Surah Al-Furqan amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Al-Furqan miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (77 Andininy — مكية). Al-Furqan Henoy, Al-Furqan Fandikana, Al-Furqan mp3, Al-Furqan pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Al-Furqan
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
تَبَارَكَ الَّذِي نَزَّلَ الْفُرْقَانَ عَلَىٰ عَبْدِهِ لِيَكُونَ لِلْعَالَمِينَ نَذِيرًا ١
📖 Fandikana
Andininy 1
Ankalazaina anie ny halehiben’Ilay Nampidina ny Bokin’ny Fanavahana (Kor’any, izay manavaka ny tsara sy ny ratsy) tamin’ny mpanompony mba ho mpampitandrina an’izao tontolo izao izy.
الَّذِي لَهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَلَمْ يَتَّخِذْ وَلَدًا وَلَمْ يَكُن لَّهُ شَرِيكٌ فِي الْمُلْكِ وَخَلَقَ كُلَّ شَيْءٍ فَقَدَّرَهُ تَقْدِيرًا ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Ilay Tompon’ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, izay tsy manan-janaka velively, sady tsy misy mpiara-miombon’antoka Aminy eo amin’ny Fanjakana ary Izy no nahary ny zava-drehetra sy nandahatra azy araka ny tokony ho izy.
وَاتَّخَذُوا مِن دُونِهِ آلِهَةً لَّا يَخْلُقُونَ شَيْئًا وَهُمْ يُخْلَقُونَ وَلَا يَمْلِكُونَ لِأَنفُسِهِمْ ضَرًّا وَلَا نَفْعًا وَلَا يَمْلِكُونَ مَوْتًا وَلَا حَيَاةً وَلَا نُشُورًا ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Ary nandray tompo hafa ankoatra Azy izy ireo, izay tsy mahary na inona na inona, fa noharian'izy ireo, sy tsy manana fahefana hanao na ny ratsy na ny tsara ho an’ny tenany izy ireo; ary tsy tompon’ny fahafatesana, na ny fahavelomana na ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy ireo.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا إِنْ هَٰذَا إِلَّا إِفْكٌ افْتَرَاهُ وَأَعَانَهُ عَلَيْهِ قَوْمٌ آخَرُونَ ۖ فَقَدْ جَاءُوا ظُلْمًا وَزُورًا ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Tsy inona akory ity afa-tsy lainga noforonon'i (Mohammad) ary nanampy azy tamin’izany ireo vahoaka hafa”. Nefa izy ireo no nahavita ny tsy rariny sy ny lainga.
وَقَالُوا أَسَاطِيرُ الْأَوَّلِينَ اكْتَتَبَهَا فَهِيَ تُمْلَىٰ عَلَيْهِ بُكْرَةً وَأَصِيلًا ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Ary niteny izy ireo hoe : "Anganon’ireo Ntaolo fahiny izay nampanoratiny izany ! Ka tononina aminy maraina sy hariva”.
قُلْ أَنزَلَهُ الَّذِي يَعْلَمُ السِّرَّ فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ إِنَّهُ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Teneno hoe : “Nampidina izany Ilay Mahalala ireo zava-miafina ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy dia be Famelan-keloka sy be Indrafo”.
وَقَالُوا مَالِ هَٰذَا الرَّسُولِ يَأْكُلُ الطَّعَامَ وَيَمْشِي فِي الْأَسْوَاقِ ۙ لَوْلَا أُنزِلَ إِلَيْهِ مَلَكٌ فَيَكُونَ مَعَهُ نَذِيرًا ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Ary niteny izy ireo hoe : “Fa inona àry ity iraka ity izay mihinana sakafo, sy mandehandeha eny amin’ireo tsena ? Nahoana àry no tsy mba nisy Anjely iray nampidinina taminy mba ho mpampitandrina miaraka aminy ?”
أَوْ يُلْقَىٰ إِلَيْهِ كَنزٌ أَوْ تَكُونُ لَهُ جَنَّةٌ يَأْكُلُ مِنْهَا ۚ وَقَالَ الظَّالِمُونَ إِن تَتَّبِعُونَ إِلَّا رَجُلًا مَّسْحُورًا ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Na koa nisy harena sarobidy natoraka teo aminy na manana zaridaina ho azy izy, ka amin’izany no hihinanany ? Ary niteny ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy lehilahy voan’ny mosavy !”
انظُرْ كَيْفَ ضَرَبُوا لَكَ الْأَمْثَالَ فَضَلُّوا فَلَا يَسْتَطِيعُونَ سَبِيلًا ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Jereo ! Tahaka ny ahoana ireo fanoharana ataon’izy ireo momba anao, very izy ireo.Tsy afa-mahita lalana mihintsy izy ireo.
تَبَارَكَ الَّذِي إِن شَاءَ جَعَلَ لَكَ خَيْرًا مِّن ذَٰلِكَ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ وَيَجْعَل لَّكَ قُصُورًا ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Ankalazaina anie ny halehibeny, Ilay Tompo Allah, raha sitrany, mbola hanome anao tsara kokoa noho izany dia: Ireo zaridaina, misy ireo renirano mikoriana eo ambaniny ary hanome lapa maro ho anao Izy.
بَلْ كَذَّبُوا بِالسَّاعَةِ ۖ وَأَعْتَدْنَا لِمَن كَذَّبَ بِالسَّاعَةِ سَعِيرًا ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Nefa nolazain’izy ireo ho lainga ilay Ora, ary Izahay dia efa nanomana afo mandoro ho an’izay nilaza ilay Ora ho lainga.
إِذَا رَأَتْهُم مِّن مَّكَانٍ بَعِيدٍ سَمِعُوا لَهَا تَغَيُّظًا وَزَفِيرًا ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Rehefa mahatazana azy ireo avy amin’ny toerana lavitra izy (afo), dia maheno ny fahatezerany sy ny firefodrefony izy ireo.
وَإِذَا أُلْقُوا مِنْهَا مَكَانًا ضَيِّقًا مُّقَرَّنِينَ دَعَوْا هُنَالِكَ ثُبُورًا ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Ary raha atoraka ao aminy izy ireo, amin’ny toerana tery, ary ny tanany roa mifatotra aorian’ny vozony, dia mangataka ny fanapotehana tanteraka ny tenany izy ireo.
لَّا تَدْعُوا الْيَوْمَ ثُبُورًا وَاحِدًا وَادْعُوا ثُبُورًا كَثِيرًا ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Aoka tsy hangataka fanapotehana indray mandeha fotsiny ianareo androany, fa mangataha kosa fanapotehana im-betsaka.
قُلْ أَذَٰلِكَ خَيْرٌ أَمْ جَنَّةُ الْخُلْدِ الَّتِي وُعِدَ الْمُتَّقُونَ ۚ كَانَتْ لَهُمْ جَزَاءً وَمَصِيرًا ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Teneno hoe : “Moa ve izao no tsara, sa ny Paradisa mandrakizay izay nampanantenaina ireo izay manam-patahorana ho valisoa sy toeram-piafarana ?”
لَّهُمْ فِيهَا مَا يَشَاءُونَ خَالِدِينَ ۚ كَانَ عَلَىٰ رَبِّكَ وَعْدًا مَّسْئُولًا ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Hahazo izay rehetra iriny ao izy ireo, sy hitoetra ao mandrakizay. Izany no fampanantenana izay andraikitry ny Tomponao ny manatanteraka azy.
وَيَوْمَ يَحْشُرُهُمْ وَمَا يَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ فَيَقُولُ أَأَنتُمْ أَضْلَلْتُمْ عِبَادِي هَٰؤُلَاءِ أَمْ هُمْ ضَلُّوا السَّبِيلَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Ary ny Andro izay hanangonany azy ireo, sy izay tompoin’izy ireo ankoatr’I Allah dia hiteny Izy hoe : “Moa ve ianareo no nanary ireo mpanompoko ireo, sa izy ireo ihany no very lalana ?”
قَالُوا سُبْحَانَكَ مَا كَانَ يَنبَغِي لَنَا أَن نَّتَّخِذَ مِن دُونِكَ مِنْ أَوْلِيَاءَ وَلَٰكِن مَّتَّعْتَهُمْ وَآبَاءَهُمْ حَتَّىٰ نَسُوا الذِّكْرَ وَكَانُوا قَوْمًا بُورًا ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Hiteny izy ireo hoe : “Voninahitra anie ho Anao ! Tsy mendrika ho anay ny haka mpiahy hafa ankoatra Anao, nefa nomenao fahafinaretana kosa izy ireo sy ireo razambeny, ka nahatonga azy ireo nanadino ny Fampahatsiarovana. Ary izy ireo dia vahoaka very”.
فَقَدْ كَذَّبُوكُم بِمَا تَقُولُونَ فَمَا تَسْتَطِيعُونَ صَرْفًا وَلَا نَصْرًا ۚ وَمَن يَظْلِم مِّنكُمْ نُذِقْهُ عَذَابًا كَبِيرًا ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Ary efa nilaza anareo ho mpandainga izy ireo amin’izay noteneninareo. Ka tsy afaka hahita fandosirana na fanavotana ianareo. Ary na iza na iza aminareo manao ny tsy rariny, dia hapanandramanay azy ny famaizana lehibe.
وَمَا أَرْسَلْنَا قَبْلَكَ مِنَ الْمُرْسَلِينَ إِلَّا إِنَّهُمْ لَيَأْكُلُونَ الطَّعَامَ وَيَمْشُونَ فِي الْأَسْوَاقِ ۗ وَجَعَلْنَا بَعْضَكُمْ لِبَعْضٍ فِتْنَةً أَتَصْبِرُونَ ۗ وَكَانَ رَبُّكَ بَصِيرًا ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Ary tsy nandefa Iraka Izahay talohanao ka tsy nihinana sakafo sy tsy nandeha teny an-tsena. Ary ny sasany aminareo dia nataonay fitsapana ho an'ny sasany, Moa manam-paharetana va ianareo? Fa ny Tomponao dia mahita ny zava-drehetra.
۞ وَقَالَ الَّذِينَ لَا يَرْجُونَ لِقَاءَنَا لَوْلَا أُنزِلَ عَلَيْنَا الْمَلَائِكَةُ أَوْ نَرَىٰ رَبَّنَا ۗ لَقَدِ اسْتَكْبَرُوا فِي أَنفُسِهِمْ وَعَتَوْا عُتُوًّا كَبِيرًا ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Ary niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay hoe: “Raha mba nampidinina taminay ireo Anjely, na mba nahita ny Tomponay izahay!”. Tena efa nanambony ny tenany izy ireo, ary nihoa-pefy mihitsy tamin’ny fiavonana.
يَوْمَ يَرَوْنَ الْمَلَائِكَةَ لَا بُشْرَىٰ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُجْرِمِينَ وَيَقُولُونَ حِجْرًا مَّحْجُورًا ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Ny Andro izay hahitan’izy ireo, ireo Anjely, dia tsy hisy vaovao mahafaly amin’izany andro izany, ho an’ireo mpanao heloka be vava, ary hiteny izy ireo (Anjely) hoe : “ Voasakana, tena tsy azonareo hidirana tanteraka ! ”.
وَقَدِمْنَا إِلَىٰ مَا عَمِلُوا مِنْ عَمَلٍ فَجَعَلْنَاهُ هَبَاءً مَّنثُورًا ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Ary tonga nijery ny asa izay nataon’izy ireo Izahay, ka nataonay ho vovoka miparitaka izany.
أَصْحَابُ الْجَنَّةِ يَوْمَئِذٍ خَيْرٌ مُّسْتَقَرًّا وَأَحْسَنُ مَقِيلًا ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Ireo olon’ny paradisa, amin’izany andro izany, dia eo amin’ny toerana mendrika indrindra, sy amin’ny toeram-pialan-tsasatra tsara indrindra.
وَيَوْمَ تَشَقَّقُ السَّمَاءُ بِالْغَمَامِ وَنُزِّلَ الْمَلَائِكَةُ تَنزِيلًا ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Ary ny Andro izay hampitresaka ny lanitra amin’ny alalan’ireo rahona, sy hampidinana tokoa ireo Anjely.
الْمُلْكُ يَوْمَئِذٍ الْحَقُّ لِلرَّحْمَٰنِ ۚ وَكَانَ يَوْمًا عَلَى الْكَافِرِينَ عَسِيرًا ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Amin’izany andro izany, ny tena fanjakana marina dia an’Ilay be Fiantrana, ary tena ho andro sarotra ho an’ireo tsy mpino.
وَيَوْمَ يَعَضُّ الظَّالِمُ عَلَىٰ يَدَيْهِ يَقُولُ يَا لَيْتَنِي اتَّخَذْتُ مَعَ الرَّسُولِ سَبِيلًا ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Ny andro izay hanaikeran’ny mpanao ny tsy rariny ny tanany roa, ka hiteny izy hoe : “Indrisy ! Raha mba niara-dalana tamin’ilay Iraka mantsy aho !”.
يَا وَيْلَتَىٰ لَيْتَنِي لَمْ أَتَّخِذْ فُلَانًا خَلِيلًا ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Loza ho ahy ! Indrisy ! Raha tsy mba naka olona ho sakaiza mantsy aho !
لَّقَدْ أَضَلَّنِي عَنِ الذِّكْرِ بَعْدَ إِذْ جَاءَنِي ۗ وَكَانَ الشَّيْطَانُ لِلْإِنسَانِ خَذُولًا ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Tena marina fa nanary ahy lavitry ny fampatsiahivana izy, taorian’ny nahatongavan’izany (fampatsiahivana) tamiko. Ary satana dia mpamadika ny olombelona.
وَقَالَ الرَّسُولُ يَا رَبِّ إِنَّ قَوْمِي اتَّخَذُوا هَٰذَا الْقُرْآنَ مَهْجُورًا ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Ary niteny ilay Iraka hoe : “Tompo ô ! Marina fa ny vahoakako dia nandray ity Kor’any ity ho zavatra tsinontsinona.”
وَكَذَٰلِكَ جَعَلْنَا لِكُلِّ نَبِيٍّ عَدُوًّا مِّنَ الْمُجْرِمِينَ ۗ وَكَفَىٰ بِرَبِّكَ هَادِيًا وَنَصِيرًا ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Ary tahaka izany no nanaovanay ireo mpaminany tsirairay avy, fahavalo avy amin’ireo mpanao heloka bevava. Ary ampy ho Mpanitsy sy Mpanavotra ny Tomponao.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لَوْلَا نُزِّلَ عَلَيْهِ الْقُرْآنُ جُمْلَةً وَاحِدَةً ۚ كَذَٰلِكَ لِنُثَبِّتَ بِهِ فُؤَادَكَ ۖ وَرَتَّلْنَاهُ تَرْتِيلًا ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy indray mandeha monja ny Kor’any ?” Tahaka izany (no nampidinanay tsikelikely ny Kor’any) mba hanamafisanay amin’ny alalan’ izany, ny fonao, ary novakinay amim-pikaliana izany.
وَلَا يَأْتُونَكَ بِمَثَلٍ إِلَّا جِئْنَاكَ بِالْحَقِّ وَأَحْسَنَ تَفْسِيرًا ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ary tsy mitondra fanoharana aminao izy ireo, ka tsy tonga miaraka amin’ny fahamarinana aminao Izahay, sy fanazavana izay tsara indrindra.
الَّذِينَ يُحْشَرُونَ عَلَىٰ وُجُوهِهِمْ إِلَىٰ جَهَنَّمَ أُولَٰئِكَ شَرٌّ مَّكَانًا وَأَضَلُّ سَبِيلًا ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Ireo izay ho tarihina eo amin’ny tavany ho any amin’ny afobe, izy ireny no ratsy toerana indrindra, sy tena very lalana.
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ وَجَعَلْنَا مَعَهُ أَخَاهُ هَارُونَ وَزِيرًا ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Ary efa natolotray an’i Mosesy ny Boky, ary nataonay ny rahalahiny, Harona, ho mpanohana azy.
فَقُلْنَا اذْهَبَا إِلَى الْقَوْمِ الَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا فَدَمَّرْنَاهُمْ تَدْمِيرًا ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Dia noteneninay hoe: “Mandehana ianareo roa any amin’ireo vahoaka izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay”, avy eo dia nopotehinay tanteraka izy ireo.
وَقَوْمَ نُوحٍ لَّمَّا كَذَّبُوا الرُّسُلَ أَغْرَقْنَاهُمْ وَجَعَلْنَاهُمْ لِلنَّاسِ آيَةً ۖ وَأَعْتَدْنَا لِلظَّالِمِينَ عَذَابًا أَلِيمًا ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Ary ny vahoakan’i Noa, rehefa nilaza ireo Iraka hoe mpandainga izy ireo, dia narendrikay sy nataonay ho famantarana (fampitandremana) ho an’ny olombelona. Ary nanomana famaizana mangirifiry Izahay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
وَعَادًا وَثَمُودَ وَأَصْحَابَ الرَّسِّ وَقُرُونًا بَيْنَ ذَٰلِكَ كَثِيرًا ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Ary ny vahoaka ‘Aady sy Thamody, ary ireo olon’i Rass, sy ireo taranaka nifandimby teo anelanelan’izany !
وَكُلًّا ضَرَبْنَا لَهُ الْأَمْثَالَ ۖ وَكُلًّا تَبَّرْنَا تَتْبِيرًا ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Ho an’izy rehetra, dia samy nanaovanay fanoharana avy, ary naringanay daholo tamin’ny fomba mahery vaika izy ireo.
وَلَقَدْ أَتَوْا عَلَى الْقَرْيَةِ الَّتِي أُمْطِرَتْ مَطَرَ السَّوْءِ ۚ أَفَلَمْ يَكُونُوا يَرَوْنَهَا ۚ بَلْ كَانُوا لَا يَرْجُونَ نُشُورًا ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Ary tena efa nandalo teo amin’ny tanàna (tanàn’i Mpaminany Lota) izay nandrotsahana oram-pahoriana izy ireo. Ka moa ve tsy hitan’izy ireo izany ? Nefa izy ireo dia tsy mba nanantena ny fitsanganana amin’ny maty.
وَإِذَا رَأَوْكَ إِن يَتَّخِذُونَكَ إِلَّا هُزُوًا أَهَٰذَا الَّذِي بَعَثَ اللَّهُ رَسُولًا ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Ary raha mahita anao izy ireo, dia tsy mandray anao afa-tsy amin’ny vazivazy : “Moa ve io ilay nalefan’I Allah ho Iraka?"
إِن كَادَ لَيُضِلُّنَا عَنْ آلِهَتِنَا لَوْلَا أَن صَبَرْنَا عَلَيْهَا ۚ وَسَوْفَ يَعْلَمُونَ حِينَ يَرَوْنَ الْعَذَابَ مَنْ أَضَلُّ سَبِيلًا ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Saika hamily lalana anay hiala amin’ireo zanaharinay Izy, raha tsy naharitra izahay tamin’izany !”. Ary ho fantatr’izy ireo, rehefa mahita ny famaizana izy ireo, iza no tena very lalana !
أَرَأَيْتَ مَنِ اتَّخَذَ إِلَٰهَهُ هَوَاهُ أَفَأَنتَ تَكُونُ عَلَيْهِ وَكِيلًا ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Moa ve hitanao izay nanao ny sitrapony ho zanahariny ? Ka moa ve ho mpiantoka azy Ianao ?
أَمْ تَحْسَبُ أَنَّ أَكْثَرَهُمْ يَسْمَعُونَ أَوْ يَعْقِلُونَ ۚ إِنْ هُمْ إِلَّا كَالْأَنْعَامِ ۖ بَلْ هُمْ أَضَلُّ سَبِيلًا ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Na koa mihevitra ve ianao fa ny ankamaroan’izy ireo dia maheno tokoa na misaina ? Tsy misy mitovy amin’izy ireo afa-tsy ireo biby, fa raha ny marina dia izy ireo no tena very lalana tokoa.
أَلَمْ تَرَ إِلَىٰ رَبِّكَ كَيْفَ مَدَّ الظِّلَّ وَلَوْ شَاءَ لَجَعَلَهُ سَاكِنًا ثُمَّ جَعَلْنَا الشَّمْسَ عَلَيْهِ دَلِيلًا ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Moa ve tsy hitanao, ahoana no namelaran’i Tomponao ny aloka ? Ary raha ny sitrany dia nataony tsy nihetsika izany. Avy eo dia nataonay ny masoandro, ho mpamaritra azy.
ثُمَّ قَبَضْنَاهُ إِلَيْنَا قَبْضًا يَسِيرًا ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Avy eo dia noraisinay an-kamorana mankaty Aminay izany.
وَهُوَ الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ اللَّيْلَ لِبَاسًا وَالنَّوْمَ سُبَاتًا وَجَعَلَ النَّهَارَ نُشُورًا ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Ary Izy no nanao ny alina ho fitafy ho anareo, sy ny torimaso ho fialan-tsasatra, ary nanao ny andro ho fiverenana amin’ny asa aman-draharaha.
وَهُوَ الَّذِي أَرْسَلَ الرِّيَاحَ بُشْرًا بَيْنَ يَدَيْ رَحْمَتِهِ ۚ وَأَنزَلْنَا مِنَ السَّمَاءِ مَاءً طَهُورًا ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Ary Izy no nandefa ireo rivotra, mba ho filazana mialoha ny Indrafony. Ary nampidinanay avy eny an-danitra ny rano madio sy manadio.
لِّنُحْيِيَ بِهِ بَلْدَةً مَّيْتًا وَنُسْقِيَهُ مِمَّا خَلَقْنَا أَنْعَامًا وَأَنَاسِيَّ كَثِيرًا ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Mba hamelomanay amin’ny alalan’izany ny tanana efa maty, sy hampisotronay ireo izay noharianay, dia ireo biby (fiompy) sy olombelona maro.
وَلَقَدْ صَرَّفْنَاهُ بَيْنَهُمْ لِيَذَّكَّرُوا فَأَبَىٰ أَكْثَرُ النَّاسِ إِلَّا كُفُورًا ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Ary efa notsinjaranay teo amin’izy ireo izany (rano) mba hahatsiarovan’izy ireo (Anay), nefa ny ankamaroan’ny olona dia nandà, (ary tsy nanao)afa-tsy ny fikomiana ihany.
وَلَوْ شِئْنَا لَبَعَثْنَا فِي كُلِّ قَرْيَةٍ نَّذِيرًا ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Raha sitrakay dia nandefasanay mpampitandrina isaky ny tanàna tsirairay.
فَلَا تُطِعِ الْكَافِرِينَ وَجَاهِدْهُم بِهِ جِهَادًا كَبِيرًا ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Ka aoka ianao tsy hankatò ireo tsy mpino, ary miadia mafy ianao amin’izy ireo amin’ny alalan’ity (Kor’any ity).
۞ وَهُوَ الَّذِي مَرَجَ الْبَحْرَيْنِ هَٰذَا عَذْبٌ فُرَاتٌ وَهَٰذَا مِلْحٌ أُجَاجٌ وَجَعَلَ بَيْنَهُمَا بَرْزَخًا وَحِجْرًا مَّحْجُورًا ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Ary Izy no nampikoriana ireo ranomasina roa, ny anankiray dia mamy manala hetaheta, ny iray hafa kosa dia masina sy mangidy. Ary nasiny elanelana eo amin’izy roa, sy sakana tsy azo dinganina.
وَهُوَ الَّذِي خَلَقَ مِنَ الْمَاءِ بَشَرًا فَجَعَلَهُ نَسَبًا وَصِهْرًا ۗ وَكَانَ رَبُّكَ قَدِيرًا ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Ary Izy no nahary avy amin’ny rano ny olombelona, ka nataony mifandray izy ireo amin’ny alalan’ny rohim-pihavanana sy rohim-panambadiana. Ary ny Tomponao dia manam-pahefana (amin’ny zava-drehetra).
وَيَعْبُدُونَ مِن دُونِ اللَّهِ مَا لَا يَنفَعُهُمْ وَلَا يَضُرُّهُمْ ۗ وَكَانَ الْكَافِرُ عَلَىٰ رَبِّهِ ظَهِيرًا ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Ary izy ireo dia manompo ankoatr'I Allah, izay tsy manome tombontsoa azy ireo sy tsy manome fahoriana. Ary ny tsy mpino dia manampy lalandava ny fahavalo amin’ny fanoherana ny Tompony.
وَمَا أَرْسَلْنَاكَ إِلَّا مُبَشِّرًا وَنَذِيرًا ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Ary tsy nandefanao Izahay afa-tsy ho mpitondra vaovao mahafaly sy mpampitandrina (ho an’ny zanak’olombelona).
قُلْ مَا أَسْأَلُكُمْ عَلَيْهِ مِنْ أَجْرٍ إِلَّا مَن شَاءَ أَن يَتَّخِذَ إِلَىٰ رَبِّهِ سَبِيلًا ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Teneno hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo aho amin’izany, afa-tsy izay mila hanaraka ny lalana mankany amin’ny Tompony (dia malalaka izy hanao izany).
وَتَوَكَّلْ عَلَى الْحَيِّ الَّذِي لَا يَمُوتُ وَسَبِّحْ بِحَمْدِهِ ۚ وَكَفَىٰ بِهِ بِذُنُوبِ عِبَادِهِ خَبِيرًا ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Ary ankino ny fitokisanao amin’Ilay Velona Izay tsy mba maty mihitsy. Ary ankalazao ny fahadiovany sy ny voninahiny amin’ny alalan’ny fiderana Azy. Ary Ampy tanteraka Izy hahafantatra ny fahotan’ireo mpanompony.
الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَمَا بَيْنَهُمَا فِي سِتَّةِ أَيَّامٍ ثُمَّ اسْتَوَىٰ عَلَى الْعَرْشِ ۚ الرَّحْمَٰنُ فَاسْأَلْ بِهِ خَبِيرًا ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Izay nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelan’izy roa, nandritra ny enina andro. Avy eo nitoetra amin’ny Seza fiandrianana Izy, Ilay be Fiantrana, ka anontanio ny momba Azy amin’izay manam-pahalalana.
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ اسْجُدُوا لِلرَّحْمَٰنِ قَالُوا وَمَا الرَّحْمَٰنُ أَنَسْجُدُ لِمَا تَأْمُرُنَا وَزَادَهُمْ نُفُورًا ۩ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Ary rehefa tenenina izy Ireo hoe : “Miankohofa amin’ilay be Fiantrana ianareo”, dia miteny izy ireo hoe : “Ary iza moa izany be Fiantrana izany ? Moa hiankohoka eo anatrehan’izay andidianao anay ve izahay ?” Ary vao maika nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany.
تَبَارَكَ الَّذِي جَعَلَ فِي السَّمَاءِ بُرُوجًا وَجَعَلَ فِيهَا سِرَاجًا وَقَمَرًا مُّنِيرًا ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Ankalazaina anie Ilay nametraka ireo antokon-kintana eny amin’ny lanitra, ary nametraka jiro eo aminy sy volana mpanazava.
وَهُوَ الَّذِي جَعَلَ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ خِلْفَةً لِّمَنْ أَرَادَ أَن يَذَّكَّرَ أَوْ أَرَادَ شُكُورًا ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Ary Izy no nanao ny alina sy ny antoandro hifandimby, ho an’izay te-hahatsiaro (Azy) na koa te-haneho fankasitrahana.
وَعِبَادُ الرَّحْمَٰنِ الَّذِينَ يَمْشُونَ عَلَى الْأَرْضِ هَوْنًا وَإِذَا خَاطَبَهُمُ الْجَاهِلُونَ قَالُوا سَلَامًا ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Ary ireo mpanompon’Ilay be Fiantrana, dia ireo izay mandeha am-panetren-tena eny ambonin’ny tany, ary rehefa miresaka amin’izy ireo ireo tsy manam-pahalalana dia miteny izy ireo hoe : “Fandriam-pahalemana.”
وَالَّذِينَ يَبِيتُونَ لِرَبِّهِمْ سُجَّدًا وَقِيَامًا ٦٤
📖 Fandikana
Andininy 64
Ary ireo izay mandany ny alina am-piankohofana sy am-pitsanganana eo anatrehan’i Tompon’izy ireo ;
وَالَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا اصْرِفْ عَنَّا عَذَابَ جَهَنَّمَ ۖ إِنَّ عَذَابَهَا كَانَ غَرَامًا ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Alaviro anay ny famaizan’ny afobe ”,tena marina fa ny famaizany dia mitohy lalandava.
إِنَّهَا سَاءَتْ مُسْتَقَرًّا وَمُقَامًا ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Tena marina fa izany dia ratsy tokoa ho trano fonenana, sy toerana hipetrahana !
وَالَّذِينَ إِذَا أَنفَقُوا لَمْ يُسْرِفُوا وَلَمْ يَقْتُرُوا وَكَانَ بَيْنَ ذَٰلِكَ قَوَامًا ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
Ary ireo izay efa manao fandaniana, dia tsy mandanindany foana ary tsy mahihitra ; fa manao ny antonony eo anelanelan’izany.
وَالَّذِينَ لَا يَدْعُونَ مَعَ اللَّهِ إِلَٰهًا آخَرَ وَلَا يَقْتُلُونَ النَّفْسَ الَّتِي حَرَّمَ اللَّهُ إِلَّا بِالْحَقِّ وَلَا يَزْنُونَ ۚ وَمَن يَفْعَلْ ذَٰلِكَ يَلْقَ أَثَامًا ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Ary ireo izay tsy miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah, sy tsy mamono aina izay voararan’I Allah raha tsy amin’ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga ; koa na iza na iza manao izany dia ahazo sazy.
يُضَاعَفْ لَهُ الْعَذَابُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وَيَخْلُدْ فِيهِ مُهَانًا ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Ampitomboina roa avo heny ny famaizana ho azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary hitoetra ao mandrakizay amim-pahambaniana izy ireo.
إِلَّا مَن تَابَ وَآمَنَ وَعَمِلَ عَمَلًا صَالِحًا فَأُولَٰئِكَ يُبَدِّلُ اللَّهُ سَيِّئَاتِهِمْ حَسَنَاتٍ ۗ وَكَانَ اللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا ٧٠
📖 Fandikana
Andininy 70
Afa-tsy izay mibebaka sy mino ary manao asa soa ; izy ireny dia hovan’I Allah ho asa tsara ny asa ratsiny, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
وَمَن تَابَ وَعَمِلَ صَالِحًا فَإِنَّهُ يَتُوبُ إِلَى اللَّهِ مَتَابًا ٧١
📖 Fandikana
Andininy 71
Ary na iza na iza mibebaka sy manao asa soa,dia miverina amin'I Allah amin'ny fibebahana.
وَالَّذِينَ لَا يَشْهَدُونَ الزُّورَ وَإِذَا مَرُّوا بِاللَّغْوِ مَرُّوا كِرَامًا ٧٢
📖 Fandikana
Andininy 72
Ary ireo izay tsy manao vavolombelona amin’ny lainga, ary rehefa mandalo eo anilan’ny zava-poana izy ireo dia mandalo amim-pahamendrehana.
وَالَّذِينَ إِذَا ذُكِّرُوا بِآيَاتِ رَبِّهِمْ لَمْ يَخِرُّوا عَلَيْهَا صُمًّا وَعُمْيَانًا ٧٣
📖 Fandikana
Andininy 73
Ary ireo izay efa ampahatsiahivina ireo fanambaran’i Tompony dia tsy mba mody marenina sy jamba amin’izany.
وَالَّذِينَ يَقُولُونَ رَبَّنَا هَبْ لَنَا مِنْ أَزْوَاجِنَا وَذُرِّيَّاتِنَا قُرَّةَ أَعْيُنٍ وَاجْعَلْنَا لِلْمُتَّقِينَ إِمَامًا ٧٤
📖 Fandikana
Andininy 74
Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Omeo anay avy amin’ireo vadinay sy ireo taranakay ny fahafinaretan’ny maso, ary ataovy mpitarika ho an’ireo manam-patahorana izahay.
أُولَٰئِكَ يُجْزَوْنَ الْغُرْفَةَ بِمَا صَبَرُوا وَيُلَقَّوْنَ فِيهَا تَحِيَّةً وَسَلَامًا ٧٥
📖 Fandikana
Andininy 75
Izy ireny dia omena ny toerana avo ho valisoa, noho izy ireo naharitra, ary ho raisina ao amin’ny fiarahabana omba-piadanana izy ireo.
خَالِدِينَ فِيهَا ۚ حَسُنَتْ مُسْتَقَرًّا وَمُقَامًا ٧٦
📖 Fandikana
Andininy 76
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsara tokoa ho trano fonenana sy toerana hipetrahana izany !
قُلْ مَا يَعْبَأُ بِكُمْ رَبِّي لَوْلَا دُعَاؤُكُمْ ۖ فَقَدْ كَذَّبْتُمْ فَسَوْفَ يَكُونُ لِزَامًا ٧٧
📖 Fandikana
Andininy 77
Teneno hoe : “Tsy miraharaha anareo ny Tompoko raha tsy nohon'ny fitalahoanareo, satria efa nilaza azy ho mpandainga ianareo, dia tsy maintsy hihatra aminareo tsy an-kijanona (ny famaizana)”.
Vakio Surah Al-Furqan Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

