـَٔاذُوهُمَاۖ فَإِن تَابَا وَأَصۡلَحَا فَأَعۡرِضُواْ عَنۡهُمَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ تَوَّابًا رَّحِيمًا ١٦
Wallazaani yaatiyaanihaa minkum fa aazoohumaa fa in taabaa wa aslahaa fa a`ridoo `anhumaaa; innal laaha kaana Tawwaabar Raheema
Ary ny Olona roa izay nahavita izany asa vetaveta izany Taminareo, dia ampijalio. Raha mibebaka izy roa ka manova ny toetrany, dia avelao hiaina amim-piadanana. Tena marina fa i Allah dia Mpandray ny fibebahana sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:17
🔁 0/5
إِنَّمَا ٱلتَّوۡبَةُ عَلَى ٱللَّهِ لِلَّذِينَ يَعۡمَلُونَ ٱلسُّوٓءَ بِجَهَٰلَةٍ ثُمَّ يَتُوبُونَ مِن قَرِيبٍ فَأُوْلَٰٓئِكَ يَتُوبُ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا ١٧
Innamat tawbatu `alallaahi lillazeena ya`maloonas sooo`a bijahaalatin summa yatooboona min qareebin faulaaika yatoobul laahu `alaihim; wa kaanal laahu `Aleeman Hakeemaa
Tena marina fa ny fibebahana amin’i Allah, dia ho an’ireo manao asa ratsy nohon'ny habadoana, avy eo izy ireo mibebaka haingana. Izy ireny dia eken’i Allah ny fibebahan'izy ireo. Tena marina fa i Allah dia Mahalala sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:18
🔁 0/5
وَلَيۡسَتِ ٱلتَّوۡبَةُ لِلَّذِينَ يَعۡمَلُونَ ٱلسَّيِّـَٔاتِ حَتَّىٰٓ إِذَا حَضَرَ أَحَدَهُمُ ٱلۡمَوۡتُ قَالَ إِنِّي تُبۡتُ ٱلۡـَٰٔنَ وَلَا ٱلَّذِينَ يَمُوتُونَ وَهُمۡ كُفَّارٌۚ أُوْلَٰٓئِكَ أَعۡتَدۡنَا لَهُمۡ عَذَابًا أَلِيمًا ١٨
Wa laisatit tawbatu lillazeena ya`maloonas saiyiaati hattaaa izaa hadara ahadahumul mawtu qaala innee tubtul `aana wa lallazeena yamootoona wa hum kuffaar; ulaaa`ika a`tadnaa lahum `azaaban aleemaa
Fa tsy misy fibebahana akory ho an’ireo izay manao ireo asa ratsy mandra-pahatongavan’ny fahafatesana eo amin’iray amin’izy ireo, ka hiteny manao hoe : “ Tena mibebaka Aho izao ”, ary koa tsy ho an’ireo izay maty nefa tsy nino, Izy ireny dia efa nomaninay ho azy ireny ny famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:19
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا يَحِلُّ لَكُمۡ أَن تَرِثُواْ ٱلنِّسَآءَ كَرۡهًاۖ وَلَا تَعۡضُلُوهُنَّ لِتَذۡهَبُواْ بِبَعۡضِ مَآ ءَاتَيۡتُمُوهُنَّ إِلَّآ أَن يَأۡتِينَ بِفَٰحِشَةٍ مُّبَيِّنَةٍۚ وَعَاشِرُوهُنَّ بِٱلۡمَعۡرُوفِۚ فَإِن كَرِهۡتُمُوهُنَّ فَعَسَىٰٓ أَن تَكۡرَهُواْ شَيۡـًٔا وَيَجۡعَلَ ٱللَّهُ فِيهِ خَيۡرًا كَثِيرًا ١٩
Yaaa aiyuhal lazeena aamanoo laa yahillu lakum an tarisun nisaaa`a karhan wa laa ta`duloohunna litazhaboo biba`di maaa aataitumoohunna illaaa ai yaateena bifaahishatim bubaiyinah; wa `aashiroo hunna bilma`roof; fa in karihtumoohunna fa`asaaa an takrahoo shai`anw wa yaj`alal laahu feehi khairan kaseeraa
Ô Ianareo izay nino ! Tsy Azonareo atao ny mandova ireo vehivavy tsy an-tsitrapony, ary aza sakananareo tsy hanambady hafa izy ireo, mba hahazoanareo ny ampahany amin’izay efa nomenareo azy ireo, raha tsy hoe nanao asa vetaveta voaporofo izy ireo. Ary miaraha miaina amin’izy ireo am-pahamendrehana Ianareo. Fa raha mankahala azy ireo Ianareo, dia sao hankahala zavatra Ianareo, nefa i Allah hanatobaka fahasoavana maro Aminy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:20
🔁 0/5
وَإِنۡ أَرَدتُّمُ ٱسۡتِبۡدَالَ زَوۡجٍ مَّكَانَ زَوۡجٍ وَءَاتَيۡتُمۡ إِحۡدَىٰهُنَّ قِنطَارًا فَلَا تَأۡخُذُواْ مِنۡهُ شَيۡـًٔاۚ أَتَأۡخُذُونَهُۥ بُهۡتَٰنًا وَإِثۡمًا مُّبِينًا ٢٠
Wa in arattumustib daala zawjim makaana zawjin wa aataitum ihdaahunna qintaaran falaa taakhuzoo minhu shai`aa; ataakhuzoonahoo buhtaannanw wa ismam mubeenaa
Raha Tianareo ny hanolo vady hafa eo amin’ny toeran’ny vady, ary efa nomenareo amin’iray amin’izy ireo ny Kintar [64], dia aoka Ianareo tsy handray amin’izany na dia kely aza. Moa ve haka izany tsy amin’ny rariny Ianareo, sy amim-pahotana mibaribary ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:21
🔁 0/5
وَكَيۡفَ تَأۡخُذُونَهُۥ وَقَدۡ أَفۡضَىٰ بَعۡضُكُمۡ إِلَىٰ بَعۡضٍ وَأَخَذۡنَ مِنكُم مِّيثَٰقًا غَلِيظًا ٢١
Wa kaifa taakhuzoonahoo wa qad afdaa ba`dukum ilaa ba`dinw wa akhazna minkum meesaaqan ghaleezaa
Ary ahoana Ianareo no haka izany, ka nefa Ianareo efa niaiky nanao firaisana ny andaniny sy ny ankilany, ary efa nandray fanekena matotra avy taminareo izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:22
🔁 0/5
وَلَا تَنكِحُواْ مَا نَكَحَ ءَابَآؤُكُم مِّنَ ٱلنِّسَآءِ إِلَّا مَا قَدۡ سَلَفَۚ إِنَّهُۥ كَانَ فَٰحِشَةً وَمَقۡتًا وَسَآءَ سَبِيلًا ٢٢
Wa laa tankihoo maa nakaha aabaaa`ukum minan nisaaa`i illaa maa qad salaf; inahoo kaana faahishatanw wa maqtanw wa saaa`a sabeelaa
Ary Ianareo aza manambady izay efa novadin’ny rainareo, amin’ireo vehivavy, afa-tsy izay efa vita tany aloha. Marina fa izany dia tena asa vetaveta sy maharikoriko, ary fitondran-tena ratsy tokoa izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:23
🔁 0/5
حُرِّمَتۡ عَلَيۡكُمۡ أُمَّهَٰتُكُمۡ وَبَنَاتُكُمۡ وَأَخَوَٰتُكُمۡ وَعَمَّٰتُكُمۡ وَخَٰلَٰتُكُمۡ وَبَنَاتُ ٱلۡأَخِ وَبَنَاتُ ٱلۡأُخۡتِ وَأُمَّهَٰتُكُمُ ٱلَّٰتِيٓ أَرۡضَعۡنَكُمۡ وَأَخَوَٰتُكُم مِّنَ ٱلرَّضَٰعَةِ وَأُمَّهَٰتُ نِسَآئِكُمۡ وَرَبَٰٓئِبُكُمُ ٱلَّٰتِي فِي حُجُورِكُم مِّن نِّسَآئِكُمُ ٱلَّٰتِي دَخَلۡتُم بِهِنَّ فَإِن لَّمۡ تَكُونُواْ دَخَلۡتُم بِهِنَّ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ وَحَلَٰٓئِلُ أَبۡنَآئِكُمُ ٱلَّذِينَ مِنۡ أَصۡلَٰبِكُمۡ وَأَن تَجۡمَعُواْ بَيۡنَ ٱلۡأُخۡتَيۡنِ إِلَّا مَا قَدۡ سَلَفَۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا ٢٣
Hurrimat `alaikum umma haatukum wa bannaatukum wa akhawaatukum wa `ammaatukum wa khaalaatukum wa banaatul akhi wa banaatul ukhti wa ummahaatu kumul laateee arda` nakum wa akhawaatukum minarradaa`ati wa ummahaatu nisaaa`ikum wa rabaaa`i bukumul laatee fee hujoorikum min nisaaa`ikumul laatee dakhaltum bihinna Fa il lam takoonoo dakhaltum bihina falaa junaaha `alaikum wa halaaa`ilu abnaaa`ikumul lazeena min aslaabikum wa an tajma`oo bainal ukhtaini illaa maa qad salaf; innallaaha kaana Ghafoorar Raheema
Nofadiana ho Anareo ireo reninareo, ireo zanakareo vavy, ireo anabavinareo, ireo anabavin-drainareo, ireo rahavavin-dreninareo, ireo zanaka vavin’ny rahalahinareo, ireo zanaka vavin’ny anabavinareo, ireo reninareo izay nampinono Anareo, ireo anabavinareo ara-pinonoana, ireo renin’ireo vehivavy vadinareo, ireo vehivavy zana-badinareo izay ao an-tranonareo, avy amin’ireo vehivavy izay efa niraisanareo ara-nofo, fa raha mbola tsy niraisanareo ara-nofo kosa izy ireo dia tsy Anananareo tsiny, sy ireo vadin’ireo zanakareo (vinanto vavinareo) izay avy amin’ny taolan-tehezanareo, ary ny fanakambananareo ho vady ny mpirahavavy anakiroa [65] afa-tsy izay efa vita tany aloha. Tena marina fa i Allah dia tena be famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:24
🔁 0/5
۞ وَٱلۡمُحۡصَنَٰتُ مِنَ ٱلنِّسَآءِ إِلَّا مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡۖ كِتَٰبَ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡۚ وَأُحِلَّ لَكُم مَّا وَرَآءَ ذَٰلِكُمۡ أَن تَبۡتَغُواْ بِأَمۡوَٰلِكُم مُّحۡصِنِينَ غَيۡرَ مُسَٰفِحِينَۚ فَمَا ٱسۡتَمۡتَعۡتُم بِهِۦ مِنۡهُنَّ فَـَٔاتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ فَرِيضَةًۚ وَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ فِيمَا تَرَٰضَيۡتُم بِهِۦ مِنۢ بَعۡدِ ٱلۡفَرِيضَةِۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمًا ٢٤
Walmuhsanaatu minan nisaaa`i illaa maa malakat aimaanukum kitaabal laahi `alaikum; wa uhilla lakum maa waraaa`a zaalikum an tabtaghoo bi amwaali kum muhsineena ghaira musaa fiheen; famastamta`tum bihee minhunna fa aatoohunna ujoorahunna fareedah; wa laa junaaha `alaikum feemaa taraadaitum bihee mim ba`dil fareedah; innal laaha kaana `Aleeman Hakeemaa
Ary (nofadiana ho anareo koa) ireo efa manambady tamin’ireo vehivavy, afa-tsy ireo andevo anananareo. Izany no voadidin’I Allah aminareo ! Ankoatra izany, dia nomena alàlana kosa ianareo mba hitadiavanareo azy ireo, amin’ny alalan’ny fanananareo, mba ho vady ara-dalàna ianareo fa tsy ho mpijangajanga. Ka izay nahazoanareo fahafinaretana tamin’izy ireo dia omeo azy ireo ny Mahr (vody ondriny). Izany dia voadidy aminareo. Ary tsy omena tsiny ianareo ny amin’izay hifanarahanareo aorian’ny mahr izay voadidy. Tena marina fa I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:25
🔁 0/5
وَمَن لَّمۡ يَسۡتَطِعۡ مِنكُمۡ طَوۡلًا أَن يَنكِحَ ٱلۡمُحۡصَنَٰتِ ٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ فَمِن مَّا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُم مِّن فَتَيَٰتِكُمُ ٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۚ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِإِيمَٰنِكُمۚ بَعۡضُكُم مِّنۢ بَعۡضٍۚ فَٱنكِحُوهُنَّ بِإِذۡنِ أَهۡلِهِنَّ وَءَاتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ بِٱلۡمَعۡرُوفِ مُحۡصَنَٰتٍ غَيۡرَ مُسَٰفِحَٰتٍ وَلَا مُتَّخِذَٰتِ أَخۡدَانٍۚ فَإِذَآ أُحۡصِنَّ فَإِنۡ أَتَيۡنَ بِفَٰحِشَةٍ فَعَلَيۡهِنَّ نِصۡفُ مَا عَلَى ٱلۡمُحۡصَنَٰتِ مِنَ ٱلۡعَذَابِۚ ذَٰلِكَ لِمَنۡ خَشِيَ ٱلۡعَنَتَ مِنكُمۡۚ وَأَن تَصۡبِرُواْ خَيۡرٌ لَّكُمۡۗ وَٱللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ٢٥
Wa mal lam yastati` minkum tawlan ai yankihal muhsanaatil mu`minaati famimmaa malakat aimaanukum min fatayaatikumul mu`minaat; wallaahu a`lamu bi eemaanikum; ba`dukum mim ba`d; fankihoohunna bi izni ahlihinna wa aatoohunna ujoorahunna bilma`roofi muhsanaatin ghaira musaa fihaatinw wa laa muttakhizaati akhdaan; fa izaaa uhsinna fa in ataina bifaahi shatin fa`alaihinnna nisfu maa `alal muhsanaati minal `azaab; zaalika liman khashiyal `anata minkum; wa an tasbiroo khairul lakum; wallaahu Ghafoorur Raheem
Ary izay tsy manan-katao aminareo mba hanambady ireo mpino vavy afaka, dia makà amin’ireo andevo vavy mpino eo am-pelatananareo. Ary I Allah no tena mahafantatra ny momba ny finoanareo, satria ny sasany aminareo dia avy amin’ny sasany. Ka manambadia azy ireo ianareo araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny fianakaviany, ary atolory azy ireo am-pahamendrehana ny vody ondry, mba ho vady ara-dalàna fa tsy ho mpijangajanga, na koa ho sakaiza fotsiny (tokantrano maso). Koa raha efa vady raikitra izy ireo (ireo vehivavy), ka nanao asa vetaveta, dia mihatra aminy ny antsasaky ny sazy izay mihatra amin’ireo vehivavy afaka. Izany dia ho an’izay matahotra ny fitondran-tena vetaveta aminareo; fa ny tsara indrindra aminareo kosa dia ny maharitra. Ary I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:26
🔁 0/5
يُرِيدُ ٱللَّهُ لِيُبَيِّنَ لَكُمۡ وَيَهۡدِيَكُمۡ سُنَنَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكُمۡ وَيَتُوبَ عَلَيۡكُمۡۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ ٢٦
Yureedul laahu liyubai yina lakum wa yahdiyakum sunanal lazeena min qablikum wa yatooba `alaikum; wallaahu `Aleemun Hakeem
Tian’I Allah ny hanazava sy hitari-dalana anareo amin’ny làlan’ireo izay talohanareo, sy mba handraisany ny fibebahanareo. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:27
🔁 0/5
وَٱللَّهُ يُرِيدُ أَن يَتُوبَ عَلَيۡكُمۡ وَيُرِيدُ ٱلَّذِينَ يَتَّبِعُونَ ٱلشَّهَوَٰتِ أَن تَمِيلُواْ مَيۡلًا عَظِيمًا ٢٧
Wallaahu yureedu ai yatooba `alaikum wa yureedul lazeena yattabi `oonash shahawaati an tameeloo mailan `azeemaa
Ary I Allah dia mila handray ny fibebahanareo. Fa ireo izay manaraka ny hetahetam-pony kosa, dia mila anareo hirona tanteraka any amin’izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:28
🔁 0/5
يُرِيدُ ٱللَّهُ أَن يُخَفِّفَ عَنكُمۡۚ وَخُلِقَ ٱلۡإِنسَٰنُ ضَعِيفًا ٢٨
Yureedul laahu ai yukhaffifa `ankum; wa khuliqal insaanu da`eefaa
Allah dia mila hanamaivana anareo, satria ny olombelona dia nohariana ho manam-pahalemena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:29
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَأۡكُلُوٓاْ أَمۡوَٰلَكُم بَيۡنَكُم بِٱلۡبَٰطِلِ إِلَّآ أَن تَكُونَ تِجَٰرَةً عَن تَرَاضٍ مِّنكُمۡۚ وَلَا تَقۡتُلُوٓاْ أَنفُسَكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِكُمۡ رَحِيمًا ٢٩
Yaaa aiyuhal lazeena aamanoo laa taakulooo amwaalakum bainakum bilbaatili `illaaa an takoona tijaaratan `an taraadim minkum; wa laa taqtulooo anfusakum; innal laaha kaana bikum Raheemaa
Ô ianareo izay nino! Aza mihinana ny harenareo samy anareo amin’ny tsy rariny ianareo, raha tsy misy fifampiraharahana ara-barotra iarahanareo mifanaiky. Ary aza mamono tena ianareo. Tena marina fa I Allah dia be Indrafo aminareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:30
🔁 0/5
وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ عُدۡوَٰنًا وَظُلۡمًا فَسَوۡفَ نُصۡلِيهِ نَارًاۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرًا ٣٠
Wa mai yaf`al zaalika `udwaananw wa zulman fasawfa nusleehi Naaraa; wa kaana zaalika `alal laahi yaseeraa
Ary n’iza n’iza manao izany, amim-pihoaram-pefy sy amin’ny tsy rariny, dia hatsipinay ao anatin'ny afobe izy. Ary izany dia mora amin’I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:31
🔁 0/5
إِن تَجۡتَنِبُواْ كَبَآئِرَ مَا تُنۡهَوۡنَ عَنۡهُ نُكَفِّرۡ عَنكُمۡ سَيِّـَٔاتِكُمۡ وَنُدۡخِلۡكُم مُّدۡخَلًا كَرِيمًا ٣١
In tajtaniboo kabaaa`ira maa tunhawna `anhu nukaffir `ankum saiyiaatikum wa nudkhilkum mudkhalan kareemaa
Raha manalavitra ireo fahotana lehibe izay norarana taminareo ianareo, dia ho fafanay ireo asa ratsy vitanareo, ary hampidirinay ao amin’ny toera-manan-kaja (Paradisa) ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:32
🔁 0/5
وَلَا تَتَمَنَّوۡاْ مَا فَضَّلَ ٱللَّهُ بِهِۦ بَعۡضَكُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٍۚ لِّلرِّجَالِ نَصِيبٌ مِّمَّا ٱكۡتَسَبُواْۖ وَلِلنِّسَآءِ نَصِيبٌ مِّمَّا ٱكۡتَسَبۡنَۚ وَسۡـَٔلُواْ ٱللَّهَ مِن فَضۡلِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمًا ٣٢
Wa laa tatamannaw maa faddalal laahu bihee ba`dakum `alaa ba`d; lirrijaali naseebum mimak tasaboo wa linnisaaa`i naseebum mimmak tasabna; was`alullaaha min fadlih; innal laaha kaana bikulli shai`in `Aleemaa
Ary aza mitsiriritra ianareo amin’izay nomen’I Allah tombony aminareo; ho an’ny lehilahy ny anjara amin’izay vokatry ny asany, ary ho an’ny vehivavy koa ny anjara amin’izay vokatry ny asany. Ary mangataha amin’I Allah ny amin’ny fahasoavany ianareo. Tena marina fa Allah dia tena Mahalala ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:33
🔁 0/5
وَلِكُلٍّ جَعَلۡنَا مَوَٰلِيَ مِمَّا تَرَكَ ٱلۡوَٰلِدَانِ وَٱلۡأَقۡرَبُونَۚ وَٱلَّذِينَ عَقَدَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡ فَـَٔاتُوهُمۡ نَصِيبَهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ شَهِيدًا ٣٣
Wa likullin ja`alnaa ma waaliya mimmaa tarakal waalidaani wal aqraboon; wallazeena `aqadat aimaanukum fa aatoohum naseebahum; innal laaha kaana `alaa kulli shai`in Shaheedaa
Ary ny tsirairay dia nataonay manana mpandova amin’izay navelan’ny ray aman-dreniny sy ireo havana akaiky. Ary izay nanaovanareo fanekena, dia omeo azy ireo ny anjarany. Tena marina fa I Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:34
🔁 0/5
ٱلرِّجَالُ قَوَّٰمُونَ عَلَى ٱلنِّسَآءِ بِمَا فَضَّلَ ٱللَّهُ بَعۡضَهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٍ وَبِمَآ أَنفَقُواْ مِنۡ أَمۡوَٰلِهِمۡۚ فَٱلصَّٰلِحَٰتُ قَٰنِتَٰتٌ حَٰفِظَٰتٌ لِّلۡغَيۡبِ بِمَا حَفِظَ ٱللَّهُۚ وَٱلَّٰتِي تَخَافُونَ نُشُوزَهُنَّ فَعِظُوهُنَّ وَٱهۡجُرُوهُنَّ فِي ٱلۡمَضَاجِعِ وَٱضۡرِبُوهُنَّۖ فَإِنۡ أَطَعۡنَكُمۡ فَلَا تَبۡغُواْ عَلَيۡهِنَّ سَبِيلًاۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيًّا كَبِيرًا ٣٤
Arrijaalu qawwaamoona `alan nisaaa`i bimaa fad dalallaahu ba`dahum `alaa ba`dinw wa bimaaa anfoqoo min amwaalihim; fassaalihaatu qaanitaatun haafizaatul lil ghaibi bimaa hafizal laah; wallaatee takhaafoona nushoo zahunna fa `izoohunna wahjuroohunna fil madaaji`i wadriboohunna fa in ata`nakum falaa tabghoo `alaihinna sabeelaa; innallaaha kaana `Aliyyan Kabeeraa
Ireo lehilahy dia manam-pahefana eo amin’ireo vadiny, nohon'ny tombony izay nomen’I Allah ny sasany amin’izy ireo eo anatrehan’ny sasany, sy nohon'ny fandaniana izay ataon’izy ireo amin’ny hareny. Ireo vehivavy mendrika dia mankatò (an’I Allah) sy ny vadiny, ary miaro mandritra ny fotoana tsy maha eo ny vadin’izy ireo, ny voninahiny sy ny hareny. Ary ireo izay atahoranareo tsy hankatò kosa, dia anaro izy ireo sy ihataho amin’ny fandriana, ary kapohy. Fa raha mankatò anareo kosa izy ireo, dia aoka ianareo tsy hitady lalana hanoherana azy ireo (tsy itadiavana ady intsony). Tena marina fa I Allah dia Avo sy lehibe indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:35
🔁 0/5
وَإِنۡ خِفۡتُمۡ شِقَاقَ بَيۡنِهِمَا فَٱبۡعَثُواْ حَكَمًا مِّنۡ أَهۡلِهِۦ وَحَكَمًا مِّنۡ أَهۡلِهَآ إِن يُرِيدَآ إِصۡلَٰحًا يُوَفِّقِ ٱللَّهُ بَيۡنَهُمَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا خَبِيرًا ٣٥
Wa in khiftum shiqaaqa baini himaa fab`asoo haka mam min ahlihee wa hakamam min ahlihaa; iny-yureedaaa islaah ai-yuwaffiqil laahu bainahumaa; innal laaha kaana `Aleeman Khabeeraa
Ary raha matahotra ny tsy fifanarahana eo amin’izy roa mivady ianareo, dia mandefasa mpitsara iray avy amin’ny fianakavian’ny lahy, sy mpitsara iray koa avy amin’ny fianakavian’ny vavy ianareo. Raha mila fifandaminana izy roa dia harenin’I Allah ny momba azy roa. Tena marina fa I Allah dia Mahalala sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:36
🔁 0/5
۞ وَٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَلَا تُشۡرِكُواْ بِهِۦ شَيۡـًٔاۖ وَبِٱلۡوَٰلِدَيۡنِ إِحۡسَٰنًا وَبِذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَٱلۡجَارِ ذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡجَارِ ٱلۡجُنُبِ وَٱلصَّاحِبِ بِٱلۡجَنۢبِ وَٱبۡنِ ٱلسَّبِيلِ وَمَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ مَن كَانَ مُخۡتَالًا فَخُورًا ٣٦
Wa`budul laaha wa laa tushrikoo bihee shai`anw wa bilwaalidaini ihsaananw wa bizil qurbaa walyataamaa walmasaakeeni waljaari zilqurbaa waljaaril junubi wassaahibi biljambi wabnis sabeeli wa maa malakat aimaanukum; innal laaha laa yuhibbu man kaana mukhtaalan fakhooraa
Ary tompoinareo I Allah, ary aza atambatrareo amin’ny zavatra hafa Izy. Ary manaova ny tsara amin’ireo ray aman-dreninareo, ireo havana akaiky, ireo kamboty, ireo mahantra, ny havana mpifanolo-body rindrina, ny mpifanolo-body rindrina tsy havana (na ny havana lavitra), ny namana akaiky, ny mpandeha lavitra (lany vatsy), ary ireo andevo eo am-pelatananareo. Tena marina fa I Allah dia tsy tia ny mpanambony tena sy ny mpirehareha.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:37
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يَبۡخَلُونَ وَيَأۡمُرُونَ ٱلنَّاسَ بِٱلۡبُخۡلِ وَيَكۡتُمُونَ مَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦۗ وَأَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابًا مُّهِينًا ٣٧
Allazeena yabkhaloona wa yaamuroonan naasa bilbukhli wa yaktumoona maaa aataahu mullaahu min fadlih; wa a`tadnaa lilkaafireena `azaabam muheenaa
Ireo izay mahihitra, sy maniraka ny olona ho kahihitra, ary manafina ireo izay nomen’I Allah azy amin’ny fahasoavany. Ary nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala-baraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:38
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمۡوَٰلَهُمۡ رِئَآءَ ٱلنَّاسِ وَلَا يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَلَا بِٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۗ وَمَن يَكُنِ ٱلشَّيۡطَٰنُ لَهُۥ قَرِينًا فَسَآءَ قَرِينًا ٣٨
Wallazeena yunfiqoona amwaalahum ri`aaa`an naasi wa laa yu`minoona billaahi wa laa bil Yawmil Aakhir; wa mai yakunish shaitaanu lahoo qareenan fasaaa`a qareenaa
Ary ireo izay mamoaka ny hareny mba ho hitan’ny olona, ary tsy mino an'I Allah sy ny andro farany. Ary n'iza n'iza maka ny satana ho namana akaiky, tena namana ratsy tokoa izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:39
🔁 0/5
وَمَاذَا عَلَيۡهِمۡ لَوۡ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَأَنفَقُواْ مِمَّا رَزَقَهُمُ ٱللَّهُۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِهِمۡ عَلِيمًا ٣٩
Wa maazaa `alaihim law aamanoo billaahi wal Yawmil Aakhiri wa anfaqoo mimmaa razaqahumul laah; wa kaanallaahu bihim Aaleemaa
Ary inona moa no manjò azy ireo, raha mba nino an’I Allah sy ny andro farany izy ireo, ary namoaka (ho an’I Allah) amin’izay anjara nomeny azy ireo. Ary tena marina fa I Allah dia Mahalala tsara izay ataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:40
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَظۡلِمُ مِثۡقَالَ ذَرَّةٍۖ وَإِن تَكُ حَسَنَةً يُضَٰعِفۡهَا وَيُؤۡتِ مِن لَّدُنۡهُ أَجۡرًا عَظِيمًا ٤٠
Innal laaha laa yazlimu misqaala zarratinw wa in taku hasanatany yudaa`ifhaa wa yu`ti mil ladunhu ajran `azeemaa
Tena marina fa I Allah dia tsy manambaka na dia mitovy amin’ny lanjan’ny atôma aza. Ary na dia asa tsara iray monja aza dia ampitomboiny avo heny izany, ary omeny valisoa lehibe avy Aminy izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:41
🔁 0/5
فَكَيۡفَ إِذَا جِئۡنَا مِن كُلِّ أُمَّةِۭ بِشَهِيدٍ وَجِئۡنَا بِكَ عَلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِ شَهِيدًا ٤١
Fakaifa izaa ji`naa min kulli ummatim bishaheedinw wa ji`naabika `alaa haaa`ulaaa `i Shaheedan
Ka manao ahoana raha itondranay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, Ary ianao no ataonay vavolombelona miatrika azy ireo?
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:42
🔁 0/5
يَوۡمَئِذٍ يَوَدُّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَعَصَوُاْ ٱلرَّسُولَ لَوۡ تُسَوَّىٰ بِهِمُ ٱلۡأَرۡضُ وَلَا يَكۡتُمُونَ ٱللَّهَ حَدِيثًا ٤٢
Yawma`iziny yawad dullazeena kafaroo wa`asawur Rasoola law tusawwaa bihimul ardu wa laa yaktumoonal laaha hadeesaa
Amin’izany andro izany, dia maniry ireo izay tsy nino sy tsy nankatò ny Iraka mba handrakotra azy ireo ny tany, ary tsy afaka hanafina intsony ny resaka amin’I Allah izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:43
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَقۡرَبُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَأَنتُمۡ سُكَٰرَىٰ حَتَّىٰ تَعۡلَمُواْ مَا تَقُولُونَ وَلَا جُنُبًا إِلَّا عَابِرِي سَبِيلٍ حَتَّىٰ تَغۡتَسِلُواْۚ وَإِن كُنتُم مَّرۡضَىٰٓ أَوۡ عَلَىٰ سَفَرٍ أَوۡ جَآءَ أَحَدٌ مِّنكُم مِّنَ ٱلۡغَآئِطِ أَوۡ لَٰمَسۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ فَلَمۡ تَجِدُواْ مَآءً فَتَيَمَّمُواْ صَعِيدًا طَيِّبًا فَٱمۡسَحُواْ بِوُجُوهِكُمۡ وَأَيۡدِيكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَفُوًّا غَفُورًا ٤٣
yaaa aiyuhal lazeena aamanoo laa taqrabus Salaata wa antum sukaaraa hatta ta`lamoo ma taqooloona wa la junuban illaa `aabiree sabeelin hatta taghtasiloo; wa in kuntum mardaaa aw `alaa safarin aw jaaa`a ahadum minkum minal ghaaa`iti aw laamastumun nisaaa`a falam tajidoo maaa`an fatayam mamoo sa`eedan taiyiban famsahoo biwujoohikum wa aideekum; innal laaha kaana `Afuwwan Ghafooraa
Ô ianareo izay nino ! Aza manatona ny fanompoam-pivavahana ianareo raha mbola mamo, mandra-pahalalanareo izay teneninareo, ary raha mbola ao anatin'ny fahalotoana lehibe, afa-tsy eny am-pandehanana, mandra-panaovanareo ny fidiovana lehibe . Ary raha marary ianareo, na eny am-pandehanana lavitra, na avy nivoaka ny iray taminareo, na avy nikasika vehivavy ianareo ka tsy mahita rano, dia midiova amin’ny tany madio, ka safoinareo amin’izany ny tavanareo sy ireo tananareo. Tena marina fa I Allah dia be Fandeferana sy be Famelan-keloka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:44
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ نَصِيبًا مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ يَشۡتَرُونَ ٱلضَّلَٰلَةَ وَيُرِيدُونَ أَن تَضِلُّواْ ٱلسَّبِيلَ ٤٤
Alam tara ilal lazeena ootoo naseebam minal Kitaabi yashtaroonad dalaalata wa yureedoona an tadillus sabeel
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny Boky, mividy ny fahaverezana ka mila hamery lalana anareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:45
🔁 0/5
وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِأَعۡدَآئِكُمۡۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَلِيًّا وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ نَصِيرًا ٤٥
Wallaahu a`lamu bi a`daaa`i-kum; wa kafaa billaahi waliyyanw wa kafaa billaahi naseera
Ary I Allah no tena mahalala ireo fahavalonareo. Ary ampy ho Mpiahy I Allah. Ampy ho Mpanavotra I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:46
🔁 0/5
مِّنَ ٱلَّذِينَ هَادُواْ يُحَرِّفُونَ ٱلۡكَلِمَ عَن مَّوَاضِعِهِۦ وَيَقُولُونَ سَمِعۡنَا وَعَصَيۡنَا وَٱسۡمَعۡ غَيۡرَ مُسۡمَعٍ وَرَٰعِنَا لَيَّۢا بِأَلۡسِنَتِهِمۡ وَطَعۡنًا فِي ٱلدِّينِۚ وَلَوۡ أَنَّهُمۡ قَالُواْ سَمِعۡنَا وَأَطَعۡنَا وَٱسۡمَعۡ وَٱنظُرۡنَا لَكَانَ خَيۡرًا لَّهُمۡ وَأَقۡوَمَ وَلَٰكِن لَّعَنَهُمُ ٱللَّهُ بِكُفۡرِهِمۡ فَلَا يُؤۡمِنُونَ إِلَّا قَلِيلًا ٤٦
Minal lazeena haadoo yuharrifoonal Kalima `am mawaadi`ihee wa yaqooloona sami`naa wa `asainaa wasma` ghaira musma`inw wa raa`inaa laiyam bi alsinatihim wa ta`nan fiddeen; wa law annahum qaaloo sami`naa wa ata`naa wasma` wanzurnaa lakaana khairal lahum wa aqwama wa laakil la ``anahumul laahu bikufrihim falaa yu`minoona illaa qaleela
Misy amin’ireo Jiosy izay manova ny teny hiala amin’ny heviny, ka miteny hoe manao : “Henonay izany nefa tsy ankatoavinay”, “Henoy na dia tsy mihaino anao aza”, “Omeo lanja izahay ”, miteny ratsy ny lelan’izy ireo sady manenjika ny finoana. Ary raha mba miteny izy ireo hoe : “Henonay sy ankatoavinay”, “Henoy sy jereo izahay ”, dia tsara ho azy ireo izany sy tena mahitsy kokoa. Kanefa moa dia nozonin’I Allah izy ireo nohon'ny tsy finoany, ka tsy mino afa-tsy ny vitsy an'isa amin’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:47
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ ءَامِنُواْ بِمَا نَزَّلۡنَا مُصَدِّقًا لِّمَا مَعَكُم مِّن قَبۡلِ أَن نَّطۡمِسَ وُجُوهًا فَنَرُدَّهَا عَلَىٰٓ أَدۡبَارِهَآ أَوۡ نَلۡعَنَهُمۡ كَمَا لَعَنَّآ أَصۡحَٰبَ ٱلسَّبۡتِۚ وَكَانَ أَمۡرُ ٱللَّهِ مَفۡعُولًا ٤٧
yaaa aiyuha lazeena ootu Kitaaba aaminoo bimaa nazzalnaa musadiqallimaa ma`akum min qabli an natmisa wujoohan fanaruddahaa `alaaa adbaarihaaa aw nal`anahum kamaa la`annaaa Ashaabas Sabt; wa kaana amrul laahi maf`oolaa
Ô ianareo izay nomena ny Boky ! Minoa ianareo an’izay efa nampidininay taminareo, izay manamarina ny eo am-pelatananareo, alohany Izahay hamafa ireo tarehy sy hanodinanay izany, ny aloha mankany aoriana; na hanozonanay azy ireo tahaka ny nanozonanay ireo olon’ny Sabata. Ary ny didin’I Allah dia tsy maintsy tanteraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:48
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَغۡفِرُ أَن يُشۡرَكَ بِهِۦ وَيَغۡفِرُ مَا دُونَ ذَٰلِكَ لِمَن يَشَآءُۚ وَمَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَقَدِ ٱفۡتَرَىٰٓ إِثۡمًا عَظِيمًا ٤٨
Innal laaha laa yaghfiru ai yushraka bihee wa yaghfiru maa doona zaalika limai yashaaa`; wa mai yushrik billaahi faqadif taraaa isman `azeemaa
Tena marina fa I Allah dia tsy mamela heloka raha hakambana amin’ny zavatra hafa Izy. Fa mamela heloka kosa Izy amin’izay ankoatra izany, ho an’izay sitrany. N'iza n'iza manakambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa, dia efa nahavita fahotana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:49
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ يُزَكُّونَ أَنفُسَهُمۚ بَلِ ٱللَّهُ يُزَكِّي مَن يَشَآءُ وَلَا يُظۡلَمُونَ فَتِيلًا ٤٩
Alam tara ilal lazeena yuzakkoona anfusahum; balil laahu yuzakkee mai yashaaa`u wa laa yuzlamoona fateelaa
Tsy hitanao ve ireo izay manadio ny tenany ? Kanefa I Allah no manadio izay sitrany; ary tsy ho hambakaina izy ireo na dia kely tahaka ny voan’atrendry aza.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:50
🔁 0/5
ٱنظُرۡ كَيۡفَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَۖ وَكَفَىٰ بِهِۦٓ إِثۡمًا مُّبِينًا ٥٠
Unzur kaifa yaftaroona `alal laahil kazib, wakafaa biheee ismamm mubeenaa
Mba jereo, ahoana ny fomba entin’izy ireo mamoron-dainga mahakasik’I Allah ? Ary ampy ho fahotana miharihary izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:51
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ نَصِيبًا مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡجِبۡتِ وَٱلطَّٰغُوتِ وَيَقُولُونَ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ هَٰٓؤُلَآءِ أَهۡدَىٰ مِنَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ سَبِيلًا ٥١
Alam tara ilal lazeena `ootoo naseebam minal kitaabi yu`minoona bil Jibti wat Taaghooti wa yaqooloona lillazeena kafaroo haaa ulaaa`i ahdaa minal lazeena aamanoo sabeelaa
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny ampahan’ny Boky, mino ny sampy sy ny mpiara-miombon'antoka aminy, ary miteny an’ireo tsy nino manao hoe : “Izy ireny no voatari-dàlana kokoa noho ireo izay nino”?
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:52
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ لَعَنَهُمُ ٱللَّهُۖ وَمَن يَلۡعَنِ ٱللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُۥ نَصِيرًا ٥٢
Ulaaa`ikal lazeena la`ana humul laahu wa mai yal`anil laahu falan tajida lahoo naseeraa
Izy ireny no nozonin’I Allah, ary n’iza n’iza ozonin’I Allah, dia tsy hahita mpamonjy ho azy mihitsy ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:53
🔁 0/5
أَمۡ لَهُمۡ نَصِيبٌ مِّنَ ٱلۡمُلۡكِ فَإِذًا لَّا يُؤۡتُونَ ٱلنَّاسَ نَقِيرًا ٥٣
Am lahum naseebum minal mulki fa izal laa yu`toonan naasa naqeeraa
Moa ve manana anjara amin’ny ampaham-pahefan’ny fanjakana izy ireo ? Raha izany dia tsy hizara na inona na inona amin’ny olona izy ireo, na dia kely tahaka ny singan’ny voan’atrendry iray aza !
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:54
🔁 0/5
أَمۡ يَحۡسُدُونَ ٱلنَّاسَ عَلَىٰ مَآ ءَاتَىٰهُمُ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦۖ فَقَدۡ ءَاتَيۡنَآ ءَالَ إِبۡرَٰهِيمَ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَءَاتَيۡنَٰهُم مُّلۡكًا عَظِيمًا ٥٤
Am yahsudoonan naasa `alaa maaa aataahumul laahu min fadlihee faqad aatainaaa Aala Ibraaheemal Kitaaba wal Hikmata wa aatainaahum mulkan `azeemaa
Moa ve izy ireo dia hialona ny olona amin’ny fahasoavana izay nomen’I Allah azy ireo ? Efa nomenay an’ny fianakavian’i Abrahama ny Boky sy ny fahendrena, ary efa nomenay azy ireo koa ny fanjakana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:55
🔁 0/5
فَمِنۡهُم مَّنۡ ءَامَنَ بِهِۦ وَمِنۡهُم مَّن صَدَّ عَنۡهُۚ وَكَفَىٰ بِجَهَنَّمَ سَعِيرًا ٥٥
Faminhum man aamana bihee wa minhum man sadda `anh; wa kafaa bi Jahannama sa`eeraa
Nisy tamin’izy ireo izay nino azy, ary nisy tamin’izy ireo ihany koa izay nihataka taminy. Tena ampy ho azy ireo ny afobe ho lelan’afo fandoro.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:56
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِنَا سَوۡفَ نُصۡلِيهِمۡ نَارًا كُلَّمَا نَضِجَتۡ جُلُودُهُم بَدَّلۡنَٰهُمۡ جُلُودًا غَيۡرَهَا لِيَذُوقُواْ ٱلۡعَذَابَۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَزِيزًا حَكِيمًا ٥٦
Innal lazeena kafaroo bi Aayaatinaa sawfa nusleehim Naaran kullamaa nadijat julooduhum baddalnaahum juloodan ghairahaa liyazooqul `azaab; innallaaha kaana `Azeezan Hakeemaa
Tena marina fa ireo izay tsy nino ny fanambaranay dia hatsipinay any amin’ny afobe izy ireo. Isaka ny masaka ny hoditr’izy ireo, dia soloinay hoditra hafa izany, mba hanandraman’izy ireo ny famaizana. Tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:57
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ سَنُدۡخِلُهُمۡ جَنَّٰتٍ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدًاۖ لَّهُمۡ فِيهَآ أَزۡوَٰجٌ مُّطَهَّرَةٌۖ وَنُدۡخِلُهُمۡ ظِلًّا ظَلِيلًا ٥٧
Wallazeena aamanoo wa `amilus saalihaati sanud khiluum jannaatin tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feehaaa abadaa, lahum feehaaa azwaajum mutahharatun wa nudkhiluhum zillan zaleelaa
Ary ireo efa nino no sady nanao asa soa dia ampidiranay any am-paradisa izay ikorian'ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny.Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.Hiandry azy ireo ao ireo andefimandry kantosy voadio.Ary hapetrakay eo ambanin'ny aloka matevina izy ireny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:58
🔁 0/5
۞ إِنَّ ٱللَّهَ يَأۡمُرُكُمۡ أَن تُؤَدُّواْ ٱلۡأَمَٰنَٰتِ إِلَىٰٓ أَهۡلِهَا وَإِذَا حَكَمۡتُم بَيۡنَ ٱلنَّاسِ أَن تَحۡكُمُواْ بِٱلۡعَدۡلِۚ إِنَّ ٱللَّهَ نِعِمَّا يَعِظُكُم بِهِۦٓۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ سَمِيعَۢا بَصِيرًا ٥٨
Innal laaha yaamurukum an tu`addul amaanaati ilaaa ahlihaa wa izaa hakamtum bainan naasi an tahkumoo bil `adl; innal laaha yaamurukum an tu`addul amaanaati ilaaa ahlihaa wa izaa hakamtum bainan naasi an tahkumoo bil `adl; innal laaha ni`immaa ya`izukum bih; innal laaha kaana Samee`am Baseera
Tena marina fa I Allah dia mandidy anareo, mba hamerina ireo zavatra napetraka taminareo amin’ny tompony; ary rehefa mitsara eo amin’ny samy olombelona ianareo, dia aoka hitsara ara-drariny. Tena marina fa I Allah dia mananatra anareo hatrany amin’ny tena tsara. Ary marina tokoa fa I Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:59
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ وَأُوْلِي ٱلۡأَمۡرِ مِنكُمۡۖ فَإِن تَنَٰزَعۡتُمۡ فِي شَيۡءٍ فَرُدُّوهُ إِلَى ٱللَّهِ وَٱلرَّسُولِ إِن كُنتُمۡ تُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ ذَٰلِكَ خَيۡرٌ وَأَحۡسَنُ تَأۡوِيلًا ٥٩
Yaaa aiyuhal lazeena aamanooo atee`ul laaha wa atee`ur Rasoola wa ulil amri minkum fa in tanaaza`tum fee shai`in faruddoohu ilal laahi war Rasooli in kuntum tu`minoona billaahi wal yawmil Aakhir; zaalika khairunw wa ahsanu taaweelaa
Ô ianareo izay nino ! Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Iraka sy ireo mpitondra eo aminareo, koa raha misy zavatra hifanolananareo, dia aoka hamerina izany any amin’I Allah sy ny Iraka ianareo, raha mino an’I Allah sy ny andro farany ianareo. Izany no tsara indrindra sy fanazavana mendrika indrindra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:60
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ يَزۡعُمُونَ أَنَّهُمۡ ءَامَنُواْ بِمَآ أُنزِلَ إِلَيۡكَ وَمَآ أُنزِلَ مِن قَبۡلِكَ يُرِيدُونَ أَن يَتَحَاكَمُوٓاْ إِلَى ٱلطَّٰغُوتِ وَقَدۡ أُمِرُوٓاْ أَن يَكۡفُرُواْ بِهِۦۖ وَيُرِيدُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَن يُضِلَّهُمۡ ضَلَٰلَۢا بَعِيدًا ٦٠
Alam tara ilal lazeena yaz`umoona annahum aarmanoo bimaa unzilaa ilaika wa maaa unzila min qablika yureedoona ai yatahaakamooo ilat Taaghooti wa qad umirooo ai yakfuroo bih, wa yureedush Shaitaanu ai yudillahum dalaalam ba`eedaa
Tsy hitanao ve ireo izay mitonon-tena ho mpino, izay nampidinina taminao sy izay nampidinina teo alohanao ?Izy ireny anefa dia mbola mankasitraka ny fitsarana ataon'ireo mpihoa-pefy,kanefa dia efa voadidy hitsipika izany izy ireo.Ary fanirian'i satana raha hamery lalana azy ireny any amin'ny fahaverezana lavitra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:61
🔁 0/5
وَإِذَا قِيلَ لَهُمۡ تَعَالَوۡاْ إِلَىٰ مَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ وَإِلَى ٱلرَّسُولِ رَأَيۡتَ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ يَصُدُّونَ عَنكَ صُدُودًا ٦١
Wa izaa qeela lahum ta`aalaw ilaa maaa anzalallaahu wa ilar Rasooli ra aital munaafiqeena yasuddoona `anka sudoodaa
Ary rehefa tenenina izy ireo : “Tongava aty amin’izay nampidinin’I Allah sy aty amin’ny Iraka ianareo ! Dia ho hitanao ireo mpihatsaravelatsihy hihataka lavitra anao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:62
🔁 0/5
فَكَيۡفَ إِذَآ أَصَٰبَتۡهُم مُّصِيبَةُۢ بِمَا قَدَّمَتۡ أَيۡدِيهِمۡ ثُمَّ جَآءُوكَ يَحۡلِفُونَ بِٱللَّهِ إِنۡ أَرَدۡنَآ إِلَّآ إِحۡسَٰنًا وَتَوۡفِيقًا ٦٢
Fakaifa izaaa asaabathum museebatum summa jaaa`ooka yahlifoona billaahi in aradnaaa illaaa ihsaananw wa tawfeeqaa
Ka ahoana raha misy fahoriana manjo azy ireo noho izay nataon’ny tanan’izy ireo, avy eo ho tonga aminao izy ireo, hianiana amin’i Allah manao hoe : “Tsy mitady afa-tsy ny tsara sy ny hifanarahana izahay”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:63
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ يَعۡلَمُ ٱللَّهُ مَا فِي قُلُوبِهِمۡ فَأَعۡرِضۡ عَنۡهُمۡ وَعِظۡهُمۡ وَقُل لَّهُمۡ فِيٓ أَنفُسِهِمۡ قَوۡلَۢا بَلِيغًا ٦٣
Ulaaa`ikal lazeena ya`la mullaahu maa fee quloobihim fa a`rid `anhum wa `izhum wa qul lahum feee anfusihim qawlam baleeghaa
Izy ireny no efa fantatr’i Allah ny ao am-pony. Ka mihataha azy ireo, ary anaro sy teneno izy ireo amin’ny teny mafonja maharesy lahatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:64
🔁 0/5
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن رَّسُولٍ إِلَّا لِيُطَاعَ بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ وَلَوۡ أَنَّهُمۡ إِذ ظَّلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ جَآءُوكَ فَٱسۡتَغۡفَرُواْ ٱللَّهَ وَٱسۡتَغۡفَرَ لَهُمُ ٱلرَّسُولُ لَوَجَدُواْ ٱللَّهَ تَوَّابًا رَّحِيمًا ٦٤
Wa maa arsalnaa mir Rasoolin illaa liyutaa`a bi iznil laah; wa law annahum `iz zalamooo anfusahum jaaa`ooka fastaghfarul laaha wastaghfara lahumur Rasoolu la wajadul laaha Tawwaabar Raheemaa
Ary tsy nandefa Iraka Izahay, raha tsy ho ankatoavina, amin’ny fahazoan-dàlana avy amin’I Allah. Ary izy ireo, rehefa avy nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany, ka tonga aminao mangataka famelan-keloka amin’I Allah, ary ny Iraka dia mangataka ho azy ireo ny famelan-keloka, dia ho hitan’izy ireo fa I Allah dia tena mpandray ny fibebahana sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:65
🔁 0/5
فَلَا وَرَبِّكَ لَا يُؤۡمِنُونَ حَتَّىٰ يُحَكِّمُوكَ فِيمَا شَجَرَ بَيۡنَهُمۡ ثُمَّ لَا يَجِدُواْ فِيٓ أَنفُسِهِمۡ حَرَجًا مِّمَّا قَضَيۡتَ وَيُسَلِّمُواْ تَسۡلِيمًا ٦٥
Falaa wa Rabbika laa yu`minoona hattaa yuhakkimooka fe emaa shajara bainahum summa laa yajidoo fee anfusihim harajam mimmaa qadaita wa yusal limoo tasleemaa
Tsia ! Mianiana amin’ny Tomponao ! Fa tsy hino izy ireo mandra-pahatongan’izy ireo handray anao ho mpitsara amin’ny disadisa mitranga eo amin’izy ireo, avy eo, tsy mahita ho kianina ny tenan’izy ireo, amin’izay nitsaranao azy, ary manetry tena tanteraka izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:66
🔁 0/5
وَلَوۡ أَنَّا كَتَبۡنَا عَلَيۡهِمۡ أَنِ ٱقۡتُلُوٓاْ أَنفُسَكُمۡ أَوِ ٱخۡرُجُواْ مِن دِيَٰرِكُم مَّا فَعَلُوهُ إِلَّا قَلِيلٌ مِّنۡهُمۡۖ وَلَوۡ أَنَّهُمۡ فَعَلُواْ مَا يُوعَظُونَ بِهِۦ لَكَانَ خَيۡرًا لَّهُمۡ وَأَشَدَّ تَثۡبِيتًا ٦٦
Wa law annaa katabnaa `alaihim aniq tulooo anfusakum awikh rujoo min diyaarikum maa fa`aloohu illaa qaleelum minhum wa law annahum fa`aloo maa yoo`azoona bihee lakaana khairal lahum wa ashadda tasbeetaa
Ary raha nandidy tamin’izy ireo Izahay hoe : “Vonoinareo ny tenanareo !” na “Mialà amin’ny tranonareo ianareo”, dia tsy notanterahan’izy ireo izany, afa-tsy vitsy tamin’izy ireo. Ary raha mba nanatanteraka izay nananarana azy ireo izy ireo, dia ho tena tsara tamin’izy ireo izany, sy ho nanamafy orina azy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:67
🔁 0/5
وَإِذًا لَّأٓتَيۡنَٰهُم مِّن لَّدُنَّآ أَجۡرًا عَظِيمًا ٦٧
Wa izal la aatainaahum mil ladunnaaa ajran `azeemaa
Ka noho izany, Izahay dia manolotra valisoa goavana ho azy ireny avy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:68
🔁 0/5
وَلَهَدَيۡنَٰهُمۡ صِرَٰطًا مُّسۡتَقِيمًا ٦٨
Wa lahadainaahum Siraatam mustaqeemaa
Ary tena notarihinay tamin’ny làla-mahitsy izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:69
🔁 0/5
وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَٱلرَّسُولَ فَأُوْلَٰٓئِكَ مَعَ ٱلَّذِينَ أَنۡعَمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِم مِّنَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ وَٱلصِّدِّيقِينَ وَٱلشُّهَدَآءِ وَٱلصَّٰلِحِينَۚ وَحَسُنَ أُوْلَٰٓئِكَ رَفِيقًا ٦٩
Wa many-yuti`il laaha war Rasoola fa ulaaa`ika ma`al lazeena an`amal laahu `alaihim minan nabiyyeena wassiddeeqeena washshuhadaaa`i wassaaliheen; wa hasuna ulaaa`ika rafeeqaa
Ary izay mankatò an’I Allah sy ny Iraka dia izy ireny no hiaraka amin’ireo izay nomen’I Allah fahasoavana : ireo Mpaminany, ireo olona tena marina, ireo maritiora ary ireo mpanao asa soa. Ary namana tsara hiarahana tokoa izy ireny !
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:70
🔁 0/5
ذَٰلِكَ ٱلۡفَضۡلُ مِنَ ٱللَّهِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ عَلِيمًا ٧٠
Zaalikal fadlu minal laah; wa kafaa billaahi `Aleemaa
Izany no fahasoavana avy amin’iIAllah. Ary ampy ho Mpahalala ny zava-drehetra I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:71
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ خُذُواْ حِذۡرَكُمۡ فَٱنفِرُواْ ثُبَاتٍ أَوِ ٱنفِرُواْ جَمِيعًا ٧١
Yaaa aiyuhal lazeena aamanoo khuzoo hizrakum fanfiroo subaain awin firoo jamee`aa
Ô ianareo izay mino ! Mitandrema ianareo (amin’ny fiatrehana ny fahavalo), ka mivoaha tsikelikely, na mitambabe ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:72
🔁 0/5
وَإِنَّ مِنكُمۡ لَمَن لَّيُبَطِّئَنَّ فَإِنۡ أَصَٰبَتۡكُم مُّصِيبَةٌ قَالَ قَدۡ أَنۡعَمَ ٱللَّهُ عَلَيَّ إِذۡ لَمۡ أَكُن مَّعَهُمۡ شَهِيدًا ٧٢
Wa inna minkum lamal la yubatti`anna fa in asaabatkum museebatun qaala qad an`amal laahu `alaiya iz lam akum ma`ahum shaheeda
Eny, tena misy aminareo izay tsy rototra. Ka raha misy voina manjò anareo, dia miteny izy manao hoe : “Tena nomen’I Allah fahasoavana aho, noho izaho tsy anisan’ny niaraka tamin’izy ireo”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:73
🔁 0/5
وَلَئِنۡ أَصَٰبَكُمۡ فَضۡلٌ مِّنَ ٱللَّهِ لَيَقُولَنَّ كَأَن لَّمۡ تَكُنۢ بَيۡنَكُمۡ وَبَيۡنَهُۥ مَوَدَّةٌ يَٰلَيۡتَنِي كُنتُ مَعَهُمۡ فَأَفُوزَ فَوۡزًا عَظِيمًا ٧٣
Wa la`in asaabakum fadlum minal laahi la yaqoolanna ka al lam takum bainakum wa bainahoo mawaddatuny yaa laitanee kuntu ma`ahum fa afooza fawzan `azeemaa
Ary raha mahazo fahasoavana avy amin’i Allah kosa ianareo dia hiteny indray izy ireo ho toy ny tsy misy ny fifankatiavana teo aminareo sy izy, “Indrisy ! Raha mba niaraka tamin’izy ireo aho dia mba nahazo fahombiazana lehibe !”
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:74
🔁 0/5
۞ فَلۡيُقَٰتِلۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ ٱلَّذِينَ يَشۡرُونَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا بِٱلۡأٓخِرَةِۚ وَمَن يُقَٰتِلۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ فَيُقۡتَلۡ أَوۡ يَغۡلِبۡ فَسَوۡفَ نُؤۡتِيهِ أَجۡرًا عَظِيمًا ٧٤
Falyuqaatil fee sabeelil laahil lazeena yashroonal hayaatad dunyaa bil Aakhirah; wa many-uqaatil fee sabeelil laahi fa yuqtal aw yaghlib fasawfa nu`teehi ajran `azeemaa
Ka aoka hiady amin’ny lalan’I Allah ireo izay mivarotra ny fiainana eto an-tany amin’ny fiainana any ankoatra. Ary izay miady amin’ny lalan’I Allah, ka maty novonoina na nandresy amin'izany, dia omenay valisoa lehibe izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:75
🔁 0/5
وَمَا لَكُمۡ لَا تُقَٰتِلُونَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱلۡمُسۡتَضۡعَفِينَ مِنَ ٱلرِّجَالِ وَٱلنِّسَآءِ وَٱلۡوِلۡدَٰنِ ٱلَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَآ أَخۡرِجۡنَا مِنۡ هَٰذِهِ ٱلۡقَرۡيَةِ ٱلظَّالِمِ أَهۡلُهَا وَٱجۡعَل لَّنَا مِن لَّدُنكَ وَلِيًّا وَٱجۡعَل لَّنَا مِن لَّدُنكَ نَصِيرًا ٧٥
Wa maa lakum laa tuqaatiloona fee sabeelil laahi walmustad`afeena minar rijaali wannisaaa`i walwildaanil lazeena yaqooloona Rabbanaaa akhrijnaa min haazihil qaryatiz zaalimi ahluhaa waj`al lanaa mil ladunka waliyanw waj`al lanaa mil ladunka naseeraa
Fa inona no mahazo anareo no tsy miady amin’ny làlan’I Allah, nefa misy ireo malemy amin’ireo lehilahy sy ireo vehivavy, ary ireo ankizy izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Avoahy hiala amin’ity tanàna ity izahay, izay mpanao ny tsy rariny ny mponiny, ary omeo mpiahy avy Aminao izahay, ary koa omeo mpanavotra avy Aminao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:76
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ يُقَٰتِلُونَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۖ وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ يُقَٰتِلُونَ فِي سَبِيلِ ٱلطَّٰغُوتِ فَقَٰتِلُوٓاْ أَوۡلِيَآءَ ٱلشَّيۡطَٰنِۖ إِنَّ كَيۡدَ ٱلشَّيۡطَٰنِ كَانَ ضَعِيفًا ٧٦
Allazeena aamanoo yuqaatiloona fee sabeelil laahi wallazeena kafaroo yuqaatiloona fee sabeelit Taaghoot faqaatiloo awliyaaa`ash Shaitaan; inna kaidash Shairaani kaana da`eefa
Ireo izay nino dia miady amin’ny làlan’I Allah, fa ireo izay tsy nino kosa dia miady amin’ny làlan’ireo mpihoam-pefy, ka aoka ianareo hiady amin’ireo sakaizan’ny satana. Tena marina fa ny teti-dratsin’ny satana dia malemy tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:77
🔁 0/5
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ قِيلَ لَهُمۡ كُفُّوٓاْ أَيۡدِيَكُمۡ وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ فَلَمَّا كُتِبَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡقِتَالُ إِذَا فَرِيقٌ مِّنۡهُمۡ يَخۡشَوۡنَ ٱلنَّاسَ كَخَشۡيَةِ ٱللَّهِ أَوۡ أَشَدَّ خَشۡيَةًۚ وَقَالُواْ رَبَّنَا لِمَ كَتَبۡتَ عَلَيۡنَا ٱلۡقِتَالَ لَوۡلَآ أَخَّرۡتَنَآ إِلَىٰٓ أَجَلٍ قَرِيبٍۗ قُلۡ مَتَٰعُ ٱلدُّنۡيَا قَلِيلٌ وَٱلۡأٓخِرَةُ خَيۡرٌ لِّمَنِ ٱتَّقَىٰ وَلَا تُظۡلَمُونَ فَتِيلًا ٧٧
Alam tara ilal lazeena qeela lahum kuffooo aidiyakum wa aqeemus Salaata w aaatuz Zakaata falammaa kutiba `alaihimul qitaalu izaa fareequm minhum yakhshawnnan naasa kakhashyatil laahi aw ashadda khashyah; wa qaaloo Rabbanaa lima katabta `alainal qitaala law laaa akhkhartanaa ilaaa ajalin qareeb; qul mataa`ud dunyaa qaleelunw wal Aakhiratu khairul limanit taqaa wa laa tuzlamoona fateelaa
Tsy hitanao ve ireo izay notenenina hoe : “Atsaharonareo ny ady, tanterahanareo ny fanompoam-pivavahana ary avoahinareo ny harena fiantrana (Zakat)! Koa rehefa voadidy tamin’izy ireo ny ady, dia indro ny andiany tamin’izy ireo fa natahotra ny olombelona tahaka ny fatahorany an’i Allah, na fatahorana mihoatra izany aza. Ary niteny izy ireo manao hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no nodidianao taminay ny ady? Raha mba hahemotrao kely amin’ny fotoana manaraka!”. Teneno hoe : “Ny fahafinaretana eto an-tany dia kely, fa ny fiainana any ankoatra kosa dia tsara ho an’izay manam-patahorana, ary tsy ho ambakaina ianareo na dia kely mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza!”
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:78
🔁 0/5
أَيۡنَمَا تَكُونُواْ يُدۡرِككُّمُ ٱلۡمَوۡتُ وَلَوۡ كُنتُمۡ فِي بُرُوجٍ مُّشَيَّدَةٍۗ وَإِن تُصِبۡهُمۡ حَسَنَةٌ يَقُولُواْ هَٰذِهِۦ مِنۡ عِندِ ٱللَّهِۖ وَإِن تُصِبۡهُمۡ سَيِّئَةٌ يَقُولُواْ هَٰذِهِۦ مِنۡ عِندِكَۚ قُلۡ كُلٌّ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِۖ فَمَالِ هَٰٓؤُلَآءِ ٱلۡقَوۡمِ لَا يَكَادُونَ يَفۡقَهُونَ حَدِيثًا ٧٨
Ainamaa takoonoo yudrikkumul mawtu wa law kuntum fee buroojim mushai yadah; wa in tusibhum hasanatuny yaqooloo haazihee min indil laahi wa in tusibhum saiyi`atuny yaqooloo haazihee min `indik; qul kullum min `indillaahi famaa lihaaa `ulaaa`il qawmi laa yakkaadoona yafqahoona hadeesaa
N’aiza n’aiza no misy anareo, dia manaraka anareo ny fahafatesana, na dia ao anaty trano mijoalajoala matanjaka aza ianareo. Ary rehefa mahazo zavatra tsara izy ireo, dia miteny hoe : “Itony dia avy amin’I Allah”. Fa rehefa misy voina manjò azy ireo kosa, dia miteny izy ireo hoe : “Itony dia avy aminao !”. Teneno hoe : “Ny zava-drehetra dia avy amin’I Allah avokoa”. Fa inona no mahazo ireo vahoaka ireo no tsy mba hiezaka hahazo resaka na dia kely aza ?”
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:79
🔁 0/5
مَّآ أَصَابَكَ مِنۡ حَسَنَةٍ فَمِنَ ٱللَّهِۖ وَمَآ أَصَابَكَ مِن سَيِّئَةٍ فَمِن نَّفۡسِكَۚ وَأَرۡسَلۡنَٰكَ لِلنَّاسِ رَسُولًاۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ شَهِيدًا ٧٩
Maaa asaabaka min hasanatin faminal laahi wa maaa asaaabaka min saiyi`atin famin nafsik; wa arsalnaaka linnaasi Rasoolaa; wa kafaa billaahi Shaheedaa
Izay tsara mahazo anao dia avy amin’I Allah, fa izay ratsy mahavoa anao kosa dia avy amin’ny tenanao ihany. Ary nalefanay ho Iraka ho an’ny olombelona ianao. Ary ampy ho vavolombelona I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:80
🔁 0/5
مَّن يُطِعِ ٱلرَّسُولَ فَقَدۡ أَطَاعَ ٱللَّهَۖ وَمَن تَوَلَّىٰ فَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ عَلَيۡهِمۡ حَفِيظًا ٨٠
Man yuti`ir Rasoola faqad ataa`al laaha wa man tawallaa famaaa arsalnaaka `alaihim hafeezaa
N’iza n’iza mankatò ny Iraka dia efa mankatò an’i Allah. Ary n’iza n’iza mitodi-damosina, dia tsy nalefanay ho mpiaro azy ireo ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:81
🔁 0/5
وَيَقُولُونَ طَاعَةٌ فَإِذَا بَرَزُواْ مِنۡ عِندِكَ بَيَّتَ طَآئِفَةٌ مِّنۡهُمۡ غَيۡرَ ٱلَّذِي تَقُولُۖ وَٱللَّهُ يَكۡتُبُ مَا يُبَيِّتُونَۖ فَأَعۡرِضۡ عَنۡهُمۡ وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلًا ٨١
Wa yaqooloona taa`antun fa izaa barazoo min `indika baiyata taaa`ifatum minhum ghairal lazee taqoolu wallaahu yaktubu maa yubaiyitoona faa`rid `anhum wa tawakkal `alal laah; wa kafaa billaahi Wakeelaa
Ary miteny izy ireo manao hoe : “Fankatoavana”. Fa rehefa miala eo aminao, ny ampahany amin’izy ireo dia manao tetika hafa ankoatra izay noteneninao. Ary I Allah dia manoratra izay ataon’izy ireo amin’ny alina. Ka iataho izy ireo, ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, ary ampy ho mpiaro I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:82
🔁 0/5
أَفَلَا يَتَدَبَّرُونَ ٱلۡقُرۡءَانَۚ وَلَوۡ كَانَ مِنۡ عِندِ غَيۡرِ ٱللَّهِ لَوَجَدُواْ فِيهِ ٱخۡتِلَٰفًا كَثِيرًا ٨٢
Afalaa yatadabbaroonal Qur`aan; wa law kaana min `indi ghairil laahi la wajadoo fee hikh tilaafan kaseeraa
Tsy mba mandinika ny Kor’any ve izy ireo ? Koa raha avy amin’ny hafa ankoatr’I Allah izany, dia tsy maintsy nahita fifanoheran-teny maro ao anatiny izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:83
🔁 0/5
وَإِذَا جَآءَهُمۡ أَمۡرٌ مِّنَ ٱلۡأَمۡنِ أَوِ ٱلۡخَوۡفِ أَذَاعُواْ بِهِۦۖ وَلَوۡ رَدُّوهُ إِلَى ٱلرَّسُولِ وَإِلَىٰٓ أُوْلِي ٱلۡأَمۡرِ مِنۡهُمۡ لَعَلِمَهُ ٱلَّذِينَ يَسۡتَنۢبِطُونَهُۥ مِنۡهُمۡۗ وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ لَٱتَّبَعۡتُمُ ٱلشَّيۡطَٰنَ إِلَّا قَلِيلًا ٨٣
Wa izaa jaaa`ahum amrum minal amni awil kkhawfi azaa`oo bihee wa law raddoohu ilar Rasooli wa ilaaa ulil amri minhum la`alimahul lazeena yastambitoonahoo minhum; wa law laa fadlul laahi `alaikum wa rahmatuhoo lattaba`tumush Shaitaana illaa qaleelaa
Ary raha misy vaovao mampilamin-tsaina na mampatahotra tonga amin’izy ireo, dia efa ahelin’izy ireo avy hatrany izany. Nefa raha nentin’izy ireo tamin’ilay Iraka izany sy tamin’ny manam-pahefana eo amin’izy ireo, dia ho nahafantatra izany ireo izay afaka manadihady amin’izy ireo. Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah eo aminareo sy ny indrafony, dia ho nanaraka ny satana avokoa ianareo, afa-tsy ny vitsy an’isa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:84
🔁 0/5
فَقَٰتِلۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ لَا تُكَلَّفُ إِلَّا نَفۡسَكَۚ وَحَرِّضِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۖ عَسَى ٱللَّهُ أَن يَكُفَّ بَأۡسَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۚ وَٱللَّهُ أَشَدُّ بَأۡسًا وَأَشَدُّ تَنكِيلًا ٨٤
Faqaatil fee sabeelil laahi laa tukallafu illa nafsaka wa harridil mu`mineena `asallaahu ai yakuffa baasallazeena kafaroo; wallaahu ashaddu baasanw wa ashaaddu tanakeelaa
Ka aoka hiady amin’ny lalan’I Allah ianao, aza manome andraikitra afa-tsy ny tenanao ihany. Ary amporisiho ireo mpino, angamba Allah hampitsahatra ny herisetran’ireo izay tsy nino. Allah no tena mahery sy tena mafy amin'ny famaizana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:85
🔁 0/5
مَّن يَشۡفَعۡ شَفَٰعَةً حَسَنَةً يَكُن لَّهُۥ نَصِيبٌ مِّنۡهَاۖ وَمَن يَشۡفَعۡ شَفَٰعَةً سَيِّئَةً يَكُن لَّهُۥ كِفۡلٌ مِّنۡهَاۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ مُّقِيتًا ٨٥
Mai yashfa` shafaa`atan hasanatay yakul lahoo naseebum minhaa wa mai yashfa` shafaa`tan saiyi`atanny-yakul lahoo kiflum minhaa; wa kaanal laahu `alaa kulli shai`im Muqeetaa
N'iza n'iza manao fanelanelanana tsara, dia hanana anjara amin’izany izy. Ary n'iza n'iza manao fanelanelanana ratsy kosa, dia tompon’antoka amin’izany izy. Ary I Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:86
🔁 0/5
وَإِذَا حُيِّيتُم بِتَحِيَّةٍ فَحَيُّواْ بِأَحۡسَنَ مِنۡهَآ أَوۡ رُدُّوهَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ حَسِيبًا ٨٦
Wa izaa huyyeetum bitahiy yatin fahaiyoo bi ahsana minhaaa aw ruddoohaa; innal laaha kaana `alaa kulli shai`in Haseeba
Ary rehefa arabaina amin’ny fiarahabana ianareo, dia miarahabà tsaratsaran’izany ianareo; na koa valio mitovy aminy. Tena marina fa I Allah no mpitsara ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:87
🔁 0/5
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۚ لَيَجۡمَعَنَّكُمۡ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ لَا رَيۡبَ فِيهِۗ وَمَنۡ أَصۡدَقُ مِنَ ٱللَّهِ حَدِيثًا ٨٧
Allaahu laaa ilaaha illaa huwa la yajma`annakum ilaa Yawmil Qiyaamati laa raiba feeh; wa man asdaqu mminallaahi hadeesaa
Allah ! Tsy misy Tompo afa-tsy Izy ! Havoriny tokoa ianareo amin’ny andro fitsanganana. Tsy misy fisalasalana ny amin’izany. Ary iza no marin-teny kokoa mihoatra an'I Allah ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:88
🔁 0/5
۞ فَمَا لَكُمۡ فِي ٱلۡمُنَٰفِقِينَ فِئَتَيۡنِ وَٱللَّهُ أَرۡكَسَهُم بِمَا كَسَبُوٓاْۚ أَتُرِيدُونَ أَن تَهۡدُواْ مَنۡ أَضَلَّ ٱللَّهُۖ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُۥ سَبِيلًا ٨٨
Famaa lakum filmuna afiqeena fi`ataini wallaahu arkasahum bimaa kasaboo; atureedoona an tahdoo man adallal laahu wa mmai yudlilil laahu falan tajida lahoo sabeelaa
Fa inona no nahazo anareo, ka nizara ho andiany roa, momba ireo mpihatsaravelatsihy ? Kanefa I Allah dia namerina azy ireo amin’ny tsy finoana noho izay nataon’izy ireo ihany. Mila hitari-dàlana izay efa noverezin’I Allah ve ianareo ? Ary izay verezin’I Allah dia tsy ahitanao lalana intsony.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:89
🔁 0/5
وَدُّواْ لَوۡ تَكۡفُرُونَ كَمَا كَفَرُواْ فَتَكُونُونَ سَوَآءًۖ فَلَا تَتَّخِذُواْ مِنۡهُمۡ أَوۡلِيَآءَ حَتَّىٰ يُهَاجِرُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۚ فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَخُذُوهُمۡ وَٱقۡتُلُوهُمۡ حَيۡثُ وَجَدتُّمُوهُمۡۖ وَلَا تَتَّخِذُواْ مِنۡهُمۡ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا ٨٩
Wadoo law takfuroona kamaa kafaroo fatakoonoona sawaaa`an falaa tattakhizoo minhum awliyaaa`a hattaa yuhaajiroo fee sabeelil laah; fa in tawallaw fa khuzoohum waqtuloohum haisu wajat tumoohum wa laa tattakhizoo minhum waliyyanw wa laa naseeraa
Maniry izy ireo mba tsy hino ianareo, tahaka izy ireo tsy nino, dia ho tonga mitovy ianareo, ka aoka ianareo tsy handray sakaiza avy amin’izy ireo, mandra-pifindram-ponenan’izy ireo amin’ny làlan’I Allah. Koa raha mitodi-damosina amin’izany izy ireo dia raisonareo sy vonoinareo , n’aiza n’aiza ahitanareo azy ireo. Ary aoka ianareo tsy handray sakaiza na mpanavotra avy amin’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:90
🔁 0/5
إِلَّا ٱلَّذِينَ يَصِلُونَ إِلَىٰ قَوۡمِۭ بَيۡنَكُمۡ وَبَيۡنَهُم مِّيثَٰقٌ أَوۡ جَآءُوكُمۡ حَصِرَتۡ صُدُورُهُمۡ أَن يُقَٰتِلُوكُمۡ أَوۡ يُقَٰتِلُواْ قَوۡمَهُمۡۚ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَسَلَّطَهُمۡ عَلَيۡكُمۡ فَلَقَٰتَلُوكُمۡۚ فَإِنِ ٱعۡتَزَلُوكُمۡ فَلَمۡ يُقَٰتِلُوكُمۡ وَأَلۡقَوۡاْ إِلَيۡكُمُ ٱلسَّلَمَ فَمَا جَعَلَ ٱللَّهُ لَكُمۡ عَلَيۡهِمۡ سَبِيلًا ٩٠
Illal lazeena yasiloona ilaa qawmim binakum wa bainahum meesaaqun aw jaaa`ookum hasirat sudooruhum ai yuqaatilookum aw yuqaatiloo qawmahum, wa law shaaa`al laahu lasallatahum `alaikum falaqaatalookum; fa ini` tazalookum falam yuqaatilookum wa alqaw ilaikumus salama famaa ja`alal laahu lakum `alaihim sabeelaa
Afa-tsy ireo izay manatona ny vahoaka izay nanaovanareo fifanarahana (fifanakena), na ireo tonga aminareo (nanatona anareo), nohon'ny fon’izy ireo tsy mankasitraka ny hiady aminareo, na koa hiady amin’ny foko niaviany. Raha sitrak’I Allah dia nomeny fahefana aminareo izy ireo, ka niady taminareo. Fa raha nihataka anareo izy ireo, sy tsy niady taminareo, ary nanolotra fandriam-pahalemana ho anareo, dia tsy nomen’I Allah alàlana hiady amin’izy ireo ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:91
🔁 0/5
سَتَجِدُونَ ءَاخَرِينَ يُرِيدُونَ أَن يَأۡمَنُوكُمۡ وَيَأۡمَنُواْ قَوۡمَهُمۡ كُلَّ مَا رُدُّوٓاْ إِلَى ٱلۡفِتۡنَةِ أُرۡكِسُواْ فِيهَاۚ فَإِن لَّمۡ يَعۡتَزِلُوكُمۡ وَيُلۡقُوٓاْ إِلَيۡكُمُ ٱلسَّلَمَ وَيَكُفُّوٓاْ أَيۡدِيَهُمۡ فَخُذُوهُمۡ وَٱقۡتُلُوهُمۡ حَيۡثُ ثَقِفۡتُمُوهُمۡۚ وَأُوْلَٰٓئِكُمۡ جَعَلۡنَا لَكُمۡ عَلَيۡهِمۡ سُلۡطَٰنًا مُّبِينًا ٩١
Satajidoona aakhareena yureedoona ai yaamanookum wa yaamanoo qawmahum kullamaa ruddooo ilal itnati urkisoo feehaa; fa il lam ya`tazilookum wa yulqooo ilai kumus salama wa yakuffooo aidiyahum fakhuzoohum waqtuloohum haisu saqif tumoohum; wa ulaaa`ikum ja`alnaa lakum `alaihim sultaanam mubeenaa
Ho hitanareo koa fa, misy ny sasany mitady hahazo filaminan-tsaina aminareo sy hahazo filaminan-tsaina amin’ny foko niaviany. Nefa isak'izy ireo averina amin’ny fikorontanana, tonga dia mirotsaka avy hatrany amin’izany izy ireo. Fa raha tsy mihataka aminareo kosa izy ireo, sy tsy manolotra fandriam-pahalemana ho anareo, ary tsy mampijanona ny tanany hikasika anareo, dia raiso ka vonoinareo izy ireo, n’aiza n’aiza hahatraranareo azy ireo. Amin’izy ireny dia efa nomenay fahefana mazava tanteraka ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:92
🔁 0/5
وَمَا كَانَ لِمُؤۡمِنٍ أَن يَقۡتُلَ مُؤۡمِنًا إِلَّا خَطَـًٔاۚ وَمَن قَتَلَ مُؤۡمِنًا خَطَـًٔا فَتَحۡرِيرُ رَقَبَةٍ مُّؤۡمِنَةٍ وَدِيَةٌ مُّسَلَّمَةٌ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِۦٓ إِلَّآ أَن يَصَّدَّقُواْۚ فَإِن كَانَ مِن قَوۡمٍ عَدُوٍّ لَّكُمۡ وَهُوَ مُؤۡمِنٌ فَتَحۡرِيرُ رَقَبَةٍ مُّؤۡمِنَةٍۖ وَإِن كَانَ مِن قَوۡمِۭ بَيۡنَكُمۡ وَبَيۡنَهُم مِّيثَٰقٌ فَدِيَةٌ مُّسَلَّمَةٌ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِۦ وَتَحۡرِيرُ رَقَبَةٍ مُّؤۡمِنَةٍۖ فَمَن لَّمۡ يَجِدۡ فَصِيَامُ شَهۡرَيۡنِ مُتَتَابِعَيۡنِ تَوۡبَةً مِّنَ ٱللَّهِۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا ٩٢
Wa maa kaana limu`minin ai yaqtula mu`minan illaa khata`aa; waman qatala mu`minan khata`an fatabreeru raqabatim mu`minatinw wa diyatum mmusallamatun ilaaa ahliheee illaaa ai yassaddaqoo; fa in kaana min qawmin `aduwwil lakum wa huwa mu`minun fatabreeru raqabatim mu`minah; wa in kaana min qawmim bainakum wa bainahum meesaaqun fadiyatum mmusallamatun ilaaa ahlihee wa tahreeru raqabatim mu`minatin famal lam yajid fa Siyaamu shahraini mutataabi`aini tawhatam minal laah; wa kaanal laahu `Aleeman hakeemaa
Tsy azon’ny mpino atao ny mamono ny mpino namany afa-tsy hoe nohon'ny tsy fitandremana. Ary izay nahafaty mpino iray nohon'ny hadisoana na tsy fitandremana, dia aoka izy hamotsotra andevo mpino iray no sady hanome honitra ny fianakavian’ny maty nohon'ny hadisoana izay nataony afa-tsy hoe namela izany amim-pahatsorana izy ireo. Fa raha toa ka avy amin’ny fianakaviana fahavalonareo, kanefa mpino izy, dia tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty.Fa raha avy amin’ny vahoaka nahavita fifanarahana taminareo dia tsy maintsy manome honitra ny fianakavian’ny maty ireo fianakavin’ny nahafaty. Ary tsy maintsy mamotsotra andevo mpino iray ilay nahafaty. Fa raha sendra tsy mahita andevo ho votsorana na tsy manana fahafahana hanao izany izy, dia tsy maintsy manao fifadian-kanina roa volana mifanesy. Izany dia mba ho fibebahana amin'I Allah. Fa tena Mahalala ny ny zavatra rehetra sady be fahendrena I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:93
🔁 0/5
وَمَن يَقۡتُلۡ مُؤۡمِنًا مُّتَعَمِّدًا فَجَزَآؤُهُۥ جَهَنَّمُ خَٰلِدًا فِيهَا وَغَضِبَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِ وَلَعَنَهُۥ وَأَعَدَّ لَهُۥ عَذَابًا عَظِيمًا ٩٣
Wa mai yaqtul mu`minammuta `ammidan fajazaaa`uhoo Jahannamu khaalidan feehaa wa ghadibal laahu` alaihi wa la`anahoo wa a`adda lahoo `azaaban `azeemaa
Fa n’iza n’iza kosa mamono mpino iray, am-piniavana, ny valin’asany dia ny fidirana ao anaty afobe, hitoetra ao mandrakizay izy. Ary hihatra aminy ny hatezeran’I Allah sy ny ozony, ary hanomana famaizana lehibe ho azy Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:94
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا ضَرَبۡتُمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ فَتَبَيَّنُواْ وَلَا تَقُولُواْ لِمَنۡ أَلۡقَىٰٓ إِلَيۡكُمُ ٱلسَّلَٰمَ لَسۡتَ مُؤۡمِنًا تَبۡتَغُونَ عَرَضَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا فَعِندَ ٱللَّهِ مَغَانِمُ كَثِيرَةٌۚ كَذَٰلِكَ كُنتُم مِّن قَبۡلُ فَمَنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡكُمۡ فَتَبَيَّنُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرًا ٩٤
Yaaa aiyuhal lazeena aamanoo izaa darabtum fee sabeelil laahi fatabaiyanoo wa laa taqooloo liman alqaaa ilaikumus salaama lasta mu`minan tabtaghoona `aradal hayaatid dunyaa fa`indal laahi maghaanimu kaseerah; kazaalika kuntum min qablu famannnal laahu `alaikum fatabaiyanoo; innallaaha kaana bimaa ta`maloona Khabeeraa
Ô ianareo izay nino ! Raha mivoaka amin’ny làlan’I Allah ianareo, dia aoka hanadihady tsara, ary tsy hiteny ianareo amin’ny olona izay miarahaba anareo hoe : “Tsy mpino ianao”. Mikatsaka ny tombontsoa eto an-tany ianareo. Kanefa eo anatrehan’I Allah no misy ny harena babo an’ady maro. Tahaka izany ianareo teo aloha, nefa nomen’I Allah tombony, ka aoka mba hanadihady tsara. Ary tena marina, fa I Allah dia mahafantatra tsara izay ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:95
🔁 0/5
لَّا يَسۡتَوِي ٱلۡقَٰعِدُونَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ غَيۡرُ أُوْلِي ٱلضَّرَرِ وَٱلۡمُجَٰهِدُونَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡۚ فَضَّلَ ٱللَّهُ ٱلۡمُجَٰهِدِينَ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡ عَلَى ٱلۡقَٰعِدِينَ دَرَجَةًۚ وَكُلًّا وَعَدَ ٱللَّهُ ٱلۡحُسۡنَىٰۚ وَفَضَّلَ ٱللَّهُ ٱلۡمُجَٰهِدِينَ عَلَى ٱلۡقَٰعِدِينَ أَجۡرًا عَظِيمًا ٩٥
Laa yastawil qaa`idoona Minal mu`mineena ghairu ulid darari walmujaahidoona fee sabeelil laahi bi amwaalihim wa anfusihim; faddalal laahul mujaahideena bi amwaalihim wa anfusihim; faddalal laahul mujaahideena bi am waalihim wa anfusihim `alalqaa`ideena darajab; wa kullanw wa`adal laahul husnaa; wa faddalal laahul mujaahideena `alal qaa`ideena ajran `azeemaa
Tsy mitovy ireo mpino mipetraka ao an-trano, ankoatr'ireo manan-takaitra, sy ireo mivoaka amin’ny lalàn’I Allah, miaraka amin’ny haren’izy ireo sy ny vatan’izy ireo. Nomen’I Allah tombony ireo mivoaka miaraka amin’ny haren'izy ireo sy vatan’izy ireo, noho ireo izay mipetraka ao an-trano; eo amin’ny mari-boninahitra. Ary ny rehetra dia nampanantenain’I Allah valisoa mendrika, ary nomen’I Allah tombony amin’ny valisoa lehibe ireo Miady amin'ny lalan'I Allah noho ireo izay mipetraka ao an-trano.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:96
🔁 0/5
دَرَجَٰتٍ مِّنۡهُ وَمَغۡفِرَةً وَرَحۡمَةًۚ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا ٩٦
Darajaatim minhu wa maghfiratanw wa rahmah; wa kaanal laahu Ghafoorar Raheema
Mari-boninahitra maro avy Aminy, sy ny famelan-keloka ary ny famindram-po. Ary I Allah dia tena be Famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:97
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ تَوَفَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ ظَالِمِيٓ أَنفُسِهِمۡ قَالُواْ فِيمَ كُنتُمۡۖ قَالُواْ كُنَّا مُسۡتَضۡعَفِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ قَالُوٓاْ أَلَمۡ تَكُنۡ أَرۡضُ ٱللَّهِ وَٰسِعَةً فَتُهَاجِرُواْ فِيهَاۚ فَأُوْلَٰٓئِكَ مَأۡوَىٰهُمۡ جَهَنَّمُۖ وَسَآءَتۡ مَصِيرًا ٩٧
Innal lazeena tawaffaa humul malaaa`ikatu zaalimeee anfusihim qaaloo feema kuntum qaaloo kunnaa mustad`afeena fil-ard; qaalooo alam takun ardul laahi waasi`atan fatuhaajiroo feehaa; fa ulaaa`ika maawaahum Jahannamu wa saaa`at maseeraa
Tena marina, fa ireo izay noraisin’ny Anjely ny fanahiny, ka nanao tsy rariny tamin’ny tenany, dia hiteny ireo Anjely hoe : “Taiza ianareo manoloana ny finoanareo ?”. Dia hamaly izy ireo hoe : “Fadiranovana izahay teny ambonin’ny tany”, dia hiteny ireo Anjely manao hoe : “Moa ve tsy nalalaka ny tanin’I Allah, mba nahafahanareo nifindra-monina teo aminy ?”. Ka izy ireny dia ny afobe no toeran-kialofany, ary toeran-kaleha tena ratsy tokoa izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:98
🔁 0/5
إِلَّا ٱلۡمُسۡتَضۡعَفِينَ مِنَ ٱلرِّجَالِ وَٱلنِّسَآءِ وَٱلۡوِلۡدَٰنِ لَا يَسۡتَطِيعُونَ حِيلَةً وَلَا يَهۡتَدُونَ سَبِيلًا ٩٨
Illal mustad `afeena minar rijaali wannisaaa`i walwildaani laa yastatee`oona heelatanw wa laa yahtadoona sabeela
Afa-tsy ireo fadiranovana : lehilahy, sy vehivavy ary ankizy, ka tsy afaka manao na inona na inona, ary tsy mahita lalana ivoahana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:99
🔁 0/5
فَأُوْلَٰٓئِكَ عَسَى ٱللَّهُ أَن يَعۡفُوَ عَنۡهُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَفُوًّا غَفُورًا ٩٩
Fa ulaaa`ika `asal laahu ai ya`fuwa `anhum; wa kaanal laahu `Afuwwan Ghafooraa
Angamba dia hamela heloka azy ireny I Allah. Ary Allah dia tena be Indrafo sy be Faleman-keloka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:100
🔁 0/5
۞ وَمَن يُهَاجِرۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ يَجِدۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُرَٰغَمًا كَثِيرًا وَسَعَةًۚ وَمَن يَخۡرُجۡ مِنۢ بَيۡتِهِۦ مُهَاجِرًا إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ ثُمَّ يُدۡرِكۡهُ ٱلۡمَوۡتُ فَقَدۡ وَقَعَ أَجۡرُهُۥ عَلَى ٱللَّهِۗ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا ١٠٠
Wa mai yuhaajir fee sabeelil laahi yajid fil ardi mmuraaghaman kaseeranw wa sa`ah; wa mai yakhruj mim baitihee muhaajiran ilal laahi wa Rasoolihee summa yudrikhul mawtu faqad waqa`a ajruhoo `alal laah; wa kaanal laahu Ghafoorar Raheemaa
Ary izay mifindra-monina amin’ny làlan’I Allah, dia mahita fialokalofana sy toerana maro. Ary izay niala tao an-tranony, ka nifindra-monina amin’ny làlan’iIAllah sy ny Irany, avy eo, tratran’ny fahafafatesana, dia efa azony ny valisoa eo anatrehan’I Allah. Ary I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:101
🔁 0/5
وَإِذَا ضَرَبۡتُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَلَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٌ أَن تَقۡصُرُواْ مِنَ ٱلصَّلَوٰةِ إِنۡ خِفۡتُمۡ أَن يَفۡتِنَكُمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْۚ إِنَّ ٱلۡكَٰفِرِينَ كَانُواْ لَكُمۡ عَدُوًّا مُّبِينًا ١٠١
Wa izaa darabtum fil ardi falaisa `alaikum junaahun an taqsuroo minas Salaati in khiftum ai yaftinakumul lazeena kafarooo; innal kaafireena kaanoo lakum aduwwam mubeenaa
Ary raha mandeha maneran-tany ianareo, dia tsy misy tsiny raha manafohy ny vavaka fanompoana, raha matahotra ny fitsapan’ireo izay tsy nino ianareo, marina fa ireo tsy mpino dia tena fahavalonareo miharahary.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:102
🔁 0/5
وَإِذَا كُنتَ فِيهِمۡ فَأَقَمۡتَ لَهُمُ ٱلصَّلَوٰةَ فَلۡتَقُمۡ طَآئِفَةٌ مِّنۡهُم مَّعَكَ وَلۡيَأۡخُذُوٓاْ أَسۡلِحَتَهُمۡۖ فَإِذَا سَجَدُواْ فَلۡيَكُونُواْ مِن وَرَآئِكُمۡ وَلۡتَأۡتِ طَآئِفَةٌ أُخۡرَىٰ لَمۡ يُصَلُّواْ فَلۡيُصَلُّواْ مَعَكَ وَلۡيَأۡخُذُواْ حِذۡرَهُمۡ وَأَسۡلِحَتَهُمۡۗ وَدَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَوۡ تَغۡفُلُونَ عَنۡ أَسۡلِحَتِكُمۡ وَأَمۡتِعَتِكُمۡ فَيَمِيلُونَ عَلَيۡكُم مَّيۡلَةً وَٰحِدَةًۚ وَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ إِن كَانَ بِكُمۡ أَذًى مِّن مَّطَرٍ أَوۡ كُنتُم مَّرۡضَىٰٓ أَن تَضَعُوٓاْ أَسۡلِحَتَكُمۡۖ وَخُذُواْ حِذۡرَكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ أَعَدَّ لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابًا مُّهِينًا ١٠٢
Wa izaa kunta feehim fa aqamta lahumus Salaata faltaqum taaa`ifatum minhum ma`aka walyaakhuzooo aslihatahum fa izaa sajadoo fal yakoonoo minw waraaa`ikum waltaati taaa`ifatun ukhraa lam yusalloo falyusallo ma`aka walyaakhuzoo hizrahum wa aslihatahum; waddal lazeena kafaroo law taghfuloona `anaslihatikum wa amti`atikum fa yameeloona `alaikum mailatanw waahidah; wa laa junaaha `alaikum in kaana bikum azam mimmatarin aw kuntum mmardaaa an tada`ooo aslihatakum wa khuzoo hizrakum; innal laaha a`adda lilkaafireena `azaabam muheenaa
Ary raha miaraka amin’izy ireo ianao [69], ka mitarika azy ireo amin’ny Soalat (vavaka), dia aoka ny andiany iray amin’izy ireo hitsangana miaraka aminao sy handray ny fitaovam-piadiany. Ary rehefa avy niankohoka izy ireo dia aoka hivadika ao aorianareo, sy hanatona ny andiany hafa izay mbola tsy nahavita ny Soalat, hanatanteraka izany miaraka aminao. Ary aoka izy ireo hahay hitandrina sy handray ny fitaovam-piadiany. Maniry ireo tsy mpino, raha manao tsirambina ny fitaovam-piadianareo sy ny entanareo ianareo, ny hidina indray miaraka, hanafika anareo izy ireo. Ary tsy misy tsiny ho anareo raha misy ny manahirana anareo, na orana, na marary ianareo ka mametraka ny fitaovam-piadiana, nefa aoka ho mailo tsara ianareo. Tena marina fa i Allah dia efa nanomana ho an’ireo tsy mpino ny famaizana manala baraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:103
🔁 0/5
فَإِذَا قَضَيۡتُمُ ٱلصَّلَوٰةَ فَٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ قِيَٰمًا وَقُعُودًا وَعَلَىٰ جُنُوبِكُمۡۚ فَإِذَا ٱطۡمَأۡنَنتُمۡ فَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَۚ إِنَّ ٱلصَّلَوٰةَ كَانَتۡ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ كِتَٰبًا مَّوۡقُوتًا ١٠٣
Fa izaa qadaitumus Salaata fazkurul laaha qiyaamanw wa qu`oodanw wa `alaa junoobikum; fa izat maanantum fa aqeemus Salaah; innas Salaata kaanat `alal mu`mineena kitaabam mawqootaa
Ary rehefa nahavita ny vavaka fanompoana ianareo, dia tsarovinareo Allah; am-pitsanganana sy am-pipetrahana ary am-patoriana. Ary rehefa tafaverina aminareo ny filaminana, dia tanteraho ny fivavahana araka izay tokony ho izy. Tena marina fa ny vavaka fanompoana dia adidy ho an’ireo mpino ao anaty fotoana voafetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:104
🔁 0/5
وَلَا تَهِنُواْ فِي ٱبۡتِغَآءِ ٱلۡقَوۡمِۖ إِن تَكُونُواْ تَأۡلَمُونَ فَإِنَّهُمۡ يَأۡلَمُونَ كَمَا تَأۡلَمُونَۖ وَتَرۡجُونَ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا يَرۡجُونَۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا ١٠٤
Wa laa tahinoo fibtighaaa`il qawmi in takoonoo taalamoona fa innahum yaalamoona kamaa taalamoona wa tarjoona minal laahi maa laa yarjoon; wa kaanal laahu `Aleeman Hakeemaa
Ary aza mihamalemy amin’ny fanenjehana an’ireo fahavalo ianareo. Raha mahatsiaro mamirifiry ianareo, dia izy ireo koa tena mahatsiaro mamirifiry tahaka anareo, fa ianareo kosa dia manantena amin’I Allah, izay tsy antenain’izy ireo. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:105
🔁 0/5
إِنَّآ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ لِتَحۡكُمَ بَيۡنَ ٱلنَّاسِ بِمَآ أَرَىٰكَ ٱللَّهُۚ وَلَا تَكُن لِّلۡخَآئِنِينَ خَصِيمًا ١٠٥
Innaaa anzalnaaa ilaikal Kitaaba bilhaqqi litahkuma bainan naasi bimaaa araakal laah; wa laa takul lilkhaaa`ineena khaseemaa
Tena marina fa Izahay dia nampidina ny Boky taminao am-pahamarinana, mba hitsaranao ny olona araka izay nasehon’I Allah taminao. Ary aza manao mpisolo vavan’ireo mpamadika ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:106
🔁 0/5
وَٱسۡتَغۡفِرِ ٱللَّهَۖ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا ١٠٦
Wastaghfiril laaha innal laaha kaana Ghafoorar Raheema
Ary mangataha famelan-keloka amin’I Allah ianao. Tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:107
🔁 0/5
وَلَا تُجَٰدِلۡ عَنِ ٱلَّذِينَ يَخۡتَانُونَ أَنفُسَهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُحِبُّ مَن كَانَ خَوَّانًا أَثِيمًا ١٠٧
Wa laa tujaadil `anil lazeena yakhtaanoona anfusahum; innal laaha laa yuhibbuman kaana khawwaanan aseemaa
Ary aza miady hevitra mba hanomezana rariny ireo izay mamadika ny tenan’izy ireo Ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia izay mpamadika sy izay be fahotana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:108
🔁 0/5
يَسۡتَخۡفُونَ مِنَ ٱلنَّاسِ وَلَا يَسۡتَخۡفُونَ مِنَ ٱللَّهِ وَهُوَ مَعَهُمۡ إِذۡ يُبَيِّتُونَ مَا لَا يَرۡضَىٰ مِنَ ٱلۡقَوۡلِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِمَا يَعۡمَلُونَ مُحِيطًا ١٠٨
Yastakhfoona minannaasi wa laa yastakh foona minal laahi wa huwa ma`ahum iz yubaiyitoona maa laa yardaa minal qawl; wa kaanal laahu bimaa ya`maloona muheetaa
Miezaka miafina ny olombelona izy ireo, fa tsy miezaka kosa miafina an’I Allah. Kanefa Izy dia miaraka amin’izy ireo ihany amin’ny alina, rehefa miresaka ny teny tsy mahafaly Azy izy ireo. Ary I Allah dia Mahafehy tsara izay ataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:109
🔁 0/5
هَٰٓأَنتُمۡ هَٰٓؤُلَآءِ جَٰدَلۡتُمۡ عَنۡهُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا فَمَن يُجَٰدِلُ ٱللَّهَ عَنۡهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ أَم مَّن يَكُونُ عَلَيۡهِمۡ وَكِيلًا ١٠٩
haaa antum haaa`ulaaa`i jaadaltum `anhum fil hayaatid dunyaa famai yujaadilul laaha `anhum Yawmal Qiyaamati am mai yakoonu `alaihim wakeelaa
Indro ireo olona izay niarovanareo teny ambonin’ny tany. Ka iza no hiady hevitra amin’I Allah, mba hanomezana azy ireo ny rariny amin’ny andro fitsanganana ? Na, iza no ho mpiantoka azy ireo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:110
🔁 0/5
وَمَن يَعۡمَلۡ سُوٓءًا أَوۡ يَظۡلِمۡ نَفۡسَهُۥ ثُمَّ يَسۡتَغۡفِرِ ٱللَّهَ يَجِدِ ٱللَّهَ غَفُورًا رَّحِيمًا ١١٠
Wa mai ya`mal sooo`an aw yazlim nafsahoo summa yastaghfiril laaha yajidil laaha Ghafoorar Raheemaa
Ary n'iza n'iza manao ny asa ratsy, na manao ny tsy rariny amin’ny tenany, avy eo mibebaka amin'I Allah ,dia hahita fa Mpamela heloka sy be indrafo Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:111
🔁 0/5
وَمَن يَكۡسِبۡ إِثۡمًا فَإِنَّمَا يَكۡسِبُهُۥ عَلَىٰ نَفۡسِهِۦۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا ١١١
Wa mai yaksib isman fa innamaa yaksibuhoo `alaa nafsih; wa kaanal laahu `Aleeman hakeemaa
Ary n'iza n'iza manao fahotana, dia tsy manao izany afa-tsy ho an’ny tenany ihany. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:112
🔁 0/5
وَمَن يَكۡسِبۡ خَطِيٓـَٔةً أَوۡ إِثۡمًا ثُمَّ يَرۡمِ بِهِۦ بَرِيٓـًٔا فَقَدِ ٱحۡتَمَلَ بُهۡتَٰنًا وَإِثۡمًا مُّبِينًا ١١٢
Wa mai yaksib khateee`atan aw isman summa yarmi bihee bareee`an faqadih tamala buhtaananw wa ismam mubeenaa
Ary n'iza n'iza manao fahadisoana na koa fahotana, avy eo anefa dia miampanga ny olona tsy manan-tsiny amin’izany, dia tena efa mizaka lainga sy fahotana mibaribary.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:113
🔁 0/5
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكَ وَرَحۡمَتُهُۥ لَهَمَّت طَّآئِفَةٌ مِّنۡهُمۡ أَن يُضِلُّوكَ وَمَا يُضِلُّونَ إِلَّآ أَنفُسَهُمۡۖ وَمَا يَضُرُّونَكَ مِن شَيۡءٍۚ وَأَنزَلَ ٱللَّهُ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَعَلَّمَكَ مَا لَمۡ تَكُن تَعۡلَمُۚ وَكَانَ فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكَ عَظِيمًا ١١٣
Wa law laa fadlul laahi `alaika wa rahmatuhoo lahammat taaa`ifatum minhum ai yudillooka wa maa yudilloona illaaa anfusahum wa maa yadurroonaka min shai`; wa anzalal laahu `alaikal Kitaaba wal Hikmata wa `allamaka maa lam takun ta`lam; wa kaana fadlul laahi `alaika `azeemaa
Raha tsy ny fahasoavan’I Allah taminao sy ny famindram-pony, dia efa vitan'ny andiany tamin'izy ireny no namery lalana anao. Nefa izy ireo dia tsy hahavery afa-tsy ny tenany ihany. Ary tsy afaka hanao ratsy anao na dia kely aza izy ireo. Ary nampidina ny Boky sy ny fahendrena taminao I Allah, ary nampianatra anao koa izay tsy fantatrao tany aloha. Ary ny fahasoavan’I Allah aminao dia tena lehibe tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:114
🔁 0/5
۞ لَّا خَيۡرَ فِي كَثِيرٍ مِّن نَّجۡوَىٰهُمۡ إِلَّا مَنۡ أَمَرَ بِصَدَقَةٍ أَوۡ مَعۡرُوفٍ أَوۡ إِصۡلَٰحِۭ بَيۡنَ ٱلنَّاسِۚ وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ ٱبۡتِغَآءَ مَرۡضَاتِ ٱللَّهِ فَسَوۡفَ نُؤۡتِيهِ أَجۡرًا عَظِيمًا ١١٤
laa khaira fee kaseerim min najwaahum illaa man amara bisadaqatin aw ma`roofin aw islaahim bainan naas; wa mai yaf`al zaalikab tighaaa`a mardaatil laahi fa sawfa nu`teehi ajran `azeemaa
Tsy mahasoa ny ankamaroan’ny resaka miafina ataon’izy ireo, afa-tsy izay mandidy amin’ny fanaovana fanomezana, na manao asa soa, na manao fampihavanana ny samy olombelona. Ary izay manao izany nohon'ny fitadiavana ny fankasitrahan’I Allah; dia omenay azy ny valisoa lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:115
🔁 0/5
وَمَن يُشَاقِقِ ٱلرَّسُولَ مِنۢ بَعۡدِ مَا تَبَيَّنَ لَهُ ٱلۡهُدَىٰ وَيَتَّبِعۡ غَيۡرَ سَبِيلِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ نُوَلِّهِۦ مَا تَوَلَّىٰ وَنُصۡلِهِۦ جَهَنَّمَۖ وَسَآءَتۡ مَصِيرًا ١١٥
Wa mai yushaaqiqir Rasoola mim ba`di maa tabaiyana lahul hudaa wa tattabi` ghaira sabeelil mu`mineena nuwallihee ma tawallaa wa nuslihee Jahannama wa saaa`at maseeraa
Ary izay misaraka amin’ilay Iraka, taorian’ny nisehoan’ny lala-marina taminy, ka manaraka lalana hafa ankoatra ny lalan’ireo mpino, dia avelanay izy manaraka izany, ary havarinay any amin’ny afobe izy. Ary ratsy dia ratsy izany fiafarana izany !
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:116
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَغۡفِرُ أَن يُشۡرَكَ بِهِۦ وَيَغۡفِرُ مَا دُونَ ذَٰلِكَ لِمَن يَشَآءُۚ وَمَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَقَدۡ ضَلَّ ضَلَٰلَۢا بَعِيدًا ١١٦
Innal laaha laa yaghfiru ai yushraka bihee wayaghfiru maa doona zaalika limai yashaaa`; wa mai yushrik billaahi faqad dalla dalaalam ba`eedaa
Tena marina fa I Allah dia tsy mamela ny fanakambanana Azy amin’ny zavatra hafa. Fa raha ankoatra izany, dia mamela heloka kosa Izy amin’izay sitrany. Ary izay mampikambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa, dia efa very amin’ny fahaverezana lavitra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:117
🔁 0/5
إِن يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦٓ إِلَّآ إِنَٰثًا وَإِن يَدۡعُونَ إِلَّا شَيۡطَٰنًا مَّرِيدًا ١١٧
iny yad`oona min dooniheee illaaa inaasanw wa iny yad`oona illaa Shaitaanam mareedaa
Tsy mangataka izy ireo, ankoatr’I Allah, afa-tsy amin’ireo sampy vavy, ary tsy mangataka izy ireo, afa-tsy amin’ny satana mpikomy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:118
🔁 0/5
لَّعَنَهُ ٱللَّهُۘ وَقَالَ لَأَتَّخِذَنَّ مِنۡ عِبَادِكَ نَصِيبًا مَّفۡرُوضًا ١١٨
La`anahul laah; wa qaala la attakhizanna min `ibaadika naseebam mafroodaa
Nanozona azy I Allah ! Ary niteny izy nanao hoe : “Tsy maintsy haka ampahany voafaritra amin’ireo mpanomponao aho”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:119
🔁 0/5
وَلَأُضِلَّنَّهُمۡ وَلَأُمَنِّيَنَّهُمۡ وَلَأٓمُرَنَّهُمۡ فَلَيُبَتِّكُنَّ ءَاذَانَ ٱلۡأَنۡعَٰمِ وَلَأٓمُرَنَّهُمۡ فَلَيُغَيِّرُنَّ خَلۡقَ ٱللَّهِۚ وَمَن يَتَّخِذِ ٱلشَّيۡطَٰنَ وَلِيًّا مِّن دُونِ ٱللَّهِ فَقَدۡ خَسِرَ خُسۡرَانًا مُّبِينًا ١١٩
Wa la udillannahum wa la umanni yannnahum wa la aamurannahum fala yubat tikunna aazaanal lan`aami wa la aamurannahum fala yughai yirunna khalqal laah; wa mai yattakhizish Shaitaana waliyyam mmin doonil laahi faqad khasira khusraanam mubeena
Ary tsy maintsy ho vereziko làlana izy ireo, ary tena omeko fampanantenana diso, tena ho didiko izy ireo, ka hanova ny zava-boarin’i Allah. Ary na iza na iza mandray ny satana ho mpiahy azy ankoatr’i Allah, dia tena maty antoka amin’ny faty antoka miharihary.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:120
🔁 0/5
يَعِدُهُمۡ وَيُمَنِّيهِمۡۖ وَمَا يَعِدُهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ إِلَّا غُرُورًا ١٢٠
Ya`iduhum wa yuman neehim wa maa ya`iduhumush Shaitaanu illaa ghurooraa
Mampanantena azy ireny izy, sy mampanantena zava-poana. Ary tsy manome fitokisana azy ireo ny satana afa-tsy ny fitaka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:121
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ مَأۡوَىٰهُمۡ جَهَنَّمُ وَلَا يَجِدُونَ عَنۡهَا مَحِيصًا ١٢١
Ulaaa`ika maawaahum Jahannamu wa laa yajidoona `anhaa maheesaa
Izy ireny dia ny afobe no toeram-pialofany, ary tsy hahita fomba handosirana amin’izany izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:122
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ سَنُدۡخِلُهُمۡ جَنَّٰتٍ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدًاۖ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقًّاۚ وَمَنۡ أَصۡدَقُ مِنَ ٱللَّهِ قِيلًا ١٢٢
Wallazeena aamanoo wa `amilus saalihaati sanud khiluhum Jannaatin tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feehaaa abadaa; wa`dal laahi haqqaa; wa man asdaqu minal laahi qeelaa
Ary ny amin'ireo Mpino sady nanao asa-soa dia hampidirinay amin’ny Paradisa izy ireo,izay ikorianan’ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny. Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Izany dia fampanantenana avy amin’i Allah. Ary iza moa no manana teny marina mihoatra an’I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:123
🔁 0/5
لَّيۡسَ بِأَمَانِيِّكُمۡ وَلَآ أَمَانِيِّ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِۗ مَن يَعۡمَلۡ سُوٓءًا يُجۡزَ بِهِۦ وَلَا يَجِدۡ لَهُۥ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا ١٢٣
Laisa bi amaaniyyikum wa laaa amaaniyyi Ahlil Kitaab; mai ya`mal sooo`ai yujza bihee wa laa yajid lahoo min doonil laahi waliyanw wa laa naseeraa
Tsy miankina amin’ny fanirianareo izany, na koa amin’ny fanirian’ireo olon’ny Boky. Fa n’iza n’iza manao asa ratsy, dia ho valiana aminy izany. Ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra azy ankoatr’I Allah izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:124
🔁 0/5
وَمَن يَعۡمَلۡ مِنَ ٱلصَّٰلِحَٰتِ مِن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٌ فَأُوْلَٰٓئِكَ يَدۡخُلُونَ ٱلۡجَنَّةَ وَلَا يُظۡلَمُونَ نَقِيرًا ١٢٤
Wa mai ya`mal minas saalihaati min zakarin aw unsaa wa huwa mu`minun fa ulaaa`ika yadkhuloonal Jannata wa laa yuzlamoona naqeeraa
Ary n'iza n'iza manao ireo asa soa, na lahy na vavy, ka mpino izy, dia izy ireny no hiditra ao amin’ny Paradisa, ary tsy ho ambakaina na dia mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:125
🔁 0/5
وَمَنۡ أَحۡسَنُ دِينًا مِّمَّنۡ أَسۡلَمَ وَجۡهَهُۥ لِلَّهِ وَهُوَ مُحۡسِنٌ وَٱتَّبَعَ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفًاۗ وَٱتَّخَذَ ٱللَّهُ إِبۡرَٰهِيمَ خَلِيلًا ١٢٥
Wa man ahsanu deenam mimmman aslama wajhahoo lillaahi wa huwa muhsinunw wattaba`a Millata Ibraaheema haneefaa; wattakhazal laahu Ibraaheema khaleelaa
Ary iza no manana finoana mendrika indrindra noho izay manolotra ny tavany ho an’i Allah, sy mpanao asa soa, ary manaraka ny finoan’i Abrahama, finoana madio. Ary i Allah dia nandray an’i Abrahama ho sakaiza mahatoky.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:126
🔁 0/5
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ مُّحِيطًا ١٢٦
Wa lillaahi maa fis samaawaati wa maa fil ard; wa kaanal laahu bikulli shai`im muheetaa
Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay ety an-tany. Ary I Allah dia Mahafehy ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:127
🔁 0/5
وَيَسۡتَفۡتُونَكَ فِي ٱلنِّسَآءِۖ قُلِ ٱللَّهُ يُفۡتِيكُمۡ فِيهِنَّ وَمَا يُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ فِي يَتَٰمَى ٱلنِّسَآءِ ٱلَّٰتِي لَا تُؤۡتُونَهُنَّ مَا كُتِبَ لَهُنَّ وَتَرۡغَبُونَ أَن تَنكِحُوهُنَّ وَٱلۡمُسۡتَضۡعَفِينَ مِنَ ٱلۡوِلۡدَٰنِ وَأَن تَقُومُواْ لِلۡيَتَٰمَىٰ بِٱلۡقِسۡطِۚ وَمَا تَفۡعَلُواْ مِنۡ خَيۡرٍ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِهِۦ عَلِيمًا ١٢٧
Wa yastaftoonaka finnisaaa`i qulil laahu yufteekum feehinna wa maa yutlaa `alaikum fil Kitaabi fee yataaman nisaaa`il laatee laa tu`toonahunna mmaa kutiba lahunnna wa targhaboona an tankihoohunna wal mustad`a feena minal wildaani wa an taqoomoo lilyataamaa bilqist; wa maa taf`aloo min khairin fa innal laaha kaana bihee `Aleemaa
Ary hanontany anao izy ireo mahakasik’ireo vehivavy. Teneno hoe : “Allah no hanambara aminareo ny didy momba azy ireo, miampy izay efa novakiana taminareo ao anatin’ilay Boky, mahakasika ny kamboty vavy, izay tsy omenareo azy ireo izay voadidy ho azy ireo. Nefa ianareo naniry hanambady azy ireo. Ary ny momba ireo ankizy lahy tsy ampy taona”. Ary aoka mba hikarakara ara-drariny ireo kamboty ianareo. Ary izay tsara ataonareo dia I Allah no tena Mahalala izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:128
🔁 0/5
وَإِنِ ٱمۡرَأَةٌ خَافَتۡ مِنۢ بَعۡلِهَا نُشُوزًا أَوۡ إِعۡرَاضًا فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡهِمَآ أَن يُصۡلِحَا بَيۡنَهُمَا صُلۡحًاۚ وَٱلصُّلۡحُ خَيۡرٌۗ وَأُحۡضِرَتِ ٱلۡأَنفُسُ ٱلشُّحَّۚ وَإِن تُحۡسِنُواْ وَتَتَّقُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرًا ١٢٨
Wa inimra atun khaafat mim ba`lihaa nushoozan aw i`raadan falaa junaaha `alaihi maaa ai yuslihaa bainahumaa sulhaa; wassulhu khair; wa uhdiratil anfusush shuhh; wa in tuhsinoo wa tattaqoo fa innal laaha kaana bimaa ta`maloona Khabeeraa
Ary raha misy vehivavy matahotra ny fandaozan’ny vadiny, na ny tsy firaharahina, dia tsy misy tsiny amin’izy roa ny mifandamina, ary ny fifandaminana no tsara indrindra, ary ny fanahy dia natao hirona amin’ny fahihirana. Ary raha manao ny tsara sy manana fatahorana ianareo, dia Allah no Mahafantatra izay rehetra ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:129
🔁 0/5
وَلَن تَسۡتَطِيعُوٓاْ أَن تَعۡدِلُواْ بَيۡنَ ٱلنِّسَآءِ وَلَوۡ حَرَصۡتُمۡۖ فَلَا تَمِيلُواْ كُلَّ ٱلۡمَيۡلِ فَتَذَرُوهَا كَٱلۡمُعَلَّقَةِۚ وَإِن تُصۡلِحُواْ وَتَتَّقُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا ١٢٩
Wa lan tastatee`ooo an ta`diloo bainan nisaaa`i wa law harastum falaa tameeloo kullal maili fatazaroohaa kalmu`al laqah; wa in tuslihoo wa tattaqoo fa innal laaha kaana Ghafoorar Raheema
Ary tsy hahavita hampitovy tanteraka ireo vehivavy vadinareo ianareo, na dia mitandrina manao ahoana aza. Nefa dia aza atao mitongilana loatra amin’ny iray amin’izy ireo ka havelanareo toy ny mihantona izy. Ary raha mifanaraka ianareo sy matahotra an’I Allah, tena marina fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:130
🔁 0/5
وَإِن يَتَفَرَّقَا يُغۡنِ ٱللَّهُ كُلًّا مِّن سَعَتِهِۦۚ وَكَانَ ٱللَّهُ وَٰسِعًا حَكِيمًا ١٣٠
Wa iny-yatafarraqaa yughnil laahu kullam min sa`atih; wa kaanal laahu Waasi`an Hakeemaa
Ary raha misaraka izy roa dia I Allah hanome ny tsirairay ny anjarany, nohon'ny Fahalalan-tanany, ary I Allah dia Mahalalan-tanana sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:131
🔁 0/5
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَلَقَدۡ وَصَّيۡنَا ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ مِن قَبۡلِكُمۡ وَإِيَّاكُمۡ أَنِ ٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ وَإِن تَكۡفُرُواْ فَإِنَّ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ غَنِيًّا حَمِيدًا ١٣١
Wa lillaahi maafis samaawaati wa maa fil ard; wa laqad wassainal lazeena ootul Kitaaba min qablikum wa iyyaakum anit taqul laah; wa intakfuroo fa inna lillaahi maa fis samaawaati wa maa fil ard; wa kaanal laahu Ghaniyyan hameedaa
Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, ary efa nodidinay ireo nomena ny boky teo alohanareo sy ianareo koa hoe : “Matahora an’I Allah ianareo”. Ary raha tsy mino ianareo, tena marina fa an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany. Ary I Allah dia Mahavita tena sy Mendri-piderana tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:132
🔁 0/5
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلًا ١٣٢
Wa lillaahi maa fis samaawaati wa maa fil ard; wa kafaa billaahi Wakeelaa
Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany. Ary tena ampy ho Mpiantoka I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:133
🔁 0/5
إِن يَشَأۡ يُذۡهِبۡكُمۡ أَيُّهَا ٱلنَّاسُ وَيَأۡتِ بِـَٔاخَرِينَۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ ذَٰلِكَ قَدِيرًا ١٣٣
Iny-yashaa yuzhibkum aiyuhan naasu wa yaati bi aakhareen; wa kaanal laahu `alaa zaalika Qadeeraa
Raha sitrak’I Allah dia ho foanany ianareo ry olombelona, ary soloiny olon-kafa. Ary Mahavita izany tokoa I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:134
🔁 0/5
مَّن كَانَ يُرِيدُ ثَوَابَ ٱلدُّنۡيَا فَعِندَ ٱللَّهِ ثَوَابُ ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ سَمِيعَۢا بَصِيرًا ١٣٤
man kaana yureedu sawaabad dunyaa fa`indallaahi sawaabud dunyaa wal Aakhirah; wa kaanal laahu Samee`am Baseeraa
N’iza n’iza maniry ny valisoa eto an-tany, dia any amin’I Allah no misy ny valisoa eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary I Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra!
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:135
🔁 0/5
۞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ كُونُواْ قَوَّٰمِينَ بِٱلۡقِسۡطِ شُهَدَآءَ لِلَّهِ وَلَوۡ عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۡ أَوِ ٱلۡوَٰلِدَيۡنِ وَٱلۡأَقۡرَبِينَۚ إِن يَكُنۡ غَنِيًّا أَوۡ فَقِيرًا فَٱللَّهُ أَوۡلَىٰ بِهِمَاۖ فَلَا تَتَّبِعُواْ ٱلۡهَوَىٰٓ أَن تَعۡدِلُواْۚ وَإِن تَلۡوُۥٓاْ أَوۡ تُعۡرِضُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرًا ١٣٥
Yaa aiyuhal lazeena aamanoo koonoo qawwa ameena bilqisti shuhadaaa`a lillaahi wa law `alaa anfusikum awil waalidaini wal aqrabeen iny yakun ghaniyyan aw faqeeran fallaahu awlaa bihimaa falaaa tattabi`ul hawaaa an ta`diloo; wa in talwooo aw tu`ridoo fa innal laaha kaana bimaa ta`maloona Khabeera
Ô ianareo izay nino ! Mitsangana amim-pahamarinana hatrany ianareo, ho vavolombelon’I Allah na dia manohitra ny tenanareo aza, na ny ray aman-dreny sy ireo havana akaiky. Na dia manan-karena aza izy, na mahantra dia I Allah no mendrika kokoa amin’izy roa. Ka aza manaraka ny sitrapo ianareo, mba tsy hialanareo amin’ny rariny. Raha mitsangana ho vavolombelona mandainga ianareo, na koa mandà izany, tena marina fa I Allah dia Mahafantatra tanteraka izay ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:136
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ ءَامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَٱلۡكِتَٰبِ ٱلَّذِي نَزَّلَ عَلَىٰ رَسُولِهِۦ وَٱلۡكِتَٰبِ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ مِن قَبۡلُۚ وَمَن يَكۡفُرۡ بِٱللَّهِ وَمَلَٰٓئِكَتِهِۦ وَكُتُبِهِۦ وَرُسُلِهِۦ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ فَقَدۡ ضَلَّ ضَلَٰلَۢا بَعِيدًا ١٣٦
Yaaa aiyuhal lazeena aamanooo aaminoo billaahi wa Rasoolihee wal Kitaabil lazee nazzala `alaa Rasoolihee wal Kitaabil lazeee anzala min qabl; wa mai yakfur billaahi wa Malaaa`ikatihee wa Kutubihee wa Rusulihee wal Yawmil Aakhiri faqad dalla dalaalam ba`eedaa
Ô ianareo izay nino ! Aoka ho matotra amin'ny finoanareo an’I Allah sy ny Irany ianareo, ary ny Boky izay nampidininy tamin’ny Irany, ary ny Boky izay nampidininy tany aloha. Ka izay tsy nino an’I Allah sy ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo Irany ary ny Andro farany, dia tena very làlana lavitra tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:137
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ثُمَّ كَفَرُواْ ثُمَّ ءَامَنُواْ ثُمَّ كَفَرُواْ ثُمَّ ٱزۡدَادُواْ كُفۡرًا لَّمۡ يَكُنِ ٱللَّهُ لِيَغۡفِرَ لَهُمۡ وَلَا لِيَهۡدِيَهُمۡ سَبِيلَۢا ١٣٧
Innal lazeena aamanoo summa kafaroo summa aamanoo summa kafaroo summaz daado kufral lam yakunil laahu liyaghfira lahum wa laa liyahdiyahum sabeelaa
Tena marina fa ireo izay nino, avy eo tsy nino, avy eo nino indray, avy eo niverina tsy nino izy ireo, dia vao maika nampitombo ny tsy finoany; tsy hamela heloka na koa hitari-dalana azy ireo I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:138
🔁 0/5
بَشِّرِ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ بِأَنَّ لَهُمۡ عَذَابًا أَلِيمًا ١٣٨
Bashshiril munaafiqeena bi anna lahum `azaaban aleemaa
Lazao amin’ireo mpihatsaravelatsihy, fa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:139
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يَتَّخِذُونَ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ أَيَبۡتَغُونَ عِندَهُمُ ٱلۡعِزَّةَ فَإِنَّ ٱلۡعِزَّةَ لِلَّهِ جَمِيعًا ١٣٩
Allazeena yattakhizoo nal kaafireena awliyaaa`a min doonil mu`mineen; a-yabta ghoona `indahumul `izzata fainnnal `izzata lillaahi jamee`aa
Ireo izay mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ankoatra ireo mpino, mitady hery amin’izy ireny ve izy ireo ? Kanefa tena marina fa an’I Allah ny hery rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:140
🔁 0/5
وَقَدۡ نَزَّلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ أَنۡ إِذَا سَمِعۡتُمۡ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ يُكۡفَرُ بِهَا وَيُسۡتَهۡزَأُ بِهَا فَلَا تَقۡعُدُواْ مَعَهُمۡ حَتَّىٰ يَخُوضُواْ فِي حَدِيثٍ غَيۡرِهِۦٓ إِنَّكُمۡ إِذًا مِّثۡلُهُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ جَامِعُ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡكَٰفِرِينَ فِي جَهَنَّمَ جَمِيعًا ١٤٠
Wa qad nazzala `alaikum fil Kitaabi an izaa sami`tum Aayaatil laahi yukfaru bihaa wa yustahza u bihaa falaa taq`udoo ma`ahum hattaa yakhoodoo fee hadeesin ghairih; innakum izam misluhum; innal laaha jaami`ul munaafiqeena wal kaafireena fee jahannama jamee`aa
Ary efa nampidina taminareo ao anat'ilay rakitsoratra fa : “Raha maheno ny fanambaran’I Allah ianareo,ka toherina sy tsiratsiraina izany, dia aoka tsy hipetraka amin’izy ireo ianareo mandra-panaovan’izy ireo resaka hafa ankoatra izany”. Raha tsy izany, dia mitovy amin’izy ireo ianareo. Tena marina fa I Allah dia hanangona ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo tsy mpino ao anatin'ny afobe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:141
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ يَتَرَبَّصُونَ بِكُمۡ فَإِن كَانَ لَكُمۡ فَتۡحٌ مِّنَ ٱللَّهِ قَالُوٓاْ أَلَمۡ نَكُن مَّعَكُمۡ وَإِن كَانَ لِلۡكَٰفِرِينَ نَصِيبٌ قَالُوٓاْ أَلَمۡ نَسۡتَحۡوِذۡ عَلَيۡكُمۡ وَنَمۡنَعۡكُم مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ فَٱللَّهُ يَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ وَلَن يَجۡعَلَ ٱللَّهُ لِلۡكَٰفِرِينَ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ سَبِيلًا ١٤١
Allazeena yatarab basoona bikum fa in kaana lakum fathum minal laahi qaalooo alam nakum ma`akum wa in kaana lilkaafireena naseebun qaalooo alam nastah wiz `alaikum wa nammna`kum minal mu`mineen; fallaahu yahkumu bainakum Yawmal Qiyaamah; wa lai yaj`alal laahu lilkaafireena `alal mu`mineena sabeelaa
Ireo izay niandry anareo, ka rehefa mahazo fandresena avy amin’I Allah ianareo, dia hoy izy ireny : “Tsy niaraka taminareo ve izahay ?”. Ary rehefa ho an’ireo tsy mpino indray ny fahombiazana, dia miteny izy ireo manao hoe : “Moa ve tsy nanome tanana anareo izahay, sy niaro anareo tamin’ireo mpino ?”. Ka I Allah no hitsara ny momba anareo amin’ny Andro fitsanganana. Ary tsy hanome lalana mihitsy ireo tsy mpino handresena ireo mpino I Allah
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:142
🔁 0/5
إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ يُخَٰدِعُونَ ٱللَّهَ وَهُوَ خَٰدِعُهُمۡ وَإِذَا قَامُوٓاْ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ قَامُواْ كُسَالَىٰ يُرَآءُونَ ٱلنَّاسَ وَلَا يَذۡكُرُونَ ٱللَّهَ إِلَّا قَلِيلًا ١٤٢
Innal munaafiqeena yukhaadi`oonal laaha wa huwa khaadi`uhum wa izaa qaamooo ilas Salaati qaamoo kusaalaa yuraaa`oonan naasa wa laa yazkuroonal laaha illaa qaleelaa
Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mitady hamitaka an’i Allah, ary Izy (Allah) dia mamerina ny fitak’izy ireo any amin'izy ireo. Ary izy ireo rehefa mitsangana ho amin'ny vavaka fanompoana, dia mitsangana amin’ny hakamoana, misehoseho aman’ny olona, ary tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy an-kavitsiana ihany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:143
🔁 0/5
مُّذَبۡذَبِينَ بَيۡنَ ذَٰلِكَ لَآ إِلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِ وَلَآ إِلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِۚ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُۥ سَبِيلًا ١٤٣
Muzabzabeena baina zaalika laaa ilaa haaa` ulaaa`i wa laaa ilaa haaa`ulaaa`; wa mai yudlilil laahu falan tajida lahoo sabeela
Misalasala eo anivon’izany izy ireo, sady tsy anisan’ny andaniny no tsy anisan’ny ankilany. Ary n'iza n'iza verezin’I Allah, dia tsy hahita lalana ho azy ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:144
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَتَّخِذُواْ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ أَتُرِيدُونَ أَن تَجۡعَلُواْ لِلَّهِ عَلَيۡكُمۡ سُلۡطَٰنًا مُّبِينًا ١٤٤
Yaaa aiyuhal lazeena aamanoo laa tattakhizul kaafireena awliyaaa`a min doonil mu`mineen; aturee doona an taj`aloo lillaahi `alaikum sultaanam mubeenaa
Ô ianareo izay nino ! Aza mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ianareo ankoatra ireo mpino. Mitady hanome fahefana miharihary an’I Allah hanamelohana anareo ve ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:145
🔁 0/5
إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ فِي ٱلدَّرۡكِ ٱلۡأَسۡفَلِ مِنَ ٱلنَّارِ وَلَن تَجِدَ لَهُمۡ نَصِيرًا ١٤٥
Innal munaafiqeena fiddarkil asfali minan Naari wa lan tajjida lahum naseeraa
Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy, ireo dia any amin’ny lafika ambany indrindra amin’ny afobe, ary tsy hahita mpanavotra ho azy ireo ianao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:146
🔁 0/5
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ وَأَصۡلَحُواْ وَٱعۡتَصَمُواْ بِٱللَّهِ وَأَخۡلَصُواْ دِينَهُمۡ لِلَّهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ مَعَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۖ وَسَوۡفَ يُؤۡتِ ٱللَّهُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ أَجۡرًا عَظِيمًا ١٤٦
Illal lazeena taaboo wa aslahoo wa`tasamoo billaahi wa akhlasoo deenahum lillaahi faulaaa`ika ma`al mu`mineena wa sawfa yu`til laahul mu`mineena ajran `azeemaa
Afa-tsy ireo izay mibebaka sy manova fihetsika, ary mifikitra amin’I Allah, sy nanadio ny finoan’izy ireo ho an’I Allah, izy ireny dia hiara-dia amin’ireo mpino. Ary Allah dia hanome fahasoavana lehibe ho an’ireo mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:147
🔁 0/5
مَّا يَفۡعَلُ ٱللَّهُ بِعَذَابِكُمۡ إِن شَكَرۡتُمۡ وَءَامَنتُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ شَاكِرًا عَلِيمًا ١٤٧
maa yafa`lul laahu bi `azaabikum in shakartum wa aamantum; wa kaanal laahu Shaakiran `Aleema
Ataon’I Allah inona moa ny hanafay anareo, raha mahay misaotra sy mino ianareo ? Ary I Allah dia Mpankasitraka sy Mahalala ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:148
🔁 0/5
۞ لَّا يُحِبُّ ٱللَّهُ ٱلۡجَهۡرَ بِٱلسُّوٓءِ مِنَ ٱلۡقَوۡلِ إِلَّا مَن ظُلِمَۚ وَكَانَ ٱللَّهُ سَمِيعًا عَلِيمًا ١٤٨
Laa yuhibbullaahul jahra bis sooo`i minal qawli illaa man zulim; wa kaanallaahu Samee`an `Aleeman
Allah dia tsy tia ny fanaborahana ny teny ratsy, afa tsy izay niharan’ny tsy rariny. Ary I Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:149
🔁 0/5
إِن تُبۡدُواْ خَيۡرًا أَوۡ تُخۡفُوهُ أَوۡ تَعۡفُواْ عَن سُوٓءٍ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَفُوًّا قَدِيرًا ١٤٩
in tubdoo khairann aw tukhfoohu aw ta`foo `an sooo`in fa innal laaha kaana `afuwwan Qadeeraa
Na manao ny tsara mibaribary na miafina ianareo, na koa mamela heloka amin’ny ratsy, tena marina fa I Allah dia be famelan-keloka, mahavita ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:150
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَكۡفُرُونَ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦ وَيُرِيدُونَ أَن يُفَرِّقُواْ بَيۡنَ ٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦ وَيَقُولُونَ نُؤۡمِنُ بِبَعۡضٍ وَنَكۡفُرُ بِبَعۡضٍ وَيُرِيدُونَ أَن يَتَّخِذُواْ بَيۡنَ ذَٰلِكَ سَبِيلًا ١٥٠
Innal lazeena yakkfuroona billaahi wa Rusulihee wa yureedoona ai yufarriqoo bainal laahi wa Rusulihee wa yaqooloona nu`minu biba`dinw wa nakfuru biba` dinw wa yureedoona ai yattakhizoo baina zaalika sabeelaa
Ary tena marina fa ireo izay tsy mino an’I Allah sy ireo Irany, sy mila hanavaka an’I Allah sy ireo Irany, ka miteny hoe: “Izahay dia mino ny sasany amin’izy ireo, fa tsy mino ireo sasany hafa kosa», ary mitady handray fanapahan-kevitra hafa anelanelan’izany izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:151
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ حَقًّاۚ وَأَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابًا مُّهِينًا ١٥١
Ulaaa`ika humul kaafiroona haqqaa; wa a`tadnaa lilkaafireena `azaabam muheenaa
Izy ireo tokoa no tena tsy mpino marina!, ary efa nomaninay ho an’ireo tsy mpino ny sazy manalabaraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:152
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦ وَلَمۡ يُفَرِّقُواْ بَيۡنَ أَحَدٍ مِّنۡهُمۡ أُوْلَٰٓئِكَ سَوۡفَ يُؤۡتِيهِمۡ أُجُورَهُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا ١٥٢
Wallazeena aamanoo billaahi wa Rusulihee wa lam yufarriqoo baina ahadim minhum ulaaa`ika sawfa yu`teehim ujoorahum; wa kaanal laahu Ghafoorar Raheema
Ary ireo izay nino an’I Allah sy ireo Irany, ary tsy nanavaka na dia iray aza tamin’izy ireny, izy ireny no hotoloran’I Allah ny valin-kasasarany. Ary I Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:153
🔁 0/5
يَسۡـَٔلُكَ أَهۡلُ ٱلۡكِتَٰبِ أَن تُنَزِّلَ عَلَيۡهِمۡ كِتَٰبًا مِّنَ ٱلسَّمَآءِۚ فَقَدۡ سَأَلُواْ مُوسَىٰٓ أَكۡبَرَ مِن ذَٰلِكَ فَقَالُوٓاْ أَرِنَا ٱللَّهَ جَهۡرَةً فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّٰعِقَةُ بِظُلۡمِهِمۡۚ ثُمَّ ٱتَّخَذُواْ ٱلۡعِجۡلَ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَتۡهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُ فَعَفَوۡنَا عَن ذَٰلِكَۚ وَءَاتَيۡنَا مُوسَىٰ سُلۡطَٰنًا مُّبِينًا ١٥٣
yas`aluka Ahlul Kitaabi an tunazzila `alaihim Kitaabam minas samaaa`i faqad sa aloo Moosaa akbara min zaalika faqaaloo arinal laaha jahratan fa akhazat humus saa`iqatu bizulmihim; summat takhazul `ijla mim ba`di maa jaa`at humul baiyinaatu fa`afawnaa `ann zaalik; wa aatainaa Moosaa sultaanam mubeenaa
Ireo olon’ny boky dia mangataka aminao mba hampidinanao amin’izy ireo boky iray avy any an-danitra. Efa nangataka zavatra lehibe noho izany tamin’i Mpaminany Moussa izy ireo; ka niteny izy ireo hoe : “Asehoy anay ankiharihary i Allah”, ka nianjera tamin’izy ireo ny varatra noho ny tsy rariny nataon’izy ireo. Avy eo dia noraisin’izy ireo ho sampy tompoina ny zanakomby kely, taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mazava tamin’ny izy ireo. Kanefa noleferinay tamin’izy ireo izany, ary notoloranay fahefana lehibe i Mpaminany Moussa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:154
🔁 0/5
وَرَفَعۡنَا فَوۡقَهُمُ ٱلطُّورَ بِمِيثَٰقِهِمۡ وَقُلۡنَا لَهُمُ ٱدۡخُلُواْ ٱلۡبَابَ سُجَّدًا وَقُلۡنَا لَهُمۡ لَا تَعۡدُواْ فِي ٱلسَّبۡتِ وَأَخَذۡنَا مِنۡهُم مِّيثَٰقًا غَلِيظًا ١٥٤
Wa rafa`naa fawqahumut Toora bimeesaaqihim wa qulnaa lahumud khulul baaba sujjadanw wa qulnaa lahum laa ta`doo fis Sabti wa akhaznaa minhum meesaaqan ghaleezaa
Ary nampiakarinay teo ambonin’izy ireo ny tendrombohitra (toor) [70] mba hahazoana ny faneken’izy ireo. Ary niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Midira amin’ny varavarana amim-piankohofana ianareo.”Ary mbola niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Aza mandika ny didy aman-dalànan’ny Sabata ianareo”. Ary nandray fanekena tena hentitra avy tamin’izy ireo Izahay.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:155
🔁 0/5
فَبِمَا نَقۡضِهِم مِّيثَٰقَهُمۡ وَكُفۡرِهِم بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَقَتۡلِهِمُ ٱلۡأَنۢبِيَآءَ بِغَيۡرِ حَقٍّ وَقَوۡلِهِمۡ قُلُوبُنَا غُلۡفُۢۚ بَلۡ طَبَعَ ٱللَّهُ عَلَيۡهَا بِكُفۡرِهِمۡ فَلَا يُؤۡمِنُونَ إِلَّا قَلِيلًا ١٥٥
Fabimaa naqdihim meesaaqahum wa kufrihim bi Aayaatil laahi wa qatlihimul Ambiyaaa`a bighairi haqqinw wa qawlihim quloobunna ghulf; bal taba`al laahu `alaihaa bikufrihim falaa yu`minoona illaa qaleelaa
Noho ny fivadihan’izy ireo tamin’ny fanekena nataony sy ny tsy finoany ireo fanambaran’I Allah, sy ny famonoany ireo mpaminany tsy amin’ny rariny, ary ny fitenenan’izy ireo hoe: “Ny fonay dia voarakotra (ka tsy andairan-teny)”. Ny tena marina dia I Allah mihitsy no nanidy ny fon’izy ireo noho ny tsy finoany; ka tsy nisy nino afa tsy ny vitsy tamin’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:156
🔁 0/5
وَبِكُفۡرِهِمۡ وَقَوۡلِهِمۡ عَلَىٰ مَرۡيَمَ بُهۡتَٰنًا عَظِيمًا ١٥٦
Wa bikufrihim wa qawlihim `alaa Maryama buh taanan `azeema
Ary noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny teny feno endrikendrika lehibe nataon’izy ireo tamin’i Maria.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:157
🔁 0/5
وَقَوۡلِهِمۡ إِنَّا قَتَلۡنَا ٱلۡمَسِيحَ عِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ رَسُولَ ٱللَّهِ وَمَا قَتَلُوهُ وَمَا صَلَبُوهُ وَلَٰكِن شُبِّهَ لَهُمۡۚ وَإِنَّ ٱلَّذِينَ ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِ لَفِي شَكٍّ مِّنۡهُۚ مَا لَهُم بِهِۦ مِنۡ عِلۡمٍ إِلَّا ٱتِّبَاعَ ٱلظَّنِّۚ وَمَا قَتَلُوهُ يَقِينَۢا ١٥٧
Wa qawlihim innaa qatal nal maseeha `Eesab-na-Maryama Rasoolal laahi wa maa qataloohu wa maa salaboohu wa laakin shubbiha lahum; wa innal lazeenakh talafoo fee lafee shakkim minh; maa lahum bihee min `ilmin illat tibaa`az zann; wa maa qataloohu yaqeenaa
Ary noho ny tenin’izy ireo hoe: “Tena izahay tokoa no namono an’i Jesoa zanak’i Maria, irak’I Allah. Nefa tsy nahafaty Azy izy ireo, ary tsy nahafantsika Azy, fa endrika mitovy aminy fotsiny no naseho tamin’izy ireo.Ary tena marina fa ireo izay miady hevitra momba izany, dia tena ao anatin’ny fisalasalana mafy, tsy manam-pahalalana ny amin’izany izy ireo.Tsy misy afa-tsy ny fanarahana ny vinavinan’ny eritreritra fotsiny. Ary azo antoka fa tsy novonoin’izy ireo velively Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:158
🔁 0/5
بَل رَّفَعَهُ ٱللَّهُ إِلَيۡهِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا ١٥٨
Bar rafa`ahul laahu ilayh; wa kaanal laahu `Azeezan Hakeemaa
Fa nampiakarin’I Allah any Aminy Izy. Ary tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:159
🔁 0/5
وَإِن مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ إِلَّا لَيُؤۡمِنَنَّ بِهِۦ قَبۡلَ مَوۡتِهِۦۖ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يَكُونُ عَلَيۡهِمۡ شَهِيدًا ١٥٩
Wa im min Ahlil Kitaabi illaa layu`minanna bihee qabla mawtihee wa Yawmal Qiyaamati yakoonu `alaihim shaheedaa
Ary tena marina fa tsy misy na dia iray amin’ireo olon’ny boky, afa-tsy hoe tena hino Azy alohan’ny fahafatesany. Ary hitsangana vavolombelona manohitra azy ireo Izy amin’ny andro farany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:160
🔁 0/5
فَبِظُلۡمٍ مِّنَ ٱلَّذِينَ هَادُواْ حَرَّمۡنَا عَلَيۡهِمۡ طَيِّبَٰتٍ أُحِلَّتۡ لَهُمۡ وَبِصَدِّهِمۡ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ كَثِيرًا ١٦٠
Fabizulmin minal lazeena haadoo harramnaa `alaihim taiyibaatin uhillat lahum wa bisadihim `an sabeelil laahi kaseeraa
Ka noho ny tsy fanarahana ny rariny sy ny hitsiny nisy teo amin’ny Jiosy dia nampifadianay azy ireo, ireo zavatra tsara izay azon’izy ireo nohanina teo aloha, ary noho ny fanakanana maro samihafa nataon’izy ireo tamin’ny lalan’I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:161
🔁 0/5
وَأَخۡذِهِمُ ٱلرِّبَوٰاْ وَقَدۡ نُهُواْ عَنۡهُ وَأَكۡلِهِمۡ أَمۡوَٰلَ ٱلنَّاسِ بِٱلۡبَٰطِلِۚ وَأَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ مِنۡهُمۡ عَذَابًا أَلِيمًا ١٦١
Wa akhzihimur ribaa wa qad nuhoo `anhu wa aklihim amwaalan naasi bilbaatil; wa a`tadnaa lilkaafireena minhum `azaaban aleema
Ary noho ny fakan'izy ireo ny zana-bola, na dia efa voarara tamin'izany izy ireo, sy ny fihinanan'izy ireo ny fananan'olona amin'ny tsy rariny.Izahay dia efa nanomana ho an'ireo tsy mpino amin'izy ireny ny sazy mangirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:162
🔁 0/5
لَّٰكِنِ ٱلرَّٰسِخُونَ فِي ٱلۡعِلۡمِ مِنۡهُمۡ وَٱلۡمُؤۡمِنُونَ يُؤۡمِنُونَ بِمَآ أُنزِلَ إِلَيۡكَ وَمَآ أُنزِلَ مِن قَبۡلِكَۚ وَٱلۡمُقِيمِينَ ٱلصَّلَوٰةَۚ وَٱلۡمُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَٱلۡمُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ أُوْلَٰٓئِكَ سَنُؤۡتِيهِمۡ أَجۡرًا عَظِيمًا ١٦٢
Laakinir raasikhoona fil`ilmi minhum walmu`minoona yu`minoona bimaaa unzila ilaika wa maaa unzila min qablika walmuqeemeenas Salaata walmu`toonaz Zakaata walmu `minoona billaahi wal yawmil Aakhir; ulaaa`ika sanu`teehim ajran `azeemaa
Kanefa ireo miorim-paka amin'ny fahalalana amin'izy ireo, sy ireo mpino, dia mino izay nampidinina taminao sy izay nampidinina teo alohanao. Ary ireo mpanatanteraka ny vavaka fanompoana, sy mpanatanteraka ny fanomezana ny harena fiantrana, sy ireo mpino an’I Allah sy ny andro farany, dia izy ireny no omenay valin-kasasarana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:163
🔁 0/5
۞ إِنَّآ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ كَمَآ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ نُوحٍ وَٱلنَّبِيِّـۧنَ مِنۢ بَعۡدِهِۦۚ وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطِ وَعِيسَىٰ وَأَيُّوبَ وَيُونُسَ وَهَٰرُونَ وَسُلَيۡمَٰنَۚ وَءَاتَيۡنَا دَاوُۥدَ زَبُورًا ١٦٣
innaaa awhainaaa ilaika kamaaa awhainaaa ilaa Noohinw wan nabiyyeena mim ba`dih; wa awhainaaa ilaaa ibraaheema wa Ismaaa`eela wa Ishaaqa wa Ya`qooba wal Asbaati wa `Eesaa wa Ayyooba wa Yoonusa wa haaroona wa Sulaimaan; wa aatainaa Daawooda Zabooraa
Tena marina fa Izahay dia tena nandefa fanambarana taminao, tahaka ny nandefasanay fanambarana tamin’i Noa sy ireo Mpaminany taoriany. Ary nandefasanay fanambarana koa i Abrahama, Isamel, Isaka, Jakoba, ireo foko, Jesoa, Joba, Jonasy, i Arona, Salomona, ary nomenay an’i Davida ny Zabora.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:164
🔁 0/5
وَرُسُلًا قَدۡ قَصَصۡنَٰهُمۡ عَلَيۡكَ مِن قَبۡلُ وَرُسُلًا لَّمۡ نَقۡصُصۡهُمۡ عَلَيۡكَۚ وَكَلَّمَ ٱللَّهُ مُوسَىٰ تَكۡلِيمًا ١٦٤
Wa Rusulan qad qasas naahum `alaika min qablu wa Rusulal lam naqsushum `alaik; wa kallamallaahu Moosaa takleemaa
Ary misy amin’ireo Iraka izay efa notantarainay taminao tany aloha, ary misy koa ireo Iraka izay tsy notantarainay taminao ny tantaran’izy ireo. Ary Allah dia niresaka nivantana tamin’i Mosesy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:165
🔁 0/5
رُّسُلًا مُّبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَ لِئَلَّا يَكُونَ لِلنَّاسِ عَلَى ٱللَّهِ حُجَّةُۢ بَعۡدَ ٱلرُّسُلِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا ١٦٥
Rusulam mubashshireena wa munzireena li`allaa yakoona linnaasi `alal laahi hujjatum ba`dar Rusul; wa kaanallaahu `Azeezan Hakeema
Ka izy ireny dia Iraka mpilaza ny vaovao mahafaly sy mpampitandrina, mba tsy hananan’olombelona porofo entina manohitra an’I Allah taorianan’ireo Iraka. Ary I Allah dia Ilay Tsitoha be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:166
🔁 0/5
لَّٰكِنِ ٱللَّهُ يَشۡهَدُ بِمَآ أَنزَلَ إِلَيۡكَۖ أَنزَلَهُۥ بِعِلۡمِهِۦۖ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَشۡهَدُونَۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ شَهِيدًا ١٦٦
Laakinil laahu yashhadu bimaaa anzala ilaika anzalahoo bi`ilmihee wal malaaa`ikatu yashhadoon; wa kafaa billaahi Shaheeda
Kanefa I Allah dia vavolombelona amin’izay nampidininy taminao, nampidina izany tamin’ny fahalalany Izy. Ary ireo Anjely koa dia mijoro vavolombelona. Ary ampy ho vavolombelona I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:167
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ قَدۡ ضَلُّواْ ضَلَٰلَۢا بَعِيدًا ١٦٧
Innal lazeena kafaroo wa saddoo `an sabeelil laahi qad dalloo dalaalam ba`eedaa
Tena marina fa ireo izay tsy nino sy nanakana ny lalan’I Allah dia efa tena very ao anatin’ny fahaverezana lavitra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:168
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَظَلَمُواْ لَمۡ يَكُنِ ٱللَّهُ لِيَغۡفِرَ لَهُمۡ وَلَا لِيَهۡدِيَهُمۡ طَرِيقًا ١٦٨
Innal lazeenakafaroo wa zalamoo lam yakkunillaahu liyaghfira lahum wa laa liyahdiyahum tareeqaa
Tena marina fa ireo izay tsy nino sy nanao ny tsy rariny, dia tsy hamela heloka azy ireo I Allah ary tsy hanoro lalana azy ireo velively.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:169
🔁 0/5
إِلَّا طَرِيقَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدًاۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرًا ١٦٩
Illaa tareeqa jahannamma khaalideena feehaa abadaa; wa kaana zaalika `alal laahi yaseeraa
Afa-tsy ny lalana mankany amin’ny Afobe, hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ary tena mora amin’I Allah ny manao izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:170
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ قَدۡ جَآءَكُمُ ٱلرَّسُولُ بِٱلۡحَقِّ مِن رَّبِّكُمۡ فَـَٔامِنُواْ خَيۡرًا لَّكُمۡۚ وَإِن تَكۡفُرُواْ فَإِنَّ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمًا ١٧٠
Yaaa aiyuhan naasu qad jaaa`akumur Rasoolu bilhaqqi mir Rabbikum fa ammminoo khairal lakum; wa in takfuroo fainnna lillaahi maa fis samaawaati wal ard; wa kaanal laahu `Aleemann hakeemaa
O! ianareo olombelona! Efa tonga aminareo ilay Iraka nitondra ny fahamarinana avy amin’ny Tomponareo, ka aoka hino ianareo, fa izany no tsara ho anareo. Ary raha tsy mino ianareo dia marina fa an’I Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary I Allah dia Mahalala ny zavatra rehetra sy be Fahendrena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:171
🔁 0/5
يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لَا تَغۡلُواْ فِي دِينِكُمۡ وَلَا تَقُولُواْ عَلَى ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡحَقَّۚ إِنَّمَا ٱلۡمَسِيحُ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَ رَسُولُ ٱللَّهِ وَكَلِمَتُهُۥٓ أَلۡقَىٰهَآ إِلَىٰ مَرۡيَمَ وَرُوحٌ مِّنۡهُۖ فَـَٔامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦۖ وَلَا تَقُولُواْ ثَلَٰثَةٌۚ ٱنتَهُواْ خَيۡرًا لَّكُمۡۚ إِنَّمَا ٱللَّهُ إِلَٰهٌ وَٰحِدٌۖ سُبۡحَٰنَهُۥٓ أَن يَكُونَ لَهُۥ وَلَدٌۘ لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلًا ١٧١
Yaaa Ahlal Kitaabi laa taghloo fee deenikum wa laa taqooloo `alal laahi illalhaqq; innamal Maseehu `Eesab-nu-Maryamma Rasoolul laahi wa Kalimatuhooo alqaahaaa ilaa Maryamma wa roohum minhum fa aaminoo billaahi wa Rusulihee wa laa taqooloo salaasah; intahoo khairallakum; innamal laahu Ilaahunw Waahid, Subhaanahooo ani yakoona lahoo walad; lahoo maa fissamaawaati wa maa fil ard; wa kafaa billaahi Wakeelaa
O Ianareo olon’ny boky! Aza manitatra be loatra amin’ny finoanareo ianareo, ary aza miteny momba an’I Allah afa-tsy ny marina.Tena marina fa i Mesia Jesoa, zanak’i Maria, dia tsy iza fa irak’I Allah ihany, ary Teniny izay nalefany tamin’i Maria, sy Fanahy avy Aminy; koa inoanareo I Allah sy ireo Irany, ary aza miteny hoe: “Telo” ianareo. Atsaharonareo! Fa izany no tsara ho anareo. Tena marina fa I Allah dia Zanahary tokana ihany. Dera ho Azy, ary Azy ny fahamendrehana rehetra, lavitra ny voninahiny ny hanan-janaka. Azy izay any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary ampy ho Mpiahy I Allah.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:172
🔁 0/5
لَّن يَسۡتَنكِفَ ٱلۡمَسِيحُ أَن يَكُونَ عَبۡدًا لِّلَّهِ وَلَا ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ ٱلۡمُقَرَّبُونَۚ وَمَن يَسۡتَنكِفۡ عَنۡ عِبَادَتِهِۦ وَيَسۡتَكۡبِرۡ فَسَيَحۡشُرُهُمۡ إِلَيۡهِ جَمِيعًا ١٧٢
Lanny yastankifal Maseehu ai yakoona `abdal lillaahi wa lal malaaa`ikatul muqarraboon; wa mai yastankif `an ibaadatihee wa yastakbir fasa yahshuruhum ilaihi jamee`aa
Tsy hanambony tena velively ilay Mesia (Issa) ka hanao ny tenany ho tsy mpanompon’i Allah, na koa ireo Anjely akaiky. Ary izay manambony tena amin’ny fanompona Azy (Allah), sy miavonavona dia havoriny any Aminy daholo izy reo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:173
🔁 0/5
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَيُوَفِّيهِمۡ أُجُورَهُمۡ وَيَزِيدُهُم مِّن فَضۡلِهِۦۖ وَأَمَّا ٱلَّذِينَ ٱسۡتَنكَفُواْ وَٱسۡتَكۡبَرُواْ فَيُعَذِّبُهُمۡ عَذَابًا أَلِيمًا وَلَا يَجِدُونَ لَهُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا ١٧٣
Fa ammal lazeena aamanoo wa `amilus saalihaati fa yuwaffeehim ujoorahum wa yazeeduhum min fadlihee wa ammal lazeenas tankafoo wastakbaroo fa yu`azzibuhum `azaaban aleemanw wa laa yajidoona lahum min doonil laahi waliyyanw wa laa naseeraa
Fa ireo izay nino kosa sy nanao ireo asa soa, dia omena azy ireo ny valin-kasasarany feno, ary mbola ampitomboina koa izany avy amin’ny fahasoavany. Fa ireo izay nanambony tena sy niavonavona kosa dia ho saziany amin’ny sazy mangirifiry izy ireo, ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra ho an’i tenany ankoatran’I Allah izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:174
🔁 0/5
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ قَدۡ جَآءَكُم بُرۡهَٰنٌ مِّن رَّبِّكُمۡ وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكُمۡ نُورًا مُّبِينًا ١٧٤
yaa aiyuhan naasu qad jaaa`akum burhaanum mir Rabbikum wa anzalnaaa ilaikum Nooram Mubeena
O ianareo ry olombelona !Efa tonga aminareo ny porofo mazava avy tamin’ny Tomponareo, ary nampidininay teo aminareo ihany koa ny hazavana miharihary.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:175
🔁 0/5
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَٱعۡتَصَمُواْ بِهِۦ فَسَيُدۡخِلُهُمۡ فِي رَحۡمَةٍ مِّنۡهُ وَفَضۡلٍ وَيَهۡدِيهِمۡ إِلَيۡهِ صِرَٰطًا مُّسۡتَقِيمًا ١٧٥
Fa ammal lazeena aamanoo billaahi wa`tasamoo bihee fasa yudkhiluhum fee rah matim minhu wa fadlinw wa yahdeehim ilaihi Siraatam Mustaqeema
Fa ianareo izay nino an’I Allah kosa sy nifikitra Aminy, dia hampidiriny amin’ny indrafo avy Aminy sy ny fahasoavana izy ireo, ary ho tarihiny ho amin’ny lalana mahitsy mankany Aminy izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
4:176
🔁 0/5
يَسۡتَفۡتُونَكَ قُلِ ٱللَّهُ يُفۡتِيكُمۡ فِي ٱلۡكَلَٰلَةِۚ إِنِ ٱمۡرُؤٌاْ هَلَكَ لَيۡسَ لَهُۥ وَلَدٌ وَلَهُۥٓ أُخۡتٌ فَلَهَا نِصۡفُ مَا تَرَكَۚ وَهُوَ يَرِثُهَآ إِن لَّمۡ يَكُن لَّهَا وَلَدٌۚ فَإِن كَانَتَا ٱثۡنَتَيۡنِ فَلَهُمَا ٱلثُّلُثَانِ مِمَّا تَرَكَۚ وَإِن كَانُوٓاْ إِخۡوَةً رِّجَالًا وَنِسَآءً فَلِلذَّكَرِ مِثۡلُ حَظِّ ٱلۡأُنثَيَيۡنِۗ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمۡ أَن تَضِلُّواْۗ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمُۢ ١٧٦
Yastaftoonaka qulillaahu yafteekum fil kalaalah; inimru`un halaka laisa lahoo waladunw wa lahoo ukhtun falahaa nisfu maa tarak; wa huwa yarisuhaaa il lam yakkul lahaa walad; fa in kaanatas nataini falahumas sulusaani mimmmaa tarak; wa in kaanooo ikhwatar rijaalanw wa nisaaa`an faliz zakari mislu hazzil unsayayn; yubaiyinullaahu lakum an tadilloo; wallaahu bikulli shai`in Aleem
Manontany anao momba ny didy aman-dalàna izy ireo, teneno hoe: “Allah dia mamoaka ny didy ho anareo momba ny lovan’ny olona iray maty ka tsy manan-dray aman-dreny sy tsy manan-janaka. Fa raha ny olona iray maty, tsy mana-janaka nefa manana anabavy, dia ho azy ny antsasan’izay navelany (lova), ary izy anadahiny no mandova azy (anabaviny), amin’ny fananany raha tsy manan-janaka izy (anabaviny). Fa raha anankiroa kosa ny anabaviny dia ho azy roa ny roa ampahatelon’izay navelany (lova), ary raha manana rahalahy sy anabavy maro, mpiray tampo aminy izy, dia ho an’ny lahy iray ny mitovy amin’ny anjaran’ny vavy roa. Manazava izany aminareo I Allah, mba tsy ho very ianareo, ary Izy Allah dia mahalala ny zavatra rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







