Al-Baqarah · 95/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَلَن يَتَمَنَّوْهُ أَبَدًا بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيهِمْ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ بِالظَّالِمِينَ ۝٩٥
Wa lai yatamannawhu abadam bimaa qaddamat aydeehim; wallaahu `aleemum bizzaalimeen
📖 Dikany Malagasy
Tsy haniry izany velively anefa izy ireo noho ny nafitson'ny tanany. Ary Allah dia mahafantatra tsara ireo mpanao ny tsy rariny.
🎧 Henoy

📜 Andininy 93-97 — Al-Baqarah

93وَإِذْ أَخَذْنَا مِيثَاقَكُمْ وَرَفَعْنَا فَوْقَكُمُ الطُّورَ خُذُوا مَا آتَيْنَاكُم بِقُوَّةٍ وَاسْمَعُوا ۖ قَالُوا سَمِعْنَا وَعَصَيْنَا وَأُشْرِبُوا فِي قُلُوبِهِمُ الْعِجْلَ بِكُفْرِهِمْ ۚ قُلْ بِئْسَمَا يَأْمُرُكُم بِهِ إِيمَانُكُمْ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay ary nampiakarinay teo amboninareo ny tendrombohitra Toor hoe : " Tazoninareo mafy izay nomenay anareo ary mihainoa ". Dia hoy izy ireo hoe : " Reninay izany, saingy lavinay ". Ary tafiditra lalina tao am-pon'izy ireo (ny fanompoana) ilay sariomby noho ny tsy finoany. Lazao azy ireo hoe : " Mba ratsy tokoa ny zavatra nanirahan'ny finoanareo anareo; raha toa moa ka mpino tokoa ianareo ".
94قُلْ إِن كَانَتْ لَكُمُ الدَّارُ الْآخِرَةُ عِندَ اللَّهِ خَالِصَةً مِّن دُونِ النَّاسِ فَتَمَنَّوُا الْمَوْتَ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Teneno hoe : " Raha toa ka voatokana ho anareo (jiosy) irery ihany, eo anatrehan'i Allah, ny fonenana any ankoatra, fa tsy ho an'olon-kafa mihitsy, dia maniria ny ho faty àry ianareo raha marina ny voalazanareo ".
95وَلَن يَتَمَنَّوْهُ أَبَدًا بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيهِمْ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ بِالظَّالِمِينَ
Tsy haniry izany velively anefa izy ireo noho ny nafitson'ny tanany. Ary Allah dia mahafantatra tsara ireo mpanao ny tsy rariny.
96وَلَتَجِدَنَّهُمْ أَحْرَصَ النَّاسِ عَلَىٰ حَيَاةٍ وَمِنَ الَّذِينَ أَشْرَكُوا ۚ يَوَدُّ أَحَدُهُمْ لَوْ يُعَمَّرُ أَلْفَ سَنَةٍ وَمَا هُوَ بِمُزَحْزِحِهِ مِنَ الْعَذَابِ أَن يُعَمَّرَ ۗ وَاللَّهُ بَصِيرٌ بِمَا يَعْمَلُونَ
Ary ho hitanao aza fa izy ireo no olona tena fatra-pifikirana indrindra amin'ny fiainana, eny fa mbola mihoatra ireo mpanompo sampy. ny olona iray amin'izy ireo dia maniry mihitsy ny hiaina mandritry ny arivo taona. tsy manalavitra azy amin'ny sazy anefa izany halavam-piainana izany. ary Allah dia mahita tsara izay ataon'izy ireo.
97قُلْ مَن كَانَ عَدُوًّا لِّجِبْرِيلَ فَإِنَّهُ نَزَّلَهُ عَلَىٰ قَلْبِكَ بِإِذْنِ اللَّهِ مُصَدِّقًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيْهِ وَهُدًى وَبُشْرَىٰ لِلْمُؤْمِنِينَ
Lazao azy ireo : “Izay mitsangana ho fahavalon’i Jibril, dia tadidio, fa izy no nampidina ny Kor’any masina tao am-ponao, alàlana avy amin’Allah; izay manamafy ny efa teo am-pelatànany hatramin’izay sy taridàlana, ary koa vaovao mahafaly ho an’ireo mpino.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
95Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 95

Surah Al-Baqarah Andininy 95 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy haniry izany velively anefa izy ireo noho ny nafitson'ny…

Surah Andininy 95/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 93–97. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers