Al-Baqarah · 15/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
اللَّهُ يَسْتَهْزِئُ بِهِمْ وَيَمُدُّهُمْ فِي طُغْيَانِهِمْ يَعْمَهُونَ ۝١٥
Allahu yastahzi`u bihim wa yamudduhum fee tughyaanihim ya`mahoon
📖 Dikany Malagasy
Allah no hamazivazy azy ireo, ary hanosika azy hanampy ny fihoaram-pefy fanaony, ka hizotra hatrany amin’ny fahaverezany izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 13-17 — Surah Al-Baqarah

13وَإِذَا قِيلَ لَهُمْ آمِنُوا كَمَا آمَنَ النَّاسُ قَالُوا أَنُؤْمِنُ كَمَا آمَنَ السُّفَهَاءُ ۗ أَلَا إِنَّهُمْ هُمُ السُّفَهَاءُ وَلَٰكِن لَّا يَعْلَمُونَ
Ary raha tenenina izy ireo fa hoe : ” Minoa Ianareo tahaka ny finoan’olona rehetra izay nino ”, dia hoy izy ireo indray mamaly ka manao hoe : ” Izahay ve hino tahakan'izay ninoan’ireo olona kely saina ireo ? ” ka moa va tsy izy ireo mihitsy no tena kely saina; saingy tsy fatan'izy ireo akory izany.
14وَإِذَا لَقُوا الَّذِينَ آمَنُوا قَالُوا آمَنَّا وَإِذَا خَلَوْا إِلَىٰ شَيَاطِينِهِمْ قَالُوا إِنَّا مَعَكُمْ إِنَّمَا نَحْنُ مُسْتَهْزِئُونَ
Ary rehefa mifanena amin’ireo olona mpino izy ireo, dia milaza hoe : “Mino izahay”; saingy rehefa any an-takonana miaraka amin’ireo satana namany izy, dia manamafy fa : “Izahay dia tena miaraka aminareo; fa vazivazy fotsiny no ataonay”.
15اللَّهُ يَسْتَهْزِئُ بِهِمْ وَيَمُدُّهُمْ فِي طُغْيَانِهِمْ يَعْمَهُونَ
Allah no hamazivazy azy ireo, ary hanosika azy hanampy ny fihoaram-pefy fanaony, ka hizotra hatrany amin’ny fahaverezany izy ireo.
16أُولَٰئِكَ الَّذِينَ اشْتَرَوُا الضَّلَالَةَ بِالْهُدَىٰ فَمَا رَبِحَت تِّجَارَتُهُمْ وَمَا كَانُوا مُهْتَدِينَ
Ireo olona ireo no nividy ny fahaverezana tamin’ny làlamarina; kanefa dia tsy namokatra ny raharaham-barotra nataony, no sady tsy nizotra tamin'ny làla-marina.
17مَثَلُهُمْ كَمَثَلِ الَّذِي اسْتَوْقَدَ نَارًا فَلَمَّا أَضَاءَتْ مَا حَوْلَهُ ذَهَبَ اللَّهُ بِنُورِهِمْ وَتَرَكَهُمْ فِي ظُلُمَاتٍ لَّا يُبْصِرُونَ
Izy ireny dia mitovy tahaka ny olona iray izay nandrehitra afo; ka rehefa nampazava ny manodidina azy izany afo izany dia nesorin'i Tompo Allah ny hazavana teo amin'izy ireo ary navelany tao anaty haizim-pito tsy mahita na inona na inona intsony izy ireo
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
15Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 15

Surah Al-Baqarah Andininy 15 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Allah no hamazivazy azy ireo, ary hanosika azy hanampy ny…

Surah Andininy 15/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 13–17. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers