Surah Al-Hashr amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Al-Hashr miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (24 Andininy — مدنية). Al-Hashr Henoy, Al-Hashr Fandikana, Al-Hashr mp3, Al-Hashr pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Al-Hashr
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
سَبَّحَ لِلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۖ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ١
📖 Fandikana
Andininy 1
Manome voninahitra an’I Allah izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no ilay tsitoha, ilay be fahendrena.
هُوَ الَّذِي أَخْرَجَ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْ أَهْلِ الْكِتَابِ مِن دِيَارِهِمْ لِأَوَّلِ الْحَشْرِ ۚ مَا ظَنَنتُمْ أَن يَخْرُجُوا ۖ وَظَنُّوا أَنَّهُم مَّانِعَتُهُمْ حُصُونُهُم مِّنَ اللَّهِ فَأَتَاهُمُ اللَّهُ مِنْ حَيْثُ لَمْ يَحْتَسِبُوا ۖ وَقَذَفَ فِي قُلُوبِهِمُ الرُّعْبَ ۚ يُخْرِبُونَ بُيُوتَهُم بِأَيْدِيهِمْ وَأَيْدِي الْمُؤْمِنِينَ فَاعْتَبِرُوا يَا أُولِي الْأَبْصَارِ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Izy no namoaka izay tsy nino tao amin’ny tranon’izy ireo, tamin’ireo olon’ny Boky, tamin’ny famoriana voalohany. Tsy noheverinareo handeha izy ireo, ary nihevitra izy ireo, fa niaro azy amin’I Allah ny toeram-pialofany, saingy tonga teo amin’izy ireo tamin’ny tsy nampoiziny ny didin'I Allah, ka nampiditra horohoro tao am-pony. Ny tanan’izy ireo ihany, sy ny tanan’ireo mpino no nandrodana ny tranony. Makà anatra amin’izany ianareo ry nomena fahiratana.
وَلَوْلَا أَن كَتَبَ اللَّهُ عَلَيْهِمُ الْجَلَاءَ لَعَذَّبَهُمْ فِي الدُّنْيَا ۖ وَلَهُمْ فِي الْآخِرَةِ عَذَابُ النَّارِ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Fa raha tsy efa nodidin’I Allah mialoha ny fialan’izy ireo tamin’ny taniny, dia nosaziany teto an-tany tokoa izy ireo, ary hahazo famaizan’ny afo any ankoatra.
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ شَاقُّوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ ۖ وَمَن يُشَاقِّ اللَّهَ فَإِنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعِقَابِ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Izany no izy, satria manohitra an’I Allah sy ny irany izy ireo ary na iza na iza manohitra an’I Allah dia hamafisina, fa mafy sazy tokoa Allah.
مَا قَطَعْتُم مِّن لِّينَةٍ أَوْ تَرَكْتُمُوهَا قَائِمَةً عَلَىٰ أُصُولِهَا فَبِإِذْنِ اللَّهِ وَلِيُخْزِيَ الْفَاسِقِينَ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Izay hazo na palma notapahanareo na izay navelanareo hitsangana amin’ny vahatrany, dia alalana avy amin’I Allah izany, ary mba hanalany baraka ireo ratsy fitondran-tena.
وَمَا أَفَاءَ اللَّهُ عَلَىٰ رَسُولِهِ مِنْهُمْ فَمَا أَوْجَفْتُمْ عَلَيْهِ مِنْ خَيْلٍ وَلَا رِكَابٍ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ يُسَلِّطُ رُسُلَهُ عَلَىٰ مَن يَشَاءُ ۚ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Ireo harena no baboina avy amin’ny fananan’izy ireo, ka natolotr’I Allah ny irany tsy nisy ady, ary tsy nampiasanareo soavaly na rameva, fa omen’I Allah ireo irany kosa ny fifehezana amin’izay tiany ary mahefa ny zavatra rehetra Izy.
مَّا أَفَاءَ اللَّهُ عَلَىٰ رَسُولِهِ مِنْ أَهْلِ الْقُرَىٰ فَلِلَّهِ وَلِلرَّسُولِ وَلِذِي الْقُرْبَىٰ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينِ وَابْنِ السَّبِيلِ كَيْ لَا يَكُونَ دُولَةً بَيْنَ الْأَغْنِيَاءِ مِنكُمْ ۚ وَمَا آتَاكُمُ الرَّسُولُ فَخُذُوهُ وَمَا نَهَاكُمْ عَنْهُ فَانتَهُوا ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۖ إِنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعِقَابِ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Ireo harena nobaboina avy amin’ny mponin’ireo tanàna, izay natolotr’Allah ny irany, tsy nisy ady, dia ho an’Allah, sy ny irany, ary ho an’ireo havany, ireo kamboty, ireo mahantra sy ireo mpandeha lavitra tra-pahasahiranana, mba tsy handeha ny amin’izay manan-karena ihany aminareo. Raiso izay omen’ilay iraka ho anareo, fa avelao kosa izay andraràny anareo ; ary aoka ianareo hatahotra an’Allah, fa mafy sazy tokoa Allah.
لِلْفُقَرَاءِ الْمُهَاجِرِينَ الَّذِينَ أُخْرِجُوا مِن دِيَارِهِمْ وَأَمْوَالِهِمْ يَبْتَغُونَ فَضْلًا مِّنَ اللَّهِ وَرِضْوَانًا وَيَنصُرُونَ اللَّهَ وَرَسُولَهُ ۚ أُولَٰئِكَ هُمُ الصَّادِقُونَ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Ho an’ireo mpifindra-monina sahirana izay voaroaka tamin’ny fonenany sy ny fananany (mahazo anjara amin’izany koa), adidin’izy ireo anefa ny mitady ny fahasoavana sy ny fankasitrahan’I Allah, ary mitondra famonjena izay momba an'I Allah sy ny irany. Izy ireny no olo-marina.
وَالَّذِينَ تَبَوَّءُوا الدَّارَ وَالْإِيمَانَ مِن قَبْلِهِمْ يُحِبُّونَ مَنْ هَاجَرَ إِلَيْهِمْ وَلَا يَجِدُونَ فِي صُدُورِهِمْ حَاجَةً مِّمَّا أُوتُوا وَيُؤْثِرُونَ عَلَىٰ أَنفُسِهِمْ وَلَوْ كَانَ بِهِمْ خَصَاصَةٌ ۚ وَمَن يُوقَ شُحَّ نَفْسِهِ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الْمُفْلِحُونَ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Ho an’ireo nitoetra teo amin’ny tanàna talohan’izy ireo, sady tao anatin’ny finoana, ary mitia ireo mpifindra-monina teo aminy, ka tsy misy fitsiriritana am-po amin’izay azon’izy ireo, fa tia azy ireo noho ny tenany, na dia tsy misy aza eo aminy. Na iza na iza miaro tena amin’ny fahihirana, dia izy ireo no mahita fahombiazana.
وَالَّذِينَ جَاءُوا مِن بَعْدِهِمْ يَقُولُونَ رَبَّنَا اغْفِرْ لَنَا وَلِإِخْوَانِنَا الَّذِينَ سَبَقُونَا بِالْإِيمَانِ وَلَا تَجْعَلْ فِي قُلُوبِنَا غِلًّا لِّلَّذِينَ آمَنُوا رَبَّنَا إِنَّكَ رَءُوفٌ رَّحِيمٌ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Ary izay tonga taorian’izy ireo, ka miteny hoe : Tomponay ô ! Mamelà ny helokay, sy an’ireo rahalahinay, izay nialoha lalana anay tamin’ny finoana ; ary aza hatao misy lolom-po amin’ireo mpino ao am-ponay. Tomponay ô ! be fangorahana sy be indrafo tokoa Ianao.
۞ أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ نَافَقُوا يَقُولُونَ لِإِخْوَانِهِمُ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْ أَهْلِ الْكِتَابِ لَئِنْ أُخْرِجْتُمْ لَنَخْرُجَنَّ مَعَكُمْ وَلَا نُطِيعُ فِيكُمْ أَحَدًا أَبَدًا وَإِن قُوتِلْتُمْ لَنَنصُرَنَّكُمْ وَاللَّهُ يَشْهَدُ إِنَّهُمْ لَكَاذِبُونَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Tsy hitanao va, ireo mpihatsaravelatsihy izay miteny amin’ireo rahalahiny tsy mino amin’ireo olon’ny Boky hoe : Raha voaroaka ianareo, dia hiaraka aminareo tokoa izahay, ary tsy hankato olona manohitra anareo mihitsy ; fa raha misy manafika ianareo, dia hamonjy anareo tokoa izahay, Allah anefa dia manamafy, fa mpandainga tokoa izy ireo.
لَئِنْ أُخْرِجُوا لَا يَخْرُجُونَ مَعَهُمْ وَلَئِن قُوتِلُوا لَا يَنصُرُونَهُمْ وَلَئِن نَّصَرُوهُمْ لَيُوَلُّنَّ الْأَدْبَارَ ثُمَّ لَا يُنصَرُونَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Raha voaroaka izy ireo, dia tsy hiaraka aminy velively izy ireny ; ary raha misy manafika izy ireo, dia tsy hamonjy akory izy ireny, fa na hamonjy aza, dia azo antoka fa hanome lamosina, ka tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
لَأَنتُمْ أَشَدُّ رَهْبَةً فِي صُدُورِهِم مِّنَ اللَّهِ ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَوْمٌ لَّا يَفْقَهُونَ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Mampiditra tahotra ao am-pon’izy ireo ianareo, nihoatra an’I Allah satria olona tsy mandinika izy ireo.
لَا يُقَاتِلُونَكُمْ جَمِيعًا إِلَّا فِي قُرًى مُّحَصَّنَةٍ أَوْ مِن وَرَاءِ جُدُرٍ ۚ بَأْسُهُم بَيْنَهُمْ شَدِيدٌ ۚ تَحْسَبُهُمْ جَمِيعًا وَقُلُوبُهُمْ شَتَّىٰ ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَوْمٌ لَّا يَعْقِلُونَ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Tsy hifarimbona hiady aminareo izy ireo, afa-tsy ao anaty tanàna nohamafisina, na avy any ambadiky ny tamboho. mafy ny tsy fifanarahan’izy ireo, heverinao fa miray hina izy ireo, kanefa mizarazara ny fony ! Satria olona tsy misaina izy ireo.
كَمَثَلِ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ قَرِيبًا ۖ ذَاقُوا وَبَالَ أَمْرِهِمْ وَلَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Mitovy amin’ireo talohan'izy ireo, izay nanandrana ny vokatry ny fitondran-tenany, ka hahazo famaizana mamirifiry.
كَمَثَلِ الشَّيْطَانِ إِذْ قَالَ لِلْإِنسَانِ اكْفُرْ فَلَمَّا كَفَرَ قَالَ إِنِّي بَرِيءٌ مِّنكَ إِنِّي أَخَافُ اللَّهَ رَبَّ الْعَالَمِينَ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Mitovy amin’ny devoly miteny amin’ny olombelona hoe : aza mino ianao ! Ka rehefa tsy nino izy, dia hoy ny devoly : miala aminao madiodio aho, fa matahotra an’I Allah Tompon’izao tontolo izao.
فَكَانَ عَاقِبَتَهُمَا أَنَّهُمَا فِي النَّارِ خَالِدَيْنِ فِيهَا ۚ وَذَٰلِكَ جَزَاءُ الظَّالِمِينَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Any amin’ny afo no fiafaran’izy roa tonta, ka hitoetra ao mandrakizay, izany no hamaliana ireo mpanao ny tsy rariny.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اتَّقُوا اللَّهَ وَلْتَنظُرْ نَفْسٌ مَّا قَدَّمَتْ لِغَدٍ ۖ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ خَبِيرٌ بِمَا تَعْمَلُونَ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ianareo mpino ! Matahora an’I Allah ianareo. Aoka samy handinika tsara izay nataony ho an’ny rahampitso ny tsirairay ary matahora an’I Allah ianareo, fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
وَلَا تَكُونُوا كَالَّذِينَ نَسُوا اللَّهَ فَأَنسَاهُمْ أَنفُسَهُمْ ۚ أُولَٰئِكَ هُمُ الْفَاسِقُونَ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Ary aza manao tahaka ireo izay nanadino an’I Allah, ka nataon’i Allah nanadino ny tenany izy ireo, izy ireny no ratsy fitondran-tena.
لَا يَسْتَوِي أَصْحَابُ النَّارِ وَأَصْحَابُ الْجَنَّةِ ۚ أَصْحَابُ الْجَنَّةِ هُمُ الْفَائِزُونَ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Tsy hitovy ireo olon’ny afo, sy ireo olon’ny Paradisa, ireo olon'ny Paradisa no mpandresy.
لَوْ أَنزَلْنَا هَٰذَا الْقُرْآنَ عَلَىٰ جَبَلٍ لَّرَأَيْتَهُ خَاشِعًا مُّتَصَدِّعًا مِّنْ خَشْيَةِ اللَّهِ ۚ وَتِلْكَ الْأَمْثَالُ نَضْرِبُهَا لِلنَّاسِ لَعَلَّهُمْ يَتَفَكَّرُونَ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Raha nampidininay tamina tendrombohitra ity Koroany ity, dia hitanao fa nanetri-tena izy, ka nitresaka nohon'ny tahotra an’I Allah, fa ireny fanoharana ireny, dia ambaranay amin’ny olona mba hieritreretany.
هُوَ اللَّهُ الَّذِي لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۖ عَالِمُ الْغَيْبِ وَالشَّهَادَةِ ۖ هُوَ الرَّحْمَٰنُ الرَّحِيمُ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Izy no Allah. Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy, Ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny hita maso. Izy no ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
هُوَ اللَّهُ الَّذِي لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الْمَلِكُ الْقُدُّوسُ السَّلَامُ الْمُؤْمِنُ الْمُهَيْمِنُ الْعَزِيزُ الْجَبَّارُ الْمُتَكَبِّرُ ۚ سُبْحَانَ اللَّهِ عَمَّا يُشْرِكُونَ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Izy no Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ; Ilay Tompo, Ilay masina, Ilay mampitony, Ilay mampatoky, Ilay mahery indrindra, Ilay tsitoha, Ilay mpifehy, Ilay mpirehareha. Voninahitra ho an’I Allah ! Ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy.
هُوَ اللَّهُ الْخَالِقُ الْبَارِئُ الْمُصَوِّرُ ۖ لَهُ الْأَسْمَاءُ الْحُسْنَىٰ ۚ يُسَبِّحُ لَهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Izy no Allah, Ilay mpahary, Ilay manome ny fiandoahan'ny zava-drehetra, Ilay mpanome endrika azy ireo ny anarana tsara indrindra, manome voninahitra Azy avokoa, izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena.
Vakio Surah Al-Hashr Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

