🔥 0 andro misesy
📖 Surah lava — zaraina ho ampahany kely (128 Andininy)
0/128
16:1
🔁 0/5
أَتَىٰٓ أَمۡرُ ٱللَّهِ فَلَا تَسۡتَعۡجِلُوهُۚ سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ ١
Ataaa amrullaahi falaa tasta`jilooh; Subhaanahoo wa Ta`aalaa `ammaa yushrikoon
Tonga ny didin’i Allah ! Ka aoka tsy ho maika amin’izany Ianareo. Voninahitra anie ho Azy ! ilay Avo indrindra amin’izay atambatr’izy ireo Aminy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:2
🔁 0/5
يُنَزِّلُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ بِٱلرُّوحِ مِنۡ أَمۡرِهِۦ عَلَىٰ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦٓ أَنۡ أَنذِرُوٓاْ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّآ أَنَا۠ فَٱتَّقُونِ ٢
Yunazzilul malaaa `ikata birroohi min amrihee `alaa mai yashaaa`u min `ibaadiheee an anzirooo annahoo laaa ilaaha illaaa ana fattaqoon
Mampidina ireo Anjely miaraka amin’ny fanambarana Izy, avy amin’ny baikony, ho an’izay sitrany amin’ireo mpanompony : “ Ampitandremonareo fa tsy misy Zanahary hafa ankoatra Ahy. Koa matahora Ahy àry Ianareo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:3
🔁 0/5
خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّۚ تَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ ٣
Khalaqas samaawaati wal arda bilhaqq; Ta`aalaa `ammaa yushrikoon
Nahary ireo lanitra sy ny tany am-pahamarinana Izy. Ambony noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:4
🔁 0/5
خَلَقَ ٱلۡإِنسَٰنَ مِن نُّطۡفَةٍ فَإِذَا هُوَ خَصِيمٌ مُّبِينٌ ٤
Khalaqal insaana min nutfatin fa izaa huwa khaseemum mubeen
Nahary ny Olombelona amin’ny alalan’ny ranon’aina indray mitete Izy, ka indro lasa mpifanohitra miharihary (amin’ny Tompony) Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:5
🔁 0/5
وَٱلۡأَنۡعَٰمَ خَلَقَهَاۖ لَكُمۡ فِيهَا دِفۡءٌ وَمَنَٰفِعُ وَمِنۡهَا تَأۡكُلُونَ ٥
Wal an `amaa khalaqahaa; lakum feehaa dif`unw wa manaafi`u wa minhaa taakuloon
Ary ireo biby, nohariany ho Anareo izany, Ahazoanareo hafanana izany (ny fitafiana) sy tombontsoa maro hafa. Ary hisakafo avy amin’izany koa Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:6
🔁 0/5
وَلَكُمۡ فِيهَا جَمَالٌ حِينَ تُرِيحُونَ وَحِينَ تَسۡرَحُونَ ٦
Wa lakum feehaa jamaalun heena tureehoona wa heena tasrahoon
Manome endrika Anareo izy ireo raha entinareo amin’ny hariva, ary koa amin’ny maraina, rehefa mamoaka azy ireo ho eny amin’ny tanim-bilona ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:7
🔁 0/5
وَتَحۡمِلُ أَثۡقَالَكُمۡ إِلَىٰ بَلَدٍ لَّمۡ تَكُونُواْ بَٰلِغِيهِ إِلَّا بِشِقِّ ٱلۡأَنفُسِۚ إِنَّ رَبَّكُمۡ لَرَءُوفٌ رَّحِيمٌ ٧
Wa tahmilu asqaalakum ilaa baladil lam takoonoo baaligheehi illaa bishiqqil anfus; inna Rabbakum la Ra`oofur Raheem
Ary mitondra ny enta-mavesatrareo izy ireo, mankany amin’ny tanàna hafa izay tsy tonganareo raha tsy amin-kasarotana mafy. Marina tokoa fa ny Tomponareo, dia be Fitsimbinana sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:8
🔁 0/5
وَٱلۡخَيۡلَ وَٱلۡبِغَالَ وَٱلۡحَمِيرَ لِتَرۡكَبُوهَا وَزِينَةًۚ وَيَخۡلُقُ مَا لَا تَعۡلَمُونَ ٨
Walkhaila wal bighaala wal hameera litarkaboohaa wa zeenah; wa yakhluqu maa laa ta`lamoon
Ary ireo soavaly, ireo ramole (mulets) sy ireo ampondra, mba hotaingenanareo sy ho haingonareo. Ary dia nahary izay tsy fantatrareo koa Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:9
🔁 0/5
وَعَلَى ٱللَّهِ قَصۡدُ ٱلسَّبِيلِ وَمِنۡهَا جَآئِرٌۚ وَلَوۡ شَآءَ لَهَدَىٰكُمۡ أَجۡمَعِينَ ٩
Wa `alal laahi qasdus sabeeli wa minhaa jaaa`ir; wa law shaaa`a lahadaakum ajma`een
Anjaran’i Allah no manoro ny làla-mahitsy (nohon'ny fahasoavany), nefa misy amin’izy ireo no miala amin’izany. Raha sitrany, dia notarihiny (amin’ny làla-mahitsy) avokoa Ianareo rehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:10
🔁 0/5
هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءًۖ لَّكُم مِّنۡهُ شَرَابٌ وَمِنۡهُ شَجَرٌ فِيهِ تُسِيمُونَ ١٠
Huwal lazeee anzala minas samaaa`i maaa`al lakum minhu sharaabunw wa minhu shajarun feehi tuseemoon
Izy izay nampidina, avy an-danitra, ny rano izay ampiasainareo ho fisotro, ary avy amin’izany no hampitsiry ireo zava-maniry hamahananareo ireo biby fiompinareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:11
🔁 0/5
يُنۢبِتُ لَكُم بِهِ ٱلزَّرۡعَ وَٱلزَّيۡتُونَ وَٱلنَّخِيلَ وَٱلۡأَعۡنَٰبَ وَمِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةً لِّقَوۡمٍ يَتَفَكَّرُونَ ١١
Yumbitu lakum bihiz zar`a wazzaitoona wanna kheela wal-a`naaba wa min kullis samaraat, inna fee zaalika la Aayatal liqawminy yatafakkaroon
Avy amin’ny alalan’izany no nampitsiry ho Anareo, ireo voly, ireo oliva, ireo hazo Palma, ireo voaloboka, sy ireo karazam-boankazo maro. Marina fa amin’izany dia tena misy porofo mazava ho an’ny vahoaka mandinika.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:12
🔁 0/5
وَسَخَّرَ لَكُمُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَ وَٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ وَٱلنُّجُومُ مُسَخَّرَٰتُۢ بِأَمۡرِهِۦٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍ لِّقَوۡمٍ يَعۡقِلُونَ ١٢
Wa sakkhkhara lakumul laila wannahaara wash shamsa walqamara wannujoomu musakhkharaatum bi amrih; inna fee zaalika la Aayaatil liqawminy ya`qiloon
Ary nataony ho Anareo ny alina sy ny antoandro, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary izy ireo dia manaraka ny baikony avokoa. Marina fa amin’izany dia tena misy ireo porofo mazava ho an’ny vahoaka misaina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:13
🔁 0/5
وَمَا ذَرَأَ لَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُخۡتَلِفًا أَلۡوَٰنُهُۥٓۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةً لِّقَوۡمٍ يَذَّكَّرُونَ ١٣
Wa maa zara a lakum fil ardi mukhtalifan alwaanuh; inna fee zaalika la Aayatal liqawminy yazakkaroon
Ary amin’izay nohariany ho Anareo eto ambonin’ny tany, izay samihafa loko. Marina fa amin’izany dia tena misy porofo mazava ho an’ny vahoaka mahatsiaro tena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:14
🔁 0/5
وَهُوَ ٱلَّذِي سَخَّرَ ٱلۡبَحۡرَ لِتَأۡكُلُواْ مِنۡهُ لَحۡمًا طَرِيًّا وَتَسۡتَخۡرِجُواْ مِنۡهُ حِلۡيَةً تَلۡبَسُونَهَاۖ وَتَرَى ٱلۡفُلۡكَ مَوَاخِرَ فِيهِ وَلِتَبۡتَغُواْ مِن فَضۡلِهِۦ وَلَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ ١٤
Wa Huwal lazee sakhkharal bahra litaakuloo minhu lahman tariyyanw wa tastakhrijoo minhu hilyatan talbasoonahaa wa taral fulka mawaakhira feehi wa litabtaghoo min fadlihee wa la`allakum tashkuroon
Ary Izy no nanao ny ranomasina mba ihinananareo nofon-javatra vaovao, ary mba hamoahanareo avy amin’izany ny firavaka izay entinareo. Ary ahita ireo sambo Ianao hamakivaky ny ranomasina, sy mba hitadiavanareo ny fahasoavany, ka angamba Ianareo hankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:15
🔁 0/5
وَأَلۡقَىٰ فِي ٱلۡأَرۡضِ رَوَٰسِيَ أَن تَمِيدَ بِكُمۡ وَأَنۡهَٰرًا وَسُبُلًا لَّعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ ١٥
Wa alqaa fil ardi rawaasiya an tameeda bikum wa anhaaranw wa sublulal la `allakum tahtadoon
Ary naoriny eo amin’ny tany ireo tendrombohitra tsy mihetsiketsika, mba tsy hihozongozonany (tany) sy Ianareo miaraka Aminy, ary ireo renirano sy ireo làlana maro ihany koa, mba Ahafahanareo hifampitarika.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:16
🔁 0/5
وَعَلَٰمَٰتٍۚ وَبِٱلنَّجۡمِ هُمۡ يَهۡتَدُونَ ١٦
Wa `alaamaat; wa bin najmi hum yahtadoon
Ary koa ireo toeram-pamantarana, ka avy amin’ny alàlan’ireo kintana no ahafahan’izy ireo hifampitarika.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:17
🔁 0/5
أَفَمَن يَخۡلُقُ كَمَن لَّا يَخۡلُقُۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ ١٧
Afamany yakhluqu kamallaa yakhluq; afalaa tazak karoon
Moa ve izay namorona, dia hitovy amin’ireo izay tsy namorona na inona ? Moa tsy tsaroanareo ve izany ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:18
🔁 0/5
وَإِن تَعُدُّواْ نِعۡمَةَ ٱللَّهِ لَا تُحۡصُوهَآۗ إِنَّ ٱللَّهَ لَغَفُورٌ رَّحِيمٌ ١٨
Wa in ta`uddoo ni`matal laahi laa tuhsoohaa; innal laaha la Ghafoorur Raheem
Ary raha mitanisa ny fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voatanisanareo izany. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:19
🔁 0/5
وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا تُسِرُّونَ وَمَا تُعۡلِنُونَ ١٩
Wallaahu ya`lamu maa tusirroona wa maa tu`linoon
Ary i Allah dia mahalala izay Afeninareo sy izay Abaribarinareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:20
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَخۡلُقُونَ شَيۡـًٔا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ ٢٠
Wallazeena yad`oona min doonil laahi laa yakhluqoona shai`anw wa hum yukhlaqoon
Ary ireo izay antsoin’izy ireo ankoatran’i Allah, dia tsy afaka mamorona na inona izy ireo aza satria noforonina (nohariana) izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:21
🔁 0/5
أَمۡوَٰتٌ غَيۡرُ أَحۡيَآءٍۖ وَمَا يَشۡعُرُونَ أَيَّانَ يُبۡعَثُونَ ٢١
Amwaatun ghairu ahyaaa`inw wa maa yash`uroona aiyaana yub`asoon
Maty izy ireo fa tsy velona, ary tsy mahafantatra izy ireo, fa rahoviana no hatsangana amin’ny maty izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:22
🔁 0/5
إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٌ وَٰحِدٌۚ فَٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ قُلُوبُهُم مُّنكِرَةٌ وَهُم مُّسۡتَكۡبِرُونَ ٢٢
Illahukum Ilaahunw Waahid; fallazeena laa yu`minoona bil Aakhirati quloobuhum munkiratunw wa hum mustakbiroon
Ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana.Fa ireo izay tsy mino ny any an-koatra kosa, ny Fon’izy ireo dia feno fandavana (ny Zanahary tokana), no sady manambony tena izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:23
🔁 0/5
لَا جَرَمَ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُسۡتَكۡبِرِينَ ٢٣
Laa jarama annal laaha ya`lamu maa yusirrona wa ma yu`linoon; innahoo laa yuhibbul mustakbireen
Tsy misy hisalasalana fa i Allah dia tena mahafantatra izay afenin’izy ireo, sy izay abaribariny. Ary marina fa Izy dia tsy tia ireo mpanambony tena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:24
🔁 0/5
وَإِذَا قِيلَ لَهُم مَّاذَآ أَنزَلَ رَبُّكُمۡ قَالُوٓاْ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ ٢٤
Wa izaa qeela lahum maazaaa anzala Rabbukum qaaloo asaateerul awwaleen
Ary rehefa notenenina izy ireo ka nanao hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Dia hoy izy ireo ka nanao hoe :” Anganon’ireo fahiny ! ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:25
🔁 0/5
لِيَحۡمِلُوٓاْ أَوۡزَارَهُمۡ كَامِلَةً يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَمِنۡ أَوۡزَارِ ٱلَّذِينَ يُضِلُّونَهُم بِغَيۡرِ عِلۡمٍۗ أَلَا سَآءَ مَا يَزِرُونَ ٢٥
Liyahmilooo awzaarahum kaamilatany Yawmal Qiyaamati wa min awzaaril lazeena yudilloonahum bighairi `ilm; alaa saaa`a maa yaziroon
Aoka hizaka ny vesatry ny fahotany rehetra izy ireo, amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), sy ny ampahany amin’ireo fahotan’Olona novereziny, izay tsy fantany. Moa ve tsy izany no fahotana ratsy indrindra mianjady amin’izy ireo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:26
🔁 0/5
قَدۡ مَكَرَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ فَأَتَى ٱللَّهُ بُنۡيَٰنَهُم مِّنَ ٱلۡقَوَاعِدِ فَخَرَّ عَلَيۡهِمُ ٱلسَّقۡفُ مِن فَوۡقِهِمۡ وَأَتَىٰهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ ٢٦
Qad makaral lazeena min qablihim fa atal laahu bunyaa nahum minal qawaa`idi fakharra `alaihimus saqfu min fawqihim wa ataahumul `azaabu min haisu laa yash`uroon
Efa nanao teti-dratsy ireo niaina talohan’izy ireo, nefa tonga i Allah namotika ny fototry ny trano ratsy. Ka nirodana teo ambonin’izy ireo ny tafo, ary tonga tamin’izy ireo ny famaizana tamin’ny fotoana tsy nampoizin’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:27
🔁 0/5
ثُمَّ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يُخۡزِيهِمۡ وَيَقُولُ أَيۡنَ شُرَكَآءِيَ ٱلَّذِينَ كُنتُمۡ تُشَٰٓقُّونَ فِيهِمۡۚ قَالَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ إِنَّ ٱلۡخِزۡيَ ٱلۡيَوۡمَ وَٱلسُّوٓءَ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ ٢٧
Summa Yawmal Qiyaamati yukhzeehim wa yaqoolu aina shurakaaa`iyal lazeena kuntum tushaaaqqoona feehim; qaalal lazeena ootul `ilma innal khizyal Yawma wassooo`a `alal kaafireen
Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia ho alainy baraka izy ireo, ka hilaza Izy (amin’izy ireo) hanao hoe: “ Aiza Ireo mpiara-miombon’antoka Amiko izay nampisaraka Anareo ? ”.Hiteny ireo izay nahazo fahalalana ka hanao hoe : “ Ny fahafam-baraka sy ny loza dia mianjady amin’ireo tsy mpino androany ”
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:28
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ تَتَوَفَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ ظَالِمِيٓ أَنفُسِهِمۡۖ فَأَلۡقَوُاْ ٱلسَّلَمَ مَا كُنَّا نَعۡمَلُ مِن سُوٓءِۭۚ بَلَىٰٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ ٢٨
Allazeena tatawaf faahu mul malaaa`ikatu zaalimeee anfusihim fa alqawus salama maa kunnaa na`malu min sooo`; balaaa innal laaha `aleemum bimaa kuntum ta`maloon
Ireo izay alain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany, ary niaiky amim-pahamenarana izy ireo (ka hiteny hoe) : “ Izahay dia tsy nanao ratsy mihitsy ”.Tsia ! Tena marina fa i Allah dia mahalala tsara izay nataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:29
🔁 0/5
فَٱدۡخُلُوٓاْ أَبۡوَٰبَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَاۖ فَلَبِئۡسَ مَثۡوَى ٱلۡمُتَكَبِّرِينَ ٢٩
Fadkhulooo abwaaba jahannama khaalideena feeha falabi`sa maswal mutakab bireen
Koa midira àry Ianareo amin’ny varavaran’ny Afobe, izay hitoeranareo mandrakizay ao Aminy. Tena ratsy tokoa ny toeran’ireo mpanambony tena !
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:30
🔁 0/5
۞ وَقِيلَ لِلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ مَاذَآ أَنزَلَ رَبُّكُمۡۚ قَالُواْ خَيۡرًاۗ لِّلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ فِي هَٰذِهِ ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٌۚ وَلَدَارُ ٱلۡأٓخِرَةِ خَيۡرٌۚ وَلَنِعۡمَ دَارُ ٱلۡمُتَّقِينَ ٣٠
Wa qeela lillazeenat taqaw maazaaa anzala Rabbukum; qaaloo khairaa; lillazeena absanoo fee haazihid dunyaa hasanah; wa la Daarul Aakhirati khair; wa lani`ma daarul muttaqeen
Ary hotenenina amin’ireo izay manam-patahorana ny hoe : “ Inona no nampidinin’ny Tomponareo ? ”. Hamaly izy ireo ka hanao hoe : “ Ny tsara ”. Ho an’ireo izay manao soa dia ahazo ny tsara eto ambonin’ny tany, fa ny fiainana any an-koatra no mendrika kokoa. Ary feno fahasambarana ny fonenan’ireo manam-patahorana !
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:31
🔁 0/5
جَنَّٰتُ عَدۡنٍ يَدۡخُلُونَهَا تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ لَهُمۡ فِيهَا مَا يَشَآءُونَۚ كَذَٰلِكَ يَجۡزِي ٱللَّهُ ٱلۡمُتَّقِينَ ٣١
Jannaatu `Adniny yadkhuloonahaa tajree min tahtihal anhaaru lahum feehaa maa yashaaa`oon; kazaalika yajzil laahul muttaqeen
Ireo zaridain’i Edena izay misy renirano mikoriana ao ambaminy no hidiran’izy ireo. Ho azon’izy ireo ao izay zavatra rehetra tadiaviny. Tahaka izany no hamalian’i Allah soa ireo manam-patahorana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:32
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ تَتَوَفَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ طَيِّبِينَ يَقُولُونَ سَلَٰمٌ عَلَيۡكُمُ ٱدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ ٣٢
Allazeena tatawaf faahumul malaaa`ikatu taiyibeena yaqooloona salaamun `alai kumud khulul Jannata bimaa kuntum ta`maloon
Ireo izay nalain’ny Anjely ny fofon'ainy, ka nanao ny tsara izy ireo dia hiteny izy ireo (Anjely) ka hanao hoe : “ Fiadanana anie ho Anareo ! ”. Midira ao amin’ny Paradisa Ianareo nohon'ny asa izay Nataonareo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:33
🔁 0/5
هَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّآ أَن تَأۡتِيَهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ أَوۡ يَأۡتِيَ أَمۡرُ رَبِّكَۚ كَذَٰلِكَ فَعَلَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ وَمَا ظَلَمَهُمُ ٱللَّهُ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ ٣٣
Hal yanzuroona illaaa an taatiyahumul malaaa`ikatu aw yaatiya amru Rabbik; kazaalika fa`alal lazeena min qablihim; wa maa zalamahumul laahu wa laakin kaanoo anfusahum yazlimoon
Moa ve hiandry izy ireo (tsy mpino) ny ahatongavan’ireo Anjely eo Aminy, na koa ny ahatongavan’ny didin’ny Tomponao ? Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo.Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo i Allah, fa izy ireo kosa no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:34
🔁 0/5
فَأَصَابَهُمۡ سَيِّـَٔاتُ مَا عَمِلُواْ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ ٣٤
Fa asaabahum saiyi aatu maa `amiloo wa haaqa bihim maa kaano bihee yastahzi`oon
Ka nihatra tamin’izy ireo ny haratsian’ny asa nataon’izy ireo, ary nanarona azy ireo tanteraka izay nohesohesoiny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:35
🔁 0/5
وَقَالَ ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ لَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا عَبَدۡنَا مِن دُونِهِۦ مِن شَيۡءٍ نَّحۡنُ وَلَآ ءَابَآؤُنَا وَلَا حَرَّمۡنَا مِن دُونِهِۦ مِن شَيۡءٍۚ كَذَٰلِكَ فَعَلَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ فَهَلۡ عَلَى ٱلرُّسُلِ إِلَّا ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ ٣٥
Wa qaalal lazeena ashrakoo law shaaa`al laahu ma `abadnaa min doonihee min shai`in nahnu wa laaa aabaaa`unaa wa laa harramnaa min doonihee min shai`; kazaalika fa`alal lazeena min qablihim fahal `alar Rusuli illal balaaghul mubeen
Ary niteny ireo izay nanakambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ka nanao hoe : “ Raha sitrakan’i Allah dia tsy nanompo zavatra hafa Izahay ankoatra Azy, na Izahay na ireo razambenay, ary tsy nampifady na inona na inona Izahay ankoatra izay nampifadiany ”. Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo. Moa ve manana adidy ireo Iraka afa-tsy ny fampielezana miharihary ihany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:36
🔁 0/5
وَلَقَدۡ بَعَثۡنَا فِي كُلِّ أُمَّةٍ رَّسُولًا أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱجۡتَنِبُواْ ٱلطَّٰغُوتَۖ فَمِنۡهُم مَّنۡ هَدَى ٱللَّهُ وَمِنۡهُم مَّنۡ حَقَّتۡ عَلَيۡهِ ٱلضَّلَٰلَةُۚ فَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُكَذِّبِينَ ٣٦
Wa laqad ba`asnaa fee kulli ummatir Rasoolan ani`budul laaha wajtanibut Taaghoota faminhum man hadal laahu wa minhum man haqqat `alaihid dalaalah; faseeroo fil ardi fanzuroo kaifa kaana `aaqibatul mukazzibeen
{Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe) : “ Manompoa an’i Allah ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty[94]» ”. Koa nisy tamin’izy ireo izay notarihin’i Allah làlana, ary nisy tamin’izy ireo no mendrika ny fahaverezana. koa mandehana ianareo manerana ny tany, ka jereo, ahoana no niafaran’ireo nilaza (ireo Iraka) ho mpandainga.}
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:37
🔁 0/5
إِن تَحۡرِصۡ عَلَىٰ هُدَىٰهُمۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي مَن يُضِلُّۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ ٣٧
In tahris `alaa hudaahum fa innal laaha laa yahdee mai yudillu wa maa lahum min naasireen
Na dia miezaka mafy aza Ianao amin’ny fitarihana azy ireo fa tena marina fa i Allah dia tsy hitari-dàlana izay novereziny; ary tsy hanana mpanavotra izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:38
🔁 0/5
وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَا يَبۡعَثُ ٱللَّهُ مَن يَمُوتُۚ بَلَىٰ وَعۡدًا عَلَيۡهِ حَقًّا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ ٣٨
Wa aqsamoo billaahi jahda aimaanihim laa yab`asul laahu mai yamoot; balaa wa`dan `alaihi haqqanw wa laakinna aksaran naasi laa ya`lamoon
Ary mianiana amin’i Allah izy ireo amin’ny fianianana tena mafy manao hoe : “ Tsy hanangana izay efa maty i Allah ”. Tsia ! Fa izany dia fampanantenana marina avy Aminy, fa ny ankamaroan’ny Olona kosa dia tsy mahafantatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:39
🔁 0/5
لِيُبَيِّنَ لَهُمُ ٱلَّذِي يَخۡتَلِفُونَ فِيهِ وَلِيَعۡلَمَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَنَّهُمۡ كَانُواْ كَٰذِبِينَ ٣٩
Liyubaiyina lahumul lazee yakhtalifoona feehi wa liya`lamal lazeena kafarooo annahum kaanoo kaazibeen
Mba hanazavany amin’ireo izay miady hevitra momba izany, sy mba ahafantaran’ireo izay tsy nino, fa izy ireo dia mpandainga tokoa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:40
🔁 0/5
إِنَّمَا قَوۡلُنَا لِشَيۡءٍ إِذَآ أَرَدۡنَٰهُ أَن نَّقُولَ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ ٤٠
Innamaa qawlunaa lisha y`in izaa aradnaahu an naqoola lahoo kun fa yakoon
Tena marina fa ny Teninay amin’ny zavatra iray, raha tianay ny hisehoany, dia ny milaza manao hoe : “ Misia ”, dia misy izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:41
🔁 0/5
وَٱلَّذِينَ هَاجَرُواْ فِي ٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ مَا ظُلِمُواْ لَنُبَوِّئَنَّهُمۡ فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةًۖ وَلَأَجۡرُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ ٤١
Wallazeena haajaroo fil laahi mim ba`di maa zulimoo lanubawwi` annahum fiddunyaa hasanatanw wa la ajrul Aakhirati akbar; law kaanoo ya`lamoon
Ary ireo izay nifindra-monina noho i Allah,rehefa avy niharan’ny tsy rariny, dia omenay ny toerana tsara izy ireo eto amin’ny fiainana an-tany. Ary ny valisoa any an-koatra no lehibe indrindra, raha fantatr’izy ireo izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:42
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ ٤٢
Allazeena sabaroo wa `alaa Rabbihim yatawak kaloon
Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:43
🔁 0/5
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ إِلَّا رِجَالًا نُّوحِيٓ إِلَيۡهِمۡۖ فَسۡـَٔلُوٓاْ أَهۡلَ ٱلذِّكۡرِ إِن كُنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ ٤٣
Wa maaa arsalnaa min qablika illaa rijaalan nooheee ilaihim; fas`alooo ahlaz zikri in kuntum laa ta`lamoon
Ary tsy nandefa Iraka teo alohanao Izahay raha tsy Olombelona, izay nandefasanay ny fanambarana. Koa anontanio ireo manam-pahalalana, raha toa ka tsy mahafantatra Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:44
🔁 0/5
بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَٱلزُّبُرِۗ وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلذِّكۡرَ لِتُبَيِّنَ لِلنَّاسِ مَا نُزِّلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَعَلَّهُمۡ يَتَفَكَّرُونَ ٤٤
Bilbaiyinaati waz Zubur; wa anzalnaaa ilaikaz Zikra litubaiyina linnaasi maa nuzzila ilaihim wa la`allahum yatafakkaroon
(Nalefanay izy ireo) niaraka tamin’ny porofo mazava sy ireo Boky masina. Ary Izahay dia nampidina Taminao ny fampahatsiahivana (Koroany), mba hanazavanao amin’ireo Olona izay nampidinana izany Taminy. Ary angamba handinika izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:45
🔁 0/5
أَفَأَمِنَ ٱلَّذِينَ مَكَرُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ أَن يَخۡسِفَ ٱللَّهُ بِهِمُ ٱلۡأَرۡضَ أَوۡ يَأۡتِيَهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ ٤٥
Afa aminal lazeena makarus saiyi aati ai yakhsifal laahu bihimul arda aw yaaa tiyahumul `azaabu min haisu laa yash`uroon
Moa ve voaharo ireo izay nanao ny teti-dratsy, ka ho afaka hiala amin’ny fandetehan’i Allah azy ireo any anaty tany,na koa tsy hianjady amin’izy ireo ve ny famaizana, izay tsy ampoizin’izy ireo akory ny fahatongavany ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:46
🔁 0/5
أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ فِي تَقَلُّبِهِمۡ فَمَا هُم بِمُعۡجِزِينَ ٤٦
Aw yaakhuzahum fee taqallubihim famaa hum bi mu`jizeen
Na ho tratran’izany izy ireo eo am-perin’asa, ka tsy afaka handositra akory (amin’ny sazin’i Allah).
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:47
🔁 0/5
أَوۡ يَأۡخُذَهُمۡ عَلَىٰ تَخَوُّفٍ فَإِنَّ رَبَّكُمۡ لَرَءُوفٌ رَّحِيمٌ ٤٧
Aw yaakhuzahum `alaa takhawwuf; fa inna Rabbakum la Ra`oofur Raheem
Na koa ho tratran’izany izy ireo ao anaty tahotra ? Saingy tena be Fangorahana sy be Indrafò tokoa ny Tomponareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:48
🔁 0/5
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَىٰ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ مِن شَيۡءٍ يَتَفَيَّؤُاْ ظِلَٰلُهُۥ عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَٱلشَّمَآئِلِ سُجَّدًا لِّلَّهِ وَهُمۡ دَٰخِرُونَ ٤٨
Awa lam yaraw ilaa maa khalaqal laahu min shai`iny-yatafaiya`u zilaaluhoo `anil yameeni washshamaaa` ili sujjadal lillaahi wa hum daakhiroon
Tsy hitan’izy ireo ve izay zavatra noharian’i Allah, fa ny alok’izy ireny dia mirona miankavanana sy miankavia, amim-piankohofana eo anatrehan’i Allah, amim-panetre-tena ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:49
🔁 0/5
وَلِلَّهِۤ يَسۡجُدُۤ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ مِن دَآبَّةٍ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَهُمۡ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ ٤٩
Wa lillaahi yasjudu maa fis samaawaati wa maa fil ardi min daaabbatinw walma laaa`ikatu wa hum laa yastakbiroon
Ary eo anatrehan’i Allah no miankohoka izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany,amin’ireo zava-manan’aina, ary koa ireo Anjely, ka tsy manambony tena izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:50
🔁 0/5
يَخَافُونَ رَبَّهُم مِّن فَوۡقِهِمۡ وَيَفۡعَلُونَ مَا يُؤۡمَرُونَ۩ ٥٠
yakhaafoona Rabbahum min fawqihim wa yaf`aloona maa yu`maroon
Matahotra ny Tompony izy ireo, izay ambonin’izy ireo, ary manao izay andidiana azy (izy ireo).
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:51
🔁 0/5
۞ وَقَالَ ٱللَّهُ لَا تَتَّخِذُوٓاْ إِلَٰهَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِۖ إِنَّمَا هُوَ إِلَٰهٌ وَٰحِدٌ فَإِيَّٰيَ فَٱرۡهَبُونِ ٥١
Wa qaalal laahu laa tatta khizooo ilaahainis naini innamaa Huwa Ilaahunw Waahid; fa iyyaaya farhaboon
Ary niteny i Allah KA nanao hoe : “ Aza manao zanahary Roa Ianareo. Tena marina fa Izy dia Zanahary Tokana, ary Izaho no atahory ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:52
🔁 0/5
وَلَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَهُ ٱلدِّينُ وَاصِبًاۚ أَفَغَيۡرَ ٱللَّهِ تَتَّقُونَ ٥٢
Wa lahoo maa fis samaawaati wal ardi wa lahud deenu waasibaa; afaghairal laahi tattaqoon
Ary Azy izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary ho Azy ny fankatoavana mandrakizay. Moa hatahotra ankoatr’i Allah ve Ianareo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:53
🔁 0/5
وَمَا بِكُم مِّن نِّعۡمَةٍ فَمِنَ ٱللَّهِۖ ثُمَّ إِذَا مَسَّكُمُ ٱلضُّرُّ فَإِلَيۡهِ تَجۡـَٔرُونَ ٥٣
Wa maa bikum minni`matin faminal laahi summa izaa massakumud durru fa ilaihi taj`aroon
Ary izay zava-tsoa rehetra Anananareo dia avy amin’i Allah, ary rehefa tra-pahoriana Ianareo dia Izy no hitalahoanareo amin’ny feo avo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:54
🔁 0/5
ثُمَّ إِذَا كَشَفَ ٱلضُّرَّ عَنكُمۡ إِذَا فَرِيقٌ مِّنكُم بِرَبِّهِمۡ يُشۡرِكُونَ ٥٤
Summaa izaa kashafad durra `ankum izaa fareequm minkum bi Rabbihim yushrikoon
Avy eo, rehefa nesoriny teo Aminareo ny fahoriana, dia indro misy andiany avy Aminareo, mampikambana ny Tompon’izy ireo amin’ny hafa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:55
🔁 0/5
لِيَكۡفُرُواْ بِمَآ ءَاتَيۡنَٰهُمۡۚ فَتَمَتَّعُواْ فَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَ ٥٥
Liyakfuroo bimaa aatainaahum; fatamatta`oo, faswfa ta`lamoon
Tsy mankasitraka tokoa izay nomenay Azy izy ireo. Mifalia àry Ianareo (amin’ny fotoana fohy). Tsy ho ela dia ho fantatrareo izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:56
🔁 0/5
وَيَجۡعَلُونَ لِمَا لَا يَعۡلَمُونَ نَصِيبًا مِّمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡۗ تَٱللَّهِ لَتُسۡـَٔلُنَّ عَمَّا كُنتُمۡ تَفۡتَرُونَ ٥٦
Wa yaj`aloona limaa laa ya`lamoona naseebam mimmaa razaqnnaahum; tallaahi latus`alunaa `ammaa kuntum taftaroon
Ary dia nataon’izy ireo ho an’izay tsy fantany akory (ireo sampy) ny ampahany amin’ireo fananana natolotray ho azy ireo. Mba ho marina eo anatrehan’i Allah ! Hanontaniana tokoa mikasika izay noforoninareo Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:57
🔁 0/5
وَيَجۡعَلُونَ لِلَّهِ ٱلۡبَنَٰتِ سُبۡحَٰنَهُۥ وَلَهُم مَّا يَشۡتَهُونَ ٥٧
Wa yaj`aloona lillaahil banaati Subhaanahoo wa lahum maa yashtahoon
Ary nataon’izy ireo ho manan-janaka vavy i Allah. Ho Azy anie ny Voninahitra ! Ka ho azy ireo ihany izay iriany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:58
🔁 0/5
وَإِذَا بُشِّرَ أَحَدُهُم بِٱلۡأُنثَىٰ ظَلَّ وَجۡهُهُۥ مُسۡوَدًّا وَهُوَ كَظِيمٌ ٥٨
Wa izaa bushshira ahaduhum bil unsaa zalla wajhuhoo muswaddanw wa huwa kazeem
Raha ilazana vaovao fa nahazo Zanaka vavy ny iray amin’izy ireo, dia mihamaloka ny endriny ary tezitra mafy Izy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:59
🔁 0/5
يَتَوَٰرَىٰ مِنَ ٱلۡقَوۡمِ مِن سُوٓءِ مَا بُشِّرَ بِهِۦٓۚ أَيُمۡسِكُهُۥ عَلَىٰ هُونٍ أَمۡ يَدُسُّهُۥ فِي ٱلتُّرَابِۗ أَلَا سَآءَ مَا يَحۡكُمُونَ ٥٩
yatawaaraa minal qawmimin sooo`i maa bushshira bih; a-yumsikuhoo `alaa hoonin am yadussuhoo fit turaab; alaa saaa`a maa yahkumoon
Miafina amin’ny vahoaka Izy nohon'ny vaovao ratsy nolazaina Taminy (araka ny fiheverany). Tokony ho tazonina ve izany na dia eo aza ny henatra, sa handevina Azy any ambanin’ny tany ? Toy inona ny faharatsian’ny fitsaran’izy ireo !
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:60
🔁 0/5
لِلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ مَثَلُ ٱلسَّوۡءِۖ وَلِلَّهِ ٱلۡمَثَلُ ٱلۡأَعۡلَىٰۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ٦٠
Lillazeena laa yu`minoona bil Aakhirati masalus saw`i wa lillaahil masalul a`laa; wa Huwal `Azeezul Hakeem
Ireo izay tsy mino ny fiainana any an-koatra, dia manome ohatra ratsy. Nefa an’i Allah irery ihany ny ohatra ambony indrindra, fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay Hendry !
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:61
🔁 0/5
وَلَوۡ يُؤَاخِذُ ٱللَّهُ ٱلنَّاسَ بِظُلۡمِهِم مَّا تَرَكَ عَلَيۡهَا مِن دَآبَّةٍ وَلَٰكِن يُؤَخِّرُهُمۡ إِلَىٰٓ أَجَلٍ مُّسَمًّىۖ فَإِذَا جَآءَ أَجَلُهُمۡ لَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ سَاعَةً وَلَا يَسۡتَقۡدِمُونَ ٦١
Wa law yu`aakhizul laahun naasa bizulminhim maa taraka `alaihaa min daaabbatinw wa laakiny yu`akhkhiruhum ilaaa ajalim musamman fa izaa jaaa`a ajaluhum laa yastaakhiroona saa`atanw wa laa yastaqdimoon
Raha raisin’i Allah ny Olombelona amin’ny tsy rariny izay nataon’izy ireo, dia tsy hisy tavela mihitsy ny zava-manan’aina eto an-tany, saingy manemotra izany ho azy ireo amin’ny fotoana voafetra Izy. Fa raha tonga ny fe-potoana, dia tsy ho azon’izy ireo hahemotra na haroso, na dia ora iray monja aza.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:62
🔁 0/5
وَيَجۡعَلُونَ لِلَّهِ مَا يَكۡرَهُونَۚ وَتَصِفُ أَلۡسِنَتُهُمُ ٱلۡكَذِبَ أَنَّ لَهُمُ ٱلۡحُسۡنَىٰۚ لَا جَرَمَ أَنَّ لَهُمُ ٱلنَّارَ وَأَنَّهُم مُّفۡرَطُونَ ٦٢
Wa yaj`aloona lillaahi maa yakrahoona wa tasifu alsinatuhumul kaziba anna lahumul husnaa laa jarama anna lahumun Naara wa annahum mufratoon
Ary ataon’izy ireo ho an’i Allah izay tsy tian’izy ireo ho Azy. Milaza lainga ny lelany rehefa milaza Izy ireo fa ny valisoa tsara indrindra dia ho azy ireo. Tsy hisalasalana fa tena ho azy ireo ny Afobe, ary ho avela ao mandrakizay izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:63
🔁 0/5
تَٱللَّهِ لَقَدۡ أَرۡسَلۡنَآ إِلَىٰٓ أُمَمٍ مِّن قَبۡلِكَ فَزَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَهُوَ وَلِيُّهُمُ ٱلۡيَوۡمَ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ٦٣
Tallaahi laqad arsalnaaa ilaaa umamim min qablika fazayyana lahumush Shaitaanu a`maalahum fahuwa waliyyuhumul yawma wa lahum `azaabun aleem
Mba marina ve izany eo anatrehan’i Allah ! Izahay dia nandefa (iraka) tokoa tamin’ireo vahoaka teo alohanao.Nefa nohatsarain’ny satana izay nataon’izy ireo, Izy no mpiahy azy ireo ankehitriny. Koa dia ahazo famaizana mamirifiry izy ireo (any an-koatra).
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:64
🔁 0/5
وَمَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ إِلَّا لِتُبَيِّنَ لَهُمُ ٱلَّذِي ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِ وَهُدًى وَرَحۡمَةً لِّقَوۡمٍ يُؤۡمِنُونَ ٦٤
Wa maaa anzalnaa `alaikal Kitaaba illaa litubaiyina lahumul lazikh talafoo feehi wa hudanw wa rahmatal liqawminy yu`minoon
Ary tsy nampidina teo Aminao ny Boky Izahay, raha tsy ny hanazavanao amin’izy ireo izay nifandiran’izy ireo, sy tari-dàlana ary famindram-po ho an’ireo vahoaka mino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:65
🔁 0/5
وَٱللَّهُ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءً فَأَحۡيَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَآۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةً لِّقَوۡمٍ يَسۡمَعُونَ ٦٥
Wallaahu anzala minas samaaa`i maaa`an fa ahyaa bihil arda ba`da mawtihaa; inna fee zaalika la aayatal liqaw miny yasma`oon
Ary i Allah no nampidina avy eny an-danitra ny rano, mba hamelomany indray ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa ao anatin’izany, dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay mihaino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:66
🔁 0/5
وَإِنَّ لَكُمۡ فِي ٱلۡأَنۡعَٰمِ لَعِبۡرَةًۖ نُّسۡقِيكُم مِّمَّا فِي بُطُونِهِۦ مِنۢ بَيۡنِ فَرۡثٍ وَدَمٍ لَّبَنًا خَالِصًا سَآئِغًا لِّلشَّٰرِبِينَ ٦٦
Wa inna lakum fil an`aami la`ibrah; nusqeekum mimmmaa fee butoonihee mim baini farsinw wa damil labanann khaalisan saaa`ighallish shaaribeen
Misy fampianarana ho Anareo tokoa amin’ireo biby. Hampisotro Anareo Izahay izay avy ao an-kibony, nalaina avy amin’ny fifangaroan’ny sakafo voalevona sy rà, ny ronono madio,mahafinaritra ho an’ny mpisotro Azy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:67
🔁 0/5
وَمِن ثَمَرَٰتِ ٱلنَّخِيلِ وَٱلۡأَعۡنَٰبِ تَتَّخِذُونَ مِنۡهُ سَكَرًا وَرِزۡقًا حَسَنًاۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةً لِّقَوۡمٍ يَعۡقِلُونَ ٦٧
Wa min samaraatin nakheeli wal a`nnaabi tattakhizoona minhu sakaranw wa rizqann hasanaa; inna fee zaalika la Aayatal liqawminy ya`qiloon
Amin’ny voan’ny palma sy ireo voaloboka no hakanareo zava-pisotro mahamamo, sy sakafo tena tsara.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay misaina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:68
🔁 0/5
وَأَوۡحَىٰ رَبُّكَ إِلَى ٱلنَّحۡلِ أَنِ ٱتَّخِذِي مِنَ ٱلۡجِبَالِ بُيُوتًا وَمِنَ ٱلشَّجَرِ وَمِمَّا يَعۡرِشُونَ ٦٨
Wa awhaa Rabbuka ilannnabli anit takhizee minal jabaali buyootanw wa minash shajari wa mimmaa ya`rishoon
Ary nampilaza tamin’ireo tantely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Manaova fonenana eny an-tendrombohitra Ianareo, amin’ny hazo ary koa amin’ny zavatra vitan’ny Olombelona ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:69
🔁 0/5
ثُمَّ كُلِي مِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِ فَٱسۡلُكِي سُبُلَ رَبِّكِ ذُلُلًاۚ يَخۡرُجُ مِنۢ بُطُونِهَا شَرَابٌ مُّخۡتَلِفٌ أَلۡوَٰنُهُۥ فِيهِ شِفَآءٌ لِّلنَّاسِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةً لِّقَوۡمٍ يَتَفَكَّرُونَ ٦٩
Summma kulee min kullis samaraati faslukee subula Rabbiki zululaa; yakhruju mim butoonihaa sharaabum mukh talifun alwaanuhoo feehi shifaaa`ul linnaas, innna fee zaalika la Aayatal liqawminy yatafakkaroon
Avy eo mihinàna Ianareo amin’ny karazam-boankazo rehetra, ka manaraha ny làlan’ny Tomponareo, izay namorainy ho Anareo. Mivoaka avy ao an-kibon’izy ireo ny zava-pisotro miloko maro samihafa, izay misy fanasitranana ho an’ny Olona.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mandinika.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:70
🔁 0/5
وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ ثُمَّ يَتَوَفَّىٰكُمۡۚ وَمِنكُم مَّن يُرَدُّ إِلَىٰٓ أَرۡذَلِ ٱلۡعُمُرِ لِكَيۡ لَا يَعۡلَمَ بَعۡدَ عِلۡمٍ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمٌ قَدِيرٌ ٧٠
Wallaahu khalaqakum suma tatawaffaakum; wa minkum many-yuradu ilaaa arzalil `umuri likai laa ya`lama ba`da `ilmin shai`aa; innal laaha `Aleemun Qadeer
Ary i Allah no nahary Anareo ! Ary Izy ihany koa no mandray ny fofon’ainareo, ka misy Aminareo no miaina tratran'ny fahanterana, hany ka tsy mahalala na inona na inona intsony, taorian’ny nananany fahalalana. Marina fa i Allah mahalalana sy manam-pahefana tokoa amin’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:71
🔁 0/5
وَٱللَّهُ فَضَّلَ بَعۡضَكُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٍ فِي ٱلرِّزۡقِۚ فَمَا ٱلَّذِينَ فُضِّلُواْ بِرَآدِّي رِزۡقِهِمۡ عَلَىٰ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَهُمۡ فِيهِ سَوَآءٌۚ أَفَبِنِعۡمَةِ ٱللَّهِ يَجۡحَدُونَ ٧١
Wallaahu faddala ba`dakum `alaa ba`din fir rizq; famal lazeena fuddiloo biraaaddee rizqihim `alaa maa malakat aimaanuhum fahum feehi sawaaa`; afabini`matil laahi yajhadoon
Ary i Allah dia nanome tombontsoa mihoatra ny hafa, ny sasany Taminareo eo amin’ny (fizarana) fahasoavany. Fa ireo izay nahazo tombontsoa feno, dia tsy voatery hanome ny anjarany indray ho an’ireo andevony ka hitovy Aminy. Handà ny fahasoavan’i Allah ve izy ireo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:72
🔁 0/5
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنۡ أَنفُسِكُمۡ أَزۡوَٰجًا وَجَعَلَ لَكُم مِّنۡ أَزۡوَٰجِكُم بَنِينَ وَحَفَدَةً وَرَزَقَكُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِۚ أَفَبِٱلۡبَٰطِلِ يُؤۡمِنُونَ وَبِنِعۡمَتِ ٱللَّهِ هُمۡ يَكۡفُرُونَ ٧٢
Wallaahu ja`ala lakum min anfusikum azwaajanw wa ja`ala lakum min azwaajikum baneena wa hafadatanw wa razaqakum minat yaiyibaat; afabil baatili yu`minoona wa bini`matil laahi hum yakkfuroon
Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny Tenanareo, ary avy amin’ny vadinareo no nanomezan'i Allah Anareo Zanaka sy zafy. Ary nomeny anjara fivelomana tsara Ianareo. Moa ve ny diso no hinoan’izy ireo, ary ny fahasoavan’i Allah no tsy ankasitrahan’izy ireo ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:73
🔁 0/5
وَيَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَمۡلِكُ لَهُمۡ رِزۡقًا مِّنَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ شَيۡـًٔا وَلَا يَسۡتَطِيعُونَ ٧٣
Wa ya`budoona min doonil laahi maa laa yamliku lahum rizqam minas samaawaati wal ardi shai`anw wa laa yastatee`oon
Ary manompo ankoatr’i Allah izy ireo, izay tsy afaka hanome azy ireo anjara fivelomana akory avy amin’ireo lanitra sy ny tany, no sady tsy afaka manao na inona na inona.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:74
🔁 0/5
فَلَا تَضۡرِبُواْ لِلَّهِ ٱلۡأَمۡثَالَۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ وَأَنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ ٧٤
Falaa tadriboo lillaahil amsaal; innal laaha ya`lamu wa antum laa ta`lamoon
Koa aoka Ianareo tsy hamorona izay ampitoviana amin’i Allah. Tena marina fa i Allah dia Mahalala, fa Ianareo kosa tsy mahalala.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:75
🔁 0/5
۞ ضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلًا عَبۡدًا مَّمۡلُوكًا لَّا يَقۡدِرُ عَلَىٰ شَيۡءٍ وَمَن رَّزَقۡنَٰهُ مِنَّا رِزۡقًا حَسَنًا فَهُوَ يُنفِقُ مِنۡهُ سِرًّا وَجَهۡرًاۖ هَلۡ يَسۡتَوُۥنَۚ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ ٧٥
Darabal laahu masalan `abdam mammlookal laa yaqdiru `alaa shai`inw wa marrazaqnaahu mminnaa rizqan hasanan fahuwa yunfiqu minhu sirranw wa jahra; hal yasta-woon; alhamdu lillaah; bal aksaruhum laa ya`lamoon
* Nanome fanoharana i Allah amin’ny mpanompo iray, izay manan-tompo, tsy manam-pahefana na amin’inona na amin’inona, ary (lehilahy) iray izay notoloranay fanomezana tsara, ka manao fandaniana amin’izany izy na miafina na miharihary. Moa ve mitovy izy(roa) ireo ? Dera anie ho an’i Allah ! Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:76
🔁 0/5
وَضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلًا رَّجُلَيۡنِ أَحَدُهُمَآ أَبۡكَمُ لَا يَقۡدِرُ عَلَىٰ شَيۡءٍ وَهُوَ كَلٌّ عَلَىٰ مَوۡلَىٰهُ أَيۡنَمَا يُوَجِّههُّ لَا يَأۡتِ بِخَيۡرٍ هَلۡ يَسۡتَوِي هُوَ وَمَن يَأۡمُرُ بِٱلۡعَدۡلِ وَهُوَ عَلَىٰ صِرَٰطٍ مُّسۡتَقِيمٍ ٧٦
Wa darabal laahu masalar rajulaini ahaduhumaaa abkamu laa yaqdiru `alaa shai`inw wa huwa kallun `alaa mawlaahu ainamaa yuwajjihhu laa yaati bikhairin hal yastawee huwa wa many-yaamuru bil`adli wa huwa `alaa Siraatim MMustaqeem
Ary nanome fanoharana amin’ny lehilahy Roa i Allah : ny iray amin’izy ireo moana, tsy afa-manao na inona na inona, fa ny tompony no miantoka Azy; n'aiza n'aiza andefasany Azy, dia tsy mba misy zava-tsoa entiny, moa hitovy amin’izay mandidy amin’ny fahamarinana sy amin’ny làla-mahitsy ve izy ?
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:77
🔁 0/5
وَلِلَّهِ غَيۡبُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَمَآ أَمۡرُ ٱلسَّاعَةِ إِلَّا كَلَمۡحِ ٱلۡبَصَرِ أَوۡ هُوَ أَقۡرَبُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ ٧٧
Wa lillaahi ghaibus samaawaati wal ard; wa maaa amrus Saa`ati illaa kalamhil basari aw huwa aqrab; innal laaha `alaaa kulli shai`in Qadeer
Ary an’i Allah ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Ary ny didy mahakasika ny Ora dia tsy inona akory, fa toy ny indray mipi-maso monja na haingana kokoa noho izany ! Marina fa i Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:78
🔁 0/5
وَٱللَّهُ أَخۡرَجَكُم مِّنۢ بُطُونِ أُمَّهَٰتِكُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ شَيۡـًٔا وَجَعَلَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ ٧٨
Wallaahu akhrajakum mim butooni ummahaatikum laa ta`lamoona shai`anw wa ja`ala lakumus sam`a wal absaara wal af`idata la`allakum tashkuroon
Ary i Allah dia namoaka Anareo avy tao an-kibon-dreninareo, ka tsy misy zavatra fantatrareo akory, ary nataony teo Aminareo ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny fo, angamba ahalala ankasitraka Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:79
🔁 0/5
أَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَى ٱلطَّيۡرِ مُسَخَّرَٰتٍ فِي جَوِّ ٱلسَّمَآءِ مَا يُمۡسِكُهُنَّ إِلَّا ٱللَّهُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍ لِّقَوۡمٍ يُؤۡمِنُونَ ٧٩
Alam yaraw ilat tairi musakhkharaatin fee jawwis samaaa`i maa yumsikuhunna illal laah; inna fee zaalika la Aayaatil liqawminy yu`minoon
Tsy mba hitan’izy ireo ve ireo vorona afa-manidina eny amin’ny habakabaka, tsy misy mitazona azy ireny raha tsy i Allah. Tena marina fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:80
🔁 0/5
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنۢ بُيُوتِكُمۡ سَكَنًا وَجَعَلَ لَكُم مِّن جُلُودِ ٱلۡأَنۡعَٰمِ بُيُوتًا تَسۡتَخِفُّونَهَا يَوۡمَ ظَعۡنِكُمۡ وَيَوۡمَ إِقَامَتِكُمۡ وَمِنۡ أَصۡوَافِهَا وَأَوۡبَارِهَا وَأَشۡعَارِهَآ أَثَٰثًا وَمَتَٰعًا إِلَىٰ حِينٍ ٨٠
Wallaahu ja`ala lakum min juloodil an`aami buyootan tastakhif foonahaa yawma za`nikum wa yawma iqaamatikum wa min aswaafihaa wa awbaarihaa wa ash`aarihaaa asaasanw wa mataa`an ilaa been
Ary nataon’i Allah fonenana ho Anareo ny tranonareo, ary nataony ho Anareo ny trano vita amin’ny hoditry ny biby, izay maivana ho Anareo amin’ny Andro andehananareo sy amin’ny Andro hipetrahanareo. Ary avy amin’ny volon’izy ireo sy ny rambon’izy ireo, ary ny vombon’izy ireo, (hanaovanareo) ireo fanaka sy fitaovana izay hifalianareo mandritry ny fotoana voafetra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:81
🔁 0/5
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّمَّا خَلَقَ ظِلَٰلًا وَجَعَلَ لَكُم مِّنَ ٱلۡجِبَالِ أَكۡنَٰنًا وَجَعَلَ لَكُمۡ سَرَٰبِيلَ تَقِيكُمُ ٱلۡحَرَّ وَسَرَٰبِيلَ تَقِيكُم بَأۡسَكُمۡۚ كَذَٰلِكَ يُتِمُّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تُسۡلِمُونَ ٨١
Wallaahu ja`ala lakum mimmaa khalaqa zilaalanw wa ja`ala lakum minal jibaali aknaananw wa ja`ala lakum saraabeela taqeekumul harra wa saraabeela taqeekum baasakum; kazaalika yutimmu ni`matahoo alaikum la`allakum tuslimoon
Ary i Allah dia nanao avy amin’izay nohariany ny aloka mba ho anareo. Ary nataony ho anareo ny tendrombohitra ho fialofana. Ary nataony ho anareo ny akanjo ho fiarovana amin’ny hafanana, ary koa ny akanjo (vy) miaro anareo amin’ny lozan’ny ady. Tahaka izany no hamenoany ny fahasoavany eo aminareo, angamba ianareo hanetri-tena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:82
🔁 0/5
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡكَ ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ ٨٢
Fa in tawallaw fa innamaa `alaikal balaaghul mubeen
Raha nanome lamosina izy ireo, dia ny fampitana ny hafatra mazava tsara no adidinao.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:83
🔁 0/5
يَعۡرِفُونَ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ ثُمَّ يُنكِرُونَهَا وَأَكۡثَرُهُمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ ٨٣
Ya`rifoona ni`matal laahi summa yunkiroonahaa wa aksaruhumul kaafiroon
Mahafantatra ny fahasoavan’i Allah izy ireo. Avy eo, dia lavin’izy ireo izany. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mankasitraka.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:84
🔁 0/5
وَيَوۡمَ نَبۡعَثُ مِن كُلِّ أُمَّةٍ شَهِيدًا ثُمَّ لَا يُؤۡذَنُ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ وَلَا هُمۡ يُسۡتَعۡتَبُونَ ٨٤
Wa yawma nab`asu min kulli ummatin shaheedan summa laa yu`zanu lillazeena kafaroo wa laa hum yusta`taboon
Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, dia tsy omena alàlana (hiala tsiny) intsony ireo tsy mpino, ary tsy angatahana hiverina (amin’izay nahatezitra an’i Allah) izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:85
🔁 0/5
وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلۡعَذَابَ فَلَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمۡ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ ٨٥
Wa izaa ra al lazeena zalamul `azaaba falaa yukhaf fafu `anhum wa laa hum yunzaroon
Ary rehefa hitan’ireo mpanao ny tsy rariny ny famaizana, dia tsy ahazo fanalefahana amin’izany izy ireo, ary tsy ahazo fialan-tsasatra ihany koa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:86
🔁 0/5
وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ شُرَكَآءَهُمۡ قَالُواْ رَبَّنَا هَٰٓؤُلَآءِ شُرَكَآؤُنَا ٱلَّذِينَ كُنَّا نَدۡعُواْ مِن دُونِكَۖ فَأَلۡقَوۡاْ إِلَيۡهِمُ ٱلۡقَوۡلَ إِنَّكُمۡ لَكَٰذِبُونَ ٨٦
Wa izaa ra al lazeena ashrakoo shurakaaa`ahum qaaloo Rabbana haaa`ulaaa`i shurakaaa`unal lazeena kunnaa nad`oo min doonika fa alqaw ilaihimul qawla innakum lakaaziboon
. Ary raha hitan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa ireo mpiara-miombon’antoka (sampy) amin’izy ireo, dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tomponay ô ! Ireo no mpiara-miombon’antoka Aminay izay nitalahoanay ankoatra Anao ”.Dia hamaly izy ireo (ireo mpiara-miombon’antoka) ka hanao hoe : “ Tena mpandainga tokoa Ianareo ”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:87
🔁 0/5
وَأَلۡقَوۡاْ إِلَى ٱللَّهِ يَوۡمَئِذٍ ٱلسَّلَمَۖ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ ٨٧
Wa alqaw ilal laahi yawma`izinis salama wa dalla `anhum maa kaanoo yaftaroon
Ary hatolotr’izy ireo ho an’i Allah amin’io Andro io ny fankatoavana, ary hiala amin'izy ireo izay noforoniny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:88
🔁 0/5
ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ زِدۡنَٰهُمۡ عَذَابًا فَوۡقَ ٱلۡعَذَابِ بِمَا كَانُواْ يُفۡسِدُونَ ٨٨
Allazeena kafaroo wa saddoo `an sabeelil laahi zidnaahum `azaaban fawqal `azaabi bimaa kaanoo yufsidoon
Ireo izay tsy nino sy nisakana ny làlan’i Allah, dia ampitomboinay ny famaizana azy ireo ambonin’ny famaizana (mendrika azy ireo), nohon'ny asa fanimbana izay nataony.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:89
🔁 0/5
وَيَوۡمَ نَبۡعَثُ فِي كُلِّ أُمَّةٍ شَهِيدًا عَلَيۡهِم مِّنۡ أَنفُسِهِمۡۖ وَجِئۡنَا بِكَ شَهِيدًا عَلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِۚ وَنَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ تِبۡيَٰنًا لِّكُلِّ شَيۡءٍ وَهُدًى وَرَحۡمَةً وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُسۡلِمِينَ ٨٩
Wa yawma nab`asu fee kulli ummmatin shaheedan `alaihim min anfusihim wa ji`naa bika shaheedan `alaa haaa`ulaaa`; wa nazzalnaa `alaikal Kitaaba tibyaanal likulli shai`inw wa hudanw wa rahmatanw wa bushraa lilmuslimeen
Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay hanohitra azy ireo, dia hoentinay ho vavolombelona Ianao (Mohamamad) hanohitra azy Ireo. Ary nampidininay Taminao ny Boky ho fanazavana ny zava-drehetra sy tari-dàlana, famindram-po ary vaovao mahafaly ho an’ny mpino mpanetry tena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:90
🔁 0/5
۞ إِنَّ ٱللَّهَ يَأۡمُرُ بِٱلۡعَدۡلِ وَٱلۡإِحۡسَٰنِ وَإِيتَآيِٕ ذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَيَنۡهَىٰ عَنِ ٱلۡفَحۡشَآءِ وَٱلۡمُنكَرِ وَٱلۡبَغۡيِۚ يَعِظُكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ ٩٠
Innal laaha yaamaru bil `adli wal ihsaani wa eetaaa`i zil qurbaa wa yanhaa `anil fahshaaa`i wal munkari walbagh-i` ya`izukum la`allakum tazakkkaroon
Tena marina fa Allah dia mandidy ny rariny, sy ny fanaovan-tsoa ary ny fanampiana ireo havana akaiky. Fa mandrara kosa ny vetaveta, sy ny asa ratsy ary ny fikomiana. Mananatra Anareo Izy, angamba Ianareo ahatsiaro tena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:91
🔁 0/5
وَأَوۡفُواْ بِعَهۡدِ ٱللَّهِ إِذَا عَٰهَدتُّمۡ وَلَا تَنقُضُواْ ٱلۡأَيۡمَٰنَ بَعۡدَ تَوۡكِيدِهَا وَقَدۡ جَعَلۡتُمُ ٱللَّهَ عَلَيۡكُمۡ كَفِيلًاۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا تَفۡعَلُونَ ٩١
Wa awfoo bi Ahdil laahi izaa `aahattum wa laa tanqudul aimaana ba`da tawkeedihaa wa qad ja`altumul laaha `alaikum kafeelaa; innal laaha ya`lamu maa taf`aloon
Ary tanterahanareo ny fifanekena amin’i Allah rehefa manao fifanekena Aminy Ianareo. Ary aza mandika ny fianianana nataonareo, rehefa avy nanao izany ankarihary sy nandray Allah ho mpiantoka. Marina fa i Allah dia mahafantatra tokoa izay Ataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:92
🔁 0/5
وَلَا تَكُونُواْ كَٱلَّتِي نَقَضَتۡ غَزۡلَهَا مِنۢ بَعۡدِ قُوَّةٍ أَنكَٰثًا تَتَّخِذُونَ أَيۡمَٰنَكُمۡ دَخَلَۢا بَيۡنَكُمۡ أَن تَكُونَ أُمَّةٌ هِيَ أَرۡبَىٰ مِنۡ أُمَّةٍۚ إِنَّمَا يَبۡلُوكُمُ ٱللَّهُ بِهِۦۚ وَلَيُبَيِّنَنَّ لَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ مَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ ٩٢
Wa laa takoonoo kallatee naqadat ghazlahaa mim ba`di quwwatin ankaasaa; tattakhizoona aimaanakum dakhlalam bainakum an takoona ummatun hiya arbaa min ummah; innnamaa yablookumul laahu bih; wa la yubaiyinanna lakum yawmal Qiyaamati maa kuntum fee takhtalifoon
Aza manao tahaka ny vehivavy izay nandrava tsirairay ny tadim-panenomany efa nafatotra mafy Ianareo, ka mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana aminareo samy Anareo, nohon'ny fahitanareo vahoaka maro an’isa sy matanjaka noho ny hafa. Ho fitsapana anareo ihany no nanaovan’i Allah izany. Ary marina fa hasehony mazava tsara aminareo, amin’ny andro Fitsanganana (amin’ny maty) izay rehetra nampifanditra anareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:93
🔁 0/5
وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَجَعَلَكُمۡ أُمَّةً وَٰحِدَةً وَلَٰكِن يُضِلُّ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُۚ وَلَتُسۡـَٔلُنَّ عَمَّا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ ٩٣
Wa law shaaa`al laahu laja`alakum ummmatanw waahidatanw wa laakiny yudillu many-yashaaa`u wa yahdee many-yashaaa`; wa latus`alunna `ammaa kuntum ta`maloon
Raha sitrak’i Allah, dia nataony ho vahoaka iray ihany Ianareo. Kanefa mamery izay sitrany hoverezina Izy, sy mitarika izay sitrany hotarihana. Ary marina fa hanontaniana Ianareo amin’izay nataonareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:94
🔁 0/5
وَلَا تَتَّخِذُوٓاْ أَيۡمَٰنَكُمۡ دَخَلَۢا بَيۡنَكُمۡ فَتَزِلَّ قَدَمُۢ بَعۡدَ ثُبُوتِهَا وَتَذُوقُواْ ٱلسُّوٓءَ بِمَا صَدَدتُّمۡ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَلَكُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٌ ٩٤
Wa laa tattakhizooo aimaanakum dakhalam bainakum ftazilla qadamum ba`da subootihaa wa tazooqus sooo`a bimmaa sadattum `an sabeelil laahi wa lakum `azaabun `azeem
Ary aza mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana Aminareo samy Anareo, raha tsy izany, dia hibolisatra ny tongotra rehefa avy namahatra tsara ary hanandrana ny fahoriana Ianareo, nohon'ny fisakananareo ny làlan’i Allah. Ary ahazo famaizana goavana Ianareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:95
🔁 0/5
وَلَا تَشۡتَرُواْ بِعَهۡدِ ٱللَّهِ ثَمَنًا قَلِيلًاۚ إِنَّمَا عِندَ ٱللَّهِ هُوَ خَيۡرٌ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ ٩٥
Wa laa tashtaroo bi `ahdil laahi samanan qaleelaa; innamaa `indal laahi huwa khairul lakum in kuntum ta`lamoon
Ary aza mivarotra mora ny fifanekena nifanaovana tamin’i Allah Ianareo. Marina fa tsara kokoa ho Anareo izay eo anatrehan’i Allah, raha fantatrareo izany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:96
🔁 0/5
مَا عِندَكُمۡ يَنفَدُ وَمَا عِندَ ٱللَّهِ بَاقٍۗ وَلَنَجۡزِيَنَّ ٱلَّذِينَ صَبَرُوٓاْ أَجۡرَهُم بِأَحۡسَنِ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ٩٦
maa `indakum yanfadu wa maa `indal laahi baaq; wa lanajziyannal lazeena sabarooo ajjrahum bi ahsani maa kaanoo ya`maloon
Izay rehetra Anananareo dia ho ritra, fa ny eo amin’i Allah kosa dia maharitra. Ary tena omenay valisoa mendrika nohon'ny asa tsara izay nataony ireo izay nanam-paharetana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:97
🔁 0/5
مَنۡ عَمِلَ صَٰلِحًا مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٌ فَلَنُحۡيِيَنَّهُۥ حَيَوٰةً طَيِّبَةًۖ وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَجۡرَهُم بِأَحۡسَنِ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ٩٧
Man `amila saaliham min zakarin aw unsaa wa huwa mu`minun falanuhyiyannahoo hayaatan taiiyibatanw wa lanajzi yannnahum ajrahum bi ahsani maa kaanoo ya`maloon
N'iza n'iza manao asa soa, lahy na vavy, no sady mpino, dia tena ho velominay amin’ny fiainana tsara Izy. Ary omenay valisoa mendrika mihoatra ny asa izay nataony izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:98
🔁 0/5
فَإِذَا قَرَأۡتَ ٱلۡقُرۡءَانَ فَٱسۡتَعِذۡ بِٱللَّهِ مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ ٱلرَّجِيمِ ٩٨
Fa izaa qara tal Quraana fasta`iz billaahi minashh Shai taanir rajeem
Raha hamaky ny Koroany Ianao, dia mangataha amin’i Allah ny fiarovana amin’ilay satana voahozona.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:99
🔁 0/5
إِنَّهُۥ لَيۡسَ لَهُۥ سُلۡطَٰنٌ عَلَى ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ ٩٩
Innahoo laisa lahoo sultaanun `alal lazeena aamanoo wa `alaa Rabbihim yatawakkaloon
Tena marina fa Izy (satana) dia tsy manam-pahefana amin’ireo izay mino sy amin’izay nametraka ny fitokisany amin’ny Tompon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:100
🔁 0/5
إِنَّمَا سُلۡطَٰنُهُۥ عَلَى ٱلَّذِينَ يَتَوَلَّوۡنَهُۥ وَٱلَّذِينَ هُم بِهِۦ مُشۡرِكُونَ ١٠٠
Innnamaa sultaanuhoo `alal lazeena yatawallawnahoo wallazeena hum bihee mushrikoon
Ny marina anefa, ny fahefany dia amin’ireo izay eo ambany fiahiany sy izay manana zanahary maro (ireo mpanompo sampy).
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:101
🔁 0/5
وَإِذَا بَدَّلۡنَآ ءَايَةً مَّكَانَ ءَايَةٍ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا يُنَزِّلُ قَالُوٓاْ إِنَّمَآ أَنتَ مُفۡتَرِۭۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ ١٠١
Wa izaa baddalnaaa Aayatam makaana Aayatinw wal laahu a`lamu bimaa yunazzilu qaalooo innamaa anta muftar; bal aksaruhum laa ya`lamoon
Ary rehefa manolo ny andian-teny iray amin’ny toeran’ny andian-teny iray hafa Izahay, Allah dia tena mahalala izay nampidininy. Niteny izy ireo nanao hoe : “ Marina fa Ianao dia tena mpamoron-dainga ”. Ka nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:102
🔁 0/5
قُلۡ نَزَّلَهُۥ رُوحُ ٱلۡقُدُسِ مِن رَّبِّكَ بِٱلۡحَقِّ لِيُثَبِّتَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَهُدًى وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُسۡلِمِينَ ١٠٢
Qul nazzalahoo Roohul Qudusi mir Rabbika bilhaqqi liyusabbital lazeena aamanoo wa hudanw wa bushraa lilmuslimeen
Lazao hoe : “ ilay Fanahy masina (Anjely Gabriely) avy amin’ny Tomponao no nampidina izany tamim-pahamarinana, mba hanamafy orina ireo izay nino, sy tari-dàlana ary koa vaovao mahafaly ho an’ireo mpanetry tena.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:103
🔁 0/5
وَلَقَدۡ نَعۡلَمُ أَنَّهُمۡ يَقُولُونَ إِنَّمَا يُعَلِّمُهُۥ بَشَرٌۗ لِّسَانُ ٱلَّذِي يُلۡحِدُونَ إِلَيۡهِ أَعۡجَمِيٌّ وَهَٰذَا لِسَانٌ عَرَبِيٌّ مُّبِينٌ ١٠٣
Wa laqad na`lamu annahum yaqooloona innamaa yu`allimuhoo bashar; lisaanul lazee yulhidoona ilaihi a`ja miyyunw wa haaza lisaanun `Arabiyyum mubeen
Ary efa mahafantatra Izahay, fa izy ireo dia hilaza hoe : “ Olombelona ihany no mampianatra azy ”. Ny fiteny izay ampiasain’izy ireo amin’izany dia fiteny vahiny (tsy teny arabo), ity anefa dia teny arabo mazava tsara.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:104
🔁 0/5
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ لَا يَهۡدِيهِمُ ٱللَّهُ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ١٠٤
Innal lazeena laa yu`minoona bi Aayaatil laahi laa yahdehimul laahu wa lahum `azaabun aleem
Marina fa ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah; dia tsy hitari-dàlana azy ireo i Allah. Ary ho azy ireo koa ny famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:105
🔁 0/5
إِنَّمَا يَفۡتَرِي ٱلۡكَذِبَ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ ١٠٥
Innamaa yaftaril kazibal lazeena laa yu`minoona bi Aayaatil laahi wa ulaaa`ika humul kaaziboon
Tena marina fa ireo mamoron-dainga, dia ireo izay tsy mino ny andian-tenin’i Allah, ary izy ireny no mpandainga.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:106
🔁 0/5
مَن كَفَرَ بِٱللَّهِ مِنۢ بَعۡدِ إِيمَٰنِهِۦٓ إِلَّا مَنۡ أُكۡرِهَ وَقَلۡبُهُۥ مُطۡمَئِنُّۢ بِٱلۡإِيمَٰنِ وَلَٰكِن مَّن شَرَحَ بِٱلۡكُفۡرِ صَدۡرًا فَعَلَيۡهِمۡ غَضَبٌ مِّنَ ٱللَّهِ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٌ ١٠٦
man kafara billaahi mim ba`di eemaanihee illaa man ukriha wa qalbuhoo mutmma`innum bil eemaani wa laakim man sharaha bilkufri sadran fa`alaihim ghadabum minal laahi wa lahum `azaabun `azeem
N'iza n'iza nitsipaka an’i Allah aorian’ny finoany... afa-tsy izay noterena, nefa ny fony dia feno fahatoniana amin’ny finoana, ary ireo izay manokatra an-tsitrapò ny fony amin’ny tsy finoana, dia hianjady amin’izy ireo ny hatezerana avy amin’i Allah, ary ho azy ireo ny famaizana lehibe.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:107
🔁 0/5
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمُ ٱسۡتَحَبُّواْ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا عَلَى ٱلۡأٓخِرَةِ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلۡكَٰفِرِينَ ١٠٧
Zaalika bi annahumus tahabbul hayaatad dunyaa `alal Aakhirati wa annal laaha laa yahdil qawmal kaafireen
Izany (no miseho), dia satria, nankafý ny fiainana an-tany izy ireo noho ny any an-koatra. Ary tena marina fa i Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka tsy mpino.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:108
🔁 0/5
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ طَبَعَ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ وَسَمۡعِهِمۡ وَأَبۡصَٰرِهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡغَٰفِلُونَ ١٠٨
Ulaaa`ikal lazeena taba`al laahu `alaa quloobihim wa sam`ihim wa absaarihim wa ulaaa`ika humul ghaafiloon
Izy ireny dia notampenan’i Allah ny fony, ny fandrenesany ary ny fahitany. Ary izy ireny no (olona) tsy mitandrina.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:109
🔁 0/5
لَا جَرَمَ أَنَّهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ هُمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ ١٠٩
Laa jarama annnahum fil Aakhirati humul khassiroon
Tsy hisalasana fa izy ireny no maty antoka any an-koatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:110
🔁 0/5
ثُمَّ إِنَّ رَبَّكَ لِلَّذِينَ هَاجَرُواْ مِنۢ بَعۡدِ مَا فُتِنُواْ ثُمَّ جَٰهَدُواْ وَصَبَرُوٓاْ إِنَّ رَبَّكَ مِنۢ بَعۡدِهَا لَغَفُورٌ رَّحِيمٌ ١١٠
Summa inna Rabbaka lillazeena haajaroo mim ba`dimaa futinoo summma jaahadoo wa sabaroo inna Rabbaka mim ba`dihaa la Ghafoorur Raheem
Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nifindra-monina taorian’ny fitsapana nianjady tamin’izy ireo, avy eo niady (tamin’ny làlan’i Allah) sy niaritra...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:111
🔁 0/5
۞ يَوۡمَ تَأۡتِي كُلُّ نَفۡسٍ تُجَٰدِلُ عَن نَّفۡسِهَا وَتُوَفَّىٰ كُلُّ نَفۡسٍ مَّا عَمِلَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ ١١١
Yawma taatee kullu nafsin tujaadilu `an nafsihaa wa tuwaffaa kullu nafsim maa `amilat wa hum laa yuzlamoon
(Tsarovy) ny Andro izay ahatongavan’ny fanahy tsirairay, hiaro ny tenany, ary hovaliana amin’ny asa izay nataony ny tsirairay, ka tsy hiangarana izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:112
🔁 0/5
وَضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلًا قَرۡيَةً كَانَتۡ ءَامِنَةً مُّطۡمَئِنَّةً يَأۡتِيهَا رِزۡقُهَا رَغَدًا مِّن كُلِّ مَكَانٍ فَكَفَرَتۡ بِأَنۡعُمِ ٱللَّهِ فَأَذَٰقَهَا ٱللَّهُ لِبَاسَ ٱلۡجُوعِ وَٱلۡخَوۡفِ بِمَا كَانُواْ يَصۡنَعُونَ ١١٢
Wa darabal laahu masalan qaryatan kaanat aaminatam mutma`innatany yaaateehaa rizquhaa rghadam min kulli makaanin fakafarat bi an`umil laahi fa azaaqahal laahu libaasal joo`i walkhawfi bimaa kaanoo yasna`oon
Ary nanao fanoharana tanàna iray Allah, tao anatin’ny fitoniana sy filaminana tanteraka, ka tonga betsaka Taminy ny anjara fivelomany avy amin’ny toerana rehetra. Ka tsy nankasitraka ny fahasoavan’i Allah (ireo tao an-tanàna). Koa dia nampandramanin’i Allah azy ireo ny hanoanana sy ny tahotra, noho ny nataon’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:113
🔁 0/5
وَلَقَدۡ جَآءَهُمۡ رَسُولٌ مِّنۡهُمۡ فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَهُمُ ٱلۡعَذَابُ وَهُمۡ ظَٰلِمُونَ ١١٣
Wa laqad jaaa`ahum Rasoolum minhum fakazzaboohu fa akhazahumul `azaabu wa hum zaalimoon
Ary efa tonga tamin’izy ireo ny Iraka avy amin’izy ireo ihany, ka nataon’izy ireo ho mpandainga Izy. Ary dia nianjady tamin’izy ireo ny famaizana noho izy ireo mpanao ny tsy rariny.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:114
🔁 0/5
فَكُلُواْ مِمَّا رَزَقَكُمُ ٱللَّهُ حَلَٰلًا طَيِّبًا وَٱشۡكُرُواْ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ إِيَّاهُ تَعۡبُدُونَ ١١٤
Fakuloo mimmaa razaqa kumul laahu halaalan taiyibanw washkuroo ni`matal laahi in kuntum iyyaahu ta`budoon
Koa mihinana àry ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’i Allah anareo, amin’izay tsy voarara sy tsara. Ary misaora amin’ny fahasoavan’i Allah ianareo, raha Izy tokoa no Tompoinareo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:115
🔁 0/5
إِنَّمَا حَرَّمَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡمَيۡتَةَ وَٱلدَّمَ وَلَحۡمَ ٱلۡخِنزِيرِ وَمَآ أُهِلَّ لِغَيۡرِ ٱللَّهِ بِهِۦۖ فَمَنِ ٱضۡطُرَّ غَيۡرَ بَاغٍ وَلَا عَادٍ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ١١٥
Innamaa harrma `alai kumul maitata waddama wa lahmal khinzeeri wa maaa uhilla lighairil laahi bihee famanid turra ghaira baaghinw wa laa `aadin fa innal laaha Ghafoorur Raheem
Tena marina fa ireo zava-boarara ho Anareo dia ny biby maty ho azy, ny rà, ny henan-kisoa, ary (ny biby) izay niantsoana ny anarana hafa ankoatr’i Allah. Nefa n'iza n'iza tratran’ny tsy azo anoharana, ka tsy mitsipaka ary tsy mandika làlana... marina fa i Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:116
🔁 0/5
وَلَا تَقُولُواْ لِمَا تَصِفُ أَلۡسِنَتُكُمُ ٱلۡكَذِبَ هَٰذَا حَلَٰلٌ وَهَٰذَا حَرَامٌ لِّتَفۡتَرُواْ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ لَا يُفۡلِحُونَ ١١٦
Wa laa taqooloo limaa tasifu alsinatukumul kaziba haaza halaalunw wa haazaa haraamul litaftaroo `alal laahil kazib; innal lazeena yaftaroona `alal laahil kaziba laa yuflihoon
Ary aza milaza, araka ny lainga izay tenenin’ny lelanareo Ianareo, manao hoe : « Ity dia azo atao “ Hala l”, ary ity dia voarara “ Haram ” », mba hamoronanareo lainga amin’i Allah. Tena marina, fa ireo izay mamorona lainga mahakasika an’i Allah dia tsy ahita fahombiazana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:117
🔁 0/5
مَتَٰعٌ قَلِيلٌ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٌ ١١٧
Mata`un qaleelunw wa lahum `azaabun aleem
Fahafinaretana kely (ho azy ireo) izany, ka nefa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:118
🔁 0/5
وَعَلَى ٱلَّذِينَ هَادُواْ حَرَّمۡنَا مَا قَصَصۡنَا عَلَيۡكَ مِن قَبۡلُۖ وَمَا ظَلَمۡنَٰهُمۡ وَلَٰكِن كَانُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ ١١٨
Wa `alal lazeena haadoo harramnaa ma qasasnaa `alaika min qablu wa maa zalamanaahum wa laakin kaanoo anfusahum wa laakin kaanoo anfusahum yazlimoon
Tamin’ireo Jiosy, noraranay (azy ireo) izay efa notantaranay Taminao (teo aloha). Tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny Tenany.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:119
🔁 0/5
ثُمَّ إِنَّ رَبَّكَ لِلَّذِينَ عَمِلُواْ ٱلسُّوٓءَ بِجَهَٰلَةٍ ثُمَّ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُوٓاْ إِنَّ رَبَّكَ مِنۢ بَعۡدِهَا لَغَفُورٌ رَّحِيمٌ ١١٩
Summma inna Rabbaka lillazeena `amilus sooo`a bijahaalatin summa taaboo mim ba`di zaaalika wa aslahoo inna Rabbaka mim ba`dihaa la Ghafoorur Raheem
Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nanao ny asa ratsy tamin’ny habadoana, avy eo dia nibebaka taorian’izany, sy nanarina ny fitondran-tenany...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:120
🔁 0/5
إِنَّ إِبۡرَٰهِيمَ كَانَ أُمَّةً قَانِتًا لِّلَّهِ حَنِيفًا وَلَمۡ يَكُ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ١٢٠
Inna Ibraaheema kaana ummatan qaanital lillaahi Haneefanw wa lam yakuminal mushrikeen
Marina fa i Ibrahimo dia mpitarika tonga lafatra. Mpankato Allah Izy, tao anatin’ny fanompoana Allah tokana, ary tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:121
🔁 0/5
شَاكِرًا لِّأَنۡعُمِهِۚ ٱجۡتَبَىٰهُ وَهَدَىٰهُ إِلَىٰ صِرَٰطٍ مُّسۡتَقِيمٍ ١٢١
Shaakiral li an`umih; ijtabaahu wa hadaahu ilaa Siraatim Muustaqeem
Nahalala nankasitraka ireo fahasoavany Izy, ka nosafidiany sy notarihiny làlana Izy mankany amin’ny làla-mahitsy.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:122
🔁 0/5
وَءَاتَيۡنَٰهُ فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةًۖ وَإِنَّهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ لَمِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ ١٢٢
Wa aatainaahu fid dunyaa hasanah; wa innahoo fil Aakhirati laminas saaliheen
Ary nomenay anjara tsara Izy teto an-tany. Marina fa Izy dia ho isan’ireo Olo-mendrika tokoa any an-koatra.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:123
🔁 0/5
ثُمَّ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ أَنِ ٱتَّبِعۡ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفًاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ١٢٣
Summma awhainaa ilaika anit tabi` Millata Ibraaheema haneefaa; wa maa kaana minal mushrikeen
Avy eo dia nandefa fanambarana Taminao Izahay : “ Araho ny fivavahan’i Ibrahimo amin’ny fanompoana Allah tokana, ary izy dia tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny hafa”.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:124
🔁 0/5
إِنَّمَا جُعِلَ ٱلسَّبۡتُ عَلَى ٱلَّذِينَ ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِۚ وَإِنَّ رَبَّكَ لَيَحۡكُمُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ ١٢٤
Innnamaa ju`ilas Sabtu `alal lazeenakhtalafoo feeh; wa inna Rabbaka la yahkumu bainahum Yawmal Qiyaamati feemaa kaanoo feehi yakhtalifoon
Marina fa natao ny Andro sabata, ho an’ireo izay nifanditra momba izany. Fa ny Tomponao, dia hitsara tokoa azy ireo amin’ny Andro Fitsanganana mahakasika izay nifandiran’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:125
🔁 0/5
ٱدۡعُ إِلَىٰ سَبِيلِ رَبِّكَ بِٱلۡحِكۡمَةِ وَٱلۡمَوۡعِظَةِ ٱلۡحَسَنَةِۖ وَجَٰدِلۡهُم بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُۚ إِنَّ رَبَّكَ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَن ضَلَّ عَن سَبِيلِهِۦ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُهۡتَدِينَ ١٢٥
Ud`u ilaa sabeeli Rabbika bilhikmati walmaw `izatil hasanati wa jaadilhum billatee hiya ahsan; inna Rabbaka huwa a`almu biman dalla `an sabeelihee wa Huwa a`lamu bilmuhtadeen
Miantsoa amin’ny làlan’ny Tomponao, amim-pahendrena sy amim-pananarana tsara Ianao. Ary miadia hevitra amin’izy ireo amin’ny fomba mendrika indrindra ianao. Marina fa ny Tomponao no tena mahalala izay niala ny làlany, ary Izy ihany koa no mahalala ireo voatari-dàlana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:126
🔁 0/5
وَإِنۡ عَاقَبۡتُمۡ فَعَاقِبُواْ بِمِثۡلِ مَا عُوقِبۡتُم بِهِۦۖ وَلَئِن صَبَرۡتُمۡ لَهُوَ خَيۡرٌ لِّلصَّٰبِرِينَ ١٢٦
Wa in `aaqabtum fa`aaqiboo bimisli maa `ooqibtum bihee wa la`in sabartum lahuwa khairul lissaabireen
Ary raha manasazy Ianareo, dia ampiharo aminy ny sazy mitovy amin’izay (heloka) nataony Taminareo. Fa raha miaritra Ianareo...izany no tena tsara kokoa ho an’izay manam-paharetana.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:127
🔁 0/5
وَٱصۡبِرۡ وَمَا صَبۡرُكَ إِلَّا بِٱللَّهِۚ وَلَا تَحۡزَنۡ عَلَيۡهِمۡ وَلَا تَكُ فِي ضَيۡقٍ مِّمَّا يَمۡكُرُونَ ١٢٧
Wasbir wa maa sabruka illaa billaah; wa laa tahzan `alaihim wa laa taku fee daiqim mimmaa yamkuroon
Mahareta ! Ary tsy hanam-paharetana Ianao raha tsy avy amin’i Allah. Koa aza malahelo azy ireo ianao, ary aza mitebiteby nohon'ny teti-dratsin’izy ireo.
🎤 Ny rakotra nataonao:
16:128
🔁 0/5
إِنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَواْ وَّٱلَّذِينَ هُم مُّحۡسِنُونَ ١٢٨
Innal laaha ma`al lazeenat taqaw wal lazeena hum muhsinoon
Marina fa i Allah dia miaraka amin’ireo izay matahotra (Azy), sy ireo mpanao asa soa.
🎤 Ny rakotra nataonao:
💡 Tsindrio ny teny miafina hasehoina vonjimaika — voatahiry ho azy ny fandrosoanao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







