Surah Al-Bayyinah
PDF —
Built right in your browser — download starts automatically
Surah Al-Bayyinah pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Bayyinah pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Bayyinah Fandikana. Al-Bayyinah (Medinan) 8 Andininy.
Related
- Al-Bayyinah FandikanaMalagasy
- Al-Bayyinah mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Bayyinah

ﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
Ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ireo mpampikambana Tompo amin'ny hafa dia tsy nijanona tamin'ny tsy finoana mihitsy raha tsy tonga tamin'izy ireo ny porofo mazava.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
Dia ilay iraka avy amin'I Allah izany, izay mamaky ireo takelaka feno fahadiovana.
ﮫﮬﮭﮮ
Izay mifono faminaniana tsy miovaova.
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛ
Ary tsy nitovy hevitra ireo izay rehetra nanolorana boky masina raha tsy taorian'ny nahatongavan'ny porofo mazava tsara tamin'izy ireo.
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
Eny ! Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Allah amin'ny finoana feno fahadiovam-po sy tsy misy fangarony, ary hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana (soalaty) sy hanome ny ampaham-pananana (zakaty) ho an'ireo mendrika izany, eny ! Izany no finoana marina sy mendrika.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
Tena marina fa ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ny mpanompo sampy dia hiditra ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay, izy ireo no tena zava-boary ratsy indindra.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa dia izy ireo no zava-boary tsara indindra eto an-tany.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
a ny valisoa azon'izy ireo avy amin'ny Tompon'izy ireo dia ny Paradisa honenana izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo ! Tompo Allah dia mankasitraka azy ireo, ary izy ireo koa dia mankasitraka Azy, toy izany no anjaran'izay matahotra ny Tompony.
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







