📖 0/604 pejy novakiana
📄 9
Al-Baqarah

Al-Baqarah

2:58
وَإِذۡ قُلۡنَا ٱدۡخُلُواْ هَٰذِهِ ٱلۡقَرۡيَةَ فَكُلُواْ مِنۡهَا حَيۡثُ شِئۡتُمۡ رَغَدًا وَٱدۡخُلُواْ ٱلۡبَابَ سُجَّدًا وَقُولُواْ حِطَّةٌ نَّغۡفِرۡ لَكُمۡ خَطَٰيَٰكُمۡۚ وَسَنَزِيدُ ٱلۡمُحۡسِنِينَ ٥٨
Ary tsarovinareo raha niteny izahay hoe : ” Midira amin’io tanàna io ianareo, ka mihinàna am-piadanana amin'izay ao, araka ny sitraponareo. Ary midira ny varavarana am-piankohofana ianareo sady mitenena hoe : " Fafao ny fahotanay "; fa havelanay ireo fahotana vitanareo; ary hampitomboinay ny fahasoavan'ireo mpanao soa.
2:59
فَبَدَّلَ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ قَوۡلًا غَيۡرَ ٱلَّذِي قِيلَ لَهُمۡ فَأَنزَلۡنَا عَلَى ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ رِجۡزًا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ بِمَا كَانُواْ يَفۡسُقُونَ ٥٩
Saingy navadik’ireo mpanao ny tsy rariny ho teny hafa ankoatran'ny nolazaina tamin'izy ireo izany; ka nampidinanay sazy avy tany an-danitra ireo izay nanao ny tsy rariny, noho ny tsy fanarahan'izy ireo ny didinay.
2:60
۞ وَإِذِ ٱسۡتَسۡقَىٰ مُوسَىٰ لِقَوۡمِهِۦ فَقُلۡنَا ٱضۡرِب بِّعَصَاكَ ٱلۡحَجَرَۖ فَٱنفَجَرَتۡ مِنۡهُ ٱثۡنَتَا عَشۡرَةَ عَيۡنًاۖ قَدۡ عَلِمَ كُلُّ أُنَاسٍ مَّشۡرَبَهُمۡۖ كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ مِن رِّزۡقِ ٱللَّهِ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ ٦٠
Ary tsarovinareo raha nangataka rano ho an'ny vahoakany i Moussa, dia niteny (taminy) Izahay hoe :" Kapohy amin'ny tehinao ilay vato ", dia nisy loharano roa ambin'ny folo avy hatrany niboiboika avy tamin'izany. Samy efa nahafantatra ny toerana fisotroany avy ny foko tsirairay. Mihinàna sy misotroa amin'ny anjara nomen'i Allah ianareo; fa aza manao ho mpanakorontana eto ambonin'ny tany.
2:61
وَإِذۡ قُلۡتُمۡ يَٰمُوسَىٰ لَن نَّصۡبِرَ عَلَىٰ طَعَامٍ وَٰحِدٍ فَٱدۡعُ لَنَا رَبَّكَ يُخۡرِجۡ لَنَا مِمَّا تُنۢبِتُ ٱلۡأَرۡضُ مِنۢ بَقۡلِهَا وَقِثَّآئِهَا وَفُومِهَا وَعَدَسِهَا وَبَصَلِهَاۖ قَالَ أَتَسۡتَبۡدِلُونَ ٱلَّذِي هُوَ أَدۡنَىٰ بِٱلَّذِي هُوَ خَيۡرٌۚ ٱهۡبِطُواْ مِصۡرًا فَإِنَّ لَكُم مَّا سَأَلۡتُمۡۗ وَضُرِبَتۡ عَلَيۡهِمُ ٱلذِّلَّةُ وَٱلۡمَسۡكَنَةُ وَبَآءُو بِغَضَبٍ مِّنَ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ كَانُواْ يَكۡفُرُونَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَيَقۡتُلُونَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّۚ ذَٰلِكَ بِمَا عَصَواْ وَّكَانُواْ يَعۡتَدُونَ ٦١
Ary tsarovinareo raha niteny ianareo hoe : ” Ry Moussa ! Tsy afaka ny hiaritra amin'ny sakafo tokana intsony izahay; ka mangataha ho anay amin'ny Tomponao ianao mba hamoahany amin'ireo vokatry ny tany izahay, toy ny anana, ny kitsaotsao (kôkômbra), ny voamaina, sy ny voanemba ary ny tongolo " Dia hoy izy (Moussa) hoe : " ilainareo hatakalo an'izay ambany kokoa ve ilay tena tsara ? Midina àry amin'izay tanana tianareo aleha,fa ho azonareo tokoa izay nangatahinareo.ka nianjadian'ny fahambaniana sy fahantrana izy ireo,ary nianjeran'ny hatezerana avy tamin'i Allah. Izany dia noho izy ireo nandà ireo famantaran'i Allah sy namono tsy amin'ny rariny ireo mpaminany Izany dia vokatry ny tsy fankatoavana sy ny fandikan-dalàna nataon'izy ireo.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Wednesday, August 19, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







