📖 0/604 pejy novakiana
📄 21
Al-Baqarah

Al-Baqarah

2:135
وَقَالُواْ كُونُواْ هُودًا أَوۡ نَصَٰرَىٰ تَهۡتَدُواْۗ قُلۡ بَلۡ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِـۧمَ حَنِيفًاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ ١٣٥
Hoy ny tenin’izy ireny : “Aoka ianareo ho Jiosy na Kristianina, dia ho tafazotra amin’ny làla-marina”. Ka lazao azy ireo : “Tsia! Ny fombam-pivavahan’i Ibrahim no madio tsy mifangaro, ary izy rahateo tsy mba isan’ireo mpampitambatra an’Allah amin’ny hafa.
2:136
قُولُوٓاْ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡنَا وَمَآ أُنزِلَ إِلَىٰٓ إِبۡرَٰهِـۧمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطِ وَمَآ أُوتِيَ مُوسَىٰ وَعِيسَىٰ وَمَآ أُوتِيَ ٱلنَّبِيُّونَ مِن رَّبِّهِمۡ لَا نُفَرِّقُ بَيۡنَ أَحَدٍ مِّنۡهُمۡ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُسۡلِمُونَ ١٣٦
Lazainareo fa hoe : " Izahay dia mino an'i Tompo Allah; ary mino izay rehetra nampidinina taminay sy izay nampidinina tamin'i Mpaminany Ibrahim, Ismail, Ishaaq sy Ya'qoub (A.s) ary ireo foko nipoitra avy amin'ny taranak'i Ya'qoub, ary izay nomena an'i Mpaminany Moussa sy Issa (A.s), ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo.ka tsy azonay atao ny manavaka na dia iray aza amin'izy ireo; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy ireryy ihany.
2:137
فَإِنۡ ءَامَنُواْ بِمِثۡلِ مَآ ءَامَنتُم بِهِۦ فَقَدِ ٱهۡتَدَواْۖ وَّإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا هُمۡ فِي شِقَاقٍۖ فَسَيَكۡفِيكَهُمُ ٱللَّهُۚ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ ١٣٧
Ary raha mino izay inoanareo izy ireo, dia azo antoka fa handeha amin’ny làla-marina, fa raha mivily amin’izany kosa, dia hankany amin’ny fizarazarana tokoa! Ampy anao Allah hanohitra azy ireo. Fa Izy no Ilay Mandre, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
2:138
صِبۡغَةَ ٱللَّهِ وَمَنۡ أَحۡسَنُ مِنَ ٱللَّهِ صِبۡغَةًۖ وَنَحۡنُ لَهُۥ عَٰبِدُونَ ١٣٨
“Ny finoana dia an’Allah! Fa iza no manana finoana tsara kokoa mihoatra noho izay an’Allah? Izy no tompoinay”.
2:139
قُلۡ أَتُحَآجُّونَنَا فِي ٱللَّهِ وَهُوَ رَبُّنَا وَرَبُّكُمۡ وَلَنَآ أَعۡمَٰلُنَا وَلَكُمۡ أَعۡمَٰلُكُمۡ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُخۡلِصُونَ ١٣٩
Teneno hoe : " Hiady hevitra aminay mahakasika an'Allah ve ianareo; nefa no Tomponay sy Tomponareo; anay ny asanay ary anareo ny asanareo; fa Izahay kosa dia manokana Azy amin'ny fo madio ? ".
2:140
أَمۡ تَقُولُونَ إِنَّ إِبۡرَٰهِـۧمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطَ كَانُواْ هُودًا أَوۡ نَصَٰرَىٰۗ قُلۡ ءَأَنتُمۡ أَعۡلَمُ أَمِ ٱللَّهُۗ وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن كَتَمَ شَهَٰدَةً عِندَهُۥ مِنَ ٱللَّهِۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ ١٤٠
Sa, hilaza ve ianareo fa i Ibrahim; Ismail; Ishaka; ary Yaquoub sy ireo taranaka, dia Jiosy na Kristianina?”. Lazao azy ireo : “Ianareo ve no tena mahalàla, sa Allah?”. Ary iza no meloka kokoa mihoatra izay sahy manafina ny fijoroana vavolombelona avy amin’Allah? Ary tsy misy miafina amin’Allah izay ataonareo rehetra.
2:141
تِلۡكَ أُمَّةٌ قَدۡ خَلَتۡۖ لَهَا مَا كَسَبَتۡ وَلَكُم مَّا كَسَبۡتُمۡۖ وَلَا تُسۡـَٔلُونَ عَمَّا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ١٤١
Izany dia vahoaka efa lasa; ka ho azy ireo izay nataony ary ho anareo ihany koa ny izay rehetra nataonareo; ary tsy ho hanontaniana akory Ianareo ny amin'izay nataon'izy ireo.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Wednesday, August 19, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







