Surah Fatira amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Fatira miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (45 Andininy — مكية). Fatira Henoy, Fatira Fandikana, Fatira mp3, Fatira pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Fatira

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
الْحَمْدُ لِلَّهِ فَاطِرِ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ جَاعِلِ الْمَلَائِكَةِ رُسُلًا أُولِي أَجْنِحَةٍ مَّثْنَىٰ وَثُلَاثَ وَرُبَاعَ ۚ يَزِيدُ فِي الْخَلْقِ مَا يَشَاءُ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Dera ho an’i Allah, Mpahary ny lanitra sy ny tany, Izay nanao ireo Anjely ho Iraka manana elatra roa, na telo, na efatra. Ampiany araka izay tiany ny zava-boahary, fa Mahefa ny zavatra rehetra Izy.
مَّا يَفْتَحِ اللَّهُ لِلنَّاسِ مِن رَّحْمَةٍ فَلَا مُمْسِكَ لَهَا ۖ وَمَا يُمْسِكْ فَلَا مُرْسِلَ لَهُ مِن بَعْدِهِ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Izay omen’i Allah ny olona noho ny Famindram-pony, dia tsy misy manana fahefana hisakana izany. Fa raha misakana izany kosa Izy, dia tsy misy afaka mamotsotra izany aoriany. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
يَا أَيُّهَا النَّاسُ اذْكُرُوا نِعْمَتَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ ۚ هَلْ مِنْ خَالِقٍ غَيْرُ اللَّهِ يَرْزُقُكُم مِّنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ ۚ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۖ فَأَنَّىٰ تُؤْفَكُونَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ô ry olombelona ! Tsarovy ny soa nataon’i Allah taminareo, misy ve ankoatra an’i Allah, mpahary manome anjaram-pivelomana ho anareo, avy any an-danitra sy ety an-tany ? Tsy misy zanahary hafa, afa-tsy Izy ! Ka nahoana àry ianareo no mivily amin’izany (fahamarinana) ?
وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدْ كُذِّبَتْ رُسُلٌ مِّن قَبْلِكَ ۚ وَإِلَى اللَّهِ تُرْجَعُ الْأُمُورُ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nolazaina ho mpandainga ihany koa ireo Iraka talohanao. Fa any amin’i Allah ihany anefa no hamerenana ny raharaha rehetra.
يَا أَيُّهَا النَّاسُ إِنَّ وَعْدَ اللَّهِ حَقٌّ ۖ فَلَا تَغُرَّنَّكُمُ الْحَيَاةُ الدُّنْيَا ۖ وَلَا يَغُرَّنَّكُم بِاللَّهِ الْغَرُورُ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ry olombelona! Marina ny fampanantenan’i Allah. Ka aza avela hamitaka anareo ny fiainana an-tany, ary aoka tsy hahavoafitaka anareo ihany koa ilay mpamitaka mikasika an’i Allah.
إِنَّ الشَّيْطَانَ لَكُمْ عَدُوٌّ فَاتَّخِذُوهُ عَدُوًّا ۚ إِنَّمَا يَدْعُو حِزْبَهُ لِيَكُونُوا مِنْ أَصْحَابِ السَّعِيرِ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Fahavalonareo tokoa ny devoly, koa raiso ho fahavalo tanteraka izy. Tsy manao afa-tsy ny miantso ireo mpanaraka azy izy, mba ho lasa olon’ny afo mamaivay
الَّذِينَ كَفَرُوا لَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ ۖ وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَهُم مَّغْفِرَةٌ وَأَجْرٌ كَبِيرٌ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Hahazo famaizana henjana ireo izay tsy nino, fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.
أَفَمَن زُيِّنَ لَهُ سُوءُ عَمَلِهِ فَرَآهُ حَسَنًا ۖ فَإِنَّ اللَّهَ يُضِلُّ مَن يَشَاءُ وَيَهْدِي مَن يَشَاءُ ۖ فَلَا تَذْهَبْ نَفْسُكَ عَلَيْهِمْ حَسَرَاتٍ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلِيمٌ بِمَا يَصْنَعُونَ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Dia ahoana ! Izay nohatsaraina teo imasony ny asa ratsy nataony, ka noheveriny ho tsara? Nefa mamery làlana izay tiany ho amin’izany i Allah, ary mitari-dàlana izay tiany ho tarihina ihany koa. Aoka tsy hanenina noho ny amin’izy ireo ny tenanao. Fa Mahafantatra tsara izay ataon’izy ireo i Allah.
وَاللَّهُ الَّذِي أَرْسَلَ الرِّيَاحَ فَتُثِيرُ سَحَابًا فَسُقْنَاهُ إِلَىٰ بَلَدٍ مَّيِّتٍ فَأَحْيَيْنَا بِهِ الْأَرْضَ بَعْدَ مَوْتِهَا ۚ كَذَٰلِكَ النُّشُورُ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Ary i Allah no mandefa ny rivotra hanainga ny rahona, izay atosikay ho any amin’ny tany karankaina avy eo; ka omenay aina indray ny tany efa maty. Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty !
مَن كَانَ يُرِيدُ الْعِزَّةَ فَلِلَّهِ الْعِزَّةُ جَمِيعًا ۚ إِلَيْهِ يَصْعَدُ الْكَلِمُ الطَّيِّبُ وَالْعَمَلُ الصَّالِحُ يَرْفَعُهُ ۚ وَالَّذِينَ يَمْكُرُونَ السَّيِّئَاتِ لَهُمْ عَذَابٌ شَدِيدٌ ۖ وَمَكْرُ أُولَٰئِكَ هُوَ يَبُورُ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Izay mitady ny hery (amam-boninahitra), dia an’i Allah ny hery rehetra, any Aminy no miakatra ny teny tsara, ary hansandrany ambony ny asa soa. Fa izay miray tsikombakomba amin’ny asa ratsy kosa, dia hahazo famaizana henjana. Nefa tsy hahomby ny teti-dratsin’izy ireo.
وَاللَّهُ خَلَقَكُم مِّن تُرَابٍ ثُمَّ مِن نُّطْفَةٍ ثُمَّ جَعَلَكُمْ أَزْوَاجًا ۚ وَمَا تَحْمِلُ مِنْ أُنثَىٰ وَلَا تَضَعُ إِلَّا بِعِلْمِهِ ۚ وَمَا يُعَمَّرُ مِن مُّعَمَّرٍ وَلَا يُنقَصُ مِنْ عُمُرِهِ إِلَّا فِي كِتَابٍ ۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرٌ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Allah no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo, avy amin’ny tsirinaina indray mitete, ary rehefa izany, dia nataony ho mpivady tsiroaroa. Tsy misy vehivavy mitondra vohoka, na miteraka ka tsy fantany. Ary tsy misy fahavelomana maharitra na fohy, ka tsy voasoratra ao amin’ny boky. Fa mora amin’i Allah tokoa izany.
وَمَا يَسْتَوِي الْبَحْرَانِ هَٰذَا عَذْبٌ فُرَاتٌ سَائِغٌ شَرَابُهُ وَهَٰذَا مِلْحٌ أُجَاجٌ ۖ وَمِن كُلٍّ تَأْكُلُونَ لَحْمًا طَرِيًّا وَتَسْتَخْرِجُونَ حِلْيَةً تَلْبَسُونَهَا ۖ وَتَرَى الْفُلْكَ فِيهِ مَوَاخِرَ لِتَبْتَغُوا مِن فَضْلِهِ وَلَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Tsy mitovy ireo ranomasina roa: ny ranon’ny andaniny azo sotroina, mamy sy mora atelina, ary ny ranon’ny ankilany kosa masira sy mangidy. Nefa dia samy akanareo nofo tsara fihinana izy ireo, ary akanareo haingo itafianareo. Hitanao ny sambo mirondrona mamakivaky ny rano, mba hitadiavanareo ny ampaham-pahasoavany, ka hankasitrahanareo.
يُولِجُ اللَّيْلَ فِي النَّهَارِ وَيُولِجُ النَّهَارَ فِي اللَّيْلِ وَسَخَّرَ الشَّمْسَ وَالْقَمَرَ كُلٌّ يَجْرِي لِأَجَلٍ مُّسَمًّى ۚ ذَٰلِكُمُ اللَّهُ رَبُّكُمْ لَهُ الْمُلْكُ ۚ وَالَّذِينَ تَدْعُونَ مِن دُونِهِ مَا يَمْلِكُونَ مِن قِطْمِيرٍ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ataony misosoka amin’ny andro ny alina, ary ny andro ataony misosoka amin’ny alina. Nofeheziny ny masoandro sy ny volana, samy mandeha amin’ny tanjony voafaritra avy izy ireo. Izany Allah Ilay Tomponareo, Azy ny fanjakana, fa ireo izay antsoinareo ankoatrany kosa, dia tsy tompon’ny voan’antrendry iray akory.
إِن تَدْعُوهُمْ لَا يَسْمَعُوا دُعَاءَكُمْ وَلَوْ سَمِعُوا مَا اسْتَجَابُوا لَكُمْ ۖ وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ يَكْفُرُونَ بِشِرْكِكُمْ ۚ وَلَا يُنَبِّئُكَ مِثْلُ خَبِيرٍ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Raha antsoinareo izy ireo, dia tsy handre ny antsonareo akory; ary na mandre aza, dia tsy afaka hamaly anareo. Amin’ny andro fitsanganana, dia ho lavin’izy ireo ny fampitambaranareo azy (amin’i Allah). Tsy misy afaka manome vaovao anao mitovy amin’izay mahafantatra tsara.
۞ يَا أَيُّهَا النَّاسُ أَنتُمُ الْفُقَرَاءُ إِلَى اللَّهِ ۖ وَاللَّهُ هُوَ الْغَنِيُّ الْحَمِيدُ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ry olombelona! Mahantra mila an’i Allah ianareo, fa Allah kosa, Izy no Tompon’ny harena, Ilay mendri-piderana.
إِن يَشَأْ يُذْهِبْكُمْ وَيَأْتِ بِخَلْقٍ جَدِيدٍ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Raha sitrany, dia ho naringany ianareo, ka namboatra zava-boahary vaovao indray Izy.
وَمَا ذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ بِعَزِيزٍ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany.
وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٌ وِزْرَ أُخْرَىٰ ۚ وَإِن تَدْعُ مُثْقَلَةٌ إِلَىٰ حِمْلِهَا لَا يُحْمَلْ مِنْهُ شَيْءٌ وَلَوْ كَانَ ذَا قُرْبَىٰ ۗ إِنَّمَا تُنذِرُ الَّذِينَ يَخْشَوْنَ رَبَّهُم بِالْغَيْبِ وَأَقَامُوا الصَّلَاةَ ۚ وَمَن تَزَكَّىٰ فَإِنَّمَا يَتَزَكَّىٰ لِنَفْسِهِ ۚ وَإِلَى اللَّهِ الْمَصِيرُ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Tsy hisy anefa hizaka ny enta-mavesatry ny hafa. Ary raha misy olona vesaram-pahotana mangataka fanampiana, dia tsy misy olon-kafa hitondra ny fahotany mihitsy, na dia ny havana akaiky aza. Ireo matahotra ny Tompony ihany no ampitandremanao, na dia tsy mahita Azy aza izy ireo, ary manatanteraka ny vavaka soalat. Ary izay midio, dia midio ho an’ny tenany ihany, fa any amin’i Allah no fiafarana.
وَمَا يَسْتَوِي الْأَعْمَىٰ وَالْبَصِيرُ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Tsy mitovy ny jamba sy ny mahiratra,
وَلَا الظُّلُمَاتُ وَلَا النُّورُ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
na ny aizina sy ny hazavana,
وَلَا الظِّلُّ وَلَا الْحَرُورُ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
na ny aloka sy ny hafanana migaingaina.
وَمَا يَسْتَوِي الْأَحْيَاءُ وَلَا الْأَمْوَاتُ ۚ إِنَّ اللَّهَ يُسْمِعُ مَن يَشَاءُ ۖ وَمَا أَنتَ بِمُسْمِعٍ مَّن فِي الْقُبُورِ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Tahaka izany koa, tsy mitovy ny velona sy ny maty. Azon’i Allah ampandrenesina izay tiany hampandrenesina, fa ianao kosa tsy afaka hampandre ny any am-pasana.
إِنْ أَنتَ إِلَّا نَذِيرٌ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Mpampitandrina ihany ianao.
إِنَّا أَرْسَلْنَاكَ بِالْحَقِّ بَشِيرًا وَنَذِيرًا ۚ وَإِن مِّنْ أُمَّةٍ إِلَّا خَلَا فِيهَا نَذِيرٌ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Nalefanay niaraka tamin’ny fahamarinana ianao, ho mpilaza sy mpampitandrina. Ary tsy nisy vahoaka na iray aza, ka tsy efa nanana mpampitandrina.
وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدْ كَذَّبَ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ جَاءَتْهُمْ رُسُلُهُم بِالْبَيِّنَاتِ وَبِالزُّبُرِ وَبِالْكِتَابِ الْمُنِيرِ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nilaza ireo Iraka ho mpandainga ihany koa ireo talohan’izy ireo, nefa dia nitondra porofo taminy ireo Irany, ary rakitsoratra sy Boky mpanazava.
ثُمَّ أَخَذْتُ الَّذِينَ كَفَرُوا ۖ فَكَيْفَ كَانَ نَكِيرِ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Avy eo dia nofaiziko ireo tsy nino,ka nanao ahoana ny Fanakianako (famaizana)
أَلَمْ تَرَ أَنَّ اللَّهَ أَنزَلَ مِنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَخْرَجْنَا بِهِ ثَمَرَاتٍ مُّخْتَلِفًا أَلْوَانُهَا ۚ وَمِنَ الْجِبَالِ جُدَدٌ بِيضٌ وَحُمْرٌ مُّخْتَلِفٌ أَلْوَانُهَا وَغَرَابِيبُ سُودٌ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Tsy hitanao ve, fa ampidinin’i Allah avy eny an-danitra ny rano? Ka avoakanay avy amin’izany ireo voankazo miloko isan-karazany. Ary eny an-tendrombohitra, misy faritra fotsy sy mena, ary loko samihafa, sy faritra tena mainty.
وَمِنَ النَّاسِ وَالدَّوَابِّ وَالْأَنْعَامِ مُخْتَلِفٌ أَلْوَانُهُ كَذَٰلِكَ ۗ إِنَّمَا يَخْشَى اللَّهَ مِنْ عِبَادِهِ الْعُلَمَاءُ ۗ إِنَّ اللَّهَ عَزِيزٌ غَفُورٌ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Manana fihodirana samihafa ny olombelona, ny biby isan-karazany sy ireo biby fiompy dia manana loko samihafa ihany koa. Ireo manam-pahaizana no tena matahotra an’i Allah amin’ireo mpanompony.Fa Tsitoha sy Mpamela heloka Allah.
إِنَّ الَّذِينَ يَتْلُونَ كِتَابَ اللَّهِ وَأَقَامُوا الصَّلَاةَ وَأَنفَقُوا مِمَّا رَزَقْنَاهُمْ سِرًّا وَعَلَانِيَةً يَرْجُونَ تِجَارَةً لَّن تَبُورَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Ireo izay mamaky ny Bokin’i Allah, sy manatanteraka ny vavaka soalat,ary manao fandaniana miafina na an-karihary amin’izay nomenay azy ireo, dia manantena hanao fifanakalozana tsy ho rava mandrakizay,
لِيُوَفِّيَهُمْ أُجُورَهُمْ وَيَزِيدَهُم مِّن فَضْلِهِ ۚ إِنَّهُ غَفُورٌ شَكُورٌ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
mba hanomezan’i Allah azy ireo valisoa feno, sy hanampiany azy ireo amin’ny Fahasoavany. Fa Mpamela heloka Izy, ary Mpankasitraka.
وَالَّذِي أَوْحَيْنَا إِلَيْكَ مِنَ الْكِتَابِ هُوَ الْحَقُّ مُصَدِّقًا لِّمَا بَيْنَ يَدَيْهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ بِعِبَادِهِ لَخَبِيرٌ بَصِيرٌ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Ny Fahamarinana tokoa no nambaranay anao tamin’ny Boky, manamafy izay teo alohany. Fa Mahafantatra tsara ireo mpanompony Allah, ary Mahita azy ireo.
ثُمَّ أَوْرَثْنَا الْكِتَابَ الَّذِينَ اصْطَفَيْنَا مِنْ عِبَادِنَا ۖ فَمِنْهُمْ ظَالِمٌ لِّنَفْسِهِ وَمِنْهُم مُّقْتَصِدٌ وَمِنْهُمْ سَابِقٌ بِالْخَيْرَاتِ بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ ذَٰلِكَ هُوَ الْفَضْلُ الْكَبِيرُ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Dia nataonay mpandova ny Boky ireo izay nofidinay tamin’ny mpanomponay. Misy amin’izy ireo no manao ny tsy rariny amin’ny tenany, ao koa ireo izay manao ny antonony, ary ny sasany kosa, noho ny alalana avy amin’i Allah, dia mihoatra ( ny hafa ) noho ny asa soa ataony, izany no fahasoavan-dehibe.
جَنَّاتُ عَدْنٍ يَدْخُلُونَهَا يُحَلَّوْنَ فِيهَا مِنْ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٍ وَلُؤْلُؤًا ۖ وَلِبَاسُهُمْ فِيهَا حَرِيرٌ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Ireo zaridainan’i Edena no hidiran’izy ireo, miravaka haba fehin-tànana volamena sy vatosoa; ary lamba lasoa no fitafin’izy ireo any.
وَقَالُوا الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي أَذْهَبَ عَنَّا الْحَزَنَ ۖ إِنَّ رَبَّنَا لَغَفُورٌ شَكُورٌ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Ary hiteny izy ireo hoe : “ Dera ho an’i Allah, izay nampisinda ny alahelonay. fa Mpamela heloka sy Mpankasitraka tokoa ny Tomponay.
الَّذِي أَحَلَّنَا دَارَ الْمُقَامَةِ مِن فَضْلِهِ لَا يَمَسُّنَا فِيهَا نَصَبٌ وَلَا يَمَسُّنَا فِيهَا لُغُوبٌ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Izay nametraka anay ao amin’ny fonenana maharitra noho ny Fahasoavany, ka tsy hahitanay havizanana na harerahana”.
وَالَّذِينَ كَفَرُوا لَهُمْ نَارُ جَهَنَّمَ لَا يُقْضَىٰ عَلَيْهِمْ فَيَمُوتُوا وَلَا يُخَفَّفُ عَنْهُم مِّنْ عَذَابِهَا ۚ كَذَٰلِكَ نَجْزِي كُلَّ كَفُورٍ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Fa ireo tsy mpino, dia hahazo ny afon’ny helo izy ireo ary tsy vonoina ho faty, sady tsy hamaivanina mihitsy ny fijaliany. Toy izany no hamalianay ireo mpihizingizina amin’ny tsy finoana.
وَهُمْ يَصْطَرِخُونَ فِيهَا رَبَّنَا أَخْرِجْنَا نَعْمَلْ صَالِحًا غَيْرَ الَّذِي كُنَّا نَعْمَلُ ۚ أَوَلَمْ نُعَمِّرْكُم مَّا يَتَذَكَّرُ فِيهِ مَن تَذَكَّرَ وَجَاءَكُمُ النَّذِيرُ ۖ فَذُوقُوا فَمَا لِلظَّالِمِينَ مِن نَّصِيرٍ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Ary dia hiantsoantso izy ireo hoe: “Tomponay ô! Avoahy izahay, hanao ny tsara, fa tsy tahaka izay nataonay teo aloha”. Tsy efa nomenay fiainana lava moa ianareo mba hieritreretan’izay mieritreritra? Ary tonga teo aminareo ihany koa ny mpampitandrina. Dia andramo àry (ny sazinareo), fa tsy misy famonjena ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
إِنَّ اللَّهَ عَالِمُ غَيْبِ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ إِنَّهُ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Fantatr’i Allah ny zava-miafin’ny lanitra sy ny tany, ary fantany izay raiketin’ny fo.
هُوَ الَّذِي جَعَلَكُمْ خَلَائِفَ فِي الْأَرْضِ ۚ فَمَن كَفَرَ فَعَلَيْهِ كُفْرُهُ ۖ وَلَا يَزِيدُ الْكَافِرِينَ كُفْرُهُمْ عِندَ رَبِّهِمْ إِلَّا مَقْتًا ۖ وَلَا يَزِيدُ الْكَافِرِينَ كُفْرُهُمْ إِلَّا خَسَارًا ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Izy no nanao anareo ho mpandimby eto an-tany. Izay tsy mino, dia izy no iharan’ny tsy finoany. Tsy manampy ny mpikomy ny tsy finoany, raha tsy fahafaham-baraka ihany. Ary tsy mampitombo afa-tsy fatiantoka ho an’ireo tsy mpino ny tsy finoany.
قُلْ أَرَأَيْتُمْ شُرَكَاءَكُمُ الَّذِينَ تَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ أَرُونِي مَاذَا خَلَقُوا مِنَ الْأَرْضِ أَمْ لَهُمْ شِرْكٌ فِي السَّمَاوَاتِ أَمْ آتَيْنَاهُمْ كِتَابًا فَهُمْ عَلَىٰ بَيِّنَتٍ مِّنْهُ ۚ بَلْ إِن يَعِدُ الظَّالِمُونَ بَعْضُهُم بَعْضًا إِلَّا غُرُورًا ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Dia lazao hoe: “Hitanareo ve ireo nataonareo ho mpitambatra amin’i Allah izay antsoinareo ankoatra Azy? Asehoy ahy izay namboariny teto an-tany. Nandray anjara ve izy ireo tamin’ny fahariana ny lanitra? Sa nomenay Boky misy porofo?” Tsia! Fa fitaka ihany no fampanantenana ifanaovan’ireo mpanao ny tsy rariny.
۞ إِنَّ اللَّهَ يُمْسِكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ أَن تَزُولَا ۚ وَلَئِن زَالَتَا إِنْ أَمْسَكَهُمَا مِنْ أَحَدٍ مِّن بَعْدِهِ ۚ إِنَّهُ كَانَ حَلِيمًا غَفُورًا ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Mihazona ny lanitra sy ny tany ho eo mandrakariva Allah. Ary raha miala teo izany, dia tsy misy afaka hihazona azy ireo ankoatra Azy. Fa Izy no be fangorahana, sy Mpamela heloka.
وَأَقْسَمُوا بِاللَّهِ جَهْدَ أَيْمَانِهِمْ لَئِن جَاءَهُمْ نَذِيرٌ لَّيَكُونُنَّ أَهْدَىٰ مِنْ إِحْدَى الْأُمَمِ ۖ فَلَمَّا جَاءَهُمْ نَذِيرٌ مَّا زَادَهُمْ إِلَّا نُفُورًا ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Ary nianiana tamin’i Allah tamim-pianianana hentitra izy ireo, fa raha misy mpampitandrina tonga amin’izy ireo, dia ho voatari-dàlana tsara noho ireo vahoaka hafa izy ireo. Nefa rehefa tonga tamin’izy ireo ny mpampitandrina (Mpaminany), dia vao mainka nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany,
اسْتِكْبَارًا فِي الْأَرْضِ وَمَكْرَ السَّيِّئِ ۚ وَلَا يَحِيقُ الْمَكْرُ السَّيِّئُ إِلَّا بِأَهْلِهِ ۚ فَهَلْ يَنظُرُونَ إِلَّا سُنَّتَ الْأَوَّلِينَ ۚ فَلَن تَجِدَ لِسُنَّتِ اللَّهِ تَبْدِيلًا ۖ وَلَن تَجِدَ لِسُنَّتِ اللَّهِ تَحْوِيلًا ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
noho ny fireharehana teto an-tany, sy ny tetika maloto. Nefa dia izay manao izany ihany no voasaron’ny teti-dratsy ataony. Miandry anjara hafa noho ny an’ireo teo aloha àry ve izy ireo? Nefa dia tsy hahita fanovana amin’ny lalàn’i Allah velively ianao, eny! Tsy hahita fiovana amin’ny lalàn’i Allah mandrakizay.
أَوَلَمْ يَسِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَيَنظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ وَكَانُوا أَشَدَّ مِنْهُمْ قُوَّةً ۚ وَمَا كَانَ اللَّهُ لِيُعْجِزَهُ مِن شَيْءٍ فِي السَّمَاوَاتِ وَلَا فِي الْأَرْضِ ۚ إِنَّهُ كَانَ عَلِيمًا قَدِيرًا ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Tsy mbola nandeha nitety ny tany ve izy ireo, ka tsy nahita izay nahazo ireo niaina talohany, izay natanjaka tokoa noho izy ireo? Ary tsy misy afaka hampihena ny fahefan’i Allah, na any an-danitra na ety an-tany. Fa Mahefa sy Mahalala ny zavatra rehetra Izy.
وَلَوْ يُؤَاخِذُ اللَّهُ النَّاسَ بِمَا كَسَبُوا مَا تَرَكَ عَلَىٰ ظَهْرِهَا مِن دَابَّةٍ وَلَٰكِن يُؤَخِّرُهُمْ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى ۖ فَإِذَا جَاءَ أَجَلُهُمْ فَإِنَّ اللَّهَ كَانَ بِعِبَادِهِ بَصِيرًا ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Fa raha mamaly ny olona amin’izay ataon’izy ireo i Allah, dia tsy hisy zava-manan’aina havelany ho velona mihitsy eto an-tany. Nefa omeny fe-potoana voafaritra izy ireo. Ka rehefa tonga ny fetran’izy ireo (dia hihatra ny famaizana) satria Mahita ireo mpanompony i Allah.
← 34 Fatira (35/114) 36 →
Vakio Surah Fatira Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

35فاطر Fatir 📚 45 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Fatira — 45 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers