Surah Fussilata amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Fussilata miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (54 Andininy — مكية). Fussilata Henoy, Fussilata Fandikana, Fussilata mp3, Fussilata pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Fussilata

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
حم ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Hà, Mîm.
تَنزِيلٌ مِّنَ الرَّحْمَٰنِ الرَّحِيمِ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Fanambarana nidina avy tamin’Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
كِتَابٌ فُصِّلَتْ آيَاتُهُ قُرْآنًا عَرَبِيًّا لِّقَوْمٍ يَعْلَمُونَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Boky misy andininy izay voalaza amin’ny antsipirihany, Koroany amin’ny fiteny arabo, ho an’ireo vahoaka mahafantatra izany,
بَشِيرًا وَنَذِيرًا فَأَعْرَضَ أَكْثَرُهُمْ فَهُمْ لَا يَسْمَعُونَ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina. Nefa ny ankamaroan’izy ireo, dia nihataka izany, ka tsy mandre izy ireo.
وَقَالُوا قُلُوبُنَا فِي أَكِنَّةٍ مِّمَّا تَدْعُونَا إِلَيْهِ وَفِي آذَانِنَا وَقْرٌ وَمِن بَيْنِنَا وَبَيْنِكَ حِجَابٌ فَاعْمَلْ إِنَّنَا عَامِلُونَ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ary hoy izy ireo hoe : “ takona amin’izay hiantsoanao anay ny fonay, ary marenina ny sofinay. Misy sakana manelanelana anay sy ianao. Ka ataovy àry izay ataonao, fa izahay kosa dia hanao izay ataonay.
قُلْ إِنَّمَا أَنَا بَشَرٌ مِّثْلُكُمْ يُوحَىٰ إِلَيَّ أَنَّمَا إِلَٰهُكُمْ إِلَٰهٌ وَاحِدٌ فَاسْتَقِيمُوا إِلَيْهِ وَاسْتَغْفِرُوهُ ۗ وَوَيْلٌ لِّلْمُشْرِكِينَ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Lazao hoe: “tsy inona izaho, fa olombelona tahaka anareo ihany. Nambara tamiko, fa tokana ny Zanaharinareo. Koa tadiavo ny lalana mahitsy mankany Aminy, ary mangataha famelan-keloka Aminy ianareo”. Fa loza ho an’izay mampikambana Azy amin’ny hafa,
الَّذِينَ لَا يُؤْتُونَ الزَّكَاةَ وَهُم بِالْآخِرَةِ هُمْ كَافِرُونَ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Izay tsy manome ny harena fiantrana, ary tsy mino ny fiainana any ankoatra.
إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَهُمْ أَجْرٌ غَيْرُ مَمْنُونٍ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Hamafisina, fa ireo izay mino sy manatanteraka ny asa soa kosa, dia ho azy ireo ny valisoa tsy hanana fahataperana.
۞ قُلْ أَئِنَّكُمْ لَتَكْفُرُونَ بِالَّذِي خَلَقَ الْأَرْضَ فِي يَوْمَيْنِ وَتَجْعَلُونَ لَهُ أَندَادًا ۚ ذَٰلِكَ رَبُّ الْعَالَمِينَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Lazao hoe : “ Ho lavinareo ve Ilay nahary ny tany tao anatin’ny roa andro, ka hampitovianareo amin’ny hafa ve Izy ? Izany no Ilay Tompon’izao Tontolo izao,
وَجَعَلَ فِيهَا رَوَاسِيَ مِن فَوْقِهَا وَبَارَكَ فِيهَا وَقَدَّرَ فِيهَا أَقْوَاتَهَا فِي أَرْبَعَةِ أَيَّامٍ سَوَاءً لِّلسَّائِلِينَ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Ary Izy no nampitoetra ireo tendrombohitra eo amboniny (tany), sy nitsodrano azy, ka nametraka vokatra ara-tsakafo nandritra ny efatra andro katroka, mamaly ny filan’ireo rehetra izay mangataka.
ثُمَّ اسْتَوَىٰ إِلَى السَّمَاءِ وَهِيَ دُخَانٌ فَقَالَ لَهَا وَلِلْأَرْضِ ائْتِيَا طَوْعًا أَوْ كَرْهًا قَالَتَا أَتَيْنَا طَائِعِينَ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Avy eo dia niroso tamin’ny fihariana ny lanitra Izy izay mbola setroka fotsiny tamin’izany, ka niteny taminy sy tamin’ny tany hoe : “ Avia avokoa ianareo roa, na tianareo, na tsy tianareo!”. Dia samy niteny izy roa hoe: “Tonga amim-panekena izahay ”.
فَقَضَاهُنَّ سَبْعَ سَمَاوَاتٍ فِي يَوْمَيْنِ وَأَوْحَىٰ فِي كُلِّ سَمَاءٍ أَمْرَهَا ۚ وَزَيَّنَّا السَّمَاءَ الدُّنْيَا بِمَصَابِيحَ وَحِفْظًا ۚ ذَٰلِكَ تَقْدِيرُ الْعَزِيزِ الْعَلِيمِ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Ka nanapa-kevitra Izy, fa hanamboatra lanitra fito ao anatin’ny roa andro, sady nanambara ny anjara asan’ny lanitra tsirairay avy. Ary noravahinay jiro maro ny lanitra izay akaiky indrindra, ary narovanay. Izany no rafitra napetrak’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala ny zava-drehetra.
فَإِنْ أَعْرَضُوا فَقُلْ أَنذَرْتُكُمْ صَاعِقَةً مِّثْلَ صَاعِقَةِ عَادٍ وَثَمُودَ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Fa raha tsy miraharaha izany izy ireo, dia teneno hoe : “ Mampitandrina anareo aho amin’ny varatra mitovy amin’izay nahavoa ireo Ády sy ireo Tamody ”.
إِذْ جَاءَتْهُمُ الرُّسُلُ مِن بَيْنِ أَيْدِيهِمْ وَمِنْ خَلْفِهِمْ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا اللَّهَ ۖ قَالُوا لَوْ شَاءَ رَبُّنَا لَأَنزَلَ مَلَائِكَةً فَإِنَّا بِمَا أُرْسِلْتُم بِهِ كَافِرُونَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Rehefa tonga tamin’izy ireo ny Iraka, teo alohany sy taoriany, izay niteny hoe : “Aza manompo afa-tsy I Allah ihany ianareo”. Dia hoy izy ireo hoe: “Raha sitrakin'ny Tomponay, dia hamafisina, fa ireo Anjely mihitsy no nampidininy. Noho izany dia tsy mino izay nanirahana anareo Izahay”.
فَأَمَّا عَادٌ فَاسْتَكْبَرُوا فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَقَالُوا مَنْ أَشَدُّ مِنَّا قُوَّةً ۖ أَوَلَمْ يَرَوْا أَنَّ اللَّهَ الَّذِي خَلَقَهُمْ هُوَ أَشَدُّ مِنْهُمْ قُوَّةً ۖ وَكَانُوا بِآيَاتِنَا يَجْحَدُونَ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ka ireo Ády, dia nirehareha tamin’ny tsy rariny teto an-tany, ary niteny izy ireo hoe: “Iza no matanjaka indrindra mihoatra anay?”. Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa raha ny marina dia matanjaka lavitra noho izy ireo I Allah, Ilay nahary azy ireo? Fa nolavin’izy ireo ny famantarana avy Aminay.
فَأَرْسَلْنَا عَلَيْهِمْ رِيحًا صَرْصَرًا فِي أَيَّامٍ نَّحِسَاتٍ لِّنُذِيقَهُمْ عَذَابَ الْخِزْيِ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَلَعَذَابُ الْآخِرَةِ أَخْزَىٰ ۖ وَهُمْ لَا يُنصَرُونَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ary nalefanay tamin’izy ireo ny rivo-mahery sy mamirifiry, izay nisafotofoto tamin’izy ireo nandritra ny andro ratsy, mba hampanandramanay azy ireo ny famaizana, fahafahambaraka amin’ny fiainana eto an-tany. Mbola mahamenatra noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, ary tsy ho vonjena izy ireo.
وَأَمَّا ثَمُودُ فَهَدَيْنَاهُمْ فَاسْتَحَبُّوا الْعَمَىٰ عَلَى الْهُدَىٰ فَأَخَذَتْهُمْ صَاعِقَةُ الْعَذَابِ الْهُونِ بِمَا كَانُوا يَكْسِبُونَ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Fa ireo Thamody kosa, dia nitari-dàlana azy ireo Izahay, nefa naleony ny nisafidy ny fahajambana toy izay ny tari-dàlana. Ka dia niharan’ny varatry ny fampijaliana izy ireo, noho izay nataony.
وَنَجَّيْنَا الَّذِينَ آمَنُوا وَكَانُوا يَتَّقُونَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Ary navotanay ireo izay nino, sy nanam-patahorana.
وَيَوْمَ يُحْشَرُ أَعْدَاءُ اللَّهِ إِلَى النَّارِ فَهُمْ يُوزَعُونَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Ary amin’ny andro izay hanangonana ireo fahavalon’I Allah ho any amin’ny afo dia hatosika izy ireo.
حَتَّىٰ إِذَا مَا جَاءُوهَا شَهِدَ عَلَيْهِمْ سَمْعُهُمْ وَأَبْصَارُهُمْ وَجُلُودُهُم بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ary rehefa tonga ao izy ireo, dia samy ho vavolombelona amin’izay nataony avokoa, ny fandrenesany, sy ny masony, ary ny hodiny.
وَقَالُوا لِجُلُودِهِمْ لِمَ شَهِدتُّمْ عَلَيْنَا ۖ قَالُوا أَنطَقَنَا اللَّهُ الَّذِي أَنطَقَ كُلَّ شَيْءٍ وَهُوَ خَلَقَكُمْ أَوَّلَ مَرَّةٍ وَإِلَيْهِ تُرْجَعُونَ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Ary hiteny amin’ny hodiny izy ireo hoe : “ Nahoana ianareo no mijoro vavolombelona manohitra anay ? ”. Dia hamaly ny hoditra hoe : “ I Allah no nampiteny anay, izay nampiteny ny zava-drehetra. Ary Izy no nahary anareo voalohany, ary any Aminy no hamerenana anareo ”.
وَمَا كُنتُمْ تَسْتَتِرُونَ أَن يَشْهَدَ عَلَيْكُمْ سَمْعُكُمْ وَلَا أَبْصَارُكُمْ وَلَا جُلُودُكُمْ وَلَٰكِن ظَنَنتُمْ أَنَّ اللَّهَ لَا يَعْلَمُ كَثِيرًا مِّمَّا تَعْمَلُونَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Tsy afaka niafina ianareo, mba tsy hanaovan’ny fandrenesanareo, na ny masonareo, na ny hoditrareo, vavolombelona hanohitra anareo. Saingy noheverinareo kosa, fa tsy mahafantatra firy amin’izay nataonareo I Allah.
وَذَٰلِكُمْ ظَنُّكُمُ الَّذِي ظَنَنتُم بِرَبِّكُمْ أَرْدَاكُمْ فَأَصْبَحْتُم مِّنَ الْخَاسِرِينَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Ary izany fomba fieritreretanareo mahakasika ny Tomponareo izany, no nanimba anareo ka nahatonga anareo ho isan’ireo matiantoka.
فَإِن يَصْبِرُوا فَالنَّارُ مَثْوًى لَّهُمْ ۖ وَإِن يَسْتَعْتِبُوا فَمَا هُم مِّنَ الْمُعْتَبِينَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Raha maharitra amin’izany izy ireo, dia ny afo no toeram-ponenany, ary raha mialatsiny izy ireo, dia tsy ho isan’ireo hahazo fialan-tsiny velively.
۞ وَقَيَّضْنَا لَهُمْ قُرَنَاءَ فَزَيَّنُوا لَهُم مَّا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ وَحَقَّ عَلَيْهِمُ الْقَوْلُ فِي أُمَمٍ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِهِم مِّنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ ۖ إِنَّهُمْ كَانُوا خَاسِرِينَ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Ary nanokananay namana (devoly) tsy misaraka aminy izy ireo, izay nampihaingo ny teo aloha sy ny taorian’izy ireo. Ary nihatra ara-drariny tamin’izy ireo ny lalàna, tahaka ny niharan’izany tamin’ny vahoaka maro izay efa nandao talohan’izy ireo, amin’ireo Jiny sy olombelona izay niaina talohan’izy ireo. Fa matiantoka tokoa izy ireo.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لَا تَسْمَعُوا لِهَٰذَا الْقُرْآنِ وَالْغَوْا فِيهِ لَعَلَّكُمْ تَغْلِبُونَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ary hoy ireo tsy mpino hoe: “Aza mihaino io Koroany io ianareo, fa miresaha mafy mba tsy handresenareo izany”.
فَلَنُذِيقَنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا عَذَابًا شَدِيدًا وَلَنَجْزِيَنَّهُمْ أَسْوَأَ الَّذِي كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Hamafisina, fa hampanandramanay famaizana mafy tokoa ireo izay tsy nino, ary ny valin-kasasarana homenay azy ireo dia ho ratsy kokoa noho izay nataony.
ذَٰلِكَ جَزَاءُ أَعْدَاءِ اللَّهِ النَّارُ ۖ لَهُمْ فِيهَا دَارُ الْخُلْدِ ۖ جَزَاءً بِمَا كَانُوا بِآيَاتِنَا يَجْحَدُونَ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Izany no valin’asan’ireo fahavalon’I Allah, dia ny afo no toeram-ponenan’izy ireo mandrakizay, vokatry ny fandavany ireo andininy avy Aminay.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا رَبَّنَا أَرِنَا اللَّذَيْنِ أَضَلَّانَا مِنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ نَجْعَلْهُمَا تَحْتَ أَقْدَامِنَا لِيَكُونَا مِنَ الْأَسْفَلِينَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Ary hilaza ireo tsy mpino hoe : “ Tomponay ô ! Asehoy anay ireo Jiny sy olombelona izay namery lalana anay, mba hataonay ao ambany tongotray avokoa izy rehetra, ka ho isan’ireo ambany indrindra".
إِنَّ الَّذِينَ قَالُوا رَبُّنَا اللَّهُ ثُمَّ اسْتَقَامُوا تَتَنَزَّلُ عَلَيْهِمُ الْمَلَائِكَةُ أَلَّا تَخَافُوا وَلَا تَحْزَنُوا وَأَبْشِرُوا بِالْجَنَّةِ الَّتِي كُنتُمْ تُوعَدُونَ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Hamafisina, fa ireo izay niteny hoe: “Allah no Tomponay, ary mifikitra amin’ny lalana mahitsy, dia hidina eo amin’izy ireo ny Anjely. “ Aza matahotra ianareo, ary aza malahelo, fa aoka ianareo hifaly amin’ny Paradisa izay nampanantenaina anareo ”.
نَحْنُ أَوْلِيَاؤُكُمْ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا وَفِي الْآخِرَةِ ۖ وَلَكُمْ فِيهَا مَا تَشْتَهِي أَنفُسُكُمْ وَلَكُمْ فِيهَا مَا تَدَّعُونَ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Izahay no Mpiahy anareo amin’ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra, ary ho azonareo any izay irinareo sy izay tadiavinareo.
نُزُلًا مِّنْ غَفُورٍ رَّحِيمٍ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Toeram-pandraisana avy amin’Ilay be famelan-keloka, Ilay be indrafo.
وَمَنْ أَحْسَنُ قَوْلًا مِّمَّن دَعَا إِلَى اللَّهِ وَعَمِلَ صَالِحًا وَقَالَ إِنَّنِي مِنَ الْمُسْلِمِينَ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Ary iza no manana teny tsara indrindra noho izay miantso mankany amin’I Allah, manao asa soa ary miteny hoe : “ Isan’ireo mpankato tokoa aho ”.
وَلَا تَسْتَوِي الْحَسَنَةُ وَلَا السَّيِّئَةُ ۚ ادْفَعْ بِالَّتِي هِيَ أَحْسَنُ فَإِذَا الَّذِي بَيْنَكَ وَبَيْنَهُ عَدَاوَةٌ كَأَنَّهُ وَلِيٌّ حَمِيمٌ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Tsy mitovy ny asa soa sy ny asa ratsy. Koa tohero amin’ny tsara kokoa ny ratsy, ka indro fa ho lasa namanareo mahafatra-po ilay nifankahala taminao fahiny.
وَمَا يُلَقَّاهَا إِلَّا الَّذِينَ صَبَرُوا وَمَا يُلَقَّاهَا إِلَّا ذُو حَظٍّ عَظِيمٍ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Saingy tsy homena afa-tsy ho an’izay manam-paharetana izany, sy ho an’izay manam-pahasoavana sesehena.
وَإِمَّا يَنزَغَنَّكَ مِنَ الشَّيْطَانِ نَزْغٌ فَاسْتَعِذْ بِاللَّهِ ۖ إِنَّهُ هُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Ary raha mandrisika anao ny devoly, dia mangataha fiarovana amin’I Allah, satria mandre sy mahalala ny zava-drehetra Izy,
وَمِنْ آيَاتِهِ اللَّيْلُ وَالنَّهَارُ وَالشَّمْسُ وَالْقَمَرُ ۚ لَا تَسْجُدُوا لِلشَّمْسِ وَلَا لِلْقَمَرِ وَاسْجُدُوا لِلَّهِ الَّذِي خَلَقَهُنَّ إِن كُنتُمْ إِيَّاهُ تَعْبُدُونَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Fa anisan’ireo fahagagana avy any Aminy ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, koa aoka ianareo tsy hiankohoka na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, fa miankohofa kosa ianareo amin’I Allah izay nahary azy ireo, raha Izy tokoa no tompoinareo.
فَإِنِ اسْتَكْبَرُوا فَالَّذِينَ عِندَ رَبِّكَ يُسَبِّحُونَ لَهُ بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ وَهُمْ لَا يَسْأَمُونَ ۩ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Fa raha manambony tena izy ireo, dia midera Azy ireo izay eo akaikin’ny Tomponao amin’ny alina sy atoandro, ary tsy misy fitsaharana mihitsy.
وَمِنْ آيَاتِهِ أَنَّكَ تَرَى الْأَرْضَ خَاشِعَةً فَإِذَا أَنزَلْنَا عَلَيْهَا الْمَاءَ اهْتَزَّتْ وَرَبَتْ ۚ إِنَّ الَّذِي أَحْيَاهَا لَمُحْيِي الْمَوْتَىٰ ۚ إِنَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny tany dia manetry tena. Ka raha vao nampidinanay rano teo aminy, dia indro izy fa nahazo aina sy lasa lonaka. Hamafisina, fa Ilay namelona azy, no hamelona indray ny maty, satria Izy tokoa no mahefa ny zava-drehetra.
إِنَّ الَّذِينَ يُلْحِدُونَ فِي آيَاتِنَا لَا يَخْفَوْنَ عَلَيْنَا ۗ أَفَمَن يُلْقَىٰ فِي النَّارِ خَيْرٌ أَم مَّن يَأْتِي آمِنًا يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۚ اعْمَلُوا مَا شِئْتُمْ ۖ إِنَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Ireo izay mamadika ireo andininy avy Aminay (Koroany), dia tsy miafina Aminay akory izy ireo. Moa izay hatsipy any amin’ny afobe ve no tsara kokoa, sa izay tonga am-pahatoniana tanteraka amin’ny andro farany? Ataovy izay ataonareo, fa mahita tsara izay ataonareo Izy.
إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا بِالذِّكْرِ لَمَّا جَاءَهُمْ ۖ وَإِنَّهُ لَكِتَابٌ عَزِيزٌ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Hamafisina, fa rehefa tonga tamin’izy ireo ny teny fampahatsiahivana, dia tsy nino izany izy ireo (Koroany), nefa dia Boky manan-kery tokoa izany.
لَّا يَأْتِيهِ الْبَاطِلُ مِن بَيْنِ يَدَيْهِ وَلَا مِنْ خَلْفِهِ ۖ تَنزِيلٌ مِّنْ حَكِيمٍ حَمِيدٍ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Tsy hahitana hadisoana izany, na tany alohany na taty aoriany, satria fanambarana avy amin’Ilay be fahendrena, sy mendri-piderana izany.
مَّا يُقَالُ لَكَ إِلَّا مَا قَدْ قِيلَ لِلرُّسُلِ مِن قَبْلِكَ ۚ إِنَّ رَبَّكَ لَذُو مَغْفِرَةٍ وَذُو عِقَابٍ أَلِيمٍ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Tsy misy teny izay lazaina aminao afa-tsy izay efa voalaza tamin’ireo Iraka talohanao ihany. Marina fa ny Tomponao dia Tompon’ny famelan-keloka sy famaizana mamirifiry.
وَلَوْ جَعَلْنَاهُ قُرْآنًا أَعْجَمِيًّا لَّقَالُوا لَوْلَا فُصِّلَتْ آيَاتُهُ ۖ أَأَعْجَمِيٌّ وَعَرَبِيٌّ ۗ قُلْ هُوَ لِلَّذِينَ آمَنُوا هُدًى وَشِفَاءٌ ۖ وَالَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ فِي آذَانِهِمْ وَقْرٌ وَهُوَ عَلَيْهِمْ عَمًى ۚ أُولَٰئِكَ يُنَادَوْنَ مِن مَّكَانٍ بَعِيدٍ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Ary raha nataonay tamin’ny fiteny hafa ankoatra ny teny arabo ny Koroany, dia mbola hiteny toy izao izy ireo: “Nahoana no tsy natao mazava tsara ireo andininy? Koroany tsy amin’ny fiteny arabo, nefa ny Iraka kosa dia arabo? Lazao hoe: “Izy io dia tari-dalana sy fanasitranana ho an’ireo izay mino”. Fa ho an’ireo izay tsy mino kosa, dia marenina izy ireo ary jamba ny masony manoloana izany, antsoina avy amin’ny toerana lavitra izy ireo.
وَلَقَدْ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ فَاخْتُلِفَ فِيهِ ۗ وَلَوْلَا كَلِمَةٌ سَبَقَتْ مِن رَّبِّكَ لَقُضِيَ بَيْنَهُمْ ۚ وَإِنَّهُمْ لَفِي شَكٍّ مِّنْهُ مُرِيبٍ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ary efa nomenay an’i Mosesy (Mosa) ilay Boky, tsy nitovy hevitra momba izany izy ireo. Raha tsy efa nisy didy mialoha avy tamin’ny Tomponao, dia efa nisy fanampahan-kevitra noraisina momba azy ireo. Ary tena marina fa feno fisalasalana momba izany tokoa izy ireo.
مَّنْ عَمِلَ صَالِحًا فَلِنَفْسِهِ ۖ وَمَنْ أَسَاءَ فَعَلَيْهَا ۗ وَمَا رَبُّكَ بِظَلَّامٍ لِّلْعَبِيدِ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Fa izay manao asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny asa ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy irery ihany izany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ny mpanompony.
۞ إِلَيْهِ يُرَدُّ عِلْمُ السَّاعَةِ ۚ وَمَا تَخْرُجُ مِن ثَمَرَاتٍ مِّنْ أَكْمَامِهَا وَمَا تَحْمِلُ مِنْ أُنثَىٰ وَلَا تَضَعُ إِلَّا بِعِلْمِهِ ۚ وَيَوْمَ يُنَادِيهِمْ أَيْنَ شُرَكَائِي قَالُوا آذَنَّاكَ مَا مِنَّا مِن شَهِيدٍ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Any amin’I Allah ny fahafantarana ilay Ora. Tsy misy voa mivoaka amin’ny akorany, na vavy mitoe-java, na miteraka, ka tsy fantany. Ary amin’ny andro hiantsoany azy ireo hoe: “Aiza ireo natambatra Amiko? ”. Dia hiteny izy ireo hoe : “Ambaranay aminao, fa tsy misy vavolombelona amin’izany mihitsy aminay ”.
وَضَلَّ عَنْهُم مَّا كَانُوا يَدْعُونَ مِن قَبْلُ ۖ وَظَنُّوا مَا لَهُم مِّن مَّحِيصٍ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Ary handao azy ireo izay nantsoiny taloha, ka hahatsapa izy ireo fa tsy manana fomba hialana intsony
لَّا يَسْأَمُ الْإِنسَانُ مِن دُعَاءِ الْخَيْرِ وَإِن مَّسَّهُ الشَّرُّ فَيَئُوسٌ قَنُوطٌ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Tsy sasatra ny mitalaho soa ho azy ny olona. Nefa raha iharan’ny ratsy izy, dia indro fa kivy tanteraka, very fanantenana.
وَلَئِنْ أَذَقْنَاهُ رَحْمَةً مِّنَّا مِن بَعْدِ ضَرَّاءَ مَسَّتْهُ لَيَقُولَنَّ هَٰذَا لِي وَمَا أَظُنُّ السَّاعَةَ قَائِمَةً وَلَئِن رُّجِعْتُ إِلَىٰ رَبِّي إِنَّ لِي عِندَهُ لَلْحُسْنَىٰ ۚ فَلَنُنَبِّئَنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا بِمَا عَمِلُوا وَلَنُذِيقَنَّهُم مِّنْ عَذَابٍ غَلِيظٍ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Ka rehefa omeNay famindram-po avy Aminay izy, taorian’ny fahoriana izay nihatra taminy, dia hiteny tokoa hoe : “Anjarako izany ! Ary heveriko fa tsy ho avy ilay Ora. Ary raha haverina any amin’ny Tompoko aho, dia hahazo anjara tsara any Aminy”. HolazaiNay amin’ireo tsy mpino izay nataony, ary tsy maintsy hampanandramaNay famaizana mafy izy ireo.
وَإِذَا أَنْعَمْنَا عَلَى الْإِنسَانِ أَعْرَضَ وَنَأَىٰ بِجَانِبِهِ وَإِذَا مَسَّهُ الشَّرُّ فَذُو دُعَاءٍ عَرِيضٍ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Ary rehefa fenoiNay fahasoavana ny olombelona, dia mandositra izy ireo ka manalavitra. Fa rehefa misy zavatra ratsy mahazo azy kosa, dia mitalaho maharitra izy.
قُلْ أَرَأَيْتُمْ إِن كَانَ مِنْ عِندِ اللَّهِ ثُمَّ كَفَرْتُم بِهِ مَنْ أَضَلُّ مِمَّنْ هُوَ فِي شِقَاقٍ بَعِيدٍ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Lazao hoe : “Moa hitanareo va, raha avy tamin’I Allah izy ity (Koroany), nefa dia maniratsira izany ianareo avy eo iza no very lalana indrindra, raha tsy izay nanalavitra tanteraka (finoana) ? ”
سَنُرِيهِمْ آيَاتِنَا فِي الْآفَاقِ وَفِي أَنفُسِهِمْ حَتَّىٰ يَتَبَيَّنَ لَهُمْ أَنَّهُ الْحَقُّ ۗ أَوَلَمْ يَكْفِ بِرَبِّكَ أَنَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ شَهِيدٌ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
HasehoNay azy ireo ny famantarana avy Aminay eo amin’izao rehetra izao, sy amin’ny tenan’izy ireo, mandra-pahitan’izy ireo mazava fa izany no fahamarinana.Tsy ampy va ny fahitan’ny Tomponao ny zavatra rehetra?
أَلَا إِنَّهُمْ فِي مِرْيَةٍ مِّن لِّقَاءِ رَبِّهِمْ ۗ أَلَا إِنَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ مُّحِيطٌ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Tsy misalasala tokoa va izy ireo mikasika ny fihaonana amin’ny Tompony? Moa tsy Izy va no mahafehy ny zavatra rehetra?
← 40 Fussilata (41/114) 42 →
Vakio Surah Fussilata Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

41فصلت Fussilat 📚 54 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Fussilata — 54 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers