📖 0/604 pejy novakiana
📄 15
Al-Baqarah

Al-Baqarah

2:94
قُلۡ إِن كَانَتۡ لَكُمُ ٱلدَّارُ ٱلۡأٓخِرَةُ عِندَ ٱللَّهِ خَالِصَةً مِّن دُونِ ٱلنَّاسِ فَتَمَنَّوُاْ ٱلۡمَوۡتَ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ ٩٤
Teneno hoe : " Raha toa ka voatokana ho anareo (jiosy) irery ihany, eo anatrehan'i Allah, ny fonenana any ankoatra, fa tsy ho an'olon-kafa mihitsy, dia maniria ny ho faty àry ianareo raha marina ny voalazanareo ".
2:95
وَلَن يَتَمَنَّوۡهُ أَبَدَۢا بِمَا قَدَّمَتۡ أَيۡدِيهِمۡۚ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِٱلظَّٰلِمِينَ ٩٥
Tsy haniry izany velively anefa izy ireo noho ny nafitson'ny tanany. Ary Allah dia mahafantatra tsara ireo mpanao ny tsy rariny.
2:96
وَلَتَجِدَنَّهُمۡ أَحۡرَصَ ٱلنَّاسِ عَلَىٰ حَيَوٰةٍ وَمِنَ ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْۚ يَوَدُّ أَحَدُهُمۡ لَوۡ يُعَمَّرُ أَلۡفَ سَنَةٍ وَمَا هُوَ بِمُزَحۡزِحِهِۦ مِنَ ٱلۡعَذَابِ أَن يُعَمَّرَۗ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِمَا يَعۡمَلُونَ ٩٦
Ary ho hitanao aza fa izy ireo no olona tena fatra-pifikirana indrindra amin'ny fiainana, eny fa mbola mihoatra ireo mpanompo sampy. ny olona iray amin'izy ireo dia maniry mihitsy ny hiaina mandritry ny arivo taona. tsy manalavitra azy amin'ny sazy anefa izany halavam-piainana izany. ary Allah dia mahita tsara izay ataon'izy ireo.
2:97
قُلۡ مَن كَانَ عَدُوًّا لِّـجِبۡرِيلَ فَإِنَّهُۥ نَزَّلَهُۥ عَلَىٰ قَلۡبِكَ بِإِذۡنِ ٱللَّهِ مُصَدِّقًا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ وَهُدًى وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُؤۡمِنِينَ ٩٧
Lazao azy ireo : “Izay mitsangana ho fahavalon’i Jibril, dia tadidio, fa izy no nampidina ny Kor’any masina tao am-ponao, alàlana avy amin’Allah; izay manamafy ny efa teo am-pelatànany hatramin’izay sy taridàlana, ary koa vaovao mahafaly ho an’ireo mpino.
2:98
مَن كَانَ عَدُوًّا لِّلَّهِ وَمَلَٰٓئِكَتِهِۦ وَرُسُلِهِۦ وَجِبۡرِيلَ وَمِيكَىٰلَ فَإِنَّ ٱللَّهَ عَدُوٌّ لِّلۡكَٰفِرِينَ ٩٨
Na iza na iza mitsangana ho fahavalon'i Allah sy ireo Anjeliny sy ireo Irany, ary Gabriela sy Mikaila; dia tena marina fa Allah dia fahavalon'ireo tsy mpino.
2:99
وَلَقَدۡ أَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ءَايَٰتِۭ بَيِّنَٰتٍۖ وَمَا يَكۡفُرُ بِهَآ إِلَّا ٱلۡفَٰسِقُونَ ٩٩
Ary efa nampidininay taminao tokoa ireo famantarana mazava; ka tsy misy olona mitsipaka izany afa-tsy ireo mpanao ratsy.
2:100
أَوَكُلَّمَا عَٰهَدُواْ عَهۡدًا نَّبَذَهُۥ فَرِيقٌ مِّنۡهُمۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ ١٠٠
Isaky ny manao fifanekena ve izy ireo dia mitsipaka izany hatrany ny sasany amin'izy ireo ? efa ny amkamaroan'izy ireo mihitsy no tsy mino.
2:101
وَلَمَّا جَآءَهُمۡ رَسُولٌ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ مُصَدِّقٌ لِّمَا مَعَهُمۡ نَبَذَ فَرِيقٌ مِّنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ كِتَٰبَ ٱللَّهِ وَرَآءَ ظُهُورِهِمۡ كَأَنَّهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ ١٠١
Ary rehefa tonga tamin'izy ireo ny Iraka avy tamin'i Allah, izay manamarina ny teo am-pelatanan'izy ireo, dia misy andiany tamin'ireo olon'ny Boky no nanipy ny Bokin'i Allah tao an-damosiny, sahala amin'ny hoe tsy mahalala izany izy ireo.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Wednesday, August 19, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







