📖 0/604 pejy novakiana
📄 483
Surah Ash-Shura

Surah Ash-Shura

42:3
كَذَٰلِكَ يُوحِيٓ إِلَيۡكَ وَإِلَى ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكَ ٱللَّهُ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ ٣
Toy izany no anaovan’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena, fanambarana, tahaka izay nataoNy tamin’ireo talohanao.
42:4
لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡعَظِيمُ ٤
Azy, izay any an-danitra sy ety an-tany. Fa Izy no ilay Ambony indrindra, ilay Lehibe indrindra.
42:5
تَكَادُ ٱلسَّمَٰوَٰتُ يَتَفَطَّرۡنَ مِن فَوۡقِهِنَّۚ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يُسَبِّحُونَ بِحَمۡدِ رَبِّهِمۡ وَيَسۡتَغۡفِرُونَ لِمَن فِي ٱلۡأَرۡضِۗ أَلَآ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ ٥
Zara tsy mitriatra avy eny amin’ny tampony aza ny lanitra, rehefa mankalaza ny Fiderana ny Tompony ireo Anjely, ary mangataka famelan-keloka ho an’ireo ety an-tany. Hamafisina, fa Allah no ilay Mpamela heloka, ilay be indrafo.
42:6
وَٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءَ ٱللَّهُ حَفِيظٌ عَلَيۡهِمۡ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡهِم بِوَكِيلٍ ٦
Fa ireo izay maka mpiahy ankoatra Azy, dia manara-maso izay ataon’izy ireo Allah. Ary tsy mpiantoka azy ireo ianao.
42:7
وَكَذَٰلِكَ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ قُرۡءَانًا عَرَبِيًّا لِّتُنذِرَ أُمَّ ٱلۡقُرَىٰ وَمَنۡ حَوۡلَهَا وَتُنذِرَ يَوۡمَ ٱلۡجَمۡعِ لَا رَيۡبَ فِيهِۚ فَرِيقٌ فِي ٱلۡجَنَّةِ وَفَرِيقٌ فِي ٱلسَّعِيرِ ٧
Toy izany no nanambaraNay taminao ny Koroany amin’ny teny arabo, mba hampitandremanao ilay renivohitra (Lameka) sy ny manodidina azy, ary hampitandremanao ny amin’ilay andro famoriana; izay tsy isalasalana. Misy andiany ho any amin'ny Paradisa, ary andiany hafa ho any amin’ny afo mamaivay.
42:8
وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَجَعَلَهُمۡ أُمَّةً وَٰحِدَةً وَلَٰكِن يُدۡخِلُ مَن يَشَآءُ فِي رَحۡمَتِهِۦۚ وَٱلظَّٰلِمُونَ مَا لَهُم مِّن وَلِيٍّ وَلَا نَصِيرٍ ٨
Fa raha sitrak'Allah, dia nataoNy vahoaka iray ihany ny olona. Saingy ampidiriny amin’ny famindram-pony izay tiaNy. Ka tsy hanana mpiahy na mpamonjy ireo mpanao ny tsy rariny.
42:9
أَمِ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ أَوۡلِيَآءَۖ فَٱللَّهُ هُوَ ٱلۡوَلِيُّ وَهُوَ يُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ قَدِيرٌ ٩
Nangala tompo ankoatra Azy va izy ireo ? Allah irery ihany no Tompo, ary Izy no manome aina indray ny maty; eny ! Mahefa ny zavatra rehetra Izy.
42:10
وَمَا ٱخۡتَلَفۡتُمۡ فِيهِ مِن شَيۡءٍ فَحُكۡمُهُۥٓ إِلَى ٱللَّهِۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبِّي عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُ وَإِلَيۡهِ أُنِيبُ ١٠
Amin’ny tsy fitovian-kevitra rehetra eo aminareo, dia Azy ny fitsarana. Izany no Allah Tompoko, Izy no ianteherako, fa any Aminy no hiverenako amim-pibebahana.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Sunday, August 30, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







