📖 0/604 pejy novakiana
📄 18
Al-Baqarah

Al-Baqarah

2:113
وَقَالَتِ ٱلۡيَهُودُ لَيۡسَتِ ٱلنَّصَٰرَىٰ عَلَىٰ شَيۡءٍ وَقَالَتِ ٱلنَّصَٰرَىٰ لَيۡسَتِ ٱلۡيَهُودُ عَلَىٰ شَيۡءٍ وَهُمۡ يَتۡلُونَ ٱلۡكِتَٰبَۗ كَذَٰلِكَ قَالَ ٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَ مِثۡلَ قَوۡلِهِمۡۚ فَٱللَّهُ يَحۡكُمُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ ١١٣
Ary hoy ireo Jiosy : “Tsinontsinona ireo Kristianina (tsy amin’ny fahamarinana)”, ary hoy ihany koa ireo Kristianina : “Tsinontsinona ireo Jiosy”, kanefa dia samy mamaky mandrakariva ny boky izy ireny! Tsy misy valaka amin’izany fitenin-dry zareo izany ihany koa no nolazain’ireo olona tsy mahalàla na inona na inona. Ka Allah no hitsara azy ireo amin’izay nampifanolana azy amin’ny andro fitsanganana.
2:114
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن مَّنَعَ مَسَٰجِدَ ٱللَّهِ أَن يُذۡكَرَ فِيهَا ٱسۡمُهُۥ وَسَعَىٰ فِي خَرَابِهَآۚ أُوْلَٰٓئِكَ مَا كَانَ لَهُمۡ أَن يَدۡخُلُوهَآ إِلَّا خَآئِفِينَۚ لَهُمۡ فِي ٱلدُّنۡيَا خِزۡيٌ وَلَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ عَذَابٌ عَظِيمٌ ١١٤
Ary iza no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay manakana ny fahatsiarovana ny anaran'i Tompo Allah amin'ireny tranon'i Tompo Allah ireny (Masjid), ary miezaka ny hamotika izany ? Ireny olona ireny dia tsy tokony hiditra amin'izany (Masjid izany) afa-tsy amin'ny tahotra ka ety an-tany dia fahafaham-baraka no ho azy ireo; ary any ankoatra dia ho azy ireo ny famaizana goavana indrindra.
2:115
وَلِلَّهِ ٱلۡمَشۡرِقُ وَٱلۡمَغۡرِبُۚ فَأَيۡنَمَا تُوَلُّواْ فَثَمَّ وَجۡهُ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ وَٰسِعٌ عَلِيمٌ ١١٥
An’Allah avokoa ny atsinanana sy ny andrefana. Ka na aiza na aiza no itodihanareo, dia miatrika an’Allah. Hamafisina, fa Allah dia Malalatànana sy Mahay ny zavatra rehetra.
2:116
وَقَالُواْ ٱتَّخَذَ ٱللَّهُ وَلَدًاۗ سُبۡحَٰنَهُۥۖ بَل لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ كُلٌّ لَّهُۥ قَٰنِتُونَ ١١٦
Ary hoy izy ireo : “Allah dia manan-janaka lahy!”. Lavitra ny voninahiny izany! Fa Azy kosa izay any andanitra rehetra any, sy ny ety ambonin’ny tany. Mpankato Azy avokoa ny rehetra.
2:117
بَدِيعُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ وَإِذَا قَضَىٰٓ أَمۡرًا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ ١١٧
Izy no Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Ary rehefa tapa-kevitra amin-javatra iray Izy, dia izao ihany no Teniny : “Misia…”, dia misy tokoa izany.
2:118
وَقَالَ ٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَ لَوۡلَا يُكَلِّمُنَا ٱللَّهُ أَوۡ تَأۡتِينَآ ءَايَةٌۗ كَذَٰلِكَ قَالَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِم مِّثۡلَ قَوۡلِهِمۡۘ تَشَٰبَهَتۡ قُلُوبُهُمۡۗ قَدۡ بَيَّنَّا ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٍ يُوقِنُونَ ١١٨
Ary hoy ireo tsy mahalàla : “Fa nahoana Allah no tsy miteny mivantana aminay na koa mampiseho famantarana anay?” Tsy misy valaka amin’izany ihany koa no voalazan’ireo olona teo alohany. Sahala ihany ny fon’izy roa tonta. Efa nahariharinay tamin’ireo vahoaka manam-pinoana ny famantarana samihafa.
2:119
إِنَّآ أَرۡسَلۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ بَشِيرًا وَنَذِيرًاۖ وَلَا تُسۡـَٔلُ عَنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلۡجَحِيمِ ١١٩
Nalefanay tokoa Ianao miaraka amin'ny fahamarinana, mba ho mpitory vaovao mahafaly sy mpampitandrina; ary tsy hanontaniana momba ireo olon'ny Afobe Ianao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Wednesday, August 19, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







