📖 0/604 pejy novakiana
📄 428
Surah Saba

Surah Saba

34:1
ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَهُ ٱلۡحَمۡدُ فِي ٱلۡأٓخِرَةِۚ وَهُوَ ٱلۡحَكِيمُ ٱلۡخَبِيرُ ١
Dera hoan’i Allah Tompon’izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany. ary Azy ny fiderana any an-koatra ary Izy no ilay be faendrena , ilay mahalala tongalafatra.
34:2
يَعۡلَمُ مَا يَلِجُ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا يَخۡرُجُ مِنۡهَا وَمَا يَنزِلُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ وَمَا يَعۡرُجُ فِيهَاۚ وَهُوَ ٱلرَّحِيمُ ٱلۡغَفُورُ ٢
Fantany izay miditra amin’ny tany sy izay mivoka avy ao, ary koa, izay midina avy eny amin’ny lanitra sy izay miakatra eny. fa Izy no ilay be indrafo, ilay mpamela heloka.
34:3
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَا تَأۡتِينَا ٱلسَّاعَةُۖ قُلۡ بَلَىٰ وَرَبِّي لَتَأۡتِيَنَّكُمۡ عَٰلِمِ ٱلۡغَيۡبِۖ لَا يَعۡزُبُ عَنۡهُ مِثۡقَالُ ذَرَّةٍ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَآ أَصۡغَرُ مِن ذَٰلِكَ وَلَآ أَكۡبَرُ إِلَّا فِي كِتَٰبٍ مُّبِينٍ ٣
Hoy ireo tsy mpino : “ tsy ho avy aminay ilay Ora ”. lazao hoe : “ marina eo anatrehan’ny Tompoko! fa tsy maintsy ho avy aminareo tokoa izany. Mahafantatra ny zava-miafina Izy. tsy misy miafina Aminy, na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atoma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza, na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokim-pahazavana.
34:4
لِّيَجۡزِيَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُم مَّغۡفِرَةٌ وَرِزۡقٌ كَرِيمٌ ٤
Mba hamaliana soa izay mino sy manao asa soa. hahazo famelan-keloka sy fanomezana sesehena izy ireo.
34:5
وَٱلَّذِينَ سَعَوۡ فِيٓ ءَايَٰتِنَا مُعَٰجِزِينَ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ مِّن رِّجۡزٍ أَلِيمٌ ٥
Ary ireo izay miezaka manao tsinontsinona ny teninay, dia izy ireny no hahazo sazy amin’ny fampijaliana mamirifiry.
34:6
وَيَرَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ ٱلَّذِيٓ أُنزِلَ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَ هُوَ ٱلۡحَقَّ وَيَهۡدِيٓ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡحَمِيدِ ٦
Ary ireo nomena fahalalana, dia mahita fa izay nampidinina teo aminao, avy amin’ny Tomponao no fahamarinana, izay mitarika ho any amin’ny làlan’ilay tsitoha, ilay mendri-piderana.
34:7
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ هَلۡ نَدُلُّكُمۡ عَلَىٰ رَجُلٍ يُنَبِّئُكُمۡ إِذَا مُزِّقۡتُمۡ كُلَّ مُمَزَّقٍ إِنَّكُمۡ لَفِي خَلۡقٍ جَدِيدٍ ٧
Ary hoy ireo tsy mpino; “ tianareo va ny hanehoanay aminareo ilay olona milaza, fa rehefa potika tanteraka ianareo, dia tsy isalasalana fa hiseho ho voahary vaovao indray.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Thursday, August 27, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







