Surah Saba amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah Saba miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (54 Andininy — مكية). Saba Henoy, Saba Fandikana, Saba mp3, Saba pdf.Vakio sy Henoy ny Surah Saba
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي لَهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ وَلَهُ الْحَمْدُ فِي الْآخِرَةِ ۚ وَهُوَ الْحَكِيمُ الْخَبِيرُ ١
📖 Fandikana
Andininy 1
Dera hoan’i Allah Tompon’izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany. ary Azy ny fiderana any an-koatra ary Izy no ilay be faendrena , ilay mahalala tongalafatra.
يَعْلَمُ مَا يَلِجُ فِي الْأَرْضِ وَمَا يَخْرُجُ مِنْهَا وَمَا يَنزِلُ مِنَ السَّمَاءِ وَمَا يَعْرُجُ فِيهَا ۚ وَهُوَ الرَّحِيمُ الْغَفُورُ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Fantany izay miditra amin’ny tany sy izay mivoka avy ao, ary koa, izay midina avy eny amin’ny lanitra sy izay miakatra eny. fa Izy no ilay be indrafo, ilay mpamela heloka.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لَا تَأْتِينَا السَّاعَةُ ۖ قُلْ بَلَىٰ وَرَبِّي لَتَأْتِيَنَّكُمْ عَالِمِ الْغَيْبِ ۖ لَا يَعْزُبُ عَنْهُ مِثْقَالُ ذَرَّةٍ فِي السَّمَاوَاتِ وَلَا فِي الْأَرْضِ وَلَا أَصْغَرُ مِن ذَٰلِكَ وَلَا أَكْبَرُ إِلَّا فِي كِتَابٍ مُّبِينٍ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Hoy ireo tsy mpino : “ tsy ho avy aminay ilay Ora ”. lazao hoe : “ marina eo anatrehan’ny Tompoko! fa tsy maintsy ho avy aminareo tokoa izany. Mahafantatra ny zava-miafina Izy. tsy misy miafina Aminy, na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atoma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza, na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokim-pahazavana.
لِّيَجْزِيَ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ ۚ أُولَٰئِكَ لَهُم مَّغْفِرَةٌ وَرِزْقٌ كَرِيمٌ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Mba hamaliana soa izay mino sy manao asa soa. hahazo famelan-keloka sy fanomezana sesehena izy ireo.
وَالَّذِينَ سَعَوْا فِي آيَاتِنَا مُعَاجِزِينَ أُولَٰئِكَ لَهُمْ عَذَابٌ مِّن رِّجْزٍ أَلِيمٌ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Ary ireo izay miezaka manao tsinontsinona ny teninay, dia izy ireny no hahazo sazy amin’ny fampijaliana mamirifiry.
وَيَرَى الَّذِينَ أُوتُوا الْعِلْمَ الَّذِي أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ هُوَ الْحَقَّ وَيَهْدِي إِلَىٰ صِرَاطِ الْعَزِيزِ الْحَمِيدِ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Ary ireo nomena fahalalana, dia mahita fa izay nampidinina teo aminao, avy amin’ny Tomponao no fahamarinana, izay mitarika ho any amin’ny làlan’ilay tsitoha, ilay mendri-piderana.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا هَلْ نَدُلُّكُمْ عَلَىٰ رَجُلٍ يُنَبِّئُكُمْ إِذَا مُزِّقْتُمْ كُلَّ مُمَزَّقٍ إِنَّكُمْ لَفِي خَلْقٍ جَدِيدٍ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
Ary hoy ireo tsy mpino; “ tianareo va ny hanehoanay aminareo ilay olona milaza, fa rehefa potika tanteraka ianareo, dia tsy isalasalana fa hiseho ho voahary vaovao indray.
أَفْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا أَم بِهِ جِنَّةٌ ۗ بَلِ الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ فِي الْعَذَابِ وَالضَّلَالِ الْبَعِيدِ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Mamoron-dainga hanoherana an’i Allah va izy ? Sa adala ? ”, (Tsia) fa iharan’ny famaizana sy ny fahaverezana tanteraka, izay tsy mino ny any an-koatra.
أَفَلَمْ يَرَوْا إِلَىٰ مَا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُم مِّنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ ۚ إِن نَّشَأْ نَخْسِفْ بِهِمُ الْأَرْضَ أَوْ نُسْقِطْ عَلَيْهِمْ كِسَفًا مِّنَ السَّمَاءِ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَةً لِّكُلِّ عَبْدٍ مُّنِيبٍ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
Tsy hitan’izy ireo va, ny lanitra sy ny tany izay eo aloha sy aorian’izy ireo? raha tianay dia nasainay natelin’ny tany izy ireo, na koa hisy sombiny amin’ny lanitra hilatsaka amin’izy ireo. misy porofo tokoa amin’izany ho an’izay mpanompo rehetra mibebaka.
۞ وَلَقَدْ آتَيْنَا دَاوُودَ مِنَّا فَضْلًا ۖ يَا جِبَالُ أَوِّبِي مَعَهُ وَالطَّيْرَ ۖ وَأَلَنَّا لَهُ الْحَدِيدَ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Nomenay fahasoavana avy aty Aminay tokoa i Davida, ry tendrombohitra sy voromanidina, mamerena miaraka aminy ianareo (Teny fiderana an’i Allah). ary dia nataonay nalefaka teo anatrehany ny vy.
أَنِ اعْمَلْ سَابِغَاتٍ وَقَدِّرْ فِي السَّرْدِ ۖ وَاعْمَلُوا صَالِحًا ۖ إِنِّي بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
(amin’ny fitenenana aminy manao hoe ) : “ Mandraria akanjo vy ianao, ary refeso tsara ny masony ”. ary aoka ianareo hanao ny tsara. fa mahita izay ataonareo Aho.
وَلِسُلَيْمَانَ الرِّيحَ غُدُوُّهَا شَهْرٌ وَرَوَاحُهَا شَهْرٌ ۖ وَأَسَلْنَا لَهُ عَيْنَ الْقِطْرِ ۖ وَمِنَ الْجِنِّ مَن يَعْمَلُ بَيْنَ يَدَيْهِ بِإِذْنِ رَبِّهِ ۖ وَمَن يَزِغْ مِنْهُمْ عَنْ أَمْرِنَا نُذِقْهُ مِنْ عَذَابِ السَّعِيرِ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
Ary nataonay teo ambanin’ny fahefan’i Soulaiman ny rivotra, izay nandeha nitovy amin’ny vita ao anatin’ny iray volana ny maraina, ary mitovy amin’ny iray volana ihany koa ny hariva. Ary nataonay nikoriana ho an’i Soulaiman ny loharam-barahina. Nisy jiny niasa teo ambany fahefany, alàlana avy amin’ny Tompony. Fa izay tsy nanaraka ny didinay tamin’izy ireo, dia nampanandramanay ny sazin’ny afo mamaivay.
يَعْمَلُونَ لَهُ مَا يَشَاءُ مِن مَّحَارِيبَ وَتَمَاثِيلَ وَجِفَانٍ كَالْجَوَابِ وَقُدُورٍ رَّاسِيَاتٍ ۚ اعْمَلُوا آلَ دَاوُودَ شُكْرًا ۚ وَقَلِيلٌ مِّنْ عِبَادِيَ الشَّكُورُ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Nanatanteraka arak’izay tiany ho azy izy ireo : toerana masina, sarivongana, lovia fasika lehibe, ary vilany. « Ry fianakavian’i Davida, miasà ho fankasitrahana Azy, nefa vitsy amin’ireo mpanompoko no mahay mankasitraka ».
فَلَمَّا قَضَيْنَا عَلَيْهِ الْمَوْتَ مَا دَلَّهُمْ عَلَىٰ مَوْتِهِ إِلَّا دَابَّةُ الْأَرْضِ تَأْكُلُ مِنسَأَتَهُ ۖ فَلَمَّا خَرَّ تَبَيَّنَتِ الْجِنُّ أَن لَّوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ الْغَيْبَ مَا لَبِثُوا فِي الْعَذَابِ الْمُهِينِ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Ary rehefa nanapa-kevitra ny amin’ny fahafatesany Izahay, dia tsy nisy afaka nampilaza azy ireo ny amin’izany, afa tsy ny bibin’ny tany izay nikiky ny tehiny. ary rehefa lavo izy, dia hitan’ireo djiny tamin’izay fa raha tena nahafantatra ny zava-miafina izy ireo, dia tsy nijanona tamin’ny famaizana mahafabaraka (tamin’ny fankatoavana ny baiko).
لَقَدْ كَانَ لِسَبَإٍ فِي مَسْكَنِهِمْ آيَةٌ ۖ جَنَّتَانِ عَن يَمِينٍ وَشِمَالٍ ۖ كُلُوا مِن رِّزْقِ رَبِّكُمْ وَاشْكُرُوا لَهُ ۚ بَلْدَةٌ طَيِّبَةٌ وَرَبٌّ غَفُورٌ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Nisy famantarana tokoa tamin’ny fonenan’ny fokon’i Saba : zaridaiana roa, ny iray eo ankavanana, ary ny iray eo ankavia.« Mihinàna amin’izay nomen’ny Tomponareo ho anareo ianareo, ary mahaiza mankasitraka Azy. fa tanàna tsara izany, ary ny Tompo mpamela heloka ».
فَأَعْرَضُوا فَأَرْسَلْنَا عَلَيْهِمْ سَيْلَ الْعَرِمِ وَبَدَّلْنَاهُم بِجَنَّتَيْهِمْ جَنَّتَيْنِ ذَوَاتَيْ أُكُلٍ خَمْطٍ وَأَثْلٍ وَشَيْءٍ مِّن سِدْرٍ قَلِيلٍ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Nefa dia nanome lamosina izy ireo ka navarinay tamin’izy ireo ny ranon’ny tohadrano, ary novainay ho zaridaina feno voninkazo mangidy, sy hazo madilo ary tsinefy vitsivitsy, ireo zaridaina ny anankiroa.
ذَٰلِكَ جَزَيْنَاهُم بِمَا كَفَرُوا ۖ وَهَلْ نُجَازِي إِلَّا الْكَفُورَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Izany no fomba namalianay azy ireo, noho ny tsy finoany. moa hanasazy olon-kafa, afa-tsy ireo tsy mpino va Izahay ?
وَجَعَلْنَا بَيْنَهُمْ وَبَيْنَ الْقُرَى الَّتِي بَارَكْنَا فِيهَا قُرًى ظَاهِرَةً وَقَدَّرْنَا فِيهَا السَّيْرَ ۖ سِيرُوا فِيهَا لَيَالِيَ وَأَيَّامًا آمِنِينَ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ary dia nasianay tanàna lehibe hafa manelanelana azy ireo, sy ireo tanàna voatsodranonay, ka nokajianay ireo fiantoana an-dàlana manelanelana azy ireo. « Mandehana amim-pilaminana eo anelanelan’izany ianareo, mandritra ny andro sy ny alina ».
فَقَالُوا رَبَّنَا بَاعِدْ بَيْنَ أَسْفَارِنَا وَظَلَمُوا أَنفُسَهُمْ فَجَعَلْنَاهُمْ أَحَادِيثَ وَمَزَّقْنَاهُمْ كُلَّ مُمَزَّقٍ ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّكُلِّ صَبَّارٍ شَكُورٍ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Ary hoy izy ireo : « Tomponay o ! halavao ny elanelana misy amin’ireo fiantoana eny an-dàlana, ary dia nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany izy ireo. Nataonay ho tantara mipetraka ny mikasika azy ireo, ary dia nopotehinay tanteraka. Misy fampitandremana tokoa amin’izany ho an’ireo izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka.
وَلَقَدْ صَدَّقَ عَلَيْهِمْ إِبْلِيسُ ظَنَّهُ فَاتَّبَعُوهُ إِلَّا فَرِيقًا مِّنَ الْمُؤْمِنِينَ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Ary hamafisina, fa nohamarin’i satana ny eritreriny mikasika azy ireo. ka nanaraka azy ireo, afa-tsy ampahany tamin’ireo mpino ihany.
وَمَا كَانَ لَهُ عَلَيْهِم مِّن سُلْطَانٍ إِلَّا لِنَعْلَمَ مَن يُؤْمِنُ بِالْآخِرَةِ مِمَّنْ هُوَ مِنْهَا فِي شَكٍّ ۗ وَرَبُّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ حَفِيظٌ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Ary tsy nanana fahefana tamin’izy ireo mihitsy izy, raha tsy Izahay no te-hanavaka izay mino ny an-koatra, sy izay misalasala. fa miahy ny zavatra rehetra ny Tomponao.
قُلِ ادْعُوا الَّذِينَ زَعَمْتُم مِّن دُونِ اللَّهِ ۖ لَا يَمْلِكُونَ مِثْقَالَ ذَرَّةٍ فِي السَّمَاوَاتِ وَلَا فِي الْأَرْضِ وَمَا لَهُمْ فِيهِمَا مِن شِرْكٍ وَمَا لَهُ مِنْهُم مِّن ظَهِيرٍ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Dia lazao hoe : Antsoy ireo izay ihamboanareo (ho tompo) ankoatra an’i Allah, tsy manana na dia zavatra iray kely indrindra (atoma) akory aza izy ireny, na any an-danitra na ety an-tany, tsy niaraka taminy izy ireo tamin’ny famoronana, ary tsy misy afaka hanampy azy amin’izy ireo.
وَلَا تَنفَعُ الشَّفَاعَةُ عِندَهُ إِلَّا لِمَنْ أَذِنَ لَهُ ۚ حَتَّىٰ إِذَا فُزِّعَ عَن قُلُوبِهِمْ قَالُوا مَاذَا قَالَ رَبُّكُمْ ۖ قَالُوا الْحَقَّ ۖ وَهُوَ الْعَلِيُّ الْكَبِيرُ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Tsy misy mahazo tombotsoa amin’ny fanelanelanana eo Aminy, afa-tsy izay nomeny alalana ihany. rehefa nanalavitra ny fony ny tahotra, dia hiteny izy ireo hoe : “ Inona no nambaran’ny Tomponareo ? ”. dia hamaly izy ireo hoe : “ ny fahamarinana, fa Izy no ilay avo indrindra, ilay lehibe indrindra ! ”.
۞ قُلْ مَن يَرْزُقُكُم مِّنَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ قُلِ اللَّهُ ۖ وَإِنَّا أَوْ إِيَّاكُمْ لَعَلَىٰ هُدًى أَوْ فِي ضَلَالٍ مُّبِينٍ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Dia lazao hoe : “ Iza no manome anjaram-pivelomana anareo avy any an-danitra sy ety an-tany ? ”. Valio hoe : “ Allah. Izahay va sa ianareo no amin’ny làlana tsara, na amin’ny làlan’ny fahaverezana miharihary ? ”.
قُل لَّا تُسْأَلُونَ عَمَّا أَجْرَمْنَا وَلَا نُسْأَلُ عَمَّا تَعْمَلُونَ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Lazao hoe : “ Tsy hanontaniana mikasika izay heloka nataonay ianareo, ary izahay koa tsy hanonataniana ny mikasika izay nataonareo ”.
قُلْ يَجْمَعُ بَيْنَنَا رَبُّنَا ثُمَّ يَفْتَحُ بَيْنَنَا بِالْحَقِّ وَهُوَ الْفَتَّاحُ الْعَلِيمُ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Lazao hoe : “ Hamory antsika ny Tompontsika, hitsara antsika amim-pahamarinana Izy, fa Izy no ilay mpitsara avo, ilay mahalala ny zava-drehetra ”.
قُلْ أَرُونِيَ الَّذِينَ أَلْحَقْتُم بِهِ شُرَكَاءَ ۖ كَلَّا ۚ بَلْ هُوَ اللَّهُ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Lazao hoe : “ Asehoy ahy izay nataonareo ho mpitambatra Aminy. tsia ! fa Izy no ilay Tompo tsitoha, ilay be fahendrena ”.
وَمَا أَرْسَلْنَاكَ إِلَّا كَافَّةً لِّلنَّاسِ بَشِيرًا وَنَذِيرًا وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Tsy nalefanay ianao afa-tsy ho mpilaza sy ho mpampitandrina ny olombelona rehetra, nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona.
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا الْوَعْدُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Ary hoy izy ireo :“ Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ? ”.
قُل لَّكُم مِّيعَادُ يَوْمٍ لَّا تَسْتَأْخِرُونَ عَنْهُ سَاعَةً وَلَا تَسْتَقْدِمُونَ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Lazao hoe : “ Ny fotoana voatondro ho anareo,dia amin’ny andro iray izay tsy azonareo ahemotra ora iray, na ampandrosoina ”.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لَن نُّؤْمِنَ بِهَٰذَا الْقُرْآنِ وَلَا بِالَّذِي بَيْنَ يَدَيْهِ ۗ وَلَوْ تَرَىٰ إِذِ الظَّالِمُونَ مَوْقُوفُونَ عِندَ رَبِّهِمْ يَرْجِعُ بَعْضُهُمْ إِلَىٰ بَعْضٍ الْقَوْلَ يَقُولُ الَّذِينَ اسْتُضْعِفُوا لِلَّذِينَ اسْتَكْبَرُوا لَوْلَا أَنتُمْ لَكُنَّا مُؤْمِنِينَ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Ary hoy ireo tsy mpino : “ Tsy hino io kor’any io velively izahay, na izay tonga teo alohany. ary raha hitanao ireo mpanao ny tsy rariny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony, hifanome teny izy ireo ! ka hiteny amin’ireo mpirehareha ireo izay noheverina ho osa hoe : “ raha tsy teo ianareo, dia ho mpino izahay ”.
قَالَ الَّذِينَ اسْتَكْبَرُوا لِلَّذِينَ اسْتُضْعِفُوا أَنَحْنُ صَدَدْنَاكُمْ عَنِ الْهُدَىٰ بَعْدَ إِذْ جَاءَكُم ۖ بَلْ كُنتُم مُّجْرِمِينَ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Dia hiteny amin’ireo izay noheverina ho osa ireo mpirehareha hoe : “ Izahay va no nanakana anareo tamin’ny làlana tsara, rehefa tonga taminareo izany ? Ianareo mihitsy aza no tena mpanao ratsy ”.
وَقَالَ الَّذِينَ اسْتُضْعِفُوا لِلَّذِينَ اسْتَكْبَرُوا بَلْ مَكْرُ اللَّيْلِ وَالنَّهَارِ إِذْ تَأْمُرُونَنَا أَن نَّكْفُرَ بِاللَّهِ وَنَجْعَلَ لَهُ أَندَادًا ۚ وَأَسَرُّوا النَّدَامَةَ لَمَّا رَأَوُا الْعَذَابَ وَجَعَلْنَا الْأَغْلَالَ فِي أَعْنَاقِ الَّذِينَ كَفَرُوا ۚ هَلْ يُجْزَوْنَ إِلَّا مَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Ary dia hiteny amin’ireo mpirehareha , ireo noheverina ho osa hoe : “ Tetika nataonareo andro aman’alina ny nandidianareo anay tsy hino an’i Allah, sy hanana zavatra ampitoviana Aminy ”. ary dia hanafina ny fanenenany izy ireo, rehefa hahita ny famaizana. hasianay rojo-vy amin’ny tendan’izay tsy nino, moa tsy ho valiana arak’izay nataony va izy ireo ? ”.
وَمَا أَرْسَلْنَا فِي قَرْيَةٍ مِّن نَّذِيرٍ إِلَّا قَالَ مُتْرَفُوهَا إِنَّا بِمَا أُرْسِلْتُم بِهِ كَافِرُونَ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Ary tsy nandefa mpampitandrina tamin’ny tanàna iray Izahay, ka tsy niteny ireo olona tsara fari-piainana hoe : “ Tsy mino ny hafatra izay nandefasana anareo izahay ! ”.
وَقَالُوا نَحْنُ أَكْثَرُ أَمْوَالًا وَأَوْلَادًا وَمَا نَحْنُ بِمُعَذَّبِينَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Ary hoy izy ireo : “ Manankarena sy maro anaka izahay, ka tsy hosaziana ”.
قُلْ إِنَّ رَبِّي يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ وَيَقْدِرُ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany ny Tompoko, na mametra izany. nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona ”.
وَمَا أَمْوَالُكُمْ وَلَا أَوْلَادُكُم بِالَّتِي تُقَرِّبُكُمْ عِندَنَا زُلْفَىٰ إِلَّا مَنْ آمَنَ وَعَمِلَ صَالِحًا فَأُولَٰئِكَ لَهُمْ جَزَاءُ الضِّعْفِ بِمَا عَمِلُوا وَهُمْ فِي الْغُرُفَاتِ آمِنُونَ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Tsy hampanakaiky anareo Aminay mihitsy, ny harenanareo sy ny zanakareo, afa-tsy izay mino sy manao ny tsara. mahazo valisoa avo roa heny amin’izay nataony izy ireo, ary tsy hiaina amim-pilaminana any amin’ny rihana ambony (any amin'ny Paradisa).
وَالَّذِينَ يَسْعَوْنَ فِي آيَاتِنَا مُعَاجِزِينَ أُولَٰئِكَ فِي الْعَذَابِ مُحْضَرُونَ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Fa ireo izay miezaka ny tsy hampisy lanjany ny tenanay kosa, dia tsy maintsy hiatrika ny famaizana izy ireny.
قُلْ إِنَّ رَبِّي يَبْسُطُ الرِّزْقَ لِمَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ وَيَقْدِرُ لَهُ ۚ وَمَا أَنفَقْتُم مِّن شَيْءٍ فَهُوَ يُخْلِفُهُ ۖ وَهُوَ خَيْرُ الرَّازِقِينَ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony ny Tompoko, na mametra izany. ka honerany izay fanomezana ataonareo. fa Izy no mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana ”.
وَيَوْمَ يَحْشُرُهُمْ جَمِيعًا ثُمَّ يَقُولُ لِلْمَلَائِكَةِ أَهَٰؤُلَاءِ إِيَّاكُمْ كَانُوا يَعْبُدُونَ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Ary hangoniny avokoa ianareo indray andro any. dia hiteny amin’ireo Anjely Izy hoe : “ Ianareo va no notompoin’izy ireo ? ”.
قَالُوا سُبْحَانَكَ أَنتَ وَلِيُّنَا مِن دُونِهِم ۖ بَلْ كَانُوا يَعْبُدُونَ الْجِنَّ ۖ أَكْثَرُهُم بِهِم مُّؤْمِنُونَ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Hilaza izy ireo hoe : “ Voninahitra ho Anao ! Ianao no mpiahy anay, fa tsy izy ireo akory. Djiny no notompoin’izy ireo, ka nino azy ireny ny ankamaroany ”.
فَالْيَوْمَ لَا يَمْلِكُ بَعْضُكُمْ لِبَعْضٍ نَّفْعًا وَلَا ضَرًّا وَنَقُولُ لِلَّذِينَ ظَلَمُوا ذُوقُوا عَذَابَ النَّارِ الَّتِي كُنتُم بِهَا تُكَذِّبُونَ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Amin’io andro io, dia tsy afaka hifanome tombotsoa , na hifanao ratsy intsony ianareo, fa izao kosa no hambaranay amin’ireo olona mpanao ny tsy rariny: “ Andramo ny famaizan’ny afo, izay nataonareo ho lainga ”.
وَإِذَا تُتْلَىٰ عَلَيْهِمْ آيَاتُنَا بَيِّنَاتٍ قَالُوا مَا هَٰذَا إِلَّا رَجُلٌ يُرِيدُ أَن يَصُدَّكُمْ عَمَّا كَانَ يَعْبُدُ آبَاؤُكُمْ وَقَالُوا مَا هَٰذَا إِلَّا إِفْكٌ مُّفْتَرًى ۚ وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا لِلْحَقِّ لَمَّا جَاءَهُمْ إِنْ هَٰذَا إِلَّا سِحْرٌ مُّبِينٌ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Ary rehefa vakina amin’izy ireo ny andininy mazava avy Aminay, dia hoy izy ireo : “ olona te-hampiala anareo min’izay notompoin’ireo razam-benareo ihany io ” ary hoy izy ireo : ” Lainga noforonina ihany izany ”. ka hoy ireo tsy mpino, rehefa tonga eo amin’ireo ny marina : “ Fanova-maso (majika) miharihary mihitsy izao ! ”.
وَمَا آتَيْنَاهُم مِّن كُتُبٍ يَدْرُسُونَهَا ۖ وَمَا أَرْسَلْنَا إِلَيْهِمْ قَبْلَكَ مِن نَّذِيرٍ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Tsy nomenay ny boky hianarana izy ireo. ary tsy nandefasanay mpampitandrina mihitsy teo amin’izy ireo talohanao.
وَكَذَّبَ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ وَمَا بَلَغُوا مِعْشَارَ مَا آتَيْنَاهُمْ فَكَذَّبُوا رُسُلِي ۖ فَكَيْفَ كَانَ نَكِيرِ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Nandà (ireo iraka) ireo talohan’izy ireo; tsy nahatratra ny ampahafolon’izay nomenay azy ireo ny an’ny mponin’ny Lameka. nataon’izy ireo ho mpandainga ireo iraka avy avy Amiko. ary nanao ahoana ny fanakianako (famaizako) azy ireo.
۞ قُلْ إِنَّمَا أَعِظُكُم بِوَاحِدَةٍ ۖ أَن تَقُومُوا لِلَّهِ مَثْنَىٰ وَفُرَادَىٰ ثُمَّ تَتَفَكَّرُوا ۚ مَا بِصَاحِبِكُم مِّن جِنَّةٍ ۚ إِنْ هُوَ إِلَّا نَذِيرٌ لَّكُم بَيْنَ يَدَيْ عَذَابٍ شَدِيدٍ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Lazao hoe : “ Zavatra iray ihany no ampirisihako anareo, dia ny hitsangananareo ho an’i Allah tsiroaroa, na tsirairay, ka handinihanareo avy eo. tsy azon-javatra mihitsy ny namanareo (Mohamady), fa mpampitandrina hanambara aminareo manoloana ilay famaizana mafy ihany izy ”.
قُلْ مَا سَأَلْتُكُم مِّنْ أَجْرٍ فَهُوَ لَكُمْ ۖ إِنْ أَجْرِيَ إِلَّا عَلَى اللَّهِ ۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ شَهِيدٌ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Lazao hoe : " Ny tambiny izay hangatahiko aminareo, dia ho anareo ihany. satria Allah irery ihany no manome tambiny ahy".
قُلْ إِنَّ رَبِّي يَقْذِفُ بِالْحَقِّ عَلَّامُ الْغُيُوبِ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Teneno hoe : “ Marina fa ny Tompoko dia mandefa ny fahamarinana (amin’ireo Irany).Izy Ilay tena Mahalala ny zava-mafina ”.
قُلْ جَاءَ الْحَقُّ وَمَا يُبْدِئُ الْبَاطِلُ وَمَا يُعِيدُ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Teneno hoe: “ Tonga ny marina (Islamo). Fa ny diso (ny tsy finoana) dia tsy afaka manohy intsony na mamerina indray ”.
قُلْ إِن ضَلَلْتُ فَإِنَّمَا أَضِلُّ عَلَىٰ نَفْسِي ۖ وَإِنِ اهْتَدَيْتُ فَبِمَا يُوحِي إِلَيَّ رَبِّي ۚ إِنَّهُ سَمِيعٌ قَرِيبٌ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Teneno hoe : “ Raha very làlana aho dia ny tenako ihany no ho very; fa raha voatari-dàlana kosa aho, dia noho ny fanambarana izay nalefan’ny Tompoko tamiko. Marina fa Izy dia Maheno ny zava-drehetra; sady Akaiky ”.
وَلَوْ تَرَىٰ إِذْ فَزِعُوا فَلَا فَوْتَ وَأُخِذُوا مِن مَّكَانٍ قَرِيبٍ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Ary raha hitanao fa azon’ny tahotra izy ireo, ka tsy afa-mandositra, dia horaisina eo amin’ny toerana akaiky izy ireo.
وَقَالُوا آمَنَّا بِهِ وَأَنَّىٰ لَهُمُ التَّنَاوُشُ مِن مَّكَانٍ بَعِيدٍ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Ary niteny izy ireo hoe: “ Mino Azy izahay ” Fa ahoana no hahazoan’izy ireo ny finoana avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra ?
وَقَدْ كَفَرُوا بِهِ مِن قَبْلُ ۖ وَيَقْذِفُونَ بِالْغَيْبِ مِن مَّكَانٍ بَعِيدٍ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Nefa izy ireo teo aloha, dia tsy nino an’izany, ary nitsipaka ny miafina rehetra avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra izy ireo.
وَحِيلَ بَيْنَهُمْ وَبَيْنَ مَا يَشْتَهُونَ كَمَا فُعِلَ بِأَشْيَاعِهِم مِّن قَبْلُ ۚ إِنَّهُمْ كَانُوا فِي شَكٍّ مُّرِيبٍ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Ary nametrahana sakana teo anelanelan’izy ireo sy izay tsiriritin’izy ireo, tahaka izay natao tamin’ireo izay nitovy taminy teo aloha, satria izy ireo dia tena tao anatin’ny fisalasalana lalina.
Vakio Surah Saba Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

