📖 0/604 pejy novakiana
📄 3
Al-Baqarah

Al-Baqarah

2:6
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ سَوَآءٌ عَلَيۡهِمۡ ءَأَنذَرۡتَهُمۡ أَمۡ لَمۡ تُنذِرۡهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ ٦
Ireo tsy nino kosa dia sahala ihany na hampitandrina azy ireny ianao na tsia, dia tsy hino na oviana na oviana izy ireo.
2:7
خَتَمَ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ وَعَلَىٰ سَمۡعِهِمۡۖ وَعَلَىٰٓ أَبۡصَٰرِهِمۡ غِشَٰوَةٌۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٌ ٧
Efa nakaton’Allah ny fo sy ny sofin’izy ireo, tsy hino sy tsy handre; ary efa misy takona ny masony. Ka famaizana lehibe no miandry azy ireo.
2:8
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَقُولُ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَبِٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَمَا هُم بِمُؤۡمِنِينَ ٨
Misy ny sasany amin’ireo olombelona no milaza fa : “Izahay dia mino an’Allah sy ny andro farany”, kanefa izy ireny dia tsy mino akory.
2:9
يُخَٰدِعُونَ ٱللَّهَ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَمَا يَخۡدَعُونَ إِلَّآ أَنفُسَهُمۡ وَمَا يَشۡعُرُونَ ٩
Mihevitra ny hamitaka an’Allah sy ireo mpino izy ireny, kanefa tsy mahavoafitaka afa-tsy ny tenany ihany; fa saingy tsy tsapany izany.
2:10
فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ فَزَادَهُمُ ٱللَّهُ مَرَضًاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمُۢ بِمَا كَانُواْ يَكۡذِبُونَ ١٠
Misy aretina mitoetra ao am-pon’izy ireo, ary vao mainka ampitomboin’Allah izany aretina izany. Koa miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana tamin’ny lainga nataony.
2:11
وَإِذَا قِيلَ لَهُمۡ لَا تُفۡسِدُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ قَالُوٓاْ إِنَّمَا نَحۡنُ مُصۡلِحُونَ ١١
Raha ilazana izy ireo hoe : “Aza manao fanimbana ety ambonin’ny tany ianareo”, dia toy izao ny valinteniny : “Mpamboatra ny simba fotsiny ihany izahay”.
2:12
أَلَآ إِنَّهُمۡ هُمُ ٱلۡمُفۡسِدُونَ وَلَٰكِن لَّا يَشۡعُرُونَ ١٢
Moa va tsy izy ireny indrindra no tena manao ny fanimbana, fa saingy tsy tsapany izany.
2:13
وَإِذَا قِيلَ لَهُمۡ ءَامِنُواْ كَمَآ ءَامَنَ ٱلنَّاسُ قَالُوٓاْ أَنُؤۡمِنُ كَمَآ ءَامَنَ ٱلسُّفَهَآءُۗ أَلَآ إِنَّهُمۡ هُمُ ٱلسُّفَهَآءُ وَلَٰكِن لَّا يَعۡلَمُونَ ١٣
Ary raha tenenina izy ireo fa hoe : ” Minoa Ianareo tahaka ny finoan’olona rehetra izay nino ”, dia hoy izy ireo indray mamaly ka manao hoe : ” Izahay ve hino tahakan'izay ninoan’ireo olona kely saina ireo ? ” ka moa va tsy izy ireo mihitsy no tena kely saina; saingy tsy fatan'izy ireo akory izany.
2:14
وَإِذَا لَقُواْ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ قَالُوٓاْ ءَامَنَّا وَإِذَا خَلَوۡاْ إِلَىٰ شَيَٰطِينِهِمۡ قَالُوٓاْ إِنَّا مَعَكُمۡ إِنَّمَا نَحۡنُ مُسۡتَهۡزِءُونَ ١٤
Ary rehefa mifanena amin’ireo olona mpino izy ireo, dia milaza hoe : “Mino izahay”; saingy rehefa any an-takonana miaraka amin’ireo satana namany izy, dia manamafy fa : “Izahay dia tena miaraka aminareo; fa vazivazy fotsiny no ataonay”.
2:15
ٱللَّهُ يَسۡتَهۡزِئُ بِهِمۡ وَيَمُدُّهُمۡ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ ١٥
Allah no hamazivazy azy ireo, ary hanosika azy hanampy ny fihoaram-pefy fanaony, ka hizotra hatrany amin’ny fahaverezany izy ireo.
2:16
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ ٱشۡتَرَوُاْ ٱلضَّلَٰلَةَ بِٱلۡهُدَىٰ فَمَا رَبِحَت تِّجَٰرَتُهُمۡ وَمَا كَانُواْ مُهۡتَدِينَ ١٦
Ireo olona ireo no nividy ny fahaverezana tamin’ny làlamarina; kanefa dia tsy namokatra ny raharaham-barotra nataony, no sady tsy nizotra tamin'ny làla-marina.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







