Surah At-Tahrim amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah At-Tahrim miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (12 Andininy — مدنية). At-Tahrim Henoy, At-Tahrim Fandikana, At-Tahrim mp3, At-Tahrim pdf.Vakio sy Henoy ny Surah At-Tahrim
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
يَا أَيُّهَا النَّبِيُّ لِمَ تُحَرِّمُ مَا أَحَلَّ اللَّهُ لَكَ ۖ تَبْتَغِي مَرْضَاتَ أَزْوَاجِكَ ۚ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ١
📖 Fandikana
Andininy 1
Ry mpaminany ! Nahoana no mifady izay efa nataon’Allah ara-dalàna ho anao ianao, ho fitadiavanao ny fankasitrahan’ireo vadinao ? Fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
قَدْ فَرَضَ اللَّهُ لَكُمْ تَحِلَّةَ أَيْمَانِكُمْ ۚ وَاللَّهُ مَوْلَاكُمْ ۖ وَهُوَ الْعَلِيمُ الْحَكِيمُ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Hamafisina, fa nandidy anareo Allah mba hiala amin’ny fianianana ianareo. Allah no Tomponareo ; ary Izy no mahalala ny zava-drehetra, be fahendrena.
وَإِذْ أَسَرَّ النَّبِيُّ إِلَىٰ بَعْضِ أَزْوَاجِهِ حَدِيثًا فَلَمَّا نَبَّأَتْ بِهِ وَأَظْهَرَهُ اللَّهُ عَلَيْهِ عَرَّفَ بَعْضَهُ وَأَعْرَضَ عَن بَعْضٍ ۖ فَلَمَّا نَبَّأَهَا بِهِ قَالَتْ مَنْ أَنبَأَكَ هَٰذَا ۖ قَالَ نَبَّأَنِيَ الْعَلِيمُ الْخَبِيرُ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Ary rehefa nilaza ny tsiambaratelo tamin’ny iray amin’ny vadiny ny mpaminany, dia naparitany, ary nasehon’Allah ny mpaminany izany, ka nampahafantariny azy ny ampahany, fa navelany kosa ny ampahany hafa. Ary rehefa nilazany izany ilay vadiny, dia namaly hoe : iza no nilaza izany taminao ? Hoy ny mpaminany : Ilay mahalala ny zava-drehetra, Ilay mahafantatra tanteraka no nilaza izany tamiko.
إِن تَتُوبَا إِلَى اللَّهِ فَقَدْ صَغَتْ قُلُوبُكُمَا ۖ وَإِن تَظَاهَرَا عَلَيْهِ فَإِنَّ اللَّهَ هُوَ مَوْلَاهُ وَجِبْرِيلُ وَصَالِحُ الْمُؤْمِنِينَ ۖ وَالْمَلَائِكَةُ بَعْدَ ذَٰلِكَ ظَهِيرٌ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Raha mibebaka amin’Allah ianareo roa dia efa malefaka ny fonareo, fa raha mifanampy hanohitra ny Mpaminany kosa ianareo dia Allah no mpiahy azy,sy i Gabriely ary ireo mendrika amin’ireo mpino ary manampy izany koa ireo Anjely rehetra.
عَسَىٰ رَبُّهُ إِن طَلَّقَكُنَّ أَن يُبْدِلَهُ أَزْوَاجًا خَيْرًا مِّنكُنَّ مُسْلِمَاتٍ مُّؤْمِنَاتٍ قَانِتَاتٍ تَائِبَاتٍ عَابِدَاتٍ سَائِحَاتٍ ثَيِّبَاتٍ وَأَبْكَارًا ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Raha misaraka aminareo izy, dia (mety) omen'ny Tompo vady tsara kokoa noho izy ianareo, vehivavy mpandala ny finoana islamo, mpino, mpankato, mpibebaka, mpanompo, mpifehy, avy nanambady, na koa mbola virjiny.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا قُوا أَنفُسَكُمْ وَأَهْلِيكُمْ نَارًا وَقُودُهَا النَّاسُ وَالْحِجَارَةُ عَلَيْهَا مَلَائِكَةٌ غِلَاظٌ شِدَادٌ لَّا يَعْصُونَ اللَّهَ مَا أَمَرَهُمْ وَيَفْعَلُونَ مَا يُؤْمَرُونَ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
O ianareo mpino !Arovy amin’ny afo ny tenanareo sy ny fianakavianareo, fa ny olona sy ny vato no ho fandrehitra ao, ambenin’ireo Anjely hentitra sy masiaka, tsy manohitra an’Allah mihitsy amin’izay andidiany azy, fa manao izay ampanaoviny azy.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ كَفَرُوا لَا تَعْتَذِرُوا الْيَوْمَ ۖ إِنَّمَا تُجْزَوْنَ مَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
O ianareo tsy mpino ! Aza miala tsiny ianareo androany. Tsy ho valiana afa-tsy araka izay nataonareo ihany ianareo.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا تُوبُوا إِلَى اللَّهِ تَوْبَةً نَّصُوحًا عَسَىٰ رَبُّكُمْ أَن يُكَفِّرَ عَنكُمْ سَيِّئَاتِكُمْ وَيُدْخِلَكُمْ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ يَوْمَ لَا يُخْزِي اللَّهُ النَّبِيَّ وَالَّذِينَ آمَنُوا مَعَهُ ۖ نُورُهُمْ يَسْعَىٰ بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَبِأَيْمَانِهِمْ يَقُولُونَ رَبَّنَا أَتْمِمْ لَنَا نُورَنَا وَاغْفِرْ لَنَا ۖ إِنَّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Fa ianareo mpino kosa ! Aoka ianareo hibebaka amin’I Allah amin’ny fibebahana marina tokoa. Ho fafan’ny Tomponareo anie ireo hadisoanareo, ka hampidiriny any amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny ianareo, amin’ny andro izay tsy hanomezan’I Allah fahafahambaraka ny Mpaminany, sy ireo mpino miaraka aminy, hihazakazaka eo anoloan’izy ireo sy eo an-kavanany ihany koa ny hazavany ; hiteny izy ireo hoe : Tomponay ô ! fenoy ny hazavanay, ary avelao ny helokay, fa mahefa ny zava-drehetra tokoa Ianao.
يَا أَيُّهَا النَّبِيُّ جَاهِدِ الْكُفَّارَ وَالْمُنَافِقِينَ وَاغْلُظْ عَلَيْهِمْ ۚ وَمَأْوَاهُمْ جَهَنَّمُ ۖ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
O ry Mpaminany ! Tohero ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, ary aoka ianareo ho henjana amin’izy ireo. Ny afobe no ho fialofan’izy ireo ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !
ضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا لِّلَّذِينَ كَفَرُوا امْرَأَتَ نُوحٍ وَامْرَأَتَ لُوطٍ ۖ كَانَتَا تَحْتَ عَبْدَيْنِ مِنْ عِبَادِنَا صَالِحَيْنِ فَخَانَتَاهُمَا فَلَمْ يُغْنِيَا عَنْهُمَا مِنَ اللَّهِ شَيْئًا وَقِيلَ ادْخُلَا النَّارَ مَعَ الدَّاخِلِينَ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Nataon’Allah fanoharana ho an’ireo tsy mpino ny vadin’i Noa sy ny vadin’i Lota. Teo ambany fahefan’ireo mpanomponay roa tena tsara fitondran-tena izy ireo, namitaka avokoa izy roa, ka tsy nahavitana na inona na inona teo anatrehan’I Allah izy ireo, ary dia voalaza fa miditra ao amin’ny afo izy roa vavy, miaraka amin’ireo izay miditra ao.
وَضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا لِّلَّذِينَ آمَنُوا امْرَأَتَ فِرْعَوْنَ إِذْ قَالَتْ رَبِّ ابْنِ لِي عِندَكَ بَيْتًا فِي الْجَنَّةِ وَنَجِّنِي مِن فِرْعَوْنَ وَعَمَلِهِ وَنَجِّنِي مِنَ الْقَوْمِ الظَّالِمِينَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Ary nataon’I Allah fanoharana ho an’ireo mpino ny vadin’i Faraona, tamin’izy niteny hoe : Tompo ô ! Anamboary trano eo akaikinao any amin’ny Paradisa aho, ka avoty amin’i Faraona sy ny asany aho ary avoty amin’ireo olona mpanao ny tsy rariny.
وَمَرْيَمَ ابْنَتَ عِمْرَانَ الَّتِي أَحْصَنَتْ فَرْجَهَا فَنَفَخْنَا فِيهِ مِن رُّوحِنَا وَصَدَّقَتْ بِكَلِمَاتِ رَبِّهَا وَكُتُبِهِ وَكَانَتْ مِنَ الْقَانِتِينَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Toy izany koa i Maria, zanaka vavin’i Imran, izay nitandrina ny maha virijiny azy, ka notsofinay taminy ny fanahy avy Aminay. Natoky tanteraka ny tenin’ny Tompony sy ireo Boky izy, ary isan’ireo nanokan-tena feno fankatoavana.
Vakio Surah At-Tahrim Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

