Surah Al-Ghashiyah amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Ghashiyah miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (26 Andininy — مكية). Al-Ghashiyah Henoy, Al-Ghashiyah Fandikana, Al-Ghashiyah mp3, Al-Ghashiyah pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Ghashiyah

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
هَلْ أَتَاكَ حَدِيثُ الْغَاشِيَةِ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Moa ve tonga taminao ny tantaran'ilay mpandrakotra?
وُجُوهٌ يَوْمَئِذٍ خَاشِعَةٌ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
hisy endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fahatahorana,
عَامِلَةٌ نَّاصِبَةٌ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
sahirana sy torovana,
تَصْلَىٰ نَارًا حَامِيَةً ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
ka ho dorana ao anaty afo miredareda,
تُسْقَىٰ مِنْ عَيْنٍ آنِيَةٍ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
hampisotroina avy amin'ny loharano mangotraka,
لَّيْسَ لَهُمْ طَعَامٌ إِلَّا مِن ضَرِيعٍ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
ary tsy hanan-tsakafo afa tsy karazan-tsilo izy ireo.
لَّا يُسْمِنُ وَلَا يُغْنِي مِن جُوعٍ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
ka tsy hampatavy azy ireo izany no koa tsy hanala ny hanoanana,
وُجُوهٌ يَوْمَئِذٍ نَّاعِمَةٌ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
hisy koa ireo endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fiadanana,
لِّسَعْيِهَا رَاضِيَةٌ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
faly tamin'ny ezaka vitany,
فِي جَنَّةٍ عَالِيَةٍ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
hiditra ny Paradisa mendrika tokoa,
لَّا تَسْمَعُ فِيهَا لَاغِيَةً ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
ka tsy haheno ao anatin'izany ireo teny maloto,
فِيهَا عَيْنٌ جَارِيَةٌ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
hita ao anatin'izany koa ny loharano mikoriana,
فِيهَا سُرُرٌ مَّرْفُوعَةٌ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
fandriana avo toerana,
وَأَكْوَابٌ مَّوْضُوعَةٌ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
ary kaopy efa voahomana,
وَنَمَارِقُ مَصْفُوفَةٌ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
ireo ondana tsara lahatra,
وَزَرَابِيُّ مَبْثُوثَةٌ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
ireo lamaka mivelatra,
أَفَلَا يَنظُرُونَ إِلَى الْإِبِلِ كَيْفَ خُلِقَتْ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
moa tsy nodinihin'izy ireo ny rameva, ahoana ny fomba nahariana azy?
وَإِلَى السَّمَاءِ كَيْفَ رُفِعَتْ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
ary ny lanitra, nanao ahoana ny fomba nampiakarana azy?
وَإِلَى الْجِبَالِ كَيْفَ نُصِبَتْ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Ireo ny tendrombohitra, nanao ahoana ny fomba nametrahana azy?
وَإِلَى الْأَرْضِ كَيْفَ سُطِحَتْ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
ary ny tany, ahoana ny fomba nampitoviana azy?
فَذَكِّرْ إِنَّمَا أَنتَ مُذَكِّرٌ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Koa mampahatsiahiva ! Fa raha ny tena marina dia mpampahatsiahy ihany ianao.
لَّسْتَ عَلَيْهِم بِمُصَيْطِرٍ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Fa tsy mpifehy azy ireo ianao.
إِلَّا مَن تَوَلَّىٰ وَكَفَرَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
afa-tsy izay manome lamosina sy mpikomy.
فَيُعَذِّبُهُ اللَّهُ الْعَذَابَ الْأَكْبَرَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Satria Allah dia hanasazy azy amin'ny famaizana mafy tokoa.
إِنَّ إِلَيْنَا إِيَابَهُمْ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Tena marina! Any Amiko no hiverenan'izy ireo indray.
ثُمَّ إِنَّ عَلَيْنَا حِسَابَهُم ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ary eo am-pelatanako ny fitsaràna azy ireo.
← 87 Al-Ghashiyah (88/114) 89 →
Vakio Surah Al-Ghashiyah Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

88الغاشية Al-Ghashiyah 📚 26 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Ghashiyah — 26 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers