Ar-Ra'd · 1/43
Fandikana Fanononana — Ar-Ra'd
المر ۚ تِلْكَ آيَاتُ الْكِتَابِ ۗ وَالَّذِي أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ الْحَقُّ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يُؤْمِنُونَ ۝١
Alif-Laaam-Meeem-Raa; tilka Aayaatul Kitaab; wallazee unzila ilaika mir Rabbikal haqqu wa laakinna aksaran naasi laa yu`minoon
📖 Dikany Malagasy
ALIF, LAM, MIM, RA, indro ireo andian-teny masin’ilay Boky; izay nampidinina Taminao avy amin’ny Tomponao ilay marina, nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mino izany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 1-3 — Ar-Ra'd

1المر ۚ تِلْكَ آيَاتُ الْكِتَابِ ۗ وَالَّذِي أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ الْحَقُّ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يُؤْمِنُونَ
ALIF, LAM, MIM, RA, indro ireo andian-teny masin’ilay Boky; izay nampidinina Taminao avy amin’ny Tomponao ilay marina, nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mino izany.
2اللَّهُ الَّذِي رَفَعَ السَّمَاوَاتِ بِغَيْرِ عَمَدٍ تَرَوْنَهَا ۖ ثُمَّ اسْتَوَىٰ عَلَى الْعَرْشِ ۖ وَسَخَّرَ الشَّمْسَ وَالْقَمَرَ ۖ كُلٌّ يَجْرِي لِأَجَلٍ مُّسَمًّى ۚ يُدَبِّرُ الْأَمْرَ يُفَصِّلُ الْآيَاتِ لَعَلَّكُم بِلِقَاءِ رَبِّكُمْ تُوقِنُونَ
Allah no nampiakatra ireo lanitra tsy misy andry izay hitanareo maso. Avy eo dia nitoetra teo ambonin’ny Seza fiandrianany Izy ary nataony ny masoandro sy ny volana (ho ampiasain’ny olombelona), mihazakazaka mankany amin’ny fiafarana voatondro ny tsirairay, Izy no mandrindra ny fiandidiana rehetra. Ary Izy no mamakafaka amin’ny antsipiriany ireo famantarana angamba hino marina Ianareo amin’ny fihaonana amin’ny Tomponareo.
3وَهُوَ الَّذِي مَدَّ الْأَرْضَ وَجَعَلَ فِيهَا رَوَاسِيَ وَأَنْهَارًا ۖ وَمِن كُلِّ الثَّمَرَاتِ جَعَلَ فِيهَا زَوْجَيْنِ اثْنَيْنِ ۖ يُغْشِي اللَّيْلَ النَّهَارَ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ
Ary Izy no nampidadasika ny tany ka nametraka ireo tendrombohitra sy ireo renirano teo Aminy. Ary amin’ny karazam-bokatra tsirairay, dia nataony tsiroaroa misy ny lahy sy ny vavy; nataony andrakotra ny andro ny alina. Tena marina, fa izany tokoa no porofo ho an’ireo vahoaka misaina.
Ar-Ra'dFizahan-takila Koraña
43Andininy
MedinanRevelation
1Andininy

Fandikana — Ar-Ra'd 1

Surah Ar-Ra'd Andininy 1 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : ALIF, LAM, MIM, RA, indro ireo andian-teny masin’ilay Boky; izay…

Surah Andininy 1/43 — Ar-Ra'd الرعد (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Ar-Ra'd Henoy, Ar-Ra'd Fandikana, Ar-Ra'd mp3, Ar-Ra'd pdf. Andininy 1–3. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers