📖 0/604 pejy novakiana
📄 518
Surah Qafy

Surah Qafy

50:2
بَلۡ عَجِبُوٓاْ أَن جَآءَهُم مُّنذِرٌ مِّنۡهُمۡ فَقَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا شَيۡءٌ عَجِيبٌ ٢
Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’.
50:3
أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابًاۖ ذَٰلِكَ رَجۡعُۢ بَعِيدٌ ٣
Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’.
50:4
قَدۡ عَلِمۡنَا مَا تَنقُصُ ٱلۡأَرۡضُ مِنۡهُمۡۖ وَعِندَنَا كِتَٰبٌ حَفِيظُۢ ٤
Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay.
50:5
بَلۡ كَذَّبُواْ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُمۡ فَهُمۡ فِيٓ أَمۡرٍ مَّرِيجٍ ٥
Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala.
50:6
أَفَلَمۡ يَنظُرُوٓاْ إِلَى ٱلسَّمَآءِ فَوۡقَهُمۡ كَيۡفَ بَنَيۡنَٰهَا وَزَيَّنَّٰهَا وَمَا لَهَا مِن فُرُوجٍ ٦
Tsy mba nojeren’izy ireo va ny lanitra eo amboniny, ahoana ny fomba nanorenanay sy nampihaingonay azy ary ahoana izy no tsy misy mitriatra ?
50:7
وَٱلۡأَرۡضَ مَدَدۡنَٰهَا وَأَلۡقَيۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ وَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجِۭ بَهِيجٍ ٧
Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa,
50:8
تَبۡصِرَةً وَذِكۡرَىٰ لِكُلِّ عَبۡدٍ مُّنِيبٍ ٨
Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka.
50:9
وَنَزَّلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءً مُّبَٰرَكًا فَأَنۢبَتۡنَا بِهِۦ جَنَّٰتٍ وَحَبَّ ٱلۡحَصِيدِ ٩
Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana,
50:10
وَٱلنَّخۡلَ بَاسِقَٰتٍ لَّهَا طَلۡعٌ نَّضِيدٌ ١٠
Ary ireo hazo palma avo misy voany mifanongoa.
50:11
رِّزۡقًا لِّلۡعِبَادِۖ وَأَحۡيَيۡنَا بِهِۦ بَلۡدَةً مَّيۡتًاۚ كَذَٰلِكَ ٱلۡخُرُوجُ ١١
Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty.
50:12
كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٍ وَأَصۡحَٰبُ ٱلرَّسِّ وَثَمُودُ ١٢
Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod,
50:13
وَعَادٌ وَفِرۡعَوۡنُ وَإِخۡوَٰنُ لُوطٍ ١٣
Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota,
50:14
وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡأَيۡكَةِ وَقَوۡمُ تُبَّعٍۚ كُلٌّ كَذَّبَ ٱلرُّسُلَ فَحَقَّ وَعِيدِ ١٤
Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako.
50:15
أَفَعَيِينَا بِٱلۡخَلۡقِ ٱلۡأَوَّلِۚ بَلۡ هُمۡ فِي لَبۡسٍ مِّنۡ خَلۡقٍ جَدِيدٍ ١٥
Moa reraky ny fahariana voalohany va izahay ? Kanefa feno fisalasalana izy ireo mikasika ny fahariana vaovao.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Sunday, August 30, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







