Surah Al-Bayyinah amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Bayyinah miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (8 Andininy — مدنية). Al-Bayyinah Henoy, Al-Bayyinah Fandikana, Al-Bayyinah mp3, Al-Bayyinah pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Bayyinah

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
لَمْ يَكُنِ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْ أَهْلِ الْكِتَابِ وَالْمُشْرِكِينَ مُنفَكِّينَ حَتَّىٰ تَأْتِيَهُمُ الْبَيِّنَةُ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ireo mpampikambana Tompo amin'ny hafa dia tsy nijanona tamin'ny tsy finoana mihitsy raha tsy tonga tamin'izy ireo ny porofo mazava.
رَسُولٌ مِّنَ اللَّهِ يَتْلُو صُحُفًا مُّطَهَّرَةً ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Dia ilay iraka avy amin'I Allah izany, izay mamaky ireo takelaka feno fahadiovana.
فِيهَا كُتُبٌ قَيِّمَةٌ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Izay mifono faminaniana tsy miovaova.
وَمَا تَفَرَّقَ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ إِلَّا مِن بَعْدِ مَا جَاءَتْهُمُ الْبَيِّنَةُ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Ary tsy nitovy hevitra ireo izay rehetra nanolorana boky masina raha tsy taorian'ny nahatongavan'ny porofo mazava tsara tamin'izy ireo.
وَمَا أُمِرُوا إِلَّا لِيَعْبُدُوا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ حُنَفَاءَ وَيُقِيمُوا الصَّلَاةَ وَيُؤْتُوا الزَّكَاةَ ۚ وَذَٰلِكَ دِينُ الْقَيِّمَةِ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Eny ! Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Allah amin'ny finoana feno fahadiovam-po sy tsy misy fangarony, ary hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana (soalaty) sy hanome ny ampaham-pananana (zakaty) ho an'ireo mendrika izany, eny ! Izany no finoana marina sy mendrika.
إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْ أَهْلِ الْكِتَابِ وَالْمُشْرِكِينَ فِي نَارِ جَهَنَّمَ خَالِدِينَ فِيهَا ۚ أُولَٰئِكَ هُمْ شَرُّ الْبَرِيَّةِ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Tena marina fa ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ny mpanompo sampy dia hiditra ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay, izy ireo no tena zava-boary ratsy indindra.
إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ أُولَٰئِكَ هُمْ خَيْرُ الْبَرِيَّةِ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa dia izy ireo no zava-boary tsara indindra eto an-tany.
جَزَاؤُهُمْ عِندَ رَبِّهِمْ جَنَّاتُ عَدْنٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۖ رَّضِيَ اللَّهُ عَنْهُمْ وَرَضُوا عَنْهُ ۚ ذَٰلِكَ لِمَنْ خَشِيَ رَبَّهُ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
a ny valisoa azon'izy ireo avy amin'ny Tompon'izy ireo dia ny Paradisa honenana izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo ! Tompo Allah dia mankasitraka azy ireo, ary izy ireo koa dia mankasitraka Azy, toy izany no anjaran'izay matahotra ny Tompony.
← 97 Al-Bayyinah (98/114) 99 →
Vakio Surah Al-Bayyinah Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

98البينة Al-Bayyinah 📚 8 Andininy مدنية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Bayyinah — 8 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers