Surah Al-A'la amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-A'la miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (19 Andininy — مكية). Al-A'la Henoy, Al-A'la Fandikana, Al-A'la mp3, Al-A'la pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-A'la

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
سَبِّحِ اسْمَ رَبِّكَ الْأَعْلَى ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Ankalazao ny anaran'ny Tomponao, ilay Avo indrindra!
الَّذِي خَلَقَ فَسَوَّىٰ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
izay nahary sy nandavorary,
وَالَّذِي قَدَّرَ فَهَدَىٰ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ilay nandahatra sy nitantana,
وَالَّذِي أَخْرَجَ الْمَرْعَىٰ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Izay nampitsiry ny vilona,
فَجَعَلَهُ غُثَاءً أَحْوَىٰ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
ka nanao izany ho maina sy malazo avy eo,
سَنُقْرِئُكَ فَلَا تَنسَىٰ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
hampamakianay ianao mba tsy hanadino,
إِلَّا مَا شَاءَ اللَّهُ ۚ إِنَّهُ يَعْلَمُ الْجَهْرَ وَمَا يَخْفَىٰ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
afa-tsy izay sitrak'I Allah ho hadinonao ihany satria Izy no mahalala ny mibaribary sy izay miafina,
وَنُيَسِّرُكَ لِلْيُسْرَىٰ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Eny! Hotarihiko ianao ho any amin'ny lalan'ny fahamorana,
فَذَكِّرْ إِن نَّفَعَتِ الذِّكْرَىٰ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Ary mampahatsiahiva ! Raha toa ka ilaina ny fampahatsiahivana.
سَيَذَّكَّرُ مَن يَخْشَىٰ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
fa hahatsiaro izany izay manam-pahatahorana
وَيَتَجَنَّبُهَا الْأَشْقَى ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Hanalavitra izany kosa ireo olon'ny fijaliana,
الَّذِي يَصْلَى النَّارَ الْكُبْرَىٰ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
izay ho dorana amin'ny afo be,
ثُمَّ لَا يَمُوتُ فِيهَا وَلَا يَحْيَىٰ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
avy eo dia sady tsy ho faty izy ireo ao no sady tsy ho velona ihany koa!
قَدْ أَفْلَحَ مَن تَزَكَّىٰ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Nahazo fandresena tokoa izay manadio ny tenany,
وَذَكَرَ اسْمَ رَبِّهِ فَصَلَّىٰ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
sy nahatsiaro ny anaran'ny Tompony ka nivavaka,
بَلْ تُؤْثِرُونَ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
nefa indrisy! Ankafizinareo kokoa ny fiainana ety an-tany,
وَالْآخِرَةُ خَيْرٌ وَأَبْقَىٰ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
kanefa ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra no mandrakizay.
إِنَّ هَٰذَا لَفِي الصُّحُفِ الْأُولَىٰ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Izany rehetra efa voalaza tamin’ireo rakitsoratra Masina teo aloha,
صُحُفِ إِبْرَاهِيمَ وَمُوسَىٰ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
dia ny rakitsoratr’i Abrahama sy ny an’i Mosesy
← 86 Al-A'la (87/114) 88 →
Vakio Surah Al-A'la Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

87الأعلى Al-A'la 📚 19 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-A'la — 19 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers