Surah As-Saff amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah As-Saff miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (14 Andininy — مدنية). As-Saff Henoy, As-Saff Fandikana, As-Saff mp3, As-Saff pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah As-Saff

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
سَبَّحَ لِلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۖ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Manome voninahitra an’I Allah avokoa izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لِمَ تَقُولُونَ مَا لَا تَفْعَلُونَ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Ianareo mpino ! Nahoana ianareo no milaza izay tsy ataonareo ?
كَبُرَ مَقْتًا عِندَ اللَّهِ أَن تَقُولُوا مَا لَا تَفْعَلُونَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Zavatra mamoa-pady eo anatrehan’I Allah tokoa ny fitenenanareo izay tsy ataonareo.
إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الَّذِينَ يُقَاتِلُونَ فِي سَبِيلِهِ صَفًّا كَأَنَّهُم بُنْيَانٌ مَّرْصُوصٌ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Tian’I Allah izay miady amin’ny lalany, milahatra, mifanery tahaka ny mandà nohamafisina.
وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ يَا قَوْمِ لِمَ تُؤْذُونَنِي وَقَد تَّعْلَمُونَ أَنِّي رَسُولُ اللَّهِ إِلَيْكُمْ ۖ فَلَمَّا زَاغُوا أَزَاغَ اللَّهُ قُلُوبَهُمْ ۚ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الْفَاسِقِينَ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany i Mosesy hoe : Ry vahoakako ! Nahoana no manao ratsy ahy ianareo, nefa fantatrareo, fa irak’I Allah ho eo aminareo aho ? ka rehefa nivily lalana izy ireo dia navilin’Allah ny fony, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah.
وَإِذْ قَالَ عِيسَى ابْنُ مَرْيَمَ يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ إِنِّي رَسُولُ اللَّهِ إِلَيْكُم مُّصَدِّقًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيَّ مِنَ التَّوْرَاةِ وَمُبَشِّرًا بِرَسُولٍ يَأْتِي مِن بَعْدِي اسْمُهُ أَحْمَدُ ۖ فَلَمَّا جَاءَهُم بِالْبَيِّنَاتِ قَالُوا هَٰذَا سِحْرٌ مُّبِينٌ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Fa rehefa niteny i Jesoa zanak’i Maria hoe : Ry zanak’israely ! Irak’I Allah ho anareo tokoa aho, manamarina izany ny teo alohako ao amin’ny Taoraty, sady mpilaza mialoha ilay Iraka ho avy aoriako, antsoina hoe “Ahmad” ka rehefa ho tonga eo amin’izy ireo miaraka amin’ny porofo mazava izy, dia hoy ireo : Izany no majika miharihary.
وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ الْكَذِبَ وَهُوَ يُدْعَىٰ إِلَى الْإِسْلَامِ ۚ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ary iza no mpanao ny tsy rariny indrindra, mihoatra izay mamoron-dainga hanoherana an’I Allah, kanefa dia nantsoina ho amin’ny fankatoavana (Islam) ? Ary tsy mitari-dalana ny olona mpanao tsy rariny Allah.
يُرِيدُونَ لِيُطْفِئُوا نُورَ اللَّهِ بِأَفْوَاهِهِمْ وَاللَّهُ مُتِمُّ نُورِهِ وَلَوْ كَرِهَ الْكَافِرُونَ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Te-hamono ny hazavan’I Allah amin’ny vavany izy ireo, kanefa vao maika mampiseho ny fahazavan'I Allah, na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino.
هُوَ الَّذِي أَرْسَلَ رَسُولَهُ بِالْهُدَىٰ وَدِينِ الْحَقِّ لِيُظْهِرَهُ عَلَى الدِّينِ كُلِّهِ وَلَوْ كَرِهَ الْمُشْرِكُونَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dalana, sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho eo ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra an’I Allah amin’ny hafa.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا هَلْ أَدُلُّكُمْ عَلَىٰ تِجَارَةٍ تُنجِيكُم مِّنْ عَذَابٍ أَلِيمٍ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
O ianareo mpino !Hatoroko anareo va, ny varotra izay hanavotra anareo amin’ny famaizana mamirifiry ?
تُؤْمِنُونَ بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ وَتُجَاهِدُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ بِأَمْوَالِكُمْ وَأَنفُسِكُمْ ۚ ذَٰلِكُمْ خَيْرٌ لَّكُمْ إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Mino an’Allah sy ny Irany ianareo, ary manao fiezahana amin’ny alalan’ny fanananareo, sy ny tenanareo amin’ny làlan’Allah, izany no tsara ho anareo, raha mba fantatrareo !
يَغْفِرْ لَكُمْ ذُنُوبَكُمْ وَيُدْخِلْكُمْ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ وَمَسَاكِنَ طَيِّبَةً فِي جَنَّاتِ عَدْنٍ ۚ ذَٰلِكَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Hamela ny fahotanareo Izy ary hampiditra anareo amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny sy fonenana mahafinaritra ao amin’ny zaridainan’i Edena. Izany no fahombiazana lehibe.
وَأُخْرَىٰ تُحِبُّونَهَا ۖ نَصْرٌ مِّنَ اللَّهِ وَفَتْحٌ قَرِيبٌ ۗ وَبَشِّرِ الْمُؤْمِنِينَ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ary zavatra hafa tianareo ihany koa dia ny famonjena avy amin’Allah sy fandresena tsy ho ela. Ka lazao amin’ireo mpino ny vaovao tsara.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا كُونُوا أَنصَارَ اللَّهِ كَمَا قَالَ عِيسَى ابْنُ مَرْيَمَ لِلْحَوَارِيِّينَ مَنْ أَنصَارِي إِلَى اللَّهِ ۖ قَالَ الْحَوَارِيُّونَ نَحْنُ أَنصَارُ اللَّهِ ۖ فَآمَنَت طَّائِفَةٌ مِّن بَنِي إِسْرَائِيلَ وَكَفَرَت طَّائِفَةٌ ۖ فَأَيَّدْنَا الَّذِينَ آمَنُوا عَلَىٰ عَدُوِّهِمْ فَأَصْبَحُوا ظَاهِرِينَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Ianareo mpino ! Aoka ianareo ho mpiandany amin’Allah, tahaka ny tenin’i Jesoa zanak’i Maria tamin’ireo apôsitôly hoe : Iza no mpiandany amin'Allah miaraka amiko? Hoy ireo apôsitôly namaly : Mpiandany amin’Allah izahay. Nino izany ny andiany tamin’ireo zanak’Israely, fa tsy nino izany kosa ny andiany hafa. Notohananay ireo mpino mba hanohitra ny fahavalony, ka nahazo fandresena izy ireo.
← 60 As-Saff (61/114) 62 →
Vakio Surah As-Saff Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

61الصف As-Saff 📚 14 Andininy مدنية

Andininy isan-tsokajy – Surah As-Saff — 14 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers