Al-Baqarah · 137/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
فَإِنْ آمَنُوا بِمِثْلِ مَا آمَنتُم بِهِ فَقَدِ اهْتَدَوا ۖ وَّإِن تَوَلَّوْا فَإِنَّمَا هُمْ فِي شِقَاقٍ ۖ فَسَيَكْفِيكَهُمُ اللَّهُ ۚ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ۝١٣٧
Fa in aamanoo bimisli maaa aamantum bihee faqadih tadaw wa in tawallaw fa innamaa hum fee shiqaaq; fasayakfeekahumul laah; wa Huwas Samee`ul Aleem
📖 Dikany Malagasy
Ary raha mino izay inoanareo izy ireo, dia azo antoka fa handeha amin’ny làla-marina, fa raha mivily amin’izany kosa, dia hankany amin’ny fizarazarana tokoa! Ampy anao Allah hanohitra azy ireo. Fa Izy no Ilay Mandre, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
🎧 Henoy

📜 Andininy 135-139 — Al-Baqarah

135وَقَالُوا كُونُوا هُودًا أَوْ نَصَارَىٰ تَهْتَدُوا ۗ قُلْ بَلْ مِلَّةَ إِبْرَاهِيمَ حَنِيفًا ۖ وَمَا كَانَ مِنَ الْمُشْرِكِينَ
Hoy ny tenin’izy ireny : “Aoka ianareo ho Jiosy na Kristianina, dia ho tafazotra amin’ny làla-marina”. Ka lazao azy ireo : “Tsia! Ny fombam-pivavahan’i Ibrahim no madio tsy mifangaro, ary izy rahateo tsy mba isan’ireo mpampitambatra an’Allah amin’ny hafa.
136قُولُوا آمَنَّا بِاللَّهِ وَمَا أُنزِلَ إِلَيْنَا وَمَا أُنزِلَ إِلَىٰ إِبْرَاهِيمَ وَإِسْمَاعِيلَ وَإِسْحَاقَ وَيَعْقُوبَ وَالْأَسْبَاطِ وَمَا أُوتِيَ مُوسَىٰ وَعِيسَىٰ وَمَا أُوتِيَ النَّبِيُّونَ مِن رَّبِّهِمْ لَا نُفَرِّقُ بَيْنَ أَحَدٍ مِّنْهُمْ وَنَحْنُ لَهُ مُسْلِمُونَ
Lazainareo fa hoe : " Izahay dia mino an'i Tompo Allah; ary mino izay rehetra nampidinina taminay sy izay nampidinina tamin'i Mpaminany Ibrahim, Ismail, Ishaaq sy Ya'qoub (A.s) ary ireo foko nipoitra avy amin'ny taranak'i Ya'qoub, ary izay nomena an'i Mpaminany Moussa sy Issa (A.s), ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo.ka tsy azonay atao ny manavaka na dia iray aza amin'izy ireo; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy ireryy ihany.
137فَإِنْ آمَنُوا بِمِثْلِ مَا آمَنتُم بِهِ فَقَدِ اهْتَدَوا ۖ وَّإِن تَوَلَّوْا فَإِنَّمَا هُمْ فِي شِقَاقٍ ۖ فَسَيَكْفِيكَهُمُ اللَّهُ ۚ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ
Ary raha mino izay inoanareo izy ireo, dia azo antoka fa handeha amin’ny làla-marina, fa raha mivily amin’izany kosa, dia hankany amin’ny fizarazarana tokoa! Ampy anao Allah hanohitra azy ireo. Fa Izy no Ilay Mandre, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
138صِبْغَةَ اللَّهِ ۖ وَمَنْ أَحْسَنُ مِنَ اللَّهِ صِبْغَةً ۖ وَنَحْنُ لَهُ عَابِدُونَ
“Ny finoana dia an’Allah! Fa iza no manana finoana tsara kokoa mihoatra noho izay an’Allah? Izy no tompoinay”.
139قُلْ أَتُحَاجُّونَنَا فِي اللَّهِ وَهُوَ رَبُّنَا وَرَبُّكُمْ وَلَنَا أَعْمَالُنَا وَلَكُمْ أَعْمَالُكُمْ وَنَحْنُ لَهُ مُخْلِصُونَ
Teneno hoe : " Hiady hevitra aminay mahakasika an'Allah ve ianareo; nefa no Tomponay sy Tomponareo; anay ny asanay ary anareo ny asanareo; fa Izahay kosa dia manokana Azy amin'ny fo madio ? ".
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
137Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 137

Surah Al-Baqarah Andininy 137 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha mino izay inoanareo izy ireo, dia azo antoka…

Surah Andininy 137/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 135–139. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers