Al-Baqarah · 60/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
۞ وَإِذِ اسْتَسْقَىٰ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ فَقُلْنَا اضْرِب بِّعَصَاكَ الْحَجَرَ ۖ فَانفَجَرَتْ مِنْهُ اثْنَتَا عَشْرَةَ عَيْنًا ۖ قَدْ عَلِمَ كُلُّ أُنَاسٍ مَّشْرَبَهُمْ ۖ كُلُوا وَاشْرَبُوا مِن رِّزْقِ اللَّهِ وَلَا تَعْثَوْا فِي الْأَرْضِ مُفْسِدِينَ ۝٦٠
Wa izis tasqaa Moosaa liqawmihee faqulnad rib bi`asaakal hajara fanfajarat minhusnataaa `ashrata `aynan qad `alima kullu unaasim mash rabahum kuloo washraboo mir rizqil laahi wa laa ta`saw fil ardi mufsideen
📖 Dikany Malagasy
Ary tsarovinareo raha nangataka rano ho an'ny vahoakany i Moussa, dia niteny (taminy) Izahay hoe :" Kapohy amin'ny tehinao ilay vato ", dia nisy loharano roa ambin'ny folo avy hatrany niboiboika avy tamin'izany. Samy efa nahafantatra ny toerana fisotroany avy ny foko tsirairay. Mihinàna sy misotroa amin'ny anjara nomen'i Allah ianareo; fa aza manao ho mpanakorontana eto ambonin'ny tany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 58-62 — Al-Baqarah

58وَإِذْ قُلْنَا ادْخُلُوا هَٰذِهِ الْقَرْيَةَ فَكُلُوا مِنْهَا حَيْثُ شِئْتُمْ رَغَدًا وَادْخُلُوا الْبَابَ سُجَّدًا وَقُولُوا حِطَّةٌ نَّغْفِرْ لَكُمْ خَطَايَاكُمْ ۚ وَسَنَزِيدُ الْمُحْسِنِينَ
Ary tsarovinareo raha niteny izahay hoe : ” Midira amin’io tanàna io ianareo, ka mihinàna am-piadanana amin'izay ao, araka ny sitraponareo. Ary midira ny varavarana am-piankohofana ianareo sady mitenena hoe : " Fafao ny fahotanay "; fa havelanay ireo fahotana vitanareo; ary hampitomboinay ny fahasoavan'ireo mpanao soa.
59فَبَدَّلَ الَّذِينَ ظَلَمُوا قَوْلًا غَيْرَ الَّذِي قِيلَ لَهُمْ فَأَنزَلْنَا عَلَى الَّذِينَ ظَلَمُوا رِجْزًا مِّنَ السَّمَاءِ بِمَا كَانُوا يَفْسُقُونَ
Saingy navadik’ireo mpanao ny tsy rariny ho teny hafa ankoatran'ny nolazaina tamin'izy ireo izany; ka nampidinanay sazy avy tany an-danitra ireo izay nanao ny tsy rariny, noho ny tsy fanarahan'izy ireo ny didinay.
60۞ وَإِذِ اسْتَسْقَىٰ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ فَقُلْنَا اضْرِب بِّعَصَاكَ الْحَجَرَ ۖ فَانفَجَرَتْ مِنْهُ اثْنَتَا عَشْرَةَ عَيْنًا ۖ قَدْ عَلِمَ كُلُّ أُنَاسٍ مَّشْرَبَهُمْ ۖ كُلُوا وَاشْرَبُوا مِن رِّزْقِ اللَّهِ وَلَا تَعْثَوْا فِي الْأَرْضِ مُفْسِدِينَ
Ary tsarovinareo raha nangataka rano ho an'ny vahoakany i Moussa, dia niteny (taminy) Izahay hoe :" Kapohy amin'ny tehinao ilay vato ", dia nisy loharano roa ambin'ny folo avy hatrany niboiboika avy tamin'izany. Samy efa nahafantatra ny toerana fisotroany avy ny foko tsirairay. Mihinàna sy misotroa amin'ny anjara nomen'i Allah ianareo; fa aza manao ho mpanakorontana eto ambonin'ny tany.
61وَإِذْ قُلْتُمْ يَا مُوسَىٰ لَن نَّصْبِرَ عَلَىٰ طَعَامٍ وَاحِدٍ فَادْعُ لَنَا رَبَّكَ يُخْرِجْ لَنَا مِمَّا تُنبِتُ الْأَرْضُ مِن بَقْلِهَا وَقِثَّائِهَا وَفُومِهَا وَعَدَسِهَا وَبَصَلِهَا ۖ قَالَ أَتَسْتَبْدِلُونَ الَّذِي هُوَ أَدْنَىٰ بِالَّذِي هُوَ خَيْرٌ ۚ اهْبِطُوا مِصْرًا فَإِنَّ لَكُم مَّا سَأَلْتُمْ ۗ وَضُرِبَتْ عَلَيْهِمُ الذِّلَّةُ وَالْمَسْكَنَةُ وَبَاءُوا بِغَضَبٍ مِّنَ اللَّهِ ۗ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ كَانُوا يَكْفُرُونَ بِآيَاتِ اللَّهِ وَيَقْتُلُونَ النَّبِيِّينَ بِغَيْرِ الْحَقِّ ۗ ذَٰلِكَ بِمَا عَصَوا وَّكَانُوا يَعْتَدُونَ
Ary tsarovinareo raha niteny ianareo hoe : ” Ry Moussa ! Tsy afaka ny hiaritra amin'ny sakafo tokana intsony izahay; ka mangataha ho anay amin'ny Tomponao ianao mba hamoahany amin'ireo vokatry ny tany izahay, toy ny anana, ny kitsaotsao (kôkômbra), ny voamaina, sy ny voanemba ary ny tongolo " Dia hoy izy (Moussa) hoe : " ilainareo hatakalo an'izay ambany kokoa ve ilay tena tsara ? Midina àry amin'izay tanana tianareo aleha,fa ho azonareo tokoa izay nangatahinareo.ka nianjadian'ny fahambaniana sy fahantrana izy ireo,ary nianjeran'ny hatezerana avy tamin'i Allah. Izany dia noho izy ireo nandà ireo famantaran'i Allah sy namono tsy amin'ny rariny ireo mpaminany Izany dia vokatry ny tsy fankatoavana sy ny fandikan-dalàna nataon'izy ireo.
62إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَالَّذِينَ هَادُوا وَالنَّصَارَىٰ وَالصَّابِئِينَ مَنْ آمَنَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ وَعَمِلَ صَالِحًا فَلَهُمْ أَجْرُهُمْ عِندَ رَبِّهِمْ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Tena marina fa ireo izay nino, ary ireo (vahoaka tany aloha) izay nanaraka ny jodaisma sy ny kristianina ary ny sabeana, izay nino an'i Allah sy ny Andro farany ary nanao asa soa, dia hahazo ny valisoany eo anatrehan'ny Tompony avokoa izy ireo, ary tsy hanana tahotra no tsy halahelo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
60Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 60

Surah Al-Baqarah Andininy 60 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary tsarovinareo raha nangataka rano ho an'ny vahoakany i Moussa,…

Surah Andininy 60/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 58–62. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers