An-Naml · 41/93
Fandikana Fanononana — Surah An-Naml
قَالَ نَكِّرُوا لَهَا عَرْشَهَا نَنظُرْ أَتَهْتَدِي أَمْ تَكُونُ مِنَ الَّذِينَ لَا يَهْتَدُونَ ۝٤١
Qaala nakkiroo lahaa `arshahaa nanzur atahtadeee am takoonu minal lazeena laa yahtadoon
📖 Dikany Malagasy
Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 39-43 — Surah An-Naml

39قَالَ عِفْرِيتٌ مِّنَ الْجِنِّ أَنَا آتِيكَ بِهِ قَبْلَ أَن تَقُومَ مِن مَّقَامِكَ ۖ وَإِنِّي عَلَيْهِ لَقَوِيٌّ أَمِينٌ
Niteny ny jiny iray izay tena matanjaka hoe : izaho no hitondra azy eo aminao alohan’ny hitsangananao avy eo amin’ny toeranao, ary tena marina fa izaho dia matanjaka sy mendri-pitokisana amin’izany.
40قَالَ الَّذِي عِندَهُ عِلْمٌ مِّنَ الْكِتَابِ أَنَا آتِيكَ بِهِ قَبْلَ أَن يَرْتَدَّ إِلَيْكَ طَرْفُكَ ۚ فَلَمَّا رَآهُ مُسْتَقِرًّا عِندَهُ قَالَ هَٰذَا مِن فَضْلِ رَبِّي لِيَبْلُوَنِي أَأَشْكُرُ أَمْ أَكْفُرُ ۖ وَمَن شَكَرَ فَإِنَّمَا يَشْكُرُ لِنَفْسِهِ ۖ وَمَن كَفَرَ فَإِنَّ رَبِّي غَنِيٌّ كَرِيمٌ
Ary niteny ilay (olona) anankiray manana fahalalana momba ny Boky hoe : izaho no hitondra izany aminao alohan’ny hanaovanao ny indray mipi-maso. Ary rehefa hitany fa nipetraka teo akaikiny ilay seza fiandrianana dia niteny izy (Salomona) hoe : fahasoavana avy amin’ny Tompoko tokoa izao, mba hitsapany ahy, na hankasitraka aho na tsy hankasitraka. Ary n'iza n'iza mankasitraka dia manao izany ho tombotsoan’ny tenany ihany. Ary n'iza n'iza tsy mankasitraka dia tena marina fa ny Tompoko dia manana ny ampy sady malala-tànana tokoa.
41قَالَ نَكِّرُوا لَهَا عَرْشَهَا نَنظُرْ أَتَهْتَدِي أَمْ تَكُونُ مِنَ الَّذِينَ لَا يَهْتَدُونَ
Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana.
42فَلَمَّا جَاءَتْ قِيلَ أَهَٰكَذَا عَرْشُكِ ۖ قَالَتْ كَأَنَّهُ هُوَ ۚ وَأُوتِينَا الْعِلْمَ مِن قَبْلِهَا وَكُنَّا مُسْلِمِينَ
Ary rehefa tonga izy (ilay mpanjaka vavy) dia notenenina taminy hoe : moa ve toy izao ny seza fiandriananao ? Namaly izy hoe : toa izy ihany io. Ka niteny i (Salomona) hoe : ary efa nomena anay ny fahalalana teo alohany, ary izahay dia efa nankato an’I Allah.
43وَصَدَّهَا مَا كَانَت تَّعْبُدُ مِن دُونِ اللَّهِ ۖ إِنَّهَا كَانَتْ مِن قَوْمٍ كَافِرِينَ
Nefa izay notompoiny ankoatr’I Allah dia nanakana azy satria izy dia anisan’ny vahoaka tsy mpino.
An-NamlFizahan-takila Koraña
93Andininy
MeccanRevelation
41Andininy

Fandikana — An-Naml 41

Surah An-Naml Andininy 41 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy…

Surah Andininy 41/93 — Surah An-Naml النمل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Naml Henoy, Surah An-Naml Fandikana, Surah An-Naml mp3, Surah An-Naml pdf. Andininy 39–43. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers