Saba · 15/54
Fandikana Fanononana — Saba
لَقَدْ كَانَ لِسَبَإٍ فِي مَسْكَنِهِمْ آيَةٌ ۖ جَنَّتَانِ عَن يَمِينٍ وَشِمَالٍ ۖ كُلُوا مِن رِّزْقِ رَبِّكُمْ وَاشْكُرُوا لَهُ ۚ بَلْدَةٌ طَيِّبَةٌ وَرَبٌّ غَفُورٌ ۝١٥
Laqad kaana li Saba-in fee maskanihim Aayatun jannataani `ai yameeninw wa shimaalin kuloo mir rizq Rabbikum washkuroolah; baldatun taiyibatunw wa Rabbun Ghafoor
📖 Dikany Malagasy
Nisy famantarana tokoa tamin’ny fonenan’ny fokon’i Saba : zaridaiana roa, ny iray eo ankavanana, ary ny iray eo ankavia.« Mihinàna amin’izay nomen’ny Tomponareo ho anareo ianareo, ary mahaiza mankasitraka Azy. fa tanàna tsara izany, ary ny Tompo mpamela heloka ».
🎧 Henoy

📜 Andininy 13-17 — Saba

13يَعْمَلُونَ لَهُ مَا يَشَاءُ مِن مَّحَارِيبَ وَتَمَاثِيلَ وَجِفَانٍ كَالْجَوَابِ وَقُدُورٍ رَّاسِيَاتٍ ۚ اعْمَلُوا آلَ دَاوُودَ شُكْرًا ۚ وَقَلِيلٌ مِّنْ عِبَادِيَ الشَّكُورُ
Nanatanteraka arak’izay tiany ho azy izy ireo : toerana masina, sarivongana, lovia fasika lehibe, ary vilany. « Ry fianakavian’i Davida, miasà ho fankasitrahana Azy, nefa vitsy amin’ireo mpanompoko no mahay mankasitraka ».
14فَلَمَّا قَضَيْنَا عَلَيْهِ الْمَوْتَ مَا دَلَّهُمْ عَلَىٰ مَوْتِهِ إِلَّا دَابَّةُ الْأَرْضِ تَأْكُلُ مِنسَأَتَهُ ۖ فَلَمَّا خَرَّ تَبَيَّنَتِ الْجِنُّ أَن لَّوْ كَانُوا يَعْلَمُونَ الْغَيْبَ مَا لَبِثُوا فِي الْعَذَابِ الْمُهِينِ
Ary rehefa nanapa-kevitra ny amin’ny fahafatesany Izahay, dia tsy nisy afaka nampilaza azy ireo ny amin’izany, afa tsy ny bibin’ny tany izay nikiky ny tehiny. ary rehefa lavo izy, dia hitan’ireo djiny tamin’izay fa raha tena nahafantatra ny zava-miafina izy ireo, dia tsy nijanona tamin’ny famaizana mahafabaraka (tamin’ny fankatoavana ny baiko).
15لَقَدْ كَانَ لِسَبَإٍ فِي مَسْكَنِهِمْ آيَةٌ ۖ جَنَّتَانِ عَن يَمِينٍ وَشِمَالٍ ۖ كُلُوا مِن رِّزْقِ رَبِّكُمْ وَاشْكُرُوا لَهُ ۚ بَلْدَةٌ طَيِّبَةٌ وَرَبٌّ غَفُورٌ
Nisy famantarana tokoa tamin’ny fonenan’ny fokon’i Saba : zaridaiana roa, ny iray eo ankavanana, ary ny iray eo ankavia.« Mihinàna amin’izay nomen’ny Tomponareo ho anareo ianareo, ary mahaiza mankasitraka Azy. fa tanàna tsara izany, ary ny Tompo mpamela heloka ».
16فَأَعْرَضُوا فَأَرْسَلْنَا عَلَيْهِمْ سَيْلَ الْعَرِمِ وَبَدَّلْنَاهُم بِجَنَّتَيْهِمْ جَنَّتَيْنِ ذَوَاتَيْ أُكُلٍ خَمْطٍ وَأَثْلٍ وَشَيْءٍ مِّن سِدْرٍ قَلِيلٍ
Nefa dia nanome lamosina izy ireo ka navarinay tamin’izy ireo ny ranon’ny tohadrano, ary novainay ho zaridaina feno voninkazo mangidy, sy hazo madilo ary tsinefy vitsivitsy, ireo zaridaina ny anankiroa.
17ذَٰلِكَ جَزَيْنَاهُم بِمَا كَفَرُوا ۖ وَهَلْ نُجَازِي إِلَّا الْكَفُورَ
Izany no fomba namalianay azy ireo, noho ny tsy finoany. moa hanasazy olon-kafa, afa-tsy ireo tsy mpino va Izahay ?
SabaFizahan-takila Koraña
54Andininy
MeccanRevelation
15Andininy

Fandikana — Saba 15

Surah Saba Andininy 15 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nisy famantarana tokoa tamin’ny fonenan’ny fokon’i Saba : zaridaiana roa,…

Surah Andininy 15/54 — Saba سبأ (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Saba Henoy, Saba Fandikana, Saba mp3, Saba pdf. Andininy 13–17. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers