Surah An-Naml amin'ny teny Arabo sy Malagasy
Vakio ny Surah An-Naml miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (93 Andininy — مكية). An-Naml Henoy, An-Naml Fandikana, An-Naml mp3, An-Naml pdf.Vakio sy Henoy ny Surah An-Naml
🎧 Andininy
M
Mishary Rashid Alafasy
✓
Mishary Rashid Alafasy
✓
M
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
Mahmoud Khalil Al-Husary
✓
A
Abdurrahman As-Sudais
✓
Abdurrahman As-Sudais
✓
M
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
Mohamed Siddiq Al-Minshawi
✓
A
Abdul Basit Abdul Samad
✓
Abdul Basit Abdul Samad
✓
A
Ali Al-Hudhaify
✓
Ali Al-Hudhaify
✓
A
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
Ahmed ibn Ali al-Ajamy
✓
A
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
Abu Bakr Ash-Shaatree
✓
M
Muhammad Ayyoub
✓
Muhammad Ayyoub
✓
A
Abdullah Basfar
✓
Abdullah Basfar
✓
A
Abdullah Al-Juhani
✓
Abdullah Al-Juhani
✓
M
Maher Al Muaiqly
✓
Maher Al Muaiqly
✓
—
x1
طس ۚ تِلْكَ آيَاتُ الْقُرْآنِ وَكِتَابٍ مُّبِينٍ ١
📖 Fandikana
Andininy 1
Twa, Sin. Indro ireo andinin’ny Kor’any, sy ny Boky mazava.
هُدًى وَبُشْرَىٰ لِلْمُؤْمِنِينَ ٢
📖 Fandikana
Andininy 2
Tari-dalana sy vaovao tsara ho an’ireo mpino.
الَّذِينَ يُقِيمُونَ الصَّلَاةَ وَيُؤْتُونَ الزَّكَاةَ وَهُم بِالْآخِرَةِ هُمْ يُوقِنُونَ ٣
📖 Fandikana
Andininy 3
Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any ankoatra.
إِنَّ الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ زَيَّنَّا لَهُمْ أَعْمَالَهُمْ فَهُمْ يَعْمَهُونَ ٤
📖 Fandikana
Andininy 4
Hamafisina, fa ireo izay tsy mino ny any ankoatra kosa, dia hatsarainay (eo imason’izy ireo) ny asany, ka ho sahiran-tsaina sy hisalasala izy ireo.
أُولَٰئِكَ الَّذِينَ لَهُمْ سُوءُ الْعَذَابِ وَهُمْ فِي الْآخِرَةِ هُمُ الْأَخْسَرُونَ ٥
📖 Fandikana
Andininy 5
Izy ireo dia ahazo ny sazy ratsy indrindra, ary ho maty antoka indrindra any ankoatra.
وَإِنَّكَ لَتُلَقَّى الْقُرْآنَ مِن لَّدُنْ حَكِيمٍ عَلِيمٍ ٦
📖 Fandikana
Andininy 6
Hamafisina fa ianao no mandray ny Koroany avy amin’Ilay be Fahendrena indrinra, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
إِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِأَهْلِهِ إِنِّي آنَسْتُ نَارًا سَآتِيكُم مِّنْهَا بِخَبَرٍ أَوْ آتِيكُم بِشِهَابٍ قَبَسٍ لَّعَلَّكُمْ تَصْطَلُونَ ٧
📖 Fandikana
Andininy 7
(Tsarovy) Raha niteny tamin’ny fianakaviany i Mosesy (Mosa) hoe : “Nahatazana afo aho ka hitondrako vaovao avy amin’izany ianareo, na koa hitondrako tapa-porohana mirehitra mba hakanareo hafanana”.
فَلَمَّا جَاءَهَا نُودِيَ أَن بُورِكَ مَن فِي النَّارِ وَمَنْ حَوْلَهَا وَسُبْحَانَ اللَّهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ ٨
📖 Fandikana
Andininy 8
Nony tonga teny izy, dia nantsoina : “Masina anie, ilay ao anatin’ny afo, sy izay manodidina azy, ary voninahitra ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao”.
يَا مُوسَىٰ إِنَّهُ أَنَا اللَّهُ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ٩
📖 Fandikana
Andininy 9
“Ry Mosesy ! Izaho no Tompo Zanahary, Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
وَأَلْقِ عَصَاكَ ۚ فَلَمَّا رَآهَا تَهْتَزُّ كَأَنَّهَا جَانٌّ وَلَّىٰ مُدْبِرًا وَلَمْ يُعَقِّبْ ۚ يَا مُوسَىٰ لَا تَخَفْ إِنِّي لَا يَخَافُ لَدَيَّ الْمُرْسَلُونَ ١٠
📖 Fandikana
Andininy 10
Ary atsipazo ny tehinao. Raha nahita azy mihetsika toy ny bibilava izy, dia nandositra tsy hiverina. “Ry Mosesy! Aza matahotra ianao, fa tsy matahotra velively ireo Iraka eto anatrehako.
إِلَّا مَن ظَلَمَ ثُمَّ بَدَّلَ حُسْنًا بَعْدَ سُوءٍ فَإِنِّي غَفُورٌ رَّحِيمٌ ١١
📖 Fandikana
Andininy 11
Afa-tsy izay nanao ny tsy rariny, sy nanakalo ny tsara amin’ny ratsy. Fa Mpamela heloka sy be Indrafo Aho!
وَأَدْخِلْ يَدَكَ فِي جَيْبِكَ تَخْرُجْ بَيْضَاءَ مِنْ غَيْرِ سُوءٍ ۖ فِي تِسْعِ آيَاتٍ إِلَىٰ فِرْعَوْنَ وَقَوْمِهِ ۚ إِنَّهُمْ كَانُوا قَوْمًا فَاسِقِينَ ١٢
📖 Fandikana
Andininy 12
“Ary ampidiro ao anaty paosinao (ambony) ny tananao. Hivoaka fotsy izany, tsy misy zava-dratsy na anankiray amin’ireo fahagagana sivy, ho an’i Faraona sy ny vahoakany izany, fa olona ratsy fanahy tokoa izy ireo”.
فَلَمَّا جَاءَتْهُمْ آيَاتُنَا مُبْصِرَةً قَالُوا هَٰذَا سِحْرٌ مُّبِينٌ ١٣
📖 Fandikana
Andininy 13
Ary nony tonga tamin’izy ireo ny fahagagana avy taminay, izay mazava miharihary tokoa, dia hoy izy ireo hoe : “Majika miharihary tokoa io”.
وَجَحَدُوا بِهَا وَاسْتَيْقَنَتْهَا أَنفُسُهُمْ ظُلْمًا وَعُلُوًّا ۚ فَانظُرْ كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الْمُفْسِدِينَ ١٤
📖 Fandikana
Andininy 14
Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo. Jereo ary ny fiafaran’ireo mpanimba.
وَلَقَدْ آتَيْنَا دَاوُودَ وَسُلَيْمَانَ عِلْمًا ۖ وَقَالَا الْحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي فَضَّلَنَا عَلَىٰ كَثِيرٍ مِّنْ عِبَادِهِ الْمُؤْمِنِينَ ١٥
📖 Fandikana
Andininy 15
Ary nomenay fahalalana tokoa i Davida sy i salomona ary niteny izy ireo hoe : dera ho an’I Allah izay nampisongadina anay manokana amin’ireo mpanompony maro izay mpino.
وَوَرِثَ سُلَيْمَانُ دَاوُودَ ۖ وَقَالَ يَا أَيُّهَا النَّاسُ عُلِّمْنَا مَنطِقَ الطَّيْرِ وَأُوتِينَا مِن كُلِّ شَيْءٍ ۖ إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ الْفَضْلُ الْمُبِينُ ١٦
📖 Fandikana
Andininy 16
Ary nandova an’i Davida i Salomona, ka niteny izy hoe : Oh ry Olombelona ! Nampianarina anay ny fitenin’ireo vorona ; ary nomena anjara izahay amin’ny zava-drehetra. Hamafisina, fa izany no tena fahasoavana miharihary tokoa.
وَحُشِرَ لِسُلَيْمَانَ جُنُودُهُ مِنَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ وَالطَّيْرِ فَهُمْ يُوزَعُونَ ١٧
📖 Fandikana
Andininy 17
Ary navory ho an’i Salomona ireo miaramilany avy amin’ireo jiny sy olombelona ary ireo vorona ka nampilaharina izy ireo.
حَتَّىٰ إِذَا أَتَوْا عَلَىٰ وَادِ النَّمْلِ قَالَتْ نَمْلَةٌ يَا أَيُّهَا النَّمْلُ ادْخُلُوا مَسَاكِنَكُمْ لَا يَحْطِمَنَّكُمْ سُلَيْمَانُ وَجُنُودُهُ وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ ١٨
📖 Fandikana
Andininy 18
Ary rehefa tonga tao amin’ny lohasahan’ireo vitsika izy ireo dia nisy vitsika niteny hoe : Ry vitsika ! Midira ao amin’ny fonenanareo ianareo mba tsy hanitsahan’i Salomona sy ireo miaramilany anareo, nefa tsy hahatsapa izany akory izy ireo.
فَتَبَسَّمَ ضَاحِكًا مِّن قَوْلِهَا وَقَالَ رَبِّ أَوْزِعْنِي أَنْ أَشْكُرَ نِعْمَتَكَ الَّتِي أَنْعَمْتَ عَلَيَّ وَعَلَىٰ وَالِدَيَّ وَأَنْ أَعْمَلَ صَالِحًا تَرْضَاهُ وَأَدْخِلْنِي بِرَحْمَتِكَ فِي عِبَادِكَ الصَّالِحِينَ ١٩
📖 Fandikana
Andininy 19
Nitsiky izy (Salomona), (faly) tamin’ny teniny ; ary niteny hoe : mamela ahy ianao ry Tompo ! Mba hankasitraka ny fahasoavanao izay nomenao ahy sy ireo ray aman-dreniko ; ary mba hanao asa soa izay ankasitrahanao ; ka ampidiro amin’ny alalan’ny famindram-ponao aho ,ho isan’ireo mpanomponao mendrika.
وَتَفَقَّدَ الطَّيْرَ فَقَالَ مَا لِيَ لَا أَرَى الْهُدْهُدَ أَمْ كَانَ مِنَ الْغَائِبِينَ ٢٠
📖 Fandikana
Andininy 20
Avy eo dia nitady ilay vorona izy, ka niteny hoe : nahoana no tsy mba hitako i Railovy, anisan’ireo tsy tonga ve izy?
لَأُعَذِّبَنَّهُ عَذَابًا شَدِيدًا أَوْ لَأَذْبَحَنَّهُ أَوْ لَيَأْتِيَنِّي بِسُلْطَانٍ مُّبِينٍ ٢١
📖 Fandikana
Andininy 21
Tena ho faiziko mafy tokoa izy na koa tena ho tapahiko mihitsy ny vozony ! Na izy hitondra porofo mazava tsara amiko.
فَمَكَثَ غَيْرَ بَعِيدٍ فَقَالَ أَحَطتُ بِمَا لَمْ تُحِطْ بِهِ وَجِئْتُكَ مِن سَبَإٍ بِنَبَإٍ يَقِينٍ ٢٢
📖 Fandikana
Andininy 22
Nefa tsy niandry ela akory izy afa-tsy fotoana vitsivitsy fotsiny (dia tonga),ary niteny hoe : mahafantatra izay mbola tsy fantatrao aho ! Ary nitondrako vaovao tena marina ianao avy any Saba (Hoy Railovy tamin’i Salomona).
إِنِّي وَجَدتُّ امْرَأَةً تَمْلِكُهُمْ وَأُوتِيَتْ مِن كُلِّ شَيْءٍ وَلَهَا عَرْشٌ عَظِيمٌ ٢٣
📖 Fandikana
Andininy 23
Hamafisiko (hoy Railovy), fa izaho dia nahita vehivavy izay tompon’ny fanjakana amin’izy ireo, ary nomena azy daholo ny zava-drehetra ary manana seza fiandrianana lehibe izy.
وَجَدتُّهَا وَقَوْمَهَا يَسْجُدُونَ لِلشَّمْسِ مِن دُونِ اللَّهِ وَزَيَّنَ لَهُمُ الشَّيْطَانُ أَعْمَالَهُمْ فَصَدَّهُمْ عَنِ السَّبِيلِ فَهُمْ لَا يَهْتَدُونَ ٢٤
📖 Fandikana
Andininy 24
Hitako izy sy ny vahoakany izay samy niankohoka eo anoloan’ny masoandro fa tsy amin’I Allah. Ary nohatsarain’ny satana ny asan’izy ireo sady naviliny lalana tsy ho amin’ny lala-mahitsy ary tsy nahazo tari-dalana ihany koa izy ireo.
أَلَّا يَسْجُدُوا لِلَّهِ الَّذِي يُخْرِجُ الْخَبْءَ فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَيَعْلَمُ مَا تُخْفُونَ وَمَا تُعْلِنُونَ ٢٥
📖 Fandikana
Andininy 25
Nahoana izy ireo no tsy niankohoka eo anoloan’I Allah izay mamoaka ny (zavatra) miafina eny amin’ireo lanitra sy ny tany sy ilay mahafantatra izay afeninareo ary koa izay asehonareo ?
اللَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ رَبُّ الْعَرْشِ الْعَظِيمِ ۩ ٢٦
📖 Fandikana
Andininy 26
Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Tompon’ny seza fiandrianana lehibe !
۞ قَالَ سَنَنظُرُ أَصَدَقْتَ أَمْ كُنتَ مِنَ الْكَاذِبِينَ ٢٧
📖 Fandikana
Andininy 27
Niteny izy (Salomona) hoe : ho jerentsika raha (milaza) marina tokoa ianao, na koa anisan’ireo mpandainga.
اذْهَب بِّكِتَابِي هَٰذَا فَأَلْقِهْ إِلَيْهِمْ ثُمَّ تَوَلَّ عَنْهُمْ فَانظُرْ مَاذَا يَرْجِعُونَ ٢٨
📖 Fandikana
Andininy 28
Mandehana ary ento ity taratasiko ity. Avy eo dia atsipazo eo amin’izy ireo izany, ary manaraka izany dia misintaha kely amin’izy reo ianao ka jereo ny valin-tenin’izy ireo.
قَالَتْ يَا أَيُّهَا الْمَلَأُ إِنِّي أُلْقِيَ إِلَيَّ كِتَابٌ كَرِيمٌ ٢٩
📖 Fandikana
Andininy 29
Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Misy taratasy iray mihaja izay natoraka teo amiko.
إِنَّهُ مِن سُلَيْمَانَ وَإِنَّهُ بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَٰنِ الرَّحِيمِ ٣٠
📖 Fandikana
Andininy 30
Tena marina fa avy amin’i Salomona ilay izy. Ary tena misoratra hoe : Amin’ny anaran’I Allah, ilay be fiantrana,Ilay be indrafo.
أَلَّا تَعْلُوا عَلَيَّ وَأْتُونِي مُسْلِمِينَ ٣١
📖 Fandikana
Andininy 31
Aza manambony tena amiko ianareo, koa avia aty amiko amim-panetre-tena tanteraka ianareo.
قَالَتْ يَا أَيُّهَا الْمَلَأُ أَفْتُونِي فِي أَمْرِي مَا كُنتُ قَاطِعَةً أَمْرًا حَتَّىٰ تَشْهَدُونِ ٣٢
📖 Fandikana
Andininy 32
Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Omeo toro-hevitra aho amin’ity raharaha ity, satria tsy hanapa-kevitra mihitsy aho raha tsy eo anatrehanareo.
قَالُوا نَحْنُ أُولُو قُوَّةٍ وَأُولُو بَأْسٍ شَدِيدٍ وَالْأَمْرُ إِلَيْكِ فَانظُرِي مَاذَا تَأْمُرِينَ ٣٣
📖 Fandikana
Andininy 33
Niteny izy ireo (loholona) hoe : manana hery sy tanjaka tsy refesi-mandidy izahay. Fa ny fanapahana kosa dia avy aminao (ry Mpanjaka), koa jereo ary izay baiko tianao hatao (ny fanapahan-kevitra tianao ho raisina).
قَالَتْ إِنَّ الْمُلُوكَ إِذَا دَخَلُوا قَرْيَةً أَفْسَدُوهَا وَجَعَلُوا أَعِزَّةَ أَهْلِهَا أَذِلَّةً ۖ وَكَذَٰلِكَ يَفْعَلُونَ ٣٤
📖 Fandikana
Andininy 34
Niteny izy hoe : tena marina fa raha miditra ny Tanàna iray ireo mpanjaka dia manao asa fanimbana foana, ary hataony afa-baraka ireo mponina manan-kaja ao aminy. Ary dia toy izany mihitsy no fanaon’izy ireo.
وَإِنِّي مُرْسِلَةٌ إِلَيْهِم بِهَدِيَّةٍ فَنَاظِرَةٌ بِمَ يَرْجِعُ الْمُرْسَلُونَ ٣٥
📖 Fandikana
Andininy 35
Ary tena handefa fanomezana ho an’izy ireo aho, ka ho hitako eo izay ho entin’ireo iraka miverina.
فَلَمَّا جَاءَ سُلَيْمَانَ قَالَ أَتُمِدُّونَنِ بِمَالٍ فَمَا آتَانِيَ اللَّهُ خَيْرٌ مِّمَّا آتَاكُم بَلْ أَنتُم بِهَدِيَّتِكُمْ تَفْرَحُونَ ٣٦
📖 Fandikana
Andininy 36
Avy eo, rehefa tonga teto anatrehan’i Salomona (ny iraka), dia niteny izy hoe : moa ve hanampy ahy amin’ny alalan’ny harena ianareo ? Nefa izay nomen’I Allah ahy dia tsara kokoa noho izay nomenareo. Kanefa ianareo dia mifaly amin’ny fanomezanareo.
ارْجِعْ إِلَيْهِمْ فَلَنَأْتِيَنَّهُم بِجُنُودٍ لَّا قِبَلَ لَهُم بِهَا وَلَنُخْرِجَنَّهُم مِّنْهَا أَذِلَّةً وَهُمْ صَاغِرُونَ ٣٧
📖 Fandikana
Andininy 37
Miverena any amin’izy ireo ianao. Ary hamafisinay fa hitondranay miaramila izay tsy ho vitan’izy ireo ny hiatrika izany (hanafika azy ireo izahay), ary ataonay sesi-tany tokoa izy ireo, ho afa-baraka sady ho voaheso (hahatsiaro-tena ho ambany).
قَالَ يَا أَيُّهَا الْمَلَأُ أَيُّكُمْ يَأْتِينِي بِعَرْشِهَا قَبْلَ أَن يَأْتُونِي مُسْلِمِينَ ٣٨
📖 Fandikana
Andininy 38
Niteny izy (Salomona) hoe : Oh ry loholona ! Iza aminareo no hitondra ny seza fiandrianany aty amiko alohan’ny ahatongavan’izy ireo aty amiko ho mpankato (ilay Mpanjaka vavy sy ny vahoakany) ?
قَالَ عِفْرِيتٌ مِّنَ الْجِنِّ أَنَا آتِيكَ بِهِ قَبْلَ أَن تَقُومَ مِن مَّقَامِكَ ۖ وَإِنِّي عَلَيْهِ لَقَوِيٌّ أَمِينٌ ٣٩
📖 Fandikana
Andininy 39
Niteny ny jiny iray izay tena matanjaka hoe : izaho no hitondra azy eo aminao alohan’ny hitsangananao avy eo amin’ny toeranao, ary tena marina fa izaho dia matanjaka sy mendri-pitokisana amin’izany.
قَالَ الَّذِي عِندَهُ عِلْمٌ مِّنَ الْكِتَابِ أَنَا آتِيكَ بِهِ قَبْلَ أَن يَرْتَدَّ إِلَيْكَ طَرْفُكَ ۚ فَلَمَّا رَآهُ مُسْتَقِرًّا عِندَهُ قَالَ هَٰذَا مِن فَضْلِ رَبِّي لِيَبْلُوَنِي أَأَشْكُرُ أَمْ أَكْفُرُ ۖ وَمَن شَكَرَ فَإِنَّمَا يَشْكُرُ لِنَفْسِهِ ۖ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ رَبِّي غَنِيٌّ كَرِيمٌ ٤٠
📖 Fandikana
Andininy 40
Ary niteny ilay (olona) anankiray manana fahalalana momba ny Boky hoe : izaho no hitondra izany aminao alohan’ny hanaovanao ny indray mipi-maso. Ary rehefa hitany fa nipetraka teo akaikiny ilay seza fiandrianana dia niteny izy (Salomona) hoe : fahasoavana avy amin’ny Tompoko tokoa izao, mba hitsapany ahy, na hankasitraka aho na tsy hankasitraka. Ary n'iza n'iza mankasitraka dia manao izany ho tombotsoan’ny tenany ihany. Ary n'iza n'iza tsy mankasitraka dia tena marina fa ny Tompoko dia manana ny ampy sady malala-tànana tokoa.
قَالَ نَكِّرُوا لَهَا عَرْشَهَا نَنظُرْ أَتَهْتَدِي أَمْ تَكُونُ مِنَ الَّذِينَ لَا يَهْتَدُونَ ٤١
📖 Fandikana
Andininy 41
Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana.
فَلَمَّا جَاءَتْ قِيلَ أَهَٰكَذَا عَرْشُكِ ۖ قَالَتْ كَأَنَّهُ هُوَ ۚ وَأُوتِينَا الْعِلْمَ مِن قَبْلِهَا وَكُنَّا مُسْلِمِينَ ٤٢
📖 Fandikana
Andininy 42
Ary rehefa tonga izy (ilay mpanjaka vavy) dia notenenina taminy hoe : moa ve toy izao ny seza fiandriananao ? Namaly izy hoe : toa izy ihany io. Ka niteny i (Salomona) hoe : ary efa nomena anay ny fahalalana teo alohany, ary izahay dia efa nankato an’I Allah.
وَصَدَّهَا مَا كَانَت تَّعْبُدُ مِن دُونِ اللَّهِ ۖ إِنَّهَا كَانَتْ مِن قَوْمٍ كَافِرِينَ ٤٣
📖 Fandikana
Andininy 43
Nefa izay notompoiny ankoatr’I Allah dia nanakana azy satria izy dia anisan’ny vahoaka tsy mpino.
قِيلَ لَهَا ادْخُلِي الصَّرْحَ ۖ فَلَمَّا رَأَتْهُ حَسِبَتْهُ لُجَّةً وَكَشَفَتْ عَن سَاقَيْهَا ۚ قَالَ إِنَّهُ صَرْحٌ مُّمَرَّدٌ مِّن قَوَارِيرَ ۗ قَالَتْ رَبِّ إِنِّي ظَلَمْتُ نَفْسِي وَأَسْلَمْتُ مَعَ سُلَيْمَانَ لِلَّهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ ٤٤
📖 Fandikana
Andininy 44
Notenenina taminy hoe : midirà ao an-dapa ianao, avy eo raha nahita izany izy (ny hatsaran’ny lapa), dia noheveriny fa rano lalina izany, ka nasehony ny ranjony roa, ka niteny izy (Salomona) hoe : io dia lapa vita avy amin’ny gorodona kristaly. Niteny izy (ilay mpanjaka vavy) : Tompo oh ! tena nanambaka ny tenako tokoa aho, ka manetry tena aho miaraka amin’i Salomona ho an’i Allah Tompon’izao tontolo izao.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا إِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمْ صَالِحًا أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ فَإِذَا هُمْ فَرِيقَانِ يَخْتَصِمُونَ ٤٥
📖 Fandikana
Andininy 45
Ary marina tokoa, fa nalefanay tamin'i Thamoda ny rahalain' izy ireo Soaleh (nilaza tamin'izy ireo) : “Manompoa an’I Allah ary indro, fa nizara ho vondron'olona roa izay nifanditra izy ireo”.
قَالَ يَا قَوْمِ لِمَ تَسْتَعْجِلُونَ بِالسَّيِّئَةِ قَبْلَ الْحَسَنَةِ ۖ لَوْلَا تَسْتَغْفِرُونَ اللَّهَ لَعَلَّكُمْ تُرْحَمُونَ ٤٦
📖 Fandikana
Andininy 46
Dia niteny izy hoe : ry vahoakako ! Nahoana no mitady hanafaingana ny ratsy alohan’ny tsara ianareo ? Raha mba mangataka famelan-keloka amin’I Allah ianareo ? Angamba mba ahazo famindram-po ianareo.
قَالُوا اطَّيَّرْنَا بِكَ وَبِمَن مَّعَكَ ۚ قَالَ طَائِرُكُمْ عِندَ اللَّهِ ۖ بَلْ أَنتُمْ قَوْمٌ تُفْتَنُونَ ٤٧
📖 Fandikana
Andininy 47
Niteny izy ireo hoe : izahay dia mahita anao sy ireo izay miaraka aminao, ho mpitondra loza. Niteny izy hoe : ny anjaranareo dia miankina amin’I Allah. Nefa ianareo dia vahoaka mandalo fitsapana tokoa.
وَكَانَ فِي الْمَدِينَةِ تِسْعَةُ رَهْطٍ يُفْسِدُونَ فِي الْأَرْضِ وَلَا يُصْلِحُونَ ٤٨
📖 Fandikana
Andininy 48
Ary nisy andian’olona sivy (9) tao an-tanàna, izay mpanao asa fanimbana teto an-tany ary tsy mba manao asa fanatsarana mihitsy.
قَالُوا تَقَاسَمُوا بِاللَّهِ لَنُبَيِّتَنَّهُ وَأَهْلَهُ ثُمَّ لَنَقُولَنَّ لِوَلِيِّهِ مَا شَهِدْنَا مَهْلِكَ أَهْلِهِ وَإِنَّا لَصَادِقُونَ ٤٩
📖 Fandikana
Andininy 49
Niteny izy ireo hoe : mianiana amin’I Allah izahay fa tena hanafika azy sy ny fianakaviany amin’ny alina. Avy eo dia hiteny tokoa izahay amin’izay omena andraikitra ny hamaly faty azy hoe : izahay dia tsy nahita ny famonoana ny fianakaviany, ary izahay dia olona mpilaza ny marina.
وَمَكَرُوا مَكْرًا وَمَكَرْنَا مَكْرًا وَهُمْ لَا يَشْعُرُونَ ٥٠
📖 Fandikana
Andininy 50
Nanao tetik’ady izy ireo, dia nanao tetik’ady ihany koa Izahay, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa izany.
فَانظُرْ كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ مَكْرِهِمْ أَنَّا دَمَّرْنَاهُمْ وَقَوْمَهُمْ أَجْمَعِينَ ٥١
📖 Fandikana
Andininy 51
Koa jereo ary ahoana no fiafaran’ny tetik’adin’izy ireo : naringanay avokoa izy ireo sy ny vahoakany rehetra.
فَتِلْكَ بُيُوتُهُمْ خَاوِيَةً بِمَا ظَلَمُوا ۗ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَةً لِّقَوْمٍ يَعْلَمُونَ ٥٢
📖 Fandikana
Andininy 52
Indro ary fa ny tranon’izy ireo dia foana nohon'ny fanaovan’izy ireo ny tsy rariny. Marina fa amin’izany dia tena misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mahafantatra.
وَأَنجَيْنَا الَّذِينَ آمَنُوا وَكَانُوا يَتَّقُونَ ٥٣
📖 Fandikana
Andininy 53
Ary navotanay ireo izay nino sy nanam-patahorana.
وَلُوطًا إِذْ قَالَ لِقَوْمِهِ أَتَأْتُونَ الْفَاحِشَةَ وَأَنتُمْ تُبْصِرُونَ ٥٤
📖 Fandikana
Andininy 54
Ary ampahatsiahivo azy ireo mahakasika an’i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : Nirona amin’ny asa vetaveta ve ianareo, nefa ianareo dia olona mahiratra tsara?
أَئِنَّكُمْ لَتَأْتُونَ الرِّجَالَ شَهْوَةً مِّن دُونِ النِّسَاءِ ۚ بَلْ أَنتُمْ قَوْمٌ تَجْهَلُونَ ٥٥
📖 Fandikana
Andininy 55
Ianareo dia tena mandeha amin’ireny lehilahy ireny mba hakanareo fahafinaretana ankoatr’ireo vehivavy, ianareo dia vahoaka tena anatin’ny habadoana tokoa.
۞ فَمَا كَانَ جَوَابَ قَوْمِهِ إِلَّا أَن قَالُوا أَخْرِجُوا آلَ لُوطٍ مِّن قَرْيَتِكُمْ ۖ إِنَّهُمْ أُنَاسٌ يَتَطَهَّرُونَ ٥٦
📖 Fandikana
Andininy 56
Tsy inona no valin-tenin’ny vahoakany afa-tsy hoe : “Roahy hiala amin’ny tanànanareo ny fianakavian’i Lota ! Satria izy ireo dia olona tia manadio tena”.
فَأَنجَيْنَاهُ وَأَهْلَهُ إِلَّا امْرَأَتَهُ قَدَّرْنَاهَا مِنَ الْغَابِرِينَ ٥٧
📖 Fandikana
Andininy 57
Dia navotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay efa nalahatray ho anisan’ireo voaringana.
وَأَمْطَرْنَا عَلَيْهِم مَّطَرًا ۖ فَسَاءَ مَطَرُ الْمُنذَرِينَ ٥٨
📖 Fandikana
Andininy 58
Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oran-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana.
قُلِ الْحَمْدُ لِلَّهِ وَسَلَامٌ عَلَىٰ عِبَادِهِ الَّذِينَ اصْطَفَىٰ ۗ آللَّهُ خَيْرٌ أَمَّا يُشْرِكُونَ ٥٩
📖 Fandikana
Andininy 59
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Dera anie ho an’i Allah, ary fiadanana anie ho amin’ireo mpanompony izay nosafidiany !” Moa ve i Allah no Mendrika indrindra sa ireo izay akamban’izy ireo Aminy ?
أَمَّنْ خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ وَأَنزَلَ لَكُم مِّنَ السَّمَاءِ مَاءً فَأَنبَتْنَا بِهِ حَدَائِقَ ذَاتَ بَهْجَةٍ مَّا كَانَ لَكُمْ أَن تُنبِتُوا شَجَرَهَا ۗ أَإِلَٰهٌ مَّعَ اللَّهِ ۚ بَلْ هُمْ قَوْمٌ يَعْدِلُونَ ٦٠
📖 Fandikana
Andininy 60
Moa ve tsy Izy no Nahary ireo lanitra sy ny tany, ary nampidina ny rano avy any an-danitra ho anareo, ka nampitsirianay avy amin’ny alàlan’izany ireo zaridaina maro mahafinaritra. Tsy nanana fahefana mihitsy ianareo hampitsiry ireo hazony. Ka moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia, nefa izy ireo dia vahoaka mampitovy Azy amin’ny hafa.
أَمَّن جَعَلَ الْأَرْضَ قَرَارًا وَجَعَلَ خِلَالَهَا أَنْهَارًا وَجَعَلَ لَهَا رَوَاسِيَ وَجَعَلَ بَيْنَ الْبَحْرَيْنِ حَاجِزًا ۗ أَإِلَٰهٌ مَّعَ اللَّهِ ۚ بَلْ أَكْثَرُهُمْ لَا يَعْلَمُونَ ٦١
📖 Fandikana
Andininy 61
Moa ve tsy Izy no nanao ny tany ho toeram-ponenana, sy nametraka renirano maro eo anelanelan’izany, nampisy tendrombohitra mafy (mafy orina) maro eo aminy, ary nametraka fefy eo anelanelan’ny ranomasina roa, moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mihitsy !
أَمَّن يُجِيبُ الْمُضْطَرَّ إِذَا دَعَاهُ وَيَكْشِفُ السُّوءَ وَيَجْعَلُكُمْ خُلَفَاءَ الْأَرْضِ ۗ أَإِلَٰهٌ مَّعَ اللَّهِ ۚ قَلِيلًا مَّا تَذَكَّرُونَ ٦٢
📖 Fandikana
Andininy 62
Moa ve tsy Izy no mamaly ny tra-pasahiranana raha miantso Azy, sy manala ny ratsy, ary manao anareo ho taranaka mifandimby eto an-tany, moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Zara raha mahatsiaro ianareo !
أَمَّن يَهْدِيكُمْ فِي ظُلُمَاتِ الْبَرِّ وَالْبَحْرِ وَمَن يُرْسِلُ الرِّيَاحَ بُشْرًا بَيْنَ يَدَيْ رَحْمَتِهِ ۗ أَإِلَٰهٌ مَّعَ اللَّهِ ۚ تَعَالَى اللَّهُ عَمَّا يُشْرِكُونَ ٦٣
📖 Fandikana
Andininy 63
Moa ve tsy Izy no mitari-dalana anareo ao amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina, ary iza no mandefa ireo rivotra ho vaovao mahafaly mialoha ny Famindram-pony (ranon’orana). Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Ambony Lavitra I Allah manoloana izay akamban’izy ireo Aminy.
أَمَّن يَبْدَأُ الْخَلْقَ ثُمَّ يُعِيدُهُ وَمَن يَرْزُقُكُم مِّنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ ۗ أَإِلَٰهٌ مَّعَ اللَّهِ ۚ قُلْ هَاتُوا بُرْهَانَكُمْ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ٦٤
📖 Fandikana
Andininy 64
Moa ve tsy Izy no manomboka ny fahariana , avy eo dia mamerina izany indray, ary iza no manome anareo anjara-pivelomana avy any an-danitra sy eto an-tany. Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Teneno hoe : “Omeo ny porofonareo raha marina ny anareo ?”
قُل لَّا يَعْلَمُ مَن فِي السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ الْغَيْبَ إِلَّا اللَّهُ ۚ وَمَا يَشْعُرُونَ أَيَّانَ يُبْعَثُونَ ٦٥
📖 Fandikana
Andininy 65
Teneno hoe : “Tsy misy mahalala ny miafina, izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, afa-tsy I Allah”. Ary tsy fantatr'izy ireo raha oviana no hananganana azy ireo .
بَلِ ادَّارَكَ عِلْمُهُمْ فِي الْآخِرَةِ ۚ بَلْ هُمْ فِي شَكٍّ مِّنْهَا ۖ بَلْ هُم مِّنْهَا عَمُونَ ٦٦
📖 Fandikana
Andininy 66
Ary feno tanteraka ny fahalalan’izy ireo momba ny fiainana any ankoatra, nefa izy ireo dia mbola miahiahy ihany ny amin’izany. Na mbola jamba amin’izany izy ireo.
وَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا أَإِذَا كُنَّا تُرَابًا وَآبَاؤُنَا أَئِنَّا لَمُخْرَجُونَ ٦٧
📖 Fandikana
Andininy 67
Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Moa ve rehefa lasa vovoka izahay sy ireo razambenay, dia mbola havoaka indray mandeha ?
لَقَدْ وُعِدْنَا هَٰذَا نَحْنُ وَآبَاؤُنَا مِن قَبْلُ إِنْ هَٰذَا إِلَّا أَسَاطِيرُ الْأَوَّلِينَ ٦٨
📖 Fandikana
Andininy 68
Na dia izany aza, efa nampanantenaina izany izahay sy ireo razambenay teo aloha. Tsy inona ary izany fa anganon’ireo ntaolo.
قُلْ سِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَانظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الْمُجْرِمِينَ ٦٩
📖 Fandikana
Andininy 69
Teneno : Mandehana mitety ny tany ianareo ka jereo, ahoana ny fiafaran’ireo mpanao heloka bevava.
وَلَا تَحْزَنْ عَلَيْهِمْ وَلَا تَكُن فِي ضَيْقٍ مِّمَّا يَمْكُرُونَ ٧٠
📖 Fandikana
Andininy 70
Ary aoka ianao tsy alahelo amin’izay ataon’izy ireo, ary aoka ihany koa ianao tsy hitebiteby nohon'ny tetika izay ataon’izy ireo.
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا الْوَعْدُ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ٧١
📖 Fandikana
Andininy 71
Ary hoy izy ireo : “Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?”.
قُلْ عَسَىٰ أَن يَكُونَ رَدِفَ لَكُم بَعْضُ الَّذِي تَسْتَعْجِلُونَ ٧٢
📖 Fandikana
Andininy 72
Teneno hoe : “Raha ny ampahany amin’izay tadiavinareo ho hafainganina,dia tonga ary tsy maintsy hanaraka ianareo“.
وَإِنَّ رَبَّكَ لَذُو فَضْلٍ عَلَى النَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ لَا يَشْكُرُونَ ٧٣
📖 Fandikana
Andininy 73
Marina fa ny Tomponao no tompom-pahasoavana amin’olombelona kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mankasitraka.
وَإِنَّ رَبَّكَ لَيَعْلَمُ مَا تُكِنُّ صُدُورُهُمْ وَمَا يُعْلِنُونَ ٧٤
📖 Fandikana
Andininy 74
Ary marina fa ny Tomponao dia mahalala izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay ahariharin’izy ireo.
وَمَا مِنْ غَائِبَةٍ فِي السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ إِلَّا فِي كِتَابٍ مُّبِينٍ ٧٥
📖 Fandikana
Andininy 75
Ary tsy misy zava-miafina any an-danitra sy eto an-tany ka tsy voarakitra ao anatin’ny Boky mazava.
إِنَّ هَٰذَا الْقُرْآنَ يَقُصُّ عَلَىٰ بَنِي إِسْرَائِيلَ أَكْثَرَ الَّذِي هُمْ فِيهِ يَخْتَلِفُونَ ٧٦
📖 Fandikana
Andininy 76
Marina fa ity Koroany ity dia mitantara mahakasika ireo zanak‘Israely amin’ny amaroan’ireo zavatra izay mampifanolana azy ireo.
وَإِنَّهُ لَهُدًى وَرَحْمَةٌ لِّلْمُؤْمِنِينَ ٧٧
📖 Fandikana
Andininy 77
Ary hamafisina fa izany dia tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo mpino.
إِنَّ رَبَّكَ يَقْضِي بَيْنَهُم بِحُكْمِهِ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْعَلِيمُ ٧٨
📖 Fandikana
Andininy 78
Marina fa ny Tomponao dia hitsara eo amin’izy ireo araka ny lalàny, ary Izy ilay Mahery sy ilay Mahalala ny zava-drehetra.
فَتَوَكَّلْ عَلَى اللَّهِ ۖ إِنَّكَ عَلَى الْحَقِّ الْمُبِينِ ٧٩
📖 Fandikana
Andininy 79
Ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, satria ianao tokoa dia ao anatin’ny fahamarinana miharihary.
إِنَّكَ لَا تُسْمِعُ الْمَوْتَىٰ وَلَا تُسْمِعُ الصُّمَّ الدُّعَاءَ إِذَا وَلَّوْا مُدْبِرِينَ ٨٠
📖 Fandikana
Andininy 80
Ary hamafisina,fa ianao dia tena tsy afaka hampandre ireo maty ary tsy afaka ihany koa hampandre ireo marenina raha mitodi-damosina izy ireo.
وَمَا أَنتَ بِهَادِي الْعُمْيِ عَن ضَلَالَتِهِمْ ۖ إِن تُسْمِعُ إِلَّا مَن يُؤْمِنُ بِآيَاتِنَا فَهُم مُّسْلِمُونَ ٨١
📖 Fandikana
Andininy 81
Ary tsy afaka mihitsy hitari-dalana ireo jamba amin’ny fahaverezana ianao. Ary tsy afaka hampandre afa-tsy ireo izay mino an’ireo fanambaranay no sady manolo-tena tanteraka ho amin’izany ianao.
۞ وَإِذَا وَقَعَ الْقَوْلُ عَلَيْهِمْ أَخْرَجْنَا لَهُمْ دَابَّةً مِّنَ الْأَرْضِ تُكَلِّمُهُمْ أَنَّ النَّاسَ كَانُوا بِآيَاتِنَا لَا يُوقِنُونَ ٨٢
📖 Fandikana
Andininy 82
Ary rehefa mihatra amin’izy ireo ny teny, dia havoakanay hiteny amin’izy ireo ny biby iray lehibe avy amin’ny tany, ka hanao hoe : “Marina fa ny olombelona dia tsy mahatoky tanteraka ireo fanambarananay”.
وَيَوْمَ نَحْشُرُ مِن كُلِّ أُمَّةٍ فَوْجًا مِّمَّن يُكَذِّبُ بِآيَاتِنَا فَهُمْ يُوزَعُونَ ٨٣
📖 Fandikana
Andininy 83
Ary amin’ny andro izay hamorianay avy amin’ny vahoaka, ireo andian’olona izay nilaza fa ho lainga ny fanambaranay dia halahatra tokoa izy ireo.
حَتَّىٰ إِذَا جَاءُوا قَالَ أَكَذَّبْتُم بِآيَاتِي وَلَمْ تُحِيطُوا بِهَا عِلْمًا أَمَّاذَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ٨٤
📖 Fandikana
Andininy 84
Avy eo, rehefa tonga izy ireo dia hiteny (I Allah) hoe : “Moa ve nilaza ireo fanambarako ho lainga ianareo, nefa tsy nanana fahalalana momba izany akory ianareo ? Na koa, inona àry no nataonareo ?“
وَوَقَعَ الْقَوْلُ عَلَيْهِم بِمَا ظَلَمُوا فَهُمْ لَا يَنطِقُونَ ٨٥
📖 Fandikana
Andininy 85
Ary hihatra amin’izy ireo ny Teny nohon'ny tsy rariny izay nataon’izy ireo. Ka tsy afaka hiteny na inona na inona intsony izy ireo.
أَلَمْ يَرَوْا أَنَّا جَعَلْنَا اللَّيْلَ لِيَسْكُنُوا فِيهِ وَالنَّهَارَ مُبْصِرًا ۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ٨٦
📖 Fandikana
Andininy 86
Moa ve tsy hitan’izy ireo tokoa fa Izahay no nanao ny alina mba ahazoan’izy ireo fialan-tsasatra, ary ny andro mba ahafahana mijery ? Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
وَيَوْمَ يُنفَخُ فِي الصُّورِ فَفَزِعَ مَن فِي السَّمَاوَاتِ وَمَن فِي الْأَرْضِ إِلَّا مَن شَاءَ اللَّهُ ۚ وَكُلٌّ أَتَوْهُ دَاخِرِينَ ٨٧
📖 Fandikana
Andininy 87
Ary amin’ny andro izay hitsofana ny Trompetra dia hatahotra daholo izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany afa-tsy ireo izay sitrak’I Allah ! Ary ny rehetra dia ho tonga eo Aminy amim-panetren-tena.
وَتَرَى الْجِبَالَ تَحْسَبُهَا جَامِدَةً وَهِيَ تَمُرُّ مَرَّ السَّحَابِ ۚ صُنْعَ اللَّهِ الَّذِي أَتْقَنَ كُلَّ شَيْءٍ ۚ إِنَّهُ خَبِيرٌ بِمَا تَفْعَلُونَ ٨٨
📖 Fandikana
Andininy 88
Ary hahita ireo tendrombohitra ianao, heverinao fa tsy mihetsika izy ireo nefa dia mandeha tahaka ny fandehan’ny rahona izy ireo. Asan’I Allah no nanao ny zava-drehetra tonga lafatra. Marina tokoa fa Izy Ilay Mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo !
مَن جَاءَ بِالْحَسَنَةِ فَلَهُ خَيْرٌ مِّنْهَا وَهُم مِّن فَزَعٍ يَوْمَئِذٍ آمِنُونَ ٨٩
📖 Fandikana
Andininy 89
Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa noho izany izy, ary amin’izany andro izany, dia ho voaaro amin’ny tahotra izy ireo.
وَمَن جَاءَ بِالسَّيِّئَةِ فَكُبَّتْ وُجُوهُهُمْ فِي النَّارِ هَلْ تُجْزَوْنَ إِلَّا مَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ٩٠
📖 Fandikana
Andininy 90
Ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia ho aondrika ao anatin’ny afo ny tarehin’izy ireo. Moa ve tsy ho valiana ianareo afa-tsy amin’ny asa izay nataonareo ihany ?
إِنَّمَا أُمِرْتُ أَنْ أَعْبُدَ رَبَّ هَٰذِهِ الْبَلْدَةِ الَّذِي حَرَّمَهَا وَلَهُ كُلُّ شَيْءٍ ۖ وَأُمِرْتُ أَنْ أَكُونَ مِنَ الْمُسْلِمِينَ ٩١
📖 Fandikana
Andininy 91
“Tsy nodidiana aho afa-tsy hanompo Ilay Tompon’ity Tanàna ity izay nohamasininy; ary Azy ny zava-drehetra, ary nodidiana aho mba ho anisan’ireo mpanolo-tena (ho an’I Allah /ho mpino Silamo).
وَأَنْ أَتْلُوَ الْقُرْآنَ ۖ فَمَنِ اهْتَدَىٰ فَإِنَّمَا يَهْتَدِي لِنَفْسِهِ ۖ وَمَن ضَلَّ فَقُلْ إِنَّمَا أَنَا مِنَ الْمُنذِرِينَ ٩٢
📖 Fandikana
Andininy 92
Ary ny hamakiako ny Koroany, ka na iza na iza mizotra amin’ny lala-mahitsy dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza no nanary ny tenany kosa dia teneno hoe : ”Izaho dia tsy inona, fa anisan’ireo mpampitandrina ihany”.
وَقُلِ الْحَمْدُ لِلَّهِ سَيُرِيكُمْ آيَاتِهِ فَتَعْرِفُونَهَا ۚ وَمَا رَبُّكَ بِغَافِلٍ عَمَّا تَعْمَلُونَ ٩٣
📖 Fandikana
Andininy 93
Ary mitenena ianao hoe : ”Dera anie ho an’I Allah ! Fa hampahitany ireo famantarany ianareo, ka ho fantatrareo tokoa izany. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana akory amin’izay ataonareo.
Vakio Surah An-Naml Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers

