Surah Ghafira amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Ghafira miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (85 Andininy — مكية). Ghafira Henoy, Ghafira Fandikana, Ghafira mp3, Ghafira pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Ghafira
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
تَنزِيلُ الْكِتَابِ مِنَ اللَّهِ الْعَزِيزِ الْعَلِيمِ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Ny Fidinan’ny boky, dia avy amin’I Allah, Ilay Tsitoha, Ilay mahafantatra ny zava-drehetra.
غَافِرِ الذَّنبِ وَقَابِلِ التَّوْبِ شَدِيدِ الْعِقَابِ ذِي الطَّوْلِ ۖ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۖ إِلَيْهِ الْمَصِيرُ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Ilay Mpamela ny fahotana, Ilay Mpandray ny fibebahana, Ilay Mafy amin’ny fanasaziana, Ilay fatra Mpangoraka. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy ihany, ary any Aminy no fiafarana.
مَا يُجَادِلُ فِي آيَاتِ اللَّهِ إِلَّا الَّذِينَ كَفَرُوا فَلَا يَغْرُرْكَ تَقَلُّبُهُمْ فِي الْبِلَادِ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Izay tsy mino ihany no miady hevitra amin’ireo andininy avy amin’I Allah, aoka tsy hamitaka anao izay ataon’izy ireo amin’ny firenena.
كَذَّبَتْ قَبْلَهُمْ قَوْمُ نُوحٍ وَالْأَحْزَابُ مِن بَعْدِهِمْ ۖ وَهَمَّتْ كُلُّ أُمَّةٍ بِرَسُولِهِمْ لِيَأْخُذُوهُ ۖ وَجَادَلُوا بِالْبَاطِلِ لِيُدْحِضُوا بِهِ الْحَقَّ فَأَخَذْتُهُمْ ۖ فَكَيْفَ كَانَ عِقَابِ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Niampanga ho mpandainga an’ireo Iraka ny vahoakan’i Noa, toy izany ihany koa ireo antoko nitambatra taorian’izy ireo, ary samy nanana fikasana ny hisambotra ny Iraka tao aminy ny vahoaka tsirairay, ka niady hevitra tamin’ny hevi-diso izy ireo, mba hitsipahana ny marina. Ka nosaziako izy ireo, ary nanao ahoana ny fandehan’ny saziko !
وَكَذَٰلِكَ حَقَّتْ كَلِمَتُ رَبِّكَ عَلَى الَّذِينَ كَفَرُوا أَنَّهُمْ أَصْحَابُ النَّارِ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Ary izany dia manamarina ny tenin’ny Tomponao, izay hihatra amin’ireo tsy mpino, fa izy ireo dia ho olon’ny afo.
الَّذِينَ يَحْمِلُونَ الْعَرْشَ وَمَنْ حَوْلَهُ يُسَبِّحُونَ بِحَمْدِ رَبِّهِمْ وَيُؤْمِنُونَ بِهِ وَيَسْتَغْفِرُونَ لِلَّذِينَ آمَنُوا رَبَّنَا وَسِعْتَ كُلَّ شَيْءٍ رَّحْمَةً وَعِلْمًا فَاغْفِرْ لِلَّذِينَ تَابُوا وَاتَّبَعُوا سَبِيلَكَ وَقِهِمْ عَذَابَ الْجَحِيمِ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Ireo Anjely izay mitondra ny Seza fiandrianana, sy ireo izay manodidina izany, dia mankalaza ny voninahitrin'ny Tompony, mino Azy izy ireo, ary mangataka famelan-keloka ho an’izay mino hoe : “ Tomponay ô! Manenika ny zava-drehetra Ianao amin’ny indrafo sy Fahalalana. Koa mamela heloka izay mibebaka sy manaraka ny lalanao, ary arovy amin’ny sazin’ny Afobe izy ireo ”.
رَبَّنَا وَأَدْخِلْهُمْ جَنَّاتِ عَدْنٍ الَّتِي وَعَدتَّهُمْ وَمَن صَلَحَ مِنْ آبَائِهِمْ وَأَزْوَاجِهِمْ وَذُرِّيَّاتِهِمْ ۚ إِنَّكَ أَنتَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
“ Tomponay ô ! Ampidiro amin’ny Zaridainan’i Edena izy ireo, izay nampanantenainao azy, toy izany ihany koa ireo izay tsara fitondran-tena tamin’ireo razambeny, ny vadiny sy ny taranak’izy ireo. Marina fa Ianao no Ilay Tsitoha, Ilay be fahendrena ”.
وَقِهِمُ السَّيِّئَاتِ ۚ وَمَن تَقِ السَّيِّئَاتِ يَوْمَئِذٍ فَقَدْ رَحِمْتَهُ ۚ وَذَٰلِكَ هُوَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
“ Ary arovy amin’ny asa ratsy izy ireo. Satria izay arovanao amin’ny asa ratsy, dia homenao famindram-po amin’io andro io. Izany no fahombiazana lehibe tokoa ”.
إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا يُنَادَوْنَ لَمَقْتُ اللَّهِ أَكْبَرُ مِن مَّقْتِكُمْ أَنفُسَكُمْ إِذْ تُدْعَوْنَ إِلَى الْإِيمَانِ فَتَكْفُرُونَ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Hamafisina, fa toy izao no hambara an’ireo tsy mino : “Lehibe kokoa ny fankahalan’I Allah anareo, noho ny fankahalanareo ny tenanareo, rehefa nantsoina ho any amin’ny finoana ianareo, kanefa nifikitra tamin’ny tsy finoana ihany”.
قَالُوا رَبَّنَا أَمَتَّنَا اثْنَتَيْنِ وَأَحْيَيْتَنَا اثْنَتَيْنِ فَاعْتَرَفْنَا بِذُنُوبِنَا فَهَلْ إِلَىٰ خُرُوجٍ مِّن سَبِيلٍ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Hiteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Nataonao indroa maty izahay, ary novelominao indroa ihany koa, ka miaiky ny fahotanay izahay. Moa misy lalana mety hivoahana amin’izany ve ? ”
ذَٰلِكُم بِأَنَّهُ إِذَا دُعِيَ اللَّهُ وَحْدَهُ كَفَرْتُمْ ۖ وَإِن يُشْرَكْ بِهِ تُؤْمِنُوا ۚ فَالْحُكْمُ لِلَّهِ الْعَلِيِّ الْكَبِيرِ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Izany no izy, satria rehefa nantsoina irery I Allah, dia tsy mino ianareo, fa rehefa akambana amin’ny zavatra hafa Izy, dia nino ianareo. An’I Allah ny Fitsarana ! Ilay avo indrindra, ilay lehibe tokoa.
هُوَ الَّذِي يُرِيكُمْ آيَاتِهِ وَيُنَزِّلُ لَكُم مِّنَ السَّمَاءِ رِزْقًا ۚ وَمَا يَتَذَكَّرُ إِلَّا مَن يُنِيبُ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Izy no mampiseho aminareo ireo porofo avy Aminy, sy mampidina ny anjaram-pivelomana ho anareo avy any an-danitra. Ary tsy misy mahatsiaro, afa-tsy izay miverina amin’I Allah ihany.
فَادْعُوا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ وَلَوْ كَرِهَ الْكَافِرُونَ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Koa mitalahoa amin’I Allah ianareo, ary atokano ho Azy irery ny fivavahanareo, na dia halan’ireo tsy mpino aza izany.
رَفِيعُ الدَّرَجَاتِ ذُو الْعَرْشِ يُلْقِي الرُّوحَ مِنْ أَمْرِهِ عَلَىٰ مَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ لِيُنذِرَ يَوْمَ التَّلَاقِ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Izy no Ilay manandratra amin’ny ambaratonga avo indrindra, Tompon’ny Seza fiandrianana. Izy no mibaiko ny Fanahy ho amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, mba hampitandremany ny amin’ilay andro fihaonana,
يَوْمَ هُم بَارِزُونَ ۖ لَا يَخْفَىٰ عَلَى اللَّهِ مِنْهُمْ شَيْءٌ ۚ لِّمَنِ الْمُلْكُ الْيَوْمَ ۖ لِلَّهِ الْوَاحِدِ الْقَهَّارِ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Amin’ny andro izay hisehoan’izy ireo, ka tsy hisy hiafenan’izay nataon’izy ireo amin’I Allah amin’izany. An’iza ny fanjakana androany? An’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony.
الْيَوْمَ تُجْزَىٰ كُلُّ نَفْسٍ بِمَا كَسَبَتْ ۚ لَا ظُلْمَ الْيَوْمَ ۚ إِنَّ اللَّهَ سَرِيعُ الْحِسَابِ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Amin’izany andro izany, dia homena valin-kasasarana araka ny asa izay nataony ny olona tsirairay avy. Ka tsy hisy fiangarana amin’izany andro izany, satria haingam-pitsarana tokoa I Allah.
وَأَنذِرْهُمْ يَوْمَ الْآزِفَةِ إِذِ الْقُلُوبُ لَدَى الْحَنَاجِرِ كَاظِمِينَ ۚ مَا لِلظَّالِمِينَ مِنْ حَمِيمٍ وَلَا شَفِيعٍ يُطَاعُ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ary ampitandremo azy ireo ilay andro efa manakaiky, rehefa mihoatra any an-tenda ny fo (ny fanahy), mitebiteby. Dia tsy hanana namana mafana fo, na mpanelanelana hankatoavina ireo mpanao ny tsy rariny.
يَعْلَمُ خَائِنَةَ الْأَعْيُنِ وَمَا تُخْفِي الصُّدُورُ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Mahafantatra ny fitaky ny maso Izy (Allah), sy izay afenin’ny tratra (fo).
وَاللَّهُ يَقْضِي بِالْحَقِّ ۖ وَالَّذِينَ يَدْعُونَ مِن دُونِهِ لَا يَقْضُونَ بِشَيْءٍ ۗ إِنَّ اللَّهَ هُوَ السَّمِيعُ الْبَصِيرُ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Ary mitsara amim-pahamarinana I Allah, nefa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy kosa, dia tsy mitsara na inona na inona. Hamafisina, fa mandre sy mahita ny zava-drehetra I Allah.
۞ أَوَلَمْ يَسِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الَّذِينَ كَانُوا مِن قَبْلِهِمْ ۚ كَانُوا هُمْ أَشَدَّ مِنْهُمْ قُوَّةً وَآثَارًا فِي الْأَرْضِ فَأَخَذَهُمُ اللَّهُ بِذُنُوبِهِمْ وَمَا كَانَ لَهُم مِّنَ اللَّهِ مِن وَاقٍ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahita izay nahazo ireo talohan’izy ireo ? Natanjaka noho izy ireo anefa izy ireny, sady namela zavatra maromaro kokoa. Nosazian’I Allah noho ny fahotany izy ireny, ka tsy nanana mpiaro teo anatrehany mihitsy.
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ كَانَت تَّأْتِيهِمْ رُسُلُهُم بِالْبَيِّنَاتِ فَكَفَرُوا فَأَخَذَهُمُ اللَّهُ ۚ إِنَّهُ قَوِيٌّ شَدِيدُ الْعِقَابِ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Toy izany, satria nitondran’ireo Iraka porofo izy ireo, nefa nikomy. Ka nosazian’I Allah izy ireny, satria matanjaka sady mafy amin’ny fanasaziana Izy.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا مُوسَىٰ بِآيَاتِنَا وَسُلْطَانٍ مُّبِينٍ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Ary efa nalefanay i Mosesy (Mosa) niaraka tamin’ireo fahagagana sy fahefana miharihary avy taminay,
إِلَىٰ فِرْعَوْنَ وَهَامَانَ وَقَارُونَ فَقَالُوا سَاحِرٌ كَذَّابٌ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Tamin’i Faraona, Hamana ary Karona. Nefa niteny izy ireo hoe : “ mpanao majika, fatra mpandainga ! ”
فَلَمَّا جَاءَهُم بِالْحَقِّ مِنْ عِندِنَا قَالُوا اقْتُلُوا أَبْنَاءَ الَّذِينَ آمَنُوا مَعَهُ وَاسْتَحْيُوا نِسَاءَهُمْ ۚ وَمَا كَيْدُ الْكَافِرِينَ إِلَّا فِي ضَلَالٍ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Ary rehefa nitondra ny fahamarinana avy Aminay teo amin’izy ireo izy, dia hoy izy ireo hoe: “Vonoy ireo zanaka lahin’ireo mpino miaraka aminy, fa avelao ho velom-poana kosa ireo vehivaviny”. Fa very maina ihany ny tetik’adin’ireo tsy mpino.
وَقَالَ فِرْعَوْنُ ذَرُونِي أَقْتُلْ مُوسَىٰ وَلْيَدْعُ رَبَّهُ ۖ إِنِّي أَخَافُ أَن يُبَدِّلَ دِينَكُمْ أَوْ أَن يُظْهِرَ فِي الْأَرْضِ الْفَسَادَ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Hoy i Faraona hoe : “Avelaonareo aho hamono an’i Mosesy. Ary aoka izy hiantso ny Tompony! Matahotra aho, sao hamadika ny finoanareo, na hanaparitaka asa fanimbana eto an-tany izy".
وَقَالَ مُوسَىٰ إِنِّي عُذْتُ بِرَبِّي وَرَبِّكُم مِّن كُلِّ مُتَكَبِّرٍ لَّا يُؤْمِنُ بِيَوْمِ الْحِسَابِ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Fa hoy i Mosesy hoe : “ Mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba hanoherana ireo mpirehareha rehetra izay tsy mino ny andro fitsarana”.
وَقَالَ رَجُلٌ مُّؤْمِنٌ مِّنْ آلِ فِرْعَوْنَ يَكْتُمُ إِيمَانَهُ أَتَقْتُلُونَ رَجُلًا أَن يَقُولَ رَبِّيَ اللَّهُ وَقَدْ جَاءَكُم بِالْبَيِّنَاتِ مِن رَّبِّكُمْ ۖ وَإِن يَكُ كَاذِبًا فَعَلَيْهِ كَذِبُهُ ۖ وَإِن يَكُ صَادِقًا يُصِبْكُم بَعْضُ الَّذِي يَعِدُكُمْ ۖ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي مَنْ هُوَ مُسْرِفٌ كَذَّابٌ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Fa hoy ny lehilahy mpino iray avy amin’ny fianakavian’i Faraona, izay nanafina ny finoany nilaza hoe: “ hamono olona ve ianareo, satria izy nilaza hoe: Allah no Tompoko ? Kanefa dia tonga teo aminareo niaraka amin’ny porofo mazava izy, avy any amin’ny Tomponareo. Raha mpandainga izy, dia ho azy ny laingany, fa raha nilaza ny marina kosa izy, dia hihatra aminareo ny ampahany amin’izay nampitandremany anareo ”. Hamafisina, fa tsy mitari-dalana izay mihoam-pefy sy fatra mpandainga I Allah.
يَا قَوْمِ لَكُمُ الْمُلْكُ الْيَوْمَ ظَاهِرِينَ فِي الْأَرْضِ فَمَن يَنصُرُنَا مِن بَأْسِ اللَّهِ إِن جَاءَنَا ۚ قَالَ فِرْعَوْنُ مَا أُرِيكُمْ إِلَّا مَا أَرَىٰ وَمَا أَهْدِيكُمْ إِلَّا سَبِيلَ الرَّشَادِ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Ô ry vahoakako! Ho anareo ny fanjakana androany, fa ho mpandresy eto an-tany ianareo. Nefa, iza no hanavotra antsika amin’ny hatezeran’I Allah raha tonga amintsika izany? Dia hoy i Faraona hoe: “Tsy manoro anareo afa-tsy izay heveriko ho tsara aho, ary tsy mitari-dalana anareo aho raha tsy amin’ny lalana mahitsy”.
وَقَالَ الَّذِي آمَنَ يَا قَوْمِ إِنِّي أَخَافُ عَلَيْكُم مِّثْلَ يَوْمِ الْأَحْزَابِ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Ary hoy ilay mpino hoe : “ Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ilay andro iray mitovy amin’ny an’ireo antokon’olona nitambatra",
مِثْلَ دَأْبِ قَوْمِ نُوحٍ وَعَادٍ وَثَمُودَ وَالَّذِينَ مِن بَعْدِهِمْ ۚ وَمَا اللَّهُ يُرِيدُ ظُلْمًا لِّلْعِبَادِ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Anjara mitovy amin’ny an’ireo vahoakan’i Noa (Nouh), ireo Ády, ireo Thamody, ary ireo niaina taorian’izy ireo. Fa tsy te-hampihatra ny tsy rariny amin’ireo mpanompony velively i Allah.
وَيَا قَوْمِ إِنِّي أَخَافُ عَلَيْكُمْ يَوْمَ التَّنَادِ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ny andro hifampiantsoanareo vonjy,
يَوْمَ تُوَلُّونَ مُدْبِرِينَ مَا لَكُم مِّنَ اللَّهِ مِنْ عَاصِمٍ ۗ وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَمَا لَهُ مِنْ هَادٍ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Amin’ny andro izay handosiranareo, ka tsy hanananareo mpiaro eo anatrehan’I Allah. Ary izay noverezin’I Allah lalana, dia tsy hanana mpitari-dalana velively.
وَلَقَدْ جَاءَكُمْ يُوسُفُ مِن قَبْلُ بِالْبَيِّنَاتِ فَمَا زِلْتُمْ فِي شَكٍّ مِّمَّا جَاءَكُم بِهِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا هَلَكَ قُلْتُمْ لَن يَبْعَثَ اللَّهُ مِن بَعْدِهِ رَسُولًا ۚ كَذَٰلِكَ يُضِلُّ اللَّهُ مَنْ هُوَ مُسْرِفٌ مُّرْتَابٌ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Ary hamafisina, fa teo aloha, dia tonga teo aminareo niaraka tamin’ny porofo mazava tokoa i Josefa (Yousouf), saingy tsy nitsahatra nisalasala hatrany tamin’izay noentiny taminareo ianareo. Fa rehefa maty izy, dia hoy ianareo hoe: “tsy handefa Iraka aoriany intsony I Allah”. Toy izany no hamerezan’I Allah lalana ireo mpihoam-pefy sy mpisalasala.
الَّذِينَ يُجَادِلُونَ فِي آيَاتِ اللَّهِ بِغَيْرِ سُلْطَانٍ أَتَاهُمْ ۖ كَبُرَ مَقْتًا عِندَ اللَّهِ وَعِندَ الَّذِينَ آمَنُوا ۚ كَذَٰلِكَ يَطْبَعُ اللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ قَلْبِ مُتَكَبِّرٍ جَبَّارٍ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Izay miady hevitra momba ireo fahagagana avy amin’I Allah, kanefa tsy misy porofo tonga teo aminy, dia tsy hankasitrahana tokoa eo anatrehan’I Allah sy ireo mpino izy. Toy izany no hanidian’I Allah ny fon’izay rehetra mpirehareha sy mpanjakazaka.
وَقَالَ فِرْعَوْنُ يَا هَامَانُ ابْنِ لِي صَرْحًا لَّعَلِّي أَبْلُغُ الْأَسْبَابَ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Ary hoy i Faraona hoe : “ Ô ry Hamana ! Anoreno tilikambo aho, mba hahatakatra ireo llana.
أَسْبَابَ السَّمَاوَاتِ فَأَطَّلِعَ إِلَىٰ إِلَٰهِ مُوسَىٰ وَإِنِّي لَأَظُنُّهُ كَاذِبًا ۚ وَكَذَٰلِكَ زُيِّنَ لِفِرْعَوْنَ سُوءُ عَمَلِهِ وَصُدَّ عَنِ السَّبِيلِ ۚ وَمَا كَيْدُ فِرْعَوْنَ إِلَّا فِي تَبَابٍ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Ireo lalan’ny lanitra, ka hitazanako ny Tompon’i Mosesy, satria heveriko, fa mpandainga izy”. Ary tahaka izany no nampihaingoana tamin’i Faraona ny asa ratsy izay nataony ho tsara, ary dia nihataka ny lalana mahitsy izy, ka natao ho rava ihany ny tetik’adin’i Faraona.
وَقَالَ الَّذِي آمَنَ يَا قَوْمِ اتَّبِعُونِ أَهْدِكُمْ سَبِيلَ الرَّشَادِ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Ary hoy ilay mpino hoe : “ ry vahoakako ! Manaraha ahy ianareo, fa ho tarihiko amin’ny lalan’ny fahitsiana ianareo ”.
يَا قَوْمِ إِنَّمَا هَٰذِهِ الْحَيَاةُ الدُّنْيَا مَتَاعٌ وَإِنَّ الْآخِرَةَ هِيَ دَارُ الْقَرَارِ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
“ Ry vahoakako! Hamafisina, fa fahafinaretana mandalo ihany ity fiainana eto an-tany ity, fa ny any ankoatra kosa no fonenana maharitra ”.
مَنْ عَمِلَ سَيِّئَةً فَلَا يُجْزَىٰ إِلَّا مِثْلَهَا ۖ وَمَنْ عَمِلَ صَالِحًا مِّن ذَكَرٍ أَوْ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤْمِنٌ فَأُولَٰئِكَ يَدْخُلُونَ الْجَنَّةَ يُرْزَقُونَ فِيهَا بِغَيْرِ حِسَابٍ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Izay manao asa ratsy, dia tsy ho valiana afa-tsy mitovy amin’izany ihany, fa izay lehilahy na vehivavy manao asa soa kosa, sady mpino, dia izy ireny no hiditra amin’ny Paradisa, ka hahazo ny anjaram-pivelomany tsy hisy fetrany izy ireo.
۞ وَيَا قَوْمِ مَا لِي أَدْعُوكُمْ إِلَى النَّجَاةِ وَتَدْعُونَنِي إِلَى النَّارِ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Ô ry vahoakako! Inona no mahatonga ahy hiantso anareo ho any amin’ny famonjena, nefa ianareo miantso ahy ho any amin’ny afo ?
تَدْعُونَنِي لِأَكْفُرَ بِاللَّهِ وَأُشْرِكَ بِهِ مَا لَيْسَ لِي بِهِ عِلْمٌ وَأَنَا أَدْعُوكُمْ إِلَى الْعَزِيزِ الْغَفَّارِ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Tarihinareo tsy hino an’I Allah aho, ka hampitambatra Azy amin’ny hafa izay tsy ananako fahalalana, nefa ianareo dia antsoiko ho any amin’Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.
لَا جَرَمَ أَنَّمَا تَدْعُونَنِي إِلَيْهِ لَيْسَ لَهُ دَعْوَةٌ فِي الدُّنْيَا وَلَا فِي الْآخِرَةِ وَأَنَّ مَرَدَّنَا إِلَى اللَّهِ وَأَنَّ الْمُسْرِفِينَ هُمْ أَصْحَابُ النَّارِ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Tsy hisalasalana, fa ireo izay iantsoanareo ahy, dia tsy afaka hamaly antso, na ety an-tany na any ankoatra. Ary hamafisina, fa any amin’I Allah ny hiverenantsika, fa ireo mpihoam-pefy kosa, dia izy ireo no olon’ny afo.
فَسَتَذْكُرُونَ مَا أَقُولُ لَكُمْ ۚ وَأُفَوِّضُ أَمْرِي إِلَى اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ بَصِيرٌ بِالْعِبَادِ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Tsy ho ela dia ho tsaroanareo izay ambarako anareo, ary dia ankiniko amin’I Allah ny momba ahy. Fa mahita ireo mpanompony tokoa I Allah.
فَوَقَاهُ اللَّهُ سَيِّئَاتِ مَا مَكَرُوا ۖ وَحَاقَ بِآلِ فِرْعَوْنَ سُوءُ الْعَذَابِ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Dia niarovan’I Allah izy tamin’ny teti-dratsin’izy ireo, efa nanodidina ireo olon’i Faraona kosa ny famaizana ratsy indrindra.
النَّارُ يُعْرَضُونَ عَلَيْهَا غُدُوًّا وَعَشِيًّا ۖ وَيَوْمَ تَقُومُ السَّاعَةُ أَدْخِلُوا آلَ فِرْعَوْنَ أَشَدَّ الْعَذَابِ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Ny afo no handoro azy ireo marain-tsy hariva. Ary amin’ny andro hahatongavan’ilay ora (hilazan’ireo Anjely) hoe: “ampidiro ireo olon’i Faraona amin’ny famaizana mafy indrindra”.
وَإِذْ يَتَحَاجُّونَ فِي النَّارِ فَيَقُولُ الضُّعَفَاءُ لِلَّذِينَ اسْتَكْبَرُوا إِنَّا كُنَّا لَكُمْ تَبَعًا فَهَلْ أَنتُم مُّغْنُونَ عَنَّا نَصِيبًا مِّنَ النَّارِ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Ary rehefa hifanditra ao anaty afo izy ireo, dia hiteny amin’ireo mpirehareha ireo osa hoe : “ nanaraka anareo izahay, ka moa afaka hiaro anay amin’ny ampahan’ny afo ve ianareo ? ”
قَالَ الَّذِينَ اسْتَكْبَرُوا إِنَّا كُلٌّ فِيهَا إِنَّ اللَّهَ قَدْ حَكَمَ بَيْنَ الْعِبَادِ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Dia hiteny ireo mpanambon'ny tena hoe : “ hamafisina, fa isika rehetra dia samy ato anatiny daholo ”. Efa namoaka didim-pitsarana ho an’ireo mpanompony I Allah.
وَقَالَ الَّذِينَ فِي النَّارِ لِخَزَنَةِ جَهَنَّمَ ادْعُوا رَبَّكُمْ يُخَفِّفْ عَنَّا يَوْمًا مِّنَ الْعَذَابِ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Ka hiteny amin’ireo mpiambina ny afobe ireo izay ao anatin’ny afobe hoe : “Angataho ny Tomponareo, mba hanalefaka aminay ny famaizana indray andro fotsiny ”.
قَالُوا أَوَلَمْ تَكُ تَأْتِيكُمْ رُسُلُكُم بِالْبَيِّنَاتِ ۖ قَالُوا بَلَىٰ ۚ قَالُوا فَادْعُوا ۗ وَمَا دُعَاءُ الْكَافِرِينَ إِلَّا فِي ضَلَالٍ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Hiteny izy ireo hoe : “ Moa tsy efa nitondra porofo mazava taminareo ve ireo Iraka nalefa taminareo ? ”. Dia hamaly izy ireo hoe : “ Eny ! ”. Hiteny ireo mpiambina hoe : “ raha izany áry, dia mangataha ianareo. Fa ny fangatahan’ireo tsy mpino dia ho zava-poana ”.
إِنَّا لَنَنصُرُ رُسُلَنَا وَالَّذِينَ آمَنُوا فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَيَوْمَ يَقُومُ الْأَشْهَادُ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Hamafisina, fa manavotra ireo Irakay sy ireo izay mino Izahay amin’ny fiainana eto an-tany sy amin’ny andro izay hitsanganan’ireo vavolombelona,
يَوْمَ لَا يَنفَعُ الظَّالِمِينَ مَعْذِرَتُهُمْ ۖ وَلَهُمُ اللَّعْنَةُ وَلَهُمْ سُوءُ الدَّارِ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Amin’ny andro izay tsy hahasoa an’ireo mpanao ny tsy rariny ny fialan-tsininy, ka ho azy ireo ny ozona sy ny fonenana ratsy indrindra.
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْهُدَىٰ وَأَوْرَثْنَا بَنِي إِسْرَائِيلَ الْكِتَابَ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Ary efa nomenay an’i Mosesy tokoa ny tari-dalana, ary nampandovainay an’ny zanak’Israely ny boky,
هُدًى وَذِكْرَىٰ لِأُولِي الْأَلْبَابِ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Izay ho tari-dalana sy fampahatsiarovana ho an’ireo olona manan-tsaina.
فَاصْبِرْ إِنَّ وَعْدَ اللَّهِ حَقٌّ وَاسْتَغْفِرْ لِذَنبِكَ وَسَبِّحْ بِحَمْدِ رَبِّكَ بِالْعَشِيِّ وَالْإِبْكَارِ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Koa mahareta áry, fa ny fampanantenan’I Allah, dia marina, ary mangataha famelan-keloka ho an’ny fahotanao, ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao amin’ny hariva sy maraina.
إِنَّ الَّذِينَ يُجَادِلُونَ فِي آيَاتِ اللَّهِ بِغَيْرِ سُلْطَانٍ أَتَاهُمْ ۙ إِن فِي صُدُورِهِمْ إِلَّا كِبْرٌ مَّا هُم بِبَالِغِيهِ ۚ فَاسْتَعِذْ بِاللَّهِ ۖ إِنَّهُ هُوَ السَّمِيعُ الْبَصِيرُ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Ireo izay miady hevitra momba an’ireo andininy avy amin’I Allah, nefa tsisy porofo tonga tamin’izy ireo akory, dia tsy misy afa-tsy fireharehana ny ao am-pony. Tsy hahatratra ny tanjony izy ireo. Ka mangataha áry fiarovana avy amin’I Allah, satria Izy Ilay mandre sy mahita ny zava-drehetra.
لَخَلْقُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ أَكْبَرُ مِنْ خَلْقِ النَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Lehibe kokoa noho ny fahariana ny olombelona ny fahariana ny lanitra sy ny tany. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olombelona.
وَمَا يَسْتَوِي الْأَعْمَىٰ وَالْبَصِيرُ وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ وَلَا الْمُسِيءُ ۚ قَلِيلًا مَّا تَتَذَكَّرُونَ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Tsy mitovy velively ny jamba sy ny mahiratra, ary tsy afaka hampitahana amin’ny mpanao ratsy ireo izay mino sy manao asa soa. Nefa zara raha misy mahatsiaro ianareo!
إِنَّ السَّاعَةَ لَآتِيَةٌ لَّا رَيْبَ فِيهَا وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يُؤْمِنُونَ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Hamafisina, fa ho avy tokoa ilay ora, tsy misy hisalasalana ny amin’izany, nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
وَقَالَ رَبُّكُمُ ادْعُونِي أَسْتَجِبْ لَكُمْ ۚ إِنَّ الَّذِينَ يَسْتَكْبِرُونَ عَنْ عِبَادَتِي سَيَدْخُلُونَ جَهَنَّمَ دَاخِرِينَ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َfobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka.
اللَّهُ الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ اللَّيْلَ لِتَسْكُنُوا فِيهِ وَالنَّهَارَ مُبْصِرًا ۚ إِنَّ اللَّهَ لَذُو فَضْلٍ عَلَى النَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَشْكُرُونَ ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Allah no nanao ny alina ho anareo mba hialanareo sasatra mandritra izany, ary ny andro mba hahitanareo mazava tsara. Allah no tompom-pahasoavana ho an’ny olombelona, saingy ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mahay mankasitraka.
ذَٰلِكُمُ اللَّهُ رَبُّكُمْ خَالِقُ كُلِّ شَيْءٍ لَّا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۖ فَأَنَّىٰ تُؤْفَكُونَ ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Toy izany I Allah Tomponareo, Ilay mpahary ny zava-drehetra. Tsy misy zanahary hafa ankoatra Azy. Ka nahoana áry ianareo no miala amin’ny lalana mahitsy?
كَذَٰلِكَ يُؤْفَكُ الَّذِينَ كَانُوا بِآيَاتِ اللَّهِ يَجْحَدُونَ ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Toy izany no nampivily lalana an’ireo nandà ny famantarana avy amin’I Allah.
اللَّهُ الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ الْأَرْضَ قَرَارًا وَالسَّمَاءَ بِنَاءً وَصَوَّرَكُمْ فَأَحْسَنَ صُوَرَكُمْ وَرَزَقَكُم مِّنَ الطَّيِّبَاتِ ۚ ذَٰلِكُمُ اللَّهُ رَبُّكُمْ ۖ فَتَبَارَكَ اللَّهُ رَبُّ الْعَالَمِينَ ٦٤
📖 Fandikana
Andininy 64
Fa I Allah no nanome anareo ny tany ho toeram-ponenana, ary ny lanitra ho tafo, nanome endrika anareo Izy, ary akory moa ny hatsaram-bika nomeny anareo! Nanome anjaram-pivelomana tsara ho anareo ihany koa Izy. Izany no Allah Tomponareo, ka voninahitra anie ho Azy, Tompon’izao tontolo izao.
هُوَ الْحَيُّ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ فَادْعُوهُ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ ۗ الْحَمْدُ لِلَّهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Izy no Ilay velona. Tsy misy zanahary afa-tsy Izy ihany. Mangataha Aminy àry ianareo, ary atokany ho Azy irery ihany ny finoana. Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !
۞ قُلْ إِنِّي نُهِيتُ أَنْ أَعْبُدَ الَّذِينَ تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ لَمَّا جَاءَنِيَ الْبَيِّنَاتُ مِن رَّبِّي وَأُمِرْتُ أَنْ أُسْلِمَ لِرَبِّ الْعَالَمِينَ ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Lazao hoe : “ Efa nandrarana ahy, hatramin’ny nahatongavan’ireo porofo avy tamin’ny Tompoko, ny hanompo izay italahoanareo ankoatra an’I Allah, ary nodidiana hankato ny Tompon’izao tontolo izao aho ”.
هُوَ الَّذِي خَلَقَكُم مِّن تُرَابٍ ثُمَّ مِن نُّطْفَةٍ ثُمَّ مِنْ عَلَقَةٍ ثُمَّ يُخْرِجُكُمْ طِفْلًا ثُمَّ لِتَبْلُغُوا أَشُدَّكُمْ ثُمَّ لِتَكُونُوا شُيُوخًا ۚ وَمِنكُم مَّن يُتَوَفَّىٰ مِن قَبْلُ ۖ وَلِتَبْلُغُوا أَجَلًا مُّسَمًّى وَلَعَلَّكُمْ تَعْقِلُونَ ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
Izy no nahary anareo avy tamin’ny tany, avy eo, dia avy tamin’ny tsirin’aina, ary avy eo, dia avy tamin’ny vongan-drà, ary manaraka izany dia avoakany ho zazakely ianareo, mba hahatratraranareo ny fahamatorana, avy eo ny fahanterana. Ary ny sasany aminareo dia maty mialoha, mba hahatratraranareo ny fe-potoana voafetra, ka mba hisainanareo.
هُوَ الَّذِي يُحْيِي وَيُمِيتُ ۖ فَإِذَا قَضَىٰ أَمْرًا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُ كُن فَيَكُونُ ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Izy no manome ny fahavelomana sy ny fahafatesana. Ary rehefa mandidy amin’ny zavatra iray Izy, dia izao ihany ny teniny : “ Misia ”, dia misy tokoa izany.
أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ يُجَادِلُونَ فِي آيَاتِ اللَّهِ أَنَّىٰ يُصْرَفُونَ ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Tsy hitanao ve ny nampivily lalana ireo izay miady hevitra momba ireo andininy avy amin’I Allah ?
الَّذِينَ كَذَّبُوا بِالْكِتَابِ وَبِمَا أَرْسَلْنَا بِهِ رُسُلَنَا ۖ فَسَوْفَ يَعْلَمُونَ ٧٠
📖 Fandikana
Andininy 70
Ireo izay miampanga ny Boky (Koroany) ho lainga, sy izay nampiarahinay tamin’ireo Irakay, dia hahafantatra tsy ho ela izy ireo,
إِذِ الْأَغْلَالُ فِي أَعْنَاقِهِمْ وَالسَّلَاسِلُ يُسْحَبُونَ ٧١
📖 Fandikana
Andininy 71
Rehefa ho taritarihina, miaraka amin’ny gadra-vy eny am-bozonana sy rojo izy ireo,
فِي الْحَمِيمِ ثُمَّ فِي النَّارِ يُسْجَرُونَ ٧٢
📖 Fandikana
Andininy 72
Ao anatin’ny rano mangotraka, ary avy eo dia ho dorana ao anaty afo izy ireo.
ثُمَّ قِيلَ لَهُمْ أَيْنَ مَا كُنتُمْ تُشْرِكُونَ ٧٣
📖 Fandikana
Andininy 73
Ary avy eo, dia hilazana izy ireo hoe : “ Aiza ireo natambatrareo?"
مِن دُونِ اللَّهِ ۖ قَالُوا ضَلُّوا عَنَّا بَل لَّمْ نَكُن نَّدْعُو مِن قَبْلُ شَيْئًا ۚ كَذَٰلِكَ يُضِلُّ اللَّهُ الْكَافِرِينَ ٧٤
📖 Fandikana
Andininy 74
Tamin’I Allah ? ”. Dia hoy izy ireo hoe : “ Niala taminay izy ireo. Nefa tsy nangataka na tamin’iza na iza izahay taloha ”. Toy izany no amerezan’I Allah ireo tsy mpino.
ذَٰلِكُم بِمَا كُنتُمْ تَفْرَحُونَ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَبِمَا كُنتُمْ تَمْرَحُونَ ٧٥
📖 Fandikana
Andininy 75
Izany no valin’ny fifalianareo tamin’ny tsy rariny teny an-tany, ary koa ny haravoanareo tafahoatra.
ادْخُلُوا أَبْوَابَ جَهَنَّمَ خَالِدِينَ فِيهَا ۖ فَبِئْسَ مَثْوَى الْمُتَكَبِّرِينَ ٧٦
📖 Fandikana
Andininy 76
Midira amin’ireo varavaran’ny afobe ianareo, mba hitoetra ao mandrakizay. Ratsy tokoa ny toeran’ireo mpanambony tena!
فَاصْبِرْ إِنَّ وَعْدَ اللَّهِ حَقٌّ ۚ فَإِمَّا نُرِيَنَّكَ بَعْضَ الَّذِي نَعِدُهُمْ أَوْ نَتَوَفَّيَنَّكَ فَإِلَيْنَا يُرْجَعُونَ ٧٧
📖 Fandikana
Andininy 77
Koa mahareta, fa marina ny fampanantenan'I Allah. Na asehonay anao ny ampahany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na esorinay ny ainao [na ho vonoinay alohan’ny fotoana ianao], dia any Aminay ihany no hamerenana azy ireo.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا رُسُلًا مِّن قَبْلِكَ مِنْهُم مَّن قَصَصْنَا عَلَيْكَ وَمِنْهُم مَّن لَّمْ نَقْصُصْ عَلَيْكَ ۗ وَمَا كَانَ لِرَسُولٍ أَن يَأْتِيَ بِآيَةٍ إِلَّا بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ فَإِذَا جَاءَ أَمْرُ اللَّهِ قُضِيَ بِالْحَقِّ وَخَسِرَ هُنَالِكَ الْمُبْطِلُونَ ٧٨
📖 Fandikana
Andininy 78
Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao. Ary tsy anjaran’ny Iraka ny mitondra porofo famantarana, raha tsy amin’ny alalana avy amin’I Allah. Rehefa tonga ny didin’I Allah, dia ho tsaraina ampahamarinana avokoa ny rehetra, ary dia ho matiantoka tokoa ireo milaza lainga.
اللَّهُ الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ الْأَنْعَامَ لِتَرْكَبُوا مِنْهَا وَمِنْهَا تَأْكُلُونَ ٧٩
📖 Fandikana
Andininy 79
Fa I Allah no nanao ireo biby, mba ho fitainginareo sy ho fihinanareo,
وَلَكُمْ فِيهَا مَنَافِعُ وَلِتَبْلُغُوا عَلَيْهَا حَاجَةً فِي صُدُورِكُمْ وَعَلَيْهَا وَعَلَى الْفُلْكِ تُحْمَلُونَ ٨٠
📖 Fandikana
Andininy 80
Ary misy tombotsoa ho anareo amin’izany, mba hahazoanareo avy amin’izany ny zavatra izay irin’ny fonareo. Eo ambonin’izy ireo sy eo ambon'ny sambo no hitondrana anareo.
وَيُرِيكُمْ آيَاتِهِ فَأَيَّ آيَاتِ اللَّهِ تُنكِرُونَ ٨١
📖 Fandikana
Andininy 81
Dia hasehony anareo ny famantarana avy any Aminy. Koa inona ary no famatarana avy amin’I Allah ho lavinareo ?
أَفَلَمْ يَسِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ كَانُوا أَكْثَرَ مِنْهُمْ وَأَشَدَّ قُوَّةً وَآثَارًا فِي الْأَرْضِ فَمَا أَغْنَىٰ عَنْهُم مَّا كَانُوا يَكْسِبُونَ ٨٢
📖 Fandikana
Andininy 82
Moa tsy mitety ny tany ve izy ireo, mba hahitany ny niafaran’ireo izay niaina talohany ? Fa maro sady matanjaka kokoa izy ireo, ary nametraka zavatra maro teto an-tany. Nefa tsy nisy nilan’izy ireo izay azony akory.
فَلَمَّا جَاءَتْهُمْ رُسُلُهُم بِالْبَيِّنَاتِ فَرِحُوا بِمَا عِندَهُم مِّنَ الْعِلْمِ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُوا بِهِ يَسْتَهْزِئُونَ ٨٣
📖 Fandikana
Andininy 83
Rehefa nitondra porofo mazava taminy ireo Iraka, dia nifaly tamin’ny fahalalana nananany izy ireo, ka dia voasaron’izay noesony izy ireo.
فَلَمَّا رَأَوْا بَأْسَنَا قَالُوا آمَنَّا بِاللَّهِ وَحْدَهُ وَكَفَرْنَا بِمَا كُنَّا بِهِ مُشْرِكِينَ ٨٤
📖 Fandikana
Andininy 84
Ary rehefa nahita ny loza avy taty aminay izy ireo, dia niteny hoe : “ Mino an’I Allah tokana izahay, ary mandà izay natambatray taminy ”.
فَلَمْ يَكُ يَنفَعُهُمْ إِيمَانُهُمْ لَمَّا رَأَوْا بَأْسَنَا ۖ سُنَّتَ اللَّهِ الَّتِي قَدْ خَلَتْ فِي عِبَادِهِ ۖ وَخَسِرَ هُنَالِكَ الْكَافِرُونَ ٨٥
📖 Fandikana
Andininy 85
Nefa tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo intsony ny finoany, rehefa nahita ny loza avy taty Aminay izy ireo, ka izany no didin’I Allah momba ireo mpanompony tany aloha. Ary amin’izany indrindra no maha fatiantoka ireo tsy mpino.
Vakio Surah Ghafira Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

