📖 0/604 pejy novakiana
📄 350
Surah An-Nur

Surah An-Nur

24:1
سُورَةٌ أَنزَلۡنَٰهَا وَفَرَضۡنَٰهَا وَأَنزَلۡنَا فِيهَآ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٍ لَّعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ ١
Indro soratra (antoko-tsoratra) iray, izay nampidininay, sy izay nodidianay, ary nampidininay tao anatin’izany ireo famantarana maro miharihary, angamba hahatsiaro tena ianareo.
24:2
ٱلزَّانِيَةُ وَٱلزَّانِي فَٱجۡلِدُواْ كُلَّ وَٰحِدٍ مِّنۡهُمَا مِاْئَةَ جَلۡدَةٍۖ وَلَا تَأۡخُذۡكُم بِهِمَا رَأۡفَةٌ فِي دِينِ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ تُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۖ وَلۡيَشۡهَدۡ عَذَابَهُمَا طَآئِفَةٌ مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٢
Ny vehivavy mpijangajanga sy ny lehilahy mpijangajanga dia kapohinareo in-jato tsirairay avy izy roa amin’ny karavasy. Aoka tsy ho resin’ny fangorahana ianareo amin’ny fanatanterahana ny didin’I Allah amin’izy roa, raha mino an'I Allah sy ny Andro farany ianareo, ary aoka hisy hiatrika ny famaizana azy ireo ny andian’ireo mpino.
24:3
ٱلزَّانِي لَا يَنكِحُ إِلَّا زَانِيَةً أَوۡ مُشۡرِكَةً وَٱلزَّانِيَةُ لَا يَنكِحُهَآ إِلَّا زَانٍ أَوۡ مُشۡرِكٌۚ وَحُرِّمَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٣
Ny lehilahy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy vehivavy mpijangajanga, na vehivavy mpanompo sampy, ary ny vehivavy mpijangajanga dia tsy hanambady afa-tsy lehilahy mpijangajanga, na lehilahy mpanompo sampy, ary izany dia voarara ho an’ireo mpino.
24:4
وَٱلَّذِينَ يَرۡمُونَ ٱلۡمُحۡصَنَٰتِ ثُمَّ لَمۡ يَأۡتُواْ بِأَرۡبَعَةِ شُهَدَآءَ فَٱجۡلِدُوهُمۡ ثَمَٰنِينَ جَلۡدَةً وَلَا تَقۡبَلُواْ لَهُمۡ شَهَٰدَةً أَبَدًاۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ ٤
Ary ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy madio fitondran-tena ka tsy mitondra vavolombelona efatra, dia kapoinareo im-balo-polo izy ireo amin’ny karavasy, ary aza ekena mihitsy ny fijoroan’izy ireo vavolombelona. Ary izy ireny no tena mpanao ratsy.
24:5
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ٥
Afa-tsy ireo izay nibebaka taorian’izany sy nanova ny fitodran-tena. Tena marina fa I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
24:6
وَٱلَّذِينَ يَرۡمُونَ أَزۡوَٰجَهُمۡ وَلَمۡ يَكُن لَّهُمۡ شُهَدَآءُ إِلَّآ أَنفُسُهُمۡ فَشَهَٰدَةُ أَحَدِهِمۡ أَرۡبَعُ شَهَٰدَٰتِۭ بِٱللَّهِ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ ٦
Ary ireo izay manendrikendrika ny vadiny nefa tsy manana vavolombelona afa-tsy ny tenany ihany, dia ny fijoroan’ny iray amin’izy ireo vavolombelona dia mitovy fijoroana vavolombelona in’efatra eo anatrehan’I Allah. Tena marina fa izy dia anisan’ireo mpilaza ny marina.
24:7
وَٱلۡخَٰمِسَةُ أَنَّ لَعۡنَتَ ٱللَّهِ عَلَيۡهِ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ ٧
Ary ny fahadimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (lehilahy) tokoa ny ozon’I Allah raha anisan’ireo mpandainga izy.
24:8
وَيَدۡرَؤُاْ عَنۡهَا ٱلۡعَذَابَ أَن تَشۡهَدَ أَرۡبَعَ شَهَٰدَٰتِۭ بِٱللَّهِ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ ٨
Ary tsy hampiharina aminy (vehivavy) ny famaizana raha toa ka mijoro vavolombelona in-efatra eo anatrehan’I Allah izy, fa tena marina izy (vadiny) dia anisan’ireo mpandainga.
24:9
وَٱلۡخَٰمِسَةَ أَنَّ غَضَبَ ٱللَّهِ عَلَيۡهَآ إِن كَانَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ ٩
Ary ny faha-dimy (amin’ny fijoroana vavolombelona) dia mianjera aminy (vehivavy) ny fahatezeran’I Allah, raha anisan’ireo mpilaza ny marina izy (lehilahy vadiny).
24:10
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ وَأَنَّ ٱللَّهَ تَوَّابٌ حَكِيمٌ ١٠
Ary raha tsy ny fahasoavan’I Allah sy ny indrafony aminareo (dia nofaiziny avy hatrany ianareo), ary marina fa I Allah dia Mpandray fibebahana sy be Fahendrena.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Wednesday, August 26, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







