📖 0/604 pejy novakiana
📄 7
Al-Baqarah

Al-Baqarah

2:38
قُلۡنَا ٱهۡبِطُواْ مِنۡهَا جَمِيعًاۖ فَإِمَّا يَأۡتِيَنَّكُم مِّنِّي هُدًى فَمَن تَبِعَ هُدَايَ فَلَا خَوۡفٌ عَلَيۡهِمۡ وَلَا هُمۡ يَحۡزَنُونَ ٣٨
Noteneninay indray hoe : “Midina miala avy ao daholo ianareo rehetra! Fa ho tonga aminareo ilay tari-dàlana avy Amiko, ka izay manaraka ny tari-dàlana avy Amiko, dia tsy hatahotra na halahelo.
2:39
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَآ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ ٣٩
Fa ireo izay tsy nino sy nampandainga ireo fanambaranay kosa, dia izy ireo no lazaina fa olon'ny Afo-be izay hitoetra ao mandrakizay.
2:40
يَٰبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱذۡكُرُواْ نِعۡمَتِيَ ٱلَّتِيٓ أَنۡعَمۡتُ عَلَيۡكُمۡ وَأَوۡفُواْ بِعَهۡدِيٓ أُوفِ بِعَهۡدِكُمۡ وَإِيَّٰيَ فَٱرۡهَبُونِ ٤٠
Ry zanak'Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay efa nanasoavako anareo,ary tanterahinareo ny fifanekena nataonareo tamiko dia ho tanterahiko avokoa ny fifanekena izay nataoko taminareo, ary Izaho irery ihany no tokony hatahoranareo.
2:41
وَءَامِنُواْ بِمَآ أَنزَلۡتُ مُصَدِّقًا لِّمَا مَعَكُمۡ وَلَا تَكُونُوٓاْ أَوَّلَ كَافِرِۭ بِهِۦۖ وَلَا تَشۡتَرُواْ بِـَٔايَٰتِي ثَمَنًا قَلِيلًا وَإِيَّٰيَ فَٱتَّقُونِ ٤١
Ary aoka ianareo mba hino an'izay rehetraa nampidiniko,izay manamarina ny efa eo am-pelatananareo avokoa izany; ary aoka tsy ianareo no voalohany hitsipaka izany. Ary aza atakalonareo vidiny harena kely dia kely ny fanambarako; ary aoka Izaho irery ihany no hanananareo fahatahorana.
2:42
وَلَا تَلۡبِسُواْ ٱلۡحَقَّ بِٱلۡبَٰطِلِ وَتَكۡتُمُواْ ٱلۡحَقَّ وَأَنتُمۡ تَعۡلَمُونَ ٤٢
Ary aoka mba aza saromanareo fahadisoana ny fahamarinana ary aza afeninareo ihany koa ny marina, eo anatrehan'ny fahafantaranareo an' izany rehetra izany.
2:43
وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَٱرۡكَعُواْ مَعَ ٱلرَّٰكِعِينَ ٤٣
Ary atsanganinareo ny Soalat (fanompoam-pivavahana), ary avoahinareo ihany koa ny Zakat (famoahana ampahan-karena), ary miondreha ianareo miaraka amin’ireo rehetra izay mpiondrika.
2:44
۞ أَتَأۡمُرُونَ ٱلنَّاسَ بِٱلۡبِرِّ وَتَنسَوۡنَ أَنفُسَكُمۡ وَأَنتُمۡ تَتۡلُونَ ٱلۡكِتَٰبَۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ ٤٤
Ka lasa maniraka ny olona hanao ny tsara ve ianareo, nefa manadino ny tenanareo; ianareo anefa mamaky ny Boky masina Koroany ? ! ka tsy dia mba mieritreritra akory ve ianareo ? !
2:45
وَٱسۡتَعِينُواْ بِٱلصَّبۡرِ وَٱلصَّلَوٰةِۚ وَإِنَّهَا لَكَبِيرَةٌ إِلَّا عَلَى ٱلۡخَٰشِعِينَ ٤٥
Ary mitadiava fanampiana amin'ny alàlan'ny fiaretana sy ny fanaovana ny fanompom-pivavahana Soalat ianareo; ary izy io tena tokoa afa-tsy amin'ireo olona mpanetry tena ihany.
2:46
ٱلَّذِينَ يَظُنُّونَ أَنَّهُم مُّلَٰقُواْ رَبِّهِمۡ وَأَنَّهُمۡ إِلَيۡهِ رَٰجِعُونَ ٤٦
Ireo izay mino fa mbola hifanena tokoa amin'ny Tompon'izy ireo i ( Tompo Allah ), ary tena mbola hiverina any Aminy marina tokoa.
2:47
يَٰبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱذۡكُرُواْ نِعۡمَتِيَ ٱلَّتِيٓ أَنۡعَمۡتُ عَلَيۡكُمۡ وَأَنِّي فَضَّلۡتُكُمۡ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ ٤٧
Ry zanak’Israely ! aoka mba ho tsarovinareo mandrakariva ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary ny nanomezako anareo tombom-pahasoavana teo anatrehan’izao tontolo izao.
2:48
وَٱتَّقُواْ يَوۡمًا لَّا تَجۡزِي نَفۡسٌ عَن نَّفۡسٍ شَيۡـًٔا وَلَا يُقۡبَلُ مِنۡهَا شَفَٰعَةٌ وَلَا يُؤۡخَذُ مِنۡهَا عَدۡلٌ وَلَا هُمۡ يُنصَرُونَ ٤٨
Ary aoka ianareo hatahotra ilay andro iray izay tsy misy olona hanome ny valisoany ho an’olon-kafa; sy tsy hanekena mihitsy ny fanelanelanana; ary tsy handraisana intsony ny fanambazana omeny, ary tsy ho vonjena izy ireo.
العربيةEnglishBahasa IndonesiaTürkçeРусскийفارسیFrançaisاردوবাংলাDeutschEspañol中文हिन्दीPortuguêsItalianoภาษาไทยPolskiNederlandsShqipKiswahiliO'zbekதமிழ்MelayuBosanskiSoomaaliAzərbaycanکوردی한국어日本語SvenskaDanskNorskپښتوമലയാളംසිංහලTamazightHausaአማርኛБългарскиТоҷикӣҚазақшаFilipinoسنڌيYorùbáFulfuldeТатарчаئۇيغۇرچەКыргызчаਪੰਜਾਬੀJawaతెలుగుမြန်မာગુજરાતીOromoमराठीTiếng ViệtMalagasyНохчийнWolofދިވެހިಕನ್ನಡУкраїнськаΕλληνικάქართულიខ្មែរدریQafar afMaranaoनेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







