📖 0/604 pejy novakiana
📄 249
Surah Ar-Ra'd

Surah Ar-Ra'd

13:1
الٓمٓرۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِۗ وَٱلَّذِيٓ أُنزِلَ إِلَيۡكَ مِن رَّبِّكَ ٱلۡحَقُّ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يُؤۡمِنُونَ ١
ALIF, LAM, MIM, RA, indro ireo andian-teny masin’ilay Boky; izay nampidinina Taminao avy amin’ny Tomponao ilay marina, nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mino izany.
13:2
ٱللَّهُ ٱلَّذِي رَفَعَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ بِغَيۡرِ عَمَدٍ تَرَوۡنَهَاۖ ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰ عَلَى ٱلۡعَرۡشِۖ وَسَخَّرَ ٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ كُلٌّ يَجۡرِي لِأَجَلٍ مُّسَمًّىۚ يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَ يُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّكُم بِلِقَآءِ رَبِّكُمۡ تُوقِنُونَ ٢
Allah no nampiakatra ireo lanitra tsy misy andry izay hitanareo maso. Avy eo dia nitoetra teo ambonin’ny Seza fiandrianany Izy ary nataony ny masoandro sy ny volana (ho ampiasain’ny olombelona), mihazakazaka mankany amin’ny fiafarana voatondro ny tsirairay, Izy no mandrindra ny fiandidiana rehetra. Ary Izy no mamakafaka amin’ny antsipiriany ireo famantarana angamba hino marina Ianareo amin’ny fihaonana amin’ny Tomponareo.
13:3
وَهُوَ ٱلَّذِي مَدَّ ٱلۡأَرۡضَ وَجَعَلَ فِيهَا رَوَٰسِيَ وَأَنۡهَٰرًاۖ وَمِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِ جَعَلَ فِيهَا زَوۡجَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِۖ يُغۡشِي ٱلَّيۡلَ ٱلنَّهَارَۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍ لِّقَوۡمٍ يَتَفَكَّرُونَ ٣
Ary Izy no nampidadasika ny tany ka nametraka ireo tendrombohitra sy ireo renirano teo Aminy. Ary amin’ny karazam-bokatra tsirairay, dia nataony tsiroaroa misy ny lahy sy ny vavy; nataony andrakotra ny andro ny alina. Tena marina, fa izany tokoa no porofo ho an’ireo vahoaka misaina.
13:4
وَفِي ٱلۡأَرۡضِ قِطَعٌ مُّتَجَٰوِرَٰتٌ وَجَنَّٰتٌ مِّنۡ أَعۡنَٰبٍ وَزَرۡعٌ وَنَخِيلٌ صِنۡوَانٌ وَغَيۡرُ صِنۡوَانٍ يُسۡقَىٰ بِمَآءٍ وَٰحِدٍ وَنُفَضِّلُ بَعۡضَهَا عَلَىٰ بَعۡضٍ فِي ٱلۡأُكُلِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٍ لِّقَوۡمٍ يَعۡقِلُونَ ٤
Eny ambony tany dia misy ireo sombin-tanimboly mifanakaiky, ireo zaridaim-boaloboka, ary ireo voa madinika sy ireo hazo palma mitangorona na mifanelanelana voatondraky ny rano iray ihany, nefa nataonay ambony kokoa ny tsiron’ny sasany amin’ny sasany hafa. Izany dia porofo ho an’ireo vahoaka mandinika.
13:5
۞ وَإِن تَعۡجَبۡ فَعَجَبٌ قَوۡلُهُمۡ أَءِذَا كُنَّا تُرَٰبًا أَءِنَّا لَفِي خَلۡقٍ جَدِيدٍۗ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِرَبِّهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ ٱلۡأَغۡلَٰلُ فِيٓ أَعۡنَاقِهِمۡۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ٥
Ary raha misy mahagaga Anao, dia tsy misy tena mahagaga raha tsy ny fitenin’izy ireo manao hoe :“ Raha lasa vovoka Isika, moa hiverina amin’ny fahariana vaovao indray ve ? " Izy ireny no tsy mino ny Tompon’izy ireo. Ary izy ireo no hitondra zioga eo am-bozony. Ary izy ireo no vahoakan’ny Afobe sy hitoetra ao mandrakizay.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 25, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







