Surah Az-Zumar amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Az-Zumar miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (75 Andininy — مكية). Az-Zumar Henoy, Az-Zumar Fandikana, Az-Zumar mp3, Az-Zumar pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Az-Zumar
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
تَنزِيلُ الْكِتَابِ مِنَ اللَّهِ الْعَزِيزِ الْحَكِيمِ ١
📖 Fandikana
Andininy 1
Ny fanambaràna ny Boky dia avy amin’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena.
إِنَّا أَنزَلْنَا إِلَيْكَ الْكِتَابَ بِالْحَقِّ فَاعْبُدِ اللَّهَ مُخْلِصًا لَّهُ الدِّينَ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Hamafisina, fa Izahay no nampidina tamim-pahamarinana ny Boky taminao. Koa tompoy áry I Allah, ary atokano irery ho Azy ny finoana.
أَلَا لِلَّهِ الدِّينُ الْخَالِصُ ۚ وَالَّذِينَ اتَّخَذُوا مِن دُونِهِ أَوْلِيَاءَ مَا نَعْبُدُهُمْ إِلَّا لِيُقَرِّبُونَا إِلَى اللَّهِ زُلْفَىٰ إِنَّ اللَّهَ يَحْكُمُ بَيْنَهُمْ فِي مَا هُمْ فِيهِ يَخْتَلِفُونَ ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي مَنْ هُوَ كَاذِبٌ كَفَّارٌ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
An’I Allah ny finoana madio, fa ireo izay maka piahy hafa ankoatr’Azy kosa dia milaza hoe: “ny hampanakaiky anay kokoa amin’I Allah no anompoanay azy ireo”. Hamafisina, fa hitsara azy ireo amin’izay mampifanditra azy ireo I Allah. Tsy mitari-dàlana izay mpandainga sy tsy mahay mankasitraka tokoa I Allah.
لَّوْ أَرَادَ اللَّهُ أَن يَتَّخِذَ وَلَدًا لَّاصْطَفَىٰ مِمَّا يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۚ سُبْحَانَهُ ۖ هُوَ اللَّهُ الْوَاحِدُ الْقَهَّارُ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Raha maniry te-hanan-janaka I Allah, dia afaka nisafidy tamin’izay namboariny Izy. Voninahitra anie ho Azy! Fa Izy no Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony.
خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ بِالْحَقِّ ۖ يُكَوِّرُ اللَّيْلَ عَلَى النَّهَارِ وَيُكَوِّرُ النَّهَارَ عَلَى اللَّيْلِ ۖ وَسَخَّرَ الشَّمْسَ وَالْقَمَرَ ۖ كُلٌّ يَجْرِي لِأَجَلٍ مُّسَمًّى ۗ أَلَا هُوَ الْعَزِيزُ الْغَفَّارُ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Fa tamim-pahamarinana no nahariany ny lanitra sy ny tany. Mampifandimby ny alina amin’ny andro Izy, ary mampifandimby ny andro amin’ny alina, ary nofeheziny ny masoandro sy ny volana ho samy manohy ny diany tsirairay avy amin’ny tanjona voafetra. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.
خَلَقَكُم مِّن نَّفْسٍ وَاحِدَةٍ ثُمَّ جَعَلَ مِنْهَا زَوْجَهَا وَأَنزَلَ لَكُم مِّنَ الْأَنْعَامِ ثَمَانِيَةَ أَزْوَاجٍ ۚ يَخْلُقُكُمْ فِي بُطُونِ أُمَّهَاتِكُمْ خَلْقًا مِّن بَعْدِ خَلْقٍ فِي ظُلُمَاتٍ ثَلَاثٍ ۚ ذَٰلِكُمُ اللَّهُ رَبُّكُمْ لَهُ الْمُلْكُ ۖ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۖ فَأَنَّىٰ تُصْرَفُونَ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Nahary anareo avy tamin’ny vatana tokana Izy, avy eo notsoahiny avy tamin’izany ny vadiny. Ary nampidina biby fiompy valo ho anareo Izy. Nahary anareo tao an-kibon’ny reninareo Izy, fahariana taorian’ny fahariana, tao anatiny haizin’ny fonom-pananahana telo, izany no Allah Tomponareo ! Azy ny fanjakana rehetra. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ka ahoana àry no iatahanareo Aminy?
إِن تَكْفُرُوا فَإِنَّ اللَّهَ غَنِيٌّ عَنكُمْ ۖ وَلَا يَرْضَىٰ لِعِبَادِهِ الْكُفْرَ ۖ وَإِن تَشْكُرُوا يَرْضَهُ لَكُمْ ۗ وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٌ وِزْرَ أُخْرَىٰ ۗ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُم مَّرْجِعُكُمْ فَيُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ۚ إِنَّهُ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Raha tsy mino ianareo, dia tsy mila anareo mihitsy I Allah. Tsy mankasitraka ny fikomiana amin’ny mpanompony Izy. Ary raha mahay mankasitraka kosa ianareo, dia mankasitraka anareo koa Izy. Tsy hisy hibaby ny fahotan’ny hafa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hiverenanareo, ka dia hambarany aminareo izay nataonareo, satria Izy no mahafantatra izay raiketin’ny fo.
۞ وَإِذَا مَسَّ الْإِنسَانَ ضُرٌّ دَعَا رَبَّهُ مُنِيبًا إِلَيْهِ ثُمَّ إِذَا خَوَّلَهُ نِعْمَةً مِّنْهُ نَسِيَ مَا كَانَ يَدْعُو إِلَيْهِ مِن قَبْلُ وَجَعَلَ لِلَّهِ أَندَادًا لِّيُضِلَّ عَن سَبِيلِهِ ۚ قُلْ تَمَتَّعْ بِكُفْرِكَ قَلِيلًا ۖ إِنَّكَ مِنْ أَصْحَابِ النَّارِ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Ary raha misy loza mahazo ny olombelona, dia miantso ny Tompony amim-pibebahana izy. Avy eo, rehefa omeny fahasoavana avy Aminy izy, dia hadinony ny antony niantsoany Azy teo aloha, ka ampitoviany amin’ny hafa I Allah, mba tsy hizoran’ny olona amin’ny lalany. Lazao hoe: “Mifalia amin’ny tsy finoanao mandritra ny fotoana fohy ianao, fa ianao dia anisan’ny olon’ny Afobe”.
أَمَّنْ هُوَ قَانِتٌ آنَاءَ اللَّيْلِ سَاجِدًا وَقَائِمًا يَحْذَرُ الْآخِرَةَ وَيَرْجُو رَحْمَةَ رَبِّهِ ۗ قُلْ هَلْ يَسْتَوِي الَّذِينَ يَعْلَمُونَ وَالَّذِينَ لَا يَعْلَمُونَ ۗ إِنَّمَا يَتَذَكَّرُ أُولُو الْأَلْبَابِ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Izay mifantoka amin’ny fivavahana, mandritra ny alina, miankohaka sy mitsangana, mitandrina ny any ankoatra, ary manantena ny famindram-pon’I Tompony. Lazao hoe: “Moa mitovy ve ireo izay mahalala sy tsy mahalala?”. Hamafisina, fa ireo manan-tsaina mahiratra ihany no mahatsiaro izany.
قُلْ يَا عِبَادِ الَّذِينَ آمَنُوا اتَّقُوا رَبَّكُمْ ۚ لِلَّذِينَ أَحْسَنُوا فِي هَٰذِهِ الدُّنْيَا حَسَنَةٌ ۗ وَأَرْضُ اللَّهِ وَاسِعَةٌ ۗ إِنَّمَا يُوَفَّى الصَّابِرُونَ أَجْرَهُم بِغَيْرِ حِسَابٍ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Lazao hoe : “ Ô ry mpanompoko izay mino! Aoka ianareo hatahotra ny Tomponareo ” Izay manao fahatsarana eto an-tany dia hahazo valisoa tsara. Midadasika ny tanin’I Allah, ary hamafisina, fa homena valisoa tsy voatanisa ireo manam-paharetana.
قُلْ إِنِّي أُمِرْتُ أَنْ أَعْبُدَ اللَّهَ مُخْلِصًا لَّهُ الدِّينَ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Ka lazao hoe : “ Voadidy hanompo an’I Allah tokoa aho, ka hivavaka Aminy irery ihany,
وَأُمِرْتُ لِأَنْ أَكُونَ أَوَّلَ الْمُسْلِمِينَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Ary nodidiana mba ho voalohany amin’ireo mpankato aho .
قُلْ إِنِّي أَخَافُ إِنْ عَصَيْتُ رَبِّي عَذَابَ يَوْمٍ عَظِيمٍ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Teneno hoe : “ Tena matahotra aho, raha tsy mankatò ny Tompoko aho, ny sazy amin’ny andro lehibe".
قُلِ اللَّهَ أَعْبُدُ مُخْلِصًا لَّهُ دِينِي ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Lazao hoe : “ Allah no Tompoko, ary Izy irery ihay no hivavahako"
فَاعْبُدُوا مَا شِئْتُم مِّن دُونِهِ ۗ قُلْ إِنَّ الْخَاسِرِينَ الَّذِينَ خَسِرُوا أَنفُسَهُمْ وَأَهْلِيهِمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ أَلَا ذَٰلِكَ هُوَ الْخُسْرَانُ الْمُبِينُ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Tompoy àry izay sitrakareo ho tompoina ankoatra Azy .Lazao hoe : “ ny tena matiantoka, dia ireo izay nanao izay hahavery ny tenany sy ny fianakaviany,ny amin’ny andron'ny fitsanganana”. Moa tsy izany ve no tena fatiantoka miharihary ?
لَهُم مِّن فَوْقِهِمْ ظُلَلٌ مِّنَ النَّارِ وَمِن تَحْتِهِمْ ظُلَلٌ ۚ ذَٰلِكَ يُخَوِّفُ اللَّهُ بِهِ عِبَادَهُ ۚ يَا عِبَادِ فَاتَّقُونِ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Hisy afo matevina eo ambonin’izy ireo sy eo ambaniny. Izany no hampitahoran’I Allah ireo mpanompony. Ry mpanompoko ! Matahora Ahy ianareo !
وَالَّذِينَ اجْتَنَبُوا الطَّاغُوتَ أَن يَعْبُدُوهَا وَأَنَابُوا إِلَى اللَّهِ لَهُمُ الْبُشْرَىٰ ۚ فَبَشِّرْ عِبَادِ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Ary izay mihataka ny fanompoan-tsampy, tsy hanompoany azy, ka niverina amin’I Allah, dia ho azy ireo ny vaovao mahafaly ! Koa lazao amin’ireo mpanompoko izany,
الَّذِينَ يَسْتَمِعُونَ الْقَوْلَ فَيَتَّبِعُونَ أَحْسَنَهُ ۚ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ هَدَاهُمُ اللَّهُ ۖ وَأُولَٰئِكَ هُمْ أُولُو الْأَلْبَابِ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ireo izay mihaino ny teny, ka manaraka izay tsara indrindra amin’izany, dia izy ireny no hitsian’I Allah lalana, ary izy ireny no matsilo saina tokoa.
أَفَمَنْ حَقَّ عَلَيْهِ كَلِمَةُ الْعَذَابِ أَفَأَنتَ تُنقِذُ مَن فِي النَّارِ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Moa izay iharan’ny didy famaizana! Ary mbola afaka hanavotra izay ao anaty afo ve ianao ?
لَٰكِنِ الَّذِينَ اتَّقَوْا رَبَّهُمْ لَهُمْ غُرَفٌ مِّن فَوْقِهَا غُرَفٌ مَّبْنِيَّةٌ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ ۖ وَعْدَ اللَّهِ ۖ لَا يُخْلِفُ اللَّهُ الْمِيعَادَ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Fa ireo izay matahotra ny Tompony kosa, dia ho any amin’ny rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy rihana hafa ao amboniny, ary renirano mikoriana ao ambaniny. Izany dia fampanantenana avy amin’I Allah. Satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany I Allah.
أَلَمْ تَرَ أَنَّ اللَّهَ أَنزَلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَسَلَكَهُ يَنَابِيعَ فِي الْأَرْضِ ثُمَّ يُخْرِجُ بِهِ زَرْعًا مُّخْتَلِفًا أَلْوَانُهُ ثُمَّ يَهِيجُ فَتَرَاهُ مُصْفَرًّا ثُمَّ يَجْعَلُهُ حُطَامًا ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَذِكْرَىٰ لِأُولِي الْأَلْبَابِ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Moa tsy hitanao ve, fa mampidina rano avy any an-danitra tokoa I Allah, ka alefany amin’ny loharano ao anatin’ny tany izany, avy eo, amin’ny alalan’izany no hampaniriany ny zava-maniry maro, samy hafa loko, izay mihamalazo avy eo, ka ho hitanao mihamavo, ary hataony ho potipotika izany. Hamafisina, fa izany dia misy fampahatsiahivana ho an’izay manan-tsaina.
أَفَمَن شَرَحَ اللَّهُ صَدْرَهُ لِلْإِسْلَامِ فَهُوَ عَلَىٰ نُورٍ مِّن رَّبِّهِ ۚ فَوَيْلٌ لِّلْقَاسِيَةِ قُلُوبُهُم مِّن ذِكْرِ اللَّهِ ۚ أُولَٰئِكَ فِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Izay nosokafan’i Allah ny fony ho amin’ny fanoloran-tena ho Azy (miditra Islamo), dia ao anatin’ny hazavana avy amin’ny Tompony izy. Loza ho an’izay mafy fo amin’ny fahatsiarovana an’i Allah. Izy ireny no ho ao anatin’ny fahaverezana tanteraka.
اللَّهُ نَزَّلَ أَحْسَنَ الْحَدِيثِ كِتَابًا مُّتَشَابِهًا مَّثَانِيَ تَقْشَعِرُّ مِنْهُ جُلُودُ الَّذِينَ يَخْشَوْنَ رَبَّهُمْ ثُمَّ تَلِينُ جُلُودُهُمْ وَقُلُوبُهُمْ إِلَىٰ ذِكْرِ اللَّهِ ۚ ذَٰلِكَ هُدَى اللَّهِ يَهْدِي بِهِ مَن يَشَاءُ ۚ وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَمَا لَهُ مِنْ هَادٍ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Nampidinin’I Allah ny tantara tsara indrindra, dia ilay Boky misy andininy mitovitovy sy miverimberina. Mihoron-koditra amin’izany ireo izay matahotra ny Tompony, avy eo, dia tony ny hodiny sy ny fony amin’ny fahatsiarovana an’I Allah. Izany no tari-dalana avy amin’I Allah, hitarihany izay tiany hotarihana lalana. Fa izay verezin’I Allah kosa, dia tsy hanana mpitarika intsony.
أَفَمَن يَتَّقِي بِوَجْهِهِ سُوءَ الْعَذَابِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۚ وَقِيلَ لِلظَّالِمِينَ ذُوقُوا مَا كُنتُمْ تَكْسِبُونَ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Moa ve izay miaro ny tarehiny amin’ny haratsian’ny famaizana amin’ny andro fitsanganana dia hitovy amin’ireo any amin’ny Paradisa ? Ary ho lazaina amin’ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “ andramo ny vokatr’izay nataonareo ”.
كَذَّبَ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ فَأَتَاهُمُ الْعَذَابُ مِنْ حَيْثُ لَا يَشْعُرُونَ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ireo talohan’izy ireo, ka tonga taminy tamin’ny tsy nampoiziny ny famaizana.
فَأَذَاقَهُمُ اللَّهُ الْخِزْيَ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۖ وَلَعَذَابُ الْآخِرَةِ أَكْبَرُ ۚ لَوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Nampanandraman’i Allah azy ireo ny fahafaham-baraka, tamin’ny fiainana eto an-tany. Mbola lehibe noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr’izy ireo anefa !
وَلَقَدْ ضَرَبْنَا لِلنَّاسِ فِي هَٰذَا الْقُرْآنِ مِن كُلِّ مَثَلٍ لَّعَلَّهُمْ يَتَذَكَّرُونَ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Nitanisa fanoharana isan-karazany ho an’ny olombelona Izahay ao amin’ity Koroany ity, mba hahatsiarovan’izy ireo.
قُرْآنًا عَرَبِيًّا غَيْرَ ذِي عِوَجٍ لَّعَلَّهُمْ يَتَّقُونَ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Koroany amin’ny fiteny arabo, tsy misy olakolaka, mba hahatonga azy ireo hanam-pahatahorana an’I Allah !
ضَرَبَ اللَّهُ مَثَلًا رَّجُلًا فِيهِ شُرَكَاءُ مُتَشَاكِسُونَ وَرَجُلًا سَلَمًا لِّرَجُلٍ هَلْ يَسْتَوِيَانِ مَثَلًا ۚ الْحَمْدُ لِلَّهِ ۚ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْلَمُونَ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Nanome fanoharana I Tompo Allah amin’ny lehilahy iray izay an’ny mpiara-miombon’antoka maro tsy mifanaraka, ka mifamaly momba azy izy ireo, sy lehilahy iray an’olona tokana ihany, moa mitovy ve ireo fanoharana roa ireo ? Dera ho an’I Allah ! Kanefa dia tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
إِنَّكَ مَيِّتٌ وَإِنَّهُم مَّيِّتُونَ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Hamafisina, fa ho faty tokoa ianao (Mohammad), ary ho faty ihany koa izy ireo.
ثُمَّ إِنَّكُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ عِندَ رَبِّكُمْ تَخْتَصِمُونَ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Avy eo, dia hifanatrika eo anatrehan’ny Tomponareo ianareo, amin’ny andro fitsanganana.
۞ فَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّن كَذَبَ عَلَى اللَّهِ وَكَذَّبَ بِالصِّدْقِ إِذْ جَاءَهُ ۚ أَلَيْسَ فِي جَهَنَّمَ مَثْوًى لِّلْكَافِرِينَ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Iza no mpanao ny tsy rariny indrindra mihoatra izay mamoron-dainga momba an’I Tompo Allah, ary milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy! Moa tsy any amin’ny Afobe ve no misy toeram-pialofana ho an’ireo tsy mpino?
وَالَّذِي جَاءَ بِالصِّدْقِ وَصَدَّقَ بِهِ ۙ أُولَٰئِكَ هُمُ الْمُتَّقُونَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Fa izay tonga miaraka amin’ny fahamarinana kosa, ary nanaiky izany, dia izy ireny no manam-pahatahorana.
لَهُم مَّا يَشَاءُونَ عِندَ رَبِّهِمْ ۚ ذَٰلِكَ جَزَاءُ الْمُحْسِنِينَ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Hahazo izay rehetra tadiaviny eo anatrehan’ny Tompony izy ireo, izany no valisoan’ireo mpanao asa soa;
لِيُكَفِّرَ اللَّهُ عَنْهُمْ أَسْوَأَ الَّذِي عَمِلُوا وَيَجْزِيَهُمْ أَجْرَهُم بِأَحْسَنِ الَّذِي كَانُوا يَعْمَلُونَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Mba hamafan’I Allah ny ratsy indrindra nataony, sy hamalian'ny soa azy ireo, araka izay tsara indrindra nataony.
أَلَيْسَ اللَّهُ بِكَافٍ عَبْدَهُ ۖ وَيُخَوِّفُونَكَ بِالَّذِينَ مِن دُونِهِ ۚ وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَمَا لَهُ مِنْ هَادٍ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Tsy ampy ho an’ny mpanompony ve I Allah ? Ka hampitahorin’izy ireo amin’izay ankoatra Azy ianao, fa izay verezin’I Allah lalana, dia tsy hanana mpitarika.
وَمَن يَهْدِ اللَّهُ فَمَا لَهُ مِن مُّضِلٍّ ۗ أَلَيْسَ اللَّهُ بِعَزِيزٍ ذِي انتِقَامٍ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Izay tarihin’I Allah lalana, dia tsy misy na iza na iza afaka hamily lalana azy. Moa tsy I Allah no Tsitoha, sy Tompon’ny famalian-keloka?
وَلَئِن سَأَلْتَهُم مَّنْ خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ لَيَقُولُنَّ اللَّهُ ۚ قُلْ أَفَرَأَيْتُم مَّا تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ إِنْ أَرَادَنِيَ اللَّهُ بِضُرٍّ هَلْ هُنَّ كَاشِفَاتُ ضُرِّهِ أَوْ أَرَادَنِي بِرَحْمَةٍ هَلْ هُنَّ مُمْسِكَاتُ رَحْمَتِهِ ۚ قُلْ حَسْبِيَ اللَّهُ ۖ عَلَيْهِ يَتَوَكَّلُ الْمُتَوَكِّلُونَ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Raha anontanianao izy ireo hoe : “Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ?”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “Allah”. Lazao hoe: “Moa hitanareo ve izay italahoanareo ivelan’I Allah, raha te-hanisy ratsy ahy I Allah, moa afaka hampitsahatra izany ve izy ireo? Na te-hamindra fo amiko Izy, moa afaka hitazona izany famindram-po izany ve izy ireo?”. Lazao hoe: “Ampy ahy I Allah, Aminy no hanakinan’ ireo mpiantehatra ny fianteherany”.
قُلْ يَا قَوْمِ اعْمَلُوا عَلَىٰ مَكَانَتِكُمْ إِنِّي عَامِلٌ ۖ فَسَوْفَ تَعْلَمُونَ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Dia lazao hoe: “ Ry vahoakako ! Manaova ianareo araka ny fomba fiasanareo, fa izaho koa dia hiasa araka ny fomba fiasako. Tsy ho ela dia ho fantatrareo izany;
مَن يَأْتِيهِ عَذَابٌ يُخْزِيهِ وَيَحِلُّ عَلَيْهِ عَذَابٌ مُّقِيمٌ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Amin’iza no hiharan’ny famaizana mahafa-baraka, ary iza no mendrika ny famaizana maharitra?
إِنَّا أَنزَلْنَا عَلَيْكَ الْكِتَابَ لِلنَّاسِ بِالْحَقِّ ۖ فَمَنِ اهْتَدَىٰ فَلِنَفْسِهِ ۖ وَمَن ضَلَّ فَإِنَّمَا يَضِلُّ عَلَيْهَا ۖ وَمَا أَنتَ عَلَيْهِم بِوَكِيلٍ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Hamafisina, fa Izahay no nampidina taminao ny Boky, ho an’ny olombelona tamim-pahamarinana. Izay mizotra amin’ny lalana mahitsy, dia ho an’ny tenany ihany, ary izay mivily lalana kosa, dia manao izay hahavery ny tenany ihany koa. Ary tsy tompon’andraikitra velively amin’izy ireo ianao.
اللَّهُ يَتَوَفَّى الْأَنفُسَ حِينَ مَوْتِهَا وَالَّتِي لَمْ تَمُتْ فِي مَنَامِهَا ۖ فَيُمْسِكُ الَّتِي قَضَىٰ عَلَيْهَا الْمَوْتَ وَيُرْسِلُ الْأُخْرَىٰ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يَتَفَكَّرُونَ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Allah no mandray ny fanahy amin’ny fotoana hahafatesany (olona), toy izany koa ireo izay mbola tsy maty nandritra ny torimasony. Ary tazoniny izay voadidy ho faty amin’izy ireo, fa haveriny kosa ny hafa hatramin’ny fotoana efa voafetra. Hamafisina, fa misy porofo ho an’ireo olona mieritreritra tokoa amin’izany.
أَمِ اتَّخَذُوا مِن دُونِ اللَّهِ شُفَعَاءَ ۚ قُلْ أَوَلَوْ كَانُوا لَا يَمْلِكُونَ شَيْئًا وَلَا يَعْقِلُونَ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Moa nandray mpanelanelana ankoatra an’I Allah ve izy ireo? Dia valio hoe : “ Na izy ireo aza tsy manana na inona na inona, no sady tsy misaina akory ! ”
قُل لِّلَّهِ الشَّفَاعَةُ جَمِيعًا ۖ لَّهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ ثُمَّ إِلَيْهِ تُرْجَعُونَ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Dia lazao hoe : “An’I Allah ny fanelanelanana rehetra. Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Ary any Aminy no hamerenana anareo”
وَإِذَا ذُكِرَ اللَّهُ وَحْدَهُ اشْمَأَزَّتْ قُلُوبُ الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ ۖ وَإِذَا ذُكِرَ الَّذِينَ مِن دُونِهِ إِذَا هُمْ يَسْتَبْشِرُونَ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Ary rehefa ampahatsiahivina ny maha tokana an’i Allah, dia sorena mafy ny fon’ireo izay tsy mino ny fiainana any ankoatra, fa rehefa ampahatsiahivina kosa ireo izay ankoatra Azy, dia indro fa feno hafaliana izy ireo.
قُلِ اللَّهُمَّ فَاطِرَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ عَالِمَ الْغَيْبِ وَالشَّهَادَةِ أَنتَ تَحْكُمُ بَيْنَ عِبَادِكَ فِي مَا كَانُوا فِيهِ يَخْتَلِفُونَ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Lazao hoe : “ Ô Allah, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, Mpahalala ny miafina sy ny hita-maso, Ianao no hitsara ireo mpanomponao, amin’izay tsy nampitovy hevitra azy ireo ”.
وَلَوْ أَنَّ لِلَّذِينَ ظَلَمُوا مَا فِي الْأَرْضِ جَمِيعًا وَمِثْلَهُ مَعَهُ لَافْتَدَوْا بِهِ مِن سُوءِ الْعَذَابِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۚ وَبَدَا لَهُم مِّنَ اللَّهِ مَا لَمْ يَكُونُوا يَحْتَسِبُونَ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Raha an’ireo mpanao ny tsy rariny izay rehetra misy eto ambonin’ny tany, ary mbola hampiana mitovy amin’izany, dia mba natolony ho takalo hialana amin’ny famaizana ratsy indrindra amin’ny andro fitsanganana izany, ary hiseho amin’izy ireo avy amin’I Allah, izay tsy mbola noeritreretin’izy ireo mihitsy.
وَبَدَا لَهُمْ سَيِّئَاتُ مَا كَسَبُوا وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُوا بِهِ يَسْتَهْزِئُونَ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Ary haseho amin’izy ireo ny ratsy nataony, ka hanarona azy ireo izay noesoiny.
فَإِذَا مَسَّ الْإِنسَانَ ضُرٌّ دَعَانَا ثُمَّ إِذَا خَوَّلْنَاهُ نِعْمَةً مِّنَّا قَالَ إِنَّمَا أُوتِيتُهُ عَلَىٰ عِلْمٍ ۚ بَلْ هِيَ فِتْنَةٌ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ لَا يَعْلَمُونَ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Rehefa tra-doza ny zanak’olombelona, dia mitalaho Aminay izy. Avy eo, raha omenay tombontsoa manokana avy Aminay izy, dia hiteny izy hoe: “Avy amin’ny fahaizako ihany izany”. Kanefa fitsapana ihany izany, saingy ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra izany.
قَدْ قَالَهَا الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ فَمَا أَغْنَىٰ عَنْهُم مَّا كَانُوا يَكْسِبُونَ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Toy izany no nolazain’izay talohan’izy ireo. Nefa tsy nitera-bokatsoa ho azy ireo izay zavatra nangoniny.
فَأَصَابَهُمْ سَيِّئَاتُ مَا كَسَبُوا ۚ وَالَّذِينَ ظَلَمُوا مِنْ هَٰؤُلَاءِ سَيُصِيبُهُمْ سَيِّئَاتُ مَا كَسَبُوا وَمَا هُم بِمُعْجِزِينَ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Koa nianjady tamin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny. Izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, dia hihatra amin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny, fa tsy afaka hanohitra velively ny herin’I Allah izy ireo.
أَوَلَمْ يَعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ وَيَقْدِرُ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Moa tsy fantatr’izy ireo ve, fa mizara an-kalalahana ny fanomezany (Anjaramasoandro) amin’izay sitrany I Allah, na mametra izany ? Ary hamafisina, fa misy porofo tokoa ho an’ireo vahoaka izay mpino.
۞ قُلْ يَا عِبَادِيَ الَّذِينَ أَسْرَفُوا عَلَىٰ أَنفُسِهِمْ لَا تَقْنَطُوا مِن رَّحْمَةِ اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ يَغْفِرُ الذُّنُوبَ جَمِيعًا ۚ إِنَّهُ هُوَ الْغَفُورُ الرَّحِيمُ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Lazao hoe: “Ô ianareo mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra (fahotana lehibe) tamin’ny tenany, aza very fanantenana amin’ny famindram-pon’I Allah ianareo. Satria hamafisina, fa I Allah no mamela ny fahotana rehetra. Eny, Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be indrafo.
وَأَنِيبُوا إِلَىٰ رَبِّكُمْ وَأَسْلِمُوا لَهُ مِن قَبْلِ أَن يَأْتِيَكُمُ الْعَذَابُ ثُمَّ لَا تُنصَرُونَ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Koa miverena amim-panenenana amin’ny Tomponareo ianareo, ary mankatoava Azy, mialohan’ny hiavian’ny famaizana, ka tsy hahazoanareo famonjena intsony.
وَاتَّبِعُوا أَحْسَنَ مَا أُنزِلَ إِلَيْكُم مِّن رَّبِّكُم مِّن قَبْلِ أَن يَأْتِيَكُمُ الْعَذَابُ بَغْتَةً وَأَنتُمْ لَا تَشْعُرُونَ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Ary araho ilay fanambarana mendrika indrindra avy amin’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ny famaizana tampoka aminareo, amin’ny fotoana izay tsy hampoizinareo akory,
أَن تَقُولَ نَفْسٌ يَا حَسْرَتَا عَلَىٰ مَا فَرَّطتُ فِي جَنبِ اللَّهِ وَإِن كُنتُ لَمِنَ السَّاخِرِينَ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Alohan'ny hitenenan’ny olona iray hoe : “ Loza ho ahy, noho ny tsirambina nataoko tamin’I Allah. Fa tena anisan’ireo mpaneso aho”
أَوْ تَقُولَ لَوْ أَنَّ اللَّهَ هَدَانِي لَكُنتُ مِنَ الْمُتَّقِينَ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Na hitenenany hoe: “Raha mba notarihan’I Allah tamin’ny lalana mahitsy aho, dia ho anisan’ireo nanam-pahatahorana tokoa”
أَوْ تَقُولَ حِينَ تَرَى الْعَذَابَ لَوْ أَنَّ لِي كَرَّةً فَأَكُونَ مِنَ الْمُحْسِنِينَ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Na hiteny izy rehefa mahita famaizana hoe : “Indrisy! Raha mba afaka miverina mantsy aho! Dia ho anisan’ireo mpanao asa soa ”.
بَلَىٰ قَدْ جَاءَتْكَ آيَاتِي فَكَذَّبْتَ بِهَا وَاسْتَكْبَرْتَ وَكُنتَ مِنَ الْكَافِرِينَ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Tena izany tokoa! Tonga teo aminao ireo andininy avy Amiko, saingy nataonao ho lainga izy ireny, ary niavonavonanao, fa anisan’ireo olona tsy mpino ianao.
وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ تَرَى الَّذِينَ كَذَبُوا عَلَى اللَّهِ وُجُوهُهُم مُّسْوَدَّةٌ ۚ أَلَيْسَ فِي جَهَنَّمَ مَثْوًى لِّلْمُتَكَبِّرِينَ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Ary amin’ny andro fitsanganana, dia ho hitanao maloka ny tarehin’ireo izay namoron-dainga momba an’i Allah. Moa tsy any amin’ny Afobe tokoa ve no hisy ny fitoeran’ireo mpanambony tena ?
وَيُنَجِّي اللَّهُ الَّذِينَ اتَّقَوْا بِمَفَازَتِهِمْ لَا يَمَسُّهُمُ السُّوءُ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Fa havotan’I Allah ireo izay manam-pahatahorana, ka hataony mpandresy. Tsy misy ratsy mihitsy hahazo azy ireo, ary tsy hanana alahelo ihany koa.
اللَّهُ خَالِقُ كُلِّ شَيْءٍ ۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ وَكِيلٌ ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Mpahary ny zava-drehetra I Allah, ary Izy no mpiantoka azy ireo.
لَّهُ مَقَالِيدُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۗ وَالَّذِينَ كَفَرُوا بِآيَاتِ اللَّهِ أُولَٰئِكَ هُمُ الْخَاسِرُونَ ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Izy no mitazona ny fanalahidin’ny lanitra sy ny tany, fa izay tsy mino ireo famantarana avy amin’I Allah kosa, dia izy ireny no ho matiantoka.
قُلْ أَفَغَيْرَ اللَّهِ تَأْمُرُونِّي أَعْبُدُ أَيُّهَا الْجَاهِلُونَ ٦٤
📖 Fandikana
Andininy 64
Lazao hoe : “ Ho didinareo hanompo ny hafa ivelan’I Allah ve aho ry tsy manam-pahalalana ? ”
وَلَقَدْ أُوحِيَ إِلَيْكَ وَإِلَى الَّذِينَ مِن قَبْلِكَ لَئِنْ أَشْرَكْتَ لَيَحْبَطَنَّ عَمَلُكَ وَلَتَكُونَنَّ مِنَ الْخَاسِرِينَ ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Efa nambara taminao sy tamin’ireo izay talohanao hoe : “ Raha manambatra Allah amin’ny zavatra hafa ianao, dia ho very maina tokoa ny asanao, ka tsy maintsy ho anisan’ireo matiantoka ianao”.
بَلِ اللَّهَ فَاعْبُدْ وَكُن مِّنَ الشَّاكِرِينَ ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Fa ny mifanohitra amin’izany, Allah irery ihany no tompoy, ary aoka ho anisan’ireo mpankasitraka ianao.
وَمَا قَدَرُوا اللَّهَ حَقَّ قَدْرِهِ وَالْأَرْضُ جَمِيعًا قَبْضَتُهُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وَالسَّمَاوَاتُ مَطْوِيَّاتٌ بِيَمِينِهِ ۚ سُبْحَانَهُ وَتَعَالَىٰ عَمَّا يُشْرِكُونَ ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
Tsy nanome haja an’I Allah izy ireo, araka ny tokony ho izy, kanefa dia ho raisiny am-pelatanany ny tany manontolo amin’ny andro fitsanganana. Ary hiforitra eo amin’ny tanany havanana ny lanitra. Voninahitra anie ho Azy ! Izy no tena Ambonin’izay atambatr’izy ireo Aminy.
وَنُفِخَ فِي الصُّورِ فَصَعِقَ مَن فِي السَّمَاوَاتِ وَمَن فِي الْأَرْضِ إِلَّا مَن شَاءَ اللَّهُ ۖ ثُمَّ نُفِخَ فِيهِ أُخْرَىٰ فَإِذَا هُمْ قِيَامٌ يَنظُرُونَ ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Ary ho tsofina ny Anjomara, ka rava izay any an-danitra sy ety an-tany, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Avy eo dia ho tsofina fanindroany, ka indreo hitsangana hijery izy ireo .
وَأَشْرَقَتِ الْأَرْضُ بِنُورِ رَبِّهَا وَوُضِعَ الْكِتَابُ وَجِيءَ بِالنَّبِيِّينَ وَالشُّهَدَاءِ وَقُضِيَ بَيْنَهُم بِالْحَقِّ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Ary hamirapiratrin'ny hazavan’ny Tompony ny tany, napetraka ny Boky dia hantsoina ireo Mpaminany, sy ireo vavolombelona, ary amim-pahamarinana no hanapahana ny amin’izy ireo, ka tsy hisy hiangarana mihitsy izy ireo.
وَوُفِّيَتْ كُلُّ نَفْسٍ مَّا عَمِلَتْ وَهُوَ أَعْلَمُ بِمَا يَفْعَلُونَ ٧٠
📖 Fandikana
Andininy 70
Ary homena ny tsirairay ny valin-kasasarana feno tanteraka, araka ny asa izay nataony. Ary Izy (Allah) no mahalala tanteraka izay rehetra nataon’izy ireo.
وَسِيقَ الَّذِينَ كَفَرُوا إِلَىٰ جَهَنَّمَ زُمَرًا ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءُوهَا فُتِحَتْ أَبْوَابُهَا وَقَالَ لَهُمْ خَزَنَتُهَا أَلَمْ يَأْتِكُمْ رُسُلٌ مِّنكُمْ يَتْلُونَ عَلَيْكُمْ آيَاتِ رَبِّكُمْ وَيُنذِرُونَكُمْ لِقَاءَ يَوْمِكُمْ هَٰذَا ۚ قَالُوا بَلَىٰ وَلَٰكِنْ حَقَّتْ كَلِمَةُ الْعَذَابِ عَلَى الْكَافِرِينَ ٧١
📖 Fandikana
Andininy 71
Ary hotarihina isaka ny andiany ireo tsy mpino ho any amin’ny Afobe. Ka rehefa tonga eo anoloan'izy ireo dia ho sokafina ny varavarany, ary ireo mpiambina kosa dia hilaza amin’izy ireo hoe: “Moa tsy tonga taminareo ve ireo Iraka, izay namaky ho anareo ireo andininy avy tamin’ny Tomponareo, sady nampitandrina anareo amin’ny fihaonanareo amin’izao andro izao?”. Ka hamaly izy ireo hoe: “Eny! Nefa natao mendrika ho an’ireo tsy mpino ny didin’ny famaizana”.
قِيلَ ادْخُلُوا أَبْوَابَ جَهَنَّمَ خَالِدِينَ فِيهَا ۖ فَبِئْسَ مَثْوَى الْمُتَكَبِّرِينَ ٧٢
📖 Fandikana
Andininy 72
Ho lazaina izy ireo hoe : “ Midira ao amin’ny varavaran’ny Afobe ianareo, ary mitoera ao mandrakizay ” Tena ratsy tokoa izany toeram-ponenan’ireo mpanambony tena izany!
وَسِيقَ الَّذِينَ اتَّقَوْا رَبَّهُمْ إِلَى الْجَنَّةِ زُمَرًا ۖ حَتَّىٰ إِذَا جَاءُوهَا وَفُتِحَتْ أَبْوَابُهَا وَقَالَ لَهُمْ خَزَنَتُهَا سَلَامٌ عَلَيْكُمْ طِبْتُمْ فَادْخُلُوهَا خَالِدِينَ ٧٣
📖 Fandikana
Andininy 73
Ary ho tarihina amin’ny andiany ihany koa ireo nanam-pahatahorana ny Tompony, ka ho any amin’ny Paradisa. Rehefa tonga eo anoloany izy ireo, dia hisokatra ny varavarany, ka hiteny amin’izy ireo ny mpiambina izany hoe: “Fandriampahalemana ho anareo! Olo-mendrika tokoa ianareo, ka midira, ary mitoera ao mandrakizay ianareo”.
وَقَالُوا الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي صَدَقَنَا وَعْدَهُ وَأَوْرَثَنَا الْأَرْضَ نَتَبَوَّأُ مِنَ الْجَنَّةِ حَيْثُ نَشَاءُ ۖ فَنِعْمَ أَجْرُ الْعَامِلِينَ ٧٤
📖 Fandikana
Andininy 74
Ary hilaza izy ireo hoe : “ Dera sy voninahitra ho an’I Allah, izay nanatanteraka taminay ny fampanantenany, ary nampandova anay ny tany! Hitoetra ao amin’ny Paradisa amin’ny toerana izay tianay izahay. Hamafisina, fa tsara tokoa ny valisoan’ireo mpanao asa soa! ”
وَتَرَى الْمَلَائِكَةَ حَافِّينَ مِنْ حَوْلِ الْعَرْشِ يُسَبِّحُونَ بِحَمْدِ رَبِّهِمْ ۖ وَقُضِيَ بَيْنَهُم بِالْحَقِّ وَقِيلَ الْحَمْدُ لِلَّهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ ٧٥
📖 Fandikana
Andininy 75
Ary ho hitanao ireo Anjely, izay manao fari-bolana manodidina ny Seza fiandrianana, ka midera ny voninahitry ny Tompony. Ary ho tsaraina amim-pahamarinana izy ireo, ary ho lazaina hoe: “Dera ho an’i Allah, Tompon’izao tontolo izao! ”
Vakio Surah Az-Zumar Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

